GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 28 05 2025 )

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:50

Catégories: National

Fanenana loza : Haverina matetika ny fanentanana momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:49

Tsy mitsaha-mitom­bo ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny Nosy, raha ny zava-misy. Hamoiza­na aina ny ankamaroan’izy ireny. Anisan’ ny tena mateti-pitranga ny loza eo amin’ny mpitondra kodiaran-droa. Antony mahatonga izay, amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mpampiasa lalana avokoa ny mpamily fiara misy motera na tsia, ny mpandroaka biby mpitarika, mpitondra entana na fitaingina, ny mpandeha fiarakodia ary ny mpandeha an-tongotra, araka ny lalàna laharana faha-2017-002, and 1.2-3, mahakasika ny fehezan-dalàna momba ny fifamoivoizana. Mbola maro anefa izy ireny no tsy mahafehy na tsy mahay ny lalàna mifehy izany ka antony mahatonga ny loza maro samihafa eny an-dalana eny, raha ny fanadihadiana natao. “Antony ma­hatonga ny loza ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eo amin’ny samy mpampiasa lalana”, hoy Rajaonarison Noro Nirina, ta­len’ny sekoly fianarana mamily fiarakodia Tri H etsy Ampa­samadinika. Nambarany ho mahatonga izany, indrindra eo amin’ny mpitondra bisikileta, ny tsy fisian’ny Catadiopre na marika manjelatra amin’izy ireny. Mazava sy manjelatra ireo takelaka ireo rehefa tarafin’ny jiro amin’ny alina. Maro ny bisikileta voadonan’ny fiara eny an-dalana noho ny tsy fisian’izy ireny, raha ny fanazavana hatrany.
Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana koa dia anisan’ny antony ma­hatonga ny loza, izay manodidina ny 89% ny taha voafaritra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny DGSR. Tafiditra ao anatin’izany, ny hetraketraky ny mpitondra, ny fitiavana te handeha mafy, ny tsy fahazaina mifandefitra, ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana, ny tsy fahaizana lalàna mifehy tsotra izao… Antony faharoa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny teknikan’ny kodiaran-droa sy ny fiara, izay manodidina ny 8% eo. Antony fahatelo ny tsy fa­hatomombanana eo amin’ny lafiny lalana eto amin’ny Nosy, manodidina ny 3% eo ny taha mahakasika izany, raha ny tati­tra voaray hatrany.

Hadino ny lalàna rehefa ela ny ela

“Samy nianatra nitondra fiara sy nianatra Fitsipiky ny fifamoivoizana avokoa ny olona rehetra, fa rehefa elaela mitondra dia tonga ny fahazarana”, hoy Rajaonarison Noro Nirina. “Io fahazarana io no manova zavatra betsaka satria mahatsapa mahay ny olona ary lasa tia misetrasetra na koa manadino ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana”, hoy hatrany izy. Tokony hisy ha­trany ny fanentanana sy famerenana ny lalàna mifehy ny fi­famoivoizana ho an’ny mpam­piasa lalana rehetra, raha ny nambarany. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny mpamily fiara, mpitondra moto, bisikileta, eny fa na dia ny mpandeha an-tongotra aza. Anisan’ny fomba iray hanenana ny lozam-pifamoivoizana misy eto an-toerana izany na tsy ha­hafongotra tanteraka ny loza misy aza. “Tokony hisy hatrany ny fanentanana sy famerenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eny anelanelan-taona eny”, hoy izy nana­mafy.

Famerenana ny lalàna ho an’ny moto

Nanao hetsika famerenana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fomba familiana eny an-dalana, ny sekoly mampianatra mamily Tri-H, etsy Ampasamadinika, ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany maimaimpoana ireo mpitondra moto 40 tonga voalohany tamin’io fotoana io. Teo koa ny fametrahana tara-pahazavana ho an’ny bisikileta tonga teny an-toerana. Tafiditra tao anatin’ny Herinandron’ny aro lozan’ny fifamoivoizana ny hetsika.
Manana anjara andraikitra amin’ny fampianarana omeny ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia satria miankina aman’aina ny fitondrana fiara na kodiaran-droa. Naverina nampianarina maimaimpoana ireo lalàn’ny fifamoivoizana fototra satria mety ho adino rehefa nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mitondra, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, anisan’ny natao teny an-toerana koa ny fitsapana ny tahan’ny zava-pisotro mahamamo eo amin’ny mpamily. Nahatsapa ny voka-dratsin’ny fahamamoana eny am-pitondrana fiara ny mpamily satria mahatonga lozam-pifamoivoizana maro izany. «Tombony ho ahy ny nandalovako teto amin’ity hetsika ity satria nampahatsiahy ahy sy namerina ny lesona natao efa am-polo taona maro”, hoy Randrianan­tenaina, mpitondra kodiaran-droa.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:48

Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny rehetra.
Atao anio 28 sy rahampitso 29 mey ny Foaran’ny karazan-javamananaina. Etsy amin’ny tokotany malalaka, Esplanade Kianja Barea Mahamasina, no hanatanterahana azy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina koa ny fotoana, izay natokana isaky ny andron’ny 22 mey. Lohahevitra noraisina ny hoe « Ny zavaboahary tsara indrindra no fototry ny fandrosoana lovain-jafy ».
Azon’ny rehetra atonina ny biraon’ny ladoany, manerana ny Nosy. Tanjona ny hametrahana ny vinan’ny Fadintseranana ho Sampandraharaha mivoy ny fanavaozana sy ny fangaraharana mitondra fampandrosoana. Ahitana azy ny eny Antaninarenina, Antanimena, Ivato, Mamory Ivato. Miampy ny ao Antsirabe, Toamasina, Antalaha, Vohémar, An­tsiranana, Nosy Be, Toliara, Taolagnaro, Morondava, Manakara, Fianarantsoa, Mananjary, Mahajanga, Sainte-Marie ary Maroantsetra.

Catégories: National

65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:48

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% ny tahan’ny alikaola, miloko matroka (ambrée) raha 5,4% ny mahazatra (blonde). Anaty tavoahangy 33 cl ity vokatra manokana ity, raha 65 cl sy 33 cl ary kanety 50 cl ny mahazatra. Voafetra ho roa volana ihany no ahitana ity labiera avoakan’ny Star ity, nivoaka nanomboka ny volana mey hatramin’ny jona 2025. Azo jifaina manerana ny Nosy. Efa misy any Antsirabe, Mahajanga, Toamasina ary Antananarivo. Manomboka tonga tsikelikely kosa ny any amin’ny tapany avaratra sy atsimo, satria lavitra ny toerana.
Manampy ireo, nahazo ny medaly volamena indray ny marika THB tamin’ity taona 2025 ity. Tafiditra ao anatin’ny fifaninanana « Monde sélection Bruxelles », nandraisan’ ny THB anjara nanomboka ny taona 1980 ary efa nahazoany medaly volamena. « Midika ireo fa tsy miova sady azo antoka ny kalitaon’ny vokatra omena ny mpanjifa», hoy ihany Rakotonarivo Miora.

Njaka A.

Catégories: National

Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:48

Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP).
Singanina amin’izany ireo asa vatsian’ny Tahirimbolan’ny lalana na Fonds routiers (FR). Toy ny Lalam-pirenena RN5 (PK 55) ao Foulpointe hatrany Namahoaka (PK 70). Notsirihina ny toetry ny lalana, ny fandravonana, ny fitotoana, sns. Ho an’ny lalam-pirenena RN2, narahi-maso ny fandravonana ny tany sy ny fandrarahana ny sosona godirao voalohany eo amin’ny PK 308+370 hatrany amin’ny PK 310+720. Notsirihina koa ny firosoan’ny asa vita amin’ny lalana natao « béton » eny amin’ny faritra Darafify hatreny Ambalamanasy, ao an-tampon-tanànan’i Toamasina.
Fomba fiasa fanao mahazatra ny LNTP sy ny MTP ireo notanisaina ireo, fa tanjona ny hisian’ny lalana tsara azo ampiasaina mandritra ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe ho avy izao.

Njaka A.

Catégories: National

D’un fait à l’autre

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:30

Arnaque. Un faux compte portant le nom du président de la FJKM, le révérend-docteur Irako Ammi Andriamahazo, a publié une soit-disant intervention chirurgicale d’urgence d’un pasteur victime de braquage. Il demande de l’aide aux généreux bienfaiteurs, alors qu’en réalité, ledit braquage s’est produit en 2023.

Non-respect du Code de la route. Les éléments de la Compagnie urbaine d’intervention ont mené une opération inopinée, dans la journée de lundi à Ambohijatovo, pour surprendre les deux-roues qui roulent sur le trottoir destiné aux piétons. Ils ont alors mis en fourrière, à Tsaralalàna, six motos et scooters pris sur le fait. Ils multiplieront prochainement cette opération.

Vol de bœufs. La police a réussi à récupérer les sept zébus volés dans la nuit de lundi à Ambatofotsy Maevatanàna. Elle a immédiatement engagé la course-poursuite avec le fokonolona après l’alerte. En voyant leurs poursuivants, les malfrats ont laissé le butin sur la rive de l’Ikopa pour prendre la fuite.

Catégories: National

Démêlés judiciaires à Ambatomifanongoa : les deux parties écopent chacune d’une amende

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:30

Les différends entre l’actuel maire d’Ambatomifanongoa Ambositra et son prédécesseur vont-ils finalement prendre fin ? Le verdict est en effet tombé lundi, et le tribunal a infligé une peine d’emprisonnement avec sursis assortie d’une amende à l’encontre du fils de l’ancien maire, contre une amende seulement pour l’actuel magistrat de la ville. Les deux parties ont dix jours pour faire opposition du jugement en cas de non-satisfaction.
En fait, les deux hommes se sont engagés dans une altercation le 5 avril à Ambondromisotra. Ils ont tous les deux porté plainte pour coups et blessures volontaires. Deux hommes suspectés d’avoir tabassé le maire ont été placés sous mandat de dépôt. Le procès s’est tenu le 12 mai. Le tribunal a rendu son verdict lundi.

LR

Catégories: National

Mort d’un Malgache à Maurice: Il se tue en testant le quad de son patron

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:29

Le corps de James Robertho Randrianarivoniaina alias James, le ressortissant malgache tué lors d’un accident de quad dans la soirée de dimanche à Petit Verger Road, Petite-Rivière Maurice, est prévu d’arriver à Madagascar ce jour. Cet originaire d’Ambohimanarina âgé de 33 ans, laisse derrière lui une veuve et deux orphelins, dont une fillette d’à peine un an.
Le concerné aurait trouvé un surplus de sources de revenus sur place et devait travailler même le dimanche afin d’arrondir ses fins du mois. Ce jour-là, alors que le patron s’apprêtait à ramener ses camarades et lui au dortoir vers 17h, il a voulu tester pour la première fois le quad de son boss. Il est alors parti seul. Tout le monde l’a attendu pendant deux tours d’horloge avant de décider de le chercher, vu qu’il n’est jamais revenu. Et voilà que son corps inanimé et le quad contre un arbre, ont été retrouvés. Son patron devait prendre en charge les frais de rapatriement de son corps, selon une concitoyenne vivant à l’île sœur.

Recueillis par LR

Catégories: National

Treize coups de couteau à Toamasina: Johary croupit en prison

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:29

Présenté devant le parquet du tribunal de première instance de Toamasina en début de semaine, Johary, le jeune homme qui avait porté 13 coups de couteau à son ex, Bianca, a été placé sous mandat de dépôt à la Maison centrale d’Ambalatavoahangy.
Pour rappel, cette histoire avait choqué plus d’un à Toamasina. La jeune mère de famille de 28 ans, dont la vie ne tenait qu’à un fil après son agression, a survécu.
Johary, quant à lui, ne s’était pas enfui à Ambaton­drazana, sa ville natale, où les enquêteurs ont pensé le trouver. Il a préféré prendre la fuite à Antananarivo, plus précisément à Ampitatafika où il a été capturé vendredi, soit un mois après que le service régional de la police judiciaire de Toamasina a sorti un avis de recherche.
Il passera donc ses jours en détention préventive à la Maison centrale d’Ambalatavoahangy en attendant le jour de son procès.

ATs.

Catégories: National

Vol et association de malfaiteurs: Ravoalavo passe de vie à trépas

Les Nouvelles - mer, 05/28/2025 - 07:29

Fin de parcours pour le dénommé Ravoalavo, un homme âgé de 31 ans ayant fait parler de lui à Vatomandry depuis des années. Après avoir joué au chat et à la souris avec les gendarmes depuis 2022, ayant fait même l’objet d’un avis de recherche pour vol et association de malfaiteurs, le trentenaire est finalement tombé sous les balles des policiers, hier matin à Vatomandry. Deux de ses complices ont été capturés vivants avec des objets volés.

Il a fallu presque trois ans aux Forces de défense et de sécurité (FDS) de Va­tomandry pour mettre la main sur Bruno Rasamifidy dit Nono ou Ravoalavo. La compagnie de gendarmerie de Vatomandry a émis un avis de recherche à son encontre depuis le 11 octobre 2022, mais le concerné restait insaisissable. Cependant, les éléments du commissariat de Sécurité publique de district (CSPD) de Vato­mandry ont réussi à le capturer, lundi matin.
Le concerné a été vivement recherché pour vol de motos, vol avec effraction et association de malfaiteurs. Suivant l’avis de recherche, sa dernière adresse était à Ampandranety Vatoman­dry, région Atsinanana. La gendarmerie a depuis fait de son mieux pour retrouver la trace du fugitif. Cepen­dant, elle n’est pas parvenue à le capturer, nécessitant une collaboration avec la police.
Les deux corps des FDS ont alors mené la traque depuis. Les policiers ayant découvert la cachette du trentenaire, a immédiatement procédé à son arrestation, lundi vers 8h. Soumis au feu roulant des questions, Ravoalavo a indiqué aux enquêteurs du CSPD Vatomandry, l’endroit où se terraient certains de ses complices.

Tentative d’évasion ratée
Bien décidées à en finir avec cette bande de malfaiteurs, les forces de l’ordre ont accompagné le suspect vers ledit repaire. Pourtant au moment où Ravoalavo et son escorte se sont approchés de l’endroit indiqué, des complices du concerné déjà en embuscade, ont ouvert le feu. Une fusillade a alors éclaté entre les deux parties, durant laquelle certains suspects ont réussi à s’échapper tandis que deux d’entre eux ont été capturés avec des objets volés, dont un scooter et des ordinateurs.
Ayant profité de la confusion, Ravoalavo a tenté une fois de plus de passer entre les mailles du filet des policiers. Il a arraché l’arme à feu d’un policier, mais ce dernier a vite réagi en pleine légitime défense. Il a tiré sur le trentenaire, le tuant sur le coup. Le duo de captifs, pour sa part, a été conduit au bureau de la police pour faire l’objet d’une enquête.

LR

Catégories: National

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:51

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des cham­pions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry zalahy ny amboara sy ny vola 4 tapitrisa Ar. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 6, ry Daddy sy Mamy Ronaldinho ary i Lova, avy amin’ny SBA sy Pac.
Ho an’ny sokajy zandriny, izay lalao ho an’olon-droa, adin’ny samy ekipan’ny Pac Ampitatafika ny famaranana. Voalohany i Nathanael sy i Eliot.
Teo amin’ny “Vétérans”, mbola iray tarika ihany koa no nifanandrina dia ny avy amin’ ny CBAF ka nahazo ny amboara i Nanah sy i José. Faharoa, i Frah sy i Lam. Ankoatra izay, nisy koa ny fifaninanana “tirs de précision” ka nibata ny amboara ho an’ny lehilahy, i Hariliva (Ram’s), mpilalaon’ny CBAT. Nitana ny laharana faharoa i Balotti, avy amin’ny Pac. Ho an’ny sokajy vehivavy, nandrombaka ny fandresena i Marinah, avy amin’ny UBM ary nanaraka azy i Judicael, SBA.

Dingana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olon-droa miaraka hatao eny Soamandrakizay, ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona ho avy izao.

F.R

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:51

Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara izy ny hanome ny tsara indrindra avy aminy amin’ireo lalao hatrehin’ny Barea.

Tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalan’ ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny ekipan’ny Elgeco Plus, rehefa nandavo ny klioban’ny FC Wagner, tamin’ny isa 1 no ho 0, omaly, tetsy By-Pass. Tsiahivina fa notohizana tamin’io fotoana io ilay fihaonana natsahatra teo amin’ny roa tonta. Ilay vodilaharan’ny Elgeco Plus, i Tony, no nahatafiditra ny baolina tokana ho an’ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara farany.

Niatrika ny fampivondronana fahatelo ny ekipa nasionaly avy eto Analamanga, eo amin’ny taranja volley-ball hiatrika ny «CJSOI 2025», ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny Kianja Barea no nanatanteraka ny fampivondronana ireo mpilalao.

Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 20 jona, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly, N1B, taranja basikety. Ho maromaro ihany koa ny fandaharam-potoana nasionaly sy iraisam-pirenena miandry ny federasionina amin’ity enim-bolana faharoa ity.

Catégories: National

Handball – “IHF Trophy”: Firenena 5 hiady ho lohany

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:50

Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “IHF Trophy”, taranja handball, ho an’ny faritra faha-7. Fifaninanana ho an’ny sokajy cadette sy junior, sokajy vehivavy. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Tchad. Nambaran-dRaherijaona Clarisse Régina, filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, ny alahady lasa teo, teny Antaninarenina, fa “hiavaka ny amin’ity ny fifaninanana satria hiara-dalana amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny “Can”. Miatrika izany avy hatrany, izay voalohany, ankoatra ny hisolo tena amin’ny IHF Trophy kaontinantaly”. Nohamafisiny fa efa manao “Can” ny Akio na inona vokatra eo. Nahazoana izany ny nandrombahan’ny Akio ny anaram-boninahitra tatsy Afrika Atsimo, ny taona 2023. Amin’ity, hiantohan’ny kaonfederasionina afrikanina ny Akio raha tompondakan’ny faritra faha-7. Tafiditra ao anatin’ny politikan’izy ireo ny hampiroboroboana ny taranja ka hanampiana ireo firenena sahirana. Hanatrika ity “IHF Trophy” ity i Namama Fadiga, tale mpanatanteraka eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanina.

Tompondaka

Catégories: National

“FIBA Women’s Series” : Nandresy an’i Roumanie, resin’i Italie ny Ankoay

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:50

Tafiditra tanteraka ny Ankoay vavy, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba Women’s Series”, tanterahina omaly sy anio, any Azerbaidjan.

Azo lazaina ho tsara amin’ny ampahany ny vokatra azon’i Mada­gasikara nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba Women’s Series”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Azerbaidjan, nanomboka omaly ary hitohy anio, ao anatin’ny andro faharoa. Fandre­sena no nisantaran’ny ekipa malagasy Ankoay, vehivavy, ny fifaninanana, omaly, nanoloana ny ekipan’i Roumanie. Isa 21 no ho 20 no nandresen’izy efa-bavy an’i Roumanie. Tsiahivina fa ry Hajanirina Harisoa Muriel, Jaofera Mi­naoharisoa Christiane, Rondro Raherimanana Eme­ranchine ary Randriantahiana Sarobidy no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’io fifaninanana io. Rehefa avy nandresy an’i Roumanie tamin’ny isa 21 no 20 kosa anefa ny Ankoay, niondrika teo anatrehan’i Italie tamin’ny isa 21 no ho 15 indray tamin’ny lalao faharoa. Mbola hitohy anio ny fifaninanana amin’ity dingana voalohany ity. Any Viennes Au­triche kosa no hanaovana ny dingana faharoa, ny 12 hatramin’ny 14 jona izao. Mbola tsy fantatra kosa ny hanaovana ny dingana fahatelo. No­ma­rihin’ny Federasio­nina mala­gasin’ny basikety, fa noho ny nahazoan’ny Ankoay, vehi­vavy, ny anaram-boninahitra tamin’ny fiadiana ny amboa­ran’i Afrika 3×3 no nahafahan’izy efa-bavy nisitraka ity fandaharanasan’ny Fiba ity, ho fampandrosoana ny Basikety 3×3 indrindra ny sokajy vehivavy.

Mi.Raz

Catégories: National

Hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra : Nisokatra nanomboka omaly ny Tsenabe fivoarana

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:50

Nanomboka omaly, haharitra hefarana, ao Miakadaza Imerintsiatosika, ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fivoarana. “Natao izy ity hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra satria io no sehatra hifanakalozan’ny mpan­dray ny vokatra sy ny mpamokatra ary hihaonan’ny tantsaha sy ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy Rajerison Antoine, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’Arivoni­ma­mo, sady filohan’ny fikambanana Fivoarana, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny an-toerana. Nambarany fa zava-dehibe loatra ny fihaonanan’ireo mpisehatra ireo mba hahitana lalam-barotra sy teknika vaovao amin’ny famokarana. Entina hanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra mba hisian’ny fihariana mahavelona ihany koa. Nohama­fisiny fa tokony ho marin-toerana ny lalam-barotra sy ny tsena. “Rehefa marin-toerana ny tsena dia misintona ny olona hamokatra izany”, hoy izy. Nambarany fa andry fototra ho amin’ny fampandrosoana amin’ny seha-pihariana rehetra ny tsena. Mitaky kalitaom-bokatra anefa izany, ny vokatra indray mitaky teknikam-pamokarana sy teknikam-piompiana.
Ahitana varotra, fampirantiana, fizarana, fifaninanana ary fampisehoana sy ny maro hafa eny an-toerana. Hita eny avokoa ny karazam-bokatra rehetra avy amin’ny tantsaha, sakafom-biby, asa tanana, fiompiana, fitaovam-pamokarana… Mano­didina ny 96 ny tranoheva mampiranty sy mandray anjara amin’ny hetsika. Ankoatra ny varotra fampirantiana, hanafana ny hetsika ny fampisehoana ara-kolotoraly, ataon’ireo tarika maro samihafa.

Mino

Catégories: National

Tsaralalàna : Lehilahy 66 taona namoy ny ainy

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:21

Nitsirara tamin’ny tany, tsy niverina intsony ny ain’ny raim-pianakaviana iray 66 taona tetsy Tsaralalàna, omaly tolakandro. Nitambotsotra tampoka io lehilahy lehibe io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina. Namoy ny ainy anefa izy. Nahitana karapanondrom-pirenena teny amin’ io tra-doza io. Mponina avy any Ambatondrazaka izy, raha ny voalaza tao. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Efa niantso ny zanany ny tsara sitrapo naka ny vatana manga­tsiakan’io namoy ny ainy io. Tsiahivina, mateti-pitranga tato ho ato ny fisiana olona maty tampoka eny an-dalambe indrindra eto an-dRenivohitra. Anisan’izany, ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy teo am-pilalaovana daomy niaraka tamin’ny namany teny amin’ny Cité 67 Ha Avaratra Atsinanana, ny 11 avrily lasa teo.

Tsiferana R.

Catégories: National

Tanjombato : Vehivavy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Les Nouvelles - mar, 05/27/2025 - 07:21

Hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, ny vehivavy iray 25 taona. Niala tao an-tranon’ ny ray aman-dreniny, teny an-toerana ihany, handeha ho any amin’ny namany izy, afakomaly, no izao hita faty izao.

Vehivavy iray 25 taona, hita faty tao anatin’ny ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Olona nanasa lamba teny amin’ny manodidina no nahita faty natsingevan’ny rano ka niantso ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisim-pire­nena avy amin’ny CSP 5 rehefa nahazo antso. Tonga teny an-toerana koa ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Tanjombato nanao ny asany. Nanao ny fanadihadiana rehetra izy ireo taorian’izay. Tsy nahitana ratra ny vatan’ity tovovavy ity, raha ny tatitra voaray, nanao aronono mainty sy ambonin’akanjo fotsy sy mainty ary pataloha volondavenona izy nandritra ny fahitana ny razana. Tsy nahitana taratasy mahakasika azy io teny aminy. Mbola tsy fantatra ny fianakaviany tamin’ny fotoana nanaovan’ny tomponandraikitra fanadihadiana mahakasika ny raharaha teny an-toerana. Nentina avy ha­trany teny anivon’ny tranom-paty HJRA ny vatana manga­tsiakany avy eo.

Nilaza ho any amin’ny namany
Monina eny Tanjombato ity vehivavy hita faty ity. “Niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny, nilaza handeha ho any amin’ ny namany izy, afakomaly ta­min’ny 3 ora tolakandro, ary tsy niverina intsony”, hoy i Flo­rentine, rahavavin-dreniny, raha nanontaniana, omaly. Niandry ny fiverenany ny fianakaviana, tsy niverina mihitsy izy hatramin’ny omaly alina, fotoana hisakafoana hariva. “Nanomboka nantsoina tamin’ ny findainy izy, tsy tratra antso intsony”, hoy hatrany ity rahavavin-dreniny ity. Nitohy ma­raina ny fikarohana nataon’ny fianakaviana na dia mbola tsy nampandre ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Gaga sy hatairana ny an’ireto farany rehefa naheno sy nahita tamin’ ny tambajotran-tserasera fa maty an-drano eny Tanjom­bato ny zanak’izy ireo. Tonga nijery teny an-toerana, tao­rian’izay, fa efa tsy nahatratra ny razana intsony. “Tsy nisy olana na fifamaliana na disa­disa teo aminy sy ny ray aman-dreniny taloha ny nandeha­nany niala ny trano fonenany”, hoy ny fanazavana. Raha ny tatitra azo, maty an-drano tsy nahy ny antony nahafaty ity vehivavy ity tao anaty rano. Mihevitra anefa ny fianaka­viana fa nisy namono ny zanak ’izy ireo ary nisy nanary tao amin’ity reniranon’Ikopa ity. Andrasana ny tohin’ny fana­dihadiana, hahalalana ny ma­rina.

Mino

Catégories: National

Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:50

Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM.

“Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba efa fanao hatramin’izay”, hoy Razaka Mireille, tompon’andraikitry ny GSDM. Voly tokana foana nataon’ny tantsaha hatramin’izay sady amin’ny toerana iray. Ohatra, vary na katsaka ihany no voleny amin’ny tany iray. Voa­sokajy ao anatin’ny manimba sy mitroka ny tsiron’ny tany anefa ny vary na ny katsaka. “Tokony hampifandimbiasana ny voly volena eo ambonin’ny tany ao anatin’ny taona roa na telo”, hoy hatrany izy. Manatsara ny tsiron’ny tany izany fifandimbiasana voly izany satria misy voly mitroka ny tsiron’ny tany ary misy voly mamerina ny tsiron’ny tany.
Nahavokatra foana ny tany hatramin’izay kanefa tokony ho fantatr’ireo tantsaha fa zava-mananaina ohatran’ny olombelona ihany ny tany. Miha simba ny tany rehefa trandrahina foana. Misy tany tena nialan’ny tompony mihitsy satria tsy mahavokatra intsony any ambanivohitra sasany any. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany misy ny teknikam-pambolena. Ny fahatsapana izany no antony nampidirana ny “agro écologie” eo amin’ny sehatry ny fambolena, raha ny nambarany. Fomba fiasa vaovao amin’ny teknikam-pambolena ny « agro écologie ». Mikendry ny teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany ary mampitombo ny vokatra sy mikajy ny tontolo iainana.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny zezika ampiasaina. Toy ny fanaovana ny « compostage » amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny ravina maina sy maitso. Eo koa ny zezika kankana sy ny fampivadim-boly amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ary ny fanaovana voly avotra. Mivoy sy manaparitaka ny teknika vaovao manerana ny Nosy ny vondrona GSDM.

Ahazoana tombony maro ny “agro écologie”

Maro ny tombony lehibe azo avy amin’ny fanaovana “agro écologie” eto amin’ny Nosy. Voalohany, ny fitantanana ny tany maharitra satria mananaina ny tany ka maty izy raha simbaina amin’ny fambolena ratsy. Faharoa, mampamokatra bebe kokoa ny tany rehefa ao daholo ny otrik’aina ilainy sy tadiaviny. Azo antoka ny vokatra ary miha betsaka ihany koa ny vokatra miakatra. Fahatelo, antoky ny fahasalaman’ny tany sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Miteraka tombontsoa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy izany. “Mitombo sy mahazo hery ny mpamboly, mitombo ny vola miditra aminy satria tsy natokany hohanina intsony ny vokatra fa afaka amidy ihany koa ny ambim-bava”, hoy ihany izy.

Ampidirina any an-tsekoly
Ankoatra izay, atsofoka any anaty fandaharam-pianarana ny lohahevitra momba ny “agro écologique” izay volavolain’ny minisiteran’ny Fana­beazam-­pirenena eto Mada­gasikara. Mila ampidirina ao an-tsain’ny ankizy fa tsy tokony hopotehina ny tontolo iainana. Amin’izao fotoana izao, efa ao anatin’ny « phase d’essai » izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. 186 ny sekoly efa mampihatra ity fampianarana ity manerana ny Nosy. Lasa ohatran’ny laboratoara ireo toeram-pianarana ireo. Ampiharina ao amin’ireo sekoly ny fandaharam-pampianarana vaovao mahakasika ny teknikam-pambolena maharitra manaraka ny agro écologie. Mitatitra mankany amin’ny minisitera momba ny vokatry ny fampianarana ireo mpampianatra. Tanjona ny hahafahana mahatsara ny fampitana ny fahalalana amin’ireo mpianatra.
Anjaran’ny GSDM ny manome ny lohahevitra mahakasika ny « agro écologie », izay ampidirina any anivon’ny sekoly. Ezahina ny hanaovana azy io ho hatao taranja « matière transversale ». Izany hoe, ampidirina any amin’ny taranja toy ny SVT (Science de la Vie et de la Terre), jeografia, ny matematika ary indrindra ny fanabeazana olom-pirenena.

GSDM, mivoy ny “agro écologie”

Fivondronan’ny fikambanana mivoy sy manaparitaka ny « agro écologie » manerana ny Nosy ny GSDM. Ahitana ireo karazana teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany, mampitombo ny vokatra ary mikajy ny tontolo iainana izany.
Manana mpikambana 18 ity vondrona ity, samy miasa mikasika ny « agro écologie ». Maro ny anjara asa ataon’izy ireo. Mampiofana momba ny teknikam-pambolena mahomby. Manao fanentanana sy manara-maso ny fampiharana ny teknika. Manangona ny antontan’isa sy antontan-kevitra rehetra momba ny « agro écologie » sy manaparitaka izany. Ankoatra izay, miara-miasa ihany koa amin’ny sehatry ny fikarohana. “Miainga avy amin’ny vokatry ny fikarohana foana no hahazoana manaparitaka ny traikefa, hoy Razaka Mireille.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:49

Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fa­noloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Ha­vaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity.

Tanterahana ao Nice-Frantsa, ny 9 ka hatramin’ny 13 jona, ny fikaonandohan’ny firenena mikambana momba ny ranomasimbe ( UNOC3), andiany fahatelo.  « Miara-mientana ho an’ny fitantanana lovainjafy ny ranomasimbe », no lohahevitra ho voaboasana mandritra ny andro hanaovana ny hetsika. Tanjona ho an’i Madagasikara ny hiaro ny tombontsoa ara-stratejika amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekarena manokana (ZEE) midadasika eto amin’ny Ranomasimbe indianina. Hisongadina manokana ny fampiroboroboana ny toekarena manga lovainjafy sy mampiaty.

Hametrahana “forages à drain” miisa enina ao Antsiranana. Havaozina sy hitarina ny “station de traitement”. Hosoloina ny fantson-drano avy amin’ny fantson-dranon’Ambodimanga, hamboarina ireo tobim-pamokarana sy fitehirizan-drano rehetra, havaozina manaraka izay ny fantsona mizara rano mirefy 75km. Tetikasa goavana ataon’ny fitondram-panjakana hamaliana ny filan’ny mponina sy hanatsarana ny famokarana ary famatsian-drano ho an’ny rehetra.

Catégories: National

DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »

Les Nouvelles - lun, 05/26/2025 - 07:49

Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notonto­saina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontai­ne, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia niomerika entina hanamorana ny fifanakalozam-barotra.
Nisolo tena ny Ladoany ma­­lagasy, ny tale jeneraly (DGD), ny Dr. Zafivanona E. Lainkana. Nohazavainy ny trai­kefa tamin’ny fanarenana ny rafitra sy ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy, tao anatin’ny drafitrasa stratejika 2020-2024. Notsipihiny, fa «mivoatra misonga ny teknolojia, noho ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Lasa fitaovana matanjaka sy mahomby ho an’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy miankina. Sain­gy, tsy terena ampiasaina fotsiny ny teknolojia, fa mila ampifandraisina amin’ny zava-misy, ny olombelona izay ampifanarahana amin’ny fanovana».

Voalohany mampiasa ny IA

Nankasitraka ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Dr. Zafivanona Lainkana ny mpanatrika ny fivoriana. Hita taratra ny fahavitrihany nitondra ny fanovana tao amin’ny fitantanana ny haban-tseranana malagasy. Marihina fa ny ladoany malagasy no mampiasa voalohany ny IA amin’ny fitantanan-draharaha, ny fitantanana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso, ny dingana arahin’ny manan-draharaha, sy ny hafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Pages