S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 29 min

Lafo ny fanafarana entana : Mampitondra faisana ny ady any Ukraine

jeu, 06/18/2026 - 09:31

Mampikaikaika ny mpandraharaha mpanafatra entana ny fidangan’ny saran’izany, ankehitriny. Anisan’ny mampitondra faisana ny ady lavareny any Ukraine. Mita­razoka ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny ranomasina mainty. Mi­ko­rontana ny fahatongavan’ny entana aty Afrika sy Mada­gasikara. Nilaza ny loharanom-baovao fa miteraka fa­tiantoka lehibe ny filalaovan’ny Okrenianina, tarihin’ny Ze­lensky, ny ady. Paikady iray entiny hisitrahany famatsiam-bola avy amin’ny firenen-dehibe tandrefana izany.
Roa taona aty aorian’ny ady, miezaka ny mamaka aty Afrika ihany koa i Ukraine amin’izao fotoana izao. Ampi­­­asain’ny firenen-dehibe ha­no­hitra ny ezaka ataon’i Rosia aty amin’ny kaontinanta Afri­kanina izy. “Mahoraka ny fampielezan-kevitra ma­hakasika ny fisian’ireo mpitsikilo any Soudan. Torak’izany ny nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny asa fampihorohoroana tany Mali, ny taona 2024. Marihina fa misy ny famatsiana fitaovam-piadiana sy fampiofanana milisy”, hoy ny solontenan’ny vondrona CSP-DPA, i Mo­ha­med Elmaouloud Ramdane.
Anisan’ny nisafidy ny hiara-miasa akaiky amin’i Rosia i Ma­dagasikara, hisorohana ny toe-java-misy ta­haka izany. Anisan’ ny sehatra iarahan’ny roa tonta rahateo ny Toeka­rena.

Randria

Catégories: National

Fikasihan-tanana vadintany : Hatolotra ny fitsarana ilay nahavanon-doza

jeu, 06/18/2026 - 09:30

Tsotra fa hentitra ny tenin’ny filoha nasionalin’ny Holafitry ny vadintany eto Madagasikara, ny maître Rarivoarivony Andriatafa­niaina, fantatry ny maro amin’ny solonan’anarana “Maître Tafa” nandritra ny fambolen-kazo tetsy amin’ny tokontany malalaky ny Lycée Jacques Rabemananjara, ny talata 16 jona lasa teo. Fotoana nanamarihana ny faha-19 taonan’ny vadintany maneran-tany ihany koa. “Raha ny sitraponay dia tsy tokony hisy olona esorina amin’ny taniny sy ny tranony izany fa ny didim-pitsarana no maniraka anay ha­natanteraka ireny asanay ireny. Misy ady ifanaovan’ny mpifanandrina eo anivon’ny fitsarana, misy mandresy, misy resy. Tsy izahay no mahatonga an’izany fa ny mpitsara mpamoaka didy. Ny tsy fanatanterahanay izay iraka avy amin’ny fitsarana izay dia heloka ho anay”, hoy ny Maître Tafa. Nohamafisiny ihany koa fa fandikan-dalàna ny fanoherana ny fanatanterahan’ny vadintany ny asany. “Taratasy avy amin’ny fitsarana no entinay manao ny asa. Taratasy avy any ihany koa no afaka mampiato na manatsahatra an’izany. Tsy ekena ny fikasihan-tanana, fametavetana manao teny ratsy, mitora-bato, manompa vadintany manao ny asany”, hoy izy. Efa mihoatra ny loha ny fihetsika nataon’ilay ramatoa nikasi-tanana vadintany ka tsy azo andeferana intsony izany. Ha­tolotra ny fitsarana izy. Ankila­ny, zana-kazo miisa 100 no­vo­len’izy ireo mba ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany. Nane­hoana ihany koa ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka ary ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny totolo iainana.

Sajo

Catégories: National

Les Aigles du Carthage Tunisie: Hervé Renard no hanohy ny Mondial

jeu, 06/18/2026 - 09:30

Ilay frantsay, i Hervé Renard, no hitondra ny Les aigles du Carthage, Tunisie, eo amin’ny fanohizana ny «Mondial 2026». Izy no nosafidin’ny federasionina tonizianina. Asa goavana no miandry azy dia ny hanarina ny fahavoazan’i Tunisie, tamin’ny faharesena nahazo azy.

Notendren’ny federasionina tonizianina hanohy ny “Mondial” miaraka amin’ny Les aigles du Cartha­ge, ilay frantsay, i Hervé Renard. Ny talata lasa teo no nampahafantarina ny rehetra izany. Izy izany no handimby an’i Sabri Lamouchi, izay natsahatra tamin’ny asany noho ny faharesena mihoapampana, 5 no ho 1, nahazo an’i Tu­nisie nanoloana an’i Suède, nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana. Fa­nam­by goavana no miandry an’i Hervé Renard, izay noroahin’i Arabie Saoudite, roa volana lasa izay.
Tsy vao izao no nisy mpanazatra voaroaka ao anatin’ny fifaninanana goavana toy izao. Hatramin’izay, nankinina tamin’ny mpanazatra mpanampy ny fanohizana ny fi­haonana, saingy tamin’ity tranga mahazo an’i Tunisie ity, nisafidy mpanazatra ivelany mihitsy ny federasionina any aminy. Efa namonjy ny toby fiantsonan’ny mpilalaon’ny Les aigles du Carthage, ao Monterrey, any Mexique, i Hervé Renard. Sarotra ny andraikitra miandry azy satria mpilalao tsy nosafidiany ary tsy nomaniny akory no eo am-pelantanany, amin’ny fihaonana amin’i Japon, ny alahady ho avy izao. Na izany aza, malaza amin’ny fananganana ekipa efa lavo i Hervé Renard, izay efa 57 taona ankehitriny. Tekni­sianina voky traikefa ary olona mazoto mikaroka. Na izany aza, ny vahoaka tonizianina mitaky ny fanoloana ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny federasionina.

Tompondaka

Ny fandaharan-dalao anio
Sokajy “L” : 02:00 (maraina) – Ghana vs Panama
Sokajy “K” : 05:00 (maraina) – Colombie vs Ouzbekistan
Sokajy “A” : 07 :00 (hariva) – Tchecoslovaquie vs Afrique du Sud
Sokajy «B » : 10 :00 (alina) – Suisse vs Bosnie-Herzegovine

Catégories: National

INDRAY MIJERY

jeu, 06/18/2026 - 09:29

Ao anatin’ny fiahiana sy fampivoarana sahanin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, na­nantanteraka fidinana ifotony, niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohotra, ny ekipan’ny minisitera, ny alin’ ny talata lasa teo. Nisy ny fanentanana natao tamin’ireo olona tsy manan-kialofana sy matory eny amin’ny sisin-dalana teny amin’ny faritr’i Behoririka, Tsaralalàna, Ambo­hidahy ary Analakely. Nentanina izy ireo hiala eny an-dalambe sy hifindra eny amin’ireo ivontoerana efa nomanin’ny fanjakana ao amin’ny Madcap sy Seba. Ankoatra ny fandraisana azy ireo an-tanana, hisitraka fiofanana arakasa ihany koa izy ireo ahazoany mizaka tena sy miverina miaina anaty fiarahamonina amim-pahamendrehana.
Tombanana hahery ny ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano antonony na vaventy avy atsimo na atsimo andrefana. Vinavinaina hahatratra 5m ny haavon’ny onja indraindray. Manomboka ny sabotsy, ny eo anelanelan’i Mo­rombe hatrany Taolagnaro ary eo Taolagnaro hatrany Nosy Varika. Hiitatra tsikelikely amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy ny morontsiraka atsinanana iray manontolo izany, manomboka ny alahady. Misy fampitandremana miloko maitso ho an’i Morombe hatrany Taolagnaro ary eo Taolagnaro hatrany Nosy Varika.

Catégories: National

Sehatry ny fandraharahana : Hamoaka ny andiany Sahy ny Iscam

jeu, 06/18/2026 - 09:29

Hotontasaina ny 02 jolay 2026, eny amin’ny CCI, Ivato, ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra nanaraka fiofanana teo anivon’ny Iscam Business School. Andi­any faha-35, ampitondraina ny anarana hoe: “Sahy” izy ireo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankadifotsy, oma­ly. Maneho tanjaka sy fahasahiana, herim-po ary fahavononana ny teny hoe Sahy ka antony nisafidianana azy. Ma­hatratra 576 isa ireo mpianatra nanaraka fiofanana hisitraka izany. Nahavita sy hahazo ny mari-pahaizana licence ny 300 isa amin’izy ireo. Raha mari-pahaizana Master sy ny Formation continue diplômante ny ambiny. Ahafantaran’ny maro ity sekoly ity ny fanofanana ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy famoronana asa. «Volavolaina sy ampidirina ao an-tsain’ireo ankizy vao miditra any amin’ny taona voalohany izany mba hananan’izy ireo orinasa ho azy manokana», hoy ny tale mpanatanteraka ao amin’ny sekoly, Rakoto­vao Finaritra. Mampiavaka ity andiany ity ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. «Tonga dia vonona ny hiasa avy hatrany ireo ankizy avoaka ireo ary afaka miditra amin’ny sehatra matihanina ihany koa», hoy Andrianarisoa Aaron, Respon­sable projet carrière eo anivon’ny sekoly. «Miditra eo amin’ ny sehatry ny asa izy manodidina ny dimy na telo taona dia avy eo lasa mpandrahadrahara», hoy ihany izy. Nambarany fa mahazo asa avokoa ny 90% ny mpianatra mivoaka eo anivon’ity sekoly ity. Tanjona tena ifotoran’izy ireo ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana sy famoronana asa.

Mino

Catégories: National

Pages