Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity.
Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ry zareo mialoha ny fiatrehana ity fifanintsanana afrikanina, LDC Caf, ity. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fanomanana sahady ry zareo amin’izao fotoana izao.
Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” (LDC Caf), ny Elgeco Plus de Madagascar. Nohamafisin’ity mpampita vaovao, eo anivon’ny klioba ity, fa mety haka mpilalao avy any ivelany indray ny Elgeco Plus mba ho fanamafisana ny ekipan’izy ireo amin’ny fifanintsanana afrikanina.
Marihina fa sambany vao hiatrika ny LDC Caf, ny Elgeco Plus, raha tany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba hatrany no nifanintsanan’izy ireo teo aloha. Tsara ny mampahatsiahy fa misy an’i Ismail, mpilalao kameroney, milalao ao amin’ ny Elgeco. Mety hisy vahiny tahaka azy ihany koa, araka izany, aoriana kely raha tsy misy ny fiovana farany.
Baraingo ihany ny resaka kianja
Ankoatra izay, mbola baraingo hatrany ny resaka kianja mety handraisan’ny Elgeco Plus ity fifanintsanana afrikanina ity. Ahina ho any ivelany tahaka ny tamin’ny taona lasa izany. Hampiantrano ny fihaonan’izy ireo ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny zava-misy tahaka izany, voatery any ivelany no hatao ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, izay solontenan’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.
Fitia Randria
Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo.
Niainga avy any Cambodge ny hosoka ary tonga tany Iran. Tsy nanohy ny fifampiraharahana intsony ny fanjakana malagasy. Hagagana ny an’ny mpitantana nahita fa nipoitra tamin’ny 20 jolay indray ny raharaha, nahalalana fa nisy mpandraharaha tsy miankina nanohy azy taty aoriana.
Manoloana izany, nametraka fitoriana ny fanjakana malagasy, noho ny fitaka sy hosoka. Mitohy ny famotorana, misy ny olona efa voasambotra ary ao ireo mbola karohina. Anisan’ ny namoahana didy fikarohana sy fisamborana ny teratany malagasy iray, Andriamanarivo Heriniaina Rijasoa, sy teratany indiana iray, Khushwinder Singh. Namoahana didy tsy mahazo mivoaka ny sisintany (IST) eto Madagasikara ihany koa ireo olona roa ireo ary misy koa no efa voasambotra.
Nanotrona ny minisitra Ramonjavelo Valerie ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny mpampanoa lalàna.
Raha ny vaovao fantatra, nisy mpandraharaha nikasa hiara-miasa amin’ny firenena malagasy hitrandraka ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena (Eoropoa, India ary Sina), ka hanolotra fiaramanidina miisa 5. Nijery ireo fiaramanidina ireo tany Sina ny teknisian’ny Aviation civile de Madagasikara (ACM), araka ny dingana ara-dalàna amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voalaza fa taratasy fanomezana laharana (CIP) vonjimaika no afaka omena, nifarana ny 17 avrily 2025, ka hatsaraina ara-teknika atsy Kenya. Nifarana teo ny fifanarahana ary tsy nisy vaovao intsony. Nahazo fampahafantarana anefa ny ACM fa niala tany Cambodge ny fiaramanidina. Tany Kenya no nifanarahana saingy izao voalaza fa any Iran izao. Napetraka ny fitoriana any amin’ny OACI.
Njaka A.
Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana.
Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 jolay lasa teo. Taitra ny fokonolona ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Namofona ratsy tsy lavitry ny toerana nampanahy. Fatin’olona efa simba tanteraka no hitan’izy ireo. Namantatra io olona hita faty io avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany voakasika ary niantso ny mpitandro filaminana. Tsy vaovao amin’ireo mponina, araka izany, ilay namoy ny ainy. Nalain’ny fianakaviany ny razana ka niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary.
Novelesim-badiny hazo
Nosamborina natao famotorana avy hatrany ny ramatoa vadin’io lehilahy hita faty io. Tsy nilamina hatry ny ela ny tokantranon’izy roa ary matetika norahonan-drangahy ilay vadiny, araka ny loharanom-baovao. Tapa-kevitra hisaraka, nihazo ny tanimboly hizara fananana izy roa, ny 15 jolay lasa teo. Raikitra fifamaliana anefa izany. “Nodarohako tamin’ny vato ny filahiany ka lavo izy”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa vadiny. Torana avy hatrany rangahy. Nokapohan-dramatoa hazo ny lohan’ io vadiny io ka tsy nahetsika intsony. “Nihazo ny tanàna aho taorian’izay”, araka ny fanazavan’ilay ramatoa nandritra ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy. Nolazain-dramatoa fa lasa nihazo an’i Mahanoro io vadiny io, rehefa nanontany azy ny mpiara-monina. Hita faty tampoka ilay rangahy roa herinandro taty aoriana. Nosamborina ilay vadiny.
Tsiferana R.
Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Mahatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manangareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina ka hatrany Farafangana. Mirefy 430 km kosa raha hatreo Mananjary. Ampiasan’ny mpitatitra matetika ny avy eo Toamasina mankany Mananjary na Mahanoro – Mananjary vokatry ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomamy makany Farafangana, izay noho ny loto sy ny hamarivon’ny rano.
Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ ireo mpitatitra no nahalalana fa anisan’ny sarotra ho azy ireo ny eo Ambodivotaka, kaominina ambanivohitra Masomeloka, disitrikan’ i Mahanoro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Vohipeno sy Farafangana faritra atsimo atsinanana. Amin’ ireo faritra voalaza ireo, tsy ampy iray metatra akory ny halalin’ny rano ka voatery tsy maintsy hampidinina ny mpandeha mba ho maivana kokoa ny sambo. Zava-doza anefa izany matetika ka tsy maintsy mitady vahaolana mba hivoahan’ny sambo. Tanjona ny hahafahana manohy ny dia. Amin’ny ankapobeny, anisan’ny havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka ny fitaterana amin’ iny lakandrano iny. Hitan’ny mpanjanatany frantsay izany ka nohavaoziny tamin’ny alalan’ny tetikasa lehibe ny taona 1896 -1904, izay fanavaozana ireo lakandrano rehetra mifandray amin’i Pangalana. Nisy ireo frantsay nanampy tamin’ny asa fanamboarana fa ny Malagasy kosa dia tamin’ny alalan’ny asa an-terivozona no nanaovana izany.
Manana herijika
Manana herijika ara-toekarena sy lafiny fitaterana ary fizahantany ny lakadranon’i Pangalana noho izy mifandray amin’ny ranomasina. Nampiasain’ny mpanjanaka nitanterana andevo sy vokatra an-tanety maro isan-karazany sy harena ambanin’ny tany sy an-dranomamy ary an-dranomasina izany.
Toerana manan-danja amin’ny fizahantany ny morontsiraka andalovan’ny lakandranon’i Pangalana. Tsy lavitra ranomasina izay tena mampiavaka azy, toa an’i Toamasina, Andranokoditra, ary Akanin’ny Nofy izay ahitana faritra arovana atao hoe “Palmarium reserve” misy Aye-aye sy Lemuriens. Maro ny mety mampisy fiovana ny anaran’ny Pangalana. Toy ny fahitana renirano roa lehibe samy hafa dia Rasoabe sy Rasoamasay, ireto farany izay tena be fady. Fotoam-pialantsasatra moa izao ka tsara ihany ny manamarika izany ho an’ ny mpizahatany sy ny mpitsangatsangana eny amoron-dranomamy mba tsy ho azon-doza. Mbola amin’izay fizahantany izay ihany dia tsy diso anjara amin’ izany ny ao Ambila Lemaitso, Manambato, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro izay malaza amin’ny fisian’ny trano fandraisam-bahiny amoron-dranomasina sy ranomamy misy torapasika sy “Bungalow” ary toeram-pilalaovana isan-karazany. Tsy latsa-danjan’izany ihany koa ny ao Nosy varika. Ankoatra ny fisian’ny karazam-biby arovana sy ny ala, vakoka mirakitra fahalalana ny tantaran’ny foko Antambahoaka sy fomba amam-panao io Nosy io. Nahatonga renivohitra ara-pomban-drazana an’ i Nosy Varika ao an-toerana ny fomban-drazana fanao isaky ny fito taona na koa hoe Taon-joma (Année Venus), izay hanamafisana ny fanaladiana tanteraka ny ankizy lahy na efa olon-dehibe aza amin’ny alalan’ny fora na fandrangitana mahalehilahy (Rites d’Initiation). Amin’ny ankapobeny, azo lazaina ho fifamoivoizan’ny fizahantany sy mpizahatany ny lakandranon’i Pangalana, tsy maharaka mantsy ny sambo na lakana misy maotera miisa 300 eo ho eo mitatitra olona rehefa tonga ny fotoan’ny “Sambatra”, izay atao isaky ny fito taona ao Mananjary. Ankoatra ny maha fifamoivoizan’ny fizahantany ny lakandranon’i Pangalana, haingana kokoa ny fahatogavana. Raha ho any Mananjary ohatra, tratra alina indroa an-dalana vao tonga raha miala avy ao Toamasina manaraka gondorao, fa raha mandeha lakana manaraka Pangalana dia 24 ora monja ka ao Nosy Varika no matory, raha ilain’ny mpandeha izany.
Trafikana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana
Mandrafitra ny morontsirak’i Madagasikara ary afaka mampifandray renirano maro ny lakandranon’i Pangalana. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona raiamandreny iray tao Vatomandry ary mbola nisy nanamafy koa tao Mahanoro, lasa fivezivezen’ny mpanao trafika maloto izy io amin’ izao, toy ny fitaterana taolam-paty, zava-mahadomelina ary fitaovam-piadiana mihitsy noho ny fisian’ny baranahina eo amin’ny seranana, indrindra amin’ ireny fiantsonana madinika ireny “embarcadera”. Nohamafisin’ ireto raiamandreny ireto fa lasa varavarana ifandraisana malalaka avy amin’ny sambo lehibe avy any ivelany mitondra zavatra tsy ara-dalana na koa hanondranana zavatra tsy ara-dalana avy eto amintsika ny lakandranon’i Pangalana noho izy misy fifandraisana akaiky amin’ny ranomasina sy ireo renirano maro be manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny mpitandro filaminana izany kanefa dia avy amin’ io ny lakandrano io ny fitanterana an’ ireny Cocaïne sy Héroïne hatramin’ny rongony vao tonga any an-drenivohitra, hoy hatrany ireo nanaiky noresahina. Fa amin’izay lakandranon’i Pangalana izay ihany, tsy voakarakara sy maloto ity lakandrano manana ny tantarany amin’ny lafin-javatra maro eto amintsika ity ankehitriny, raha tsy ilaza ny hita etsy amin’ny port Fluvial Manangareza, izay feno menaka sy loto avy amin’ ireo orinasa manamorona azy.
Nanatontosa : Sajo
Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafantarina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona.
Miasa andro aman’alina ny mpiasa amin’ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Voakasik’izany ny ampahany eny amin’ny fihodinana Tsimbazaza hatrany Ankadilalana, ny manodidina ny fidirana eny amin’ny hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ny arabe eny Andavamamba mankany Ampasika.
Nisokatra ny 24 jolay teo tany Mahajanga ny « Tsenan’ny asa tanana », andiany faharoa. Miisa
40 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny mpanao taozavatra any an-toerana sy ivelan’i Mahajanga. Manatontosa azy ny Gescod sy ny Vondrona eoropeana (UE). Hita mandritra ity tsenabe ity ny vokatra vitan’ireo mpiofana nametraka ny marika « Maroloko ».
Nitsidika tany Toliara, nandritra ny 4 andro, ny ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo, ny tapaky ny volana jolay teo. Anisan’ny nanatrika ireo fivoriana maro, nandritra ny Fikaonandoham-paritra ara-toekarena ho an’Atsimo Andrefana (FER) ny tenany. Maro ny tetikasa tohanan’ i Etazonia sy ny fampiasambola amerikana any an-toerana, toy ny Energy Fuels, vao nividy ny tetikasa Base Toliara, ohatra. Nohamafisin-dRtoa ambasadaoro Pierangelo, fa tsy maintsy manaraka fenitra hentitra amin’ny mangarahara sy ny fahitsiana i Etazonia sy ny firenena mpampiantrano azy ireo. Tsy maintsy manaraka ny lalàna amerikana sy ny lalàn’ny firenena mpampiantrano ihany koa izy ireo. « Mampifanakaiky an’i Madagasikara amin’i Etazonia ny fisian’ireo fampiasam-bola amerikana », hoy ihany izy.
Tsapa fa liana sy vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any Toliara, ny tanora, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena, sns any an-toerana. Nihaona tamin-dRtoa ambasadaoro koa ireo mpiara-miombon’antoka efa nisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikana. Nitafa tamin’ireo maintimolaly ny Akademia iraisam-pirenena momba ny fampiharana ny lalàna, tohanan’ny International Law Enforcement Academy (ILEA). Noresahana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ ny kolikoly ary ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary.
Njaka A.
Mivoatra ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny tontolon’ny fitaterana. Nampahafantarina ny 23 jolay teo, teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) Anosy, ny Tawi-Owayzz, rindran’asa amin’ny alalan’ny finday (application). Fitaovana vaovao ahafahan’ny mpandeha iraisam-pirenena migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misafidy sy mamandrika fitaterana taxi ara-dalàna mialoha. Fantatra avy hatrany ny saran-dalana aloa arakaraka ny toerana alehan’ny mpandeha, ka aloa amin’ny alalan’ny fomba niomerika azo antoka.
Tanteraka ity tetikasa ity, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa Taxi ara-dalàna Ivato (UCOTI), ny orinasa Ravinala Airports ary ny Fintech Vanilla Pay International. Tanjona ny hanatsarana, ny hanamorana ny fandraisana ireo mpitsidika sy hanamafisana ny fandrindrana ny sehatry ny fitaterana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo.
Dingana lehibe amin’ny fivoaran’ny tontolo niomerika ho an’ny daholobe eto Madagasikara ny Taxi-Owayzz. Mampitombo ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ihany koa sady hanehoana ny maha matihanina ny mpamily.
Njaka A.
Ankoatra ny fandoavana ny haban-tseranana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany ihany koa ny ladoany. Nahatratra 14 ny fanagiazana biby arovana teto amintsika.
Natao teto Antananarivo, ny 23 sy ny 24 jolay teo, ny atrikasa famintinana ny tatitry ny Firaisankina afrikanina mahakasika ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko, hetsika “Sama”, andiany faharoa. Tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny ady amin’ny rongony sy ny heloka bevava (Onudc), ny Vondrona eoropeana (UE), ny firenena frantsay ary ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fadintseranana (OMD). Miisa 35 ny firenena afrikanina miara-misalahy ao anatin’ny “Sama”.
Miisa 104 ny fanagiazana natao tao amin’ny firenena 19, ka biby arovana ny 69% tamin’ireo biby tratra. Toy ny elefanta, ny « pangolin », ny sokatra, sns. Ho an’i Madagasikara, miisa 14 ny fanagiazana natao, ka anisan’izany ny fahatratrarana sokatra izay tsy hita afa-tsy eto amintsika, efa tena atahorana ho lany tamingana.
Antony telo lehibe no nahazoana ireo vokatra voatanisa rehetra ireo. Voalohany, noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena afrikanina. Faharoa, ny fifanakalozam-baovao teo amin’ny sampandraharaham-pitsikilovana sy ny Fadintseranana. Fahatelo, ny fomba fanao matihanina sy mazava. Satria, noho ny fampitam-baovao ny 44%. Tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso mahazatra andavanandro ny 33%. Tamin’ny alalan’ ny famantarana mialoha sy fiahiahiana ny 14%. Ary noho ny fisavana tampoka atao amin’ ny entana samihafa ny 9%.
Hanomboka amin’ny 1 janoary 2026 ny dingana fahatelo amin’ny hesika “Sama”, ny ady atao amin’ny biby arovana aty Afrika.
Tsiahivina, fa anisan’ny biby arovana tratra tany Thailandy ny sokatra maherin’ny 900 sy varika miisa 37, sisa velona. Efa tafaverina eto Madagasikara izy ireo ny desambra 2024 teo. Tsy mbola foana ny tambajotra mpanao trafika, na efa maro aza ny olona tratra manao azy.
Njaka Andriantefiarinesy
Fahatapahan-jiro sy rano. Nitokona sy nidina an-dalambe ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité Ankatso II, afakomaly maraina. Nandoro kodiarana sy nanao ny sakan-dalàna izy ireo. Nanome 48 ora ny tomponandraikitra mba hamahana ny olana. Hahery vaika ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana.
Lehilahy iray manodidina ny 45 taona naratra mafy voadonan’ny fiara sprinter iray teny Andrangaranga Arivonimamo II, afakomaly atoandro. Tapaka ny tongotr’ilay niharan-doza. Nandositra ilay fiara.
Ramatoa 69 taona kilan’ny afo tao an-tranony nandritra ny fahamaizana niseho tao amin’ny fokontany Andrafiamivory, kaominina Anketrakabe, faritra Diana, afakomaly maraina. Niezaka nanavotra azy ireo manodidina saingy tsy tana ny ain’io lasibatra io.
Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha mahakasika ny fanindronana antsy olona teny Andoharanofotsy, ny 19 hifoha 20 jolay 2025 lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray nahavita nanindrona antsy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy lanonam-pianakaviana teny Andoharanofotsy ny alin’ny 19 hifoha 20 jolay 2025 teo. Rehefa niakatra ny tahan’ny alikaola, nifampively tamin’ny tavoahangy ny lehilahy roa mpizaodahy. Nandray antsy ny iray ary nanatsatoka izany tany amin’ilay zaodahiny. Voatsindrona teo amin’ny lamosiny sy ny sorony ilay niharam-boina. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy taorian’ny tranga. Nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria avy amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, taorian’ny antso. Nosamborina ary nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary ilay nahavon-doza.
Raha ny fantatra, tsy nifankahazo hatry ny ela ireto mpizaodahy nifamono ireto. Nifampiandry kendry tohina ary izao niafara tamin’ny tsindron’antsy teny an-toerana izao. Nanana ahiahy momba ny fihetsiky ny zoadahiny io voatsindrona antsy sady voavely tavoahangy io talohan’ny ady. Nametraka fitoriana fiandry noho ny fandrahonana ho faty teny amin’ny biraon’ny Zandary izy, ny volana marsa 2025 lasa teo. Efa-bolana taty aoriana, niharan’ny tsatok’antsy sy vono nataon’ilay zaodahiny tokoa izy.
Mino
Voasambotra ny olon-dratsy nangalatra finday sy kapan’ ireo mpivavaka tao amin’ny Mosquée Ambolokandrina, ny 22 jolay tamin’ny 09 ora alina. Nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ io olona io ny polisy nanao ny asa fiambenana tao amin’io fiangonana io ka nisambotra azy. Niezaka handositra niaraka tamin’ireo entana nangalariny io lehilahy io saingy tsy lasa alavitra. Nentina natao famotorana izy. Olon-dratsy iray hafa koa, tratran’ny polisy rehefa saika hamaky tranonon’olona teny Ambohipo, afakomaly. Ren’ny tompon-trano ny fisian’ ireo mpanao ratsy ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo. Nosamborina sy nentina teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany io olon-dratsy io. Ankoatra ireo, vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy teny Analamahitsy, ny 25 jolay teo. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorona.
Mino
Maty tsy tra-drano, voatrongin’ny kamiao ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny sabotsy alina. Teo anelanelan’i Tsinjony sy Ambalavao, lalam-pirenena fahafito no nitrangan’izany.
Tra-doza teo amin’ny PK27+700, anatin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny sabotsy teo, tamin’ ny 8 ora sy sasany ny kamiao mpitatitra entana niainga avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Antsirabe. “Nitondra entana ilay fiarabe. Nisy olana teo amin’ny hisatra araka ny fitantaran’ny mpamily ka nifatratra tany amin’ny trano amoron’arabe”, hoy ny fanazavan’ ny kaomandin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatofotsy. Renim-pianakaviana iray mpivarotra tao anatin’ilay tsena amoron-dalana lasibatra tamin’io loza io. “Efa nihidy ny tsena saingy nijanona tao ambany rihana izy ka voatrongin’ilay kamiao”, hoy ny fanazavana. Nidina ifotony avy hatrany, nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nosokirina tao ambanin’ny kodiarana ilay ramatoa. Nifamonjena nentina teny anivon’ny HJRA Ampefiloha ity farany saingy tsy tanà ny ainy.
Atao andrimaso
Nosintomina tamin’ny mpamily ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara. Notazomina atao andrimaso izy ary atao famotorana eo anivon’ny zandary. Naiditra am-balam-pamonjana koa ny fiara. Tokana hatreto ny antony voalaza fa niteraka ny loza. Olana teo amin’ny hisatra izany. Na izany aza, miroso amin’ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana. Miseholany rahateo tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny tsy fitandreman’ireo mpampiasa lalam-pirenana na eo aza ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminana misehatra amin’ izy ireny.
Tsiferana R.
Miova tanteraka ny fanjifana! Araka ny efa namantarana azy tato anatin’ny 15 taona, fifanakalozana ara-bola niomerika amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Tsy mila mikirakira ravim-bola intsony. Lasa vokatra ilain’ny andavanandron’ny (PPN) ny mpanjifa, ankehitriny, ny MVola. Azo ampiasaina handoavana ny fandaniana samihafa, toy ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pamandrihana Canal +, hilalaovana amin’ny Bet 261, sns. Tsy mila mihetsika fa eo am-pitoerana ihany dia vita. Azo ividianan-javatra any amin’ ny toeram-pivarotana isan-karazany, toy ny any amin’ny tranombarotra lehibe, eny an-tsena, farmasia, amin’ny fitaterana, sns.
Toraka izany, koa any amin’ ny raharaham-panjakana samihafa. Miara-miasa ny MVola sy ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolam-panjakana. Azo atao ny mandoa ny saran-draharaha, ankoatra ny hetra. Fanampiny, azo atao ihany koa amin’izao fotoana izao ny mandoa ny latsakemboka any amin’ny Cnaps. Nampahafantarina, ny 23 jona 2025 teo, io fifanarahan’ny MVola sy ny Cnaps io.
Tanjona amin’ireo rehetra ireo ny fanamorana ny filana andavanandron’ny Malagasy. Nilaza ny tale jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot, fa « hainay tsara fa misy lanjany daholo ny fihetsika tsirairay. Andraikitray ny manohana ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro, hanomezana azy ireo tolotra sahaza ny rehetra ».
Njaka A.
Vita ny ampahany farany amin’ny lalana « voie rapide » vaovao. Miainga eo amin’ny fihodinana « rond-point » Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mirefy 4 km ity ampahan-dalana ity, izay hanomboka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy io. Nijery ifotony teny an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny alakamisy 24 jolay teo. Hita fa tanteraka ny asa sady vonona ny fotodrafitrasa rehetra natao.
Hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity lalam-baovao « voie rapide » ity. Mampifandray ny Renivohitra sy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato hatrany Ambohitrimanjaka. Hampitohy mivantana ny toerana mpivarotra taozavatra malagasy eo Ambohitrimanjaka mifandray amin’ ny Boulevard de l’Europe (67 ha Ankasina) ihany koa.
Etsy ankilany, mitohy ny asa fanitarana ho arabe azon’ny fiara efatra ifanenana (4 voies) ny lalana eny Tsarasaotra, mandalo ny Lake Iarivo, hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Anisan’ny tanjona ny hanatsarana, hanamorana ary hanafainganana ny fifamoivoizana mankany amin’ny seranam-piaramanidina, satria tsy maintsy hajaina ny ora fiaingana na fahatongavan’ny fiaramanidina.
Njaka A.
Ankalazaina anio 26 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko. Mandray anjara amin’izany ny orinasa Bôndy, nizara jiro manazava lalana miisa 250 amin’ny faritra 4 iasany.
Misehatra amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny ala honko ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko. Nambaran’ ny talen’ny Toekarena manga ao aminy, Rtoa Aigrette Lalao, fa mahatratra 40 000 ha ny velaran-tany honko harenina hatramin’ny taona 2030, any amin’ny faritra efatra (Melaky, Boeny, Sofia, Diana). Nanomboka ny taona 2023 no niasa ity orinasa ity, ka anisan’ny natao ny fikarakarana ny tany sy ny fambolena ny zana-kazo. Niditra tamin’ny fambolena zanaka honko avy eo, karazany enina amin’ireo valo misy eto Madagasikara. Mahatratra 2 000 ha ny ala honko efa narenina, nambolena zanaka honko miisa 15 tapitrisa. Naniry daholo ny 80% ny zana-kazo nambolena, ary nosoloina ny tsy naniry.
Fanatsarana ny velon-tena
Notsipihin’ny talen’ny Toekarena manga fa miara-miasa ny Bôndy sy ny vondron’ny mponina eny an-toerana amin’ ny fanatanterahana ny tetikasa Ma Honko. Manomboka any amin’ny fikarakarana ny tanin-janakazo, ny fambolena zana-kazo, ny fanoloana ny maty, ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny ala honko, sns. Eo am-pamolavolana ihany koa ny tetikasa mampidi-bola (AGR) ny mponina. Tsy atao ambanin-javatra izany, satria manodidina ny 2 tapitrisa ny mponina mivelona amin’ny ala honko. Koa, miantraika amin’ izy ireo ny fahasimban’ny ala honko, satria efa miaina ny vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro rahateo ny mponina.
Hitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny mponina amorontsiraka manamorona ny ala honko ny fanatsarana ny velon-tenan’izy ireo.
Amin’izao fankalazana ny Andron’ny ala honko izao, nametraka jiro miisa 250, manazava ny tanàna ny Bôndy. Voakasik’izany ny faritra 4 iasany, ahitana fokontany 62, anaty kaominina 24.
Njaka Andriantefiarinesy
Hisolo tena an’i Madagasikara any Algérie, mandritra ny lalao afrikanina an-tsekoly, taranja Judo, Razakarison Tovohery, sokajy latsaky ny 55 kg. Ity no lalao afrikanina an-tsekoly voalohany ary tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara.
Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Hatao ny maraina ny fifanintsanana ary ny hariva kosa ny famaranana, raha ny fandaharam-potoana voaray nandritra ny fanadihadiana natao omaly.
Tontosa ny alakamisy lasa teo, tao Cluses France, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny «Masters 2025», taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy nahitana an’i Tianakely sy i Balôty ary i Yves Sedrick, izany. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2, ny ekipan’ilay Malagasy Andriantseheno Christian (Racl).
Lors d’un rapport public relatif à l’affaire d’Ambohimalaza, diffusé en direct sur la TVM jeudi soir, le président Andry Rajoelina, a envoyé un avertissement sérieux, à ceux qui tentent de déstabiliser le pays et de propager de fausses nouvelles, à l’approche du sommet de la Sadc.
Andry Rajoelina a été ferme dans ses propos. L’Etat ne tolérera aucun acte de déstabilisation et de manipulation à l’heure où Madagascar s’apprête à accueillir avec honneur le 45e sommet de la Sadc.
Le chef de l’Etat a même laissé entendre que les récents incidents, notamment les incendies d’un transformateur à Antsirabe le 13 juillet, du marché de Sabotsy et la grève du personnel de la Jirama, n’étaient pas le fruit du hasard. Une forte présomption existe, selon lui. Et les objectifs sont clairs, compromettre l’organisation de ce rendez-vous régional et nuire à l’image du pays.
Andry Rajoelina a fait savoir que de nombreuses personnes n’apprécient pas l’excellence du leadership diplomatique malgache qui a conduit les 16 pays membres de la Sadc, à confier l’organisation de ce sommet à Madagascar. Il a évoqué l’existence d’une lettre envoyée à la communauté internationale, demandant l’annulation de cette rencontre d’envergure.
Et maintenant, les détracteurs du régime surfent sur cette affaire d’empoisonnement, pour faire de la récupération politique, qualifiée d’inacceptable par Andry Rajoelina. Il a indiqué que l’Etat va prendre ses responsabilités car la population a besoin de paix et de stabilité, et non pas de troubles ou de confusion.
« Ce qui se passe actuellement, c’est que certains veulent plonger le pays dans une crise. Je ne tolérerai aucune déstabilisation ni manipulation de l’opinion publique, à travers de fausses informations. Cet anniversaire noir d’Ambohimalaza ayant fait de nombreuses victimes, ne doit pas faire l’objet d’une récupération politique», a-t-il martelé. Le président Rajoelina a appelé à la retenue et au respect des victimes.
F.M
Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana io ny ekipan’ny Unité d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nalefa nisafo anaty elakelan-trano ny polisy manao fanamiana sivily. Notetezina ny faritra voasokajy ho fandalovan’ireo mpanao ratsy. Nifanena tamin’ireo mpanendaka vao mangirandratsy ny polisy. Nitondra sabatra ireo roa lahy ka nikasa hamely ny mpitandro filaminana. Lavon’ny basy vokatr’io ireo jiolahy. Nahatrarana sabatra lavalela teny amin’ireto farany. Marihina, miasa andro aman’alina misambotra ireo mpanao ratsy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra ireo faritra voasokajy ho faritra mena, ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.
An-taonany maro nifandroritana teny anivon’ny fitsarana, noravan’ny vaditany ny trano miisa 11 tafo eny amin’ny kaominina Alakamisy Anosiala, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo. Nigadona vao maraina ny mpanatanteraka didy ka nitondra mpandrava ny trano tafiditra anatin’ny tany nahazoan’ny voalaza ho tompon-tany rariny. Didim-pitsarana efa nivoaka tamin’ny taona 2006 io nanantanterahana ny fandravana omaly io, araka ny fanazavan’ny tompon’ny trano noravana.
Niezaka niady teny anivon’ny fitsarana ireo fianakaviana miisa 15 monina tamin’ireo trano 11 tafo ireo, teo anelanelan’ny taona 2006 hatramin’ity taona ity saingy niafara amin’ny fandravana ny trano rehetra izany. Tetsy ankilany, efa nisy ny fampilazana mialoha ireo tompon’ny trano fa hisy ny fandravana saingy mbola nijanona teo amin’ny toerana izy ireo. Voatery niroso tamin’ny fampiharan-dalàna ny vaditany. Mitaraina ho very fivelomana tanteraka ireo rava trano.
Tsiferana R.