Jiu-jitsu-“Lemur Cup” : Kanadianina 4 ho avy eto Madagasikara

Les Nouvelles - mar, 05/13/2025 - 08:05

Avo lenta tanteraka ny fifaninanana “Lemur Cup”, eo amin’ ny taranja Jiu-jitsu, izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fana­tanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao. Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no ho avy eto Madagasikara. Ankoatra izay, hampiavaka azy ity koa ny “Cash prize” ka 500 000 Ariary izany amin’ity indray mitoraka ity. Eo amin’ny mpandray anjara kosa, manodidina ny 160 izy ireo no andrasana. Ankoatra ny Kanadianina, hisy mpikatroka avy atsy La Réunion ihany koa ho avy eto, raha ny nambaran’ny mpikararaka avy eo anivon’ny Guerreros. Amin’ny maha fifaninanana iraisam-pirenena azy, hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny ady rehetra hitranga ary mpikatroka manana ny lenta amin’izay fifanina­nana iraisam-pirenena izay avokoa no handray anjara sy hiady ny fandresena mandritra izany. Araka ny fandaharam-potoana, ny zoma 16 mey izao no ho tonga eto Madagasikara ireo vahiny hifanandrina amin’ny Malagasy. Hisy ihany koa ny seminera lehibe hiarahana amin’ny i Eric Noël, vahiny manam-pahaizana, sy Radafy Ranaivo, amin’io zoma 16 mey io.

Mi.Raz

Catégories: National

Padel – « Orange MPPTour 100 » : Mpilalao 72 hifanintsana eny Andraharo

Les Nouvelles - mar, 05/13/2025 - 08:05

Hampiantrano fifaninanana goavana ny etsy Andraharo, ny sabotsy sy alahady ho avy izao. Zava-dehibe tokoa ireo fotoana ireo. Hanao ny “Orange Master Final” ireo mpilalao 16 mendrika.

Hotanterahina eny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny herinandro ho avy io (17-18 mey), ny fifaninanana tenisy anaty efitrano padel, mitondra ny anarana « Orange MPP­Tour 100 », sokajy lahy sy vavy. Mpilalao miisa 72 no hifanintsana amin’izany, araka ny fanadihadiana natao, ka ny 48 lehilahy ary ny 24 vehivavy.
Marihina fa ity fifaninanana ity dia natokana ho an’ireo mpilalao rehetra manana isa 100 tamin’ity taranja ity. Tan-jon’ny mpikarakara amin’izany ny hampivoatra ny fahaizan’ny Malagasy sy ny hampirobo­roboana ny padel eto an-toerana. Ankoatra izay, hotolo­rana lelavola 500 000 Ariary, izay mahazo ny laharana voalohany amin’izany, raha toa ka 250 000 Ariary, ny an’ireo tonga eo amin’ny famaranana.
Tsara ny mampahafan­tatra fa efa manana ny lazany ary handray anjara amin’ity “Orange MPPTour 100” ity, ry Razafimamonjy Prisca sy Razafimahatratra Zarah, raha ny sokajy vehivavy manokana no resahana. Ireo mpiraha­lahy, Ratsimandresy Toavina sy Itokiana, kosa anarana hita misongadina ao amin’ny lisitry ny lehilahy.
Araka ny fanazavana azo avy amin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana, hiatrika ny fifaninanana “Orange Master Final” izay 16 mendrika amin’ ity.
Ampahatsiahivina fa efa manana ny lanjany eto Afrika ny padel Malagasy. Porofon’ izany, ny nandrombahin’izy ireo ny medaly volamena, nan­dritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taona 2024.

Fitia Randria

Catégories: National

ENSP Ivato: Mankalaza ny faha-55 taona nijoroany

Les Nouvelles - mar, 05/13/2025 - 08:03

Notanterahina teny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny sekoly. Efa namolavola sy namoaka andiany miisa 25 ho an’ny commissaire de police, ary andiany 26 ho an’ny officier de police ity sekoly ity. Nisongadina tamin’ny fotoana omaly, ny fananganan-tsaina maraina narahina hazakazaka niaraka tamin’ireo tale nifandimby nitantana ny sekoly. Teo koa ireo polisim-pirenena miasa eo anivon’ny sekoly ary ireo mpia­natra ho polisy andiany « Mendrika » sy andiany « Miahy ». Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa efa nahavitabe (5 ka hatramin’ny 25 taona) niasa teo anivon’ny ENSP koa ireo tomponandraikitra. Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, izay efa nitana ny andraikitra maha talen’ny sekoly teo anivon’ny ENSP.

Jean Claude

Catégories: National

Pages