Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany.
Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ny AS Ste Anne, tompondaka farany tamin’ny taona lasa teo. Izy ireto, araka izany, no solontenan’Analamanga, amin’ny fifaninanana Diviziona faharoa nasionaly. Raha hiverenanana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny ekipan-dry zareo polisy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny famoaham-baolina ny mpiandry haraton’ny AS Ste Anne, tany amin’ny faha-10 minitra tsy hiravan’ny lalao. Nifarana tamin’io isa 1 no ho 0, io ny fifanandrinana teny an-toerana, nandresy ny COSPN.
Nilaza ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa harenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ity taom-pilalaovana ity. Manentana ary manaitra ny tomponandraikitra kosa ny tenany manoloana ireo zavatra hataon’ny ekipa any amin’ny faritra, rehefa mandeha ny D2 Nasionaly. “Misy amin’ireo ekipa any amin’ny faritra, manao fifantenana mpilalao entiny miatrika ity fifanintsanana ity, ka sahirana hatrany ny solontenan’Analamanga mifanandrina amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga. Notsiahiviny ihany fa raha fifantenana no ilaina, manana mpilalao maro ny avy eto amin’ny ligin’Analamanga.
F.R
Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy.
Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny vary iray kapoaka eto an-toerana, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Anisan’izany ny makalioka sy ny vary gasy mena. Mahatratra 3 200 Ar sy 3 300 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafa. Fotoana fiakaran’ny vary vakiambiaty anefa izao, saingy tsy nidina ny vidim-bary. Lazain’ny mpaninjara fa mbola hiakatra ny vidim-bary atsy ho atsy.
Maharitra kokoa ny saribao ekolojika raha ampitahaina amin’ny saribao tsotra. Efa maro ny mpamokatra azy, ankehitriny, sady miparitaka manerana ny faritra maro. Anisan’ny ahitana fivarotana azy ny eto Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Itasy, Boeny, Mananjary, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, sns.
Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabibo, afakomaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Mahabibokely Mahajanga. Olon-dratsy malaza amin’ny asa fanendahana miharo herisetra izy io. Avy namaky fiara iray tany Tsaramandroso izy no nifampitadiavana ary nifanehitra tamin’ny Polisy.
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary nosamborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopitaly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, namoahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 grama. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Madagasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.
Mino
Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny roa lahy kendry tohana teo amin’ny arabe io mpanao Cash point io. Tsy nisy alaharo fa nisintona ny sakaosy nisy ny vola avy hatrany ireo jiolahy. “Nampitahoriny sy nambanany basy izahay ka tsy sahy namaly”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa voaroba. Nirifatra nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo mpanao ratsy taorin’io. Tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nanao io asa ratsy io. “Olona mbola tsy fahitanay ny endrik’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lasibatra. Efa niandry mialoha ny fotoana nandalovan’io mpanao Cash point io teo amoron-dalana ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Natodiny tamin’ny arabe ny moto ka nanao mora ho azy ireo ny fandosirana. Mampanontany tena ny lasibatra ity tranga ity satria tsy lavitra ny biraon’ny zandary sy kaomisaria ny polisy ny toerana nitrangan’ny loza.
Tsiferana R.
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo.
Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina iray teny an-toerana, fitehirizana ireo zavamaniry ny mpitandro filaminana tamin’ny 06 jolay 2025 lasa teo. Fisavana natao rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana, avy amin’ny fitsarana. Fantatra taorian’izay, fa nampiasa taratasy fahazoan-dalana hosoka amin’ny maha mpanondrana zavamaniry azy izy. Taratasy amin’ny anaran’olon-kafa saingy nisy ny fifanarahana nataon’izy ireo teny amin’ny manampahefana. Hita tamin’ny fitsirihana fa miisa 45 ireo zavamaniry arovana saika hahondrana. Nahitana fototra 10 amin’ny «Operculicarya pachypus», Ravenea sp miisa 25 fototra, Elephantopus sp roa fototra ary Cycas valo fototra. Vokany, nosazian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy (Medd) izy io noho ireo fandikan-dalàna maro ireo.
Olona telo
Ankoatra izay, teratany karana iray, 30 taona, mitantana io toerana io ihany koa voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Nitohy ny fanadihadiana, tomponandraikitra iray hafa eo anivon’ny tontolo iainana koa voahorihory. Ahina ho nandray nandray anjara mivantana tamin’ ny fanamboarana antontan-taratasy hosoka izy ireo. Mbola misy olona iray hafa eo anivon’ny minisitera ahina ho tafiditra amin’ny raharaha. Nandositra izy io ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Notanana sy nohamaranina eny anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainanana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny zavamaniry saika hahondrana antsokosoko. Niandraikitra ny raharaha sy ny famatororana rehetra ny teo anivon’ny tobim-paritra Antananarivo Renivohitra.
Mino
Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome ny endrika vaovao sy raiki-pohy ho an’ny sehatra rehetra ny Canal Plus, hahitana televiziona miisa 160 ka tafiditra ao ny onjam-peo sy ny asa isan-karazany. Tsy hadino ireo tolotra avo lenta, hahitana ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika, ny fandaharana ho an’ny fianakaviana sy ny tantara mitohy. Izany rehetra izany, dia ao anatin’ny rafitry ny Netflix, miaraka amin’ireo andian-tantara malaza, toy ny Squid Game (Saison 3), ny «Emily in Paris» sy ny Stranger Things.
Eo koa ny DSTV English Plus, misy televiziona efatra mandefa fanatanjahantena rano fotsiny. Natao amin’ny vidiny 130 000 Ar izany, mba hamaly ny filan’ny mpanjifa, amin’ny zavatra samihafa ilainy. «Mitady zavatra misy traikefa feno ao anatin’ny tontolo mahafinaritra ny mpanjifanay ka ity tolotra vaovao Canal Plus ity, no mamaly ny hetahetan’izy ireo», hoy i Aziz Diallo, tale jeneralin’ny Pay TV Afrique francophone.
Torcelin
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa.
Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy mampandry harato any atsimon’ ny seranan-tsambo no anton-dian’izy ireo. Tokony ho efa niverina ny tolak’andron’ny alarobia teo izy ireo, raha ny fandaharam-potoana. Efa lany tamin’io ihany koa ny fetran’ny vatsy nohanin’izy ireo tany an-dalana tany. Hatramin’ny nanoratana, tsy nahenoan’ny fianakaviany feo na hafatra izy telo lahy ireo. Ratsy ny toetr’andro ary somary nanao tafiotra mafimafy teny amin’ny ranomasina nandritra io fotoana nandehanan’ireo mpanjono tsy hita ireo, raha ny fanazavan’ireo mpanjono hafa. Misy ny milaza fa mety lany solika na misy fahasimbana ny maotera na lany bateria ny finday ka antony tsy ahazoana antso azy ireo. Mety ho niakatra tamin’ny nosy kely fasika atsimon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ihany ko izy ireo. Mitohy ny fikarohana manaraka ny moron-dranomasina ataon’ny tomponandraikitra sy ny fianakaviana. Mba hikarohana azy ireo.
Sajo
Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao.
Maherin’ny 14 000 ny tokantrano hisitraka herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohiatra any Toamasina. Mahatratra 2 732 Kwh ny vokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miampy rano. Miisa 77 ihany koa ny toeram-pitsaboana CSB hampidirana herinaratra avy amin’ny tetikasa LEAD ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana.
Miisa 25 ny tranoheva etsy amin’y zaridainan’Antaninarenina, mandray anjara amin’ny Tsenaben’ny Fromazy. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny Malagasy manjifa ny vokatra avy amin’ny ronono. Omen-danja ireo mpamokatra fromazy sy ny mpandraharaha madinika malagasy, eto afovoan-tany.
Miroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tonga eto Madagasikara ny orinasa Proximed LTD sy ny ERBA, manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Natolotra ny 10 sy ny 11 jolay teo, ny vina sy ny tanjona hoentin’ireto orinasa ireto. Iombonan’ireto orinasa ireto ny hampiakarana ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay zava-dehibe amin’ny toekarena ara-pahasalamana.
Anisan’ny nisongadina ny fampahafantarana ny zava-baovao, ny lafiny teknolojia hiaka farany amin’ny sehatry ny fitiliana ara-pahasalamana.
Nampahafantarina ny vokatra ERBA, ny lafiny teknika ary teo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo ekipa avy amin’ny Proximed LTD. Anisan’ny nitondra fanazavana nandritra ny fotoana ny orinasa Abbott, mahakasika ny fandrosoan’ny fitiliana marina amin’izao fotoana izao. Nifantoka tamin’ny tohitry ny VIH amin’ny fanafody, kosa, ny Thermo Fisher Scientific. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahana mamita ny fitiliana marina sy ara-potoana amin’ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Nanatrika teny an-toerana, ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr. Randriamanatany Zely Arivelo. Nambarany fa efa ampiasaina any amin’ny toeram-pitsaboana maro any amin’ny faritra ny fitaovana ERBA.
Njaka A.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao tany Sainte-Marie, ny alakamisy 10 jolay teo, ny fampiharana ny hetra TVA tataovana 20% amin’ny zana-bola amin’ireo mpindram-bola. Nanome toromarika anefa ny Filohan’ny Repoblika, fa tsy voakasiky ny fampiharana ity hetra ity ny olon-tsotra, mindram-bola ho an’ny fandaniana tsotra (crédit à la consommation) sy ny findramam-bola madinika na mikraofinansa.
Marihina fa efa nisy hatramin’izay ny tataon-ketra TVA 20%, saingy tsy nihatra. Satria nisy ny fepetra fanalefahan-ketra nanomboka ny taona 2006, ka izao naverina amin’ny laoniny izao. Misy ny fampahafantarana (circulaire) mamaritra ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, izay manan-kery avy hatrany taorian’ity fankatoavana nataon’ny filankevitry ny minisitra farany teo ity. Anisan’ny voakasik’ity hetra TVA ity ny findramam-bola ataon’ny orinasa, na ny mpampiasa vola. Angonin’ny banky ny hetra ary aloany any amin’ny fanjakana avy eo.
Njaka A.
Ils ont sorti le grand jeu, à la fois palpitant et spectaculaire à plus d’un titre. Yves Cédrick Rakotoarisoa et Lova Satamandimby Rakotoarisoa, Tiana Laurens Razanadrakoto, connu sous le sobriquet de « Tonnerre », ont mis dans le mille au Mondial la Marseillaise à pétanque. Une victoire magistrale et une véritable démonstration de force à la hauteur de leur réputation. Dorénavant, ils sont les boulistes à battre sur le boulodrome de la Marseillaise. Non seulement ils ont remporté le titre avec panache, mais sont également les premiers boulistes étrangers à triompher sur la plus haute marche du podium de cette affiche, pour la première fois en 65 ans.
C’est un sacré retour en force de Madagascar, privé de compétitions internationales pendant des années. Il suffit de voir les boulistes malgaches à l’œuvre, pour constater qu’ils n’ont pas perdu la main. Ils sont exacts au rendez-vous. Ce n’est pas pour rien qu’on surnomme Tiana Laurens Razanadrakoto, « Tonnerre » qui ne rate jamais ses cibles. Et ce n’est pas la bande à Quintais, des vieux loups de la pétanque française, qui va dire le contraire.
Les boulistes nationaux ont bousculé la hiérarchie française. Ils ont battu les légendes qui ont joué leur va-tout et essayé de faire parler leur expérience, pour renverser la vapeur. Mais quand la machine malgache est lancée, comme un coup de « Tonnerre », on ne peut plus l’arrêter. Leurs adversaires n’ont aucune chance de gagner, même les plus coriaces et redoutés.
Sûrement, on va encore entendre parler d’eux, notamment lors de la finale de la Passion Pétanque Française Tour (PPF), prévue se disputer au début de l’année 2026, rassemblant les élites mondiales. Une belle occasion de prouver encore que Madagascar est de retour et que Tonnerre et consorts, sont nés pour gagner et remporter une victoire d’anthologie.
Andry Rabeson
Le président Andry Rajoelina tend la main aux salariés de la Jirama. En marge de l’inauguration d’un parc solaire d’un mégawatt à Sainte-Marie, hier, le chef de l’Etat a annoncé la tenue d’une rencontre prochainement avec les employés et les syndicats de la compagnie nationale d’eau et d’électricité. Objectif : écouter leurs doléances et désamorcer une crise sociale qui couve depuis plusieurs jours.
«Nous allons recevoir les employés et les syndicats de la Jirama, pour entendre leurs préoccupations », a déclaré le chef de l’Etat. Il prône le dialogue pour identifier les dysfonctionnements internes et ouvrir la voie à des solutions durables. « Si vous avez des doutes ou des inquiétudes, je suis prêt à vous écouter et à vous expliquer la voie à suivre », a-t-il ajouté.
Andry Rajoelina appelle également à l’unité pour la relance de l’entreprise. Il encourage les agents motivés par l’amélioration des services, à se joindre aux efforts de redressement. « Ceux qui veulent s’engager pour redresser la Jirama, marchons ensemble », a-t-il lancé.
Le président met toutefois en garde contre les interférences extérieures. Il déplore certaines attitudes qu’il juge contraires à l’intérêt général. « Certains se laissent berner et manipuler. Ce ne sont pas nos alliés. Nous n’accepterons pas de telles interférences, pour nuire à nos efforts actuels », a-t-il averti.
Calmer les tensions
Cette annonce intervient dans un contexte tendu. Mercredi, les employés de la Jirama ont déclenché une grève générale, pour manifester leur rejet du nouveau statut de l’entreprise. Les syndicats craignent que ce changement porte atteinte aux droits du personnel et à la qualité des services pour les usagers.
Face à ce bras de fer, le ministre de l’Energie et des hydrocarbures, Olivier Jean-Baptiste, a décrété, dans un communiqué en date du 8 juillet, la réquisition générale du personnel du secteur. Cette décision intervient en réponse à un mouvement de grève qu’il qualifie de « menace à l’ordre public et à la paix sociale ». Le ministre rappelle que la fourniture d’eau et d’électricité constitue un « service public essentiel », dont l’interruption est inadmissible.
Un premier échange avec le ministre a toutefois permis d’apaiser la situation. Les employés ont repris le travail dès jeudi, dans l’attente de la rencontre annoncée par le président de la République. En se posant en médiateur dans ce dialogue annoncé, Andry Rajoelina cherche à calmer les tensions et à repositionner la Jirama sur une trajectoire de redressement.
Arh.
Hisitraka fotodrafitrasa maromaro ny ao Toamasina amin’ny fandaharanasa Padeve II. Anisan’izany ny fanamboarana ny Bazary kely, ny eo amin’ny lakandrano avaratra sy ny lakandranon’i Tanambao. Eo koa ireo lalana maromaro eo an-tampon-tanana sy ny “Boulevard de la marine”. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Frantsay, Gerard Larcher ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, omaly, tao Paris. Nivoitra tamin’izany fa misy ny mpanely tsaho any ivelany any. “Voafitak’ireo mpanome vaovao diso hikatsahana tombontsoa manokana ireo parlementera eorpeanina”, hoy ny Jly Ravalomanana.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny Ceni momba ny fifidianana loholona. Efa nanolotra tetiandro ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny amin’ny tokony hanaovana izany ny novambra izao. Andrasana koa ny filankevim-panjakana amin’ny didy famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ampolony.
Nahitsy ireo eo anivon’ny “Solidarite syndical – SSM”, fa tena tsy ampy ivelomana ny karama farany ambany. Ny taona 2018 : karama iray volana mahazo vary 100 kg. Taona 2025: karama farany ambany iray volana, vary 65 kg. “Tsy mifanaraka amin’ny sondro-bidim-piainana ny karama farany ambany : 268 000 Ar ho an’ny sehatra tsy miankina”, hoy izy ireo.
Herinandro vitsy sisa. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tany Ste Marie, ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45. Tapaka tamin’izany fa hanomboka ny 3 hatramin’ny 18 aogositra izany fivoriana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo izany. Nodinihina manokana ny famindram-pitantanana sy ny fahefana amin’ny fitantanana ny Sadc ka handraisan’ny filoha Rajoelina Andry izany, manomboka izao raha ny filohan’i Zimbaboe no filoha am-perinasa.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa efa miroso avokoa ny asam-baomiera eo anivon’ny kaomity mpitantana. Mbola ho avy rahateo ny iraka manokana hotarihin’ny sekretarian’ny Sadc hijery sy hanara-maso ny fanomanana faramparany, mialoha ny 3 aogositra.
Ankoatra izany, nankatoavina koa ny hampidirana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena ho ao amin’ny kaomity mpikarakara izao fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. “Handrafitra vaomiera parlemantera izy ireo hiandraikitra ny fandrindrana momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny Sadc, hanovana ny “Forum parlemantaire” ho parlemantan’ny Sadc”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Tsiahiviana fa mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampony izany. Anisan’ny natao farany teo ny tetsy Ampahibe ka nandinihana manokana ny fiarovana ireo delegasionina sy ny fepetra momba ny filaminana ankapobeny.
Synèse R.
Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”.
Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa tahaka izany. Tsy mivangongo eto an-drenivohitra ny sosialim-bahoaka, izay andrasan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. “Tsy Antananarivo irery i Madagasikara”, hoy ny fiteny mahazatra. Marina izany! Mila ny raimandreny mamangy ny zanaka ny mponina any ifotony.
Mba mahagaga ny fisian’ireo mpimenomenona sy manome tsiny ny fidinana eny ifotony tahaka izao. Lazaina fa fandaniana volam-bahoaka sy ny mpandoa hetra, hono? Olom-panjakana, mamita iraka ofisialy anefa izy ireny. Hafa indray raha toa ka hamangy fianakaviana, na handeha hiala sasatra manokana. Mendrika ny ho vangivangiana ny Malagasy tsy ankanavaka.
Porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny zava-drehetra tarihin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Fanatanterahana ny toky nomena ho an’ny mpifidy na ny tsy nifidy ihany koa. Tsy vitan’ny mitsidika fa mitondra voan-dalana sy mametraka tantara amin’ny fotodrafitrasa izy sy ny fitondrana izay tarihiny. Tsy azo atao ambanin-javatra velively ny ezaka efa natomboka sy vita ary, tsy maintsy hovitaina.
Etsy ankilan’izany, mitaky firaisankina amin’ny olom-pirenena rehetra anefa io. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mila fifanoloran-tanana na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy maintsy miara-mirona amin’ny olom-pirenena tsivakivolo ho an’ny fampandrosoana an’ity firenena malalantsika ity.
Tsy anjaran’ny filohan’ny Repoblika samirery, fa anjaran’ny vahoaka tsy mandady harona izany adidy masina izany. Ny rehetra mifanome tanana no hanatrarana ny tanjona faran’izay aingana.
r.r
Hifarana anio, etsy amin’ny orinasa Ultima Media, Antanimena, ny fampiofananana mpanao gazety ara-panatanjahantena. Miisa sivy mianadahy, roa vavy sy enin-dahy, avy amin’ ny orinasa mpikirakira vaovao samihafa no manatrika izany. Samy nilaza ny mpiofana fa zava-dehibe tokoa ity fiofanana ity satria miompana amin’ ny resaka niomerika sy fanentanana ireo mpanao gazety hiroso amin’izany sehatra izany ny fiofanana.
Araka ny fanehoan-kevitra azo avy amin’ireo mpandray anjara, efa resy lahatra avokoa izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny vaovao hampitaina amin’ny fomba niomerika ity. Eto Madagasikara, ny tambajotran-tserasera Facebook dia fomba mora sy tsotra hahafahan’ny maro mizara ny vaovao, saingy noresahina nandritra ny fiofanana fa misy amin’izy ireny, tsy manaraka ny fenitra takin’ny asa fanaovan-gazety ka tokony hitandreman’ireo mpamaky. Naharitra herinandro teo ny fiofananana, ary mikarakara ny hetsika ny Média Francophones sy ny Geppim. Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy an’ity fiofanana ho an’ny mpanao gazety mikirakira vaovao an’ ny tontolon’ny fanatanjahantena ity tamin’ny taon-dasa.
Tokony hataon’ny gazety an-tsoratra
Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny, niezaka nifampizara ireo tokony hataon’ny gazety an-tsoratra ireo mpiofana sy ny mpizara traikefa. Anisan’ny tena nahaliana tamin’izany, ny fanovana ny endriky ny vaovao aseho amin’ny gazety, ny vaovao izay zaraina ao anatin’izany. Tsy izay ihany, fa nanome torolalana amin’ny fandrakofana ireo lalao goavana toy ny fifaninanana nasionaly taranja baolina kitra sy ny fomba tsotra famoahana ny fiainan’ny mpilalao, entina hisarihana ireo mpamaky, ny mpitarika ny fiofananana.
Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao rehefa mitrandraka vaovao eny anivon’ireo sehatra ambony toy ny rafitra federaly, ny ligy, ny klioba, ny ekipam-pirenena.
Nilaza ny heviny ireo mpanatrika
Rasanda Serge, filohan’ny fikambanana mpanao gazety ara-panatanjahantena UJSM, teo aloha :
Efatra andro izay no vita, maro ny zavatra noresahina, saingy ny teboka hitako tena nampiavaka izany, ilay famelabelarana miendrika fanentanana amin’ny firosohana ny gazety an-tsoratra mankany amin’ny ana habaka « en ligne ». Marihina fa tsy azo ialana intsony ity sehatra iray ity, aoriana kely eo satria somary mila volabe kokoa ny an-tsoratra noho ny amin’ny tambajotran-tserasera. Ary efa betsaka ireo orinasa mahatsapa sy mihezaka miditra amin’ity sehatra nomerika ity.
Nohamafisiny hatrany fa ny fivoaran’ny teknolojia, mampirisika ny tsirairay hiditra amin’ity fomba fiasa vaovao sady tsotra ity.
« Efa hita amin’izao fotoana izao, fa efa mivelatra ilay izy », hoy hatrany ity mpikirakira vaovao iray eto Madagasikara ity.
Tsara ny mampahafantatra fa mpanao gazety iray efa voky traikefa, amin’ity asa ity, Rasanda Serge. Efa nanao ny fandrakofana ny fifaninanana iraisam-pirenena maro izy, toy ny Lalao Olympika, tany Paris 2024, ny Londres 2012 ary ny Pekin 2008. Ny taona 2003, efa nizara ny vaovao nandritra ny lalao Afrikanina, tany Nigeria, sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tanin’ny Taekwondo, natao tany Greece, ihany koa izy.
Fitia Randria na Randriamamonjy Fitia Valiniaina, mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena amin’ny gazety Taratra :
Maro ny lesona azoko notsohaina tamin’ity fiofanana ity, ary azoko entina ho anjara biriky hampandrosoana ity asa ity izany. Mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka ny tenako, ary efa mahatsapa sahady aho, fa ilaina tokoa ny fiofananana tahaka izao, indrindra mahakasika ny niomerika. Efa maro dia maro moa ireo olona misehatra amin’ny fampitam-baovao amin’ireny tambajotran-tserasera ireny, saingy misy amin’izy ireo no tia mizarazara fahatany fotsiny .
Ankoatra izay, mbola manantena ny tenany, fa samy hiroborobo avokoa na ny gazety an-tsoratra na ny nomerika, rehefa miampy hatrany ny fiofanana tahaka izao. Manentana ireo namana, mba hanatrika ny fiofanana tahaka izao, satria zava-dehibe ny manampy ny traikefa indrindra amin’ity asa fanaovan-gazety ity.
Nanatontosa : Fitia Randria
Mpandraharaha tanora maherin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha. Hisy hetsika fampahafantarana sy “hackathon” ho an’ny tanora maherin’ny 2 800 isa, hanohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha miisa 600. “Dingana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ITovia ity fiaraha-miasa amin’ ny MDE ity, entina hananganana tontolon’ny fandraharahana mirindra sy maharitra eto an-toerana”, hoy ny tale jeneraly ny EDBM, Rafidy Josielle. Lehibe amin’ny fanohanana ny vehivavy sy ny ady amin’ny tsy fitoviana ara-pananahana ity tetikasa ITovia tohanan’ny AFD ity, izay mitentina 100 000 euros. “Manamafy ny fandraisana anjara ara-toekarena ity fiaraha-miasa amin’ny EDBM ity. Miaraka amin’ny fanohanan’ny AFD, afaka manitatra ny asanay izahay”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny MDE, Ranoarivony Seheno. Miantefa kokoa amin’ ny tanora mpandraharaha vao manomboka misehatra ny asa ataon’ny MDE, izay naorina tamin’ny 2022, tohanan’ny masoivohon’i Frantsa. Nomarihiny fa, “ahafahanay manitatra bebe kokoa ny asa fiahiana ara-toekarena io fiaraha-miasa io”.
Henintsoa
Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa 11 ora isaky ny mpiasa. Tanjona ny hampivoarana ny fahaiza-manao sady mitondra vokatra maharitra. Ankoatra ny fampiofanana, manokana fampiasam-bola entina hanavaozana ny fitaovana indostrialy enti-mamokatra isan-karazany ihany koa ny Star. Natao izany mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra ho an’ny mpanjifa.
Ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, hitazonana ny herijika ara-toekarena. Satria, mampitombo ny famoronan’asa sy manamafy ny fahaiza-manao eto an-toerana takin’ny vaninandro ankehitriny. Hitondra fivoarana ho an’ny toekaren’ny firenena sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto amintsika.
Njaka A.