Fampiroboroboana ny vakiboky : Nanome boky 490 baoritra i La Réunion

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:52

Ny boky loharanom-pahalalana. Ho fanohizana ny ezaka efa natomboka ela amin’ny fampiroboroboana ny vakiboky eto Madagasikara, nisy ny antso natao tamin’ireo mety ho mpiara-miombon’antoka. Nivaly sahady izany, satria tonga eto Mada­ga­sikara, ny solontenan’ny As­sociation pour la promotion des initiatives citoyennes na ny Apic, miaraka amin’ny Médiathèque avy ao amin’ny kaominina Tampon, ao La Réunion, nanolotra boky 490 baoritra. Noraisin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, ny fanomezana. Boky hampiasain’ireo tanora malagasy te handalina bebe kokoa ireo, satria misy karazany sy lohahevitra maro. Misy ny hipetraka ho an’ny Tranombokim-pirenena, fa ny ankamaroany kosa dia hozaraina amin’ireo tranombokin’ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, izay efa misy 7 izao no miasa.
Fanombohany sady fanamafisana ny fiaraha-miasa misy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao, raha ny fanazavana nandritra ny fandraisam-pitenenana. Antenaina hitohy amina sehatra maro, indrindra ny mahakasika ny fifanakalozana ara-javakanto sy kolontsaina, satria misy tantara mampifaningotra i Madagasikara sy La Réunion, ankoatra ny maha samy Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nampa­nantena rahateo ireo vahiny avy ao amin’ny Apic, fa efa mitily sahady ny tohin’izao hetsika izao, indrindra ny eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny vakiboky.

Zo ny Aina

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:52

Miantso ireo manan-talenta ao Antsirabe ny « Fest’Iray », na ny « Festival de l’écologie ». Hisy ny « casting » hitiliana ireo mpanakanto handray anjara, izay hotontosaina ny 21 sy 22 jona izao, ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Misokatra ho an’ireo mpanao mozika, vakodrazana, sary hosodoko, dihy, sns, izany.
Nivoaka ny datin’ny « Manal’Azy vita bacc ». Ny zoma 24 jolay izao no hotanterahina izany, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fantatra ihany koa fa hiverina ao Antsahamanitra ity seho manan-tantara fanaon’ny Olombelo Ricky isan-taona, ity. Mbola anatin’ny fitetezam-pirenena any ivelany ny tarika amin’izao fotoana izao.
Ho tazana anaty « cabaret » ry Rakoto Frah junior. Mety tsy mahazatra, kanefa efa fanaon’ny tarika ary be mpankafy hatrany izany. Hitondra ny vakodrazana mivoatra etsy amin’ny Chez Baba Isoraka izy ireo, ny zoma 20 jona izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina.
Handray anjara amin’ny hetsika « Sen­ti­mental » ihany koa i Mirado. Hisy ny takariva an-kira ivoizany ny « Iray ihany izao sy ianao », rahampitso zoma 20 jona, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Kanto marolafy no mifaningotra mandritra ity hetsika ity.

Catégories: National

Fiverenana amin’ny fototra: Lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:51

Marina, tsy mba nampiasa fanafody na ody nandalo labôratoara na toeram-panandramana ny Malagasy. Nahafehy tranga maro momba ny fitsaboana kosa izy noho ny fananany zavaboahary maro sy traikefa nifandimby. Mbola misy rahateo ireo mahatazona izany, satria, nanana raiamandreny sy vatonamelankafatra hendry sy nahavita adidy.
Ankehitriny, lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy, satria, miezaka miverina amin’ny fototra, hono. Tranga tsy ratsy, saingy, mila fitandremana fatratra. Tanora tsy nifampikasoka sy tsy nifandray tamin’ny zavaboahary no milaza fa mpitsabo amin’ny alalan’ny raokandro? Manaraka sy manaiky izay ataony sy lazainy ny Malagasy sasany.
Nahay nitsabo tokoa ny Malagasy fahiny. Tsy ny rehetra, anefa, no « nandova » izany na mahay izany fa maro ireo manao kitsapatsapa sy kiandranandrana. Noho izany, mila omena hery sy tanjaka hatrany ireo raiamandreny, ireo mahay mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro, mba hahafahan’izy ireo mampita ireo fahalalana ananany. Mila mianatra ihany koa ny tanora sy izay te hitsabo amin’ny raokandro mba hampanan-kasina azy sy ny zavatra ataony.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Fetim-pirenena fahiny : Nomen-danja ny kolontsaina malagasy

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:51

26 jona 1960, nanomboka teo ny lanonana ho famalifaliana ny Malagasy. Mbola ny vahiny no nandrindra ny hetsika tamin’ny ankapobeny. Na izany aza, nomen-danja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.

26 jona 1960, noho ny lamina nifanarahan’ireo firenena lehibe mpanjanaka. Naverin’ny Frantsay tamin’i Madaga­sikara ny fahaleovantena efa nananany teo aloha. Nanom­boka teo, nampifaliana tamina lanonana sy fety ny Malagasy. Nisongadina isaky ny kianja malalaka nanerana ny Nosy ny « podium ». Samy nikarakara ny azy ny isam-paritany. Nanampy sy nanohana ny taty amin’ny fitondrana foibe, raha nilaina.
Niezaka nampifalifaly ny Malagasy ny mpitondra tamin’izany. Fantatra mazava tamin’izany fa mbola ny vahiny no tao ambadiky ny mpitondra tamin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny isan-tse­hatra. ..Nisongadina kosa, anefa, fa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy no nomen-dry zareo hasina sy lanja lehibe indrindra isaky ny fanamarihana ny 26 jona.
Ho an’ny teto an-dRe­nivohitra sy ny manodidina. Nisongadina ny kermesy izay nahitana karazana fifaninanana kolontsaina sy zavakanto maro. Tao ny vakodrazana, ny dihy malagasy, ny hiragasy, ny fiakarana hazo malama, fifaninanana fanorona, sns.
Taty aoriana, na naverina aza ilay anarana « podium », niova tsikelikely ny zava-nisy. Nandritra ny Repoblika voalohany, nisongadina fatratra io fanajana sy fanomezan-kasina ary lanja ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy isaky ny 26 jona io… Taona 1975, na­nomboka tazana tao anatin’ny «Fetim-pire­nena Ma­la­gasy» ny zavakanto sy kolontsaina kaominista, toy ny «mi­ta­be» … Nanomboka na­tao an-jorombala ireo zavakanto malagasy… Nandeha ny fotoana, niova izany ka ireo mpanakanto malagasy mpanindraindra ny zavakanto sy ny kolontsaina vahiny izao indray no omena laka. Tsy hita intsony ireo karazam-pifaninanana sa­mihafa… Ho an’ny mpanadihady momba ny fiarahamonina, mbola hiova endrika « hono » izy io any aoriana any!

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Célébration des 10 ans d’existence de « Lehilahy midera »: de la scène à l’écran au Temple Ambatonakanga

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:37

«Eo An-tanako», tel est l’intitulé d’un événement qui se tiendra ce dimanche à 15 heures au temple FJKM Tranovato Ambatonakanga, dans le cadre de la célébration, d’une part, des 25 ans d’existence de la branche Hommes chrétiens (SLK) et d’autre part, des 10 ans du «Lehilahy midera» (chœur d’hommes). Au programme, projection d’un film documentaire sur l’histoire du temple et un concert inédit de Lehilahy midera.
Jacques Ramanamirija, le chef de chœur de Lehilahy Midera vient de sortir un film documentaire qui retrace respectivement le début de l’église chrétienne à Madagascar, la période de persécution des chrétiens et enfin, la construction des édifices commémoratifs des martyrs malgache de l’époque. «Ce film dure 15 minutes environ. Durant la première partie du concert, nous allons alterner des extraits du film et des titres composés par Lehilahy Midera», explique-t-il. Des titres comme «Jesoa Mpanavotra» de David Ramasindraibe ou encore «Fenoy ny fitiavanao» de J. Ramanamirija et bien d’autres seront aussi fredonnés pour l’occasion. «Notre objectif est de faire connaitre l’histoire de ce mo­nument classé patrimoine culturel de Madagascar en 1962, pour améliorer le sentiment d’appartenance des citoyens contemporains», ajoute-t-il.
Durant la deuxième partie du concert, Lehilahy Midera revisitera quelques chants évangéliques malgaches comme «Ho Vatolam­piko Ianao» de Mamy Nana­hary ou encore «Fiainana Mandra­kizay» de Ndriana Rama­mon­jy, ainsi que des titres standards in­ternationaux à l’instar de «Ancient Words» de Lynn Deshazo, «He Is Exal­ted» de Twila Paris, que le groupe a traduit en malgache pour ainsi devenir «Fa­ne­ke­na Talo­ha» et «Asandratra Izy».

Holy Danielle

Catégories: National

160e Concert Classique de Midi : le Kalon’ny fahiny mis à l’honneur

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:37

La musique malgache d’antan, résonnera de plus belle, ce 24 juin à la Cité des Cultures Antaninarenina, le temps d’une parenthèse culturelle, à l’occasion du 160e Concert classique de Midi organisé par Madagascar Mozarteum.
Et cette édition spéciale qui s’inscrit dans le cadre de la Fête de la musique et de la Fête nationale, mettra en scène le groupe Ny Feon’Analamanga, avec un répertoire riche, composé de titres intemporels tels que Analamanga, Oh Ralila, Dobla Sento, Sovenira ou encore Fitia Vao Mitsiry. Ces morceaux constituent au fil du temps, un véritable patrimoine musical malgache.
“L’une des grandes forces de Ny Feon’Anala­manga, réside dans sa composition, le groupe est composé de musiciens chevronnés et de jeunes talents prometteurs, illustrant une dynamique de transmission vivante. Ensemble, ils insufflent une nouvelle énergie aux morceaux tout en restant fidèles à leur essence”, rapporte un communiqué.
Pour les amateurs de musique traditionnelle malgache, Ny Feon’Analamanga est une référence incontournable. Il a célébré son 10e anniversaire en décembre 2024.

Joachin Michaël

Catégories: National

Route Tsarasaotra – Ivato: la première partie sera achevée en fin de semaine

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:36

« Les travaux d’élargissement de la route Tsarasaotra – Ivat, d’une longueur de 11 km, avancent. La première partie sur tronçon de 2 km environ, partant du village Lac Iarivo à la déviation menant à Am­batolampy Tsimahafotsy, sera achevé d’ici la fin de cette semaine », a déclaré hier le ministre des Travaux publics, Richard Rafidison, lors d’une visite de chantier.
Selon lui, les consignes du président de la Ré­publique, Andry Rajoelina, sont claires, Ces travaux devraient être bouclés rapidement, pour permettre le lancement des feux d’artifices dans le cadre de la célébration de la fête nationale, au niveau du Lac Iarivo.
« Ce projet facilitera la circulation menant vers l’aéroport d’Ivato et le déplacement des habitants», a fait savoir Richard Rafidison.
Le ministre et son équipe ont également passé en revue l’avancement des travaux de l’autoroute Antana­narivo – Toamasina, notamment sur le tronçon partant du Lac Iarivo à Ambo­himanga. Les travaux sont en cours, mais de nombreuses étapes restent à franchir avant son achèvement complet. La plupart des infrastructures hydrauliques de ce tronçon sont terminées et le revêtement final des 9 premiers kilomètres devrait débuter prochainement.

Jean Riana

Catégories: National

Marché du ciment: Alpha Ciment mise sur la production locale pour faire baisser les prix

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:36

A Madagascar, “Réduire les prix du ciment, est tout à fait possible”, affirme Vincent Blanchet, directeur général d’Alpha Ciment. L’entreprise, qui détient près de 45 % du marché, croit fermement en la capacité de production locale pour faire baisser le prix.

L’usine d’Ibity, fondée en 1985, a triplé sa capacité en 40 ans. Une nouvelle ligne de production avait été annoncée en 2022, mais le projet a été freiné par le rachat d’Alpha Ciment – ex-Cementis – en 2023. Malgré cela, l’entreprise continue à investir.
En 2024, la consommation nationale de ciment s’élève à 1,2 million de tonnes. Alpha Ciment produit environ 550.000 tonnes par an. Son usine d’Ibity, près d’Antsirabe, est la seule cimenterie intégrée du pays, capable de transformer la roche en clinker puis en ciment.
Et sa capacité théorique est de 180.000 tonnes, mais les aléas techniques et énergétiques la limitent plutôt à 150.000 tonnes. Les deux autres unités, à Toamasina et Tanjombato (Antana­na­rivo), sont des usines de mélange qui complètent la production : 300.000 tonnes pour Toamasina et 100.000 tonnes pour Tanjombato.

Les enjeux de la production locale
Selon Vincent Blanchet, la production locale est la clé pour faire baisser les prix. Le ciment importé coûte aujourd’hui environ 70 dollars la tonne hors taxes et transport. Or, Madagascar est un vaste pays, et l’acheminement jusqu’aux zones de consommation est fortement influencé par le prix du carburant, en hausse constante depuis 2022.
La production locale est également confrontée à des coûts élevés, notamment le charbon, principal poste de dépense, qui représente 40 à 50 % du coût de fabrication. Pour réduire ces charges, Alpha Ciment envisage des solutions technologiques plus économes en énergie et une augmentation des volumes produits.
Le prix actuel du sac de 50 kg est d’environ 40.000 ariary. “Il pourrait baisser à l’avenir, mais pas immédiatement”, prévient Vincent Blanchet. “Construire une nouvelle usine prend du temps, entre deux et trois ans.” Il ajoute que “il n’y aurait aucun sens à investir massivement si nous n’étions pas convaincus d’obtenir un avantage concurrentiel.”

Arh.

Catégories: National

Eco brèves

Les Nouvelles - jeu, 06/19/2025 - 07:35

Madagascar accueillera les 30 juin et 1er juillet, la réunion annuelle du Comité de Pilotage de l’Afritac Sud et de l’Africa Training Institute (ATI), deux centres régionaux du FMI. Organisé avec le ministère de l’Economie et des Finances (MEF), l’évènement se fixe un triple objectif : dresser le bilan de l’année, planifier les prochaines formations et renforcer la coopération régionale. Cette rencontre s’inscrit dans l’initiative «Assistance et formation du FMI en Afrique». Elle réunira des représentants des pays membres, des responsables du FMI, des bailleurs de fonds et des partenaires techniques.

Catégories: National

AMBARAO JUIN 2025

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 14:42

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 18 06 2025 )

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 07:41

Catégories: National

Razanamahefa Tiana Jinah : Maniry ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 07:40

Nifarana ny alahady teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Ru­gby. Ani­san’ireo ve­hivavy­mal­a­gasy mpi­­lalao na­naovana fanadihadiana tamin’izany, Raza­nama­hefa Tia­na Jinah.

Mpilalao miavaka sy sariaka ary misongadina amin’ny hafainganam-pandeha Raza­na­mahefa Tiana Jinah, na i Jinah, vehivavy mpilalao rugby. 25 taona ny tenany, amin’izao fotoana izao, ary manam-paniriana ny ho lasa lavitra amin’ity taranja ity izy. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly, niresahana manokana ny momba azy sy ny faniriany rehetra.

Gazety Taratra (*) : Iza moa i Jinah ?

Razanamahefa Tiana Jinah (-) : Razanamahefa Tiana Jinah no tena anarako, ary mipetraka aty Besarety aho. Zanan-dRazafimahefa Tiana Justin sy Ravaomalala Claire. 25 taona aho ankehitriny, ary manan-janaka vavy iray. Ao amin’ny klioban’ny SCB Besarety ny tenako no milalao.

* Nanomboka oviana ianao no nilalao rugby, ary efa nofinao hatramin’izay ve ilay hilalao an’ity taranja ity?
– Fony aho mbola kely no nilalao ny taranja Rugby. Tsy nofy ilay nilalao ity taranja ity ho ahy fa efa tahaka ny hoe lova avy amin’ny ray aman-dreny izy io. Milalao baolina lavalava sy mankafy izany avokoa ny fianakavianay rehetra.

* Inona no tena fanirianao any aoriana any ?
– Manam-paniriana ny ho lasa mpilalao matihanina any ivelany aho ary mbola mipetraka foana izay faniriako izay hatramin’izao. Miezaka mafy hatrany aho mba hanatrarana io tanjona io, na dia mbola sarotra aza izany eto amintsika.

* Tahaka ny ahoana ny fiainan’ny atleta vehivavy efa manan-janaka izany ?
– Tsy dia sarotra, satria mbola eo i Mama sy i Zokivavy, ary manohana hatrany izy ireo. Misy fotoana sarotra ihany. Marihiko fa tsy mbola miasa ny tenako.

*Anisan’ny mpilalao niatrika ny Can farany teo ianao, nanao ahoana ny niainanao izany fifaninanana izany ?
– Somary sarotra ihany izany tamin’ity, satria tsy ampy ny fanomanana ara-batana. Ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka ireny mantsy, tsy mitovy amin’ilay fanomanana anaty klioba. Hita sy tsapa eny ambony kianja izany.

* Ankoatra ny manao Rugby, inona ny fialambolinao, ary inona ny taranja hafa hataonao ?

- Fialamboliko iray tena tiako indrindra, ny milalao miaraka amin’ny zanako. Misy taranja ara-panatanjahantena hafa voafehiko, saingy tsy manao fotsiny aho.

* Hafatra ho an’ireo tanora ankehitriny, ?

– Ny hafatra avy aty amiko, dia izao : tohizo hatrany ny fanatanjahantena, ho an’ireo efa misehatra amin’izany. Asio tanjona iray izany. Singa lehibe tsy afaka miala amin’ity fanatanjahantena ity ny resaka fifandraisana, ka tsara raha mianatra tenim-pirenena ia­nao. Tena ilaina be mihitsy izy io rehefa eto Mada­gasikara. Aza simbaina amin’ny zava-mahadomelina ny va­tana fa kolokoloy tsara ary manaova fanatanjahantena hatrany.
Tsiahivina fa efa manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny Rugby, i Jinah, ary ny taona 2018 izy, nanomboka nandrafitra ny ekipam-pirenena Makis Ladies. Anisan’ireo niatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena WXV III, tany Dubai, farany teo, ity vehivavy kalazan’ny Rugby Malagasy ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 07:37

Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andonirina Max Fontaine.

Miakatra tsikelikely ny vidin’ny enta-madinika eny an-tsena amin’izao. Ankehitriny, lasa 8 900 ny litatry ny menaka eny amin’ireo mpamongady, tafakatra 9 500Ar izany eny amin’ny mpaninjara. Manomboka miakatra ihany koa ny vidin’ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao, izay lasa 800Ar, manampy trotraka ny hatsiaka izay mampihena betsaka ny vokatra sy ny fiakaram-bidin’ny katsaka. Misy kosa ireo mbola mivarotra izany amin’ny vidiny teo aloha.

Tandindonin-doza hatrany amin’ny 40 % ny velaran-tany maneran-tany. Mampanahy ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fivelomantsika ary ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny tontolo iainana. Mila harenina ny rohivoahary hiantohana hoavy mamiratra ho an’ny taranaka. Miteraka asa sy mampidi-bola ny fikajiana izany ary miantoka ny famokarana sy ny fampandrosoana ny toekarena.

Catégories: National

fampiasam-bola vahiny (IDE) : Niakatra 602 tapitrisa dolara

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 07:37

Fahombiazana. Tafakatra 602 tapitrisa dolara ary nitombo 16% ny fampiasam-bola vahiny (IDE) teto Madaga­sikara, ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Eco­nomic Development Board of Madagascar (EDBM). Miha­tsara ity sehatry ity nanomboka ny taona 2022. Ny taona 2021, nijanona ho 358 tapitrisa dolara toy ny tamin’ny taona 2020 ny IDE teto Madagasikara. Taorin’izay, nihatsara ny vokatra ka niakatra teo amin’ny 468 tapitrisa dolara. Ny taona 2023, lasa 519 tapitrisa dolara izany. Voalaza ao anatin’ny taitra fa annisan’ireo sehatra mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny eto amintsika ny tontolon’ny fambolena, ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany, angovo, ny teknolojia. I Frantsa, Etazonia, ny nosy Maorisy ary Japon no anisan’ny firenena mampiasa vola vahiny betsaka eto amintsika.

Fanamby
Mbola maro ny ezaka tokony hatao anatsarana ny sehatry ny toekarena. Ady goavana hatrehintsika ny mamongotra ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN) izay ambana ho an’ny rohivoahary an-dranomasina sy ireo mpanjono manara-dalàna. Mampihena ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana izany. Mila arahi-maso ihany koa ireo tahirina lavanila na dia nampidi-bola hatrany amin’ny 254 tapitrisa dolara aza ireo vokatra fanondrana tamin’ny taon-dasa.
Ankoatra izay, mila hatsaraina ireo lalam-pirenena eto amintsika izay miantoka ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana internet eto amintsika, ny volana janoary teo. 20,4% ny fampiasana izany, izany hoe, 6,6 tapitrisa ny olona misitraka izany amin’ny Malagasy 30 tapitrisa mahery.

Henintsoa

Catégories: National

PoP MVola : Manakaiky ny mpanjifa hatrany

Les Nouvelles - mer, 06/18/2025 - 07:36

Feno dimy ny toerana Points of Presence (PoP) an’ny orinasa MVola, ka anisan’izany ny eny Analakely sy Sabotsy Namehana. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) MVola, Olivier Favot, ny 16 jona teo, tetsy amin’ny masoivoho PoP, akaikin’ny banky BNI Andohan’Analakely, fa “taratry ny finiavana hanapariaka ny tolotra omena ny mpanjifa izao hetsika izao. Hita eny amin’ny masoivoho Pop ny tolotry ny MVola rehetra. Toy ny fanokafana kaonty, ny fandrotsahana sy ny fisintonam-bola. Eo koa ny fanoroan-kevitra sy ny famaliana ny olan’ny mpanjifa hanomezana fahafaham-po azy ireo. Misy ny toerana manokana ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha”.
Mazava ny safidy nametrahana ireo toerana roa vaovao ireo, hamaly ny filan’ny mpanjifa ny fanatonana azy ireo akaiky kokoa indrindra ny toerana be mponina, satria faritra manana lanja ara-toekarena sy ara-barotra.
Vinan’ny MVola rahateo ny hisitrahan’ny Malagasy tsy ankanavaka, ny tolotra ara-bola tsotra, takatry ny fahefa-mividy sy sahaza ny rehetra. Feno 15 taona ny MVola, ahitana tranoheva Cash point maherin’ny 50 000 manerana ny Nosy.

Njaka A.

Catégories: National

Fampandrosoana eny ifotony: Hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa

Les Nouvelles - mar, 06/17/2025 - 07:46

Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany.

“Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina ka fotoana io hifampizarana ny hampandrosoana miaraka ny tanindrazana”, hoy ny ben’ny Tanàna, Synèse Ranarison. Nambara­ny fa tsy hijerena finoana sy firehana politika ny fihaonana. Natao ho an’ireo rehetra zanaky ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny hampiavaka izany ny fanangonana ireo fitaovana na kojakoja, toy ny fitafiana, lamba sy akanjo mafana ho an’ny zokiolona sy ny marefo any an-tanindrazana. Eo koa ny fanomezana boky na kahie sy penina ho an’ireo mpianatra sy ny kilalao samihafa toy ny arendrina ho an’ireo ankizy madinika amin’izao fety izao. Hanentanana ireo ho avy eny an-toerana ny fitondrana izany, arakaraka ny fahafaha-manao eo amin’ny tsirairay.

Tetikasa iray avy amin’ny Zanama
Etsy andaniny, fotoana koa io hamaritana ny tetikasa iray manokana avy amin’ny Zanama hotanterahina any Mandrosoa. Hisy koa ny tsipaipaika hanohanana ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. “Entanina isika rehetra mba samy handray anjara amin’izany. Adidy ho an’ny mpiara-belona amintsika any an-tanàna sy ho an’ny tanindrazana izany ary ho fampandrosoana miaraka ny kaominintsika”, hoy ihany ny ben’ny Tanàna.
Tsiahivina fa hanafana ny fihaonana ireo mpanakanto zanaky ny tanàna sy ireo artista maromaro sangany avy aty an-dRenivohitra.

Fitia Randria

Catégories: National

Paikady fampandrosoana : Hazakazaka arahin-tosika amin’ny lafiny rehetra ny ao Toamasina

Les Nouvelles - mar, 06/17/2025 - 07:45

Ambetitenin’ny Filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny faritra, disitrika ary kaominina ho hadino sy hilatsaka aoriana, eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

Raha mandroso miaraka ireo rehetra ireo, handroso tokoa i Madaga­si­kara. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany. Nametraka fifaninanana masina rahateo ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, ny hisian’ny tanàna madio izay hifarana hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Mazava ho azy fa tsy diso anjara amin’ izany i Toamasina, renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara sady renivohitr’ i Miami, izay taratry ny fisintomana mpizahatany vahiny sy eto an-toerana. Nambaran’ny ben’ny Ta­nà­nan’i Toamasina, Andriafa­no­mezantsoa Alain, fa betsaka ny paikady tsy maintsy hirosoana mba hahatongavana amin’ny tanjona tian’ny filoham-pirenena tratrarina, ary tsy maintsy tanterahina izany. Ny sabotsy 25 mey teo, na­nentana ny isam-pikambanana misy ao an-dRenivohitr’ i Toamasina, ny tomponandraikitry ny tanàna mba hirotsaka an-tsitrapo handray kifafa sy angady hanao asa tagnamaro hanadio lalana sy izay toeram-panariana fako any amin’ity faritra ity. Fikambanana miisa 40 mahery, izay nahavoriana olona hatramin’ny 2 000, no tonga nanohina ny antso. Nanomboka tamin’ny fito ora sy sasany maraina teo ny hetsika, niainga teo anoloan’ny fiangonana Ekar St Paul Mangarivotra, ary nifarana tamin’ny 12 ora atoandro. Halaviran-dalana hatramin’ny 25 km teo no natao, ary tsy niala hatramin’ny farany ireo mpiasam-panjakana sy solontenam-panjakana maro any amin’ity faritra ity.

Tsy raharahan’ny
kaominina irery
Nohamafisin’ny Governo­ram-paritra mpisolo toerana, Rakotovao Andry, fa « tsy raharahan’ny kaominina samirery ny ady amin’ny fanadiovana ny tanàna iombonana. Manana andraikitra lehibe ny faritra Atsinanana ary mandray anjara mivantana sy afaka midina ifotony tahaka ny vahoaka rehetra». Nohamafi­siny rahateo fa fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninana tanàna madio no natao ny sabotsy teo ary tsy hijanona hatreo izany fa hitohy. « Tsy fanadiovana ihany no atao fa hanorina toerana fitsangantsanganana vaovao ihany koa isika ary atao izay hamparevaka azy mba ho ta­nàna maha te honina sy hipetrahana ary hitondra fahasalamana ho an’ny vahoaka izany. Entanina ny rehetra mba samy ho sarotiny », hoy hatrany ny governoram-paritra mpisolo toerana. Tsy izay ihany fa nandray andraikitra mavitrika tamin’ity hetsika fampivoarana ny tanàna ity koa ireo mpino silamo.
Ankilany, efa natomboky ny fikambanan’ny mpanao gazety AJT, ny 26 avrily lasa teo, tamin’ny alalan’ny fanadiovana toerana maitso “Espa­ce vert”, sy fambolena zana-kazo tamina faritra an-drenivohitr’ i Toamasina, izany fanomezana endrika sy fanadiovana ny tanàna izany. Ireto mpanao gazety ireto izay mametraka ny teny filamatra hoe “mpanao gazety miaro totolo iainana no antoka ho fampandrosoana isam-paritra”.

Fanokafan-dalana, endrika fanadiovana hafa
Tsy ny famafana lalana ihany no endriky ny fanadiovana anivon’ny fiarahamonina fa anisan’izany koa ny vokatry ny fanokafan-dalana. Raha
ny fanazavana miainga avy amin’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, tiany ny vahoakan’ i Toamasina ka izay no antony hanesorana ireo tokantrano takona sy sarotra ny fampidirana ny fiaran’ny mpamonjy aina. Betsaka ny vokatsoa azo amin’ izany. Voalohany, voaaro sy mora arovana ny tokantrano izay mety hianjadian’ny loza tsy nahy, haintrano, rivodoza, ranobe, ny olona marary tampoka, eo koa ny asan-jiolahy. Ho mora amin’ny fiara mpamonjy voina sy mpitondra marary ary ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana ny mivezivezy amin’ny lalampasika raha vao malalaka araka ny refiny ara-dalàna ny lalana. Amin’izay endrika iray izay, anisan’ny nanaovana fidinana ifotony ihany koa ireo lakandrano ahitana fotodrafitrasa eo amboniny. « Tsy ekena ireo ary tsy maintsy esorina », hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Ireo rehetra ireo dia endrika fanadiovana avokoa. Tsy izay ihany, diovina ihany koa ny fitaterana an-drenivohitra. Tsy ekena intsony ny posy sy bajaj tsy manara-dalàna. Tsy maintsy mandoa hetra, ary izay manana « vignette Licences » anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ihany no afaka mivezivezy ao an-drenivohitr’i Toamasina.
« Misy fetra omen’ny kaominina ary ny mpifanolobodirindrina dia samy manana ny fomba fidiram-bolany », hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. Vokany, manao tsy homby aloha, matahotra ny tsy ho afaka hiasa ireo tompony sy ny mpitondra posy etsy amin’ny sampana teknika misahana ny fikirakirana ny antontan-taratasina posy sy bajaj mba hanara-dalàna. Nohamafisiny ihany fa singa iray hanehoana ny fahadiovan’ny tanàna iray ny filaminan’ny fifamoivoizana an-drenivohitra. Raha ny momba ny kaominina manokana, efa anatin’ny fidirana amin’ny fanadiovana ny ao anatin’ny kaominina ny ben’ny Tanàna. Ankehitriny, manamarina izany ny fametraham-piaraha-miasa amin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, Bianco. Raha tsorina, kaominina nanjakan’ny kolikoly i Toamasina  nandritra ny fitantanana teo aloha, izay porofoin’ny hamaroan’ny mpiasa efa voaantso eo anivon’ny Pac any an-drenivohitra. Tsy vitan’ny kolikoly, fa teo ihany koa ny fahadisoana tsipelina maro teo amin’ny sora-piakohonana. Mifanindran-dalana ny tanjon’ny governoram-paritra mpisolo toerana sy ben’ny Tanàna ny hametrahana an’ i Toamasina hisalotra ny ho voalohany amin’ny tanàna madio. Etsy andaniny rahateo, ny maha renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara azy.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 06/17/2025 - 07:44

Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja mitafo Soavita ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Efa azo ny fahazoan-dalana hampiasa ny Complexe Arena Sport, raha ny fanazavana.

Niala tsy ho ao anatin’ny “Draft NBA” intsony ilay Malagasy mpilalao basikety Mathias M’Madi, araka ny fanambarana nataony tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo. Noho ny ratra nahazo azy niaraka tamin’ny Cleveland Cavaliers no anton’izao fanapahan-keviny izao, raha ny fanazavany.

Niraraka toy ny ranomandry ny baolina maty, afakomaly, tany Etazonia. Nomontsanin’ny FC Bayern Munchen, tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 0 ny Auckland City FC, avy any Nouvelle Zélande. Zara raha nahita fanafihana moa ny Neo zelandey tamin’ity fifanandrinana ity, ary toy ny manao fanazaran-tena ny Bayern de Munich.

Catégories: National

Federasionina malagasin’ny taekwondo : Filoha lefitra Rakotomanana Franck Tiana

Les Nouvelles - mar, 06/17/2025 - 07:44

Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakoto­manana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo aloha, izay voatery naato noho ny tsy fankatoavan’ny Com azy. Ankoatra izay, mitantana ny lafiny teknika kosa i Dim­biheriniaina Pharlin. Ankoatra izay, notolorana ny ambaratonga, « 3 ème dan », Kukkiwon, ny filohan’ny FMTKD, Lamina Boto Tsara Dia. Notsiahivin’ny lehiben’ny taekwondo malagasy, fa efa niatrika ny fanadinana izy ny taona lasa teo. Raha ny fandaharan’ny Federa­sionina, hiatrika lalao fitsapana ho an’ireo sokajy Cadet, Junior, ny 28 jona ho avy izao, eny Nani­sana, raha tsy misy ny fiovana. Hotontosaina ny faran’ny volana oktobra ho avy izao, any Antsirabe, kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara. Maro ny hetsika iraisam-pirenena handraisan’ny FMTKD anjara mandritra ity fitantanan’i Boto Lamina Tsara Dia ity.

F.R

Catégories: National

Pages