Mikiakiaka anaty antso vonjy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny famiravirana ny ain’izy ireo. “Tena tsisy vidiny ny aina ary tsy misy hasiny ny maha olona raha ny tranga famonoana miseho sy iainanay”, hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence.
Tranga roa nisesy, tamin’ity volana ity, ny niseho tany Marovoay sy Betroka. Nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nitranga tao amin’ny fokontany Antana’Ivony, kaominina Marotsakoho, distrikan’i Marovoay, amin’ny lalam-pirenena faha-4 no nisy famonoana mihitsy. Nambanan’ireo jiolahy antsy ireo ray aman-dreny tao an-trano izay manan-janaka mianadahy manana toe-tena varira. Maty notapahin-doha ilay ankizilahy 12 taona, raha tafandositra kosa ilay vavikely.
Ny tranga faharoa kosa dia tao amin’ny kaominina Ivaona, distrikan’i Betroka. Zazalahikely vao 8 volana monja no nalaina an-keriny. Nisy fanarahan-dia nataon’ny fokonolona tany an-toerana ka jiolahy iray atao hoe Rambo no voatifitra. Tsy mbola hita kosa ilay zaza, hatreto.
Miaina anaty tahotra sy tetibety andro aman’alina ireo olona manana toe-tena varira, indrindra any amin’ireo toerana alavitra mpitandro filaminana.
Tatiana A
Nanomboka ny 11 mey hatramin’ny 28 mey ho avy izao ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra ampahibemaso manerana ny faritra rehetra ho an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny Fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa.
Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny fandraisana mpiasam-panjakana ampahibemaso raikitra an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa ao Vakinankaratra. Ao anatin’ny fenitry ny mangarahara tanteraka no hanatontosana izany. Fepetra maro no jerena, toy ny taonan’ilay olona, ny faharetan’ny taona niasana, ny ora nampianarana, ny taranja ary ny diplaoma. Misy ny isa tratrarina ka izay mahafeno fepetra no tafiditra, raha ny fanazavana. Nitarika ny hetsika, tamin’ny fomba ofisialy, ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Nohamafisiny ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana satria anisany iankinan’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fanabeazana. Nankahery ireo mpampianatra koa izy hanohy sy hanatanteraka ny asa antsakany sy andavany.
Hampitombo ny fahavononana efa ao amin’ireo mpampianatra “vacataire” eo amin’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra. Mahatratra 250 ny isan’ny “poste budgétaire” nomen’ny fanjakana ho an’ny taona 2025. Ho an’ny taona 2026, misy toerana 200 isa ary mbola manana ambiny 156 ny taona 2024.
Nanao filazana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa fa efa manomboka ny fandraisana ny “dossiers” ho an’ireo vacataires efa nahavita «recrutement ampahibemaso». Efa vonona tanteraka ny fitaovana sy ny ekipa rehetra handray azy ireo ao amin’ny foiben’ny minisitera Complexe scolaire Ampefiloha Batiment E porte 317-E. Ny 5 jona ho avy izao ny daty farany handraisana ny antontan-taratasy feno araka ny toromarika nomena.
Vonjy
Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotontosain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato.
«Ho hiraina ao daholo ny rakikira voalohany sy ilay faharoa izay vaovao be. Io mihitsy ny seho voalohany fanomezan-danja ny famoronana anatin’ny rakikira. Seho hanairanay ny tanora sy ny olombelona Malagasy hoe manana kolontsaina isika, ary any no fototra aloha», hoy ny fanazavan’i Tah Manana, iray amin’ireo andrin’ny tarika Manan’Ara.
Mitantara ny fiainana andavandron’ny mponina, ny fanentanana momba ny fiarovana tontolo iainana, ny fitiavan-tanindrazana, sns, ireo sanganasan’ny Manan’Ara. «Nisy hira iray natolotr’i Kolibera ho anay. Efa nisy nomen’i Zakaria ihany koa fahavelony, Ary tena anisan’ny manamarika ny rakikira io. Ho vahinin’ny seho rahateo i Nini Kolibera sy i Benny ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, satria hisy tetikasa iarahanay aoriana, ka ho santatra ity seho ity», hoy hatrany ny fanazavan’i Tah Manana. Efa heno tamin’ny famerenana tokoa ny «Lamasinina» an’ny Lôlô sy ny tariny niarahan’izy ireo sy ireo hira nataon’ny Feo Gasy. Tsiahivina fa nanokatra ny seho nataon’i Erick Manana farany teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny Manan’Ara.
Zo ny Aina
Tafiditra ao anatin’ny Iray volana anandratana ny teny malagasy. Mandritra ny volana jona, isaky ny sabotsy, hanatanteraka « Atrikasa 2026 fanoratana » ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem.
Homen-danja ny famakafakana asa soratra (essai littéraire). «Atrikasa 2026 fanoratana». Hetsika hotontosaina mandritra io volana jona io, isaky ny sabotsy, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny foiben-toeran’ny Havàtsa-Upem Tahala Rarihasina Analakely.
Famakafakana asa soratra hiarahana amin’ireo mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, mpandalina ny teny malagasy. Ny sabotsy 6 jona, Andrianasolo Hajaina Naomy, filohan’ny Havàtsa-Upem, hanazava ny : «fanoratana famakafakana poezia». Sabotsy 13 jona, «fanoratana famakafakana tantaram-pirenena», hiarahana amin-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara. Sabotsy 20 jona, R’Abel Hantanoro hanazava ny «fanoratana famakafakana lahatsoratra». «Fanoratana famakafakana tantara foronina» kosa no hiarahana amin’Iharilanto Patrick Andriamangatiana, ny sabotsy 27 jona.
Vitsy ireo mpanoratra no sahy manoratra famakafakana asa soratra. Antony roa no nambaran’ny rantin’ny Havàtsa-Upem ho mahatonga io tranga io. Noheverina ho mandeha hoazy toy ny fanoratana fanadihadiana tany am-pianarana ny zavatra atao. Na, mahatsapa ny fahasarotan’ny fanoratana izany famakafakana asasoratra izany izay te na mikasa hanao.
Tato anatin’ny 25 taona, isaky ny «Iray volana anandratana ny teny malagasy», mifantoka amin’ireo atrikasa fanoratana karazana haisoratra samihafa toy ny: tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara tsangana, tantara fihaino, sns, ny Havàtsa-Upem.
HaRy Razafindrakoto
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andraharo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) sy ny Yas Madagasikara. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina, fa 110 andro izay no nitondrany izany ary efa ela no naniriany hiaraka amin’ny Yas ka izao tafahoana izao. “Santatra izao fa irina ny hitohizany hatrany. Betsaka ny arenina ka ilana fifanampiana sy fifanakalozana”, hoy izy. Nanamafy ny tomponandraikitry ny Yas Madagasikara fa manampy ny fanatanjahantena rehetra, hampahomby ny vinanasa fampivoarana, izy ireo. Anjaran’ny handball indray izao. Ho fisantarana izany, hanohana ny Akio Madagasikara zandriny, lehilahy, “cadet” sy “junior” izy ireo, amin’ny fiatrehana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7 tanterahina ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 27 – 31 mey ho avy izao. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara mpampiantrano, Comores, Seychelles, Mayotte ary La Réunion. Hiatrika ny “IHF Trophy” kaontinantaly, izay tompondaka. Efatra no hifaninana ao amin’ny “cadet” dia i Madagasikara, La Réunion, Comores ary Mayotte. Ho an’ny “junior” indray, i Madagasikara, Mayotte, Comores ary Seychelles. Tsy nandray anjara i Maurice, noho ny olana eo amin’ny federasioniny. Ho tonga amin’ny 26 mey izao ireo delegasionina vahiny.
Tompondaka