S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 3 min

INDRAY MIJERY

jeu, 02/05/2026 - 14:48

Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampia­nara­na ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. 15 kosa fanararaotana sy fakana vola tsy ara-dalàna…

Raha misy trangan’aretina ahina ho Mpox,
toy ny fery amin’ny vatana na fivontosana dia afaka miantso maimaimpoana ny laharana 910. Ny fiandohan’ ny volana febroary teo, tranga iray no voamarina. Mito­taly 229 ny tranga voamarina hatramin’izay ary 207 natao fitiliana. Tranga ahina kosa ny 181 ary tsy maintsy mihiboka izy ireo mba tsy hamindra amin’ny manodidina.

Efa maromaro ireo ray aman-dreny resy lahatra amin’ny fampiasan’ny zanany ny fomba fiarovana amin’ny vohoka tsy irina. Izy ireo mihitsy no miaraka amin’ny zanany vavy manatona tobim-pahasalamana maka torohevitra amin’ny fiarovana sy fandrindram-piterahana mety amin’ny zanany.

Catégories: National

Faux espoirs

jeu, 02/05/2026 - 07:16

Les grands projets miniers sont en voie d’être relancés, en particulier le gisement de charbon de Sakoa et le bassin pétrolier de Tsimiroro, suite au traitement des permis miniers. C’est la énième fois qu’on parle de relancer ces projets, mais à la fin, on n’a enregistré aucune avancée.
Pourtant, eu égard des immenses réserves estimées, on a toujours espéré que les investisseurs miniers se bousculeront au portillon pour exploiter ces richesses existantes. Mais c’est bien le contraire qui se passe. Ils se font désirer et quand les négociations s’entament, leurs exigences sont démesurées.
Tel est le cas avec le projet Tsimiroro. D’aucuns ignorent que l’une des principales pierres d’achoppement du projet réside dans la difficulté d’évacuer le produit en cas d’exploitation à grande échelle. Le mauvais état des routes entre Tsimiroro et Antananarivo rend le transport plus que difficile.
Et l’une des principales exigences de Madagascar Oil S.A. (MOSA) concerne les travaux que l’Etat malgache doit engager sur cet axe routier pour permettre aux camions de MOSA d’y circuler en toute sécurité.Il est évident que ces travaux nécessiteront d’énormes investissements.
L’Etat malgache à lui seul ne pourra pas supporter les investissements requis. Dans ces conditions, il serait plus légitime que les deux parties qui bénéficieront de l’exploitation, de Tsimiroro‘à savoir l’Etat malgache et MOSO)partagentles dépenses en matière d’infrastructure routière
Avec toutes les richesses minières qui existent à Mada­gascar, le pays peut rêver d’une meilleure situation. Et c’est en toute logique que les Malgaches espèrent voir leur pays devenir un des leaders du continent dans le domaine de l’industrie minière, tout au moins en Afrique.
L’exploitation de cette ressource apportera beaucoup d’avantages au pays. Rien que sur le plan énergétique, on dépendra moins des importations d’énergie fossile qui, sans aucun doute, portent des coups fatals à nos réserves en devises.
L’utilisation de l’énergie fossile est incontournable tant qu’on n’arrivera pas à développer suffisamment les énergies renouvelables, notamment l’énergie hydroélectrique avec la construction de nouveaux barrages. Quant aux énergies solaires et éoliennes, cela demandera encore beaucoup de temps.
Avec la richesse du sous-sol malgache, on peut envisager plus d’une dizaine de grands projets miniers. Autrement dit, c’est le moment ou jamais de se lancer dans l’exploitation de toutes ces potentialités. Et on espère tous que cette fois-ci sera la bonne car finalement, on commence à se lasser de ces faux espoirs.

Ranaivo Lala Honoré

Catégories: National

Michaël Randria­ni­rina: “La Ceni n’est plus digne de confiance”

jeu, 02/05/2026 - 07:15

La corruption foncière et le manque de confiance vis-à-vis de la Commission électorale nationale indépendante (Ceni), fragilisent la démocratie à Madagascar. A Mahajanga devant la population, le président de la refondation, le colonel Michaël Randrianirina, a dénoncé la situation et annoncé un plan de réformes profondes, face l’ampleur des défis.

«La corruption est la cause principale des conflits fonciers dans notre pays, privant des familles de leurs terres et menaçant la stabilité sociale », a déclaré, le colonel Michaël Randria­ni­rina au gymnase couvert de Mangarivotra (Maha­janga).
Pour remédier à cette si­tuation, il a annoncé la mise en place de commissions ré­gionales et de districts, chargées de corriger les injustices liées à la propriété foncière. Selon lui, ces mesures sont essentielles pour restaurer la confiance des citoyens, régulièrement ébranlés par des pratiques opaques qui génèrent disputes et fractures sociales.
Et outre la corruption foncière, la défiance des citoyens envers la Ceni fragilise également la démo­cratie à Ma­dagascar. Dans ce cas, le Colonel Michaël Ran­driani­rina a remis en cause la fiabilité du système électoral.
« La Ceni n’est plus digne de confiance aujourd’hui », a affirmé le président, dénonçant les failles de l’institution dans l’organisation des scrutins. Selon lui, une As­semblée nationale de concertation et une révision complète des listes électorales sont indispensables pour garantir des élections libres, transparentes et crédibles.
Le président de la refondation insiste sur le lien in­dissociable entre lutte contre la corruption et réforme du système électoral. « Tant que le système n’est pas purifié, aucune gouvernance véritable ne pourra émerger du choix libre du peuple », a-t-il averti.
Ces déclarations s’inscrivent dans une stratégie politique plus large, centrée sur l’écoute directe des citoyens et la prise de décision depuis le terrain, une approche qualifiée de « nouvelle méthode » pour mieux répondre aux préoccupations de la population.
Cet engagement traduit une volonté forte de transformer en profondeur le système et le processus électoraux à Madagascar. Il ne s’agit pas seulement de corriger des pratiques ponctuelles, mais de réformer les ins­titutions, restaurer la con­fiance et garantir la justice sociale, des défis majeurs pour le pays. Dans ce con­texte, les mesures annoncées à Mahajanga sont un signal fort. La lutte contre la corruption et la consolidation de la démocratie sont désormais au cœur du débat pub­lic malgache.

S.A

Catégories: National

TSELATRA

jeu, 02/05/2026 - 07:13

Vehivavy manodidina ny 40 taona hita faty tao anaty alan’akondro, tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mangana ny rantsan-tanan’io ramatoa io.
Ankizilahy 15 taona maty nipoahan’ny gaz tao Ampoara, fokontany Mangatany, kaominina Arivoni­mamo, omaly atoandro. Nipitika tampoka teny aminy io gaz io nandritra ny soudure nataona mpiasa hafa.
Lavon’ny balan’ny zandary i Dama, dahalo raindahiny sady mpangalatra omby tao amin’ny faritra Ta­lata Vohimena, Fenoarivo, hatrany Ambatofinan­dra­hana. Nan­dositra ny zandary hisambotra azy izy ka voatifitra, omaly.
Ramatoa 70 taona nodarohan’ny jiolahy rehefa tsy nahazo na inona na inona ireto farany, tao amin’ny Cité Jardin, Toamasina, afakomaly. Nofatorana io ramatoa io ary notapenana ny vavany.

Catégories: National

Ambohimangakely: Lehilahy voaambana sabatra, jiolahy iray tratra

jeu, 02/05/2026 - 07:13

Nokendren’ireo mpanao ratsy ho vonoina tamin’ny sabatra, nandositra ny lehi­lahy iray nitondra moto, teny amin’ny kaominina Ambohi­man­gakely tsy lavitry ny tobin-dasantsy Jovena, afakomaly alina, tamin’ny 12 ora sy sa­sany. “Miisa telo ireo jiolahy nitondra sabatra sy vy maranitra nikasa handroba io olona avy niasa io”, araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny zandarimaria misahana ny famotorana. Nikendry an’io mpitondra moto io ireo mpanao ratsy, nitsoaka sady ni­antso vonjy tamin’ny mano­didina tao anaty haizina ilay lasibatra. Tsy nahazo na inona na inona, nanao tongotra an-katoka ireo mpanao ratsy. Nandositra tany amin’ny toerana maizina izay nisy mpivarotra harina fandrehitra tao Ankadinambo. Niroso tamin’ ny fisafoana teny amin’ny ma­nodidina ny zandary. Nifane­hatra tampoka tamin’ny eki­pan’ny zandarimaria ny iray tamin’ireo mpandroba izay efa nihosim-potaka sy maintin’ny harina, tamin’ny 1 ora sy 40 minitra maraina. Nosamborina io lehilahy io. Nanamarina ilay voaroba fa anisan’ireo nanambana azy sabatra io tra-tehaka io. Nentina natao famotorana ity farany ary karohina ireo namany. Ankoatra io, nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pire-nena, teny Besarety sy Anka­difotsy, ny lehilahy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra moto, ny ala­tsinainy 2 febroary teo. Ni­tran­gana halatra moto teny amin’ ny orinasa iray teny amin’ny kaominina Soavina, distrika Atsimondrano, ny 26 janoary lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter marika PGO. Nametraka fitarainana momba ireo mety ho ahiahina tamin’io halatra io ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa voakasika. Vokany, tratra tao amin’ ny trano fonenany, teny Ma­ha­voky Besa­rety, ny 1 feb­roary teo, ny lehilahy iray izay mpiasa eo anivon’ilay orinasa teo aloha. Niaiky heloka sy nitonona ho tompon’atoka tamin’io halatra io izy. Nito­roka ny namany taorian’ny fisamborana azy. Voasam­botra teny amin’ny fokontany Ankadifotsy ilay faharoa. Sarona teny amin’izy ireo ilay moto nangalariny.

Tsiferana R.

Catégories: National

Jiolahy raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i La croix

jeu, 02/05/2026 - 07:13

Lavon’ny balan’ny zandary miasa any amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina i La croix. Jiolahy raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy halatra omby ary fandravana amin’ny endriny maro izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary fa misy lehilahy iray mihaodihaody ao antampon-tanànan’ny distrikan’Andilamena. Tsy niandry ela fa tonga nidina teny ifotony nijery ny zava-misy sy nametraka paikady ny mpitandro filaminana. Nandositra avy hatrany io olon-dratsy io vantany vao nahita azy ireo. Nasaina nijanona izy saingy nitari-dositra hatrany. Raikitra, araka izany, ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nikasa hamely ireo zandary ilay jiolahy, ka voatery nitifitra azy ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano noho ny tifitra nahazo azy i La croix.
Manentana ny olom-pirenena hatrany ny manam-pahe­fana mba hampandre azy ireo raha sendra misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fokontany tsirairay avy eny, mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy.

Mino

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 04 02 2026 )

mer, 02/04/2026 - 07:49

Catégories: National

Federasionina malagasin’ny Tenisy: Hatao ny 14 febroary ny fifidianana filoha

mer, 02/04/2026 - 07:47

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny sabotsy 14 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Io ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka izany, efa nanomboka omaly ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo vonona ho kandidà, maniry hitantana izany, ho an’ny taom-piasana manaraka. Manana hatramin’ny alatsinainy 9 febroary, amin’ny 7 ora alina, ireo mpifaninana. Hatramin’ny fisokafany, tsy mbola nisy nitonona ho kandidà. Tsy mbola naharay antontan-taratasy ihany koa ny Ceni. Tsy maintsy mi­zaka ny zom-pirenena mala­gasy ny kandidà. Manao fangatahana an-tsoratra alefa amin’ny filohan’ny Ceni, ampi­arahana amin’ny dika mitovy ny karapanondrom-pirenena na pasipaoro mbola manan-kery. Taratasy fanamarinam-ponenana sy filazana ny tsy mbola nahavoasazy na nigadrana, alaina eny amin’ny tribonaly, latsaky ny 3 volana. Avy hatrany dia ampiarahana amin’ny lisitr’ireo mpikambana ao aminy ny kandidà ka io no fidian’ireo mpandatsa-bato. Tsiahivina fa efa nahatontosa ny fifidianana ho azy ireo, nandritra ny volana janoary, ireo ligim-paritra mandrafitra ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Raha ho an’Anala­manga, voafidy hitondra ny ligy indray Randriamanantsoa Zolisoa Landy Lova.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mer, 02/04/2026 - 07:47

Hotontosaina, anio, ireo lalao efatra nahemotra, tafiditra anatin’ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondandakan’i Madagasikara, PFL. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny AS Ste Anne, etsy amin’ny Kianja Alarobia. Marihina fa mbola tsy resy mihitsy ny Ste Anne raha toa ka mikendry ny haka fandresena ho azy ny Uscafoot.

Lany ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny judo i Bruno Eric Saïd, taorian’ny fifidianana notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny COM Ivandry. Ligy 7 tamin’ireo 8 nandatsa-bato no nifidy azy, nandritra izany. Laharam-pahamehana ho azy ny fananganana fotodrafitrasa.

Feno ny fandaharam-potoana ho an’ny ligin’Ana­la­man­ga taranjany basikety amin’ity taona 2026. Fambolen-kazo no hanombohana izany amin’ny 21 febroary izao eny Manjakandriana. Fifaninanana U23 kosa ny hanombohana ny hetsika ara-panatanjahantena, ny volana marsa izao.

Catégories: National

Karate – 80 taona: Vavolombelon’ny tantara i Hanshi Hugues

mer, 02/04/2026 - 07:47

Nankalazaina ny sabotsy 31 janoary lasa teo ny faha-80 taonan’i Hanshi Raharimanantsoa Hugues. Fifampizarana sy fampiofanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso no nanamarihana izany. Tonga marobe namaly ny antso ireo mpikatroka amin’ireo haiady 4 nataony dia ny Karate-do, Yoseikan Budō, Tai-chi-chuan ary ny Iaidō. Vavolombelon’ny tantara tamin’ireo haiady karazany 4 ireo i Hanshi Hugues ary manana ny toerany eto Madagasikara. Raha hiverenana ny fankalazana, ny sabotsy lasa teo, feno tanteraka ny fifampizarana ary nisy ny fampisehoana nataon’i Hanshi Hugues, izay nahitana fa tena mbola anatin’ny heriny tanteraka izy. Tsiahivina fa 8e dan ny tenany amin’ny karaté-do, 5e dan amin’ny Yoseikan Budo, 5e dan amin’ny Tai-chi-chuan ary manana ny grady 2e dan amin’ny Iaidō. Mpianatry Ramanitrandra­sana René moa i Hanshi Hugues. Hafatra nomeny ny hoe mila manaiky ny fanapahan-kevitry ny mpitsara na dia mahatsapa aza ianao fa tokony ho mpandresy ary indrindra rehefa mikotrana dia tena mikotrana. Mbola hitohy eny amin’ny Batou Beach, ny 22 febroary, ny hetsika fankalazana, araka ny nambaran’ny filohan’ny kaomity mpikarakara, Rakotonirina Marcel.

Mi.Raz

Catégories: National

Sekolin’ny baolina kitra : Mandray ireo manam-pahaizana Portugais

mer, 02/04/2026 - 07:47

Ho avy eto Madagasikara, hizara fahaizana sy hampitombo traikefa ho an’ireo mpanazatra sy ny mpilalao, i Rui Fernandes sy i Guilherme Farinha, avy any Portugal.
Hanomboka ny 12-21 febroary, etsy Betongolo sy Ambatolampy Tsimahafotsy, ny hetsika.

Mikarakara hetsika fampiofanana mpanazatra sy mpilalao ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo tetsy Antani­mena, oma­ly, hanomboka ny 12 hatramin’ ny 21 febroary izao ny hetsika. Hisahana izany ny teratany Portugais, Rui Fernandes, ma­nana ny diplaoma Uefa C, sy i Guilherme Farinha, efa mihazona ny mari-pahaizana Fifa A Pro.
Tanjona ny hampivoatra sy hampiakatra ny lentan’ny mpanazatra sy mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa etsy amin’ny Kianjan’i Beton­go­lo no hizara ny fahaiza-manaony izy ireo manomboka ny 12 febroary. Etsy amin’ny Complexe Sportif Ambatolam­py Tsimahafotsy kosa ho an’ ny ankizy ivelan’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team, ny 16 hatramin’ny 18 febroary. Natao ho an’ireo ankizy volavolaina ao amin’ny Dream Team kosa ny 19-21 febroary, eny Ambatolampy Tsimahafo­tsy ihany. Tsy voafetra ny fisoratana anarana amin’ity hetsika fampivoarana ny baolina kitra ity.

Fifaninanana roa
Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenana roa ny Dream Team. Voalohany, ny fifanintsanana Iber Cup, izay hatao any Portugal, ny 29 mey hatramin’ny 5 jona. Faharoa, ny Gothia Cup, hotontosaina any Suède, ny 12 hatramin’ny18 jolay. Efa nandray anjara tamin’ity fifaninanana farany ity ny sekoly tamin’ny taon-dasa.
Tsiahivina fa niorina ny taona 2023 ny Dream Team. Mahatratra 90 ny mpilalao volavolain’ny mpanazatra miisa enina. Ankizy 7 hatramin’ny 18 taona no raisin’ny sekoly.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages