Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Madagascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina sy fihavanana manoloana izao tontolo izao. Ilaina koa ny firaisankina manoloana ireo sakana rehetra eo amin’ny fiainana”, hoy ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Bemasoandro, Ranitratsilo Jimmy. Lohalaharana ho an’ny kaominina tsirairay avy ny fandriampahalemana. “Tokony hamafisina ny fandriampahalemana ary mila mandray an-tanana manoloana izany ny tsirairay avy”, hoy ihany izy. Tanjona ny hankalazana ny soatoavin’ny fandriampahalemana sy fifanajana ary firaisam-pirenena. Eo koa ny hampiroboroboana ny fiaraha-miaina am-pilaminana sy fifankazahoana ary firindrana ara-tsosialy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy mozika ary kolontsaina. Ho an’ity kaominina ity, efa nitsangana ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalemana. Toy ny voamieran’ny fandriampahalemana, ny polisy kaominaly, ny andrimasom-pokonolona ary ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana rehetra. Nitohy tamin’ny fankalazana ny andron’ny mozika ny hetsika ho an’ny tapany hariva. Nahitana mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa, izay nampiseho ny talentany teny ankalamanjana. Fanombohan’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tena koa ny hetsika.
Mino
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola.
Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fitsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny fametrahana orinasa ary tsy misy ny famoronana asa, anisan’ny antoka lehibe amin’ny fivoarana ara-toekarena, raha tsy mipetraka amin’ny tokony ho toerany sy manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny Fitsarana”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe izany. Niompanan’ny fihaonana koa ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lalàna mifehy ny antoka na “Refonte de la loi sur les sûretés”. Volavolan-dalàna ho entin’ny minisitra eny anivon’ny rafitra mpanapaka isan-tsokajiny.
Fitantanana ny fiankohonana
Eo koa ny momba ny fanarenana ara-pitsarana ny kaompania Air Madagascar, ankehitriny. Manampy izany ny momba ny tetikasa “Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité – Prodigy”. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ka tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny fiankohonana sy ny fanondroana “Réforme de l’état-civil et de l’identité”.
Nitondran’ny minisitry ny Fitsarana ireo dingana samihafa tsy maintsy izorana amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’ireo voaresaka rehetra ireo.
Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ny ankilay ny amin’ny mety ho endrika fiaraha-miasa sy fanohanana ilaina mba hanatrarana ny tanjona mitondra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Synèse R.
Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasikara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manomboka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpampianatra any an-tsekoly, ray aman-dreny ao an-trano, mpitarika isan-tsokajiny…) mihitsy no osa ?
Tranga mateti-piseho, ohatra, ny mianatra kabary, kanefa, tsy mahafantatra izay vontoatin’ny ambaran’ny vavany akory. Tsy vitsy amin’ireo izay heverina ho « mpampianatra » na mpampita fahalalana, ankehitriny, no tsy afaka mandray anjara intsony amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
Raha ampitahaina amin’ireo mpampianatra teny malagasy fahiny (any an-tsekoly, ao amin’ny ankohonana, eo amin’ny tontolon’ny fifaneraserana…), ohatra, ny fahalalan’ny mpampianatra teny malagasy ankehitriny. Mifandavitra be. Manana fototra matanjaka kokoa ireo « mpampianatra » fahiny. Tononkira fahiny, ohatra, mavesa-danja kokoa noho ny faheno ankehitriny. tsy azo hadinoina, anefa, fa mpampianatra ny mpamoron-kira. Niha osa ny mpampianatra?
… Rehefa ireo heverina ho « mpampianatra » no osa. Tsy antenaina ny hahita vokatra tsara eo amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
HaRy Razafindrakoto
Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy.
Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. Ankoatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny matematika izy. Efa maro ireo fampahafantarana nataony ary mbola hamelabelatra indray momba ny sikidy ity manam-pahaizana ity.
Ho vahinin’ny “Bar à livres” eny amin’ny Le Park Appart’Hôtel Bemasoandro, ny profesora Rakotondrajao Fanja, ny sabotsy 28 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mazava loatra fa manodidina indrindra ny sikidy ny lohahevitra hovelabelarina amin’io. Manana tsangan-kevitra maro izay tohanany izy satria vokatry ny fikarohana nataony mantsy izany. Aminy, harena be no vimbinin’ny sikidy. Tahirim-pahendrena sady tranomboky tsara rindra sy tsara kajy ny sikidy. Indrisy, tsy ny olona rehetra anefa ankehitriny no miditra tranomboky.
“Ny sikidy dia tokony hianaran’ny Malagasy mpianatra rehetra. Manomboka garabola hatrany amin’ny Anjerimanontolo. 65 536 ny isan-tsikidy. Raha atao takila iray amin’ny boky misy sikidy roa dia boky misy takila 32 768 izany ny sikidy. Ny sikidy tsirairay anefa mampita hafatra manokana”, hoy indrindra ny profesora Rakotondrajao Fanja. Efa boky fahafito amin’ny navoakany momba ny sikidy no ampahafantarina mandritra io fotoana io.
Satria mifototra amin’ny fampahafantarana boky efa nisy na vao hivoaka ny “Bar à livres”, hanampy ireo liana sy hanjifa izany ny fitafatafana mivantana amin’ny mpanoratra toy izao. Misy ihany koa ireo boky hafa izay vao nivoaka, azo jifaina eny an-toerana, toy ny “Fanambin’i Rijakely”, sanganasan’i Riri Razafindrabe.
Zo ny Aina
Notontosaina teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika ara-panatanjahantena indianina, «Yoga», izay nokarakarain’ny masiovoho indianina eto Madagasikara. Mpitondra fanjakana maro no tonga teny an-toerana namaly ny antso tamin’izany. Anisan’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, sy ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, (MJS), Marson Moustapha Abdulah.
“Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny fiatrehana ny hetsika tahaka izao, ary ny fanatanjahantena rahateo no mampiray ny olona maro,” hoy ny minisitra, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Marihina fa efa manomboka mampihatra ity Yoga ity avokoa ny ankamaroan’ireo firenena maneran-tany. Izy ity izay manatsara sy manala ny sorisory andavanandro ary manampy ny fikolokoloana ny saina sy ny vatana. Araka izany, tsy mifidy taranja ny minisitra Marson Moustapha, ary ataony laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara.
F.R
Le Tribunal de première instance d’Ambovombe a rendu récemment une ordonnance dans laquelle, il valide la refonte du « Dinan’i Androy », un mécanisme local essentiel pour la gestion des conflits et la promotion de la paix au sein de la communauté.
La loi 2001-004 du 25 octobre 2001, régissant les Dina en matière de sécurité publique, dispose que tout Dina doit être homologué par une juridiction compétente pour avoir plein droit la force exécutoire.
Cette homologation représente bien plus qu’un simple acte administratif. Elle symbolise une étape majeure dans le renforcement des efforts communautaires en matière de justice traditionnelle, de cohésion sociale et de sécurité dans
la région Androy, souvent confrontée à des enjeux de violence et de tensions sociales.
Cette décision du tribunal est le fruit d’une collaboration étroite entre divers acteurs communautaires et institutionnels, confirmant ainsi l’engagement collectif envers une approche inclusive et respectueuse des spécificités locales.Le «Dinan’i Androy» se veut être un outil de gestion des conflits sociaux d’une manière pacifique et de réconciliation au sein des communautés.
Le projet Landja, financé par le UN Peacebuilding fund Madagascar (Fonds pour la consolidation de la paix), est à l’origine de cette initiative. Mis en œuvre par le Programme des Nations Unies pour le développement (Pnud), en collaboration avec le Haut-commissariat des droits de l’homme et le MSIS (Multi-sector information service), le projet témoigne de la volonté de l’Etat malgache et de la communauté internationale, de soutenir la transition vers des systèmes de justice locaux plus résilients et efficaces, tout en plaçant les droits humains au cœur des interventions.
Fahranarison
Le Nouvel amphi sciences (NAS) de l’université d’Antananarivo, a abrité la cérémonie de sortie de deux promotions «Voatefy» et «Mafy» de licence en Chimie, parcours ACP, ISTE, Chimie Académique et en Physique, parcours Physique Académique et Lier).
«L’être est plus grand que l’avoir dans le diplôme», a indiqué Tendro Radanielina, doyen de la Faculté dans son discours à cet événement. «La licence n’est pas un objectif, mais ce n’est qu’une étape», a-t-il poursuivi tout en invitant les jeunes diplômés à poursuivre leur quête de savoir et d’excellence.
Ces deux promotions comptent une trentaine de jeunes diplômés. Njarasoa Rakotonandrasana est sorti major de promotion de la mention physique académique, Miora Raharimalala de la mention Lier, Fitia Arnoushka Andriamasiniaina de la Chimie aéro cosmétique et photomédicament, Notahiana Anjaramiarantsoa de l’ingénierie en sciences et technologie de l’eau ainsi que Liantsoa Randriatsarafara en Fondamentaux chimie académique.
Sera R.
Comme l’a annoncé le président de la République Andry Rajoelina, la célébration de la fête de l’Indépendance dans la soirée du 25 juin, aura lieu au lac Iarivo, avec un spectacle de jets d’eau sur mesure.
Les organisateurs ont confirmé que tout est en place pour garantir un événement à la hauteur des attentes présidentielles. Le chef de l’Etat a donné des directives claires pour que le public assiste à une soirée grandiose.
Les répétitions d’hier après-midi ont déjà révélé une parfaite harmonie entre la musique et les mouvements des jets. Afin de garantir une visibilité optimale pour l’ensemble du public, le dispositif a été pensé pour atteindre une hauteur de 70m, afin que les personnes éloignées du premier rang puissent profiter pleinement du spectacle. De plus, un groupe électrogène dédié sera déployé pour assurer l’alimentation électrique du spectacle.
N.A
L’exposition artisanale dans le Hall central de l’aéroport international d’Antananarivo, en partenariat avec Ravinala Airports Madagascar a été inaugurée hier. Cet endroit va servir de carrefour d’échanges entre Madagascar et le reste du monde. Le savoir-faire malgache sera mis à l’honneur, avec 14 filières tels que bois et dérivés, métaux et travaux des métaux, pierre et bijouterie, textile et habillement, fibres végétales…
«Bien plus qu’un simple événement commercial, cette exposition célèbre le génie créatif de nos artisanes et artisans, gardiens de traditions ancestrales et dépositaires d’un patrimoine culturel riche et authentique», selon le ministère du Tourisme et de l’artisanat.
La ministre Viviane Dewa a exprimé à cette occasion sa fierté et son engagement en faveur de la promotion de l’artisanat malgache tout en soulignant l’importance de soutenir ces talents qui font vivre nos traditions et contribuent au développement économique du pays.
Jean Riana
Afin d’améliorer la sécurité alimentaire et de renforcer la résilience climatique dans le sud de Madagascar, une région fortement affectée par le phénomène El Niño, le Programme alimentaire mondial (Pam) met en œuvre actuellement un nouveau projet de 2,03 millions de dollars, soit environ 9,5 milliards d’ariary.
«Ce projet prévoit la mise en place de trois pôles solaires, destinés à accroître la productivité agricole, à améliorer l’accès à l’eau, et à développer des activités génératrices de revenus, avec une attention particulière portée à l’autonomisation des femmes», a fait savoir le Pam dans un communiqué hier.
Les principaux axes d’intervention sont la promotion de l’agriculture intelligente, l’introduction de classes numériques et la création de centres d’apprentissage en nutrition. A noter que la mise en œuvre de ce projet coïncide avec la descente de l’ambassadeur du Japon à Madagascar, Abe Koji, dans le district d’Amboasary, accompagné par la directrice pays et représentante du Pam, pour constater la mise en œuvre de la Transformation rurale rapide (RRT), une approche intégrée et multisectorielle visant à renforcer la résilience des communautés rurales dans le sud de Madagascar.
Sera R.
Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra.
Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no hanatanterahana izany. Azon’ny mpanjifa rehetra arahina ny lalao rehetra, hatrany amin’ny toerana mitoka-monina sy lavitra, satria ampiasain’ny StarTimes Solar ny angovo avy amin’ny masoandro.
Nametrahana takelaka ahazoana ny herin’ny masoandro matanjaka ny orinasa, ny rafi-panjakana ary ny olon-tsotra. Ahitana ny kojakoja ny fahazoana herinaratra, bateria ary « onduleur ». Manana tanjaka manomboka 2kW hatramin’ny 10 kW. Misy fiantohana mandritra ny 10 taona.
Ankoatra ny fanarahana ny Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba, mitohy ny fandaharana horonantsary vahiny (avy any Torkia, Philippines, Thailandy, …), adika amin’ny teny malagasy, ny Iron Heart amin’ny Gasystar, ny Intersction, ny Mr Wrong, sns.
Njaka A.
Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny dingana roa voalohany amin’ny fampihenana ny karbona. Midika ireo, fa tafiditra ao anatin’ny filaharana iraisam-pirenena Top 10 amin’ny seranam-piaramanidina aty Afrika ny eny Antananarivo sy Nosy Be, sokajy 3 ACA.
Anisan’ny fahombiazana vita ny fametrahana fotodrafitrasa avo lenta sy angovo madio, nankatoavin’ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (IFC) ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Eo koa, ny fanodinana ny fako ho lasa vokatra vaovao indray hiarahana amin’ny Andao Company sy ny STCV. Miampy ny fiarovana ny karazan-javamananaina sy ny fiarahana amin’ny vondrona olona.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa « manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana hatao laharam-pahamehana ny fahazoana izao sokajy fahatelo izao. Izany rahateo ny tanjon’ny mpiara-miombon’antoka aminay, ny Meridiam sy ny vondrona ADP ».
Njaka A.
Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo.
Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy ny fampahalalana na fakana ny hevitry ny mpanjifa.
Vao am-bolana maromaro izao ny nisiany teto Madagasikara, manome tolotra tsy mila fotodrafitrasa eto an-toerana, fa avy amin’ny zanabolana. Mikorontana ny fifandraisan-davitra sy ny tambajotra, indrindra any amin’ny toerana tena be mponina. Tsy vitan’izany, fa lasa midangana izaitsizy ny saran’ny tolotra. Tsy nisy ny fanazavana na fampiomanana mialoha, sady tsy manana masoivoho eto an-toerana rahateo ilay orinasa. Mitotaly 1 927 000 Ar ny sara-pamandrihana, ka ao anatiny ny vidin’ny fitaovana (900 000 Ar) sy ny kojakoja (113 000 Ar), miampy ny saran’ny fampandehanana azy vaovao, 1 140 000 Ar.
Toekarena mitanila
Mampametra-panontaniana ny mpanjifa izany rehetra izany, amin’ny tsy fisian’ny mangarahara. Raha ny hevitr’izy ireo, endriky ny toekarena niomerika mitanila izao tranga izao. Tsy afa-manoatra manoloana ny fanapahan-kevitra samirery raisin’ilay orinasa, na dia efa toy ny filana andavanandro sy mahazatra aza ny fifandraisan-davitra, ankehitriny. Ho an’ny mpanjifa, tsy misy ny fitsinjovana azy ireo, tsy manana safidy, satria ny fifandraisan-davitra dia efa ampiasaina amin’ny sehatra maro, toy ny fianarana, ny asa, ny fahazoam-baovao, ny fandraharana, ny fitsaboana, sns. Hany ka, voatery manaiky ny fepetra apetraky ny orinasa sy ny sarany apetrany, toy izao mitranga izao. Raisin’ ny mpanjifa ho toy ny fihenan’ ny fahatokisany an’ilay orinasa ny tsy fandraisany andraikitra.
Njaka Andriantefiarinesy
Tsy niandry ela fa ny faran’ny herinandro teo ihany dia efa nivoaka ny voka-panadinana CEPE tamin’ireo Cisco marobe manerana ny Nosy. Efa Cisco an-jatony no namoaka izany, miankina amin’ny isan’ny mpianatra sy ny isan’ny mpikirakira ny vokatra no hahafahana manao izany malaky. Anisan’ny namoaka izany haingana ho an’ny teto Analamanga, ny Cisco Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana… Toraka izany ny any amin’ny faritra toy ny Cisco Ikalamavony, Besalampy, Vatomandry, Tsihombe, Amparafaravola….
Manodidina ny 57% hatramin’ny 95% ny taham-pahafahana tamin’ireo Cisco efa namoaka ny tatitry ny voka-panadinana CEPE ireo. Mbola miandry am-pitaintainana kosa ny amin’ ireo Cisco sasany.
Misy ny laharana maitso 921 hahafahana mamantatra ny voka-panadinana. Afaka mandefa hafatra miafina ao amin’ny pejin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ary manaraka ny toromarika izay lazaina. Ankoatra izany ny fidirana amin’ny rohy http://education.gov.mg/gr-men/web.
Tatiana A
Tonga tetsy amin’ny HJRA, nanohana ireo olona narary vokatry ny famosaviana nandritra ny fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faraparan’ny herinandro teo. Olona 26 no nomena tohana nahitana fehezan-karona misy ireo vatsy sy nankaherezina tamin’ izany.
Nisy koa ny vatsim-panahy netin’ny mpitandrina Randriamananjara Philibert filoha nasionalin’ny METM sady mpandrindra ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy TAK.
Tetsy andaniny, nankasitraka ny fahafoizan-tena andro aman’alina ataon’ireo mpitsabo mandray an-tanana ny marary ao amin’ny hopitaly ny minisitra sy ny ekipany izay misongadina fa misikim-ponitra manavotra ny ain’ny marary na dia maro aza ny fanenjehana mihatra amin’izy ireo.
Tsiahivina fa efa misy koa ny fandraisana an-tanana ny fanafody fitsaboana sy ireo tolotra avy amin’ny governemanta ho an’ireo niharam-boina ireo.
Tanora avy namonjy fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ireto tratran’ny famosaviana ireto, araka ny efa tatitra ofisialy navoakan’ny fanjakana ka izao tsaboina ao amin’ny HJRA izao. Efa maro ny namoy ny ainy ary ireo ambiny manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso akaiky ao amin’ny hopitaly ireo ankaherezina sy irariana ho avotra soamatsara ny ainy.
Tatiana A
Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato ny tovolahy iray, ny sabotsy teo. Nanavotra ny vehivavy iray
voalaza fa latsaka tao anaty rano izy ka tsy tafaverina intsony.
Lehilahy iray 21 taona hita faty tao anaty ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 7 ora maraina teo. Tonga naka sy nampiakatra ny razana ny sampana mpamonjy voina rehefa nahazo antso mahakasika ny tranga. Nanavotra ilay vehivavy namany latsaka tao anaty rano izy ny harivan’ny zoma ka tsy niverina intsony, raha ny fanazavan’ny havany. Olona enina mianadahy izy ireo no niaraka nandeha an-tongotra, hihazo fodiana. Latsaka avy eny amin’ny sisin’ny tetezann’i Tanjombato anefa ny vehivavy iray, tamin’izy ireo. Nahita izany ity tovolahy maty ity ka nitsoraka tao anatin’ny rano avy hatrany, mba hanavotra io vehivavy io. Nambaran’ny havany fa tsy mahay nilomano izy io fa tia namana loatra ka antony nanaovany izao. Tonga nampilaza ny zava-nitranga tany amin’ny fianakavian’ny niharam-boina ireo namana niaraka taminy adiny iray taorian’ny tranga. Tsy niandry ela fa nankeny amin’ny tetezana hijery ny zanany ny ray aman-dreny sy ny fianakaviany ny maraina. Nalefa eny anivon’ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fampiakarana azy an-tanety.
Manahy zavatra hafa ny fianakaviana
Manahy ho zavatra hafa ny antony nahafaty io zanany io ny fianakavian’ny maty. Nisy tamin’ireo namany no nanao vava tamin’io tovolahy maty io talohan’ny fotoana nanavotany io vehivavy latsaka tanaty rano io, raha ny fanazavana voaray. Tsy latsaka tao anaty rano ilay vehivavy fa niafina tao ambadiky ny tetezana, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nihevitra fa latsaka anefa ity tovolahy ity ka nitsoraka nanavotra azy avy hatrany.
«Noho ny fahambangan’ny arofanina eny amin’ny tetezana no tena antony mahatonga ny olona latsaka any anaty rano», hoy ny sefo fokontany Ankeniheny Tanjombato, Jean Noel. Miantso ny hanamboarana ny arofanina eo amin’ny tetezana io, araka izany, ny tomponandraikitra eny an-toerana. Marihina fa olona roa no maty latsaka tao anatin’io ranon’Ikopa eny Tanjombato io tato anatin’ity volana ity.
Mino
Le stade Barea Mahamasina, s’est transformé en une gigantesque cathédrale à ciel ouvert hier, lors du concert de louange et de prière pour la Nation dans la cadre de la célébration du retour de l’Indépendance de Madagascar, organisé à l’initiative de la Présidence de la République, dans une atmosphère
d’unité, d’adoration et un engagement spirituel renouvelé. Andry Rajoelina a prêché un message poignant de paix et d’unité nationale.
Foi et ferveur pour la Nation. «Il y a ceux qui sont partis pour la vie éternelle auprès de Jésus-Christ. Et il y a ceux qui, bien que vivants, sont comme morts parce qu’ils ont perdu la foi», a lancé Andry Rajoelina dans sa prise de parole qui a marqué les esprits des milliers de fidèles.
Et de continuer, «La vie est un combat constant, dans le foyer, au travail, chaque jour. Je sais que ce que le peuple malgache endure et ce n’est pas facile. Mais ce que nous avons en commun, c’est la foi. Le message que je souhaite transmettre, c’est que quand nous sommes forts et que Jésus-Christ est dans notre cœur, on peut vaincre par la foi». Il a fait référence au psaume 33-12, «Heureuse la nation dont l’Éternel est le Dieu ! Heureux le peuple qu’il choisit pour son héritage !»
A cette occasion, Andry Rajoeliana a observé une minute de silence en hommage aux victimes d’empoisonnement collectif dans la capitale.
Chants de paix et d’amour
C’est aux figures de la musique évangélique malgache que revient l’honneur d’ouvrir ce rendez-vous dans le cadre du 65e anniversaire du retour de l’Indépendance de Madagascar.
L’interprétation en chœur du titre «Love» par Joïca Revival Messenger, Isaac de Paul, Joseph D’Af et Jaw’s Band, ainsi que la chanson «Izy», fredonnée par Henika, Pepe Shine, Bodokely et Lovatiana, ont résonné dans le stade Barea et aux alentours. La scène, d’un blanc immaculé, a été décorée avec des fleurs. Et au centre de la scène, se dressent trois majestueuses portes d’église, hautement symboliques.
Vers 17 heures, Dena Mwana, auteure-compositrice-interprète de musique gospel congolaise, a fait une entrée triomphale sur scène. Connue pour sa voix puissante et son énergie spirituelle, l’artiste a interprété ses plus grands succès, notamment «Walk of Love», «Rassembler les adorateurs» et «Il fera». «Quand le Seigneur nous appelle, il nous donne une mission et dans l’une des missions qu’il m’a donné c’est de louer Dieu sur toutes les Nations, Madagascar est l’un de ces pays que le Seigneur a choisi, raison pour laquelle je n’ai pas hésité à répondre à cet appel, pour venir et apporter la paix à travers notre musique», a fait savoir la chanteuse.
Spectacle grandiose
Tôt dans la matinée, une longue file d’attente était déjà visible aux abords des portails du Kianja Barea. En famille ou en petit comité entre amis, le public, majoritairement vêtu de blanc ne voulait pour rien au monde manquer ce rendez-vous avec leurs artistes de louange préférés.
En parallèle avec le concert de louange, un spectacle chorégraphique grandiose s’est déroulé sur le terrain du stade, mettant en lumière les danses folkloriques issues des quatre coins de l’île et une magnifique formation humaine représentant la carte de Madagascar. Un show de drones et de feux d’artifice ont illuminé la soirée. Le spectacle aérien, inspiré d’un message de paix et d’unité nationale, a ému les spectateurs par sa poésie visuelle.
Joachin Michaël
Une semaine après l’empoisonnement de masse survenu durant une fête d’anniversaire à Ambohimalaza, des victimes ne sont pas encore sorties d’affaire. Selon les derniers chiffres du Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU-JRA) Ampefiloha, 24 personnes poursuivent encore les soins. Un décès de plus a été enregistré ce week-end.
Le nombre de morts s’alourdit donc. Le décès de Riana Judicaël, âgé de 22 ans, vient malheureusement alourdir le bilan à 22 victimes.
Le vainqueur du concours Mister Analamanga 2022 a rendu son dernier souffle avant-hier vers midi sur son lit d’hôpital. D’après ses proches, le jeune homme est hospitalisé depuis le soir du dimanche 15 juin, c’est-à-dire un jour après la fête d’anniversaire à Ambohimalaza.
Son état de santé a commencé à s’améliorer vendredi. La famille et ses proches se sont même dit samedi matin qu’il sortira bientôt de l’hôpital avant qu’il ne fasse une rechute peu avant midi. Il a finalement rendu l’âme.
Dans le coma…
Sur les 24 victimes qui poursuivent les soins au CHU-JRA, 18 sont soumises à une surveillance médicale stricte à cause de la gravité de leur cas, indique l’hôpital. Parmi elles figure la jeune fille qui fêtait son anniversaire. Elle et son frère sont inconscients et poursuivent les soins médicaux, ce qui contredit les rumeurs sur les réseaux sociaux affirmant qu’elle a quitté le pays.
A rappeler que trois personnes ont été placées en détention préventive à la Maison centrale d’Antanimora dans cette affaire vendredi, dont la femme d’un footballeur des Bareas de Madagascar. Le footballeur en question a d’ailleurs déclaré dans une vidéo sur Facebook que sa femme a été victime d’une fausse accusation. Cinq autres suspects ont été placés sous contrôle judiciaire.
ATs.
Madagascar veut tirer profit de sa participation au 17e sommet des affaires entre les Etats-Unis et l’Afrique, qui se tient depuis hier jusqu’au 25 juin à Luanda (Angola). La délégation malgache est conduite par le Premier ministre, Ntsay Christian, représentant le président de la République, Andry Rajoelina.
Madagascar continue de conforter sa présence internationale aux différents sommets politiques et économiques d’envergure. Comme c’était le cas lors des différents sommets auxquels Madagascar a participé cette année, la délégation malgache à Luanda, entend aussi profiter de
ce rendez-vous avec les Américains, pour explorer des pistes de collaboration avec les Etats-Unis, et attirer les investisseurs américains à venir à Madagascar.
«Non seulement, le chef du gouvernement malgache, prononcera un discours lors de ce sommet, mais il va également s’entretenir avec les différents hauts fonctionnaires américains, qui s’apprêtent à coopérer avec le pays, pour le développement de Madagascar», d’après le communiqué de la primature.
Droits de douane de 47%
Une occasion également pour le Chef du gouvernement et sa délégation composée du ministre de l’Industrie et du commerce, David Ralambofiringa et l’Ambassadeur de Madagascar à Washington, Lantosoa Rakotomalala, d’aborder des sujets délicats qui préoccupent les pays africains y compris Madagascar en moment, en l’occurrence les droits de douane réciproques de 47% que le président américain, Donald Trump, veut imposer sur les produits malgaches exportés vers le marché américain.
«Les secteurs du commerce et de l’investissement seront également abordés plus en détail, surtout suite à la décision prise par le président américain d’augmenter les droits de douane sur les marchandises importées aux Etats-Unis», indique-t-on.
A noter que la «pause» de 90% sur les droits de douane, prendra fin dans un mois, plus précisément ce 9 juillet 2025.
Opportunité d’investissements
Plusieurs chefs d’Etat et de gouvernement prennent part à ce sommet, marqué aussi par la participation des entreprises et investisseurs américains prêts à raffermir les liens économiques et commerciaux entre l’Afrique et les Etats-Unis. C’est donc une opportunité d’investissements et de partenariat qui s’offre aux pays africains dans des domaines tels que les infrastructures, l’énergie, la technologie, l’agriculture et l’industrie.
N.A