Tao anatin’ny telo andro (21 febroary – 23 febroary). Nahatontosa fampisehoana an-tsehatra miisa dimy teto an-dRenivohitra sy ny manodidina akaiky ny tarika Todoroki&Kouka avy any Japon. Seho tafiditra amin’ny fandaharam-potoana fitetezana an’i Afrika tanterahin-dry zareo amin’ity taona 2025 ity.
Anisan’ny nampahafantaran’izy ireo tamin’izany ny fifamatoran’ny tontolon’ny mozika sy ny soratra. Ny amponga sy ny sodina tsofina mitsivalana izay ananan-dry zareo fahaizana manokana ny mampiaraka azy no nampiasain’i Shingo sy Koji Kishida tamin’izany.
Tany amin’ireo toerana rehetra nalehan’ny Todoroki &Kouka, tonga maro ny mpijery. Tao ireo mpanakanto malagasy efa manana ny lazany. Fa tsy vitsy ihany koa ireo nangetaheta te hahafantatra ny kolontsaina sy ny zavakanto japoney izay tsy mifanalavitra loatra amin’ny tazana eto Madagasikara.
« Somary fohy ihany ny fotoana nandalovanay eto Madagasikara. Azo lazaina ho indray mipimaso aza, satria maro ny zavatra na ny kanto tokony hifanakalozana. Nisy ny fiarahana tamin’ny mpanakanto malagasy manana ny maha izy azy tahaka an’i Dama. Nahaliana be anay izany. Ny feon-kira nalina tamin’ny « Sakura » (hira japoney), ny tonony tamin’ny teny malagasy », hoy i Koki Kishida, nitsoka ny « flûte traversière » na ilay sodina tsofina misompirana tahaka ny sodina hita eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto
Manana kolontsaina sy zavakanto tsy tambo isaina ny Malagasy. Nisy ihany anefa vanim-potoana « nampilentika » azy ireny. Notadiavina ny very, saingy, izay kely hita, nomena ny todi-damosina. Ny maro voatazona, anefa, hafahafa fivoaka !
Hira, tsy misy manana ny ananan’i Madagasikara. Fomba amam-panao, miova isaky ny 50km. Ny teny ibeazana, tsy tambo isaina ampiasaina isam-paritra, sns. Na maro tahaka izany aza ny kolontsaina sy ny zavakanto misy eto. Tsy misy lanjany manoloana ny tompony. Mbola mila beazina ny Malagasy. Lehibe indrindra amin’izany ny fampahafantarana fa azy ireny kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao ireny. Noho izany, mila omeny hasina. Mila iainana fa tsy terena ankolaka na mivantana ho vakoka.
Mozika klasika efa tany amin’ny taona 1700, mbola tian’ny vahiny miaina amin’izao, satria, fantany tsara fa azy. Hainy tsara fa manana fiantraikany amin’ny fiainany ny fihainoana izany… Ny an’ny Malagasy, hira tamin’ny taona 1956, raha vantany vao henon’ny sofiny : «hiran’antitra izany» ! Satria, difotry ny lainga sy ny atsanga tsy aman’orana ny Malagasy ka nino avy hatrany fa sokajiana araka ny taona nipoirany ny hira.
Nahazo soa maro raha nahay…
Raha nitohy, anefa, ny fanabeazana ny Malagasy momba ny hira. Fantany sy niainany tsara fa mirakitra zava-panahy goavana be io zavakanto iray io. Hainy tsara fa tsy natao ho fampandihizana fitombenana ny hira. Notanterahiny niaraka tamin’ny hira ny fangatahana amin-Janahary izay hahasoa ny fiarahamonina misy azy, sns. Raha mitohy ny fahaizan’ny Malagasy ny hasin’ny teny. Mbola afaka tsara nitafa tamin’ireo fanahy hafa ankoatra ny azy izy. Mbola afaka nifehy zavaboahary maro (tany, biby, hazo, rano…) ihany koa.
… Izao vanim-potoana izao no mila hanehoana fa manana ny kolontsainy sy ny zavakantony ary ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Io fahitana io no tsy ampy amin’ny taranaka ankehitriny ka mahatonga azy ireo hanao rapadango ny an’ny vahiny.
HaRy Razafindrakoto
Hojerena ny fomba hanatsarana ny seha-pihariana lamba sy akanjo eto Madagasikara. Eo koa ny fitsipika vaovao apetraky ny vondrona eoropeanina sy ny vondrona britanika. Tanjona ny hiantohana ny tontolo iainana sy sosialy sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny orinasa eto an-toerana.
Nampahafantatra ireo fepetra vaovao eny anivon’ny ladoany ny antenimieran’ny indostria sy ny varotra eto Antananarivo (CCIA) sy ny tomponandraikitry ny fadintseranana malagasy (DGD). Hetsika mahakasika mivantana ireo mpandraharaha sy tompona orinasa. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mpandraharaha ireo fepetra vaovao ireo.
Hampahafantarina ny alarobia izao, ny fanovana mahakasika ny hetra entin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025. Handray anjara mivantana amin’izany ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra. Hetsika atao eny Antaninarenina iarahana amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PMI/PME). Maimaimpoana ny fandraisan’anjara amin’ny hetsika.
Tandindomin-doza ny velaran-tany 200 ha amin’ny fambolen-bary ao Ambohitanilava-Ambohikely kaominina Tanambe, distrika Amparafaravola taorian’ny rotsakorana nifanesy. Vaky ny fefiloha ao an-toerana, antony nitondran’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana fanampiana sy fampitaovana hisorohana ny loza mety hiseho. Marihina fa fototry ny famokaram-bary ny faritra Alaotra.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Arena Sport Toamasina, ny hetsika “Tanora mandrafitra ny hoavy (TMH)”, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nandritra ny lahatenin’ny minisitra MJS, Marson Moustapha Abdulah, nanentana ireo tanora tsy ankanavaka izy mba havitrika amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika misy eto Madagasikara.
Araka ny vaovao voaray omaly, nahatratra 300 isa teo ireo tanora tonga nanatrika ity lanonana ity teny an-toerana. Tsiahivina fa tanjona amin’ity tetikasa ity, ny hampiofanana ireo zatovo, lahy sy vavy, hanana fahaleovan-tena arakasa sy hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana.
Marihina fa natao hanomanana ny fihaonamben’ny tanora afrikanina “Youth Connekt Africa Summit 2025” izay hotanterahina eto Madagasikara, ny volana novambra ho avy io, ity hetsika TMH ity. Ankoatra izay, nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, ny minisitra MJS, amin’ny finiavana lehibe izay ataony ho fanohanana ireo tanora malagasy.
Fitia Randria
Miantso fifampidinihana momba ny fanaparitahana ny voly vary safiotra ny MMM. Tsy manohitra ny fanatsarana ny masomboly anefa izy ireo.
Mbola nampahatsiahy ny antso efa nataony. “Miantso izahay ny tokony hisian’ny fandinihana lalina momba ny voly vary safiotra na ny “Riz hybride”. Mikasa ny hanaparitaka izany eto Madagasikara ny fitondram-panjakana”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Nohitsiny fa tokony hisy ny fifampidinihana ho amin’ny fakan-kevitra amin’ireo tantsaha sy ny Malagasy manam-pahaizana, manoloana izany.
Nanteriny fa tsy manohitra velively ny fanatsarana masomboly izy ireo. “Tokony hojerena kosa ireo fikarohana maro samihafa efa natao sy ny traikefa efa ananantsika Malagasy mba tsy hiteraka fahasahiranana hafa indray”, hoy izy.
Tsiahivina fa vao avy nihaona tamin’ireo mpikambana MMM any Eoropa sy ny fikambanana Soa i Madagasikara ny filoha nasionalin’ny MMM. Nifampizara sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo ny tenany manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Voaresaka ny fananana harena eo an-tananan’olom-bitsy nefa ny mponina miaina anatin’ny fahantrana lalina tanteraka. Eo koa ny tsy fanajana ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana… “Tena tsy azo ekena intsony izany rehetra izany”, hoy izy ireo. Voatanisa amin’izany ny fisamborana ireo nitaky ny rariny sy ny zony manoloana ny fivadihan’ny voka-pifidianana tany Vatomandry sy Antsiranana ary koa ny kaominina hafa. “Rahoviana no hosamborina ireo nangala-bato sy namadika voka-pifidianana… Takinay ny hamotsorana ireo mahery fo sahy nijoro sy niady ho an’ny tany tan-dalàna nefa nosamborina”, hoy izy ireo.
Synèse R.
Tanterahina mandritra ny roa andro, any Casablanca Maroc, ny “African Leadership Persons of the Year Awards (POTY 2024)”. Hetsika iarahan’ireo tomponandraikitra manerana an’i Afrika mahakasika ny fampiraisam-paritra sy fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana. Mitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.
Mafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Japon amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mamatsy vola ireo tetikasa goavana eto amintsika, toa an’Ambatovy sy Tatom ary ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny japoney. Tetikasa izay vinavinaina ho vita amin’ny taona 2026.
Nampahafantarina ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny MPME ny momba ny Irsa. Fizarana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra (DGI). Tanjona ny hahazoan’izy ireo fahalalana bebe kokoa mahakasika ny tontolon’ny hetra.
Vonona hihaino sy handray ireo fanatsarana entina amin’ny seha-pihariana lavanila ny MIC. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpisehatra samihafa tany amin’ny faritra Sava ny minisitra. Voaresaka ny fomba hanatsarana ny fari-piainanan’izy ireo, mba hahazoan’ny tsirairay tombontsoa ao anatin’ny lalam-pihariana.
Handray anjara amin’ny final regional, fifaninana “Huawei ICT Competition andiany faha-sivy”, ny 27 febroary izao i Madagasikara. Sivy mianadahy ireo handrafitra ny ekipam-pirenena izay hifanandrina amin’ireo firenena 13 hafa. Handray ny lokany any Johannesbourg, ny volana avrily, sy miomana amin’ny dingana farany, «Global final» atao any Shenzhen-Sina, ny volana mey, kosa izy ireo, raha toa ka tafakatra amin’izany «Miisa telo ny track handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana dia ny Cloud, Network ary Computing», hoy ny tomponandraikitry ny Huawei aty Afrika tapany atsimo, Botoale Quesiah, omaly.
Atao ana habaka ka hamonjy ny biraon’ny Huawei eny Ivandry izy 9 mianadahy mandritra ny dingan’ny final regional, ity farany izay atao amin’ny teny anglisy manontolo.
Tombony
Fandraisana anjara fahefatra amin’ny fifaninanana “Huawei ICT Competition” ity ataon’i Madagasikara ity. Efa nahazo loka iraisam-pirenena isika ny taona 2023 ary laharana faharoa tamin’ny Global final, tamin’ny taon-dasa. Miavaka hatrany ny Malagasy noho izy ireo havanana amin’ny fampiasana ny fitaovana tranainy sy manan-talenta amin’ny fikirakirana ireo teknolojia vaovao.
Ankoatra izay, “miara-miasa hatrany amin’ireo Oniversite ny Huawei amin’ny fampitaovana ny mpianatra. Manampy ihany koa amin’ny fidiran’ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny asa”, hoy ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani
Nanomboka ny talata 18 febroary teo ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN54. Lalana mirefy 8 km miainga ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatrany amin’ny seranam- piaramanidina Amborovy. Asa natao voalohany ny fandrangotana ny arabe, mitohy any amin’ny fandravonana sy ny asa samihafa, miafara amin’ny fandrakofana godirao.
Ho vita mialoha ny tapaky ny volana marsa 2025 ny asa rehetra amin’ity ampahan-dalana RN54 ity. Miainga eo amin’ny Jirama Amboboka, mandalo ny fivarotan-tsolika Galana Tsaramandroso, ny tranobe « rihana 5 » hatrany amin’ny sampanan-dalana « Mazava Huile ».
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasa sy ny kalitaon’ny lalana, hanamorana ny fifamoivoizana mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fonds routiers) ny vola hanaovana ny asa. Hitondra fampandrosoana any amin’ny faritra Boeny rahateo izao fanamboaran-dalana izao.
Tsiahivana fa tara ihany ny fanombohan’ity asa ity, izay tokony ho efa natao tamin’ny taona 2023.
Njaka A.