SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 02/25/2025 - 07:52

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­dagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Ste Anne.

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao ny fifaninanana “Smatchin” taranja basikety. Efa fantatra ireo mpifaninana ka sekoly 50 manerana ny Nosy no handray anjara, izay ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy ary ekipa 17 ho an’ny sokajy vehivavy.

Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Mpikatroka 400 no andrasana amin’io fotoana io.

Notanterahina ny zoma lasa teo ny antsapaka amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny vokatra azo, anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, amin’io, ny fihaonan’ny Liverpool FC, klioba anglisy sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay.

Catégories: National

Karate: Mpiofana 15 haka ny diplaoma DAF

Les Nouvelles - mar, 02/25/2025 - 07:52

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana ha­hazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fiana­rantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Anala­manga. Hentitra ny federasiona ary nanamafy fa tsy afaka mampianatra karate intsony izay tsy manana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany ary tsy ho ela ny fampiharana azy io. Izany, hoy ny filohan’ny federasiona, no antony nikarakarana izao fiofanana izao izay hiarahana miasa amin’ny MJS sy ny ANS. Nampahatsiahivin’ny fi­lohan’ny FKM ihany koa fa mizara 3 ny fiofanana ho an’ny mpampianatra ny taranja ka­raté. Dingana voalohany ity DAf ity, hitohy amin’ny fiofanana hahazoana ny DIF (Diplô­me d’instructeur féderal) izany ary mifarana amin’
ny fiofanana hahazoana ny “Brevet d’Etat”. Tokana ny tanjona dia ny hampivoarana sy hampiakarana ny lentan’ny mpikatroka eo amin’ny taranja karate malagasy.

Mi.Raz

Catégories: National

Minisitra Abdulah Marson Moustapha: Nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypte

Les Nouvelles - mar, 02/25/2025 - 07:52

Miezaka mitady vahaolana mahakasika ny baolina kitra eto Madagasikara ny minisitry ny Tanora sy
ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nisy ny fifampiresahany tamin’ny sekretera jeneralin’ny Caf, any Egypta.

Anisan’ireo taranja tena ma­hasarika ny tanora ny baolina kitra. Araka ny vao­vao hita omaly, tao anaty pejin’ny Kaonfedera­siona afrikanina (Caf), tonga nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypta, ny fa­ran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Mar­son Moustapha. Nandray azy tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny Caf, Veron Mosengo Omba.
Nisy ny resadresaka na­taon’ izy mirahalahy ireto ary nifantoka tanteraka tamin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina izany. Nodinihina koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny mety hampiantranoin’i Madagasika­ra, ireo fifaninanana afrikanina toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina atao amin’ny torapasika “Beach Soccer”.
Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Malagasy amin’ny finiavana hampivoatra ny ta­nora amin’ ity taranja ity, i Veron Mosengo Omba. Tsia­hi­vina fa tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Efa niasa teo anivon’ny Caf, tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad, Mala­gasy filohan’ny Caf teo aloha, ny tenany.

Fitia Randria

Valin’ny kianja?

Afaka telo andro eo sisa, ho tonga ny volana marsa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny valin’ny fankatoavana, raha nahazo izany na tsia kianja ny Barea Mahamasina. Ampahatsiahivina ihany fa amin’ny volana manaraka io, hifanintsana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2026”, indray ny ekipa nasionaly malagasy. Raha mahazo fankatoavana ny kianja Barea, hatao eo Mahamasina izany ny fihaonan’i Madagasikara sy i Ghana.

Catégories: National

Baolina kitra U15 – SOS Sokake Cup: Hanafika eto Madagasikara i Nouvelle-Calédonie

Les Nouvelles - mar, 02/25/2025 - 07:51

Hotanterahina etsy amin’ ny Kianjaben’i Maha­masina, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, ny « SOS Sokake Cup » na « Eco-tournoi international », taranja baolina kitra. Fifaninanana ho an’olona 11 ary natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy. Io no nambaran-dRazafindra­koto Léon, talen’ny alan-javaboahary arovana any Thonye, Nouvelle-Calédonie, sady mpi­karakara ny hetsika, ta­min’ny mpanao gazety, tetsy Ambohidahy, omaly. Araka ny anaran’ny fifaninanana, hiara-dalana ny baolina kitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Firenena efatra no hiatrika izany ka anisan’ny ho avy i Nouvelle-Calédonie. Ankoatra izay, eo koa ireo avy atsy
amin’ny Nosy rahavavy izay efa eo am-pamaranana ny fanaovan-tsonia amin’ny fihaviany. Hisolo tena an’i Mada­ga­si­kara eo amin’ny lehilahy, ny 67 City Football Club, mankalaza ny faha-10 taonany ary ny Yfomac kosa eo amin’ny vehivavy. Tanjona ny hiarovana ny fanondranana sy fandripahana ireo sokatra izay harem-pirenena. Hampaha­fan­ta­rina ireo ankizy ny maha sarobidy ny sokatra, anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ary mampiditra vola ho an’ny fiarahamonina malagasy. Tsiahivina fa feno 20 taona amin’ity ny SOS Tortues, anisan’ny manana andraikitra goavana amin’ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara.

Torcelin

Catégories: National

Etazonia – Lamaody : Dingana lehibe ny vitan’i Sih Rakout

Les Nouvelles - lun, 02/24/2025 - 07:49

« Foko iray », anarana nasalotra ny hetsika momba ny lamaody notanterahin’i Sih Rakout tany Etazonia. Dingana lehibe ny tontosan’ity Malagasy mpamorona sy mpikaroka momba ny lamaody ity. Tao anatin’ny hetsika roa notanterahin’i Sih Rakout tany Washington sy New Work no nahitan’ny Malagasy monina any an-toerana sy ny Amerikanina fa « manana mpamorona sy mpikaroka momba ny tontolon’ny lamaody, mendrika sy itoeran’ny traikefa matanjaka i Madagasikara ».
« Foko iray », nametraka ny « vita malagasy » teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanehoan’i Sih Rakout ny fahaiza-manaony eo amin’ny famoronana lamaody ho an’ny lehilahy, ho an’ny vehivavy. Ahitana fiombonana am-po ho an’ireo izay mianjaika ao anatiny. Tany Etazonia no namoahany izany voalohany.
Raha tsiahivina, anisan’ny mametraka ho zava-dehibe ny fikarohana i Sih Rakout. Omeny sehatra lehibe amin’izany ireo akora fototra misy eto Madagasikara. Ireo no mitambatra no mametraka ny sanganasany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - lun, 02/24/2025 - 07:49

Ho fanamarihana ny « Iray volan’ny poezia ». Hotanterahina ao amin’ny Parc botanique Tsimbazaza, ny alahady 2 marsa izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika « Tsy mba zaza ». Sady fifampiarahabana tratry ny taona ho an’ireo mpiangaly asa soratra izy io no hanoloran’izy ireo antsa samihafa ihany koa.
Hivoaka tsy ho ela ny andiany faharoa amin’ ny boky « Valihan’Ikaky ». Hanana endrika famintinana izay voarakitry ny laharana faharoa izy ity, sady hanohy sy hampita lesona vaovao. Tafiditra ao anatiny ny fahalalana iraisam-pirenena momba ny mozika sy fanolorana sy fanokafana tsikelikely momba ny maha « fanahy » ny valiha.
Manana ny maha izy azy ny mpamorona. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ny fanatanterahina ny fihaonan’ny mpamorona samy mpamorona (zavakanto), ny faran’ny herinandro teo. Na izany aza, nanaiky ny rehetra fa ilaina ny mianatra sy mandalina mba tsy hijanona eo amin’ny sehatra mihidy ny zavakanto malagasy.
Hanana endrika miavaka ny hanamarihana ny « Volan’ny poezia » ho an’ny mpanoratra zandriny sy tsy mbola ao anaty fikambanana. Any amin’ny sekoly misy azy ireo ry zareo no hanatanteraka ny hetsika manandrify azy. Anisan’izany ny fiantsana tononkalo, velakevitra isan-karazany. Napetrak’ireto mpanoratra vao erotrerony ireto fa : « ny fifampizarana no hamoha ny talenta ».

Catégories: National

Fandalovan’NY Todoroki eto Madagasikara : Mampahafantatra ny kolontsaina japoney

Les Nouvelles - lun, 02/24/2025 - 07:48

Tao anatin’ny telo andro (21 febroary – 23 febroary). Nahatontosa fampisehoana an-tsehatra miisa dimy teto an-dRenivohitra sy ny manodidina akaiky ny tarika Todoroki&Kouka avy any Japon. Seho tafiditra amin’ny fandaharam-potoana fitetezana an’i Afrika tanterahin-dry zareo amin’ity taona 2025 ity.
Anisan’ny nampahafantaran’izy ireo tamin’izany ny fifamatoran’ny tontolon’ny mozika sy ny soratra. Ny amponga sy ny sodina tsofina mitsivalana izay ananan-dry zareo fahaizana manokana ny mampiaraka azy no nampiasain’i Shingo sy Koji Kishida tamin’izany.
Tany amin’ireo toerana rehetra nalehan’ny Todoroki &Kouka, tonga maro ny mpijery. Tao ireo mpanakanto malagasy efa manana ny lazany. Fa tsy vitsy ihany koa ireo nangetaheta te hahafantatra ny kolontsaina sy ny zavakanto japoney izay tsy mifanalavitra loatra amin’ny tazana eto Madagasikara.
« Somary fohy ihany ny fotoana nandalovanay eto Madagasikara. Azo lazaina ho indray mipimaso aza, satria maro ny zavatra na ny kanto tokony hifanakalozana. Nisy ny fiarahana tamin’ny mpanakanto malagasy manana ny maha izy azy tahaka an’i Dama. Nahaliana be anay izany. Ny feon-kira nalina tamin’ny « Sakura » (hira japoney), ny tonony tamin’ny teny malagasy », hoy i Koki Kishida, nitsoka ny « flûte traversière » na ilay sodina tsofina misompirana tahaka ny sodina hita eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Kolontsaina sy zavakanto…: Mandringa ny fanabeazana azon’ny Malagasy

Les Nouvelles - lun, 02/24/2025 - 07:48

Manana kolontsaina sy zavakanto tsy tambo isaina ny Malagasy. Nisy ihany anefa vanim-potoana « nampilentika » azy ireny. Notadiavina ny very, saingy, izay kely hita, nomena ny todi-damosina. Ny maro voatazona, anefa, hafahafa fivoaka !

Hira, tsy misy manana ny ananan’i Madaga­si­ka­ra. Fomba amam-pa­nao, miova isaky ny 50km. Ny teny ibeazana, tsy tambo isaina ampiasaina isam-paritra, sns. Na maro tahaka izany aza ny kolontsaina sy ny zavakanto misy eto. Tsy misy lanjany manoloana ny tompony. Mbola mila beazina ny Malagasy. Lehibe indrindra amin’izany ny fampahafantarana fa azy ireny kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao ireny. Noho izany, mila omeny hasina. Mila iainana fa tsy terena ankolaka na mivantana ho vakoka.
Mozika klasika efa tany amin’ny taona 1700, mbola tian’ny vahiny miaina amin’izao, satria, fantany tsara fa azy. Hainy tsara fa manana fiantraikany amin’ny fiainany ny fihainoana izany… Ny an’ny Malagasy, hira tamin’ny taona 1956, raha vantany vao henon’ny sofiny : «hiran’antitra izany» ! Satria, difotry ny lainga sy ny atsanga tsy aman’orana ny Malagasy ka nino avy hatrany fa sokajiana araka ny taona nipoirany ny hira.

Nahazo soa maro raha nahay…
Raha nitohy, anefa, ny fanabeazana ny Malagasy momba ny hira. Fantany sy niainany tsara fa mirakitra zava-panahy goavana be io zavakanto iray io. Hainy tsara fa tsy natao ho fampandihizana fitombenana ny hira. Notanterahiny niaraka tamin’ny hira ny fangatahana amin-Janahary izay hahasoa ny fiarahamonina misy azy, sns. Raha mitohy ny fahaizan’ny Malagasy ny hasin’ny teny. Mbola afaka tsara nitafa tamin’ireo fanahy hafa ankoatra ny azy izy. Mbola afaka nifehy zavaboahary maro (tany, biby, hazo, rano…) ihany koa.
… Izao vanim-potoana izao no mila hanehoana fa manana ny kolontsainy sy ny zavakantony ary ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Io fahitana io no tsy ampy amin’ny taranaka ankehitriny ka mahatonga azy ireo hanao rapadango ny an’ny vahiny.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 02/24/2025 - 07:47

Hojerena ny fomba hanatsarana ny seha-pihariana lamba sy akanjo eto Madagasikara. Eo koa ny fitsipika vaovao apetraky ny vondrona eoropeanina sy ny vondrona britanika. Tanjona ny hiantohana ny tontolo iainana sy sosialy sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny orinasa eto an-toerana.
Nampahafantatra ireo fepetra vaovao eny anivon’ny ladoany ny antenimieran’ny indostria sy ny varotra eto Antananarivo (CCIA) sy ny tomponandraikitry ny fadintseranana malagasy (DGD). Hetsika mahakasika mivantana ireo mpandraharaha sy tompona orinasa. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mpandraharaha ireo fepetra vaovao ireo.
Hampahafantarina ny alarobia izao, ny fanovana mahakasika ny hetra entin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025. Handray anjara mivantana amin’izany ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra. Hetsika atao eny Antaninarenina iarahana amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PMI/PME). Maimaimpoana ny fandraisan’anjara amin’ny hetsika.
Tandindomin-doza ny velaran-tany 200 ha amin’ny fambolen-bary ao Ambohitanilava-Ambohi­kely kaominina Tanambe, distrika Amparafaravola taorian’ny rotsakorana nifanesy. Vaky ny fefiloha ao an-toerana, antony nitondran’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy fiompiana fanampiana sy fampitaovana hisorohana ny loza mety hiseho. Marihina fa fototry ny famokaram-bary ny faritra Alaotra.

Catégories: National

Pages