SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 09:17

Hihemotra amin’ny 16 aogositra ho avy izao ny fifaninanana « Amboaran’Analamanga », taranja Jiujitsu brezialina. Ao amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankoron­drano ihany no hanatanterahana ity fifaninanana ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpikarakara, ny ligin’Analamanga taranja Jiujitsu breziliana.

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy Arivo­nimamo, ny fifaninanana Rallye Run, « King of Mada 2025 ». Tsara marihina fa ity no dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Tsia­hivina fa hifarana anio, ny fara-fisoratana anarana amin’izany ho an’ireo izay maniry handray anjara.

Taorian’izay taom-pilalaovana nandritra ny 10 taona izay, fantatra omaly, fa handao ny klioba Real Madrid Fc, Espagne, i Lucas Vasquez, mpilalao espaniola. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo mpilalao niatrika ny Fiadiana ny tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba, izay natao tany Etazonia teo, i Lucas Vasquez.

Catégories: National

Slalom sy course de côte: Mitarika eo amin’ny 2RM i Juan

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 09:17

Taorian’ny dingana roa efa tontosa ho an’ny “Slalom” sy ny “Course de côte”, namoaka ny filaharana vonjimaika an’ireo mpanamory tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Federasionina sport automobile malagasy (FSam). Raha ho an’ny 2 Roues Motrices, mitarika i Juan, mitondra ny Renault Clio, manana isa 50. Nahazo isa 25 nandritra ny slalom TFM ary 25 ihany koa teo amin’ny MSA.
Manaraka azy, i Fred, amin’ny Peugeot 306, nahazo isa 33. Isa 18 tamin’ny dingana voalohany ary 15 teo amin’ny faharoa. Mitovy isa aminy eo amin’ny laharana fahatelo, i Olivier sy ny Citroen C2. Nanana isa 15 teo amin’ny slalom voalohany ary 18 teo amin’ny faharoa. Mbola ady mangotraka, araka izany, ny an’i Fred sy i Olivier amin’ny fifaninanana manaraka.
Ho an’ny “Cross car”, voalohany i Fafan’n, nahazo isa 43, faharoa i Joujou, isa 37, ary fahatelo i Bouboul, manana isa 30. Isa 30 ihany koa ny an-dRapa, mitazona ny laharana fahefatra. Eo amin’ny fiara 4RM T2 indray, voalohany i Faniry sy ny Peugeot 208, manana isa 25 ary faharoa i Mika rahalahiny, miaraka amin’ny Mitsubishi EVO, isa 18. Eo amin’ny fiara 2RM sokajy vehivavy, lohalaharana i Hendry, mitondra Citroen Saxo, manana isa 50 arahin’i Ritchianah sy ny Peu­geot 106, isa 36. Dingana manaraka ho an’ny mpifaninana ny Slalom Tacs, hatao ny 26 sy 27 jolay ho avy izao.

Tompondaka

Catégories: National

Malagasy Karate-do (MAKA): 50 taona namokarana mpikatroka matihanina

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 09:16

Mankalaza ny faha-50 taona niorenany ny klioban’ny MAKA (Malagasy Karate-do), natsangan’ny Maître Ramanitrandrasana René. Hetsika goavana no hatao ny 18 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao.

Ny taona 1973 no ni­tsan­gana ny klioban’ny MAKA. Ny taona 2023 izany no tena feno 50 taona, saingy amin’ity taona ity no hankalazana izany, noho ny antony maro, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kaomity mpikarakara ny fankalazana ny faha-50 taona, Sensei Rakotonirina Gilbert. Ao anatin’ny herinandro no hankalazana izany, izay hatao ny 18 hatramin’ny 24 aogositra izao. Araka ny fandaharam-potoana, hisy ny fiofanana natokana ho an’ny mpikatroka eo anivon’ny MAKA, ny 18 sy 19 aogositra izao, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hitohy amin’ ny fampirantiana izany, ny 19 hatramin’ny 21 aogositra, izay hatao eo ivelan’ny kianja Barea Mahamasina. Mandri­tra io 3 andro io no hampisehoana ny tantaran’ny MAKA sy ny vina ary ireo zava-bita tao anatin’izay 50 taona nijoroana izay. Aorian’izay, hisy koa ny fiofanana nasionaly misokatra ho an’ny klioba sy mpikatroka rehetra manana ny “ceinture noire”, izay hiarahana miasa amin’ny federasionin’ny Karate-do Mala­ga­sy, hatao ao amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hamasina ihany koa. Hampia­vaka ny fankalazana ihany koa ny fifaninanana sy fampisehoana hatao ny 23 aogositra izao ary hofaranana amin’ ny “dejeuner dansant” eny amin’ny Yandy By-pass izany, ny 24 aogositra izao.
Tsiahivina fa klioba lehibe ary manana ny maha izy azy ny MAKA. Namokatra mpikatroka aman’alina izy ary ma­nodidina ny 12 000 ankehitriny ny isan’ny mpikambana. Tsy mpikatroka ihany fa na­molavola mpanazatra sy mpampianatra marobe koa ity klioba ity, izay mbola mizara ny traikefany amin’ireo zandry aty aoriana.

Ho avy eto ny Maître Ramanitrandrasana

Hisy ny fanomezana voninahitra ny Maître Ramanitran­drasana René amin’ity fankalazana ny faha-50 taonan’ny MAKA ity, araka ny nambaran’ ny filoha, Sensei Razafi­man­droso Emilien. Mifanindry an-dalana amin’izany rahateo ny fankalazany ny faha-88 taonany. Ho avy eto an-toerana, any amin’ny voalohandohan’ny volana aogositra any ny Maître Ramanitrandrasana René.

Mi.Raz

Catégories: National

Vaovao diso anaty Facebook : Nametraka fitoriana ny MJS

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 09:15

Manoloana ny vaovao diso, izay miampy fanalam-baraka, havoaka sy miely anatin’ny tambajotran-tserasera facebook, nametraka fitoriana eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny heloka ana habaka, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tsiahivina, voatonontonona amin’ilay raharaha teny Ambohimalaza, ny anaran’ny minisitra MJS, Moustapha Marson Abdulah, ka tsy maintsy nandray fepetra manoloana io tsaho miely io ny eo anivon’ity rafi-panjakana mitantana ny Fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ity. Natao ho fisorohana ny voka-dratsy mety hanohintohina ireo fanamby napetraka sy ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara izany.
Manentana ny rehetra ny MJS mba tsy handairan’ny fandotoana sy ny famotehana olona iniana atao tahaka ireny.

F.R

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 07:04

Mpangalatra tao amin’ny sekoly Manarintsoa Isotry voasambotry ny polisy, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny birao io olon-dratsy io ka nobatainy ny “imprimante”. Tsikaritry ny olon-tsotra io fihetsik’ilay mpangalatra io ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy.
Omby 27 tafaverin’ny zandarimaria amin’ny tompony taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo nandritra ny ora maro tao amin’ny Kizo Antapia, fokontany Mazamiem­po, kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nitsoaka ireo dahalo rehefa tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana.
Malagasy 13 niampy Saodianina roa saron’ ny zandarimaria miaro ny sisintany tao Ambanja, ny faran’ny herinandro teo. Nikasa hiondrana antsokosoko any Mayotte ireo olona tratra, niafina tamin’ny tranokely iray.

Catégories: National

Ampitatafika : Lehilahy voatsatok’antsy hita faty

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 07:04

Lehilahy manodidina ny 30 taona eo, hita faty teny Sidi­sidina Tangaina, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrika Antana­narivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Mpan­droaka sarety sy mpanao biriky nandeha maraina no nahita vatan-dehilahy iray nivalampatra ka nampilaza ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fa­nadihadiana ny zandary avy eo Ampitatafika. Niaraka tamin’izy ireo ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 Faliarivo, nizaha ny razana. Nahitana tsindron’antsy teo amin’ny takibany. Naratra ihany koa ny lohany ary nivonto ny saokany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo teny an-toerana. No­heverina ho nisy namono tany ho any ary nalefa tao anaty rano, avy eo notarisina sy napetraka teo amoron-dalana manakaiky tanimbary ny razana. Nahitana fako toy ny gony sy mololo nanaraka ny vatany. Feno fotaka ihany koa ny va­tany sy ny akanjony.

Tsy mbola fantatra ny havany
Tsy mbola fantatra ny ha­van’io maty io ary tsy avy eny Ampitatafika ihany koa ny fiaviany satria tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny amin’ny manodidina. Tsy nahitana taratasy manamarina ny mom­ba­mom­ba azy ihany koa teny ami­ny, rehefa nosavain’ny ma­nam-pahefana. Nanao ny fikarakarana sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny kaominina Ampitatafika. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Mino

Catégories: National

Analankinina – Hopitaly Be : Andian-jiolahy diso adiresy teo am-panafihana

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 07:04

Tokantrano iray indray nidiran’ny jiolahy miisa dimy nisaron-tava daholo sady nirongo fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, parisela 12-21/22, kaominina Toamasina, afakomaly. Nisava ny trano sady nitaky vola ireo olon-dratsy rehefa tafiditra. Nanambana basy sy antsy ny tompon-trano ny jiolahy hafa. Nilaza ho tsy nanana sady tsy nampiditra io vola izay tadiavin’ireo olon-dratsy io ny lasibatra. Nanontany anaran’olon-kafa ireo mpandroba taorian’io. Notsindrin’ny tompon-trano nandritra ny fifandirana fa tsy izy ireo velively no mitondra ny anarana notononin’ireo mpangalatra. Niloa-bava tamin’ny namany ireo jiolahy fa diso adiresy. Nivoaka moramora ny trano izy ireo ary lasany ny vola fito alina tahirin’ny tompon-trano. Tsiahivina, tokantrano miisa efatra manodidina io trano nidiran’ny jiolahy io izay efa nasian’izy ireo vato avokoa teny am-baravarana.

Sajo

Catégories: National

Avotra teny amin’ny seranan’Ivato : Zaza valo volana hamidy any Gabon

Les Nouvelles - jeu, 07/17/2025 - 07:03

Ravan’ny polisy ny 12 jolay lasa teo, ny tambajotra iray mpanondrana olona mankany ivelany. Avotra teo am-pelatanan’izy ireo ny zaza vao valo volana, saika hamidy any Gabon.

Tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy lasa teo, ny renim-pianakaviana iray nikasa hitondra zaza ha­midy any Gabon. Nisandoka ho renin’ilay zaza izy rehefa notambazana vola telo tapitrisa Ar. Zazakely, tezaina amin’ ny fandraisana zaza kamboty ilay lasibatra.
Vehivavy miisa enina, miampy lehilahy roa, no voasambotry ny polisy mpiambina sisintany. Misy ny mpikarakara ny taratasy hosoka, misy ny mpikaroka ny zaza amidy, eo ny mpisandoka ho reniny, ary misy ny mpitondra ny olona mankany ivelany. Teo am-pikononkononana ny fandefasana ilay zaza amin’ny sidina Ethiopians Airlines no vaky ambatolampy ny raharaha maloto.
Araka ny vaovao avy
amin’ny polisim-pirenena, tratra voalohany ilay nisandoka ho reniny. Voasambotra teo am-panomezana ilay zaza tamin’ny vehivavy hafa hitondra azy miondrana any Gabon izy. Nibaradaka sy niaiky ny helony izy nandritra ny fakana am-bavany savaranonando natao azy. Nohamafisiny fa voakarama fotsiny izy hanatitra ny zaza amin’olona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Notondroiny avokoa ireo mpiary tsikombakomba taminy.
Mbola karohina
Tafakatra valo ny isan’ny olona nosamborina momba ity fanondranana zaza tratra te­tsy Ivato ity. Tsy mijanona ha­treo anefa ny fanadihadiana. “Mitohy ny fikarohana ireo heverina ho mbola anisan’ny mpiray tsikombakomba”, ara­ka ny fanazavan’ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo.
Etsy ankilany, natao fizaham-pahasalamana ilay zaza. Voamarina fa salama tsara sy tsy misy ahina izy ka napetraka amin’ny Akany azo antoka.

Tsiferana R.

Catégories: National

AMBARAO Juillet MAE 2025

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 12:58

Catégories: National

DES IDEE EN GOGUETTE 16 07 2025

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 09:25

Catégories: National

Lalam-piofanana teknika : Mahafehy ny teknolojia vaovao ny Malagasy tanora lahy sy vavy

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 09:13

Mahasarika tanora maro ny manaraka ny lalam-piofanana teknika amin’izao fotoana izao. Tia mandranto sy ma­molavola ny teknolojia vaovao ireo mpianatra ka antony mahatonga azy ireo liana, raha ny fanadihadiana natao.

«Matetika ny ray aman-dreny no manakana ny ankizy tsy hanaraka io lalam-piofanana teknika», hoy ny mopera tomponandraikitry ny Lycée technique général industriel eo anivon’ny kolejy Masina Misely Amparibe, Ram­batoson Eckstein Ray­mond, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa miankina amin’ny teknika avokoa anefa ny zavatra rehetra atao eto ambonin’ny tany. Efa mivoatra ny zava-misy ary ampiasaina teknika avokoa ny ankamaraon’izy ireny. Misa­fidy ny hanaraka lalam-piofanana teknika ny ankizy satria mora ahitana asa izany aorian’ny fahavitana fianarana. Maro hisafidianana ihany koa ny fianarana any ary betsaka ny asa azo atao mifandraika amin’izany. Misafidy ny hianatra amin’ny sampam-pianarana teknika ny mpianatra rehefa afaka fanadinana BEPC. Maharitra telo taona ny fampianarana. « Tena marisika ny ankizy satria tiany ny fampianarana. Mila olona hampirisika sy hanampy azy amin’ny hetahetany sy ny faniriany izy ireo”, hoy ny tomponandraikitra. Tsy maintsy fohazina izay hetahetany izay amin’ny alalan’ny fianarana. Zava-dehibe ny mampiseho fa vita malagasy ny asa natao. Somary manahirana ny fiantraikany eto amin’ny firenena satria ny sampana teknika dia tsy misy mpijery fa ezahina ny hampivoatra ny fampianarana teknika.

Miankina amin’ny teknika ny zava-drehetra

Manodidina ny 15 isa ny taranja ianaran’ny ankizy eny amin’ny teknika. Misy ny fianarana asa ataon’ny ankizy. Misy ny fotoana fampiharana. Miainga amin’ny fifehezana ny matematika sy fizika ny fampianarana ny taranja fototra. Malalaka amin’ny safidy tiany ny mpianatra ka mamolavola ny zavatra kasainy atao ary manatanteraka izany. Ma­nara-maso sy manome torohevitra fotsiny sisa ny mpampianatra.
Mivoatra sy hita ny fitiavan’ny ankizy ny lalam-piofanana teknika. Anisan’izany ny mahakasika ny robotika sy ny mekanika. Misy ireo mpianatra nahavita nanamboatra sy namokatra cross car. Teo koa ny tetikasa famokarana “barrière” ilaina any amin’ny orinasa mba ahafahana manamarina ny fotoana hidirana sy hiravan’ny mpiasa tsirairay. Voa­fehy amin’izany, ny fotoana nahatongavan’ny olona eo anivon’ny orinasa iray. Ankoatra izay, misy ny tetikasa takela-jiro fampiasa amin’ny fifamoivoizana sy ny maro hafa. Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ireo ankizy mampihatra ny fianarana nataony tany an-tsekoly. Apetraka eo anivon’ny sekoly io fitaovana novokarina ireo, raha ny fanazavana nataon’ny mopera tomponandraikitry ny teknika eo amin’ny kolejy Masina Misely manokana. Manampy akaiky ny mpianatra ny mpampianatra ary miverina isaky ny alarobia sy sabotsy hariva ho fanaraha-maso. « Manao ny famolavolana sy ny fanatanterahana isan-karazany ny zavatra tiany ataony ny mpianatra. Sakana ny fanampiana ny teknisianina eto amintsika », hoy ny mopera Rambatoson Eckstein Raymond. Voizina hatramin’ izay ny fampianarana ankapobeny fa ankehitriny, entanina ny ankizy mba hianatra aty amin’ny sekoly teknika.

Tia manaraka lamina ny ankizy teknika
Maro ny mpianatra tia mandranto ny fianarana ankapobeny, raha oharina amin’ny teknika. Miavaka ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana teknika raha oharina amin’ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana ankapobeny, raha ny fanazavana voaray ihany. Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny eo amin’ny lafiny toe-tsaina. Tia mampihatra ny zavatra nianarany, tia manaraka fitsipika sy lamina ihany koa rehefa hanao zavatra iray mba tsy ho diso ny zavatra atao, raha ny nambarany ihany. Mahavita sy mahay ny Malagasy ary lasa mampihatra ny fianarana noratoviny any ivelan’i Madagasikara avokoa anefa ny ankamaraon’ireo tafita fianarana. “Tokony hiverina sy hijanona eto an-tanindrazana hatrany anefa ireo tanora nahavita fianarana. Mba hanatevin-daharana sy hanatsara ny vita Mala­gasy”, hoy ny tomponandraikitry ny lycée teknika izy.

????????????????????????????????????

Nahavita famoronana maro

Nandritra ny fotoana nisian’ny teknika teo Amparibe, efa maro ny famoronana vitan’ny ankizy. Nisy nahavita namorona sy nampiodina « Drone », izay mitondra entana. Tao anatin’ny iray volana mahery ny nanamboarana sy ny vina nanamboarana azy io. “Baikoina amin’ny finday na solosaina rehefa misy Wifi ary jerena amin’ny écran (efijery) amin’ny solosaina”, hoy Andriantahina Fy, mpianatra teknika eo anivon’ny kolejy Masina Misely. Nambaran’izy ireo ho olana ny fanenjehana fotoana sy ny lafiny ara-bola rehefa manao famokarana. Tamin’ny vinavina voalohany, nieritreritra hanao fiaramanidina ny tetikasa kanefa sarotra kokoa noho ny pitsopitsony be sy ny fitaovana hanamboarana azy. “Vinavinan’ny mpianatra ny hamerina ny jiro telo soratra satria tsy mbola hitanay izany”, hoy Rakotoniera Finaritra Marc, mpianatra teknika. Natao hanampy ny polisy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana izany tetikasa izany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly fa ho santarina eo amin’ny vavahady fidirana ny tetikasa sasany nataon’ny mpianatra.

Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 09:11

Mirefy 8 km ny lalana tsy maintsy vita godirao, mialoha ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto An­tananarivo amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Io no toromarika nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, raha nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana eny Tsarasaotra, omaly. Hampiana ny isan’ny mpiasa andro sy alina, hampiana ny orinasa, sns.

Miisa 50 ny tanora niofana momba ny zaitra «crochet», avy ao amin’ny Akanin’ny Marenina Ivo Hay (Akama) etsy 67 Ha. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Sambatra eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny taozavatra. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Lenka Madagasikara, ka hianatr’asa ao ireo tanora ary misy koa no horaisina hiasa avy hatrany.

Mitohy ny hetsika famonoam-balala any Atsimo Andrefana, Anosy, Ihorombe, ny 11 hatramin’ ny 13 jolay teo. Anisan’izany ny any Andranovory, Maromiandra, Betioky Atsimo, Amboasary Atsimo, Ihosy, Betroka, sns. Misy ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Amafisina, fa tsy azo atao intsony ny mihinana valala amin’izao fotoana izao.

Catégories: National

Seranam-piaramanidina Ivato : Nitarina ny fikarakarana ny zotra anatiny

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 09:11

Nafindra eny amin’ny toerana nikarakarana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, nanomboka ny 2 jolay 2025 teo. Nitarina ny velaran’ny toerana, izay lasa 1 076 m2 raha 353 m2 taloha. Ao anatin’izany ny fandraisana ny mpandeha vao tonga sy ny fikarakarana ny entana, ampiasana fitaovana maoderina. Nohalavaina, noho izany, ny fitaovana mamoaka ny entana, izay lasa 96 metatra raha 31 metatra taloha, manamora ny fikarakarana.
Mitohy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ka mbola hampiasaina vonjimaika hatramin’ ny desambra 2025 ny toerana fandraisana ny mpandeha ho an’ny zotra eto an-toerana. Mitentina 1,6 tapitrisa euros ny tetibola ampiasaina. Nilaza ny tale jeneraly ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa «dingana lehibe vaovao no hatao amin’izao fanavaozana ny fikarakarana ny zotra anatiny ato amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo izao. Taratry ny ezaka asehonay, hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpandeha. Fotodrafi­trasa hampiroboroboana ny kaompania Madagascar Airli­nes. Hotohizana ny ezaka hanomezana tolotra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena».
Raha ny antontanisa farany, ny jona 2025 teo, niisa 286 ny isan’ny zotra anatiny tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary 286 toy izany koa ny fiaingana.

 

Njaka A.

Catégories: National

Fiovan’ny toetr’andro : Hiaro ny morontsiraka ny tetikasa PAZC-2

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 09:11

Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fan­daharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE).
Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN) ny BNCCREDD+, Ravelomanana Lovakanto, fa andiany faharoa (Task-2) ity tetikasa ity, mandritra ny 48 volana. Hifantoka amin’ny fiarovana ny rohivoahary amoron-tsiraka, famerenana amin’ny laoniny ny ala honko mirefy 3 000 ha, sahandriaka mirefy 2 000 ha, zavamaniry 200 ha, sns. Eo koa ny fana­tsarana ny velon-tena mampidi-bola ny mponina. Faritra efatra no voakasika (Boeny, Menabe, Diana, Atsimo Atsi­nanana), anaty kaominina 20 (5 isaky ny faritra). Mitotaly 147 000 ny mpisitraka ka mivantana ny 92 040, ary vehivavy ny 50%.
Dingana efa vita tamin’ny andiany voalohany (Task -1) ny fananganana dobo fiompiana trondro tany Manakara, ny fitahirizana sy fikarakarana ny hazandrano, ny fiarovana amin’ny loza voajanahary, sns.

Njaka A.

Catégories: National

Efa-bolana nifampitadiavana: Hita ny fatin’i Mahandry, nofongarina omaly ny razana

Les Nouvelles - mer, 07/16/2025 - 08:33

Izay vao hita! Razana sisa no nofongarin’ny fianakavian’i Mahandry, omaly. Tsy hita ny volana marsa izy, raha nikasa ny handeha hividy vary tany Soavinandriana. Voasambotry ny polisy ireo ahina ho nahavanon-doza.

Tsy hita popoka nandritra ny efa-bolana sy tapany i Mahandry. Taolam-balo sisa no hany tafaverina tany amin’ny fianakaviany, omaly. Hita tao Ambohitri­man­jaka, Fokontany Fiantsonana, kaominina Ambonivohitra Soa­vinandriana ny razana rehefa nokarohina nanomboka ny voalohan’ny volana marsa lasa teo. Nanoro ny toerana nandevenany azy ny lehilahy roa voarohirohy, voasambotry polisy. Tany amin’ny toerana lalana 30 minitra, miala ny fiantsonan’ny taksiborosy, mandeha an-tongotra izany.
Raha tsiahivina, nitondra moto vao novidiany izy niala ny toeram-piasany ny 1 mar­sa. Niaraka tamin’ny olona iray hafa, nilaza ho mahita toerana hividianana vary ity farany. Tsy nody an-trano sy tsy azo an-telefaonina intsony i Mahandry. Nampiahiahy ny fianakaviany ny zava-nitranga, nametraka fitoriana izy ireo. Marihina fa very niaraka taminy ihany ko any moto.
Nanomboka ny fikarohana. Hitan’ny olona nitaingina ny moton’i Mahandry ilay lehilahy niaraka taminy farany. Nitsoaka avy hatrany izy, navelany teo ilay moto.

Tra-tehaka ihany

Tsy nijanona ny fikarohana, niafina tany Antanifotsy-Antsirabe ilay rangahy taty aoriana. Voasambotry ny polisy izy taorian’ny angom-baovao mari-pototra. Niainga avy aminy rahateo no nahalalana ny marina rahetra toy ny famonoana an’i Mahandry, ny halatra moto, ary ny fandevenana antsokosoko. Mbola karohina kosa ny namany.
Efa azon’ny fianakaviana omaly, ihany ny razana izay efa tena rava tanteraka. Ny ankanjony namonosan’ireo olon-dratsy azy ihany sisa no nahalalan’ny havany azy. Nanampy ny fianakaviana ny solombavambahoaka tany an-toerana tamin’ny fakana ny razana noho ny fahasarotan’ny lalana. Mitohy ny fanadihadiana.

Tsiferana

Catégories: National

AMBARAO Teaser MAE

Les Nouvelles - mar, 07/15/2025 - 15:11

Catégories: National

Tsy ampy ny tolotra sy ny fitaovana : Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny VIH/Sida eto Madagasikara

Les Nouvelles - mar, 07/15/2025 - 10:05

Miakatra hatrany ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina eto Mada­gasikara. Olana eo amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana mitily sy ny fandraisana an-tanana ny marary no antony.

Tsy mitsaha-mitombo ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida eto Mada­gasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sycavi, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana tetsy Antanimena, ny herinandro lasa teo. Olona efatra amin’ny dimy no miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara nefa tsy mahafantatra izany akory, raha ny antontanisa navoakan’ny ONUSida tamin’ny 2023. 22 % ny olona mitondra ny tsimokaretina kosa no mahafantatra, raha ny tatitra hatrany. 76 000 ny olona vinavinaina ho mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. 26 703 no fantatra sy hita ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao fotoana izao, raha ny antontanisa navoakan’ny “Program­me national de lutte contre les IST et VIH/Sida” (PNLS), tamin’ny desambra 2024. Mbola misy olona manodidina ny 50 000 isa eo ho eo karohina.
Olana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fitaovana hiarovana sy handraisana an-tanana ny olona ary ny tsy fahampian’ny fitaovana fanaraha-maso ireo marary, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Mbola misedra olana amin’ny lafin-javatra maro ny olona, indrindra ireo olona tena tandindomin-doza (PCPER) ary ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH (PVVIH) eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana. Nanontaniana tamin’izany ny vondron’olona tiliana manokana, mety hamindra ny tsimokaretina. Eo ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina izay mampiasa fitaovam-pitsindromana, mpampanofa tena, ireo miara-miaina miaraka amin’ny VIH/Sida, ary ireo olona mitovy fananahana manao firaisana ara-nofo. Nambaran’izy ireo fa maro ny olana mbola sedrain’ny vondron’olona tiliana samihafa, mahakasika ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Olana mivoitra indrindra tamin’izany, ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fahalalana ary ny fitaovana entina hamaliana ireo filan’ny mpisitraka. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra nampahafantatra ny valin’ny fanadihadiana fa nisy tsy fahampiana ireo sampandraharaha mandray an-tanana nandritra ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Efa nisy kosa ny fanatsarana nataon’ireo tomponandraikitra taorian’ny antso avo nataon’ireo mpiantsehatra teo anivon’ny tetikasa.

Ilaina atao ampy ny fitaovana fiarovana
Tsy misy dikany ny fanentanana raha toa ka tsy misy ny fitaovana fiarovana. Vaha­olana lehibe ny fahampian’izany. Hamoraina ihany koa ny fanaovana fitiliana, mba hahafahan’ny tsirairay mahafantatra na mitondra ny tsimokaretina izy na tsia, raha tiana ho tratra ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. “Tokony efa ho vonona ny fitaovana fanaovana fitiliana io rehefa misy olona anankiray hanatanteraka izany”, hoy ny Dr Ravelohanta Mananaharisoa, mpandrindra ankapobeny ny tetikasa Sycavi. Tokony hitohy foana ny fanentanana, aorian’ny fahafantarana ny valin’ny fitiliana. “Raha toa ka voan’ny tsimokaretina ilay olona dia tokony hisokatra sy hisitraka maimaimpoana ny fanafody ARV izy”, hoy ihany izy. Mila tohizana foana ny fanaraha-maso ilay marary sy ny fandraisana an-tanana tokony atao aminy, rehefa mihinana ilay fanafody. Tanjona amin’izany, ny mba hahafahana misoroka ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida. Mano­loana ny fanilikilihana sy fanavakavahana, zava-dehibe ny mampianatra ny olona tsirairay avy. “Toy ny olon-drehetra ihany ny olona mitondra ny tsimokaretina ary manana zo hisitraka tahaka ny olon-drehetra ihany ary manana ny zo hisitraka ny zo hahazo fitsaboana ara-dalàna”, hoy Dr Rasolo­fihanitra Toavina Jhon, avy amin’ny firaisamonim-pirenena (organisation de la société civile). Nambarany fa hita sy tsapa fa zava-dehibe ny fampianarana ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny VIH, mahakasika ny fivoarana rehetra manodidina ny aretina.

Mitsangana ny OPP Mada

Betsaka ny mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida. Nijoro ny OPP Mada, natao hivondronan’ireo mpiantsehatra fiarahamonim-pirenena mba hanamorana ny fandrindrana, ahazahoana angon-kevitra mirindra sy milamina mahakasika ny fanadihadiana atao amin’ny ady amin’ny VIH/Sida. Fototra telo no ijoroan’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Eo ny eny anivon’ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ny fiarahamonim-pirenena. Hatramin’izao, afaka misitraka torohevitra isan-karazany tokony alehan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina.
Voasazy ny olona mikasika zava-mahadomelina raha ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka indray, mijery ny fomba rehetra ahafahana mitsabo ireo olona ireo izy ireo. “Izahay ato anatin’ny fiarahamonim-pirenena, dia mijery ny vahaolana, sy mankahery ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina ireny”, hoy ny filohan’ny OPP Mada, Firinga Johnson Victorius. Nambarany fa apetraka amin’izany ny fifampitokisana, lazaina aminy fa tsy mety ny “seringue” tokana ampiasaina ary omena “seringue” hafa izy ireo. Tarihina amin’ny fialana tsikelikely amin’ny resaka tsindrona izy ireo rehefa mifampatoky. Mba hialana amin’ny fanagadrana azy sy ny maro hafa. Ezaka ataon’ny OPP ny milaza ireo olana rehetra misy sy hitadiavam-bahaolana mahakasika izany.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Ho tonga amin’ny volana aogositra

Les Nouvelles - mar, 07/15/2025 - 10:04

Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana izany”, hoy izy.
Nambarany fa mifandray tsy tapaka amin’ny fitondram-panjakana malagasy koa ny fanjakana frantsay amin’ny firosoana izany. Mbola nohamafisin’ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, teny Ivandry koa izany. Tsiahivina fa mpanjakan’i Madagasikara ny Ampanjaka Toera. Tena martiora izy ka fotoana iray hampisehoantsika ny mampitambatra ny Malagasy ny fo­toana hiverenan’ny kabesony eto Madagasikara, araka ny nambarany. “Mendrika ny hanaovana lanonana ny fahatongavany satria manana ny hajany tokoa”, hoy izy.

Synèse R.

Catégories: National

MEETFP Atsimo Atsinanana : Tsy eken’ny sendika ny talem-paritra vaovao

Les Nouvelles - mar, 07/15/2025 - 10:03

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera.
Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno ny fepetra, araka ny tapaky ny kongresy rezionaly ny volana mey teo”, hoy izy ireo. Mbola notsiahivin’ity sendika ity ny masontsivana amin’ny fanendrena ny fitalevana ny MEETFP Atsimo Atsinanana. Anisan’izany ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eo anivon’ny fitaleavam-paritra. “Mahalala sy manana vina hampandroso ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manaja ny maha olona ary midina ifotony mamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana”, hoy izy ireo.
Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra izy ireo mba hijery izao olana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izao.

Fampidirana resaka politika
Takin’ity sendika ity koa ny hampitsaharana tsy misy hatakandro ny fampidirana resaka politika eo anivon’ny minisitera. Nohitsin’ny fanambarana fa mifanohitra amin’ny maha kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny MEETFP. “Fanapotehana anefa no misy aty Atsimo Atsinanana tao anatin’ny roa taona. Ataon’olom-bitsy fitaovana politika ny fanendrena mba ahafahana manao tantely afa-drakotra”, hoy ihany ny fanambarana nosoniavin’ny mpandrindram-paritry ny sendika MEETFP Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Celestin.
Tsiahivina fa efa vita ny herinandro teo ny famindram-pitantanana ny talem-paritra any an-toerana ka nandraisan’i Aina Perle Hortense izany toerana izany.

Synèse R.

Catégories: National

Lasa hatramin’ny papay : Mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina

Les Nouvelles - mar, 07/15/2025 - 10:03

Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana.

Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. Ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy, tao amin’ny fokotany Ankirihiry parisela 11/55, nandritra ny fahatapahan’ny herinaratra, nandihizan’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray. Renim-pianakaviana sy ny zanany vavy irery no tao an-trano. Tsy sakana tamin’ ireo jiolahy ny hamafin’ny lakoro sy ny hidin-trano fa tafiditra ihany ry zalahy. Vokany tafiditra ihany ireo jiolahy izay efa vonona tamin’ny jiro fanao am-paosy, miampy matraque napoapoaka manerana ny efitrano hany ka tsy afa nihetsika sy namaly izy mianaka. Norahonana mba hamoaka vola ka namoaka lelavola 15 tapitrisa Ar. No­lazain’ireo olon-dratsy fa mbola tsy ampy ka norahonany haolan’ izy ireo ny zanany vavy na izy reniny. Tsy sahy indray ireo jiolahy ka nandroaka izay tiana entina, finday, famantaran’ora amin’ny tanana sy mipetaka ain’ny rindrina, firavaka volamena kojakoja tao an-dakozia.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray manao ny asany andavanandro maka henan’omby tao amin’ny labatoara, vao omaly maraimbe, no norobaina andian-jiolahy. Nihevitra ireo andian-jiolahy fa mitondra vola ity raim-pianakaviana mpividy ilan’omby ity. Vokany, tsy nahitana afa-tsy vola
10 000 Ar tamin’ ilay rangahy ka nanalan’izy ireo hatezerana. Nodarohan’ireo jiolahy izy ka naratra.
Tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Analakinina hopitalibe ihany koa no nidirana mpangalatra. Tsy afaka nanokatra varavaran-trano ireto andian-jiolahy tamin’ ity hany ka siny sy koveta ary bidao, izay nanatazana ranon’ orana teo an-tokotany no tsy nisy niaingana fa lasa daholo. Notapahin’ izy ireo ihany koa ny papay maniry eo andakoro ka nalain’ izy ireo dahol

Sajo/J.C

Catégories: National

Pages