S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 5 min

Faritra Bongolava : Harovana ny fahasalaman’ny tanora

jeu, 07/09/2026 - 07:44

Ao anatin’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka amin’ny fisorohana ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST/VIH) sy ny fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, nanolotra kapoty ho an’ny lehilahy (préservatifs masculins) sy takela-panentanana momba ny VIH/Sida ho an’ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS) ny DRSP Bongolava.
Mikendry ny hanamafisana ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pahasalamana ho an’ny tanora, amin’ny alalan’­ny fanomezana vaovao marina sy fitaovana ilaina amin’ny fisorohana ny IST/VIH ary ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana no laharam-pahamehana ao anatin’izany.
Santionany amin’ireo fisehon’ny fiaraha-miasan’ireo sehatra rehetra any ifotony miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izao, satria ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny tanora dia antoky ny fanorenana Firenena salama sy matanjaka.
Manana sampana miandraikitra ny fahasalamana ho an’ny tanora sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny direction régionale de la jeunesse et des sports (DRJS) izay miara-miasa akaiky amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.

Vonjy

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 08 07 2026 )

mer, 07/08/2026 - 07:57

Catégories: National

Toamasina : Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

mer, 07/08/2026 - 07:53

Leo ny asan-jiolahy ny fokonolona hany ka lasa tsy te hitsitsy manoloana ny fahatrarana jiolahy manao izany. Ny alin’ny alahady teo, jiolahy iray saron’ny fokonolona nanendaka tao Tsara­kofafa. Nanambana antsy raim-pianankaviana iray tratra alina hamonjy fodiana izy. Vokany, na dia niezaka ni­tsoaka aza ilay jiolahy dia tsy namelan’ny fokonolona fa nifanenjehana. Tratra ihany ny farany ka tsy namelan’ny fokonolona. Samy nidaroka nanao izay danin’ny kibony ireo fokonolona mandra-pahatongan’ny polisy ka tsy tana ny ainy. Hatreto, mbola ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly be ny vatana mangatsiakany.

Sajo

Catégories: National

« Circuit Training » 2026 : Lasan’i Faby sy i Nantenaina ny laharana voalohany

mer, 07/08/2026 - 07:52

Nafana dia nafana ny tao amin’ny Kianja mitafo Maha­ma­sina, nandritra ny fifaninanana “Circuit Training” andiany voalohany, nokarakarain’ny Zaka Rise Mada, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 80 ny isan’ireo mpifaninana tamin’izany.  Nahi­tana fanazaran-tena maro, toy ny pompes, squats, burpees, sauts sur box (jump box), corde à sauter ary sprints ny fifanintsanana. Mpi­jery maherin’ny 250 no tonga nanohana sy nampahery ireo mpifaninana teny an-toerana. Teo amin’ny sokajy vehivavy, Razafinimanana Fabiola na i Faby no nibata ny laharana voalohany, taorian’ny nahavitany ny fotoana tsara indrindra tamin’ireo lalam-pifaninanana dimy (tsy nisy ny jump box). Nahazo ny loka lehibe mitentina 2 tapitrisa Ariary izy, niampy fanomezana maro avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, i Jeff Nantenaina no nanjakazaka tamin’ny fifaninanana ka nahazo ihany koa ny loka lehibe 2 tapitrisa Ariary. Marihina fa nahazo valisoa tamin’ity fifanintsanana ity ireo atleta folo voalohany isan-tsokajy.
Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika. Nahazo fanazavana sy toromarika mazava mialoha rahateo ireo atleta, ary nampiasaina ny VAR na ny fitsarana amin’ny horonantsary, handinihina sy hijerena ireo fitarainana mety ho nisy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hisy ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy.

Fitia Randria

Catégories: National

Pancrace : Handray ady iraisam-pirenena i Madagasikara

mer, 07/08/2026 - 07:52

Hisy fifanintsanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara, amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa nisy ny fijerevana an’ireo mpikatroka mendrika afaka hiatrika izany.

Raha tsy misy ny fiovana, hampiantrano ady iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace, i Ma­dagasikara,  ny volana novambra izao. Nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commision malgache de pancrace et submission), ny kolonely Zafin­dra­naivo Mely izany, nandritra ny fifaninanana “Open de Ma­dagascar”,  natao ny faran’ny herinandro teo,  teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Nandritra io fifaninanana io ihany koa no nijerena sahady izay mpikatroka mendrika afa­ka hifaninana amin’ity ady iraisam-pirenena ho avy ity. Tsia­hivina fa katrok’ady mano­di­di­na ny 40 teo no nitranga, tamin’ny “Open de Madagascar”,  ny sabotsy lasa teo ity. Ni­akatra ny haavo teknika araka ny nambaran’ny kaomisiona teknika ary tsy latsa-danja amin’ny mpikatroka any ivelany ny mpikatroka malagasy. Nahitana “frappe au sol” rahateo ny ady, nanomboka tamin’ity fifaninanana ity izay hita fa voafehin’ny Malagasy. Efa nisy ny fiofanana natao nialoha ary mbola hanohy izany ny CMPS, indrindra ho an’ny any amin’ny faritra mba hampitoviana lenta ny mpikatroka ma­nerana ny Nosy.
Notsiahivin’ny kolonely Zafindranaivo Mely fa tapitra amin’ity taona 2026 ity ny fotoam-pitantanany ka ity ady iraisam-pirenena ity sy ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­da­gasikara, hatao ny volana de­sambra izao, no hetsika goavana mbola miandry azy ireo. Ni­saotra ny fitondram-panjakana ny CMPS tamin’ny fanohanana ary mbola mangataka izany ho fiatrehana ireo fandaharam-potoana goavana ho avy ireo.

Mi.Raz

Catégories: National

Hetsika « Call center » sy « Digital » : Maromaro ireo tanora horaisina hiasa avy hatrany

mer, 07/08/2026 - 07:51

Hetsika miavaka sy manokana. Efa nanomboka omaly, etsy amin’ny tokotanin’ny La­pan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny zoma izao ny «Salon de la rélation client et des métiers digitals».
Nambaran’ny mpikarakara, ZRK, Zina Rakotoseheno, fa hiavaka ity andiany faharoa ity. «Fantatra eo no ho eo na ho voaray avy hatrany na tsia ireo tanora hitady asa», hoy izy teny Tanjombato, omaly. Nambarany fa nampiana ny resaka «Digital» ny hetsika tamin’ity noho ny fihazakazaky ny teknolojia amin’izao fotoana. Maro, araka izany, ireo orinasa misehatra amin’ny «Call center» sy ny «Digital» ho avy amin’ny hetsika. Handray ireo tanora vonona hiditra eo amin’ ny sehatry ny asa izy ireo ka ao ireo hanao izany any amin’ny biraon’ny orinasa aorian’ny dinidinika amin’ireo fotoana ireo. Hisy koa ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra ary koa ny fanofanana sy ny fampianarana, araka ny nambarany hatrany. «Entanina koa anefa ireo liana na koa efa miomana eo amin’ny sehatry ny asa mba hijery sy hahita ny asa mety hataony, aorian’ny fahafahany fanadinana na koa ny fahavitan’ny fianarany. Aha­fahan’izy ireo mandray fanapahan-kevitra izany», hoy izy.
Tombanan’ny mpikarakara fa maherin’ny 5 000 ireo tanora ho avy eny an-toerana amin’ ireo andro telo ireo. Miisa 20 kosa ireo tranoheva haneho ny momba azy amin’izany. Samy mitady tanora hiasa avokoa izy ireo amin’izao he­tsika izao. Noferana koa anefa ny isan’ireo orinasa mba hanomezana vahana bebe kokoa ireo orinasa, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa maherin’ny 4 000 ireo mpitsidika tamin’ny andiany voalohany ary voaray niasa avokoa ny 42% amin’ireo nitady asa tamin’izany.

Synèse R.

Catégories: National

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

mar, 07/07/2026 - 07:51

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny profesora Ranai­voson Jeannot Fils, momba ilay tolo-dalàna nolaniana teny amin’ny Antenimierampi­re­nena amin’ny hampiasana ny teny malagasy eny anivon’ny biraom-panjakana sy ny asam-panjakana. Nambarany fa anisan’ny mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teniny satria olom-bitsy ihany no mahay teny vahiny amin’izao fotoana izao. Izany no antony nahatonga azy ireo namolavola iny lalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy iny. Teny vahiny efa mahazatra ihany no ampiasaina nefa indraindray tsy misy vahiny akory amin’ny toerana iray na fivoriana iray.

Ilaina ny politikan’ny teny

Nitondran’ity manampahaizana momba ny haiteny ity fanazavana fa ireo firenena mandroso dia tsy mba nampiasa tenin’olon-kafa hampandrosoana sy/na hitadiavana fandrosoana fa ny teniny ihany no nentin’ireo firenena ireo nampandroso ny fireneny (ohatra amin’izany i Japon, Chine, Corée, Finland, Dane­mark, Norvège…). Nampiasa teny vahiny hafa fotsiny izy ireo mba ho fifandraisana amin’ireo firenen-kafa. Marihina fa nisy ny resaka nivoaka taorian’ny fahalanian’iny lalàna iny. Tao ireo nisalasala sy nanontany hoe hiverina indray ve ny fanagasiana ? Tsy izany anefa fa ny fanomezana toerana ny teny malagasy eto Madagasikara no tena zava-dehibe. Ny teny malagasy sy ny teny frantsay izao no tenim-panjakana sy tenim-pirenena, araka ny nambarany. « Anisan’ny antony tsy mampandroso ny firenena izany. Misy zavatra tokony hovaina ihany eto Madaga­sikara. Ny fanjakana afaka manao lalàna momba ny teny, saingy tsy hita loatra ny fampiharana izany ao amin’ny lalàmpanorenana », hoy izy.

Jean Claude

Catégories: National

Karate-« Coupe Internationale » : Atleta maherin’ny 400 no andrasana

mar, 07/07/2026 - 07:51

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 10, 11 ary 12 jolay izao, ny fifaninanana « Coupe Internationale d’An­ta­nanarivo », taranja karate. Atleta maherin’ny 400 no andrasana amin’izany. Efa vonona ny fikarakarana ary efa manomboka tonga eto an-toerana, ny alahady teo, ireo mpikatroka avy amin’ny firenena hafa nasaina. Ho an’i Mayotte, 12 ireo mandrafitra ny delegasionina ary manana ekipa tokana izay efa nigadona eto Madagasikara, ny alahady maraina. Omaly kosa no tonga ny avy ao La Réunion, izay ahitana delegasionina miisa 30 ny mandrafitra azy ka mpikatroka ny 28 amin’ireo. Hanatevin-daharana amin’ity fifaninanana ity ihany koa ny mpikatroka avy any Maorisy sy Frantsa.
Marihana fa ny fisian’ny fifaninanana isan-tarika no mampiavaka ny « Coupe In­ternationale d’Antanana­rivo » amin’ity taona ity. Ho an’i Madagasikara, efa ela no nanomanana ary zava-dehibe ny fisian’izao fifaninanana izao handrefesana ny lentan’ireo Malagasy mpikatroka, manoloana ireo vahiny.
Tanjona ny hahafahana manatanteraka fifaninanana iraisam-pirenena, hankatoavin’ny Federasionina iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy no sady filoha misahana ny karate eto Afrika, faritra Atsinanana.

Mi.Raz

Catégories: National

« Yas Coupe » – ampahefa-dalana : Hanala vela amin’ny CFFA ny Cosfa

mar, 07/07/2026 - 07:50

Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly « Yas Coupe 2026 », ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa miaramila.

Notanterahina tetsy amin’ny orinasa Yas Mada­gascar Andraharo ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2026». Tafave­rina hifanandrina amin’ity amboara nasionaly ity indray ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa miaramila. Fihao­nana izay hatao ny 12 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kian­jan’ny Elgeco Plus By-pass. Mbola manala vela amin’ity ny miaramila, izay nahintsan’ny ekipan’Andoharanofotsy tany amin’ny ampahefa-dalan’ny “Pureplay Football League (PFL)” farany teo. Raha hiverenana kely ny ampahavalon-dalan’izy ireo, ny Cosfa miaramila nandresy ny As PTT, tamin’ny isa 5 no ho 1. Ny CFFA kosa nandavo ny Babangy FC, 2 no ho 1. Izay tafavoaka mpandresy amin’ny roa tonta no hiatrika ny manasa-dalana amin’izay tafakatra eo amin’ny FC Rouge sy ny AFCA. Ankoatra izay, hifampitana amin’ny AS Ste Anne, ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany teo. Hifa­nandrina amin’izay tafita eo amin’ny Ajesaia sy ny Wagner FC izay tafavoaka eo. Mari­hina fa hatao ny 22 jolay ho avy izao ny manasa-dalana ary ny 25 jolay ny famaranana.

Hilalao ivelan’Antananarivo

Raha saika natao teny By-pass avokoa ny fihaonan’ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tsy maintsy hivoaka ny renivohitra kosa ny Ajesaia sy ny FC Rouge. Ny ekipan’Antanin­ka­tsaka, izay hanafika ny Wagner FC, any Ambovombe, ary ny FC Rouge, handeha ho any Antalaha.

Fitia Randria

Ireo mpifanandrina amin’ ity ampahefa-dalan’ity Yas Coupe 2026 :
Wagner vs Ajesaia
Elgeco plus vs As Ste Anne
CFFA vs Cosfa
AFCA vs FC Rouge

Catégories: National

Seranan-tsambon’i Toamasina : Hatsaraina amin’ny niomerika ny fivezivezin’ny kamiao

mar, 07/07/2026 - 07:50

Tafiditra anatin’ny paikady hampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy afa-misaraka amin’izany ihany koa ny fanatsarana ny fivezivezen’ny kamiao maka sy hanatitra entana ao an-toerana. Eo koa ny paikady hanafoanana ny fitohanana eo amin’ny Boule­vard d’ Ivondro, vavahady hidirana ao anivon’ny seranana. Hialana amin’ny filaharan’ny kamiao na fampiasan’ny mpamily sy ireo mpikirakira dosie misahana ny famoahana entana “transitaire” taratasy be loatra izany. Hatsaraina amin’ny alalan’ny niomerika izany rehetra izany, amin’izao fotoana. Samy manana ny andraikiny, noho izany, ny tompona orinasa mpitatitra. Ireto farany izay tsy maintsy misoratra anarana sy mampiditra ny mombamomban’ny fiarany, ny mpamily sy mpanampy azy, ny laharan’ny remorka hatramin’ ny lokon’ireo fitaovana ireo. Aorian’ny fanavaozana, amin’ny alalan’ny laharan’ny “voyage” ara-niomerika, finday na mailaka, tonga any amin’ny tompon’ny kamiao sy mpamily ihany no hidirany eo amin’ny vavahady lehibe voalohany “ portail No 1”. Tanjona ny ho tahaka ny seranan-tsambo lehibe indrindra any ivelany amin’izay, hanamorana ny fivezivezin’ny kamiao sy hampihenana ny fandaniam-po­toana amin’ny fikirakirana taratasy sy filaharana. Hana­tsarana ihany koa ny fanaraha-maso ny asa rehetra sy hanamafy ny fiarovana ny entan’ny mpandraharaha. Manampy izany, hampakatra ny lentan’ny toekarem- pirenena.

Sajo

Catégories: National

Africa Corps : Mandray anjara amin’ny fitandroana ny filaminana

mar, 07/07/2026 - 07:50

Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fitandroana sy fametrahana fandriampahalemana aty Madagasikara sy Afrika ny miaramila rosianina na ny Africa corps.

Manoloana ireny fampiasana drones, nanarahan-dia ny filohan’ny Fanavaozana ireny, dia voalaza fa manaraka akaiky sy manampy ny Malagasy izy ireo. Etsy ankilan’izay, mbola mitohy ny iraka ataon’izy ireo any amin’ny firenena afrikanina maro. Maro ny miaramila alefan’ny minisiteran’ny fiarovana rosianina, ho famaliana ny filan’ny firenena mangataka izany. Amin’izao fotoana izao, misy ny ady amin’ny fampihorohoroana ataon’izy ireo any Mopti. Manampy tosika ny foloalindahy Malianina ry zareo. Raha ny tatitra avy amin’ny fibaikoana eo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Ta­fika dia resy tosika ny mpampihorohoro ny alin’ny sabotsy nifoha alahady, tao Konna. Araka ny fampitam-baovao dia maty momoka ihany koa ny fikasana hanafika tao Sou­friulaye nomanin’ny andiana mpanao viveriniainy izay namahatra tao Somadougou. Nisy ny hetsika manokana an-tanenty sy ana habakabaka niarahan’ny roa tonta. Nidera manokana ny maha matihanina ny miaramilany sy ny Africa Corps ny lehiben’ny Etama­zaoro Malianina. Marihina fa ity fanafihana noravan’ny mpampandry tany ity no fampihorohoroana faharoa lehibe indrindra nataon’ny Front de la libération de l’Azawad, sy ny mpanao viveriniainy mivondrona ao amin’ny JNIM, sampana iray amin’ny Al-Qaïda. Anisan’ny voakasiky ny fanafihana maty paika ny tao Gao, Anéfis, Aguelhok, Sévaré ary Kenioroba.

r.r

Catégories: National

Pages