S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 37 min

« PFL »- Tsaramandroso Boeny: Tsy manaiky hilalao etsy Iavoloha

ven, 04/24/2026 - 07:52

Mandeha ny siosion-dresaka, afakomaly, fa tsy hanaiky ny handray ny lalaony amin’ny Ajesaia, etsy Iavoloha, ny talata ho avy izao, ny Tsara­mandroso Formation FC (TFFC), avy atsy Boeny. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity fa tokony ho izy ireo no hampiantrano ny fihaonana, izay tokony hatao any Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Taitra sy tohana mihitsy ry zareo nahita ny fiovan’ny fandaharan-dalao, ny alatsinainy lasa teo.
Raha ny filazan’ity mpampita vaovao ity hatrany, efa nahazo ny fandaharan-dalao mialoha ry zareo, saingy novaina tsy nisy fifampiantsoana na fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitry ny klioba TFFC Boeny izany.
Raha ny fantatra, efa nanao antso avo tamin’ny tomponandraikitry ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Foot­ball League (PFL)” ny lehiben’ny klioba TFFC, ny hijerena ny mahakasika izany. Araka ny vaovao azo tamin’io loharanom-baovao io ihany, nisy ny fivorian’ny CFEM, omaly, ma­ha­kasika an’ity fifanintsanana ity, ary andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsara marihina fa manana lalao iray hihaonana amin’ny TGBC Atsinanana, any Bari­kadimy, Toamasina, ny alahady 3 mey ho avy izao, ny TFFC raha tsy misy ny fiovana farany.

F.R

Catégories: National

Lutte – Afrique 2026 : Atleta efatra hiaro ny voninahi-pirenena

ven, 04/24/2026 - 07:52

Araka ny vaovao avy amin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Tolona (FML), omaly, fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny «lutte olympique», sokajy zandriny, i Mada­gasikara. Fifaninanana hatao any Alexandrie, Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 5 mey ho avy izao.
Manana solontena efatra mianadahy ny federasionina amin’izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany. Ralam­bomanana Eckaya sy i Lawrence Mpandresy, izay hiatrika ny ady ao amin’ny sokajy U-20 sy Seniors ary mbola hifaninanana amin’ny “lutte” fanao eny amorontsiraka. Razafinjato Rinho kosa ho an’ny sokajy Sénior. Razafimandimby Miangoty kosa no hiady eo amin’ny sokajy U17. Marihina fa i Lawrence Mpandresy (-74 kg), sokajy lehilahy, atleta mipetraka any Eoropa. Avy hatrany dia hamonjy ny delegasionina any Egypte izy. Naneho ny alahelony kosa ny filohan’ny federasionina malagasy fa noho ny tsy fahampian’ny vola, tsy afaka nitondra mpitsara sy mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy.

Tompondaka

Catégories: National

Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »

jeu, 04/23/2026 - 07:40

Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Am­pefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao.
Ity no andiany faharoa amin’ireo fizarana intelo miantaona hataony ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia na ny “Freedom 250 ».
200 ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana Toekarena sy Siansa sosialy, Tantara sy Jeografia ary An­glisy no nianatra momba ny fototra iorenan’ny demokrasia amerikanina sy ny fivoarany.
Tanjona ny hampitomboana ny fahalalan’ny mpianatra sangany avy amin’ity sekoly ambony ity momba ny tantara sy ny kolontsaina ary ny soatoavina demokratika amerikanina.
Nahaliana ireo tanora nanotrona ny dingana nahazoan’i Etazonia fahaleovantena ary nahafahan’izy ireo nanao fampitahana sy tsoa-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara.

Tatiana A

Catégories: National

ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera

jeu, 04/23/2026 - 07:40

Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976.

Miavaka ny injeniera nahavita fianarana te­ny amin’ny sekoly am­bony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fikarohana, ny tontolo iainana, ny géologie. “Maro ireo injeniera mitana andraikitra momba ny tontolo iainana amin’ny orinasa lehibe eto amintsika sy any ivelany, tsy vitsy koa ny misehatra amin’ny Fidiovana, ny filaminana ary ny tontolo iainana satria ny olana dia hita any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avokoa izany”, hoy ny mpiandraikitra voalohany ny sampam-pianarana, Rakotosoa Harimalala Herivola, omaly, teny Von­to­vorona.
25 isan-taona ny injeniera mivoaka amin’ny Science et technique minière eny Vontovorona. Azo ambara fa mbola betsaka noho ny filana eto amintsika izany. Raha ny otrikarena ambanin’ ny tany misy eto Madagasikara, mbo­la maivana ny zavatra hoentiny ho an’ny harinkarena fa­obe. Manantena anefa ny mpitantana fa hisy fivoarana ny zava-misy amin’izao fiverenan’ny fanomezan-dalana hitrandraka izao.
Tsangambaton’ny faha-50 taona nijoroan’ny sampana ingenierie minière rahateo ny hampiakarana ny fahafahana mandray mpianatra vaovao. Hapetraka rahampitso, eny Vontovorona, ny vato fototry ny fotodrafitrasa vaovao mi­fandraika amin’izany. Efitrano fampianarana sy ho an’ny mpampianatra no hajoro amin’izany.
“Hetsika maro no hanamarihina ny faha-50. Hosantarina rahampitso ary hiantsoana ny maintimolaly rehetra nahazo soa teny”, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara sady mp­ampianatra ao amin’io seha-pampianarana io, ny jeneraly Randrianirina Jean José Désiré.

Vonjy

Catégories: National

Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

jeu, 04/23/2026 - 07:39

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny voamboana ho tonga to­hambaliha, mamoaka feo mafy sady kanto. Anisan’ny voka-pikarohana hitany ihany koa ny “jejy valiha” na ilay valiha manambatra ny voatavomonta sy ny marovany. Ken­drena hiova manaraka ny va­nim-potoana sy ho mora kojakojaina ireo zavamaneno arafiny, raha ny fanazavany. Ma­ri­hina fa manamboatra kabosy, lokanga, sodina, aponga tapaka, sns, sady mpitendry ireo zavamaneno ireo rahateo ity mpanakanto avy any Ala­kamisy Manarintsoa (Andra­masina) ity.
Mipariaka saika maneran-tany, ankehitriny, ireo zavamaneno vitany. Mpanakanto maro eto an-toerana no mampiasa ny asa tanany.
Tsy mijanona eo amin’ny fikarohana sy fanamboarana ary fitendrena zavamaneno i Hery Valiha fa mampianatra ihany koa. Ampianariny mitendry ireo zavamaneno mahazatra tahaka ny valiha, lokanga, sns. Ampianariny koa ny mi­tendry ireo zavamaneno noforoniny. Tsy mihanona amin’ireo izy fa mirotsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Iray amin’ireny ny fambolena volobe, satria, ny fahatsaran’ny tontolo iainana no miantoka ny akora fototra amin’ny fanamboarana zavamaneno.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

jeu, 04/23/2026 - 07:39

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny.

«Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity mpanakanto ity, miaraka amin’ny tariny. Mazava loatra fa hisy ny fampisehoana izay efa nandrasany ela. «Nofy adala», tiany ho zaraina amin’ireo mpiray ta­nindrazana, ny alahady 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao Antsa­ha­manitra.
«Zava-dehibe loatra amiko ny mitazona ny fifandraisana amin’i Madagasikara, na dia monina any ivelany aza. Ny teny malagasy, ny mozika malagasy, sns», hoy i Babai Lugu.
Taona maromaro lasa izay, efa nisehatra tetsy amin’ny CCEsca ny tarika Alala. Io no nahafantarana azy ireo voalohany, nahitana an’i Babai Lugu, Alice, Laury, nampian’ireo mpitendry teto an-toerana. «Nitom­bo ny mpikambana taty aoriana. Nisy endrika sy toetra vaovao. Ny katsakatsa no maharakotra izay toetra mampihetsika kokoa izay, mampitsambikimbikina amin’ny maha zavamaneno mikorintsana azy. Nalaina avy amin’io ny Alala Katsa­ka­tsa», hoy ihany ny fanazavana.
Te hanomebe, satria miboiboika avy ao anaty ny aingam-panahy ho an’i Babai Lugu sy Alala Katsakatsa. Halahatra ireo hira anatin’ny rakikira efa nivoaka sy ireo vaovao maro. Mety ny ankamaroany no mbola tsy henon’ny mpankafy, saingy izay indrindra no nahasarika ireo tia mozika vaovao hanongilan-tsofina amin’ny hiran’i Babai Lugu tany am-piandohana.
Ho vahinin’ny tarika, hanao ny tapany voalohany, i Bolo. Mpanakanto mitovy fironana, mifanaja ary efa tafaraka nizara kanto izy ireo. «Nofinofy niraisana ity hotanterahina ity, ka voninahitra lehibe ho anay. Ho atambatra ao ny rakikira roa, Ravitoto sy Jeren-ty, fa tsy hoe fandraisana anjara fotsiny», hoy ny filazan’i Bolo azy.

ZonyAina

Catégories: National

Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany

jeu, 04/23/2026 - 07:38

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Mada­gascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km ny halaviran-dalana hifaninanana amin’ity. Manaraka ny fitsipiky ny Federasionina ny fifaninanana. Hifarana amin’ity alakamisy ity ny fisoratana anarana ho an’ireo mpifaninana mahafeno ny fepetra rehetra.
Raha ny fizotry ny fifaninanana indray, hisy ny andrana andraisana ny fe-potoana mialoha ny tena fihaonana ho an’ny fiara sy ny Cross-car. Arakaraka ny fisoratana anarana no fiaingana mialoha amin’izany. Aorian’izay vao hiditra amin’ny tena fifaninanana, ka samy manatanteraka ny dingana voalohany ireo fiara sy Cross-car. Miato kely izany rehefa tontosa ny hazakazaka ka hisy ny fampisehoam-pahaizana ataon’ireo mpitondra kodiaran-droa (mo­tos). Hitohy avy hatrany amin’ny dingana faharoa sy fahatelo ny fifaninanana. Hivoaka ho tompondaka izay manana fe-potoana tsara indrindra amin’ireo dingana telo ireo.

Tompondaka

Catégories: National

Pages