Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy hatrany, amin’ny famaranana, ny ekipa mpifanandrina aminy, ny Squad izany. Tetsy ankilany, nizotra araka ny tokony ho izy kosa ny lalao teo amin’ny GNVB sy ny Asi, ka nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny Zandary, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-20/25-21). Araka izany, ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad no hiatrika ny famaranana, anio, ho an’ny sokajy vehivavy. Hatramin’izao, mbola tsy nilaza mahakasika ny hanatanterahana na tsia ny famaranana, anio, ny eo anivon’ny federasionina. Anio no hanaovana izay famaranana izay, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.
Mi.Raz
Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, Lilongwe, ny lalao savaranonando miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Hanafika ny Silver Strikers Malawi ny Elgeco Plus Madagasikara. Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, herinandro lasa izay, nandritra ny fihaonana mandroso natao tatsy Maurice. Ity izany no lalao tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta.
Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy ny mpilalaon’ny Elgeco Plus ary efa nizatra ny toe-tany sy ny toetr’andro any an-toerana. Salama tsara daholo, araka ny fampitam-baovao, ireo mpilalao rehetra. Ambony ny toe-tsaina, hoentina miatrika ity fihaonana ity. Manana tombony aloha ny Silver Strikers, noho izy ireo hilalao eo an-kianjany sy manoloana ireo mpomba azy, amin’ity. Na izany aza, any amin’izy ireo ny tsindry. Hilalao malalaka kosa ny Elgeco Plus ka afaka hamelatra tsara ny lalaony.
Nandritra ny fanazarantena, nohamafisina ny fiarovantena. Nezahina nohatsaraina ihany koa ny fanafainganana ny fanafihana miainga eo afovoan’ny kianja. Torak’izany koa ny filalaovana amin’ireo helatra havia sy havanana. Natao, araka izany, koa ny famonoam-baolina. Hanova paikady ihany koa ny Elgeco Plus, amin’ity fa tsy hampiasa izay efa natao tamin’ny lalao mandroso.
Teo amin’ny lalao ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf indray, niondrika teo anatrehan’ny Club Ferroviario de Maputo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny AS Fanalamanga. Lalao notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja Campo da ABB. Tapitra hatreo izany ny dia ho an’ny AS Fanalamanga amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 koa ny roa tonta, teo amin’ny fihaonana voalohany, natao tany Mozambique ihany.
Tompondaka
Na tafiditra tao anatin’ny fivelarana lehibe aza…, noho ny zava-misy eto amin’ny firenena, miato aloha ny “Madajazzcar Festival”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika, miato avokoa. Nampanantena kosa ny hiverenan’ny fandaharam-potoana amin’ny laoniny izy ireo amin’ny fotoana maha mety izany. Marihina fa iray amin’ireo hetsika kolontsaina iraisam-pirenena mahasarika tanora malagasy maro ny “Madajazzcar Festival”. Antony iray nandrisika ny mpikarakara hanohy hatrany ny ezaka efa natao hatramin’izay.
Raha tsiahivina, ity andiany faha-36 ity no tena nahitana fivelarana lehibe. Tanàn-dehibe 4 no nanatanterahina ny « Tremplin Madajazzcar ». Vahiny mpanakanto maro no handray anjara. Mpitendry jazz, manana traikefa matanjaka, no nitondra ny fiofanana ho an’ireo tanora manan-talenta sy liana amin’ny fitendrena.
Fantatra fa anisan’ny tia jazz ny Malagasy, raha ny fanadihadian’ny mpitia mozika. Iray amin’ireo tanora manana mpitendry jazz indrindra ihany koa. Midika ho fananana hoavy mamiratra eo amin’ity zavakanto iray ity.
HaRy Razafindrakoto
Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, izay niitatra hatramin’ny “tie break” mihitsy. Mbola tany amin’ny seta voalohany dia efa niady ny lalao, ka azon’ny AMVB izany, tamin’ny isa 29 no ho 27. Anisan’ny nahazoan’ity ekipa herijika ny fidiran’i Jessie sy i Lanto ka mbola nahazoany ihany koa ny seta faharoa, tamin’ny isa 25 no ho 23. Nitsimbadika anefa ny vokatra nandritra ny seta fahatelo sy fahefatra izay norombahin’ny Bi’As ka nitondra ny lalao ho amin’ ny “tie break”. Noho ny traikefa nananan’ny AMVB, nivoaka ho mpandresy izy ireo tamin’ ity “tie break” ity, tamin’ny isa 15 no ho 9. Tetsy ankilany, nivoaka ho mpandresy mazava, tamin’ny seta 3 no ho 0, nanoloana ny mpifanandrina tamin’ireo ekipa vehivavy 3 ambiny. Raha ny fandaharam-potoana anio, hifandona eo amin’ny manasa-dalana voalohany, eo amin’izay sokajy vehivavy izay hatrany, ny GNVB sy Asi, ny Squad ary ny AMVB kosa no hifandona amin’ny manasa-dalana faharoa.
Mi.Raz
Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny andiany faharoa kosa ny 7 ka hatramin’ny 11 oktobra 2025.
Tsiahivina fa efa nandray ity fifaninanana ity ny Malagasy, tamin’ny taona 2022. Firenena maro andrarezina amin’ny sokajy zandriny no ho avy handray anjara amin’izany. Anisan’izany ny Afrikanina Tatsimo, ny Egyptianina, i Zimbabwe sy i Kenya. Mbola andrasana ihany koa ireo firenena hafa. Mety hifaninana amin’ity koa ry zareo maorisianina. Hanana ny lanjany tanteraka ity fihaonana ity, satria sady fakana isa ho an’ireo mpilalao zandriny no hahazoana traikefa. Ny tsy fahampian’ny fihaonana iraisam-pirenena hidonana amin’ireo mpilalao efa manana ny toerany eto Afrika mantsy no lesoka ho an’ireo Malagasy mpilalao zandriny.
Tompondaka
Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots.
Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny “XXL Top 12”. Handray izany fifaninanana izany ny Kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa 3 no voalahatra ka anisan’ny dona andrasan’ny mpankafy ny an’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots (Besetroka).
Lalaon’ny kartie sy boaty mantsy izy ity. Ny Cheminots ekipa vao niakatra avy any amin’ny Top 20. Hangotraka tokoa, araka izany, io fihaonana io. Anatihazo efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny fahaiza-manaony. Manana mpilalao feno traikefa ary matanjaka. Ny Besetroka ihany koa tsy ambaka izany. Misy mpilalao tanora ary mavitrika. Milalao ao amin’ny “demi” izy ireo. Izay tsy ampy kotrana izany no ho resy amin’ ity.
Ankoatra izay, hidona amin’ ny FTM Manjakaray ny 3FB Fahasalamana. Klioba roa efa diso mifankahalala tsara. Hanala vela amin’ity ny ekipan’ny Fahasalamana izay ao anatin’ny fanamboarana ny mpilalao ao aminy amin’izao fotoana izao. Manatombo amin’ ny fahaizana sy ny traikefa ry zareo Manjakaray saingy tsy hitsangana fotsiny ny 3FB fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny farany.
Hifampitana koa etsy an-kilany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Tsy vao izao akory ny roa tonta no hifandona fa efa hatry ny ela. Raha tamin’ny fihaonan’ny roa tonta, mbola tsy nandresy Cosfa mihitsy ny Mang’Arts. Eto izany ny valinadin-dry zareo Manjakaray ka ho hita eo izay ho fizotrany ny lalao.
Hanokatra ny lalao, ny maraina, ny sokajy D1 vehivavy. Hifanandrina ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika.
Tompondaka
Niova ho adiny 3, indroa miantaona, ny delestazy ao amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Izany hoe, tafakatra adiny 6 ny adiny
4 ora sy sasany, teo aloha. Vao manomboka anefa ny haintany, ary azo antoka, fa ho mafy kokoa hatrany ny fanapahana ny herinaratra. Anisan’ny antony mahatonga ny hetsika ataon’ny vahoaka ny fahataoahan-jiro sy ny rano, izay efa lasa lavitra tokoa ny toe-draharaha.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Baobab Three Mahajanga, ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly, andiany faha-3, ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara. Natao handrindrana sy hanomezan-danja bebe kokoa ny vina izay voafaritra ao amin’ny politika nasionaly misahana ny fiarovana ireo karazan-javamananaina izany.
Azo atao ny manao fianaran-draharaha (stage) ao amin’ny sampana Fadintseranana Malagasy. Misy ny sivana ilaina, amin’ny alalan’ny fametrahana anaty antontan-taratasy izay apetraka ao amin’ ny sampandrarahan’ny Ladoany etsy Tsaralalàna. Ankoatra ny sivana amin’ny antontan-taratasy, hisy avy eo ny fanadihadiana am-bava.
Tsy andraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) irery ny fiarovana ny tontolo iainana. Iarahan’ny rehetra mifarimbona ny ady amin’ny fanimbana azy, satria, anisan’ny antony mahatonga ny doro ala sy ny doro tanety, ny fambolena ataon’ny olona. Mora mahazo vahana anefa ny afo amin’izao vanim-potoan’ ny maintany izao.
Manoloana izany, tsy misy afa-tsy ny fanentanana ny mponina eny ifotony no hany vahaolana. Anisan’izany ny natao tany amin’ny kaominina Miarinarivo sy Vavatenina. Nomena fampiofanana manokana ny Vaomieran’ny afo (VNA), mahakasika ny teknika fambolem-bary tsy mampiasa afo. Tanjona ny hanapariahana ity teknika ity any amin’ny tantsaha mpamokatra.
Ankoatra izay, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny VOI Agnalave Miray Hina any amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny bokin’ andraikitra mirakitra ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary azo havaozina any amin’ny faritra arovana Angavo. Voakasik’ity hetsika ity ny fokontany enina ao amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, mitambatra ao anatin’ ny VOI Agnalave Miray Hina. Vonona tanteraka izy ireo hitantana maharitra ny harena voajanahary any amin’izy ireo avy.
Njaka A.
Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka anisan’ny goavana tamin’izany ny nahazoana ny amboara teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy miaraka “mixte” nisy an’i Lova sy i Fana. Ankoatra izay, nandrombaka amboara maro tany France ihany koa toy ny Mondial La Marseillaise, nahitana an’i Tonnerre sy i Yves ary i Lova.
Nanambara ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy, fa afapo tamin’ny vokatra azon’ireto mpilalao ireto ary nampiaiky an’izao tontolo izao ny zava-bita satria nandresy ireo kalazalahy frantsay, tao an-taniny nandritra ny “Masters 2025” izy ireo. Tsiahivina fa laharana faharoa ny Malagasy, tamin’io fifaninanana io.
Tsy mbola nody kosa ny vehivavy fa nitodi-doha any France, taorian’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie. Mbola hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho azy ireo mantsy ry zavavy. Fihaonana hatao any Douaisis, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Tita sy i Fana ary i Hasina sy i Marinah.
Tompondaka
Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena manaraka.
Nisongadina indray ny ekipan’ny Real Madrid, afakomaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra. Nahazo fandresena 4 no ho 1 teo anatrehan’ny Levante indray izy ireo ary nahatafiditra baolina betsaka indrindra tamin’izany, i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharan’ny Real Madrid.
Raha ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, maratra mafy eo amin’ny lohaliny i Gavi, espaniola milalao ao amin’ny klioban’ny FC Barcelone. Nilaza ny dokotera nitsabo azy fa tena potika tanteraka ny lohalin’ity mpilalao ity, ary ahiana ho volana maro izy no tsy afaka hilalao sy hiakatra an-kianja.
Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsy ho mpilalaon’ny Ajesaia intsony, araka izany, i Feno, mandritra ny taom-pilalaovana manaraka eo. Tsara ny mampahafantatra fa ankoatra an’i Fenohasina, ahitana an’i Nicolas, vodilaharana afovoany ihany koa ao amin’ny klioban’ny Al Merrikh SC. Nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea ihany koa moa i Nicolas.
Andrasana ny fanambarana ofisialy avy amin’ny klioban’ny Ajesaia. Ampahatsiahivina ihany fa efa nandalo tao amin’ny klioban’ny Elgeco Plus PFL, i Fenohasina, ary tamin’ny farany teo, niverina nanatevina ny Ajesaia, ary izao efa milaravinahitra any Soudan izao.
Fitia Randria
Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara.
6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no hifaninana ka hananan’i Madagasikara solontena avokoa. Eo amin’ny U14, Rabarison Ny Andolalaina Fitia Noah, Tojomalala Sombin’Aiko (Guest) ary Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra no handray anjara. Andrianarivony Sitraka Irvin Keynnan sy Lalasoa Miarana Irinah kosa no hifaninana eo amin’ny sokajy U16. Ilay mpilalao échecs vao nandrombaka ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, farany teo, Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana, kosa no solontena malagasy eo amin’ny sokajy U18, amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Albanie ity. Na dia efa fantatra aza ireto solontena malagasy ireto, mbola miantso fanohanana hatrany ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Vonona ny hiady ho fanandratana avo ny sainam-pirenena malagasy izy 6 mianadahy ireto ka misokatra sy mandray izay fanohanana sy fanampiana avy amin’ny malala-tanana rehetra. Atleta voatsonga tamin’ny fifaninanana nasionaly avokoa izy ireo ka manana ny vintana hahazo vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa mbola manana solontena malagasy eo amin’ny sokajy U10 sy U12 i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity, miatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets. Mbola ao anatin’ny fifaninanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao, izay haharitra hatramin’ny 30 septambra.
Mi.Raz
Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana sy arakasa ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, tao amin’ny toeram-piasany Andohalo, omaly ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny masoivohon’i Inde. Nitarika izany ny Kly Devashish Dikshit, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Voaresaka tamin’izany ny fanatsarana ny fifandraisana ara-tafika misy eo amin’ny roa tonta manoloana ireo ambana marolafy, indrindra eo amin’ny fanomanana ireo miaramila. Tamin’izao fitsidihana izao no nanoloran’ireto vahiny amin’ny fomba ofisialy ny fanasana avy amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika indianina ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika Malagasy hanatrika ny fivoriana karakarain’ny Firenena indianina hiombonan’ireo firenana manana iraka ho an’ny fandriampahalemana maharitra, «Maintien de la paix», eo ambany fiahian’ny Firenena mikambana.
Jean Claude
Manan-karena voly sy vokatra maro samihafa i Madagasikara. Anisan’izany ny voatabia izay mitondra hery sy fahasalamana ho an’ny vatan’olombelona. Legioma manan-karena otrikaina sy manome vokatsoa ara-pahasalamana maro ihany koa izy. Tsy vitan’ny hoe manome tsiro amin’ny sakafo isan-karazany fotsiny izy, fa misoroka aretina sy mampatanjaka ny vatana ihany koa. Mitondra tombontsoa maro ny fihinanana voatabia. Ahitana otrikaina maro samihafa, toy ny antioxidant, kalsioma, rano, fibra, vitamina sy ny maro hafa. Ahitana otrikaina 18 kcal ny vaotabia 100 grama. Manodidina ny 3.9 g ny gliosida, 0.9 g ny proteina, 0.2 g ny lipida, 1.2 g ny fibra ary 94% ny rano ao anatiny.
Manan-karena «lycopène» sy «antioxidant» ny voatabia masaka. Miaro amin’ny fahasimban’ny sela ao anatin’ny vatana izy noho izany. Mampihena ny tahan’ny homamiadan’ny nono sy ny prostaty ary miaro amin’ny aretim-po ihany koa. Ahitana potasioma sy vitamina C ny voatabia, izay manampy amin’ny ady amin’ ny tosidra, mahatsara ny
asan’ny fo ary manadio ra. Ahitana vitamina A, C, ary E ihany koa ao amin’ny voatabia, manatsara ny hoditra sy mampihena ny kentrona izany. Ankoatra izay, manan-karena vitamina C ihany koa, mampitombo ny hery fiarovan’ny vatana sy miaro amin’ ny gripa sy ny sery. Etsy ankilany, manatsara ny maso sy ny fahitana ihany koa izy io, noho ny fananany otrikaina vitamina A betsaka. Etsy andaniny, ahitana fibra ihany koa ao amin’ny voatabia, manampy sy misoroka amin’ ny fitohanana mety hahazo ny olona. Misoroka ny aretin-kibo ihany koa izany.
Manan-danja ara-toekarena
Sakafo fototra eo amin’ny fandrahoana izy io. Vokatra manan-danja eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy sakafo ihany koa. Maro ny faritra mamokatra voatabia eto amin’ ny Nosy. Anisan’izany ny any amin’ny faritra Vakinankaratra. Faritra mamokatra voatabia betsaka indrindra eto Madagasikara izy noho ny toetr’andro mangatsiaka. Azo atao ny manao karazam-pambolena isan-karazany, toy ny eny amin’ny zaridaina, fambolena an-tanàn-dehibe… Faritra faharoa mamokatra izany ny ao Itasy, toy ny ao Miarinarivo, Arivonimamo ary Soavinandriana. Ankoatra izay, mamokatra ihany koa ny eto Analamanga. Ahitana izany ny any Ambohidratrimo, Ankazobe, ary ny faritra manodidina ny Renivohitra. Ny toetr’andro, karazan-tany, fahampian-drano, ary ny fanatsarana ny fombam-pambolena no mahatsara ny vokatra.
Mety hahatonga aretina samihafa ihany koa
Mety hisy voka-dratsy ho an’ny vatan’olombelona ihany koa ny fihinana voatabia diso tafahoatra. Anisan’izany ny fikorontanan’ny fandevonan-kanina. Mety hiteraka «reflux acide» na aretin’ny vavony sy tsinay ny fihinana voatabia be loatra. Mety hahatonga aretim-pivalanana na fitohanana ho an’ny olona sasany ihany koa izany. Ankoatra izay, mitarika amin’ny aretin’ny taolana na ny vanin-taolana (goutte) ihany koa izany. Toy izany koa ny aretin-koditra na allergie. Mety hiseho amin’ny endrika mangidihidy na fivontosana, na fanaviana izany. Ilaina, araka izany, ny fihinana voatabia amin’ny antonony mba hisorohana ny aretina hafa.
Maro ny fomba fihinana azy
Maro karazana ny fomba fihinana ny voatabia. Azo atao salady, na andrahoana atao amin’ny laoka ary azo atao ranom-boankazo ihany koa. Tsara kokoa ny mihinana voatabia manta atao salady. Ampiarahana amin’ny tongolo gasy na tongolo mena sy menaka oliva ary voasary makirana na vinaingitra. Mbola voatahiry tsara ny vitamina C ao anatiny amin’izay. Raha misafidy ny hihinana voatabia masaka indray, mety afangaro amin’ny laoka, atao saosy na lasopy. Hohanina mafana ny tsara aminy satria manampy amin’ny famoahana anti-oxidant izany, manampy betsaka amin’ny ady amin’ny aretin’ny fo, miady amin’ny aretina homamiadana. Ankoatra izay, raha misafidy ny hamadika ny voatabia ho ranom-boankazo indray, manampy betsaka amin’ny fanadiovana taova toy ny fo sy ny voa ary ny aty ihany koa ity fomba iray ity. Tombontsoa entiny amin’izany ny fampitomboana ny hery fiarovana, miady amin’ny fahasemporana ihany koa. Tsara kokoa ny hisotroana izany maraina alohan’ny sakafo. Ankoatra izay, azo atao koa ny mihinana voatabia asiana menaka ary atono amin’ny afo. Mitahiry otrikaina maro io karazana fahandro iray io.
Nanatontosa : Mino
Mihazakazaka ny tsenan’ ny fiara elektrika eto Madagasikara. Tao anatin’ny roa taona, ny Océan Trade sy ny Continental Auto, ao amin’ny Groupe Viseo, no nitondra marika fiara elektrika maro sy be indrindra. «Fiara elektrika 15 no natolotra ny mpanjifa tao anatin’ny iray volana sy tapany», hoy ny tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ ny Océan Trade, Rakotohasimbola Thierry, omaly, teny Andraharo, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika «Viseo Motor Show». Miditra amin’ny andiany faharoa ny «Viseo Motor Show» amin’ity taona 2025 ity. Hotontosaina ao amin’ny Galaxy Village Andraharo, ny 4 hatramin’ny 12 oktobra. Hisokatra ho an’ny rehetra, mpanjifa sy tsy mbola mpanjifa. Tanjon’ny Vondrona ny hampahafantatra ny vokatra sy hanolotra fihenam-bidy goavana. Tsy fiara ihany no ho hita fa ao koa ny kojakoja momba ny fiara, ny fitaovana maro isan-karazany, eny fa na hatramin’ny fitaovana ilaina amin’ny fanorenana aza, sy ny angovo azo avy amin’ny masoandro. «Manomboka amin’ny 10 % ny fihenam-bidy ary misy safidy fanamorana ny fividianana», hoy hatrany ny mpikarakara.
Fanomezana lehibe
Nanamafy Rakotohasimbola Thierry fa «Mividy fiara elektrika telo dia mahazo iray maimaimpoana ny mpanjifa». Hisy tombola lehibe ihany koa rehefa hifarana ny hetsika. Hampiseho fiara vaovao sy vokatra tsy mbola hita hatramin’izay ny “Viseo Motor Show”. Hetsika goavana, hoy ny mpikarakara, satria tsy hoe varotra ihany no tanjona fa fampahafantarana ny fomba fijery vaovao momba ny fivezivezena sy ny teknolojia eto Madagasikara ihany koa.
Henintsoa
Hotanterahina ny 25 septambra ho avy izao ny andro hankalazana ny Ranomasina. Ny lohahevitra entina amin’izany dia ny hoe : “Ny fanasongadinana ny anjara toeran’ny ranomasina sy ny ranomasimbe eo amin’ny toekarena manerantany”. Satria ny 80% ny varotra iraisam-pirenena dia miampita ranomasina avokoa. Mandritra ny 4 andro, hisy ny asa ataon’ny Afafi-Nord ho fanohanana ireo mpanjono. Fandaharanasa vatsian’ny Vondrona eoropeanina ao Analanjirofo.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 15 septambra lasa teo, ny Unité de traitement d’eau potable ao amin’ny fokontany Ambodisaina, distrikan’i Toamasina II. Nandritra ny lanona dia nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana ODF (Open Defecation Free) ity fokontany ity, amin’ny lafiny fahadiovana. Natao ihany koa ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny tovovavy miisa 60 izay nianatra manokana momba ny fahaleovantena ara-toekarena.
Mbola mitohy hatrany ny hetsika fampiofanana momba ny fampiroboroboana ny asa eo amin’ny toekarena manga, amin’ny alalan’ny famokarana anaty rano, ho an’ny faritra Analamanga. Hotontosaina ny 25 septambra ho avy izao izany, eny amin’ny biraon’ ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), etsy Ampandrianomby.
Notanterahina, afakomaly, tao New York, Etazonia, ny fifanakalozan-kevitra lehibe momba ny fanjonoana krill any amin’ ny ranomasina manodidina an’i Antarktika. Ity hetsika ity izay natao tao amin’ny Goals House, Tavern on the Green, ary nokarakarain’ny fikambanana Antarctica Avengers, nahitana mpikaroka avy amin’ny firenena samihafa sy ny mponina any amin’ny fari-dranomasina atsimo.
Mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary maneho ny fanohanany ny ady amin’ny fanjonoana ny krill i Madagasikara. Ampahafantarina ihany fa anisan’ny foto-tsakafon’ny biby an-dranomasina ny krill. Izy no sakafo voalohan’ireo trozona lehibe mandalo sy miteraka ao amin’ny ranomasimbe Indianina.
Any amin’ny faritr’i Antarktika ihany no misy azy, ka izany no mampanan-danja azy amin’ny fitohizan’ny fiainan’ireo biby maro anaty rano. Raha lany tamingana izy io dia tandindonin-doza avokoa ny trozona sy ny taranany. Araka ny fanambarana, ny fiarovana ny krill dia midika ho fiarovana ny trozona sy ny lova voajanahary izay manome laza ny firenena sy zava-dehibe ho an’ny taranaka hoavy.
Fitia Randria
Andry iankinan’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny VOI. Manoloana ny fandikan-dalàna, havaozina ny lalàna miaro azy ireny.
Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 28 septambra 2025 izao ny «Herinandron’ny VOI» (Vondrona Olona Ifotony). Manerana ny Nosy ny fankalazana, ka samy hanana ny fandaharam-potoany avy izy ireo. Lohahevitra noraisina amin’ity andiany faharoa ity, ny hoe : «VOI, fototra sy andry iankinan’ ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary azo havaozina». Nambaran-dRamatoa talen’ny Faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina sy ny rohivoahary (DAPRNE), Ratefason Tojotsara, fa natsangana ny VOI satria izy ireny no tena miaina eny ifotony amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Voafaritra anaty bokin’andraikitra ny asan’izy ireo, toy ny fanaovana fitsirihana sy fanaraha-maso ny fanarenana ny toerana, toy ny ala simba, ohatra, satria misy ny drafi-panajariana mazava, mamaritra ny faritra arovana. Afaka mampiasa ny zo nentim-paharazana, toy ny fakana hazo hanaovana trano, ny fakana fanafody nentim-paharazana, sns. Misitraka ihany koa ny fanohanana avy amin’ ny mpiara-miombon’antoka ny VOI, indrindra ny tolotra ara-boajanahary toy ny loharano maharitra.
Nomarihin-dRamatoa Tale (DAPRNE) fa eo am-pamolavolana izao ny lalàna vaovao mifehy ny fiarovana azy ireny manoloana ny fandikan-dalàna samihafa momba ny fanimbana sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary.
Anjaha Ambalavao
Miisa 1 576 ny VOI manerana ny Nosy, mitantana faritra arovana mitotaly 3,432 tapitrisa ha.
Anisan’ny ohatra tsara ny any amin’ny valanjavaboahary Anjaha, distrika Ambalavo, faritra Matsiatra Ambony. Tsy manana mpamatsy vola intsony ny VOI mitantana azy fa mahaleotena tanteraka amin’ ny fitantanan-draharaha amin’ ny alalan’ny vola miditra avy amin’ny fizahantany.
Njaka Andriantefiarinesy
Somary ratsiratsy ny vokatra azon’ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana ho an’ny tsirairay, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny taranja hazakazaka am-bisikileta, izay tontosaina any Rwanda. Laharana faha-47 amin’ireo 55 nandray anjara, i Amédé Houlder Mohamed. Nambarany, omaly, fa tena sahirana tanteraka ny tenany, noho ny tsy fitovian’ny fitaovana eo aminy sy ireo mpifanandrina aminy.
Nohamafisiny hatrany fa raha ampy tsara ny fanohanana sy ny fitaovana nentina niatrika ny fifanintsanana, mety ho tsaratsara kokoa ny vokatra. « Izay aloha no vita! Mba nahavita ireny aloha isika, mino aho fa tsara mihoatra lavitra noho ireny ny vokatra raha ampy ny fanohanana sy ny fitaovana», hoy i Mohamed Houlder Amédé, Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta.
Nambarany fa lojika tanteraka io vokatra io, raha ny fahitany ny zava-misy, saingy nahazo dera tamin’ny mpikarakara ihany ny Malagasy tamin’ny nahazoana io laharana io, amin’izao fifanintsanana iraisam-pirenena izao. Tsara ny mampahatsiahy fa sambany teo amin’ny tantara no nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka izao
.
Fitia Randria