Bodybuilding: 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny tompondaka maneran-tany

Les Nouvelles - jeu, 11/20/2025 - 07:37

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina ma­lagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, notanterahina tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Nakotroka ny fandraisana ireo Malagasy maherifo izay nahazo ny tompondaka maneran-tany sy tompondaka lefitra ka notohizana hatrany amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ny lanonana nandraisana azy ireo. Namba­ran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Bodybuilding, i Georges Vernier, fa 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny anaram-boninahitra tompondaka maneran-tany. Fikiri­zana sy finiavana ary ezaka goavana no natao, indrindra ireo atleta, vao tonga tamin’izao vokatra izao, raha ny nambarany. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny FMMHC, Randria­manarivo Harinelina ary nanolotra fisaorana ho an’ireo rehetra nanohana sy nanampy. Na­nolotra lelavola 2 tapitrisa Ariary ho an’i Rado sy 1 tapitrisa Ariary ho an’i Maurice ny FMMHC.

Fivoahana voalohany ho an’i Rado
Rakotomandimby Rado, Malagasy atleta nandrombaka ny medaly volamena. Fivoaha­na ivelan’i Madagasikara voalohany ho azy ary fifaninanana iraisam-pirenena voalohany natrehiny ihany koa ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity. Sedra maro no nolalovana, hoy izy, kanefa tonga amin’izao vokatra izao. Notolorany fisaorana manokana ireo nanohana azy, ny fianakaviany, ny federasionina ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy ka haha toy izao azy. I Marinjara Maurice kosa no nahazo ny tompondaka lefitra ary fanindroany izy izao no nahazo izay medaly vo­lafotsy izay. Ny NPC (Na­tional Physique Comitee) izay hatao any Afrika Atsimo, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao indray no fifaninanana miandry ny taranja Bodybuilding manaraka.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages