Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notontosaina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontaine, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia niomerika entina hanamorana ny fifanakalozam-barotra.
Nisolo tena ny Ladoany malagasy, ny tale jeneraly (DGD), ny Dr. Zafivanona E. Lainkana. Nohazavainy ny traikefa tamin’ny fanarenana ny rafitra sy ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy, tao anatin’ny drafitrasa stratejika 2020-2024. Notsipihiny, fa «mivoatra misonga ny teknolojia, noho ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Lasa fitaovana matanjaka sy mahomby ho an’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy miankina. Saingy, tsy terena ampiasaina fotsiny ny teknolojia, fa mila ampifandraisina amin’ny zava-misy, ny olombelona izay ampifanarahana amin’ny fanovana».
Voalohany mampiasa ny IA
Nankasitraka ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Dr. Zafivanona Lainkana ny mpanatrika ny fivoriana. Hita taratra ny fahavitrihany nitondra ny fanovana tao amin’ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy. Marihina fa ny ladoany malagasy no mampiasa voalohany ny IA amin’ny fitantanan-draharaha, ny fitantanana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso, ny dingana arahin’ny manan-draharaha, sy ny hafa.
Njaka Andriantefiarinesy
Manodidina ny 80 km ny lalana narenina vita ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Tao anatin’ny dingana voalohany ny eo Fascene mankany Andilana, mirefy 30km. Faharoa, eo Hell ville mankany Andilana, mirefy 39km. Manampy ireo, efa mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy Ambanja sy Antsohihy.
Njaka A.
Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo.
Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, izay nameno tranoheva manodidina ny 420 nitsinjara tamina toerana mivelatra 22 000 m². Maro ireo mpitsidika tonga teny an-toerana, tao ireo mpiantsena, mpankafy asa-tanana, sy ireo liana amin’ny atrikasa natao izay nahitana teknisiana 54. “Nisokatra tamin’ny mpitsidika isan-karazany izahay. Tsy hoe ireo liana amin’ny Fim fotsiny ihany, fa indrindra ireo voasariky ny lohahevitra sy ny fifanakalozana”, hoy ny talen’ny mpiara-mitantana ny MadaVision, Ranaivo Oranne. Nohatsaraina ny fandaminana ny toerana, tamin’ny alalan’ny fametrahana faritra manokana ho an’ny fikambanana, startups ary indostria. Nahafahana nampivelatra ny hetsika ny toerana malalaka kokoa, ka nanome vahana ny mpitsidika sy ny mpandray anjara, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, niavaka ireo mpanohana, izay nahavita fanentanana tamin’ny lalao samihafa sy nampiaina kokoa ny fitsidihana.
Ivon’ny fifanakalozana
Tratra ny tanjona napetraka raha ny isan’ny mpitsidika, araka ny tombana nataon’ireo mpikarakara. “Fahombiazana izao, ary fanombohana ihany koa”, hoy hatrany Ranaivo Oranne. Nandray lohahevitra lehibe ny Fim tamin’ity taona ity dia ny hoe “Tetezana mankany Afrika”. Tazana tamin’izany ny fisian’ireo mpandray anjara avy any Maorisy sy La Réunion, ary nisy adihevitra manokana momba ny lanjan’ny varotra eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena afrikana manodidina. Nankalazaina manokana koa ireo vehivavy afrikana sy ny asa tanana malagasy ho toy ny rohy mankany Afrika. Tanjona manaraka ny hanomezana lanja hatrany ny Fim amin’ny taona ho avy, ka hampanjary an’i Madagasikara ho ivon’ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-toekarena aty Afrika.
Henintsoa
Jiolahy enin-dahy nanafika teny amin’ny fokontany Anjanamasina, kaominina Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy teo tamin’ny 12 ora. Hitrangana fahatapahan-jiro matetika anatin’io fokontany nitrangana fanafihana io. Vao tapaka tsy nisy dimy minitra ny jiro, nirefotra ny feom-basy voalohany. Nirefitra fanindroany ka niditra tao amin’ny tokantrano lasibatra ireo olon-dratsy. Nitady vola avy hatrany izy ireo. Tovolahy vao herotrerony zanaky ny tompon-trano voatifitr’ireo tsy mataho-tody nandritra ny fanafihana. Voatery naiditra hopitaly nanesorana ny taim-bala tavela tao amin’ny lamosiny io voatifitra io. Lelavola 2 tapitrisa Ar no lasan’ireo tsy valahara, araka ny angom-baovao. Namerina nanampoaka basy ireo jiolahy sady nandositra nandritra ny haizina. “Nahare feona kiririoka izahay saingy tsy mbola nisy sahy nivoaka”, hoy ny vavolombelona monina tsy lavitra ny toerana lasibatra. Nirodorodo ireo vatan-dehilahy taorian’io saingy efa tsy hita intsony ny jiolahy. Nihatrana teny an-toerana koa, ny zandarimaria. Nanararaotra fahatapahan-jiro ireo olon-dratsy. « Tapaka ny jiro manomboka amin’ny 12 alina ary tsy miverina raha tsy maraina », hoy ny loharanom-baovao. Dimy minitra taorian’ny fahatapahan-jiro tamin’ny alin’ny alakamisy io no nahatongavan’ireo mpandroba. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fisafoana sy ny ady amin’ny asan-jiolahy eny amin’ny kaominina Anosiala sy ny manodidina ireo mponina eny an-toerana.
Tsiferana R.
Voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria Antaninandro, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ny tovolahy 22 taona. Nangalatra kitapon’ny mpamily taxi iray tetsy Anjanahary izy. Novonoin’io olon-dratsy io ihany koa ilay mpamily taorian’ny nandrobany ny entana teny amin’ilay lasibatra. Tavela tany anatin’ny kitapo ny finday roa, karapanondrom-pirenena, taratasy fahazahoan-dalana hamily ary “Power bank”. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fiasafoana teny an-toerana io mpanao ratsy io. Rehefa nosavaina izy, hita tany aminy avokoa ireo entana nangalariny ireo. Noentina namonjy ny birao avy hatrany ity farany nohadihadiana. Nasaina nametraka fitoriana kosa ilay mpamilin’ny fiara karetsaka. Ankoatra ireo, telo lahy mpidoroka zava-mahadomelina tratra tetsy Anatihazo Isotry, afakomaly alina, tamin’ny 7 ora. Lehilahy maro no tratra teo am-pidorohana zava-mahadomelina. Nosamborina avokoa ireo sarona tao amin’ny toerana voalaza ary nentina teny anivon’ny Kaomisaria nanaovana fanadihadiana.
Mino
Vaky loha, maty tsy tra-drano ny lehilahy 50 taona niharan-doza teny Ambatobe, ny sabotsy 24 mey hariva teo. Ankizivavy 15 taona avotra soa aman-tsara.
Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny lalan’ny bibilava mampitohy an’Ambatobe sy i Nanisana, ny sabotsy 24 mey teo. Nitondra moto lehibe 4T io raim-pianakaviana io ary nitaingina tao aoriana ny zanany vavy. Nikasa hisongona fiara tsy mataho-dalana tao anaty fiolanana io mpamily io, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Nianjera ny moto ary nivoaka tamin’ny sisin’arabe ilay fiara. Nidaraboka tamin’ny tany ny mpitondra moto ka vaky ny lohany. Nandriaka teo noho eo ny ra. Tsy afa-nialana nenina intsony io tra-doza io. Maty teo noho eo ilay raim-pianakaviana 50 taona. Tetsy ankilany, nipitika teny ambony moto koa ilay ankizivavy 15 taona. Tsy natahorana ny ainy ary avotra soa aman-tsara izy, araka ny angom-baovao.
Tapaka hisatra
Simba ny lohan’ny fiara taxi iray nidona tamin’ny fiara hafa, tetsy Besarety, ny sabotsy 24 mey teo. Nidina avy amin’ny lalana teo amin’ny Chapelle Mangasoavina io fiara io saingy tapaka hisatra tampoka. Nifatratra tamin’ny fiara an’olon-tsotra. Potika tanteraka ny lohan’ny taxi sy ilay fiara nifandona taminy. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Tsiahivina, na eo aza ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana eny an-dalambe. Mitaky fitandremana avy amin’ny ny tsirairay hatrany, indrindra ireo mpampiasa moto ny fisorohana ny loza. Matetika vokatry ny fandehana mafy sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mampiasa arabe no miteraka ny loza.
Tsiferana R.
Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Programme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy ny fampirantiana, ny dinika sy famelabelaran-kevitra. Eo koa ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo mitady asa. Misy ihany koa ny atrikasa an-tambajotra hatramin’ny 6 jona ho avy izao. “Tanjona ny hanomana ireo tanora ho lasa matihanina eo anivon’ny sehatry ny fitadiavana asa”, hoy ny talen’ny fandaharanasa sésame, François Xavier Froberville. “Betsaka ny tolotrasa misy eto Madagasikara fa tsy ampy hamaliana izany ny fahaiza-manaon’ny tanora mitady asa”, hoy kosa i Ingy Ange Simonia, talen’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy fampananasa ary ny asam-panjakana. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana hetsika tahaka izao satria manampy ny tanora hanana vintana amin’ny fitadiavana asa. Andrasana ny hahazoana mpitsidika maherin’ny 3 000 amin’ity hetsika ity. “Tsy ny isan’ny mpitsidika anefa no zava-dehibe fa ny kalitaon’ny fihaonana eo amin’ny orinasa sy ny tanora. Mba hanovana ny fiainan’ny tanora sy hitarihana azy ireo amin’ny hoavy mamiratra”, hoy hatrany ny talen’ny fandaharanasa sésame.
Mino
Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly.
Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka manokana amin’ny fanamboarana mofo, fanjairana, hatramin’ny fanodinana voankazo ireo mpikambana ao. Notoloran’ny Filoham-pirenena lelavola 16 395 000 Ar izy ireo, hanatsarana ny fikambanana sy hampivoarana ny seha-pihariana amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.
Tetsy ankilany, nisitraka ny anjarany koa ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Marmanive Mireille. Nahazo tohana 8 115 000 Ar ny mpikambana izay misehatra amin’ny fanamboarana mofo. Ny vokatra ataon’ireo fikambana ireo izay aparitaka ao an-toerana sy any amin’ny faritra hafa. Tafiditra anatin’ny velirano nataon’ny Filoha rahateo ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nanolorany vola mitetina 10 000 000 Ar ho an’ny fikambanan’ny vehivavy mpanodina vokatra ara-tsakafo ao Nosy Be, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Tsy hadinon’ny filoha ny nanampy ny vehivavy mikambana ao amin’ny Dalas. Marihina, nitohy tamin’ny fitokanana ny EPP manara-penitra ao Jabala ny fitsidihan’ny filoha tany an-toerana.
Ninah (Mpianatra asa)
Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Ankalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Fantatra fa eto amintsika ny maherin’ny 80% ny karazam-biby sy zavamaniry maneran-tany saingy miha ringana ny tontolo iainana. Ankehitriny, tsy misy afa-tsy 10% sisa ny ala eto Madagasikara, potika ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ataon’ny olombelona. Vokany, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny firenena.
Hihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ao anatin’ny volana maro. Midina ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana Andekaleka ka mahatonga ny delestazy lavareny. Vokany, miha sahirana sy miditra fatiantoka ireo orinasa madinika. Nisy ireo nampitsahatra tanteraka ny famokarany, ao koa ireo nilaza fa hikatona tsy ho ela noho ny zava-misy.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy na toerana ahitana zava-mahadomelina, vola ary sokatra. Nambaran’ireo mpibaiko fa azo antoka sy mahomby ny fahaizan’ireo alika ireo, karazana Berger allemand sy Berger malinois.
Nambaran’ny tale jeneraly ny Haban-tseranana, Zafivanona Lainkana, fa endriky ny finiavan’ny Ladoany hanamafy ny fanaraha-maso, hanomezana antoka ny vahoaka ny fisian’ny andiany manokana izao. Eo koa, ny fanavaozana ho maoderina hatrany ny fomba fiasa sy ny fitantanana.
Mifameno amin’ny teknolojia
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny entana sy ny mpandeha eny amin’ny haban-tseranana, ka ilaina ny fananana fitaovana ampy sy mahomby. Nomarihin’ny DG ny ladoany, fa « mifameno tanteraka ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana alika. Hamantarana ny toerana mampiahiahy ny fitiliana ampiasana teknolojia, ary manamarina azy ao anatin’ny fotoana fohy ny alika. Hihena ny fotoana lany sady mahomby ny fanaraha-maso, isorohana ny hosoka sy ny trafika ».
Njaka A.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hampiharina avy hatrany kosa izany aorian’izay. “Tsotra sy mora ary azo antoka tanteraka ny fampiasana ny e-Ariary noho izy mangarahara sy miady amin’ny kolikoly », hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Notsindriany manokana fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny fampiasana ny vola niomerika ity tolotra vaovao ity ary mifameno tanteraka amin’ireo tolotra “mobile banking” efa misy amin’izao fotoana. Tsotra sy natao ho an’ny rehetra ary entina handoavana ny filana andavanandron’ny mponina ny e-Ariary. Tafiditra ao anatin’izany ny fandoavana faktiora, fividianana entana samihafa, fandoavana saran-dalana ho an’ny taxi-be, sns. Afaka misitraka ny tolotra ireo rehetra manokatra ny kaonty e-Ariary eny anivon’ny BFM.
Henintsoa
Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy.
Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, tetsy Antohomadinika IVO. Anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana asa fanendahana mampiasa zava-maranitra eny an-toerana sy ny manodidina izy io. Omaly, nanatanteraka fisafoana teny amin’ny manodidina ny polisin’ ny Unités d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nifanehatra tamin’ny andian-dehilahy efatra tao an’elakelan-tranon’ Antohomadinika IVO izy ireo. Nasaina nijanona mba hosavaina ireo lehilahy ireo saingy nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Tafaporitsaka tany an’elakelan-trano ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Nikasa hamely ny mpitandro filaminana tamin’ny antsy lava teny aminy kosa ny iray nandritra ny fifanjevoana. Namaly tifitra avy hatrany ny polisy. Vokany, voatifitra ilay jiolahy ka maty.
Lasibatra ny mpiasa mody alina
Anisan’ny faritra anararaotan’ny mpanao ratsy amin’ny fanendahana ny elakelan-trano fivezivezena eny an-toerana, raha ny fitarainana nataon’ny mponina. Antony mahatonga izany ny fahamaroan’ ny lalan-kely, izay misampantsampana, ka mora handosiran’ireo mpanao ratsy. Maro ny olona lasibatry ny asa ratsy ataon’ireo andian-jiolahy. Anisan’izany, ny mpiasa amina «call center », ny mpamily sy ny mpanampy azy… Amin’ny ankapobeny, olona tsy maintsy mody amin’ny alina noho ny asa ataony ireo tena lasibatra.
Tsiahivina fa roa ireo mpanendaka lavon’ny polisy teto an-dRenivohitra tao anatin’ny dimy andro. Iray tamin’ireo ilay mpanendaka voatifitra tetsy Anosibe, ny alatsinainy lasa teo. Entanina hatrany ny olom-pirenena hanome vaovao ny mpitandro filaminana mahakasika ireo olon-dratsy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanendahana eto an-dRenivohitra ny hetsika.
Mino
Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao taminy omaly, mahakasika ny fiainany sy ny fomba fanaony isan’andro. Fanirian’ity atleta ity ny hahita asa sahaza azy hahafahany mivoatra amin’ny fiainana.
Gazety Taratra (*) : Manao ahoana izany fiainana renim-pianakaviana sady atleta izany?
Soloniaina Malala (-) : Tsy mora ilay izy. Matetika dia sady manao fanazarantena hatrany ianao no miezaka mitady vola, mivarotra. Eo ihany koa ny fikarakarana ny zanaka handeha hianatra, anisan’izany ny fandrohoana ny sakafony. Tsy hadino ihany koa ny fikarakarana ny tokantrano.
* Manao ahoana ny iainanao ilay hoe lasa mpiaro ny voninahi-pirenena nefa ny zanaka aty Madagasikara?
– Tena mafy ilay mandao ny zanaka sy ny ankohonana, sady handeha lavitra ivelan’i Madagasikara. Miala eto Madagasikara, tsy mandray vola, tsy mba misy hapetraka ho an’ny zanaka, nefa tiana ilay ho tafita lavitra amin’ny fanatanjahantena, miezaka hatrany mampahery ny saina ary miharitra amin’izay zava-misy eo.
*Inona ny tanjonao sy tena irinao amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?
– Manana tanjona ny ho lasa alavitra sy hampitombo ny lazako amin’ity taranja tolona ity aho. Ankoatra izay, mba faniriako ihany koa ny hahita asa, mba hahafahako mivoatra amin’ny fiainanana miohatra ny hiainako ankehitriny. Tsy vita mora nefa izany, saingy manantena hatrany fa ho tonga amiko ireo faniriana ireo, indray andro any.
* Inona ny mba mety hoe fanirianao ho an’ny zanakao any aoriana any?
– Ny tena hiriako ho an’ilay zanako, dia mba ho lasa lavitra amin’ny fianarana ary ho tafita amin’izay faniriany. Tiako ihany koa raha mba mihoatra lavitra ny zava-bitako ny vitany amin’ny resaka fanatanjahantena. Tsy ho hadinoko ny milaza azy fa ilaina ezaka foana ny zavatra rehetra amin’ny fiainanana.
*Tahaka ny ahoana ny fandaharam-potoanao rehefa andavanandro?
– Somary efa feno ny fandaharam-potoanako andavanandro. Rehefa maraina aho, manatitra ny zanako mianatra. Aorian’izay, manao fanazarantena. Rehefa vita izany, mivarotra indray aho. Rehefa hariva kosa, maka mpianatra sy mikarakara ny ankohonako amin’ny maha reny ahy.
*Inona ny hafatra ampitanao ho an’ny reny rehetra?
– Koa satria moa efa amin’ny alahady ny fetin’ny reny, eto aho dia mirary ny soa sy ny tsara ho an’ireo renim-pianakaviana rehetra. Miarahaba azy ireo mialoha, zava-dehibe eo amin’ny fiainana izany reny izany. Maniry aho mba hahatratra ny tanjona tiantsika avokoa anie isika reny rehetra, ary hahita izay hiriana daholo.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola ao anatin’ny fahatanorany tsara i Malala. 22 taona, amin’ny io volana jona io izy, ary efa nandrombaka medaly maro tamin’ny taranja tolona, raha sehatra iraisam-pirenena no resahina. Ny taona 2018, nahazo ny medaly alimo, nandritra ireo fifaninanana afrikanina maro natao tany Nigeria. Nahazo ny medaly alimo ihany koa izy, nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, tany RD Congo. Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, notontosaina teto Madagasikara.
Nanatontosa : Fitia Randria
Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo.
Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodimanga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona ity. Vao nahatazana ilay ramatoa ilay tovolahy, napetrany ny entana teny aminy fa lasa nanenjika azy izy. Noho ny hery tsy mitovy, tratrany ilay renim-pianakaviana 52 taona ka nazerany amin’ny tany. Nokaikairiny ny sofiny havia ary niendaka niala taminy mihitsy, nokaikairiny toy izany ihany koa ny takolany havia. Nalemy sy tsy afa-nanohitra azy intsony ity renim-pianakaviana ity ka nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy namelany ilay niharam-boina raha tsy naratra mafy. Nitsoaka ity nahavanon-doza ity. Olona sendra mandalo kosa no nahita ilay ramatoa nihosin-dra teo amin’ny tany ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambodilazana. Tsy vita tao anefa fa nentina niakatra ao amin’ny hopitalibe CHU Analankinina Toamasina ilay reny niharam-boina.
Indroa nosamborina
Ny alahady ihany, efa voasambotry ny polisim-bohitra sy ny fokonolona tao Ambodilazana ity tovolahy ity. Saingy tafatsoaka izy ny alahady alina ary voasambotra fanindroany ihany. Voasambotra indray izy ny talata teo ka natolotry ny fokonolona ny zandary ao amin’ny Poste avance Fanandrana. Ankilany, manahy mafy ny fokonolona amin’ny fahatarana ny fanolorana an’ ity tovolahy ity ny fampanoavana, izay efa misy amin’ireo fianakaviany mikononkonona hanao taratasy hosoka sy mety hanaovana an’ izany amin’ny alalan’ny kolikoly ka atao ho olona marary saina izy. “Tovolahy mitady vola soamatsara, salama saina, io tovolahy nahavita trangan-javatra mamoafady io”, hoy ny solontenam-pokonolona. Ireto farany izay nanamafy fa aleo hioty ny heloka vitany ny tsirairay.
Sajo
Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona efatra voakasika mivantana tamin’ny voina. Lehilahy 35 taona sy 40 taona voa mafy ka tsy tana ny ainy. Ankoatra azy ireo, roa lahy hafa voa mafy ka voatery nahiditra hopitaly. Trano lehibe andalam-panamboarana ao amin’ny ivontoerana ambony manofana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ity loza niseho ity.
Tsiferana R.
Notolorana mari-pankasitrahana tetsy Antaninarenina, afakomaly, ireo ankizy 17 nandrato fahalalana momba ny zaitra. Nianatra nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jona, teo anivon’ny fikambanana Inner Wheel club Antananarivo izy ireo. Izay nahitana sokajy vao manomboka sy manao perfectionnement. Safidiana manokana hanaraka ny fiofanana ireo vehivavy anaty fahasahiranana. « Azon’ireo olona manam-paniriana hanatrika ny fiofanana foana anefa ny tonga manatona eny an-toerana”, hoy ny talen’ny fikambanana Inner wheel, Ralijesy Nathalie. Hatramin’izao, mandray anjara amin’ny sarany 20 000 Ariary isaky ny fiofanana ny mpianatra tsirairay, mandritra ny fahavitana ny fianarana. Iantohan’ny fikambanana sy ny sekoly ny fitaovana rehetra entina mampianatra. Andiany faha-15 ity andiany nivoaka ity. Hiditra ny fiandohan’ny volana jolay ny fidirana manaraka. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny fikambanana Wednesday Morning Group sy ny Inner Wheel club Antananarivo tetsy Antaninarenina. Nampahafantarana ny zon’ny vehivavy sy lalàna mahakasika ny fanambadiana izany. “Tsy mahafantatra lalàna ny ankamaroan’ny vehivavy ka antony nanaovana izany”, hoy ny mpahay lalàna, Rakotonirina Tantely.
Mino
Niteraka resabe tany anaty tambajotra sosialy ny famonjena olona latsaka anaty rano ataon’ny sampana mpamonjy voina. Matetika, maka ny olona dobo rano no ataon’izy ireo fa tsy tsikaritry ny mpitazana ny vonjy aina sy famelomana na ala nenina atao amin’ilay niharam-boina.
Efa voaofana anefa ireny mpamonjy voina ireny ary mahafantatra ny asany. Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny famonjena ny ain’ny niharam-boina koa izy ireo.
Nanampy traikefa ireo mpamonjy voina miisa 8 ao amin’ny vondrona vonjy voina eny Ivato mahakasika ny famonjena anaty rano. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara- miombon’antoka frantsay no nahafahana nanao izany.
Natao ny fanadinana tamin’ny lomano 500 m amin’ny “nage libre” ao anatin’ny 12 mn, izay takina amin’ny fandraisana anjara. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanavotana olona amin’ny tranga vonjy taitra anaty rano.
Tatiana A
Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io.
Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny Fiarovana, i Madagasikara, araka ny nambaran’ny komity mpanomana ny fetim-pirenena. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena izany. Tsy mbola nanamafy ireo vahiny namaly ny fanasana anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.
Handalo hodinihin’ireo loholona ny 12 jona izao ny lalàna fehizoro momba ny rafitra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Nanolotra izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa niainga amin’ireo tolokevitry ny fiarahamonim-pirenena izao fanitsiana entiny izao.
Mihaona ary mandray anjara amin’ny fihaonan’ny mpandraharaha any Paris, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Voaasa manokana miatrika izany izy ireo amin’izao fihaonamben’ny mpandraharaha frantsay sy afrikanina Tatsimo na ny “Sommet Medef Afrique du Sud”.
Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andriamosasoa Avotra, omaly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny fifidianana. Masiaka ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Izy ireo no naneho ny safidiny sy nanome fahefana ny olona tiany hitantana ny tananany ka mahasaro-piaro azy”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny tamin’izany fa lany ho ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, araka ny didy navoakan’ny Tribunal Administratif, tamin’ny 17 janoary lasa teo, Rakotondrazaka Toky, kandidàn’ny antoko Tim. Resiny avokoa ireo kandidà roa nifaninana taminy, araka ny nambarany. “Efa nandray ny asany amin’ny maha olom-boafidy azy izy ary nametrahan’ny vahoaka fitokisana ka nisafidianany azy tamin’ny besinimaro”, hoy ihany izy.
Nohitsiny anefa fa tsy nanaiky izany ny kandidàn’ny Irmar fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny filankevi-panjakana. Nanteriny hatrany fa efa iarahana mahita sy maheno ny fanehoan-kevitra maro samihafa ataon’ny kandidà mpifaninana amin’ny tsy maintsy hampandresena ny kandidàm-panjakana. “Fifidianana no natao nefa hampandresena ve rehefa tiana hampandresena”, hoy ny fanontaniany.
Araka izany, miandrandra ny hitsarana ara-drariny sy hitsiny ary araka ny lalàna amin’ny fitsarana mahefa ny solombavambahoakan’Avaradrano.
Synèse R.