Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. Eo koa ireo hira nosafidian’ny Les Talenta manokana, izay manasongadina ilay feo miavak’i Inah. Ny tena andrasan’ny rehetra kosa dia ilay fampiaraham-peon’i Nini Kiaka miaraka amin’izy mianadahy. Hanaporofoana indray io fa tsy ny rock ihany no hilomanosany fa ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Ireo mpanaraka azy efa mahalala fa mpankafy sady mahafehy ireo hiran’ny Omaly i Nini. Vao mainka miavaka izany anatin’ny fampiaraham-peo, ary tsy vao voalohany no iarahany an-tsehatra amin’i Inah. Ito farany koa anefa mahafehy ny mozika rock ihany koa, ka hivelatra ny hira halahatra mandritra ny fiarahana.
Zo ny Aina
Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany.
Willy, Hira, Jizry, Ramily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy ireo, araka izany, no hiatrika ny dingan’ny famaranana, izay hotontosaina mandritra ny “Festival Tafan-gilita”, hatao ny 13 sy 14 septambra izao, ao amin’ny Kianja Barea. “Hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny gitara, izay hanaovantsika pao-tsatroka amin’io fotoana io ry zalahy ireo. Na ireo tsy tafakatra aza hisy fandraisana anjara ihany koa, satria efa tena henjana be daholo ireo mpifaninana 16 niatrika ny Prime 4 ireo”, hoy ny nambaran-dRandriamampianina Hery, talen’ny “festival” sady mpikarakara ny fifaninanana.
Raha hiverenana ny “Prime 4”, nifampizara ho ekipa nandeha tsiroaroa ireo mpifaninana. Nizara ho Coach kosa ireo mpitsara, ka samy nanana ekipa roa avy. Samy nikononkonona tany, hanome izay tsara indrindra izy ireo, ka tena fampisehoana nahararaka ny ivin’ny mpijery no nitranga. “Tena sahirana dia sahirana izahay. Sady samy mahay no mifanaja ry zalahy, ka izay hira nalefa toa niavaka avokoa”, hoy i Jovin, iray tamin’ireo mpitsara ny fifaninanana.
“Tena mahafinaritra ary efa ela mihitsy no niandrasana ny fifaninanana toa izao. Hita misongadina ry zalahy manan-talenta amin’ny gitara ary mahavelombolo izany”, hoy kosa i Benny, mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, izay nanatrika ny “Prime 4”. Tsy naharitra fa nandray anjara kely, nanao ilay hira “Miondreha ka mangina” izy sy i Nini Kolibera. Vahiny naneho ny talentany kosa i Ny Antra, iray amin’ireo mpitendry gitara efa tsy fampitaha intsony raha ny talentany. Teo koa i Fara Gloum, nisolo tena ireo vehivavy mankafy ity zavamaneno ity. Ifanihy izay anarana tsy azo kosehina amin’ny tendry gitara sy ny vazo miteny, nitondra hira roa ihany koa. Mba tena hanome fofony ny “festival” izay hitranga any amin’ny Kianja Barea, tsy naharitra fa samy nanao feonkira iray avy koa ireo mpitsara. Toraka izany koa i Vanintsoa sy i Steph Rambi, izay mpanentana kokoa ny toerany mandritra ny hetsika.
Zo ny Aina
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany.
Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana.
Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny fitsaboana ireo marary. Teo koa ireo lasa mananotena tsy fidiny nefa mbola mitondra vohoka sy mitaiza kely. Ao ireo lasa kamboty. Manampy izany, ireo very andry iankinana satria misy amin’ireo tanora nindaosin’ny fahafatesana no teo am-pamaranana ny fianarany. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hatsangana ny vaomiera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika hijerena ny ahafahana manampy ireo fianakaviana tsirairay. Notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry fa harahiny akaiky ny asan’ity vaomiera ity sy ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra raisina rehetra.
Nanterin’ny fianakaviana fa tsy mitovy avokoa ny tranga mahazo azy ireo sy ny filany tsirairay avy.
Fanohanana ara-tsaina ireo fianakaviana
Anisan’ny ataon’ny fitondram-panjakana koa ny fanohanana ara-psykolojia ireo fianakaviana ireo. Anisan’ny tena mafy amin’izy ireo ny vesatra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mihatra amin’izy ireo.
Etsy andaniny, anisan’ny nitarainan’ireo fianakaviana ny momba ny fanodinkodinana sy familiviliana ireo vaovao mahakasika ity raharaha ity.
Nambaran’ny filoha teo am-pamaranana ny fihaonana fa reny daholo ny fitarainana sy ny fangatahana rehetra. “Tsy irery ianareo fa eto aho ary hanao ny ezaka rehetra hanampiana anareo. Ezahintsika ny hameno ny tsy ampy. Tsy misy ny tonga lafatra fa ezahintsika ahitsy ny tsy mety”, hoy izy. Nohitsiny fa aleo hipoitra ny marina. Mandeha haingana be ny tambajotran-tserasera, araka ny nambarany. “Misy ny mandainga. Efa mandeha ny fanadihadiana ka tsy manana tombony handainga amin’izany isika”, hoy izy.
Synèse R.
«Omena endrika vaovao handraisana vahiny mpiala sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, amin’ ity taona 2025 ity, ary hitohy izany mandritra ny fotoam-pitantanany”, hoy ny ben’ny Tanan’i Toamasina ambonivohitra, ny mpitsara Andriafanomezantsoa Alain. Nambarany fa ao anatin’ny ainga vao ho an’ny renivohitr’ i Toamasina isika izao. Anisan’izany ny fanokafan-dalana isaky ny lalampasika izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina, mba hahafahan’ny fiaran’ny mpivahiny miditra. Asiana fanarenana haingana ihany koa ny tatatra eny amin’ny sisin-dalana. Mitondra ratra ho an’ny mpandeha an-tongotra ny tatatra simba. Asiana mpanara-maso ny eny amoron-dranomasina sy ny lakandrano mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ankoatra izay, hampanarahan-dalàna ireo karazam-pitaterana an-drenivohitra, toy ny Bajaj sy ny posy, mba tsy hisoloky na handroba indray ny mpandeha entiny. Entanina ihany koa ny rehetra hanadio ny manodidina azy. Tanjona ny haha tanàna madio sy marevaka ary maha te honina ny toerana hovantanin’ny mpivahiny sy ny mpizahatany. Ankoatra izay, ezahina ho fenoina jiro isaky ny elakelan-trano mba ho Toamasina mazava sy milamina. “Vitaina haingana, araka izay azo atao, ny lalana béton mamakivaky ny tanànan’ i Toamasina mba tsy hanimba ny fiaran’ireo vahiny”, hoy hatrany izy. Anisan’ny ben’ny Tanàna manana fanamby miavaka manoloana ireo ben’ny Tanàna rehetra nifandimby tao an-drenivohitr’i Toamasina ny mpitantana ankehitriny.
Arindra miaraka amin’ny fandriampahalemana
Mila mifanindran-dalana amin’ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka tsy mandadiharona izany ezaka rehetra izany. Efa nampahatsiahy ny mpitadro filaminana fa hanao ny asany izay hiandraiketany manoloana ny fikarohana ireo mpandika lalàna rehetra. “Ezahina ny fomba hanaovana famotorana ireo voampanga, hifanaraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona”, hoy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Vahiny Yvi Sandro, ny 4 jolay lasa teo. “Aoka mba tsy hiverina intsony ireny tsy fandriampahalemana ka nahatonga ny mpikambana amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra nidina teto ireny”, hoy izy nanamafy. Ametrahana mpitandro filaminana avokoa ireo toerana izay betsaka mpitsangantsangana. “Hisy ihany koa ireo hivezivezy hanara-maso eny rehetra eny, izay manao fanamiana sivily”, hoy kosa ny Prefet, Benandrasana Cyril, lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy filaminana OMC (Organisation mixte de conception).
Lalam-pirenena fahadimy, ratsy ny lalana
Nilaza sy nanamafy ireo mpivahiny fa mbola ratsy ny lalana mankany Mahavelona Foulpointe. Nisafidy ny hijanona hatreo Toamasina izy ireo noho izany. Efa tsy dia hatahorana rahateo ny filomanosana ny ranomasina noho ny fisin’ ireo fiaro riaka misy “dalots”. Hatreto mbola tsy vita anatin’ny adim-pamataranandro efatra ny halaviran-dalana 50 kilometatra, Toamasina – Foulpointe. Raha fiara kelikely sy iva moa dia mety ho raikitra amin’ny fotaka eny an-dalana. Nandritra ny fanadihadiana natao hatrany, nilaza ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa tsy azo ataon’ny ankizy ny milalao irery eny amin’ny ranomasina sao mampidi-doza. Tanjona ny ho fialantsasatra lavitry ny voina anatin’ny Ainga vao ho an’i Toamasina renivohitra.
Hipoka mpiala sasatra i Toamasina
Amin’ny ankapobeny, efa saika feno mpitsangantsangana eny amoron-dranomasin’i Toamasina, amin’izao fotoana izao. Miezaka manao ny fanatsarana ny endriky ny tanàna sy fanadiovana ny ben’ny Tanàna. Mipetraka ny fiarovana ireo mpitsangantsanana manoloana ny ranomasina sy ny ranomamy. Anisan’ny olana ny eo amin’ny toetr’andro miovaova satria tsy hay tohaina ny ora-mikija. Anisan’ny manome vahana izany rahateo ny fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka tsy ho kaohan’ny ranomasina. Maro, araka izany, ny fahitana vatobe “Dalos” manodidina ny morondranomasina. Nanorina izany ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranana rahateo izany. Vokatr’ireo, lasa mihena ny herin’ny onja ary azo ilalaovana sy hilomanosana tsara tsy lavitr’ireo fotodrafitrasa ireo. Miisa efatra izany eny amoron-dranomasina ary mitandavana mankany amin’ny 500 metatra anaty ranomasina. “Betsaka ny fotodrafitrasa nomen’ny filohan’ny Repobika, Rajoelina Andry, ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra Atsinanana iny, toy ny misy any amin’ny renivohitr’i Toamasina”, hoy kosa ny governoram-paritra mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Vonona handray vahiny ny ao amin’ny Miami, izay ahitana karazan-javatra maro azo isafidianana. Etsy ankilany, ny “jet d’eau” izay miovaova loko, ny varotra asa tanana ary ireo karazan-javatra azo atao voandalana.
Fa manoloana ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo olona maro teto amin’ny Nosy, hita ho mitandrina be ny mpanjifa ireo sakafo masaka, toy ny paty sy mofo, raha ny zava-misy any an-toerana. Tsy misalasala kosa ny olona manjifa ny vatomamy vita amin’ny coco sy ny fisotroana ny ranony.
Nanatontosa : Sajo
Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify.
Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny atoandro, manampy ny amin’ny alina. Maharitra adiny 3 ny fahatahan-jiro eto an-dRenivohitra. Toy ny mahazatra, ambara fa mihena ny tosiky ny rano any Andekaleka no antony. Mihena, araka izany, ny fotoana ahafahana mamokatra ho an’ny mampiasa herinaratra.
Nampahafantarina ny 11 aogositra teo ny valin’ny fanadihadiana andrana mahakasika ny fiompiana zana-trondro sy ny trondro matavy any Lavakena, kaominina Imito, distrika Fandriana. Fantatra fa ity kaominina ity no ahitana mpiompy trondro be indrindra ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PPSPAS, tohanan’ny Vondrona eoropeana.
Mitondra fanazavana ny Fitantanana foibe ny fadintseranana mahakasika ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo andrimpanjakana voakasika eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena sy ny fiarovana ny Drafitra stratejika vaovao mandritra ny 5 taona manaraka, ho an’ny taom-piasana 2025 hatramin’ny taona 2029, napetraky ny Fadintseranana malagasy. Voafaritra ao anatiny, fa mazava kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny fitantanana ny Ladoany sy ireo sampandraharaha hafa toy, ny polisy, ny fahasalamana, ny fambolena, sns. Voavaha haingana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana, amin’ny alalan’ny fifampidinihana tsy tapaka eo amin’ireo mpiantsehatra. Mazava ny fanazavana momba ny andraikitra sy ny anjara asa isaky ny andrimpanjakana rehetra, manamora ny fandalovan’ny entana ho haingana kokoa.
Manampy ireo, mihatsara ny fivezivezena eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina, vokatry ny fandraisana anjara mavitrika ataon’ny sampandraharahan’ny Ladoany amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa.
Natao ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra teo, hanarenana ny lesoka teo aloha. Satria, tsy nisy ny fandrindrana mazava eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana. Nisy ny fitovian’ny andraikitra sy ny dingana miverimberina. Vokany, nihena ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpisehatra ka tsy nahomby ny fanaraha-maso.
Njaka A.
Misy ny fanomanana atao, mialoha ny Fihaonamben’ny Sadc, hatao ny 16 sy ny 17 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fivorian’ny vovonana Troika, izay rafitra misahana ny raharaha politika, ny fiarovana ary ny filaminana. Eo koa ny Kaomitin’ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola, ka nitarika ny fivoriana ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), Ramanampanoharana Andry, ny 8 aogositra teo.
Andraikiny ny mandrindra sy manara-maso ny asa iarahana eo amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola, hampahomby ny fampiraisana ara-toekarena eo anivon’ny Sadc. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Paikadim-panjakana ho fampandrosoana eo amin’ny Faritra (RISDP) amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola. Misy ny fanolorana soso-kevitra stratejika ho an’ny filakevitry ny minisitra ao anatin’ny Sadc momba ny raharaha ara-toekarena sy ara-bola. Anjarany koa ny mandrindra sy manara-maso ny fampiharana ireo fandaharanasa iarahana amin’ny sehatry ny vola.
Njaka A.
Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny Cadet, resin’ny HC Est tamin’ny isa mazava 21 no ho 7, ny ekipan’ny Littoral SC Atsinanana. Ho an’ny Junior, lavon’ny HC Est, tamin’ny isa 32 no ho 25, ny Ascaf Analamanga. Fihaonana nahafinaritra ny mpijery satria nahitana endri-dalao ny an’ny roa tonta.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Sabotsy Jean Marcellin (HC Est) sy Rakotondravelo Maminarivo Jeremia (My-Sah). Teo amin’ny Minime, vehivavy, tsy nivoaka tao amin’ny ligin’i Bongolava ny amboara. Lasan’ny HCT ny fandresena, nampiondrika ny HTHB Atsinanana, 9 no ho 6. ASLPNYA Ihorombe kosa no tompondaka ny anaram-boninahitra rehefa nanilika ny THBCA Matsiatra Ambony, 19 no ho 15. Teo amin’ny Cadette, ny Littoral SC Atsinanana no tompondaka rehefa nanilika ny HCT Bongolava, 15 no ho 7. Ho an’ny Junior, vehivavy, My-Sah HBC Itasy nandavo ny HC Njatovo Matsiatra Ambony, 17 no ho 15.
Tompondaka
Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana labozia amin’ny endriny hafa mihitsy, etsy Analakely, ny fitadiavam-bolany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly, teny an-toerana. Marihina fa manana aretina «épilepsie» fony izy vao teraka, i Théophile, araka ny nambaran’ny reniny. Manana faniriana ny lehilahy, anisan’izany ny mba hahay mamaky teny sy manoratra. Raha ny fanazavana nataon’ny reniny, tsy nahazo mianatra izy noho ny aretina nahazo azy. “Tsy mba afaka nianatra toy ny ankizy rehetra izy tamin’izany fa tsy navelan’ireo fianarana noho ilay aretina ananany. Mampalahelo ihany ilay zava-misy saingy raha mbola eto ny tenako, manampy azy foana aho», hoy ny maman’i Théophile. Ankoatra izay, manaraka fanafody isan’andro i Théo, ary mandray ireo tolo-tanana rehetra sy ireo izay vonona ny hifanampy aminy ny tenany sy ny fianakaviany. «Tsy mangataka izahay, saingy mandray kosa ireo fanampiana atolotry ny olona, mba hanohanana ny zanako, amin’ity talentany ity», hoy ihany ny reniny
Talenta voajanahary
Nilaza ireo olona akaiky azy fa tsy nisy olona nampianatra azy nanao io taozavatra ao an-trano io, fa aingam-panahy avy amin’ny olona hita teo amin’ireo mpivarotra manodidina tamin’ny andro taloha tany no nampitsiry ilay faniriany hanao an’ity asa tanana hafakely sy mahasarika ny maso ity. “Manan-talenta ny zanako ary tsy nisy nampianatra azy nanao io zavatra io. Taloha, fony izahay mbola teny amin’ny toeran-kafa no nivarotra, misy olona izay, mivelona amin’ny fivarotana an’izy itony. Taorian’io, nanandrana izy ary tafavokany tsara izany”, tenin’ i maman’i Théophile. Fitaovana toy ny «Ballard métallique» sy ny kapoaka, no akora ampiasainy hanamboarana ny entana hamidiny. Tsy dia mandany fotoana maro izany ny lehilahy manao ny fitaovana iray fa iray minitra eo ihany, dia efa ahafahany mahavita zavatra iray. Jifaina amin’ny vidiny
1 000 Ariary ny entana mora indrindra eo aminy ary 2 000 Ariary ny lafo indrindra. Raha ny fanampim-panazavana azo avy amin’ny reny niteraka an’i Théo hatrany, hividianany zavamaneno toy ny Radio sy fitaovana fakana feo, ny vola azony amin’izany. «Mbola etohanay ny sakafony, fa tsy alainay ireny vola mba azony ireny. Havadiny ho Radio sy Dictaphone ny vola azony amin’itony fitaovana itony.» araka ny filazan’ny renin’i Théophile, hatrany.
Misy karazany roa
ny aretina « épilepsie »
Araka ny fikarohana natao, ny «épilepsie» dia aretin’ny atidoha vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra ao amin’ny sela-misaina na «Activité électrique des neurones», izay miteraka krizy tampoka. Ireo krizy ireo dia miseho amin’ny endrika samihafa: mety hahavery saina tampoka, hiteraka fihorohoroan’ny vatana, na hanova tampoka ny fihetsika sy ny fijery. Indraindray aza, rehefa tapitra ny krizy, dia tsy mahatsiaro izay nitranga ilay marary. Maro ny antony mety hiteraka ny epilepsie: ny fahasimban’ny atidoha hatrany am-bohoka, ratra na lozam-pifamoivoizana, aretina toy ny tazomoka mafy, na lova avy amin’ny fianakaviana. Misy karazany roa lehibe io aretina io: ny krizy lehibe izay mampiforitra sy mampikorontana ny vatana manontolo, ary ny krizy kely izay miseho amin’ny fijery tsy mihetsika mandritra ny segondra vitsy. Ny fitsaboana dia ahitana fanafody manokana antsoina hoe antiépileptique, izay tsy maintsy arahana tsy an-kiato, ary indraindray koa fandidiana raha tsy voafehy amin’ny fanafody. Raha sendra misy olona tratran’ny krizy dia apetraho amin’ny sisiny izy mba tsy ho sempotra, arovy ny lohany, ary aza asiana zavatra anelanelan’ny nifiny. Aza tazonina mafy ny vatany, ary antsoy avy hatrany ny mpitsabo raha maharitra mihoatra ny 5 minitra ny krizy na miverimberina tsy mitsahatra. Ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra ara-potoana no antoka hanampiana ny olona voan’io aretina io hiaina ara-dalàna sy amim-pilaminana.
Nanatontosa : Fitia Randria
Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany.
Hiverina indray, araka izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, 42, 195 km. Ankoatra izay, hisy koa ny antsoina hoe: “Foulée ecolo”, mirefy
10 km sy ny 2 km ho an’ireo tsy mahazaka ny lavitr’ezaka. Tafiditra ao anatin’ity “Marathon de Tana” ity ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny lalana holalovan’ity hazakazaka ity. Mbola ao anatin’ny fandinihana izany, amin’izao fotoana izao, ireo teknisianina eo anivon’ny federasiona. Raha ny tsilian-tsofina, hisy fiovana vitsivitsy izany fa tsy toy ny tamin’ny andiany taloha.
Tompondaka
Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Nafana ny fifaninanana, izay nahitana ireo hoavin’ny basikety malagasy. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Fandrefiala Analamanga raha ny ASSM Analamanga kosa ny teo amin’ny lehilahy.
Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo.
Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Analakely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana ny sata mifehy ny ligin’Analamanga no natao nandritra izany. Nandinihina koa ny mahakasika ny fifidianana eo anivon’ny ligy. Anisan’ny nahitsy ny voarakitra tao anaty sata mahakasika ny klioba, ka lany fa mpikambana eo anivon’ny ligy manomboka izao ny klioba eto Analamanga. Tsy mpikambana mivantana amin’ny federasionina intsony, araka izany, ny klioba. Ligy 13 tamin’ireo 22, tonga nanatrika fivoriana no nandany io lalàna vaovao ao anatin’ny sata io. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ihany koa fa amin’ity taona ity ny fifidianana, araka ny fandidiana nataon’ny MJS azy ireo amin’ny hanaovana izany faran’izay haingana.
Mahakasika ity fivoriambe ity hatrany, nanamafy ny filohan’ny ligin’Analamanga fa noho ny fandrahonana nataon’ny federasionina azy ireo no nahatonga ireo klioba sasany tsy tonga nanatrika izany ny sabotsy teo. “Hijoro izahay hiaro ireo klioba hiharan’ny tsindrihazolena”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa lasa ihany koa, hoy izy, ny fitoriana ilay “Comité ad’hoc” natsangana tamin’ny tsy ara-drariny izay misalovana ny andraikitry ny ligy.
Ho an’ny fifaninanana kosa, tsy nanamboatra tetiandro ho an’izay mihitsy ny ligin’Analamanga tamin’ity taona 2025 ity amin’ny maha taom-pifidianana azy ka hifantoka tanteraka amin’izany. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga fa manana kandidà hirotsaka hofidina filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja Echecs izy ireo.
Mi.Raz
Hunan TV et Mango TV viennent de lancer l’émission « Divas Hit The Road –Season of Unity » plaçant Madagascar sous le feu des projecteurs auprès des téléspectateurs chinois en divulguant les trésors cachés du pays pour séduire les touristes chinois et ainsi les inciter à choisir la destination.
A titre de rappel, sept célébrités chinoises se sont lancées dans l’aventure pour explorer l’île. Les téléspectateurs chinois vont découvrir la Grande îIe dans toute sa splendeur grâce à cette émission produite avec passion par ces chaînes de télévision chinoises. La beauté et la diversité du pays vont être mises en avant à travers une émission intitulée « Unis dans la diversité, solidaires de cœur », exposant une rencontre entre cultures permettant de renforcer les liens, tout en laissant des empreintes gravées dans les mémoires.
A noter que ce projet a pu voir le jour grâce au précieux soutien de l’ambassade de Chine à Madagascar, à l’engagement du ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA) et du ministère de la Communication et de la culture (MCC), ainsi qu’à la coopération exemplaire des différents partenaires locaux. Les téléspectateurs malgaches ne seront pas en reste, puisqu’ils pourront aussi (re)vivre à travers leur petit écran, les aventures menées par ces célébrités chinoises. En effet, le MTA a fait savoir que cette émission sera bientôt diffusée sur les chaînes nationales malgaches.
Jean Riana
Le Syndicat des Industries de Madagascar (Sim) élargit le label «Malagasy Ny Antsika» avec 11 nouvelles références. Pour la première fois, un service obtient cette certification, aux côtés de dix produits industriels.
Ravinala Airports, gestionnaire des principaux aéroports du pays, devient ainsi le premier prestataire de services à décrocher le label. Porte d’entrée de Madagascar, l’entreprise entend accueillir les voyageurs sous les couleurs «Malagasy Ny Antsika». Le label valorise la qualité d’accueil, la bienveillance et la fierté nationale dès l’arrivée des visiteurs.
Cette reconnaissance récompense ainsi l’engagement de Ravinala Airports pour des infrastructures modernes favorisant l’exportation et l’importation des produits locaux. Elle reflète aussi sa politique d’achats auprès de fournisseurs malgaches, la valorisation des compétences de ses équipes et la mise en avant des produits « Vita Malagasy » dans ses espaces commerciaux.
Le secteur industriel est également à l’honneur. CEIM Polytech, leader dans la construction durable, rejoint la liste avec dix produits innovants : PolyArm, PolyBéton, PolyDrain, PolyFroid, PolyMur, PolyOne, PolyRoute, PolySet, PolyToit et PolyTôle. Des solutions techniques conçues pour allier performance, durabilité et qualité.
Sino-Malagasy Animal Husbandry (SMAH) décroche le label pour sa viande de chèvre avec os, issue d’animaux élevés en pâturages naturels dans les régions Menabe et Atsimo Andrefana. Ce produit haut de gamme vise principalement le marché chinois et portera le label « Malagasy Ny Antsika » au-delà des frontières, promouvant le savoir-faire malgache à l’international.
Créé et porté par le Sim, le label garantit la qualité, la traçabilité et la sécurité des produits et services. Depuis la révision de son cahier des charges en 2024 avec l’appui du Pnud, il s’applique aux produits industriels, aux services, à l’artisanat et à l’agriculture. L’adhésion au SIM reste un prérequis pour y prétendre.
Les consommateurs peuvent identifier facilement les produits et services certifiés grâce au logo «Malagasy Ny Antsika».
Arh.
Annoncée le mois passé, l’inauguration officielle de la voie rapide reliant Ivato au départ du rond-point Don Bosco jusqu’au rond-point à Andranotapahana s’est tenue hier, sous l’égide du ministre des Travaux publics, Richard Rafidison et l’ambassadeur de Chine à Madagascar, Ji Ping.
Long de 4 km, le tronçon est désormais ouvert au public et améliorera sans conteste la circulation menant vers l’aéroport international d’Ivato, en plus de faciliter le quotidien des riverains.
«L’ouverture de cette route constitue une étape majeure dans l’amélioration du trafic et contribue à réduire autant que possible les embouteillages, notamment à l’entrée et à la sortie de l’aéroport international d’Ivato», a déclaré le ministre Richard Rafidison. Cette route nouvellement inaugurée est assez vaste avec 12 mètres de large dont 7 mètres destinés aux véhicules, et des trottoirs pour les piétons aménagés sur les côtés. Elle est directement reliée à la RN 4 ainsi que la route de la Francophonie Ambohitrimanjaka, et se poursuit jusqu’à Andohatapenaka.
Le ministère des Travaux publics (MTP) a souligné que la réalisation de ce projet a pu se faire, grâce à la collaboration du gouvernement malgache et de l’Eximbank Chine. C’est l’entreprise chinoise China Road and Bridge Corporation (CRBC) qui s’est chargée de la réalisation des travaux de construction.
Dans sa prise de parole, l’ambassadeur Ji Ping a indiqué que la coopération entre Madagascar et la Chine ne date pas d’hier, et elle s’améliore avec le temps. « Cette réalisation s’inscrit dans une longue histoire de coopération entre nos deux pays dans le domaine des infrastructures », a-t-il fait savoir tout en citant d’autres exemples comme la construction de la route Ivato-Tsarasaotra, la réhabilitation de plusieurs routes nationales telles que la RN2, RN4, RN5, RN10, RN12, RN31 ainsi que des projets en cours comme l’aménagement de la voie rapide reliant Toamasina à la RN2.
Ouverture officielle du premier tronçon de la première Autoroute de Madagascar
Par ailleurs, l’ouverture officielle du premier tronçon de la première Autoroute de Madagascar partant d’Ambodifasina à Ambohimanga, est prévue le 18 août. Selon l’annonce de la Présidence de la République, la cérémonie officielle se tiendra au PK0 Ambodifasina à partir de 9h30. Une fois terminée en totalité, cette Autoroute qui s’étale sur une longueur d’environ 260 kilomètres reliera Antananarivo à Toamasina. L’objectif étant de réduire les temps de trajet et d’améliorer la circulation des marchandises entre la Capitale et le principal port du pays.
Jean Riana
Roa lahy naiditra am-ponja eny Antanimora, ny sabotsy 9 aoagositra teo, taorian’ny nahatraran’ny polisy azy tetsy Antohomadinika IVO. Nangalatra jiro tao an-tokotanin’olon-tsotra izy roa lahy ireo, ny alakamisy 7 aogositra teo, ka noraisim-potsiny.
Taxi-be 133 tapaka hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny tranon’olona teny Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Notanan’ny zandary ny mpamilin’ny fiara mpitatitra solika nahatrarana rongony 50 kg tao Iaritsena, distrika Ambalavao, afakomaly. Niakatra hihazo Antananarivo io kamiao io rehefa avy nanatitra solika tany Toliara.
Lehilahy namoy ny ainy voatsatoka antsy nandritra ny disadisam-pianakaviana tao Ambohinosy Antanety II, Vontovorona, ny sabotsy 9 aogositra teo. Nosamborina ny nahavanon-doza ka notanana vonjimaika.
Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy an-keriny. Nasain’ireo mpandroba nandondona tamin’ny varavaran’ny mpivarotra tsy lavitra io vehivavy io. Mody nitaraina ho marary anaka io vehivavy io ka mila mividy solika hitondrana ny zaza amin’ny mpitsabo. Namoha ny trano ilay rangahy ka nozeran’ireo olon-dratsy tamin’ny vy avy hatrany. Tsy nahatsiaro tena ilay lasibatra sady vaky ra.
Noteren’ireo jiolahy telo hamoaka ny vola ilay renim-pianakaviana narary teo ambony fandriana. Nilaza ho tsy nahalala ny nasiam-badiny ny vola io ramatoa io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka ilay vehivavy nalain’ireo jiolahy an-keriny tao amin’ny tokantrano iray voalohany. Nampandre ny fokonolona ity farany. Nirodorodo namonjy ny tokantrano voatafika ny vatan-dehilahy kinanjo efa nandositra ireo mpandroba. “Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana naratra saingy tsy tana ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa ao Ambatondrazaka. Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ny tokantrano voaroba ireo jiolahy.
Tsiferana R.
Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Masina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. Ambohi-pihaonana faratampony teo amin’ny finoana katolika iny fihaonana iny.
Avy amin’ny fikambanana masina Obla de Marie Imaculé, teratany Poloné ny Mgr Marek Ochlak. Ankoatra izay, filoha mpitarika io vondrom-pikambanana misy azy io ihany koa ny tenany. Tsy olom-bavao amin’ny mpino katolika eto Madagasikara ny Eveka vaovao fa efa niasa tamina diosezy maro teto amin’ny Nosy. Efa pretra tompon’ andraikitra tetsy amin’ny Notre Dame de L’orde Anjoma izy. Nisahana andraikitra tao amin’ny Apostolat de la Mer-Ampasimazava ihany koa.
Miisa telo aminy ny Eveka nitantana ny diosezin’i Fenoarivo Antsinanana. Izy no Eveka fahatelo nitantana iny diosezy iny, taorian’ny fametrahana sy fanendrena an’ ity faritra ity ho diosezy mahaleo tena. Marihina fa voatendry ho diosezy mahaleo tena iny faritra iny tamin’ny taona 2000. Ny Eveka Tsarahazana Désire no Eveka voalohany nitantana. Ny Mgr Randriamamonjy Marcellin, ny faharoa, ary izao nodimbiasin’i Marek Ochlak izao. Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’ny Farafangana moa Mgr Randriamamonjy Marcellin ka antony nanandrena an’i Mgr Marek Ochlak. Voatendrin’ny Papa Fransoa, efatr’ andro nialohan’ny fahafatesany moa izy io. Raha tsiahivina, izy no Eveka farany notendren’ny Papa Fransoa nialoha ny fahafatesany. “Ho tonga anie ny fanjakanao”, io ny teny manentana sy fanambiny amin’ny maha mpiandry ondry sy zanak’ Andriamanitra azy.
Manan-danja ny teny fanamby
Tsy niova amin’ny fomba fiteniny mahitsy, ny kardinaly Tsarazana Désiré, arsevekan’ i Toamasina, rehefa anatin’ny fotoan-dehibe tahak’izao. « Manan-danja lehibe ny teny fanambinao Mgr Marek Ochlat satria ao anatin’ny vavaka fanaontsika andavan’andro ny hoe : ho tonga anie ny fanjakanao », hoy ny kardinaly Tsarazana Désiré. Manoloana izany, mitodika amin’ny kristianina sy olom-pirenena mba tsy atao tsianjery fotsiny ny mivavaka, raha ny nambarany hatrany. Nolazainy fa tokony tsaroana amin’ny vavaka isan’ andro ny hoe : « aza atao ho azon’ny fitoaman-dratsy izahay ». Mafonja ireo vavaka ireo satria mitarika ny olona hampanjaka ny fahamarinana, fiadanana, fandriam-pahalemana, fitiavana, hatsarana jiaby eto amin’ny Nosy ihany koa izany. « Noho izany, tsy azo atao tsianjery fa tanterahina amin’ny fiainana izany vavaka izany », hoy ihany ny Kardinaly Tsarahazana Désiré.
Tokony hiala amin’ny ratsy ny tsirairay
Efa mahazo vahana eto amin’ny firenena malagasy ny asan’ny ratsy, ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa raha ny zava-misy. Nambarany fa tokony iezaka hiala amin’ny laingalainga, fitapitaka ny olona tsirairay avy. Mpihavana avy ny rehetra ka andao hampanjaka ny fanjakan’ Andriamanitra mba ho lasa modely amin’ny fiainana. Noho izany, hialana ny fitapitaka sy laingalainga ary fiatsarambelatsihy. « Antsaharo ary avelao ny hevitry devoly amin’ny hoe tany tsy hangalarana tsy hivelomana, andao hibebaka», hoy ihany izy. Tsodrano ho an’ny Eveka vaovao kosa nilazan’ny kardinaly ny hoe “Benavony nafindra ho tsaratsaran’ny teo ka ho tsara kokoa noho ny nataon’ izy roa lahy teo aloha mba ho fampiroboroboana ny diosezin’ny Fenoarivo Atsinanana ».
Nanatontosa : Sajo
Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto amintsika.
Azo tsidihan’ny daholobe ny « Bazar de la Sadc », hatao eny amin’ny Foibe fampirantiana iraisam-pirenena Enara, Lac Iarivo Ivato, ny 14 hatramin’ ny 18 aogositra ho avy izao. Maro ny tranoheva hita eny an-toerana, ahitana ny taozavatra sy ny kolontsaina malagasy sy ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Sadc.
Miisa 60 ny Mpiasa eny ifotony mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA), nahavita fiofanana tany Ambovombe sy Amboasary. Andraikitr’izy ireo ny fisorohana sy ny fitsaboana ny aretim-biby, ny fanatsarana ny vokatra sy ny sakafo, ny fampiharana ny teknika fiompiana ary ny fampitam-baovao amin’ny veterinera.