Baolina kitra – Pureplay football league (PFL) Hanao famaranana ny Ajesaia sy ny CFFA

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 13:10

Hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, Pureplay football league (PFL), ny Ajesaia sy ny CFFA Andoharano­fotsy. Tontosa ny faran’ny he­rinandro lasa teo, teny amin’ny kianja By-Pass ny lalao manasa-dalana miverina. Ny sabotsy lasa teo, la­von’ny Ajesaia tamin’ny fandakana ny “tirs au but” 6 no ho 5 ny Disciples FC Vaki­nan­ka­ratra. Nisaraka, tamin’ ny isa 1 no ho 0 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana ka nandresy ny Discip­les. Bao­lina tafiditr’i Fabrice, tany amin’ny minitra faha-84. Nitovy izany ny isa azon’ny roa tonta, rehefa natambatra ny fihaonana mandroso sy miverina ka voatery natao ny fandakana ny “tirs au but” nahalalana izay ho mpandresy. Tsy nahatafiditra ny azy i Nosy ho an’ny Ajesaia raha i Tsila sy i Rado Be kosa ny an’ny ekipan’i Vakinanka­ra­tra. Tsiahivina fa mbola hi­fandona ny roa tonta eo amin’ny ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, hatao ny 5 jolay ho avy izao.
Omaly indray, nisaraka tamin’ny isa mitovy 1 no ho 1 ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tompon-jaridaina. Efa nanantombo tamin’ny isa 2 no ho 1 anefa ny ekipan’Andohara­no­­fotsy, nandritra ny lalao mandroso ka izy ireo no tafita. Hotanterahina ny alahady 28 jona ho avy izao, ny famaranana izay hotanterahina etsy amin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass. Ho fantatra eo izany izay hisolo tena an’i Madaga­sikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika.

Tompondaka

Catégories: National

Rugby – TOP 20: tsy tontosa hatramin’ny farany ny famaranana

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 13:10

Haverina amin’ny fotoana manaraka ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby sokajy Top 20, hikatrohan’ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina. Tsy tanteraka izany noho ny hamaizin’ny andro.

Tapitra teo amin’ny minitra faha-65, ny famaranana niadiana ny ho tom­pon­da­kan’i Madagasikara taranja rugby (TOP 20). Fi­hao­nana, nikatrohan’ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina, natao tetsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, omaly. Nisaraka tamin’ny isa mitovy 12 no ho 12 ny roa tonta. Niady ny fihaonana ary nampitsanga mitoetra ireo mpanohana ton­ga maro avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny RCSA no na­nokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’ny baolina voa­tsindry ary voatsara ka nitarika ta­min’ny isa, 7 no ho 0 izy ireo teo amin’ny minitra faha-25. Tsy ela anefa ny valin-kafatra fa 10 mn taorian’izay nahatonga baolina ihany koa ny eki­pan’Antohomadinika saingy tsy voatsara izany ka 7 no ho 5. Io isa io ihany koa no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fidirana faharoa, vao na­nomboka 10 mn ny lalao, na­hazo fanafihana tsara rindra ny Rosa ka niafara tamin’ny “essai de penalité” rehefa nanao fahadisoana goavana ny mpilalaon’Anosibe. Nitarika 12 no ho 7 ry zareo. Nanafain­gana ny lalao ny RCSA taorian’izay ka nanosika tao anaty “avant”’ ary niafarana tamin’ny “essai” iha­ny koa izany. Sain­gy, tsy maty rehefa notsaraina ka nitovian’ny isa ho 12 no ho 12. Taorian’ izay, natsahatra ny lalao satria samy nangataka ny ekipa roa tonta fa maizina. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Malagasy Rugby, amin’ny fotoana hamerenana izany.

Tompondaka

Catégories: National

Indray mijery

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 13:08

Nanomboka tamin’ny taona 1960 tany ho any no nipetrahan’ny ankamaroan’ireo mponina ao Anala­mahitsy Cité, nefa mbola maro no tsy nahazo Bokin-tany hatramin’izao. ‎ Ho fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny fanamarinana ny zo fitompoana ny tany, dia miezaka ny CUA, izay tompon’ny tany, mifandray akaiky amin’ny mponina mba hamahana ireo sakana mety hisy alohan’ny dingana farany eny amin’ny sampan-draharaha mahefa.

Iray volana ho an’ny ankizy ny volana jona. Lohahevitra ny hoe: “Ndao hiara-hientana hiaro ny ankizy amin’ny herisetra”. Manana zo mitovy ny ankizy rehetra na manana fahasembanana na manana toe-tena varira. Mila sahy mijoro sy mitoroka raha mahita tranga herisetra manjo ny ankizy eny amin’ny fiarahamonina.

Miditra anaty fialantsasatra lehibe ireo ankizy madinika. Ialana amin’ny fifantohana mihoapampana amin’ny “ecran”, ilaina ny ray aman-dreny manokana fotoana iarahana aminy mivoaka, mihenjy eny an-tokotany, mamantatra zavatra vaovao, mitety toerana tsy mbola hitany nefa mety hahasoa azy.

Catégories: National

Fiangonana FVKFM: havan’ny voafonja 1 000 nahazo fanampiana

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 13:07

Fianakavian’ireo olona voafonja eto Antananarivo, miisa 1 000 no nizarana fanampiana ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano. Vary milanja 4 taonina sy sasany, siramamy 1 taonina, menaka 22 daba na 1040 litatra, paty, baran-tsavony 1 000 isa, tsaramaso 1 taonina ary sira 500 fonosana no notsinjaraina ho azy ireo tamin’izany.
Iraka ataon’ny fiangonana FVKFM izao natao izao, izay mikendry ny fanapariahana ny vaovao mahafaly amin’ny olona rehetra manerana ny firenena rehetra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Itoeran’ny alahelo sy ny famoizam-po ary ny fahaketrahana ny fonja ka amin’izy ireo indrindra no iantefan’ny iraka hanome azy ireo indray ny fanatenana. Ankoatra ny fanomezana tohana ara-tsakafo izay efa fanao rehefa ankatoky ny fety toy izao, manome ny tenin’ny fahamarinana sy hitondra fifaliana ho an’ny fon’ireo fianakavian’ny voafonja indrindra koa ny fiangonana FVKFM.
Efa hetsika fanaon’ny fiangonana hatrizay ny manampy ny olona voafonja amin’ny edriny maro samihafa, hoy i Manilson Pimenta, tomponandraikitry ny hetsika ara-tsosialin’ity fiangonana ity.

Tatiana A

Catégories: National

Ampaha-16-ndalana: ekipa 3 tafita, firenena 3 mangoron-damba

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 10:55

Mandroso miadana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny baolina kitra (Mondial 2026). Na tsy mbola nahavita ny andro faharoa aza, ny ankamaroan’ireo sokajy samihafa, fantatra kosa fa efa misy ireo firenena tafita amin’ny dingana manaraka ary ao koa ireo mangorom-damba, na mbola misy ny andro fahatelo izay tsy hampiova na inona na inona intsony.

Mitohy hatrany ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Mondial 2026), ta­ranja baolina kitra. Fifanina­na­na tanterahina any Canada sy Mexique ary Etats-Unis. Tao­rian’ny fahavitan’ny andro fa­haroa, natao ny sabotsy lasa teo firenena telo no nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana ampaha-16-ndalana. Ani­san’izany ireo mpampiantrano roa dia i Mexique ho an’ny vondrona “A“ sy Etats-Unis ny vondrona “D”. Samy nahazo fandresena roa avy izy ireo ka manana isa 6. Ankoatra izay, manohy ny diany ihany koa ny Mannschaft-n’i Allemagne ho an’ny sokajy “E”, izay nahazo isa 6 ihany koa. Allemagne, nandresy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 2 no ho 1, omaly. Fihaonana, tena nandrasan’ny rehetra. Nitarika tamin’ny isa 1 ny ivoarianina, baolina matin’i Kessié, minitra faha-35. Avy eo nosahalain’i Deniz Undav, minitra faha-68 sy 90 + 4. Hiankina amin’ny lalao farany hikatrohany amin’i Curaçao ny hahatafita na tsia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Ankoatra izay, firenena telo ihany koa no efa mangorom-damba fa tsy tafakatra intsony. Anisan’izany, i Tuni­sie ao amin’ ny sokajy “F”, izay nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa 4 no ho 0, omaly. Tsy na­havita na­narina ny fahavoazan’ity ekipa ity, i Hervé Renard izay nantsoina hitondra azy, tamin’ny fo­toana farany. Eo koa i Haiti ho an’ny vondrona “C” ary i Tur­quie ho an’ny sokajy “D”. Samy resy indroa avy ireo ekipa ireo ary tsy mbola manana isa.

Tompondaka

Catégories: National

« Fetin’ny mozika »: Nampiaina gadona maroloko

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 10:51

Efa tafapetraka eto Mada­ga­sikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mo­zika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika ma­rolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina ilay fivelarana eo amin’ny zavakanto amin’ny ankapobeny sy ny mozika manokana izany.
Anisan’ny nanomboka ny fankalazana teto ary manohy izany isan-taona ireo ivontoerana frantsay toy ny IFM Anala­kely sy ny sampan’ny Alliances françaises rehetra manerana ny Nosy. Nipetraka ilay lalan-tsaina itovian’ny «Fetin’ny mozika» maneran-tany : seho maimaimpoana, hanehoana karazana mozika, mpanakanto efa ma­laza na tsia fa vonona hizara ny kantony.
Ny sabotsy 20 jona dia efa nanokatra ny fankalazana ny tetsy anoloan’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo. Nampidi­tra ny seho ireo mpanao «cir­que» sy mpanao dihy vakodrazana. Nifandimby avy eo ireo tarika mpihira, toy ny Mbaoe, izay nitondra mozika mifangaro, mety vaovao amin’ny ankamaroan’ireo mpijery kanefa dia voaray tsara. Efa fanta-daza kosa ry Skaiz sy Denise nanohy izany. Efa sady tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena rahateo, ka nitohy omaly ny seho teo Analakely.

Zo ny Aina

Catégories: National

« STAR Tour Tanà 2026 »: 3 andro rakotra mpifety ny Coliseum

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 10:47

Tsy sakana ny andro nangatsiaka. Vao mainka nafana aza ny 3 andro, niarahan’ny mozika, kilalao, fanentanana isan-karazany.

Fetim-pianakaviana. Izay no tena nezahana na­songadina tamin’ny «Star Tour Tanà». Na izany aza, tsy lavina fa tonga maro noho ny fiarahan’ny fampisehoana, ny fanentanana isan-karazany fa indrindra ny zava-pisotro amin’ny toerana iray ireo tonga nameno ny tokotany ambonin’ny Coliseum, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny tolakandron’ny zoma lasa teo no nanomboka tonga tsikelikely ireo mpifety. Mety nahasarika voalohany ny fampisehoan’i Lion Hill sy L Jo, satria tanora kokoa no betsaka tamin’io alina voalohany io. Nanana ora iray sy sasany avy ireto mpanakanto ireto nizarana ireo hirany malaza indrindra.
Tsy azo lavina kosa fa ny tarika Rossy no tena be mpiandry indrindra tamin’ity andiany ity. Porofon’izany, ve­tivety dia tsy nisy nodiavina ny toerana tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy. Samy naneho ny hafaliany, na i Rossy izay tafaverina indray nanafana ny fety, raha toa ka anisan’ireo na­nomboka ny «THB Tour» tamin’izany fo­toana. Hadino­dinon’ireo mpijery ny fahataran’ny seho vo­katry ny fahataran’ny tarika Mad Max izay nialoha an’i Rossy, noho izay.
Namarana ny seho lehibe tamin’ny «Star Tour Tanà» ta­min’ity i Naël sy Stéphanie. Araka ny nandrasan’ny mpankafy avokoa ny seho, nialohavan’ireo fanentanan’i Bahrone sy Eric Fou Hehy hatrany. Any Mahajanga indray ny «Star Tour» manaraka, ny volana aogositra izao.

Zo ny Aina

Catégories: National

Fandaharanasa: Défis Mahatratra 13 500 ha ny lemaka voajary

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 10:45

Nanomboka ny taona 2018 ny fandaharanasa Défis, ary ny taona 2024 ny andiany faharoa, Défis+, izay hifarana amin’ny taona 2030. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Mitentina 150,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny FIDA ny 97 tapitrisa dolara, raha 53,9 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC).
Nisy ny tombana amin’izao fisasahan’ny fanatanterahana azy izao. Hita sy azo refesina ny zava-bita sy ny fiovana tao anatin’izay 8 taona nisiany izay. Mahatratra 205 700 ny to­kantrano mpamokatra nisitraka ny asa sy ny tohana. Nomena lanja ny vehivavy sy ny tanora, manana anjara-toerana lehibe amin’ny fanovana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Nisy ny tohodrano natsangana, manondraka velaran-tany mitotaly 13 500 ha, hanatsarana ny fambolena.
Tanjona, ny hanohanana mivantana tantsaha madinika, manodidina ny 500 000, sy tohana tsy mivantana ho an’ny olona 3,5 tapitrisa eny ambanivohitra. Faritra enina (Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana).

Njaka A.

Catégories: National

Hasina Youth Bootcamp: manova ny hevitra ho lasa tetikasa maharitra

Les Nouvelles - lun, 06/22/2026 - 10:43

Vonona hanohana ny ta­nora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antani­na­re­nina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka aha­fahan’izy ireo manova he­vitra ho lasa tetikasa maha­ritra izay fanoitra amin’ny fa­moronan’asa sy hampandrosoana ny toekarena. Ken­dre­na ma­­nokana ny sehatry la­maody, ny hosodoko, ny asa tanana, ny horonantsary, fa­kan-tsary sns. “Amin’ny maha-incubateur dia nitsiry ny hevitra hanomezana fiofanana ny tanora mba hananan’izy ireo orinasa maharitra”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Zafy Tody, Razana­dam­bo Nantenaina. Hifantoka amin’ny fototra iorenan’ny fandraharahana ny fiofanana. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fomba fitantanana ny orinasa, ny fa­metrahana ny marika, fanolorana tetikasa sns.

Tohana
Hojerena mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny sanda fanampin’ilay tetikasa. Ao anatin’izany ny vokatra sy ny tolotra ataony. Hisitraka to­hana avy amin’ny Zafy Tody mandritra ny enim-bolana kosa ireo tetikasa telo mendrika in­drindra, raha ny fanazavana ha­trany. Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo tanora maniry hisitraka ny fiofanana. Mbola hi­tohy hatramin’ny 27 jona izany.

Henintsoa

Catégories: National

FOCUS VONJY CONSERVATEUR DE DISQUES VINYLES

Les Nouvelles - sam, 06/20/2026 - 17:21

Catégories: National

Pages