« Our Generation 2025 »: Lasan’ny Malagasy ny voalohany, tany Russie !

Les Nouvelles - lun, 10/13/2025 - 07:55

Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ».

Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Bren­da, Mandresy ary i Michella, nandritra ny lanonam-pamaranana ny «Our Generation 2025», izay notontosaina omaly, tany Moscou. Nanaiky ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ireto tovovavy ireto. Nampien­tanentanana, nampitaintaina, kanefa efa azo antoka mialoha ihany koa fa manana ny hoentiny ny ekipa malagasy nandritra iny fifaninanana iny.
«Niezaka izahay nanatsarana ny tanjona. Naneho ny kolontsaina malagasy izahay tamin’ny alalan’ny feo, ny fitafy, ny taovolo, ny teny malagasy, sns.», hoy ny nambaran’i Michella, izay nahazo ny voalohany tamin’ny fifanintsanana taty Madagasikara. Niara-dalana taminy niatrika ny famaranana iraisam-pirenena tany koa i Brenda sy Riantsoa, izay nahazo ny laharana faharoa sy fahatelo. Efa tombony lehibe ho an’ny solontena malagasy, ary tsy vitan’izay fa mbola niaraka tamin’izy ireo niatrika izany fotoan-dehibe izany koa ny Coach Fidy.
«Misaotra an’Andriama­nitra nanao ny planina rehetra. Misaotra ny ekipa rehetra nikarakara. Nikotrana mafy sy nahafoy fotoana izy telo mirahavavy, ka tojo amin’izao fandresena izao. Misaotra an’ireo zoky toa an-dry Denise, D Lain ary Shyn, izay nanokatra ny lalana taty Russie. Mi­saotra an’ireo matihanina
amin’ny mozika toa an-dry Seta Ramaroson ihany koa, izay nanampy betsaka anay. Eo koa isika Malagasy rehetra maneran-tany, izay nanohana», hoy ny nambaran’ny Coach Fidy.
Ilay hira «Fianarana foa­na» no nentin’izy telo mirahavavy nandrombaka ny amboara. Noforonin’ i Heman Alexis ity hira ity. Misy hafatra ao, na dia tsy fantatr’ireo nandray aza izany, fa misongadina maneran-tany kosa ny talen­tan’izy telo mirahavavy. Tonga tany an-toerana, nanolotra ny amboara ho an’ny mpandresy ary mbola nanamafy ny fandresen’ny Malagasy i Fila­matra Matokia, nandresy nandritra ny «Our Generation 2024».
Nanambara ny Real TV, izay mpikarakara teto an-toerana sy niandraikitra ny fampitana avy any an-toerana, fa anio amin’ny 9 ora alina vao afaka mandefa ity famaranana ity amin’ny fahitalavitra izy ireo.

Zo ny Aina

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 10/13/2025 - 07:54

Nanao ny asany mahazatra ny mpivarotra, omaly maraina. Nikatona avokoa izy ireo nanomboka ny atoandro mandra-pahariva ny andro noho ny korontana. Toraka izany koa ny tsena, toy ny teny Anosibe sy Anosy Mahamasina. Nizotra toy ny mahazatra kosa ny fiainana andavanandro teny amin’ny manodidina ny Renivohitra.

Nozaraina zana-trondro miisa 10 000 sy apombo 1 taonina ny mpiompy trondro miisa 10 any Ambodigavo, distrika Moramanga, ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka ny fanohanana ny Conservation internationale niaraka tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Moramanga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Preaa no nahafahana nanatontosa izany.

Nisy ny fanapahana ny herinaratra tany amin’ny manodidina an’Ambatoroka, ao anatin’ny zotra D1, omaly. Naharitra adiny iray izany, nanomboka tamin’ny 12 ora 30 mn hatramin’ny 1 ora sy sasany. Antony, nisy hazo nahakasika taribin-jiro teny an-toerana ka tsy maintsy norantsanana.

Catégories: National

SERAPHIN BRUITISTE

Les Nouvelles - sam, 10/11/2025 - 17:18

Catégories: National

Pages