Miisa 146 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Vohilengo, distrika Fenoarivo Atsinanana, ny 18 febroary teo. Nahazo masomboly vary Mihary 9 kilao, zezika NPK 15 kg ary zezika organika 75 kg tsirairay avy izy ireo. Ao anatin’ny tetikasa Purpa, famatsiam-bolan’ny Bad, tantanin’ny minisiteran’ny Fambolena ity hetsika ity.
Ho roahana daholo ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna anaty Faritra arovana (AP). Hanatanteraka izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovainjafy (Medd), miaraka amin’ny mpitandro filaminana ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Miisa 6 ny Valanjavaboahary tantanin’ny MNP hafindra fitantanana. Voakasik’izany ny any Lokobe, Analamazaotra Mantadia, Ankarana, Tsimanampetsotsa, Nosy Hara ary Bemaraha. Miara-manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny Fizahantany (MTA) ary ny Fitsinjaram-pahefana (MDAT).
Ankalazaina anio 21 febroary, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpitaridia amin’ny fizahantany. Eny amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza no hanaovana ny hetsika, ka hisy ny diabe miainga eo amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) Tsimbazaza, arahina fitsidihana ny ao anatin’ny valanjavaboahary.
Hita sahady ny fihatsarana! 15 andro lasa izay no nafafy ny masomboly vary safiotra tany Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tapa-bolana aty aoriana, niaiky ny hatsaran’ny fanirin’ny ketsa ny mpamboly. Talanjona tamin’ny habetsahana sy hatsaran’ny ketsa izay tena mbola tanora i Jean Claude, mpamboly any Ambodimanga Ambatondrazaka. « Tsinjoko sahady fa hitombo ny tahan’ny voka-bary ho azo miohatra amin’ny nampiasana masomboly mahazatra. Hampiakatra ny vokatra ity masomboly safiotra ity, sady hanampy ny filanay ho an’ny ankohonana sy hamidy eny an-tsena », hoy izy.
Tsy latsaka izany ny an’i Tahiry Christian, mpamboly any Ambohijanahary. « Tsikaritray fa maniry tsy misy hasarotana ity karazam-bary vaovao ity, ary mety tsara amin’ny tetiandrom-pambolena aty an-toerana. Zava-dehibe ny fahamarinan-toerana ny famokarana sy ny fahazoana vokatra tsara », hoy koa izy.
Tsy manaiky sady manohitra
Misy tokoa ireo tsy manaiky ny vary safiotra. Manohitra ny fampiasana azy ny sasany, milaza fa resaka politika fotsiny fa tsy tena tohana ho an’ny fambolena. Mitaky ny hampitsaharana ny fampielezana vaovao diso ny tantsaha, toa an’i Jean Claude. Manameloka ny fanakianana ratsy i Tahiry Christian, manamafy fa efa nisy vokany tsara tany Alaotra io teknikam-pambolena io. Tsy zava-baovao eto Madagasikara ny vary safiotra, efa nahazo 10 taonina/ha tany Alaotra Mangoro. Mitaky ny hanohizana ny tetikasa ny tantsaha.
Njaka A.
Anatin’ny fikarohana ireo lavanila mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo aretina samihafa ny « Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement (Cirad). Tanjona ny hampiroborobo ny vokatr’ireo mpamboly ka hahatohitra ireo karazan’aretina mety hiseho. Hanampy an’i Madagasikara hitazona hatrany ny toerana amin’ny maha mpamokatra lavanila azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fandaharanasa ity. Tanjona ny hampaharitra ny vokatra na eo aza ny fiovaovan’ny toetr’andro misy amin’izao fotoana. Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro eto an-toerana toa ny Fofifa sy avy any ivelany ny fikarohana ataon’ny Cirad izay iarahany amin’ny Félicien Favre ao Toamasina.
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny lavanila ary miantoka ny 80% ny vokatra maneran-tany. Loharanon-karena ho an’i Madagasikara ity lalam-pihariana ity. Na izany aza, nihena 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra ny taona 2024.
Henintsoa H.
Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fizahantany. Hizara mari-pankasitrahana ireo mpisehatra mendrika, ao anatin’izany ny Tropic’Awards.
Hotanterahina eny amin’ ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny 1 marsa, ny Tropic’Awards. Hetsika voalohany hanomezana mari-pankasitrahana ireo mpisehatra mendrika indrindra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany. « Nosy manana ny lanjany i Madagasikara ka anisan’ny fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny fizahantany, antony indrindra nanaovana ny fifaninana», hoy ny mpikarakara ny hetsika sady tale jeneralin’ny Agence Tropi’Com, Andriamiarintsoa Joceline. Misy sokajy 12 ireo mpisehatra manerana ny Nosy notsongaina tamin’ny fifaninanana ka nojerena ireo izay tena mendrika. Hisitraka ny amboara aorian’ny fifidianana atao kosa ireo nisongadina sy naharesy lahatra ny mpitsara sy ny daholobe.
Fifanakalozan-kevitra
Hanamarika ny hetsika ihany koa ireo fifanakalozan-kevitra samihafa iarahana amin’ireo matihanina eo amin’ ny sehatry ny fizahantany. Anisan’ireo lohahevitra ho voaboasana amin’izany ny fanararaotra amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Hifampizara ireo paikadim-pampandrosoana ny sehatra ihany koa izy ireo hanatsarana izany ka ho fitaovana enti-manatanteraka ny asa sy hisarihana ireo mpizahatany ho tonga eto Madagasikara ny niomerika.
Ankoatra izay, hitondra fanazavana mahakasika ny lokanadin’ny fizahantany sy ny tontolon’ny asa ary ireo fanamby hanatsarana ny lalam-pihariana ireo manana traikefa momba an’izany. Hetsika hisarihana indrindra ireo mpianatra sy ireo liana ao anatin’ny tontolo.
Henintsoa Hani