Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy

Les Nouvelles - mer, 07/23/2025 - 07:23

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery.
Norao­fin’ireo olon-dratsy koa ny finday izay mbola nisy vola 30 tapitrisa Ar. « Mpiray tanàna amin’ireo voatafika ihany ireo voasambotra », hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny tobim-paritra ao Mananara Avaratra. Naratra mafy, voa teo amin’ny lohany, ilay raim-pianakaviana ary vaky ra koa ny vadiny noho ny daroka nataon’ireo mpandroba. Ni­roso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra. « Nan­dray anjara mivantana tamin’io tranga io ny lehilahy iray izay tokony mbola hamita sazy any am-ponja », hoy ny mpanao famotorana. Namono saingy tsy nahafaty ireo mpivady ireo olon-dratsy. Ankoa­tra io lehilahy io, vehivavy miisa telo, mpiray tsikombakomba aminy sy lehilahy iray hafa niara-notanana vonjimaika.
Mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy izy ireo. Mitohy ny fikarohana olona roa hafa izay voatonona anarana. Marihina, manaraka fitsaboana ireo lasibatra nandritra ity fandrobana niampy fandratrana olona tao Mananara Avaratra ity.

Tsiferana R.

Catégories: National

Raharaha Ambohimalaza : Nalaina am-bavany ny fianakavian’ireo maty

Les Nouvelles - mer, 07/23/2025 - 07:23

Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny marina momba ny tranga nahafaty ny zanak’izy ireo. Hitohy anio ny fihainoana ny fianakaviana hafa. Manoloana io tranga io, fantatra fa misy mpisolovava vitsivitsy nanolo-tena hanampy ireo solontenan’ny fianakavian’ny maty hitaky ny rariny momba ity raharaha ity. Tsiahivina, niroso tamin’ny fakana am-bavany voalohany an’i Fenohasina ny solontenan’ny mpanao fanadihadiana ka natao teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izany, ny harivan’ny alatsinainy 21 jolay teo. Nandrasan’ny maro fatratra ny hahatongavan’ity farany sy ny reniny teny anivon’ny fampanovana, omaly, saingy tsy nahazoam-baovao ny momba izany.

Tsiferana R.

Catégories: National

Judo: Nahazo tsodrano tamin’ny MJS i Laura

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 08:01

Toy ny taranja hafa, anisan’ny nisitraka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny taranja Judo, tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam d’Oulanbator” any Mongolie, ny 26 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny hateloana ataon’i Laura aorian’ny fifaninanana, ny 28, 29 ary 30 jolay izao. Nisy ny fanohanana ara-bola nomen’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy hiatrehana izany fifaninanana iraisam-pirenena iza­ny. Nambaran’ity Judokas ma­lagasy ity fa azo lazaina ho milamina ny hoenti-manana hatreto. Satria, efa niantohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Judo ny saran-dalana ary izao mitondra ny fanohanana sy fankaherezana izao ihany koa ny fitondram-panjakana, izay notolorany fisaorana.
Mahakasika ny fanomanana kosa, teto an-toerana no nanoman-tena i Laura noho ny antony manokana. Tsara ny fanomanana, raha ny nambarany, na teo aza ny ratra nahazo azy. Tanjony ny hiakatra “podium”, izay tsy mbola nisy hatramin’izay, mandritra ity “Grand Slam d’Oulanbator” ity. Tsara ny manamarika fa i Laura irery no solontenan’i Afrika manontolo amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany eo amin’ny taranja Judo ity.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 08:01

Hotanterahina ny 23 jolay izao, any Nizeria, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, ny fivoriambe arahina fifidianana, eo anivon’ny Ufak (Union Federation African of Karate). Anisan’ny handray anjara amin’ny fifidianana ny filo­han’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Rate­finanahary Emile, izay efa any an-toerana.

Nahita fahombiazana nandritra ny lalao ara-pirahalahiana izay natao ny sabotsy teo, tany Tsididy ny Barea A’, izay hiatrika ny Chan any Tanzanie, ny volana aogositra ho avy izao. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 1 ny ekipa voafantin’i Bongolava. Marihina fa mbola andrasana amin’ity herinandro ity, ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea hiatrika ny “Chan 2024”.

Solontenan’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana any Afrika, “LDC Caf”, ny Elgeco Plus ary “Coupe de la Caf” ny an’ny As Fanalamanga. Hatra­min’izao nefa mbola baraingo ny resaka kianja handraisan’izy ireo izany lalao izany. Tsiahivina fa tsy mbola manana kianja hankatoavin’ny Caf i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, fa mindrana amin’ireo firenena hafa hatrany rehefa hanao lalao afrikanina.

Catégories: National

CUA : Hikarakara fialamboly ho an’ny ankizy

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 08:01

Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly, fa hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Alarobia, ny hetsika « CUA mampilalao kilonga». Natokana ho an’ny ankizy rehetra, 4-17 taona. Taranja telo no hatao dia ny baolina kitra, Rugby ary ny atletisma. Tanjona ny hampidirana ireo ankizy ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy hampahafantarana azy ireo ireo taranja hafa. Atao isaky ny alarobia ny hetsika. Manomboka amin’ny 9 ora-12 ora atoandro. Anisan’ireo mikarakara ity hetsika ity ny mpanazatra mpanampy ny Barea, Henintsoanarivo Hildecoeur (Coach Dekera). Tsara ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana. Rariny loatra raha omena fialamboly tahaka izao, mba tsy hironan’izy ireo any amin’ny zava-mahadomelina. Tsiahivina fa manana klioba fanta-daza ny CUA, toy ny Uscafoot ho an’ny baolina kitra, ny Uscar eo amin’ny rugby. Ny Uscafoot, mifaninana amin’ny “World Cola PFL” ary ny Uscar, eo amin’ny “XXL Top 12”.

Fitia Randria

Catégories: National

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Fantatra ireo 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 08:00

Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana.

Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe Junior, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondiaux 2025”. 2 lahy sy 2 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Ho an’ny zazalahy dia i Clarito, avy amin’ny klioba C2BA Vakinankaratra, sy i Nathanael, klioba PAC Ampi­ta­tafika. Ho an’ny zazavavy, i Mitia mpilalaon’ny CBAT Am­balavao Tsienimparihy ary i Sarobidy avy amin’ny CAB Analamanga.
14 mirahalahy ireo niatrika ny fifantenana raha 4 monja ho an’ny tovovavy. Mason­tsivana maro no nisedrana azy ireo nandritra ny herinandro roa, izay natao teto Antananarivo. Anisan’ireny ny fanajana fotoana, ny fahaizana mihaino, ny fitondran-tena ivelany sy anaty kianja. Ny fifanajana eo amin’ny samy mpilalao, eo amin’ny mpilalao sy ny mpanazatra, ny fahaizana miara-monina.
Ankoatra izay, eo koa ny fahafehezana teknika. No­jerena ny fahaizana ny maka isa sy ny tifitra. Nisy ny lalao ho an’olon-telo nitarafana ny tena talentan’ny tsirairay ka nampifamadibadihana ny toerana nisy azy ireo ary nampifangaroana ny fiarahana tao anaty ekipa. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ny mpilalao tsirairay avy ka ny isa azon’ny isam-batan’olona izay navadika ho isan-jato no nivoahan’izy efatra mianadahy. Tsy mbola niatrika fifaninanana iraisam-pirenena izy ireo ka mila homanina amin’ny toe-tsaina, amin’ny fanomanana manaraka izay hitohy amin’ny herinandro ambony, raha tsy misy ny fiovana.
Tsiahivina fa hatao any Espagne, ny 23-26 oktobra ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity. Marihina fa tsy maintsy misy vehivavy ao anaty ekipa mifaninana amin’izany.

Tompondaka

Catégories: National

Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 08:00

Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusam­menarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fifanarahana arakasa, ny fividianana entana…
Manohana tetikasa maro amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana, ny angovo azo havaozina, ny fambolena maharitra ary ny fitantanana eo anivon’ny kaominina ny GIZ nandritra ny 40 taona niasany teto Madagasikara.
Nohazavaina tamin’izany koa ireo dingana sy fepetra takina amin’ny fifaninanana ofisialy, na amin’ny endriky ny tolotrasa, na amin’ny fangatahana fanehoan-kevitra.

Synèse R.

Catégories: National

Attaque à Mananara Nord: Cinq suspects arrêtés

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 07:27

La brigade de la gendarmerie de Mananara Nord a arrêté en fin de semaine cinq membres de la bande qui a attaqué un couple propriétaire d’un cash-point en début de mois.
Deux d’entre eux ont avoué être les auteurs du braquage tandis que les trois autres, des femmes, sont des complices. Par contre, deux autres auteurs du braquage sont encore en cavale et activement recherchés.
La nuit du 5 juillet, un groupe d’individus armés ont attaqué le couple d’entrepreneurs alors qu’il rentrait chez lui. Ils l’avaient menacé avec une arme à feu et n’ont pas manqué de l’agresser avec un bois rond. Ils se sont emparés ensuite du sac contenant une somme de 8,8 millions d’ariary, des téléphones portables contenant un solde de 30 millions d’ariary.
Au départ des bandits, les victimes ont été conduites à l’hôpital avec de graves blessures à la tête.
La gendarmerie avait ouvert une enquête après avoir été saisie de l’affaire et a rapidement retrouvé les cinq suspects. Au cours des interpellations, les forces de l’ordre ont saisi un pistolet de fabrication artisanale, le bois rond utilisé lors de l’attaque et sept téléphones volés. Ils seront présentés à la justice au terme de leur garde à vue.

ATs.

Catégories: National

Antsirabe: un terrible incendie ravage le « Tsena Sabotsy »

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 07:27

Un gigantesque incendie s’est déclaré hier soir au «Tsena Sabotsy», le plus grand marché d’Antsirabe. Nous ne disposons pas encore d’un bilan définitif à l’heure où nous mettons sous presse, car le feu continuait à se propager.

Vers 21h, le feu a déjà ravagé le marché de volailles (sud), la boucherie (est), le marché de meubles (centre) ainsi que le marché de fruits et de légumes (nord), soit 80% du marché selon les estimations. Et malgré l’intervention des secours, il se répandait dans le secteur ouest, dans le secteur des commerces de PPN et les grossistes de fournitures scolaires.
L’on sait que deux ca­mions de pompiers ont été mobilisés depuis 18h30, mais les secours éprouvaient
d’énormes difficultés pour maîtriser le feu à cause de l’accès difficile des lieux et l’ampleur des flammes.
Le fokonolona a participé à la lutte contre la propagation du feu en détruisant les box. Il s’est également donné la main pour évacuer les objets et les marchandises. Quant à la police, elle s’est rendue sur place pour sécuriser les lieux.
Pour le moment, on ne connaît pas encore l’origine de l’incendie. Des témoins avancent toutefois qu’un court-circuit dans une gargote du secteur sud aurait déclenché l’incendie vers 18h.

ATs.

Catégories: National

Police judiciaire: Quatre-vingts poli­ciers prêtent serment

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 07:26

La grande famille des officiers de police judiciaire à Madagascar s’agrandit. Trente commissaires de police et 50 officiers de police, de la promotion Maturité – aptitude – neutralité – assiduité – motivation – persévérance – intégrité (Manam­pi), ont prêté serment hier après-midi, devant le tribunal d’Anosy.
Cette prestation de serment marque l’entrée officielle en fonction de ces 80 policiers en tant que fonctionnaires habilités à mener des enquêtes pénales. Le contrôleur général de police, Pierrette Marie Françoise Rasoamananjara, directrice de la Recherche et de la formation continue au sein du ministère de la Sécurité publique, a honoré de sa présence la cérémonie d’hier.
A rappeler que la sortie officielle de la promotion Manampi s’est tenue le 14 décembre 2024 à l’Ecole nationale de la Sécurité publique (ENSP) Ivato. Les 80 membres ont, par la suite, renforcé leurs capacités en matière de direction et de contrôle des enquêtes judiciaires, du 25 au 28 mars à la direction de la Formation et de la recherche (DRFC) à Antanimora. La prestation de serment d’hier est alors l’aboutissement d’une longue formation leur permettant de porter le titre d’«officiers de police judiciaire».

LR

Catégories: National

Drame d’Ambohimalaza: Des familles des victimes auditionnées à Fiadanana

Les Nouvelles - mar, 07/22/2025 - 07:26

Dans l’affaire Ambohimalaza, l’enquête judiciaire entre dans sa dernière ligne droite. Une dizaine de familles des victimes, accompagnées de leurs avocats, ont été auditionnés à la section de recherche criminelle de Fiadanana, hier.

Journée mouvementée hier dans les locaux de la section de recherche criminelle de Fiadanana. Après avoir déposé une plainte collective vendredi, une dizaine de proches des victimes, décédés ou encore hospitalisés, y sont venues pour être entendues et faire des dépositions consignées dans le procès-verbal. L’audition a duré deux heures.

«De prime abord, nous voulons connaître la vérité sur cette affaire. Nous voulons savoir ce qui a réellement provoqué cette hécatombe. Et quand la vérité éclate, nous demandons l’application de la loi, à l’encontre des responsables», a expliqué Me Eric Rafidison, avocat de la partie civile. Il a particulièrement regretté que les explications des autorités occultent davantage la vérité, surtout après la réponse d’une responsable selon laquelle elle ne voulait pas savoir le type de poison ayant provoqué ce drame.

Quant à Fenohasina, la principale concernée dans cette affaire, elle n’a pas été aperçue à Fiadanana, alors qu’une information a circulé selon laquelle son audition a été prévue hier. A noter qu’elle est frappée d’interdiction de sortie du territoire. Par contre, sa mère, placée en garde à vue, et trois suspectes placées sous mandat de dépôt ont fait l’objet d’une enquête approfondie hier. Parmi elle, l’épouse de Koloina Razafindranaivo alias Rakool. Conformément aux consignes du ministre de la Justice, dimanche soir, les enquêteurs sont visiblement passés à la vitesse supérieure, pour résoudre cette affaire dans les plus brefs délais.
A noter qu’une nouvelle patiente est sortie de l’hôpital, hier, après un autre la veille. Cela porte à 18 le nombre de patients ayant pu quitter le Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoa­hangy Andrianavalo­na (CHU JRA) d’Ampefiloha jusqu’ici. 31 personnes ont succombé depuis le 15 juin, dont la dernière victime a perdu la vie vendredi.

LR

Catégories: National

Taom-piotazana lavanila 2025 : Nitotongana ny vidiny, sanganehana ny tantsaha

Les Nouvelles - lun, 07/21/2025 - 07:50

Efa saika nivoaka avokoa ny taom-piotazana ny vokatra lavanila ho an’ ny faritra maro. Ny talata 15 jolay teo, nisy ny lanonana ho fanehoana izany fisokafany izany ho an’ny faritra Atsin­a­nana, tetsy amin’ny kaominina am­banivohitra Antete­zambaro.

Velon-taraina ny tantsaha mpamboly nandritra ny lanonana fampahafantarana ny taom-piotazana ny vokatra lavanila, ny talata 15 jolay lasa teo. Hita ho tsy miraharaha izay vidiny avy amin’ny tantsaha ireo mpandraharaha mpanondram-bo­katra. Hatreto, kaominina sy distrika maro avy amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsina­nana, izay nanaovana fanadihadiana, no ahitana fa tsy mitovy ny vidin’ny lavanila maitso. Any amin’ireo kaominina saro-dalana, toy ny hita ao Maromitety, Ambodimanga Sahavaviana, Ambatovaky sy ny manodidina azy, ohatra, eo amin’ny 1 500 ka hatramin’ny 2 500 Ariary ny iray kilao
amin’ny lavanila maitso. Toy izany koa ny ao amin’ny distrikan’i Mahanoro, raha tsy hilaza afa-tsy ny avy any Am­binanindilana izay hanaovana dia an-tongotra lavitra ihany koa, ka tsy tongan’ny mpanangom-bokatra. Vokany, lanjaina entina mandeha an-tongotra miakatra hatrany Ma­hanoro na ao Betsizaraina ny vokatra, hamidy mora.
Raha ny vidiny ofisialy nambaran’ny manampahefana, 3 000 Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso, 30 000 Ariary ny masaka. Raha izay no fiaingany any amin’ny tantsaha, misedra olana ihany koa ny mpandraharaha amin’izay vidiny izay. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpisehatra amin’ny fakana tamberim-bidy “Restourne” ny vokatra lavanila dia tsy misy fanantenana ny hisian’ny fiakaran’ny velon-tenan’ny isan-tokantrano raha avy amin’io vidiny io.
Ho an’ny lavanila maitso, andoavana 900 Ariary isaky ny kilao, 5 000 Ariary kosa ny masaka. Raha ny fanazavan’ireo mpanangom-bokatra dia avy amin’izay tamberim-bidy izay no mahatonga azy ireo mividy mora, hatramin’ny 1 500 Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso. Ankilan’izay, hihoa-pampana ny tombon­tsoan’ireo mpandraharaha vaventy afaka manodrana ny vokatra raha izao vidiny izao.
“Afaka manangona, mikirakira sy manamasaka ary mitahiry ny vokatra efa masaka mandritra ny fotoana lava ry zareo, rehefa tonga ny vanim-potoana hiakaran’ny vidiny dia manondrana mankany ivelany amin’ izay”, hoy i Velondrazana Christian, mpanangom-bokatra avy ao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina ambanivohtr’i Ma­romitety.
Nohamafisiny fa ny lava­nila ao anatin’ny faritra Ana­lanjirofo no tsara indrindra, toy ny ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Tsara indrindra koa ny “taux de vaniline”
amin’ireo faritra ireo. Raha tena mandeha tsara ny lava­nila, ny 5 kilao maitso, mety ahazoana 4,5 kilao masaka ary ny “calibrage” amin’ izay fotoana izay dia 15/25. Tamin’ ity taona ity, namokatra tsara ny lavanila, saingy eo amin’ny vidiny no olana.

Mandeha “cycle” isaky ny 10 taona
Andaniny, mivoaka ny karazana fanazavan-kevitra amin’ny mety ho antony mampitotongana ny vidin’ny lavanila. Tsaroan’ny sasany ny tenin’ny fioha teo aloha, ny taona 2005, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony tao Mananara avaratra raha somary nieboebo sy tsy nahay misy vola ny mponina tao an-toerana. Nia­katra rahateo ny tsy fandriampahalemana tao Mananara Avaratra tamin’ izany ka nahatonga ny filoham-pirenena tamin’ izany hilaza hoe ho ataoko hitovy vidy amin’ny legioma, karoty sy ovy, ity lavanila ity “Betsaka ny manome tsiny ny fitondrana amin’ ity vidin’ny vokatra lavanila ity.” nohitsin’ i Menarivo Félix, filohan’ny vondron’ny mpandraharaha lavanila tato anatin’ny faritra Atsinanana teo aloha izany. “Mandeha ambaratonga isaky ny 10 taona ny vokatra rehetra.” Raha tsaroantsika, tsara ny vidin’ny lavanila ny taona 2005. Be­tsaka ny tsy nahay mampiasa ny vola tonga am-pelatanany. Somary nitotongana kely izy taorian’izay, saingy takon’ny vokatra jirofo sy dipoavatra namoa sy niakatra be ny vidiny ka saika nirona tamin’izay ihany koa ny mpandraharaha rehetra.
Niverina ny famokarana lavanila ary tsara ny vidiny, izay nahatratra 300 000 Ariary ny kilaon’ny maitso. Nisy voka-dratsiny nefa izany, niakatra tahak’izany ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Niforona ny jiolahy mpangalatra lavanila anaty ala, ny fanafihana mitam-piadiana, ny tsy fahatokisana ny fitandroana ny filaminana. Izay antony izay no nahatonga ny fitsaram-bahoaka nahafaty polisy telo lahy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodia­zinina, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana.
Nandritra ny taona 2015, betsaka ny fampiasana vola tao Mananara Avaratra. Vola tsy ara-drariny. Tao ny sahy mandoa lelavola amin’ny 20 000 Ariary maro izay mahatratra iray tapitrisa hatao ro mazava mba hilazana fa hoe tena mihinana ny volany izy. Fatopatorana amin’ny tady lava io lelavola io, na fatorana amin’ny fehikibo avy ao aoriana ka entina mihazakazaka mba hilazana fa ny vola no manenjika azy. Rehe­fa mividy zava-pisotro, tsy atao amin’ny tavoahangy fa baoritra na gazon maro.
“Ny vola dia misy tsiny ary mananjina, tsy azo atao an’ireo fampiasa azy amin’ny voalazako teo ireo ka aoka tsy ny fitondrana no omena tsiny fa isika tsy mahay manana ilay volabe avy amin’ny zavaboahary nomen’Andriamanitra” hoy hatrany i Menarivo Félix.

Tsy misy mpividy ny dipoavatra sy ny kafe
Tena ahina tanteraka ny hitotongan’ny fari-piainan’ny tantsaha amin’ ity lavanila ity. Anisan’ny namoa sy namokatra tsara ihany koa ny kafe sy dipoavatra saingy tsy misy mpanangom-bokatra. Koa hanaovan’ny tantsaha mpamboly antso avo amin’izay liana hanangona ireto roa farany ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Maromitety.
Fialantsasatry ny mpianatra izao, midika izany fa tsy ho ela dia hampiditra mpianatra ny ray aman-dreny. Ny vidim-bokatra antenaina hampidirana mpianatra, mitontongana daholo ny vidiny. Ny jirofo mbola any amin’ny volana oktobra vao miakatra, ny vary izay efa niakatra indray izany no hamidy hampidirana mpianatra. Mbola baraingo koa ny mety hahazoan’ireo tsy namboly vary vola. Izy ireto izay nanantena ny hatsaran’ny vokatra lavanila, dipoavatra ary ny kafe.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5

Les Nouvelles - lun, 07/21/2025 - 07:49

Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-So­a­nierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny orinasa CRCC, miainga eo Ranomafana, mandalo An­tsam­panana, …, hatrany Am­pasamadinika. Mandeha ny fikikisana sady fanalana ny godirao teo aloha simba. Misy koa ny ampahany efa nametrahana sosona fototra. Ny orinasa Colas kosa no miandraikitra ny eo Ampasamadinika hatrany Toamasina. Eo am-panatanterahana ny fandrarahana tsikelikely ny godirao.
Mahakasika ny RN5, am-perinasa tanteraka ny orinasa CRBC, manarina ny ampahany miainga eo Toamasina hatrany Foulpointe, lalana mirefy 55 km (PK0-PK55). Aravona ny toerana tena ratsy, mialoha ny hanombohana ny asa fanarenana.
Efa nanomboka ny volana avrily ihany koa ny fanarenana ny ampahan-dalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambon­dromamy sy Ambanja. Anisan’ izany ny any Tsarahasina, Anjiamangirana, Marovan­taza, sns. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI-CERC, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Njaka A.

Catégories: National

RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel

Les Nouvelles - lun, 07/21/2025 - 07:48

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny fahaizan’izy ireo mamaky teny sy hampitomboana ny fahalalany. Nomena fanampiana ara-tsakafo ihany koa izy ireo.
Nilaza ny talen’ny tsena Airtel, Théophile Mpondo, fa « mifono fanantenana izao fanolorana boky izao. Fanoitra lehibe hisorohana ny fanilikilihana ny hafa izany, sady ahafahan’ny tsirairay hanoritra ny hoaviny avy ». Hamafisin’ny Airtel fa eo am-pelatanan’ny tsirairay ny fananganana fiaraha-monina marina, mijery ny maha olona sy miray hina.
Andro nahaterahan’i Nelson Mandela ny 18 jolay. Entanina hanokana 67 minitra ny rehetra hanao asa tsara eo amin’ny fiarahamonina, hanomezan-danja ny fandriampahalemana, ny fandeferana ary ny marina.

Njaka A.

Catégories: National

Fifindra-monina sy ny toetr’andro : 3,5 tapitrisa dolara hanohanana ny eny ifotony

Les Nouvelles - lun, 07/21/2025 - 07:48

Miantraika amin’ny fiarahamonina ny fiovan’ny toetr’andro. Sambany maneran-tany misy tetikasa mampirindra ny ady amin’ny hetraketraky ny toetr’andro sy mametraka ny fandriampahalemana.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Am­bovombe, faritra An­droy, ny 17 jolay teo, ny tetikasa lehibe iray mikendry ny hampihenana ny fifandirana sy ny disadisa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny ao amin’ny Rano, fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), ary ny rafitry ny Firenena mikambana (SNU). Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny Firenena mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana (FNUCP). Haharitra 36 volana ny tetikasa, ka hanatanteraka azy any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, ny Unicef, ny OIM ary ny Unesco.
Araka ny antontanisa tato anatin’ny 20 taona farany, miisa 45 ny rivodoza nandalo teto Madagasikara, tondradrano 18 ary haintany 7. Tena nizaka ny vokany ny tapany atsimon’ny Nosy, satria tena marefo manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Nihena ny loharanon-karena voajanahary, ka nanome vahana ny fifindra-monina. Ireo rehetra ireo no niteraka ny 62% ny disadisa eny ifotony sy eo amin’ny fiarahamonina. Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, fa tanjona ny hanohanana ara-pampandrosoana ny mponina eny ifotony, mba tsy hifindran’izy ireo monina, miala ny tanànany.

Mpisitraka 435 000

Maherin’ny 435 000 ny olona hisitraka ny tetikasa, ka omena vahana manokana ny vehivavy sy ny tanora. Hapetraka ny rindran-damina hanamafisana ny rafitra hisian’ny firaisankina ara-tsosialy, ny fitantanana mitovy lenta sy mangarahara ny loharanon-karena voajanahary, toy ny rano. Tanjona ny hisorohana ny herisetra sy ny hisian’ny fitovian-jo.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - lun, 07/21/2025 - 07:47

Efa mandeha ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, any amin’ny distrika Ikongo. Taorian’ny fampiofanana nomena ireo miaramila sy zatovolahy nanolo-tena hanao ny asa dia natomboka tamin’ny fanentanana mihodidina ny tanàna izany ho fahampahafantarana ny vahoaka. Haharitra herinandro ity asa ity raha ho an’ny ao amin’ny kaominina Ikongo manokana, ary tsy misy ho dinganina na tranon’olon-tsotra na biraom-panjakana, hatreny an-tsena sy ireo faritra heverina fa tena tian’ireo moka ireo iafenana.

Anjaran’ny Boriborintany voalohany ny nisitraka ny hetsika fampahafantarana momba ny famarinana olombelona. Lehiben’ny fokontany miisa 37 avy ao amin’izany distrika izany no nisitraka fiofanana. Naneho fahavononana handray anjara amin’ny fisorohana araka izay tandrify azy ireo lehiben’ny fokontany nanatrika, ho fiarovana ireo vahoaka mpiara-belona iandreketan’izy ireo.

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro, amin’ny ankapobeny, amin’ity herinandro ity, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hiverina hiakatra miandalana kosa izany manomboka ny zoma. Mila mitandrina ireo mpampiasa lalana ary hanena ny hafainganam-pandeha rehefa ao anaty zavona.

Catégories: National

Didimpoitra

Les Nouvelles - sam, 07/19/2025 - 18:02

Catégories: National

Andro faha-2 ara-tsiantifika : Nomarihin’ny AMMS tamin’ny famelabelaran-kevitra

Les Nouvelles - sam, 07/19/2025 - 08:25

Tsy afaka misaraka ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana. Antoka lehibe ho an’ny atleta ny fananana izany ary mila fanaraha-maso ny atleta iray raha te hahazo vokatra tsara. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny AMMS (Association malagasy de la médecine du sport) ny famelabelaran-kevitra ny alarobia 16 jolay lasa teo, teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanamarihana ny andro faharoa ara-tsiantifika izany.
Nanan-danja avokoa ny fifampizarana nomen’ireo profesora sy manampahaizana, anisan’izany ny fanazavana nentin’ny Docteur Rasata Ravelo Andriamparany mahakasika ny «Biomécanique et sport». Ankoatra ny famelabelaran-kevitra, nisy ihany koa ny fampirantiana ireo fitaovana sy fanafody ara-pahasalamana ilaina amin’ny fikarakarana ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena. Tsiahivina, tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity andro faharoa ara-tsiantifika ity, ny eo ani­von’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Kaomity Olym­pika Malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka maro, toy ny Healthactiv, Denkpharma, Eric Favre, Paramad sy ny maro hafa.
Ady goavana mbola ataon’ny dokotera misahana ny fitsaboana ara-panatanjahantena ny fanomezan-danja azy ireo sy ny asany. Anisan’izany ny fampitomboana ny isan’ny mpitsabo mandeha amin’ireny fifaninanana iraisam-pirenena ireny. Vina manaraka ho an’ny AMMS kosa ny hikarakara hetsika toy izao isaky ny telo volana, hiarahana miasa amin’ ny Oniversite sy ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 07/19/2025 - 08:25

Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, vehivavy.

Efa mandeha eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, nanomboka omaly, ny fifaninanana ho an’ireo katitakely, «Green Cup League». Maro amin’ireo sekolin’ny baolina kitra eto an-dRenivohitra no mandray anjara amin’izany. Tsiahivina fa tanjona amin’izany ny hampiakarana ny lentan’ireo taninketsan’ny baolina kitra eto Madagasikara.

Notokanana afakomaly, tany Brésil, ny tsangambato mitovy amin’i Vinicus Junior, Brezilianina mpilalao baolina kitra. Araka ny resaka mandeha ihany koa, misy klioba ao Arabia Saodita, vonona ny hanome karama, 1 miliara euros isan-taona ho an’ity mpilalao ity, raha miala ao amin’ny Real Madrid izy ka hifindra any Arabie Saodite.

Catégories: National

Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika

Les Nouvelles - sam, 07/19/2025 - 08:25

Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. 40 ireo fileovana nandray anjara ary lalao 80 no tontosa nandritra ny dingana fifanintsanana. Teo koa ny lalao miisa 16 ho an’ny dingana famaranana sy ny fihaonana hafa ka 102 ny tontaliny. Notsiahivin’i Mamihaga, filohany, fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo seksionina 5 nahatontosana izany. Nisaotra ny kaomisionina Analamanga ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, noho ny ezaka nataon’izy ireo. Nambarany fa hiankina amin’ny minisitera ny hanatontosana ny fifidianana. Nanampy sy nanolotra ny fanomezana ny orinasa Dzama, izay naneho ny fahavononany hatrany hiara-kiasa amin’ny tontolon’ny rugby. Tsiahivina fa nahazo amboara avokoa ireo mpandresy sy ny mpitsara mendrika ary ny amboara “Fair-play”.

Tompondaka

Catégories: National

Pages