S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 56 min

Afro beat : Manohy ny lalany i Onel Jet

sam, 04/18/2026 - 07:53

Velonjara Jet-lee, anarana feno. “Onel Jet” ao anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Ny fivoizana ny “Afro beat” no ifotorany. Nandritra ny taom-pahazazany no efa liana tamin’ ny famoronana tononkalo miady rima i Onel Jet. Ireo trangam-piarahamonina no akora fototra entin’i Onel Jet manefy ireo tononkirany. “Misy hafatra mafonja ny sanganasako”, hoy izy. Ilay vazo “Tsy agnenig’ôta” no nahafantarana ity mpanakanto ity.
Efa manangasanga any koa ny famoahan’i Onel Jet ny “Fisarahana”. Ankoatra ny “Afro beat” miezaka ny mamolaka ny gadona mihetsika (trôpikaly) ihany koa i Onel Jet. “Ny hanome fahafaham-po ireo sokajin-taona rehetra no tanjona amin’ny firosoana amin’ny famolahana bankira hafa”, hoy izy.
Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira i Onel Jet. Nomarihany fa vonona ny hiroso lalina amin’ny filalaovana ny mozika izy fa tsy anandrakandrana. Naneho ny fahavono­nany ny hivoy ireo gadon-kira nentim-paharazana mampiavaka an’i Toamasina ihany koa i Velonjara Jet-lee.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

« Tsapiky Festivaly »: Fandresena hoan’i Toliara sy ireo mpanakantony

sam, 04/18/2026 - 07:52

Fotoan-dehibe, sambany nanandratana endri-kolontsaina mampiavaka ny faritra atsimo ny « Tsapiky Festival ».

Nandihy tsapiky ny iray kianja tao Andaboly, Toliara… Nanomboka tamin’ireo vahoaka nanotrona, ireo manam-pahefana isan’ ambaratongany ka hatrany amin’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, samy ni­tsangana nipikelika avokoa. Ny anton’ny « havoria », ny fanolorana ny gadona tsapiky ho harembakoka iraisam-pirenena ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco. Tsy izy ireo loatra anefa no tena nasongadina fa ilay famirapiratan’ny mozika mampiavaka an’i Toliara manokana, izay lasa nahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ihany koa, araka ny nomari­hin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tanatin’ny fandraisany fitenenana.

« Toliara farany amin’ny faritany no nahafantaran’ny maro azy, fa androany kosa voalohany noho io tsapiky io. Manana finoana fa mbola handroso ary ho voalohany i Toliara », hoy ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, nialoha’ny nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Tsapiky Festivaly ».

Rariny, araka izany, raha nomem-boninahitra mano­kana ireo mpanakanto nisava lalana ny tsapiky, nahatonga azy amin’izao toerany izao. Mbola maro ireo Sairy Matoy, na ireo mpanakanto zokiny nitrandraka ity gadona ity, nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taompolo 70 tany. Eo ry Jean Piso, Tirike, Jozex, ry zareo mpikambana ao aminy Asco Music, sns. Niara-niredona ny « Izay hombanao », sanganasan’i Régis Gizavo izy ireo, nialohan’ny nanolorana ny mari-bonina­hitry ny kanto an’ireto Sairy Matoy ireto.

Taorian’ny lanonana ara-panjakana vao tena nianoka ilay tsapiky amin’ny endriny rehetra ary tsy ankiato ireo mpijery nameno kianja.

Zo ny Aina

Catégories: National

INDRAY MIJERY

sam, 04/18/2026 - 07:52

Fangatahan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday ao Toliara nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony tany an-toerana ny tokony hampiakarana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nampanantena ny minisitra fa havoaka tsy ho ela ny valin’ny fangatahana. Nihaona tamin’ny Seces any Toliara ihany koa ny minisitra nidinika ireo paikady entina mampandroso ny fampianarana.

Fandrahoan-tsakafo ara-pahasalamana sy fanolorana fitaovana ary fanohanana ny fifandraisana amin’ireo vondrona 10 no nanamarika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo natao tao Bekatra, distrikan’i Manakara. Niarahana tamin’ny Saf FJKM sy ny tetikasa Dio Tafa izany. Fanatsarana ny fikarakara ny sakafon’ny zaza latsaky ny 5 taona no novoizina tamin’izany.

Notolorana boky ireo mpianatra ao ain’ny kilasy fanomanana sy ambaratonga faharoa ao amin’ny Cisco Belalanda Toliara II. Natao izany nandritra ny fidinan’ny minisitra tany an-toerana nanara-maso ny fampianarana.

Catégories: National

Karate-Seminera: Homena traikefa ireo “cadres”

ven, 04/17/2026 - 07:48

Ho fanatsarana ny lafiny fanazarana, fitsarana ary fitantanana, mikarakara seminera ny eo anivon’ny federasionina ny Karate-do Mala­gasy. Seminera natokana ho an’ny mpitantana, mpitsara ary mpanazatra izay hatao ny alahady 19 sy 26 avrily izao, araka ny fandaharam-potoana. Noho ny fahatsapana fa misy lesoka ny eo amin’ny fanazarana, fitsarana ary fitantanana no anton’izao seminera izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo lalàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hahafahan’ny mpisehatra eo amin’ny taranja karate ma­lagasy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Sensei Ra­boanarijaona Voahirana (Chief Referee FKM, mpitsara WKF), Nasoavina Fidinirina (Administrateur de compétition UFAK) ary ny Coach Hafizou Georges (Coach WKF, UFAK) no hitarika ity seminera ity. Hisy ny tombana ny 9 mey izao ary hitohy indray ny seminera ny 7 sy 14 jona izao. Hatao ny 21 jona izao kosa ny fanadinana, mialoha ny hahazoana ny mari-pankasitrahana. Hahazoana “qualification’ ity seminera ity, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 04/17/2026 - 07:47

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby, ny Makis, sokajy zandriny U20. Ity fifanintsanana ity izay hotanterahina any Oganda, ny volana aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 2023 ny andiany farany tamin’ity fifanintsanana ity, ary nandray anjara tao anatin’izany ny Makis zandriny.

Noho ny tsy fahafahan’ny kianja Alarobia, mandray lalao PFL amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, hatao etsy amin’ny Elgeco Plus Stadium By-pass, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny Elgeco Plus. Marihina fa tokony ny Uscafoot no mandray an’io fihaonana io saingy tsy nahita kianja hafa tsy tao amin’ny Elgeco Plus ry zareo.

Mitohy anio, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly, N1A, ho an’ny faritra afovoany, taranja basikety, rehefa avy naka aina kely omaly. Anisan’ny lalao hotontosaina voalohany ho amin’ny anio, ny fifandonana eo amin’ny GNBC Analamanga sy ny SBC Vakinankaratra, eo amin’ny sokajy lehilahy. Hisy lalao 6 anio, raha ny fandaharam-potoana.

Catégories: National

RCSA Anosibe : Miezaka ny hisondrotra hatrany

ven, 04/17/2026 - 07:47

Anisan’ireo ekipa sambany vao hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Top 12, izay hatao ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka, ny Rugby Club des Soldats Anosibe (RCSA). Ny klioban’ny CRAI Ambalavao Isotry no hifandona amin’izy ireo, amin’izany. Manana vina ny hisondrotra any amin’ny avo indrindra mihitsy ity klioba avy ao Anosibe ity, ka miezaka manao izay fara heriny amin’ny fanomanana an’io lalao io ry zareo ankehitriny.
Nilaza ny mpanazatra RCSA, Coach Jerry, omaly, tetsy amin’ny HJRA Anosy, fa efa masaka tanteraka ny taktika sy ny paikady rehetra ary izay tombony hita ho an’ny mpifanandrina sisa, no hamafisina. “Ny tena vahana ho anay ny resaka lohalaharana “avant”, eo ihany koa ny fisian’ireo tanora betsaka mandrafitra ny ekipa”, hoy hatrany ny Coach Jerry.
Tsara ny mampatsiahy fa ny RCSA dia niforona ny taona 2006 ary efa nandalo dingam-pifaninana federaly maro vao tonga amin’izao toerana misy azy izao. Anisan’izany ny Diviziona fahatelo (D3), ny D2, ny D1 Analamanga, ary izao miatrika ny Top 20 izao ankehitriny.
Marihina fa mpilalao iray misongadina ao amin’ny RCSA, ny Solombavambahoakan’ny boriboritany fahefatra, Rafi­dimanana Desire na i Depiote Fidy.

F.R

Catégories: National

Kitra ao Eoropa – Ligue des champions : Firenena efatra hiady izay ho tompondaka

ven, 04/17/2026 - 07:47

Klioba avy amin’ny firenena efatra no hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Paris ST Germain hikatroka amin’ny Bayern de Munich ary ny Arsenal hifandona amin’ny Atletico de Madrid.

Tontosa ny alarobia lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana roa miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des cham­pions”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, ny Paris ST Germain (France) hidona amin’ny Bayern de Munich (Allema­gne) ary Arsenal (Anglisy) hifanandrina amin’ny Atletico de Madrid (Espagne). Raha tsiahivina ny vokatra, lavon’ny Bayern tamin’ny isa 4 no ho 3 ny Real de Madrid ary nirava 0 no ho 0 ny Arsenal sy ny Sporting. Efa nanantombo tamin’ny fandresena nandritra ny lalao mandroso anefa ny anglisy sy ny alemà.
Fihaonana ho toy ny famaranana kely ny an’ny PSG sy ny Bayern de Munich. Hiaro ny amboara eo an-tanany, ny parizianina. Ekipa manahirana ny PSG ry zareo Bavarois satria tsy mbola nandresy azy ireo mihitsy ny parizianina, nanomboka ny 7 avrily 2021. Toy ny biby mainty amin-dry zareo mihitsy ny Rainiboto. Efa iray vondrona ny roa tonta, tamin’ny fifanintsanana ka resin’ny Bayern, tao an-jaridainany, tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Handray ny lalao mandroso, ny PSG ny 28 avrily ary any Alianz Arena ny fihaonana miverina ny 6 mey.
Ny manasa-dalana faharoa indray fihaonana mety hitrangan’ny tsy ampoizina. Ambony ara-taratasy ny Atle­tico saingy ny Arsenal no hany ekipa tsy mbola resy mihitsy tamin’ity “ligue des cham­pions” ity. Voalohany eo amin’ny tantarany ihany koa ny hiatrehany ny manasa-dalana. Raha ny fihaonana farany nikatrohan’ny roa tonta, resin’ny Arsenal, 4 no ho 0 ny Madrilènes ny 21 oktobra 2025. Amin’ity, handray ny lalao voalohany ny Atletico ny 29 avrily ary any Anfield ny miverina ny 5 mey 2026.

Tompondaka

Catégories: National

INDRAY MIJERY

ven, 04/17/2026 - 07:46

Nisitraka fanohanana ara-pitaovana ho fanamafisana ny kalitaon’ny fanabeazana ny CEG sy ny lisea Antaninarenina, CISCO Toliara I, izay nahitana “tablettes” miisa 56, boky ho an’ny ambaratonga faharoa, boky siansa sy teknolojia ary fitaovana enti-mampianatra. Mikendry ny fanavaozana ny rafitra fanabeazana sy ny fanatsarana ny fampianarana izany.

Manoloana ireo fitarainana sy savorovoro misy ao amin’ny CEG 67 Ha, Antananarivo, tsy nitazam-potsiny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa tonga teny an-toerana. Nanome toky fa hijery ny fomba rehetra handaminana ny olana mba hahafahan’ny tsirairay miasa am-pilaminana sy mba hahafahan’ireo ankizy misitraka fampianarana ao anaty tontolo milamina.

Nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiofana, mpampiofana ary ny mpandraraharaha ny minisitra Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, teny amin’ny LTP Ampasapito.
Nihaino ny hetahetan’ny mpampiofana izy. Noha­ma­fisiny ny fahavononan’ny minisitera hiara-hiasa akaiky amin’ireo ivon-toeram-piofanana rehetra.

Catégories: National

Pages