Volley-Mada 1D: Tafakatra famaranana ny GNVB sy ny Squad

Les Nouvelles - sam, 09/27/2025 - 08:24

Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy hatrany, amin’ny famaranana, ny ekipa mpifanandrina aminy, ny Squad izany. Tetsy ankilany, nizotra araka ny tokony ho izy kosa ny lalao teo amin’ny GNVB sy ny Asi, ka nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny Zandary, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-20/25-21). Araka izany, ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad no hiatrika ny famaranana, anio, ho an’ny sokajy vehivavy. Hatramin’izao, mbola tsy nilaza mahakasika ny hanatanterahana na tsia ny famaranana, anio, ny eo anivon’ny federasionina. Anio no hanaovana izay famaranana izay, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

Mi.Raz

Catégories: National

Baolina kitra afrikanina : Vonona handresy ny Silver Strikers ny Elgeco Plus

Les Nouvelles - sam, 09/27/2025 - 08:24

Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy.

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, Lilongwe, ny lalao savaranonando miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hanafika ny Silver Strikers Malawi ny Elgeco Plus Madagasikara. Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, herinandro lasa izay, nandritra ny fihaonana mandroso natao tatsy Maurice. Ity izany no lalao tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta.
Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy ny mpilalaon’ny Elgeco Plus ary efa nizatra ny toe-tany sy ny toetr’andro any an-toerana. Salama tsara daholo, araka ny fampitam-baovao, ireo mpilalao rehetra. Ambony ny toe-tsaina, hoentina miatrika ity fihaonana ity. Manana tombony aloha ny Silver Strikers, noho izy ireo hilalao eo an-kianjany sy manoloana ireo mpomba azy, amin’ity. Na izany aza, any amin’izy ireo ny tsindry. Hilalao malalaka kosa ny Elgeco Plus ka afaka hamelatra tsara ny lalaony.
Nandritra ny fanazarantena, nohamafisina ny fiarovantena. Nezahina nohatsaraina ihany koa ny fanafainganana ny fanafihana miainga eo afovoan’ny kianja. Torak’izany koa ny filalaovana amin’ireo helatra havia sy havanana. Natao, araka izany, koa ny famonoam-baolina. Hanova paikady ihany koa ny Elgeco Plus, amin’ity fa tsy hampiasa izay efa natao tamin’ny lalao mandroso.
Teo amin’ny lalao ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf indray, niondrika teo anatrehan’ny Club Ferroviario de Maputo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny AS Fanalamanga. Lalao notanterahina omaly, tao amin’­ny Kianja Campo da ABB. Tapitra hatreo izany ny dia ho an’ny AS Fanalamanga amin’ity fifaninanana ity. Tsia­hivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 koa ny roa tonta, teo amin’ny fihaonana voalohany, natao tany Mozambique ihany.

Tompondaka

Catégories: National

Noho ny zava-misy… : Miato aloha ny “Madajazzcar Festival”

Les Nouvelles - sam, 09/27/2025 - 08:23

Na tafiditra tao anatin’ny fivelarana lehibe aza…, noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, miato aloha ny “Madajazzcar Festival”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy eto an-dRenivo­hitra ihany fa ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika, miato avokoa. Nam­pa­nantena kosa ny hivere­nan’ny fandaharam-potoana amin’­ny laoniny izy ireo amin’ny fotoana maha mety izany. Marihina fa iray amin’ireo he­tsika kolontsaina iraisam-pirenena mahasarika tanora malagasy maro ny “Madajazzcar Festival”. Antony iray nandrisika ny mpikarakara hanohy hatrany ny ezaka efa natao hatramin’izay.
Raha tsiahivina, ity andiany faha-36 ity no tena nahitana fivelarana lehibe. Tanàn-dehibe 4 no nanatanterahina ny « Tremplin Madajazzcar ». Vahiny mpanakanto maro no handray anjara. Mpitendry jazz, manana traikefa matanjaka, no nitondra ny fiofanana ho an’ireo tanora manan-talenta sy liana amin’ny fitendrena.
Fantatra fa anisan’ny tia jazz ny Malagasy, raha ny fanadihadian’ny mpitia mozika. Iray amin’ireo tanora manana mpitendry jazz indrindra ihany koa. Midika ho fananana hoavy mamiratra eo amin­’ity zavakanto iray ity.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pages