Tsaralalàna : Lehilahy 66 taona namoy ny ainy

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:21

Nitsirara tamin’ny tany, tsy niverina intsony ny ain’ny raim-pianakaviana iray 66 taona tetsy Tsaralalàna, omaly tolakandro. Nitambotsotra tampoka io lehilahy lehibe io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina. Namoy ny ainy anefa izy. Nahitana karapanondrom-pirenena teny amin’ io tra-doza io. Mponina avy any Ambatondrazaka izy, raha ny voalaza tao. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Efa niantso ny zanany ny tsara sitrapo naka ny vatana manga­tsiakan’io namoy ny ainy io. Tsiahivina, mateti-pitranga tato ho ato ny fisiana olona maty tampoka eny an-dalambe indrindra eto an-dRenivohitra. Anisan’izany, ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy teo am-pilalaovana daomy niaraka tamin’ny namany teny amin’ny Cité 67 Ha Avaratra Atsinanana, ny 11 avrily lasa teo.

Tsiferana R.

Catégories: National

Tanjombato : Vehivavy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:21

Hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, ny vehivavy iray 25 taona. Niala tao an-tranon’ ny ray aman-dreniny, teny an-toerana ihany, handeha ho any amin’ny namany izy, afakomaly, no izao hita faty izao.

Vehivavy iray 25 taona, hita faty tao anatin’ny ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Olona nanasa lamba teny amin’ny manodidina no nahita faty natsingevan’ny rano ka niantso ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisim-pire­nena avy amin’ny CSP 5 rehefa nahazo antso. Tonga teny an-toerana koa ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Tanjombato nanao ny asany. Nanao ny fanadihadiana rehetra izy ireo taorian’izay. Tsy nahitana ratra ny vatan’ity tovovavy ity, raha ny tatitra voaray, nanao aronono mainty sy ambonin’akanjo fotsy sy mainty ary pataloha volondavenona izy nandritra ny fahitana ny razana. Tsy nahitana taratasy mahakasika azy io teny aminy. Mbola tsy fantatra ny fianakaviany tamin’ny fotoana nanaovan’ny tomponandraikitra fanadihadiana mahakasika ny raharaha teny an-toerana. Nentina avy ha­trany teny anivon’ny tranom-paty HJRA ny vatana manga­tsiakany avy eo.

Nilaza ho any amin’ny namany
Monina eny Tanjombato ity vehivavy hita faty ity. “Niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny, nilaza handeha ho any amin’ ny namany izy, afakomaly ta­min’ny 3 ora tolakandro, ary tsy niverina intsony”, hoy i Flo­rentine, rahavavin-dreniny, raha nanontaniana, omaly. Niandry ny fiverenany ny fianakaviana, tsy niverina mihitsy izy hatramin’ny omaly alina, fotoana hisakafoana hariva. “Nanomboka nantsoina tamin’ ny findainy izy, tsy tratra antso intsony”, hoy hatrany ity rahavavin-dreniny ity. Nitohy ma­raina ny fikarohana nataon’ny fianakaviana na dia mbola tsy nampandre ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Gaga sy hatairana ny an’ireto farany rehefa naheno sy nahita tamin’ ny tambajotran-tserasera fa maty an-drano eny Tanjom­bato ny zanak’izy ireo. Tonga nijery teny an-toerana, tao­rian’izay, fa efa tsy nahatratra ny razana intsony. “Tsy nisy olana na fifamaliana na disa­disa teo aminy sy ny ray aman-dreniny taloha ny nandeha­nany niala ny trano fonenany”, hoy ny fanazavana. Raha ny tatitra azo, maty an-drano tsy nahy ny antony nahafaty ity vehivavy ity tao anaty rano. Mihevitra anefa ny fianaka­viana fa nisy namono ny zanak ’izy ireo ary nisy nanary tao amin’ity reniranon’Ikopa ity. Andrasana ny tohin’ny fana­dihadiana, hahalalana ny ma­rina.

Mino

Catégories: National

Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:50

Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM.

“Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba efa fanao hatramin’izay”, hoy Razaka Mireille, tompon’andraikitry ny GSDM. Voly tokana foana nataon’ny tantsaha hatramin’izay sady amin’ny toerana iray. Ohatra, vary na katsaka ihany no voleny amin’ny tany iray. Voa­sokajy ao anatin’ny manimba sy mitroka ny tsiron’ny tany anefa ny vary na ny katsaka. “Tokony hampifandimbiasana ny voly volena eo ambonin’ny tany ao anatin’ny taona roa na telo”, hoy hatrany izy. Manatsara ny tsiron’ny tany izany fifandimbiasana voly izany satria misy voly mitroka ny tsiron’ny tany ary misy voly mamerina ny tsiron’ny tany.
Nahavokatra foana ny tany hatramin’izay kanefa tokony ho fantatr’ireo tantsaha fa zava-mananaina ohatran’ny olombelona ihany ny tany. Miha simba ny tany rehefa trandrahina foana. Misy tany tena nialan’ny tompony mihitsy satria tsy mahavokatra intsony any ambanivohitra sasany any. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany misy ny teknikam-pambolena. Ny fahatsapana izany no antony nampidirana ny “agro écologie” eo amin’ny sehatry ny fambolena, raha ny nambarany. Fomba fiasa vaovao amin’ny teknikam-pambolena ny « agro écologie ». Mikendry ny teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany ary mampitombo ny vokatra sy mikajy ny tontolo iainana.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny zezika ampiasaina. Toy ny fanaovana ny « compostage » amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny ravina maina sy maitso. Eo koa ny zezika kankana sy ny fampivadim-boly amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ary ny fanaovana voly avotra. Mivoy sy manaparitaka ny teknika vaovao manerana ny Nosy ny vondrona GSDM.

Ahazoana tombony maro ny “agro écologie”

Maro ny tombony lehibe azo avy amin’ny fanaovana “agro écologie” eto amin’ny Nosy. Voalohany, ny fitantanana ny tany maharitra satria mananaina ny tany ka maty izy raha simbaina amin’ny fambolena ratsy. Faharoa, mampamokatra bebe kokoa ny tany rehefa ao daholo ny otrik’aina ilainy sy tadiaviny. Azo antoka ny vokatra ary miha betsaka ihany koa ny vokatra miakatra. Fahatelo, antoky ny fahasalaman’ny tany sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Miteraka tombontsoa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy izany. “Mitombo sy mahazo hery ny mpamboly, mitombo ny vola miditra aminy satria tsy natokany hohanina intsony ny vokatra fa afaka amidy ihany koa ny ambim-bava”, hoy ihany izy.

Ampidirina any an-tsekoly
Ankoatra izay, atsofoka any anaty fandaharam-pianarana ny lohahevitra momba ny “agro écologique” izay volavolain’ny minisiteran’ny Fana­beazam-­pirenena eto Mada­gasikara. Mila ampidirina ao an-tsain’ny ankizy fa tsy tokony hopotehina ny tontolo iainana. Amin’izao fotoana izao, efa ao anatin’ny « phase d’essai » izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. 186 ny sekoly efa mampihatra ity fampianarana ity manerana ny Nosy. Lasa ohatran’ny laboratoara ireo toeram-pianarana ireo. Ampiharina ao amin’ireo sekoly ny fandaharam-pampianarana vaovao mahakasika ny teknikam-pambolena maharitra manaraka ny agro écologie. Mitatitra mankany amin’ny minisitera momba ny vokatry ny fampianarana ireo mpampianatra. Tanjona ny hahafahana mahatsara ny fampitana ny fahalalana amin’ireo mpianatra.
Anjaran’ny GSDM ny manome ny lohahevitra mahakasika ny « agro écologie », izay ampidirina any anivon’ny sekoly. Ezahina ny hanaovana azy io ho hatao taranja « matière transversale ». Izany hoe, ampidirina any amin’ny taranja toy ny SVT (Science de la Vie et de la Terre), jeografia, ny matematika ary indrindra ny fanabeazana olom-pirenena.

GSDM, mivoy ny “agro écologie”

Fivondronan’ny fikambanana mivoy sy manaparitaka ny « agro écologie » manerana ny Nosy ny GSDM. Ahitana ireo karazana teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany, mampitombo ny vokatra ary mikajy ny tontolo iainana izany.
Manana mpikambana 18 ity vondrona ity, samy miasa mikasika ny « agro écologie ». Maro ny anjara asa ataon’izy ireo. Mampiofana momba ny teknikam-pambolena mahomby. Manao fanentanana sy manara-maso ny fampiharana ny teknika. Manangona ny antontan’isa sy antontan-kevitra rehetra momba ny « agro écologie » sy manaparitaka izany. Ankoatra izay, miara-miasa ihany koa amin’ny sehatry ny fikarohana. “Miainga avy amin’ny vokatry ny fikarohana foana no hahazoana manaparitaka ny traikefa, hoy Razaka Mireille.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:49

Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fa­noloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Ha­vaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity.

Tanterahana ao Nice-Frantsa, ny 9 ka hatramin’ny 13 jona, ny fikaonandohan’ny firenena mikambana momba ny ranomasimbe ( UNOC3), andiany fahatelo.  « Miara-mientana ho an’ny fitantanana lovainjafy ny ranomasimbe », no lohahevitra ho voaboasana mandritra ny andro hanaovana ny hetsika. Tanjona ho an’i Madagasikara ny hiaro ny tombontsoa ara-stratejika amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekarena manokana (ZEE) midadasika eto amin’ny Ranomasimbe indianina. Hisongadina manokana ny fampiroboroboana ny toekarena manga lovainjafy sy mampiaty.

Hametrahana “forages à drain” miisa enina ao Antsiranana. Havaozina sy hitarina ny “station de traitement”. Hosoloina ny fantson-drano avy amin’ny fantson-dranon’Ambodimanga, hamboarina ireo tobim-pamokarana sy fitehirizan-drano rehetra, havaozina manaraka izay ny fantsona mizara rano mirefy 75km. Tetikasa goavana ataon’ny fitondram-panjakana hamaliana ny filan’ny mponina sy hanatsarana ny famokarana ary famatsian-drano ho an’ny rehetra.

Catégories: National

DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:49

Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia niomerika entina hanamorana ny fifanakalozam-barotra.
Nisolo tena ny Ladoany ma­­lagasy, ny tale jeneraly (DGD), ny Dr. Zafivanona E. Lainkana. Nohazavainy ny trai­kefa tamin’ny fanarenana ny rafitra sy ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy, tao anatin’ny drafitrasa stratejika 2020-2024. Notsipihiny, fa «mivoatra misonga ny teknolojia, noho ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Lasa fitaovana matanjaka sy mahomby ho an’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy miankina. Sain­gy, tsy terena ampiasaina fotsiny ny teknolojia, fa mila ampifandraisina amin’ny zava-misy, ny olombelona izay ampifanarahana amin’ny fanovana».

Voalohany mampiasa ny IA

Nankasitraka ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Dr. Zafivanona Lainkana ny mpanatrika ny fivoriana. Hita taratra ny fahavitrihany nitondra ny fanovana tao amin’ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy. Marihina fa ny ladoany malagasy no mampiasa voalohany ny IA amin’ny fitantanan-draharaha, ny fitantanana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso, ny dingana arahin’ny manan-draharaha, sy ny hafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Nosy Be : Vita ny lalana mankany Andilana

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:49

Manodidina ny 80 km ny lalana narenina vita ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Tao anatin’ny dingana voalohany ny eo Fascene mankany Andilana, mirefy 30km. Faharoa, eo Hell ville mankany Andilana, mirefy 39km. Manampy ireo, efa mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy Ambanja sy Antsohihy.

Njaka A.

Catégories: National

FIM 2025: Fahombiazana ny hetsika, vina ho an’i Afrika

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:48

Fahombiazana lehibe ny setriny ho an’ny andiany faha-19 amin’ny Foire internationale de Madagascar (Fim), notanterahina teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 mey lasa teo.

Ho an’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, nametraka aina vao ny « Fim 2025 ». Mihoatra ny 250 ireo mpandray anjara tamin’ity andiany ity, izay nameno tranoheva manodidina ny 420 nitsinjara tamina toerana mi­velatra 22 000 m². Maro ireo mpitsidika tonga teny an-toerana, tao ireo mpiantsena, mpankafy asa-tanana, sy ireo liana amin’ny atrikasa natao izay nahitana teknisiana 54. “Nisokatra tamin’ny mpitsidika isan-karazany izahay. Tsy hoe ireo liana amin’ny Fim fotsiny ihany, fa indrindra ireo voasariky ny lohahevitra sy ny fifanakalozana”, hoy ny talen’ny mpiara-mitantana ny MadaVi­sion, Ranaivo Oranne. Noha­tsa­raina ny fandaminana ny toerana, tamin’ny alalan’ny fametrahana faritra manokana ho an’ny fikambanana, startups ary indostria. Nahafaha­na nampivelatra ny hetsika ny toerana malalaka kokoa, ka nanome vahana ny mpitsidika sy ny mpandray anjara, hoy ha­trany ny fanazavana. Ankoatra izay, niavaka ireo mpanohana, izay nahavita fanentanana tamin’ny lalao samihafa sy nampiaina kokoa ny fitsidihana.
Ivon’ny fifanakalozana

Tratra ny tanjona napetraka raha ny isan’ny mpitsidika, araka ny tombana nataon’ireo mpikarakara. “Fahombiazana izao, ary fanombohana ihany koa”, hoy hatrany Ranaivo Oranne. Nandray lohahevitra lehibe ny Fim tamin’ity taona ity dia ny hoe “Tetezana mankany Afrika”. Tazana tamin’izany ny fisian’ireo mpandray anjara avy any Maorisy sy La Réunion, ary nisy adihevitra manokana momba ny lanjan’ny varotra eo amin’i Madaga­si­kara sy ireo firenena afrikana manodidina. Nankalazaina manokana koa ireo vehivavy afrikana sy ny asa tanana malagasy ho toy ny rohy mankany Afrika. Tanjona manaraka ny hanomezana lanja hatrany ny Fim amin’ny taona ho avy, ka hampanjary an’i Madagasikara ho ivon’ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-toekarena aty Afrika.

Henintsoa

Catégories: National

Enin-dahy nanafika teny Anosiala: Lehilahy voatifitra, 2 tapitrisa Ar voaroba

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:24

Jiolahy enin-dahy nanafika teny amin’ny fokontany Anja­namasina, kaominina Ano­siala, distrikan’­ Ambohi­dratrimo, ny alin’ny alakamisy teo tamin’ny 12 ora. Hitran­gana fahatapahan-jiro matetika anatin’io fokontany nitrangana fanafihana io. Vao tapaka tsy nisy dimy minitra ny jiro, nirefotra ny feom-basy voalohany. Nirefitra fanindroany ka niditra tao amin’ny tokantrano lasibatra ireo olon-dratsy. Nitady vola avy hatrany izy ireo. Tovolahy vao herotrerony zanaky ny tompon-trano voatifitr’ireo tsy mataho-tody nandritra ny fanafihana. Voatery naiditra hopitaly nanesorana ny taim-bala tavela tao amin’ny lamosiny io voatifitra io. Lelavola 2 tapitrisa Ar no lasan’ireo tsy valahara, araka ny angom-baovao. Namerina nanampoaka basy ireo jiolahy sady nandositra nandritra ny haizina. “Nahare feona kiririoka izahay saingy tsy mbola nisy sahy nivoaka”, hoy ny vavolombelona monina tsy lavitra ny toerana lasibatra. Nirodorodo ireo vatan-dehilahy taorian’io saingy efa tsy hita intsony ny jiolahy. Nihatrana teny an-toerana koa, ny zandarimaria. Nanara­raotra fahatapahan-jiro ireo olon-dratsy. « Tapaka ny jiro manomboka amin’ny 12 alina ary tsy miverina raha tsy maraina », hoy ny loharanom-baovao. Dimy minitra taorian’ny fahatapahan-jiro tamin’ny alin’ny alakamisy io no nahatongavan’ireo mpandroba. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fisafoana sy ny ady amin’ny asan-jiolahy eny amin’ny kaominina Anosiala sy ny manodidina ireo mponina eny an-toerana.

Tsiferana R.

Catégories: National

Nandroba mpitondra taxi : Lehilahy voasambotry ny polisy

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:23

Voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria An­taninandro, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ny tovolahy 22 taona. Nanga­latra kitapon’ny mpamily taxi iray tetsy Anjanahary izy. Novonoin’io olon-dratsy io ihany koa ilay mpamily taorian’ny nandrobany ny entana teny amin’ilay lasibatra. Tavela tany anatin’ny kitapo ny finday roa, karapanondrom-pirenena, taratasy fahazahoan-dalana hamily ary “Power bank”. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fiasafoana teny an-toerana io mpanao ratsy io. Rehefa nosavaina izy, hita tany aminy avokoa ireo entana nangalariny ireo. Noentina namonjy ny birao avy hatrany ity farany nohadihadiana. Nasaina nametraka fitoriana kosa ilay mpamilin’ny fiara karetsaka. Ankoatra ireo, telo lahy mpidoroka zava-mahadomelina tratra tetsy Anatihazo Isotry, afakomaly alina, tamin’ny 7 ora. Lehilahy maro no tratra teo am-pidorohana zava-ma­hadomelina. Nosamborina avokoa ireo sarona tao amin’ny toerana voa­laza ary nentina teny anivon’ny Kaomisaria nanaovana fanadihadiana.

Mino

Catégories: National

Lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:23

Vaky loha, maty tsy tra-drano ny lehilahy 50 taona niharan-doza teny Ambatobe, ny sabotsy 24 mey hariva teo. Ankizivavy 15 taona avotra soa aman-tsara.

Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny lalan’ny bibilava mampitohy an’Am­batobe sy i Nanisana, ny sabotsy 24 mey teo. Nitondra moto lehibe 4T io raim-pianakaviana io ary nitaingina tao aoriana ny zanany vavy. Nikasa hisongona fiara tsy mataho-dalana tao anaty fiolanana io mpamily io, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Nianjera ny moto ary nivoaka tamin’ny sisin’arabe ilay fiara. Nidaraboka tamin’ny tany ny mpitondra moto ka vaky ny lohany. Nandriaka teo noho eo ny ra. Tsy afa-nialana nenina intsony io tra-doza io. Maty teo noho eo ilay raim-pianakaviana 50 taona. Tetsy ankilany, nipitika teny ambony moto koa ilay ankizivavy 15 taona. Tsy natahorana ny ainy ary avotra soa aman-tsara izy, araka ny angom-baovao.

Tapaka hisatra

Simba ny lohan’ny fiara taxi iray nidona tamin’ny fiara hafa, tetsy Besarety, ny sabotsy 24 mey teo. Nidina avy amin’ny lalana teo amin’ny Chapelle Mangasoavina io fiara io saingy tapaka hisatra tampoka. Nifatratra tamin’ny fiara an’olon-tsotra. Potika tanteraka ny lohan’ny taxi sy ilay fiara nifandona taminy. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Tsiahivina, na eo aza ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana eny an-dalambe. Mitaky fitandremana avy amin’ny ny tsirairay hatrany, indrindra ireo mpampiasa moto ny fisorohana ny loza. Matetika vokatry ny fandehana mafy sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mampiasa arabe no miteraka ny loza.

Tsiferana R.

Catégories: National

GRAINES DE SESAME

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 18:04

Catégories: National

« Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:17

Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Pro­gramme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy ny fampirantiana, ny dinika sy famelabelaran-kevitra. Eo koa ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo mitady asa. Misy ihany koa ny atrikasa an-tambajotra hatramin’ny 6 jona ho avy izao. “Tanjona ny hanomana ireo tanora ho lasa matihanina eo anivon’ny sehatry ny fitadiavana asa”, hoy ny talen’ny fandaharanasa sésame, François Xavier Froberville. “Betsaka ny tolotrasa misy eto Madagasikara fa tsy ampy hamaliana izany ny fahaiza-manaon’ny tanora mitady asa”, hoy kosa i Ingy Ange Simonia, talen’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy fampananasa ary ny asam-panjakana. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana hetsika tahaka izao satria manampy ny tanora hanana vintana amin’ny fitadiavana asa. Andrasana ny hahazoana mpitsidika maherin’ny 3 000 amin’ity hetsika ity. “Tsy ny isan’ny mpitsidika anefa no zava-dehibe fa ny kalitaon’ny fihaonana eo amin’ny orinasa sy ny tanora. Mba hanovana ny fiainan’ny tanora sy hitarihana azy ireo amin’ny hoavy mamiratra”, hoy hatrany ny talen’ny fandaharanasa sésame.

Mino

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikamba­nam-behivavy ao Nosy Be

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:17

Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly.

Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka manokana amin’ny fanamboarana mofo, fanjairana, hatramin’ny fanodinana voankazo ireo mpikambana ao. Notoloran’ny Filoham-pirenena lelavola 16 395 000 Ar izy ireo, hanatsarana ny fikambanana sy hampivoarana ny seha-pihariana amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.
Tetsy ankilany, nisitraka ny anjarany koa ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny­ Marmanive Mireille. Nahazo tohana 8 115 000 Ar ny mpikambana izay misehatra amin’ny fanamboarana mofo. Ny vokatra ataon’ireo fikambana ireo izay aparitaka ao an-toerana sy any amin’ny faritra hafa. Tafiditra anatin’ny velirano nataon’ny Filoha rahateo ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nanolorany vola mitetina 10 000 000 Ar ho an’ny fikambanan’ny vehivavy mpanodina vokatra ara-tsakafo ao Nosy Be, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Tsy hadinon’ny filoha ny nanampy ny vehivavy mikambana ao amin’ny Dalas. Marihina, nitohy tamin’ny fitokanana ny EPP manara-penitra ao Jabala ny fitsidihan’ny filoha tany an-toerana.

Ninah (Mpianatra asa)

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:16

Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Ankalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Fantatra fa eto amintsika ny maherin’ny 80% ny karazam-biby sy zavamaniry maneran-tany saingy miha ringana ny tontolo iainana. Ankehitriny, tsy misy afa-tsy 10% sisa ny ala eto Madagasikara, potika ny natiora noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ataon’ny olombelona. Vokany, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro ny firenena.
Hihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ao anatin’ny volana maro. Midina ny famokarana herinaratra ao amin’ny tobim-pamokarana Andekaleka ka mahatonga ny delestazy lavareny. Vokany, miha sahirana sy miditra fatiantoka ireo orinasa madinika. Nisy ireo nampitsahatra tanteraka ny famokarany, ao koa ireo nilaza fa hikatona tsy ho ela noho ny zava-misy.

Catégories: National

Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:16

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy na toerana ahitana zava-mahadomelina, vola ary sokatra. Nambaran’ireo mpibaiko fa azo antoka sy mahomby ny fahaizan’ireo alika ireo, karazana Berger allemand sy Berger malinois.
Nambaran’ny tale jeneraly ny Haban-tseranana, Zafi­vanona Lainkana, fa endriky ny finiavan’ny Ladoany hanamafy ny fanaraha-maso, hanomezana antoka ny vahoaka ny fisian’ny andiany manokana izao. Eo koa, ny fanavaozana ho maoderina hatrany ny fomba fiasa sy ny fitantanana.

Mifameno amin’ny teknolojia

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny entana sy ny mpandeha eny amin’ny haban-tseranana, ka ilaina ny fananana fitaovana ampy sy mahomby. Nomarihin’ny DG ny ladoany, fa « mifameno tanteraka ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana alika. Hamant­arana ny toerana mampiahiahy ny fitiliana ampiasana teknolojia, ary manamarina azy ao anatin’ny fotoana fohy ny alika. Hihena ny fotoana lany sady mahomby ny fanaraha-maso, isorohana ny hosoka sy ny trafika ».

Njaka A.

Catégories: National

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 08:15

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hampiharina avy hatrany kosa izany aorian’izay. “Tsotra sy mora ary azo antoka tanteraka ny fampiasana ny e-Ariary noho izy mangarahara sy miady amin’ny kolikoly », hoy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Notsindriany manokana fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny fampiasana ny vola niomerika ity tolotra vaovao ity ary mifameno tanteraka amin’ireo tolotra “mobile banking” efa misy amin’izao fotoana. Tsotra sy natao ho an’ny rehetra ary entina handoavana ny filana andavanandron’ny mponina ny e-Ariary. Tafiditra ao anatin’izany ny fandoavana faktiora, fividianana entana samihafa, fandoavana saran-dalana ho an’ny taxi-be, sns. Afaka misitraka ny tolotra ireo rehetra manokatra ny kaonty e-Ariary eny anivon’ny BFM.

Henintsoa

Catégories: National

Antohomadinika IVO: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy

Les Nouvelles - sam, 05/24/2025 - 07:50

Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy.

Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, tetsy Anto­ho­madinika IVO. Anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ny fa­naovana asa fanendahana mampiasa zava-maranitra eny an-toerana sy ny manodidina izy io. Omaly, nanatanteraka fisafoana teny amin’ny manodidina ny polisin’ ny Unités d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nifaneha­tra tamin’ny andian-dehilahy efatra tao an’elakelan-tranon’ Antohomadinika IVO izy ireo. Nasaina nijanona mba hosavaina ireo lehilahy ireo saingy nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Tafaporitsa­ka tany an’elakelan-trano ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Nikasa hamely ny mpitandro filaminana tamin’ny antsy lava teny aminy kosa ny iray nandritra ny fifanjevoana. Namaly tifitra avy hatrany ny polisy. Vokany, voatifitra ilay jiolahy ka maty.

Lasibatra ny mpiasa mody alina
Anisan’ny faritra anararaotan’ny mpanao ratsy amin’ny fanendahana ny elakelan-trano fivezivezena eny an-toerana, raha ny fitarainana na­taon’ny mponina. Antony ma­hatonga izany ny fahamaroan’ ny lalan-kely, izay misampantsampana, ka mora handosiran’ireo mpanao ratsy. Maro ny olona lasibatry ny asa ratsy ataon’ireo andian-jiolahy. Ani­san’izany, ny mpiasa amina «call center », ny mpamily sy ny mpanampy azy… Amin’ny ankapobeny, olona tsy main­tsy mody amin’ny alina noho ny asa ataony ireo tena lasibatra.
Tsiahivina fa roa ireo mpanendaka lavon’ny polisy teto an-dRenivohitra tao anatin’ny dimy andro. Iray tamin’ireo ilay mpanendaka voatifitra tetsy Anosibe, ny alatsinainy lasa teo. Entanina hatrany ny olom-pirenena hanome vaovao ny mpitandro filaminana ma­ha­kasika ireo olon-dratsy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanendahana eto an-dRe­nivohitra ny hetsika.

Mino

Catégories: National

Renim-pianakaviana atleta : Maniry ny hahita asa tsara i Soloniaina Malala

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:56

Maro amin’ireo ve­hivavy malagasy atleta no efa renim-pianakaviana, amin’izao. Misy amin’izy ireo nefa mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary miezaka mafy mitady izay mahasoa ho an’ny fanatanjahantena sy ny ankohonany.

Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao taminy omaly, mahakasika ny fiainany sy ny fomba fanaony isan’andro. Fanirian’ity atleta ity ny hahita asa sahaza azy hahafahany mivoatra amin’ny fiainana.

Gazety Taratra (*) : Manao ahoana izany fiainana renim-pianakaviana sady atleta izany?

Soloniaina Malala (-) : Tsy mora ilay izy. Matetika dia sady manao fanazarantena hatrany ianao no miezaka mitady vola, mivarotra. Eo ihany koa ny fikarakarana ny zanaka handeha hianatra, anisan’izany ny fandrohoana ny sakafony. Tsy hadino ihany koa ny fikarakarana ny tokantrano.

* Manao ahoana ny iainanao ilay hoe lasa mpiaro ny voninahi-pirenena nefa ny zanaka aty Madagasikara?

– Tena mafy ilay mandao ny zanaka sy ny ankohonana, sady handeha lavitra ivelan’i Madagasikara. Miala eto Madagasikara, tsy mandray vola, tsy mba misy hapetraka ho an’ny zanaka, nefa tiana ilay ho tafita lavitra amin’ny fanatanjahantena, miezaka hatrany mampahery ny saina ary miharitra amin’izay zava-misy eo.

*Inona ny tanjonao sy tena irinao amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?

– Manana tanjona ny ho lasa alavitra sy hampitombo ny lazako amin’ity taranja tolona ity aho. Ankoatra izay, mba faniriako ihany koa ny hahita asa, mba hahafahako mivoatra amin’ny fiainanana miohatra ny hiainako ankehitriny. Tsy vita mora nefa izany, saingy manantena hatrany fa ho tonga amiko ireo faniriana ireo, indray andro any.

* Inona ny mba mety hoe fanirianao ho an’ny zanakao any aoriana any?

– Ny tena hiriako ho an’ilay zanako, dia mba ho lasa lavitra amin’ny fianarana ary ho tafita amin’izay faniriany. Tiako ihany koa raha mba mihoatra lavitra ny zava-bitako ny vitany amin’ny resaka fanatanjahantena. Tsy ho hadinoko ny milaza azy fa ilaina ezaka foana ny zavatra rehetra amin’ny fiainanana.

*Tahaka ny ahoana ny fandaharam-potoanao rehefa andavanandro?

– Somary efa feno ny fandaharam-potoanako andavanandro. Rehefa maraina aho, manatitra ny zanako mianatra. Aorian’izay, manao fanazarantena. Rehefa vita izany, mivarotra indray aho. Rehefa hariva kosa, maka mpianatra sy mikarakara ny ankohonako amin’ny maha reny ahy.

*Inona ny hafatra ampitanao ho an’ny reny rehetra?

– Koa satria moa efa amin’ny alahady ny fetin’ny reny, eto aho dia mirary ny soa sy ny tsara ho an’ireo renim-pianakaviana rehetra. Miarahaba azy ireo mialoha, zava-dehibe eo amin’ny fiainana izany reny izany. Maniry aho mba hahatratra ny tanjona tiantsika avokoa anie isika reny rehetra, ary hahita izay hiriana daholo.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola ao anatin’ny fahatanorany tsara i Malala. 22 taona, amin’ny io volana jona io izy, ary efa nandrombaka medaly maro tamin’ny taranja tolona, raha sehatra iraisam-pirenena no resahina. Ny taona 2018, nahazo ny medaly alimo, nandritra ireo fifaninanana afrikanina maro natao tany Nigeria. Nahazo ny medaly alimo ihany koa izy, nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, tany RD Congo. Nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, notontosaina teto Madagasikara.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

Niala hatramin’ny sofiny : Renim-pianakaviana naratra mafy naolana tovolahy iray

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:55

Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo.

Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodi­manga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona ity. Vao nahatazana ilay ramatoa ilay tovolahy, napetrany ny entana teny aminy fa lasa nanenjika azy izy. Noho ny hery tsy mitovy, tratrany ilay renim-pianakaviana 52 taona ka nazerany amin’ny tany. Nokaikairiny ny sofiny havia ary niendaka niala taminy mihitsy, nokaikairiny toy izany ihany koa ny takolany havia. Nalemy sy tsy afa-nanohitra azy intsony ity renim-pianakaviana ity ka nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy namelany ilay niharam-boina raha tsy naratra mafy. Nitsoaka ity nahavanon-doza ity. Olona sendra mandalo kosa no nahita ilay ramatoa nihosin-dra teo amin’ny tany ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambo­dilazana. Tsy vita tao anefa fa nentina niakatra ao amin’ny hopitalibe CHU Analan­kinina Toamasina ilay reny niharam-boina.

Indroa nosamborina
Ny alahady ihany, efa voasambotry ny polisim-bohitra sy ny fokonolona tao Ambo­dilazana ity tovolahy ity. Saingy tafatsoaka izy ny alahady alina ary voasambotra fanindroany ihany. Voasambotra indray izy ny talata teo ka natolotry ny fokonolona ny zandary ao amin’ny Poste avance Fanandrana. Ankilany, manahy mafy ny fokonolona amin’ny fahatarana ny fanolorana an’ ity tovolahy ity ny fampanoavana, izay efa misy amin’ireo fianakaviany mikononkonona hanao taratasy hosoka sy mety hanaovana an’ izany amin’ny alalan’ny kolikoly ka atao ho olona marary saina izy. “Tovolahy mitady vola soamatsara, salama saina, io tovolahy nahavita trangan-javatra ma­moafady io”, hoy ny solontenam-pokonolona. Ireto farany izay nanamafy fa aleo hioty ny heloka vitany ny tsirairay.

Sajo

Catégories: National

Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy

Les Nouvelles - ven, 05/23/2025 - 07:55

Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona efatra voakasika mivantana tamin’ny voina. Lehilahy 35 taona sy 40 taona voa mafy ka tsy tana ny ainy. Ankoatra azy ireo, roa lahy hafa voa mafy ka voatery nahiditra hopitaly. Trano lehibe andalam-panamboarana ao amin’ny ivontoerana ambony manofana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ity loza niseho ity.

Tsiferana R.

Catégories: National

Pages