Mozika : Fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto  sy mitana andraikitra eo amin’ny fiainana

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 09:52

Manana lanjany betsaka eo amin’ny tontolo ny anjara asan’ny mpanakanto noho ny mozika ataony. Manabe sy mi­taiza ary mampianatra kolontsaina maro samihafa ho an’ny olombe­lona tsirairay avy izy ireny. Nambaran’ny mpankanto, Rajery Va­liha, fa manana anjara toerana eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny mozika ary fahalalahana ara-pitenenan’ny mpanakanto ihany koa.

Voasokajy ho anisan’ny sakafo ara-panahy ny mozika. “Mihira ny olombelona rehefa te hifanakaiky sy hifandray amin’ny Zanahary na amin’ny zavatra hinoany”, hoy Randrianarisoa Germain na Rajery Valiha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny mitsabo ny olana ara-tsaina ihany koa izany. “Miteraka fihetseham-po ny mozika ka anisan’ny faritra voakitika amin’ izany ny loha sy ny fanahy izay mampidoboka ny fo ary mampibitaka ny tapany ambany amin’ny vatana », hoy ihay ity mpanakanto ity. Misy koa ny mozika izay resahina ao ana­tin’ny fitsaboana. Haverina ao amin’ny tontolo ara-dalàna sy ny fiainana andavanandron’ny olona manana fikorontanana ara-tsaina izany.
Etsy ankilany, “fahalala­hana ara-pitenenan’ny mpanakanto ny mozika satria mala­laka izy amin’ny famoronana ny tonony sy ny feony”, raha ny nambaran’ity Malagasy mpihira ity. Mila arindra tsara anefa ny feo sy ny mozika mba ho lasa zavakanto, raha ny nam­barany ihany. “Mpi­tondra sy mpampita hafatra ny mpanakanto ary mpanabe sy ma­no­dina ny lohan’ny olona hanaraka ny zavatra tiany hambara sy hampitainy”, hoy Rajery. Ankoatra izay, fomba iray ahafahana misintona lohahevitra na gadona na fomba isan-karazany amin’ny famoronana ny fahalalahan’ny mpanakanto ny mozika. « Malalaka izao ny mpanakanto iray raha mitrandraka ny hira avy any Atsimo na Avaratra kanefa izy mipetraka eto anivon-tany”, hoy ihany izy.

Azon’ny mpankafy ny tian-kambara
“Tsy voatery hazavaina amin’ny vahiny mpankafy sy mijery ny fampisehoana ny tononkira fa azony hoazy foana na dia amin’ny teny amin’ny Malagasy ranoray aza”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Midika izany fa azon’ ny mpankafy foana ny tian-kambara sy ny hafatra tian-kampitaina amin’ny alalan’ny gadona sy loko ary ny heriji­kan’ny hira omen’ny mpanakanto azy eny an-tsehatra. Teraka tao anatin’ny feo ny zazakely, ary miampita any aminy avy hatrany ny hafatra rehetra. Amin’ny ankapobeny, faly na mitomany izy ireny re­hefa mihaino mozika. Heve­rina fa manana olana ara-pahasalamana ny zaza raha toa ka tsy misy fihetseham-po. Manoloana izany, azo sokajiana ao anatin’ny mozika noho izany ny feo. Ohatra, ajanona avokoa ny zava-maneno rehetra ao an-trano rehefa misy fahoriana. Voafetra ihany anefa izany raha ny nolazainy.

Efa nolovaina ny naha mpitendry
Anisan’ny tia mitendry Rajery. Sivy mianadahy mpiray tampo izy ireo ny zanaky ny ray aman-dreniny ary faralahy izy. Nambarany fa efa mpi­tendry valiha ny zokiny lahimatoa. Mitendry gitara sy manao teatra ny sasany amin’ ny mpiray tampo aminy, raha ny nambarany ihany. Mpana­kanto avokoa ny manodidina azy. “Hitako ny fitendrin’io zo­kiko io valiha ary tena babon’ ny feony sy ny endriny aho ary niainga teo ny faniriako hianatra mozika”, hoy ihany izy nanazava. Nanomboka nampiana-tena sy nianatra niafina izy, raha ny fitantarany. Tsy maintsy nisy foana ny fianarana fa tsy nahay fotsiny tamin’ izao na teo aza ny fanomezam-pahasoavana tao anaty.

Namela fahatsiarovana tsara sy ratsy

Nanomboka nitendry valiha teo amin’ny faha-15 taonany i Rajery. Niakatra an-tsehatra voalohany tetsy Antanimena ny taona 1983, izay tao anatin’ny Tarika Tsilavina. Hira nalaza tamin’izany, ny hoe : « Hay ve e ! Efa tralala a ! », noforon’i Randria sy Guy Rose. Tafara-dia tamin-dRakoto Frah indray ny taona 1986. Nanomboka namorona teknika fampianarana valiha ny taona 1989. Nanangana ny Tarika Akom-baliha ny taona 1991 ary teraka teo ihany koa ny anarana Rajery fa taty amin’ny 1992 vao tena nandeha irery. Nivoaka voalohany tany ampitandranomasina ny 1992 ka hatramin’izao fotoana izao.
Nivoaka voalohany ny taona 1992 tatsy amin’ny Nosy Comores. « Nijanona ela tao amin’ny nosy Comores. Sam­bany teo amin’ny fiainana izany nandeha fiaramanidina. Tany France ny taona 1993. Nisian’ilay teny hoe: « Tolory tanana Rajery » ny taona 1993. Notronin’ny mpanakanto marobe izay mbola hisaorako azy ireo ny fanotronana tamin’izany fotoana izany toy ny Iraimbilanja, Ricky ary Bodo sy izay tsy tadidiko. Nony tonga tao France avy niverina avy tany Etats-Unis izay nilazana fa nahazo ny « Prix RFI Lauréat 2002 ». Tsy nino ary tsy nieritreritra ny hibata izany loka goavana be izany. Ny fiarahana tamin’ireo mpihira malaza be izay noheveriko fa nanokatra ny fijeriko tao anatin’ny mozika satria ny fianarana tsy mety tapitra mihitsy. Ny tontolon’ny mozika izany tsy tokony ho tontolon’ny mahaihay fa tontolon’ny mahafehy ny asany. “Tsindriako fa tsy tontolon’ny matihanina ny fiteny fa tontolo mahafehy ny asa. Na ny matihanina aza tsy fantatro izay dikany. Satria fivelomana kanefa maty ny hery aloha dia inona ilay hanina ?”, hoy Rajery Valiha.

Nanatontosa : Mino

 

Catégories: National

Basikety – Analamanga: Hatao ny 27 jolay ho avy izao ny lalao famaranana

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 09:51

Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity.
Zava-dehibe tokoa ny fifanintsanana rezionaly tahaka izao, hisolo tena an’Anala­man­ga, mandritra ny fifanintsanana iraisam-pirenena izay mendrika amin’izany. Araka ny fanazavana azo ihany, efatra isan-tsokajy no afaka hiakatra amin’ny dingana nasionaly, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, afaka nandefa solontena valo ny ligin’Anala­manga.
Tsara ny mampahafantatra fa misy sokajy zokiny “Veterants” lahy sy vavy, ary zandriny U20 sy U14 ity hetsika etsy Mahamasina ity. Ha­nomboka amin’ity herinandro ity, ny ampahavalon-dalan’ny U14 lahy sy vavy.

F.R

Catégories: National

Ambohimanambola : Notapahina ny herinaratra, tetikasa «jiro mora »

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 09:50

Notapahina ny herinaratra amin’ireo tariby mitondra herinaratra mankany amina tokantrano maromaro ao amin’ny kaominina Ambohima­nam­bo­la, izay nisitraka ny tetikasa « jiro mora », tetikasan’ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nohamafisin’ireo mpiasan’ny Jirama tonga teny an-toerana fa hoe tsy manara-dalàna ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ireo mponina ka antony nanapahana ny famatsiana herinaratra nozaraina tamin’ireo mpisitraka izany. Nilaza ireo mponina fa ezaka nataon’izy ireo no nahafahana nampiditra ny jiro. Namba­ran’ ireo mponina fa nahazo alalana avy amin’ny ben’ny Tanà­nan’Ambohi­ma­nambola ny fametrahana ity tetikasan’ny Filoha Rajoelina Andry ity. Saingy, nindaosin’ny fahafatesana izy ka nilaza ho mahatsiaro tena kamboty ireo mponina. Miantso ny Filoham-pirenena ireo mponina mba hijery akaiky momba ity raharaha tetikasa « jiro mora » eny amin’ny kaominina Ambohi­na­mam­bola ity. « Maizina am-pototry ny mazava izahay fa ety aminay no misy foiben’ny Jirama mizara herinaratra », hoy ny renim-pianakaviana iray. Efa nanamafy ny filoham-pirenena tany Sainte Marie fa handray ireo mpiasan’ny Jira­ma sy ny sendika ka hijery ny vahaolana hamahana ny disadisa rehetra izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.

J.C

Catégories: National

Kitra – Ligin’Analamanga : Tafakatra amin’ny D2 Nasionaly ny COSPN

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 09:50

Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany.

Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Ana­la­man­ga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. La­von’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranana ny AS Ste Anne, tompondaka farany tamin’ny taona lasa teo. Izy ireto, araka izany, no solontenan’Anala­man­ga, amin’ny fifaninanana Diviziona faharoa nasionaly. Raha hiverenanana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana tanteraka ny fifanafihana ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, tamin’ny fizaram-potoana voalohany.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahatafiditra baolina ny ekipan-dry zareo polisy, rehefa nanao fahadisoana tamin’ny famoaham-baolina ny mpi­andry haraton’ny AS Ste Anne, tany amin’ny faha-10 minitra tsy hiravan’ny lalao. Nifarana tamin’io isa 1 no ho 0, io ny fifanandrinana teny an-toerana, nandresy ny COSPN.
Nilaza ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotoarimana­na Henintsoa na i Tôta, fa harenina avokoa ny lesoka rehetra hita tamin’ity taom-pilalaovana ity. Manentana ary manaitra ny tomponandraikitra kosa ny tenany manoloana ireo zavatra ha­taon’ny ekipa any amin’ny faritra, rehefa mandeha ny D2 Nasionaly. “Misy amin’ireo ekipa any amin’ny faritra, manao fifantenana mpilalao entiny miatrika ity fifanintsanana ity, ka sahirana hatrany ny solontenan’Analamanga mifanandrina amin’izy ireo”, hoy ny filohan’ny ligin’Anala­man­ga. Notsiahiviny ihany fa raha fifantenana no ilaina, manana mpilalao maro ny avy eto amin’ny ligin’Analamanga.

F.R

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 09:49

Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy.

Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny vary iray kapoaka eto an-toerana, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Anisan’izany ny makalioka sy ny vary gasy mena. Mahatratra 3 200 Ar sy 3 300 Ar kosa ny kilaon’ny vary hafa. Fotoana fiakaran’ny vary vakiambiaty anefa izao, saingy tsy nidina ny vidim-bary. Lazain’ny mpaninjara fa mbola hiakatra ny vidim-bary atsy ho atsy.

Maharitra kokoa ny saribao ekolojika raha ampitahaina amin’ny saribao tsotra. Efa maro ny mpamokatra azy, ankehitriny, sady miparitaka manerana ny faritra maro. Anisan’ny ahitana fivarotana azy ny eto Analamanga, Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Itasy, Boeny, Mananjary, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, sns.

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 08:27

Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabibo, afakomaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Mahabibokely Maha­jan­ga. Olon-dratsy malaza amin’ny asa fanendahana mih­aro herisetra izy io. Avy namaky fiara iray tany Tsaraman­droso izy no nifampitadiavana ary nifanehitra tamin’ny Polisy.

Catégories: National

Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 08:27

Vato sarobidy (rubis) mi­lanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bang­kok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary no­samborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopi­taly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, na­moahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 gra­ma. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Mada­gasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.

Mino

Catégories: National

Ankadilalana : Mpanao Cash point voaroba 25 tapitrisa Ar

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 08:26

Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny roa lahy kendry tohana teo amin’ny arabe io mpanao Cash point io. Tsy nisy alaharo fa nisintona ny sakaosy nisy ny vola avy hatrany ireo jiolahy. “Nampitahoriny sy nambanany basy izahay ka tsy sahy namaly”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa voaroba. Nirifatra nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo mpanao ratsy taorin’io. Tsy nisy nisaron-tava ireo roa lahy nanao io asa ratsy io. “Olona mbola tsy fahitanay ny endrik’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny lasibatra. Efa niandry mialoha ny fotoana nandalovan’io mpanao Cash point io teo amoron-dalana ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Natodiny tamin’ny arabe ny moto ka nanao mora ho azy ireo ny fandosirana. Mampanontany tena ny lasibatra ity tranga ity satria tsy lavitra ny biraon’ny zandary sy kaomisaria ny polisy ny toerana nitrangan’ny loza.

Tsiferana R.

Catégories: National

Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy

Les Nouvelles - lun, 07/14/2025 - 08:26

Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo.

Tratra nanao hosoka ma­hakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina iray teny an-toerana, fitehirizana ireo zavamaniry ny mpitandro filaminana tamin’ny 06 jolay 2025 lasa teo. Fi­savana natao rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana, avy amin’ny fitsarana. Fan­tatra taorian’izay, fa nampiasa taratasy fahazoan-dalana hosoka amin’ny maha mpanondrana zavamaniry azy izy. Taratasy amin’ny anaran’olon-kafa saingy nisy ny fifanara­hana nataon’izy ireo teny amin’ny manampahefana. Hita tamin’ny fitsirihana fa miisa 45 ireo zavamaniry arovana saika hahondrana. Nahitana fototra 10 amin’ny «Operculicarya pachypus», Ravenea sp miisa 25 fototra, Elephantopus sp roa fototra ary Cycas valo fototra. Voka­ny, nosazian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampan­drosoana Lovain-jafy (Medd) izy io noho ireo fandikan-dalàna maro ireo.

Olona telo

Ankoatra izay, teratany karana iray, 30 taona, mitantana io toerana io ihany koa voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Nitohy ny fanadihadiana, tomponandraikitra iray hafa eo anivon’ny tontolo iainana koa voahori­hory. Ahina ho nandray nandray anjara mivantana tamin’ ny fanamboarana antontan-taratasy hosoka izy ireo. Mbola misy olona iray hafa eo ani­von’ny minisitera ahina ho ta­fiditra amin’ny raharaha. Nan­dositra izy io ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Notanana sy nohamaranina eny anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainanana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny zavamaniry saika hahondrana antsokosoko. Niandrai­kitra ny raharaha sy ny famatororana rehetra ny teo ani­von’ny tobim-paritra Anta­na­narivo Renivohitra.

Mino

Catégories: National

Mpivarotra Frites

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 17:54

Catégories: National

Sarimihetsika: Mifanome tanana ny Netflix sy ny Canal Plus

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:54

Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome ny endrika vaovao sy raiki-pohy ho an’ny sehatra rehetra ny Canal Plus, hahitana televiziona miisa 160 ka tafiditra ao ny onjam-peo sy ny asa isan-karazany. Tsy hadino ireo tolotra avo lenta, hahitana ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika, ny fandaharana ho an’ny fianakaviana sy ny tantara mitohy. Izany rehetra izany, dia ao anatin’ny rafitry ny Netflix, miaraka amin’ireo andian-tantara malaza, toy ny Squid Game (Saison 3), ny «Emily in Paris» sy ny Stranger Things.
Eo koa ny DSTV English Plus, misy televiziona efatra mandefa fanatanjahantena rano fotsiny. Natao amin’ny vidiny 130 000 Ar izany, mba hamaly ny filan’ny mpanjifa, amin’ny zavatra samihafa ilainy. «Mitady zavatra misy traikefa feno ao anatin’ny tontolo mahafinaritra ny mpanjifanay ka ity tolotra vaovao Canal Plus ity, no mamaly ny hetahetan’izy ireo», hoy i Aziz Diallo, tale jeneralin’ny Pay TV Afrique francophone.

Torcelin

Catégories: National

Toamasina : Mpanjono telo lahy tsy hita popoka

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:54

Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa.

Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy mampandry harato any atsimon’ ny seranan-tsambo no anton-dian’izy ireo. Tokony ho efa niverina ny tolak’andron’ny alarobia teo izy ireo, raha ny fandaharam-potoana. Efa lany tamin’io ihany koa ny fetran’ny vatsy nohanin’izy ireo tany an-dalana tany. Hatramin’ny nanoratana, tsy nahenoan’ny fianakaviany feo na hafatra izy telo lahy ireo. Ratsy ny toetr’andro ary somary nanao tafiotra mafimafy teny amin’ny ranomasina nandritra io fotoana nandehanan’ireo mpanjono tsy hita ireo, raha ny fanazavan’ireo mpanjono hafa. Misy ny milaza fa mety lany solika na misy fahasimbana ny maotera na lany bateria ny finday ka antony tsy ahazoana antso azy ireo. Mety ho niakatra tamin’ny nosy kely fasika atsimon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina ihany ko izy ireo. Mitohy ny fikarohana manaraka ny moron-dranomasina ataon’ny tomponandraikitra sy ny fianakaviana. Mba hikarohana azy ireo.

Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:53

Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao.

Maherin’ny 14 000 ny tokantrano hisitraka herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohiatra any Toamasina. Mahatratra 2 732 Kwh ny vokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miampy rano. Miisa 77 ihany koa ny toeram-pitsaboana CSB hampidirana herinaratra avy amin’ny tetikasa LEAD ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana.

Miisa 25 ny tranoheva etsy amin’y zaridai­nan’Antaninarenina, mandray anjara amin’ny Tsenaben’ny Fromazy. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny Malagasy manjifa ny vokatra avy amin’ny ronono. Omen-danja ireo mpamokatra fromazy sy ny mpandraharaha madinika malagasy, eto afovoan-tany.

Catégories: National

Teknolojia avo lenta: Tonga eto amintsika ny fitaovana ERBA

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:53

Miroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tonga eto Madagasikara ny orinasa Proximed LTD sy ny ERBA, manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Natolotra ny 10 sy ny 11 jolay teo, ny vina sy ny tanjona hoentin’ireto orinasa ireto. Iombonan’ireto orinasa ireto ny hampiakarana ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay zava-dehibe amin’ny toekarena ara-pahasalamana.
Anisan’ny nisongadina ny fampahafantarana ny zava-baovao, ny lafiny teknolojia hiaka farany amin’ny sehatry ny fitiliana ara-pahasalamana.
Nampahafantarina ny vokatra ERBA, ny lafiny teknika ary teo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo ekipa avy amin’ny Proximed LTD. Anisan’ny nitondra fanazavana nandritra ny fotoana ny orinasa Abbott, mahakasika ny fandrosoan’ny fitiliana marina amin’izao fotoana izao. Nifantoka tamin’ny tohitry ny VIH amin’ny fanafody, kosa, ny Thermo Fisher Scientific. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahana mamita ny fitiliana marina sy ara-potoana amin’ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Nanatrika teny an-toerana, ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr. Randriamanatany Zely Arivelo. Nambarany fa efa ampiasaina any amin’ny toeram-pitsaboana maro any amin’ny faritra ny fitaovana ERBA.

Njaka A.

Catégories: National

Fisamboram-bola : Tsy tratry ny TVA 20% ny olon-tsotra

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:52

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao tany Sainte-Marie, ny alakamisy 10 jolay teo, ny fampiharana ny hetra TVA tataovana 20% amin’ny zana-bola amin’ireo mpindram-bola. Nanome toromarika anefa ny Filohan’ny Repoblika, fa tsy voakasiky ny fampiharana ity hetra ity ny olon-tsotra, mindram-bola ho an’ny fandaniana tsotra (crédit à la consommation) sy ny findramam-bola madinika na mikraofinansa.

Marihina fa efa nisy hatramin’izay ny tataon-ketra TVA 20%, saingy tsy nihatra. Satria nisy ny fepetra fanalefahan-ketra nanomboka ny taona 2006, ka izao naverina amin’ny laoniny izao. Misy ny fampahafantarana (circulaire) mamaritra ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, izay manan-kery avy hatrany taorian’ity fankatoavana nataon’ny filankevitry ny minisitra farany teo ity. Anisan’ny voakasik’ity hetra TVA ity ny findramam-bola ataon’ny orinasa, na ny mpampiasa vola. Angonin’ny banky ny hetra ary aloany any amin’ny fanjakana avy eo.

 

Njaka A.

Catégories: National

Une victoire d’anthologie !

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:31

Ils ont sorti le grand jeu, à la fois palpitant et spectaculaire à plus d’un titre. Yves Cédrick Rakotoarisoa et Lova Satamandimby Rakotoarisoa, Tiana Laurens Razanadrakoto, connu sous le sobriquet de « Tonnerre », ont mis dans le mille au Mondial la Marseillaise à pétanque. Une victoire magistrale et une véritable démonstration de force à la hauteur de leur réputation. Dorénavant, ils sont les boulistes à battre sur le boulodrome de la Marseillaise. Non seulement ils ont remporté le titre avec panache, mais sont également les premiers boulistes étrangers à triompher sur la plus haute marche du podium de cette affiche, pour la première fois en 65 ans.
C’est un sacré retour en force de Madagascar, privé de compétitions internationales pendant des années. Il suffit de voir les boulistes malgaches à l’œuvre, pour constater qu’ils n’ont pas perdu la main. Ils sont exacts au rendez-vous. Ce n’est pas pour rien qu’on surnomme Tiana Laurens Razanadrakoto, « Tonnerre » qui ne rate jamais ses cibles. Et ce n’est pas la bande à Quintais, des vieux loups de la pétanque française, qui va dire le contraire.
Les boulistes nationaux ont bousculé la hiérarchie française. Ils ont battu les légendes qui ont joué leur va-tout et essayé de faire parler leur expérience, pour renverser la vapeur. Mais quand la machine malgache est lancée, comme un coup de « Tonnerre », on ne peut plus l’arrêter. Leurs adversaires n’ont aucune chance de gagner, même les plus coriaces et redoutés.
Sûrement, on va encore entendre parler d’eux, notamment lors de la finale de la Passion Pétanque Française Tour (PPF), prévue se disputer au début de l’année 2026, rassemblant les élites mondiales. Une belle occasion de prouver encore que Madagascar est de retour et que Tonnerre et consorts, sont nés pour gagner et remporter une victoire d’anthologie.

Andry Rabeson

Catégories: National

Redressement de la Jirama: Andry Rajoelina tend la main aux employés

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:31

Le président Andry Rajoelina tend la main aux salariés de la Jirama. En marge de l’inauguration d’un parc solaire d’un mégawatt à Sainte-Marie, hier, le chef de l’Etat a annoncé la tenue d’une rencontre prochainement avec les employés et les syndicats de la compagnie nationale d’eau et d’électricité. Objectif : écouter leurs doléances et désamorcer une crise sociale qui couve depuis plusieurs jours.

«Nous allons recevoir les employés et les syndicats de la Jirama, pour entendre leurs préoccupations », a déclaré le chef de l’Etat. Il prône le dialogue pour identifier les dysfonctionnements internes et ouvrir la voie à des solutions durables. « Si vous avez des doutes ou des inquiétudes, je suis prêt à vous écouter et à vous expliquer la voie à suivre », a-t-il ajouté.

Andry Rajoelina appelle également à l’unité pour la relance de l’entreprise. Il encourage les agents motivés par l’amélioration des services, à se joindre aux efforts de redressement. « Ceux qui veulent s’engager pour redresser la Jirama, marchons ensemble », a-t-il lancé.

Le président met toutefois en garde contre les interférences extérieures. Il déplore certaines attitudes qu’il juge contraires à l’intérêt général. « Certains se laissent berner et manipuler. Ce ne sont pas nos alliés. Nous n’accepterons pas de telles interférences, pour nuire à nos efforts actuels », a-t-il averti.
Calmer les tensions
Cette annonce intervient dans un contexte tendu. Mercredi, les employés de la Jirama ont déclenché une grève générale, pour manifester leur rejet du nouveau statut de l’entreprise. Les syndicats craignent que ce changement porte atteinte aux droits du personnel et à la qualité des services pour les usagers.
Face à ce bras de fer, le ministre de l’Energie et des hydrocarbures, Olivier Jean-Baptiste, a décrété, dans un communiqué en date du 8 juillet, la réquisition générale du personnel du secteur. Cette décision intervient en réponse à un mouvement de grève qu’il qualifie de « menace à l’ordre public et à la paix sociale ». Le ministre rappelle que la fourniture d’eau et d’électricité constitue un « service public essentiel », dont l’interruption est inadmissible.
Un premier échange avec le ministre a toutefois permis d’apaiser la situation. Les employés ont repris le travail dès jeudi, dans l’attente de la rencontre annoncée par le président de la République. En se posant en médiateur dans ce dialogue annoncé, Andry Rajoelina cherche à calmer les tensions et à repositionner la Jirama sur une trajectoire de redressement.

Arh.

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:30

Hisitraka fotodrafitrasa maromaro ny ao Toamasina amin’ny fandaharanasa Padeve II. Anisan’izany ny fanamboarana ny Bazary kely, ny eo amin’ny lakandrano avaratra sy ny lakandranon’i Tanambao. Eo koa ireo lalana maromaro eo an-tampon-tanana sy ny “Boulevard de la marine”. Nanka­toa­vin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholo­na Frantsay, Gerard Larcher ny filohan’ny Ante­nimie­randoholona, Ravalomanana Richard, omaly, tao Paris. Nivoitra tamin’izany fa misy ny mpanely tsaho any ivelany any. “Voafitak’ireo mpanome vaovao diso hikatsahana tombontsoa manokana ireo parlementera eorpeanina”, hoy ny Jly Ravalomanana.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny Ceni momba ny fifidianana loholona. Efa nanolotra tetiandro ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny amin’ny tokony hanaovana izany ny novambra izao. Andrasana koa ny filankevim-panjakana amin’ny didy famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ampolony.
Nahitsy ireo eo anivon’ny “Solidarite syndical – SSM”, fa tena tsy ampy ivelomana ny karama farany ambany. Ny taona 2018 : karama iray volana mahazo vary 100 kg. Taona 2025: karama farany ambany iray volana, vary 65 kg. “Tsy mifanaraka amin’ny sondro-bidim-piainana ny karama farany ambany : 268 000 Ar ho an’ny sehatra tsy miankina”, hoy izy ireo.

Catégories: National

FITANTANANA NY SADC: Horaisin’ny filoha Rajoelina Andry

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:30

Herinandro vitsy sisa. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tany Ste Marie, ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisan’i Madagasi­ka­ra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45. Tapa­ka tamin’izany fa hanomboka ny 3 hatramin’ny 18 aogositra izany fivoriana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo izany. Nodinihina manokana ny famindram-pitantanana sy ny fahefana amin’ny fitantanana ny Sadc ka handraisan’ny filoha Rajoelina Andry izany, manomboka izao raha ny filohan’i Zimbaboe no filoha am-perinasa.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa efa miroso avokoa ny asam-baomiera eo anivon’ny kaomity mpitantana. Mbola ho avy rahateo ny iraka manokana hotarihin’ny sekretarian’ny Sadc hijery sy hanara-maso ny fanomanana faramparany, mialoha ny 3 aogositra.
Ankoatra izany, nankatoavina koa ny hampidirana ny eo anivon’ny Antenimieram­pire­nena ho ao amin’ny kaomity mpikarakara izao fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. “Handrafitra vaomiera parlemantera izy ireo hiandraikitra ny fandrindrana momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny Sadc, hanovana ny “Forum parlemantaire” ho parlemantan’ny Sadc”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Tsiahiviana fa mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampony izany. Anisan’ny natao farany teo ny tetsy Ampahibe ka nandinihana manokana ny fiarovana ireo delegasionina sy ny fepetra momba ny filaminana ankapobeny.

Synèse R.

Catégories: National

Isika miara-mientana !

Les Nouvelles - sam, 07/12/2025 - 08:29

 

Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”.
Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa tahaka izany. Tsy mivangongo eto an-drenivohitra ny sosialim-bahoaka, izay andrasan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. “Tsy Antananarivo irery i Madagasikara”, hoy ny fiteny mahazatra. Marina izany! Mila ny raimandreny mamangy ny zanaka ny mponina any ifotony.
Mba mahagaga ny fisian’ireo mpimenomenona sy manome tsiny ny fidinana eny ifotony tahaka izao. Lazaina fa fandaniana volam-bahoaka sy ny mpandoa hetra, hono? Olom-panjakana, mamita iraka ofisialy anefa izy ireny. Hafa indray raha toa ka hamangy fianakaviana, na handeha hiala sasatra manokana. Mendrika ny ho vangivangiana ny Malagasy tsy ankanavaka.
Porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny zava-drehetra tarihin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Fanatanterahana ny toky nomena ho an’ny mpifidy na ny tsy nifidy ihany koa. Tsy vitan’ny mitsidika fa mitondra voan-dalana sy mametraka tantara amin’ny fotodrafitrasa izy sy ny fitondrana izay tarihiny. Tsy azo atao ambanin-javatra velively ny ezaka efa natomboka sy vita ary, tsy maintsy hovitaina.
Etsy ankilan’izany, mitaky firaisankina amin’ny olom-pirenena rehetra anefa io. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mila fifanoloran-tanana na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy maintsy miara-mirona amin’ny olom-pirenena tsivakivolo ho an’ny fampandrosoana an’ity firenena malalantsika ity.
Tsy anjaran’ny filohan’ny Repoblika samirery, fa anjaran’ny vahoaka tsy mandady harona izany adidy masina izany. Ny rehetra mifanome tanana no hanatrarana ny tanjona faran’izay aingana.

r.r

Catégories: National

Pages