TSELATRA

Les Nouvelles - ven, 02/07/2025 - 07:33

Tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ilay mpanao gazety nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Marihina fa sary nalain’io mpanao gazety io no antony niteraka ny fisamborana azy, araka ny loharanom-baovao.

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy namono nahafaty zaza vao enim-bolana tao Andranofasika, kaominin’i Matanga, distrikan’i Vangain­drano, ny alatsinainy tolakandro teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io zaza io sy ny reniny ilay lehilahy. Nofirainy antsy avy hatrany ilay zaza ka namoy ny ainy.

Fiara mpitatitra entana nivarina an-tanimbary tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, tao Ambalabe Andrefana, tsy lavitry ny biraon’ny fitaleavam-paritra Sofia, ny 6 febroary teo. Nisedra lalan-dratsy, niharan-doza io fiara be io. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara.

Lehilahy telo nandositra vao nahita ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tetsy Ankazotoho, Ano­simahavelona, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Natsipin’ izy ireo , nandritra izany, ny kitapo teny aminy. Nahitana basy vita gasy iray sy bala 4, calibre 12, ny tao anatiny rehefa nosavaina. Efa nogiazana ireo fitaovam-piadiana ireo. Eo am-pikarohana ireo telo lahy tompon’io kitapo io ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.

Catégories: National

Sekolin’ny rugby : Hatao anaty rafitra ara-dalàna

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:45

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava.
Atao ny fanisana azy ireo, manerana ny Nosy. Tsikaritra mantsy fa betsaka ireo mitonona ho sekolin’ny rugby saingy tsy manaraka ny lalàna akory ny ankamaroan’izy ireny ary tsy mijoro ara-panjakana. Tsy manana mpanazatra na mpampianatra matihanina sy niofana tamin’izany fa mpilalao tranainy na raiamandreny nanao rugby, no hany manabe azy ireo. Tsy ampy izany araka ny nambaran’ireo teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby fa mila miditra ao anaty rafitra ara-dalàna. Takina amin’izy ireo ny anaran’ny fikambanana na sekoly, ny taona niforonany, ny mpanangana, ny anaran’ny mpanazatra, ny isan’ny ankizy beazina, ny kianja filalaovana ary ny adiresy. Tsy maintsy tonga mialoha ny 28 febroary izany.

Tompondaka

Catégories: National

Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:45

Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana.

Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny an­toko politika Fivoi, nandritra ny fam­pahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy re­hetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “To­kony halefa telo volana fara fa­­­ha­tarany aorian’ny fisoloan’ ny ben’ny Tanàna izany fifidianana izany, araka ny voalazan’ny fehezan­­-dalàna, 2009-890”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo sady filoha mpanorina ny antoko Fivoi, Rajerison Antoine. Fifidianana samy hafa kosa ny an’ny sefo fokontany sy ny lefiny. An­gatahin’izy ireo ny hanaovana io fifidianana io satria mijaly ny olona eny ifotony. Anisan­’ izany, ny hamaroan’ny tanin’ olona lafo, ny fanapahana ny hazon’olona maniry. Tsy manana taratasy avokoa ny ankamaroan’ny tanin’olona any ambanivohitra ka mahatonga ny sasany manararao-pahefana. Nambarany fa tsy miaro ny fokonolona ilay solontena napetraka hitantana ny tanàna fa miaro ny tombontsoany manokana. ­“Ton­droin­’ny sefo fokontany ho ani­san’ny dahalo ihany koa ireo olona tsy mifankahazo sy tsy dia tiany eny ifotony”, hoy hatrany izy. Lasa any am-ponja ny ankamaroan’ny olona, noho izany.
“Mba hanamafisana ny fifampitokisan’ny olona eny ifotony, sy hampazotoana azy ireo hifidy, ny antony handefasana ny fifidianana io sefo fokontany io”, hoy hatrany izy nanamafy. Tokony hanatanteraka izany ny mpitondra raha tena manaja ny fenitra demokratika sy tany repoblikanina. Handefa taratasy any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny iraisam-pirenena rehetra mahakasika izany.

Mino

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tom­pondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona.

Mitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ary mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksion’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy U11, U14, U16, lahy sy vavy, no mifaninana etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Mifanindry an-dalana amin’izany ny N1B ka anisan’ny hifanandrina ny COSPN sy ny JCBA.

Efa akaiky tokoa ny lalao hihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Ghana. Raha tsiahivina, hatao ny volana marsa ho avy io izany. Hatramin’izao anefa, tsy mbola fantatra raha hilalao eo Mahamasina indray ny ekipa nasionaly malagasy na tsia. Hatramin’izao, tsy mbola misy siosion-dresaka mahakasika ny fiantsoana ireo « inspecteur Caf » hijery ilay kianja.

Miteraka resabe ao anaty tambajotran-tserasera ny fifanakalozana mpilalao nisy teo amin’ny fifaninanana NBA. Nifindra ao amin’ny Dallas, i A. Davis, ary lasa solony ao amin’ny Lakers, i Doncic, mpilalaon’ny Dallas teo aloha. Samy tsy nanampo ity fifindran-toerana ity izy mirahalahy ireto, saingy samy nanaiky ny fanapahan-kevitra misy.

Catégories: National

Corentin Martins : Lasa nitily ireo Malagasy mpilalao any ivelany

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Mala­gasy mpilalao, any Eoropa sy ny manodidina, hanatevin-daharana ny Barea de Mada­gascar. Mbola manana herinandro vitsy ny tenany hitiliana azy ireo, mialoha ny hiverenany eto Madagasikara, hiatrehana ny fanomanana sy fampivondronana.
Efa maro ireo anarana mivezivezy “shortlist” any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ireo teknisianina sasany, mety hisalotra ny akanjoban’ny Barea. Telo mirahalahy avy amin’ny klioba Stade Brestois 29, ligue 1 Frantsa. Anisan’ireny, i Gré­goire Coudert, mpiandry tsatoby sy i Jonas Serge Martin, irakiraka mpiaro ary i Romain Del Castillo, afaka mitana ny toeran’ny helatra havia sy havanana. Ankoatra azy ireo, i Adrien Hunou, lohalaharana ao amin’ny SCO Angers, ligue 1 France ihany koa. Mety ho anisan’ireo ny Stade Brestois 29, Ligue 1 ao Frantsa. Mety hitohy any Allemagne ity fijerena Malagasy mpilalao ity, ka anisan’ny hojeren’i Corentin i Kanto Fitiavana Voahariniaina (Bolo), milalao ao amin’ny Hertha 03 Zehlendorf.

Tompondaka

Catégories: National

RNS 2025: Efa nisokatra ny fisoratana anarana

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:44

Efa nanomboka ny 3 febroary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena tanterahina mandritra ny « Rencontre nationale sportive » (RNS), taona 2025. Fifaninanana any Vichy, ny 19 hatramin’ny 21 avrily ho avy izao. Tsiahivina fa handray ny faha-50 taonany amin’ity taona ity ny RNS ka hiavaka sy hihatsara ny fifaninanana. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninanana, ahitana ny baolina kitra lalaovin’olona 11 sy lalaovin’olona 7, ny basikety lalaovin’olona 5 sy lalaovin’olona 3, ny volley-ball, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy, ny tsipy kanetibe. Hanampy ireo ny haiady maro samihafa, ny golf, ny lomano, ny fifaninanana dia an-tongotra, sy ny maro hafa. Manentana ny Malagasy sy izay mbola tsy manana ekipa ny mpikarakara hanangana izany ary hisoratra anarana. Hampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ireo Malagasy mpanakanto maro hanafana sy hanolotra seho mandritra io telo andro io. Anisan’izany ry Viavy Chila, Elidiot, Smaven, Rijade sy ny maro hafa.
Hetsika efa fanao isan-taona ny RNS ary miezaka manatsara sy mitady izay hampiavaka izany hatrany ny mpikarakara.

Mi.Raz

Catégories: National

06 febroary 2025

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:33

Catégories: National

Tir en l’air du 06 février 2025

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:32

 

Catégories: National

Pro Football League: World Cola devient le sponsor officiel

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:31

Dans un coup de sifflet retentissant qui marque le début d’une nouvelle ère pour le football malgache, World Cola a officialisé son engagement en tant que sponsor officiel de la Pro Football League, organisée par l’Association des Clubs de Football Elites de Madagascar (CFEM).
La compétition à 12 équipes se nomme désormais la « World Cola Pro Football League ». Ce changement de sponsor marque un tournant majeur dans le paysage footballistique malgache, World Cola succédant ainsi à Coca-Cola, qui avait tenu le rôle de sponsor officiel lors de la saison précédente.
Dans un communiqué, World Cola a exprimé son enthousiasme pour ce partenariat : « A travers ce sponsoring, World Cola réaffirme son engagement continu pour le développement du Football à Madagascar, un sport dont les valeurs rejoignent celles de notre marque : passion, compétitivité, partage et convivialité ».
Cette alliance est décisive pour le football malgache, promettant de redynamiser la compétition. Il s’agit d’une passe décisive pour le football à Madagascar, unissant les forces de World Cola et de la CFEM pour offrir aux amateurs de football une ligue pleine de promesses.

Naisa

Catégories: National

Ski alpin: Mialitiana Clerc connaît une saison délicate

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:31

La neige commence à fondre, les dernières traces de la saison de ski alpin se dissipent, mais pour Mialitiana Clerc, la lutte, la frustration et un espoir qui vacille marquent chaque descente. Cette année, la skieuse malgache a affronté non pas la montagne, mais ses propres démons sur 10 compétitions européennes sans jamais réussir à entrer dans le Top 20, une quête qui semble s’éloigner à chaque virage.

Aux championnats d’Italie et à la Coupe du monde de Pozza di Fassa et de Kronplatz, du 9 au 24 janvier, le cœur de Mialitiana battait au rythme de l’espoir d’une percée, mais la réalité est cruelle. Son meilleur classement, une 19e place en slalom géant le 20 janvier à Pozza di Fassa, a été une petite lueur dans une saison sombre. En effet, à Kronplatz le 10 janvier, le géant l’a engloutie au 33e rang, et le 9 janvier, son cœur s’est serré en voyant son nom rayé après un abandon.

La Coupe du monde l’a vue échouer à se qualifier pour la finale à Kronplatz le 21 janvier, un coup dur qui a résonné comme un écho dans les Alpes. Retour aux championnats italiens, où elle a affronté le slalom avec courage, mais sans succès, ne parvenant pas à atteindre l’arrivée.
En France, à Courchevel et au Grand Bornand le 30 janvier, chaque tentative a été un nouveau coup au moral, chaque chute rappelle la cruauté du sport. La Clusaz le 1er février, une course FIS en géant a vu Mialitiana finir à une lointaine 64e place, laissant un goût amer. Et hier, en Autriche, la disqualification en slalom a été le coup de grâce, la dernière note d’une symphonie de défis.

Rappel

Entre le 28 novembre et le 29 décembre 2024, Miali­tiana Clerc a participé à une série de courses de ski alpin. A Mayrhofen/Hippach en Autriche, le 28 novembre, elle termine au 45e rang au slalom géant avec 161.97 points FIS, suivi le lendemain par une 43e place avec 138.00 points FIS. A Pass Thurn, toujours en Au­triche, le 7 décembre, elle ne termine pas sa course de slalom, mais le 8 décembre, elle se classe 29e avec 131.77 points FIS. Elle poursuit avec deux courses de Super G les 18 et 19 décembre, terminant res­pec­tivement 32e et 29e avec 129.07 et 115.10 points FIS.

À Kaltenbach, le 21 dé­cembre, elle participe à deux autres épreuves de Super G, finissant 28e avec 107.44 points FIS et 33e avec 101.50 points FIS. Enfin, aux Menuires en France, le 28 décembre, elle se classe 41e en slalom avec 121.25 points FIS, mais le 29 décembre, elle ne termine pas sa seconde manche et donc n’a pas de classement. Ces résultats reflètent une période difficile pour Clerc, avec des performances variables et des défis à surmonter dans plusieurs disciplines du ski alpin.

 Naisa

Catégories: National

Rugby à VII – WCS 2025: les Makis avec le Canada et Hong Kong

Les Nouvelles - jeu, 02/06/2025 - 07:30

L’équipe nationale malgache de rugby à VII masculine sait désormais ce qui l’attend pour sa première participation à la World Challenger Series (WCS) qui se déroulera en deux étapes: 1er et 2 mars ainsi que 7 et 8 mars en Afrique du Sud.
Les Makis, novices de la compétition, évolueront dans le même groupe que le Canada et Hong Kong Chine. Les protégés de Mboazafy Noé Rakotoarivelo alias Razily devront ainsi cravacher dur afin de relever le défi qui les attend.
En Afrique du Sud, l’objectif des Makis est de finir dans le Top 8 des douze pays participants, seule condition pour poursuivre l’aventure à Cracovie (Pologne) les 11 et 12 avril. Il s’agit de l’Afrique du Sud, hôte de la compétition, le Kenya, l’Ougan¬da, l’Allemagne, le Brésil, le Cana¬da, le Chili, la Géorgie, le Japon, Hong-Kong Chine et le Portugal.
Les quatre meilleures nations disputeront par la suite le «Play off» à Los Angeles les 3 et 4 avril et seront qualifiées pour le «Sevens Challenger series 2025 ».
En attendant, les 25 joueurs présélectionnés poursuivent un regroupement intensif au stade Makis Andohatapenaka depuis le début du mois de février.

SoafaraPharlin

Catégories: National

Pages