Tsy araka ny nandrasana ny vokatra tamin’ny “Madaghost Show”. Noheverina ho tokony anisan’ireo seho goavana ity niseho omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Tarika 20 be izao no nalahatra, saingy tsy maro toa izany kosa anefa ireo mpankafy namaly ny antso. Mpanakanto heverina fa tian’ny tanora amin’izao fotoana izao anefa ireo…
Namakafaka ny toeran’ny rano anatin’ireo sary hosodoko i Hemerson Andrianetrazafy. Izy no nanentanany “Café-histoire” ny sabotsy teo, teny amin’ ny Mozean’ny saripika eny Andohalo. Naka ohatra tamina sanganasan’ireo mpanakanto malagasy mpanao hosodoko izy, namoaboasany ny hevitra fonosonin’ny sarina rano anatin’ireny. Mpanao hosodoko rahateo, ankoatra ny maha mpampianatra sy mpikaroka azy i Hemerson Andrianetrazafy.
Efa anatin’ny fiatrehana ny “Miss Monde” any Inde i Cyria Olivine Temagnombe. Niatrika ny lanonam-panokafana ny andiany faha-72 izy ny sabotsy teo. Nisafidy ny fitafy antandroy, ho fanomezam-boninahitra ny faritra niaviany sy mba hampisongadina ny kolontsaina malagasy ity “Miss Madagascar” ity nandritra izany. Heverina fa nampisongadina azy koa izany, ka tombony sahady amin’ny tohin’ny fifaninanana avo lenta izay hatrehiny.
Tsy azo lavina, mbola mitoetra ary tsy ho lefy laza vetivety ireo hiran’i Bessa. Voaporofo indray izany, nandritra ny fampisehoana izay nitranga tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. I Mahery no nanao ny feon-dehilahy ary i Faniry Raelison, Nanie ary i Farakely kosa no nifarimbona tamin’ny feom-behivavy. Nosafidian’izy ireo manokana ireo hira noforonin’i Bessa nampihirainy mpanakanto maro, na nataon’izy mivady ihany. Nanakoako indray ny “Antsirabe”, “Izany no antony”, “Raha mbola misy”, “izany no fitia”, “Isaky”, “Toaka tapany”, sns. Tao ny fampiaraham-peo, nisy kosa ny nandeha tsirairay, saingy samy niezaka nampiaina ireo hira araka ny nanaovan’ny mpamorona azy.
Mpanakanto tsy nampoizina mihitsy niaka-tsehatra ny seho i Tonton Pà ao amin’ny tarika Rebika. Nanao ny “Hasambarana” niaraka tamin’i Mahery sy ny “Harmonia” niaraka tamin’i Faniry Raelison izy. Tsy nampoizin’ny maro, satria tsy mba ansian’ireo mpanakanto efa hita sy re namelona ny hiran’i Bessa i Tonton Pà.
Anisan’ny faniriana lehibe ho an’ny mpankafy, ny hahita indray an’i Bessa sy i Lôla an-tsehatra, eto an-tanindrazana…
Zo ny Aina
Nanana ilay feo miavaka, nahay niangaly izay toerana notazoniny tao anatin’ireo tantara fihaino rehetra nandraisany anjara i Saholy Rakotonanahary. Maty namela mamy izy.
Misaona indray ny kanto malagasy. “Lasa i Saholy Rakotonanahary ry zareo. Namoy namana iray isika… Efa ela ihany no tsy nandrenesanareo ny feony niaraka taminay. Efa tao anatin’ny tsy fahasalamana izy, saingy mbola nanantena izahay fa ho resiny ny aretina”, hoy ny fanambarana nataon’i Nanja, mpiara-misehatra taminy tao amin’ny Aceem Radio. Nanamafy izany vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto izany i Ony Mihajanirina, mpilalao tantara ihany koa. “Banga nilaozan-joky ny tontolon’ny tantara an’onjampeo Malagasy. Ny feonao kanto mifampiantso amiko iny, tsy ho afaka ao an-tsofiko… Ilay fahamatorana anaty fahatsorana, hotsaroako foana”, hoy izy.
“Tao amin’ny Faribolana Sandratra izahay no nihaona voalohany. Iray fikambanana tao amin’ny Vondron’ny Mpiangaly Tantara na ny VMT ihany koa. Mpanorina rahateo io fikambanana io izy. Fomba fiasanay ny manorotoro ireo zandry handimby eo amin’ny sehatry ny soratra sy ny tantara an’onjampeo, toy ny efa nataon’ireo zokinay taminay”, hoy kosa i Zo Maminirina.
Efa nolazoin’ny aretina nandritra ny fotoana elaela i Saholinirina Sylviane Rakotonanahary, ka nitarika ny fahafatesany. Namela mamy anefa, ka hotsaroana foana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny anarany. Mpamokatra fandaharana tao amin’ny Radio Feon’ny Vahoaka i Saholy Rakotonanahary. Niara-dalana tamin’
izay, mpilalao teatra sy poeta mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra izy. Ny sehatry ny tantara an’onjampeo anefa no tena nahafantaran’ny maro azy. Satria, sady mpanoratra, mpamokatra no mpilalao i Saholy Rakotonanahary. Anisan’ireo nanorina ny vondron’ny poeta Korira Kanton’ny Haisoratra Malagasy koa izy. Nanoratra andian-tantara tao amin’ny Search for common ground ihany koa.
Nangonin’i Zo ny Aina