Urgence nutritionnelle à Ikongo: des réponses ciblées pour les femmes enceintes et allaitantes

Les Nouvelles - ven, 08/01/2025 - 07:33

Face à une crise nutrition­nelle croissante à Ikongo, une nouvelle initiative a été lancée pour répondre aux besoins urgents des femmes enceintes et allaitantes souffrant de malnutrition aiguë modérée. Une initiative qui résulte d’un partenariat renforcé entre le Programme
alimentaire mondial (Pam), le Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC), le ministère de la Santé publique, ainsi que l’Office national de nutrition (ONN) avec le soutien financier de l’Ambassade des Etats-Unis.
Dans ce sens, le Pam, en soutien aux structures gouvernementales, a déployé des camions 6×6 pour assurer le transport des intrants nécessaires à la supplémentation nutritionnelle. Cette logistique est essentielle pour garantir que les aides atteignent rapidement les populations dans le besoin. De plus, un appui présentiel a été mis en place pour coordonner les opérations sur le terrain, assurant ainsi une réponse efficace et bien organisée face à cette crise.
Comme il est indiqué plus haut, l’objectif principal de cette initiative est de fournir une réponse nutritionnelle essentielle aux femmes enceintes et allaitantes. « En protégeant ces groupes, l’initiative ne se limite pas seulement à sauver des vies ; elle vise également à renforcer le capital humain d’Ikongo. En plaçant la santé des femmes et des enfants au cœur de cet engagement, on s’assure que les générations futures bénéficient d’un meilleur développement et d’une meilleure qualité de vie », a souligné un responsable au sein du Pam.
Cette intervention arrive à point nommé car la situation à Ikongo demeure préoccupante. L’épidémie de paludisme et l’insécurité alimentaire exacerbent les conditions de vie des populations déjà vulnérables. Les femmes enceintes et allaitantes, en particulier, font face à un risque accru de malnutrition, qui peut avoir des conséquences graves non seulement pour leur santé, mais aussi pour celle de leurs enfants.

Fahranarison

Catégories: National

Karate-« Afrika 2026 »: Voafidy handray ny fifaninanana i Madagasikara

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 08:02

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina mala­gasy eo amin’ny taranja Kara­te, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, na­tao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny me­daly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do ma­lagasy avy any Nize­ria. Goavana indrindra amin’izany ny nahavoafidy an’i Mada­gasi­kara ho firenena handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2026. Firenena 4 no nosafidianana ka i Madagasikara no voafidy. Ankoatra izay, vaovao lehibe nambaran’ny filohan’ny FKM omaly ihany koa, ny fahatongavan’ny filohan’ny Federa­sionin’ ny Karate-do iraisam-pirenena eto Madagasikara, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Zone Est”, hatao ny 16 hatramin’ny 21 desambra izao.
Hanao « Mondial »

Tsiahivina, medaly alimo 5 no azon’ny atleta malagasy tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Afrika iny, teo amin’ny sokajy Cadet sy Junior. Naha­zo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka ma­ne­ran-tany izy 5 mianadahy ireo taorian’izay ary afaka mandray anjara amin’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora, amin’ny volana desambra izao ihany koa. Ho an’ny sokajy Senior kosa, na­ha­zo ny tapakila hiatrehana ny dingana fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny volana desambra izy ireo. Marihina fa laharana faha-19 amin’ny firenena 34 i Mada­gasikara, ary nohamafisin’ny filohan’ny FKM fa mahafaly ny vokatra na tsy nahafa-po tanteraka aza. Tsy mitsanga-menatra i Madagasi­kara.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 08:02

Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tan­zanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao.

Nihemotra amin’ny 24 hatramin’ny 28 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondra­no, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, nokasaina hatao ny 13 sy 14 aogositra, noho ny antony tsy voafaritra. Ho ampitaina amin’ny fotoana ma­naraka ny lafiny teknika ny fandaharam-potoana rehetra.

Hotanterahina ny zoma 1 aogositra izao ny fivoriana ara-teknika, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina ny 2 hatramn’ny 10 aogositra izao, any Antsirabe, izay ahitana fandraisana anjaran’ny faritra 16.

Catégories: National

Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 08:02

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahama­si­na. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ireo.
Ankoatra ny akanjo, mbola notoloran’ny fanjakana vatsin-dalana ihany koa ny Malagasy atleta. Tsara ny mampahafantatra fa taranja miisa sivy no hifaninanan’ny Malagasy any amin’ity Nosy rahavavy ity, mandritra ny 10 andro. Anisan’ izany ny atletisma, ny badminton, ny basikety 5×5, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fonjamby, ny lomano, ny volley ary ny resaka ho an’ny tanora “volet jeunesse”.
Araka ny vaovao voaray, hanainga anio, ho any Seychel­les, ireo andiany voalohany amin’ny delegasionina malagasy. Tsiahivina fa nanohana zato isan-jato ireto Malagasy atleta ireto ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Ampahafantarina ihany fa nosy fito no handray anjara amin’ity CJSOI andiany faha-13 ity. Ahitana an’i Madagasikara, Seychelles, mpampiantrano, Djibouti, Comores, Maurice, Mayotte ary La Réu­nion.

Fitia Randria

Catégories: National

Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 08:02

Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo.

Nitohy omaly alarobia, ta­ny Lagos Nigeria, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambo­ny latabatra, sokajy Junior. Ny lalao ho an’olon-tokana indray no natrehin’ny mpifaninana ta­min’izany, ka anisan’ireo nandray anjara ny Malagasy. Samy nivoaka ho mpandresy avokoa teo amin’ny fihodinana voalohany Rakotondrazaka Riana sy Andriantahina Tiana, teo amin’ ny sokajy U1,5 vehivavy. Lavon’ i Riana tamin’ny seta mazava 3 no ho 0 (11/7 ; 11/2 ; 11/5), ilay namibianina, i Farmer Caden­ce. Hita nanatombo tamin’ny fa­haizana sy ny hakingana ni­haro hafetsifetsena i Riana na­noloana ity mpifanandrina taminy ity.
Niondrika teo anatrehan’i Tiana tamin’ny seta 3 no ho 0 (11/9 ; 11/5 ; 11/7) ihany koa ilay borondezy, i Nikundana Doree. Niady ny seta voalohany satria nifanenjehana hatrany, saingy nanatombo teo amin’ny lafiny taktika i Tiana. Ho an’ny sokajy U15, lehilahy, samy resy avokoa ireo Mala­ga­sy solontena. Lavon’ilay alzerianina, i Goudjil Aylan, ta­min’ny seta 3 no ho 0 (11/9 ; 11/8 ; 11/7), Ranarison David.
Toy izany koa Andriami­haja Rakotovao raha nidona tamin’ilay egyptianina, i Elsab­bagh Ahmed. 11/5 ; 11/9 ; 11/ 6 no nisarahan’izy mirahalahy. Tsy mbola tafavoaka ihany koa Andriantahina Josh raha nikatroka tamin’ilay Na­mi­bi­ani­na, i Ghayouri Kam­rouz. Nisaraka tamin’ny seta 3 no ho 1 ny roa tonta. Lasan’i Josh ny seta voalohany (11/9). Tsy voatohitra kosa nefa i Kamrouz, teo amin’ireo seta 3 farany. (11/7 ; 11/8 ; 11/8), ni­sarahan’izy ireo. Re­sin’ilay ni­zerianina, i Aruna Mariam, ta­min’ny seta 3 no ho 0 ihany koa Ranarison Fide­rana.

Tompondaka

Catégories: National

Praiminisitra Joël Rakotomalala : Notsarovana ny nahafatesany

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 08:01

Notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo na Mauso­lée Avaratr’Ambohitsaina, omaly, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Praiminisitra ny Kly Joël Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy. Nana­tan­teraka ny fahatsiarovana teny an-toerana ny fianakavian’ny Kly Rakotomalala Joël niaraka tamin’ny sampandraharaha miahy ireo mpiady Tia Tanindrazana, notarihin’ny taleny, ny Jly Randrianantenaina Emilson, nisolo tena ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Teo koa ny lehiben’ny garnison Antananarivo, ny Jly Rakotonindriana David Rolland. Tsiahivina fa ny 30 jolay 1976 no niondrana tamin’ny helikoptera « Alouette III », hihazo an’i Mandoto hanatanteraka fitsidihana, ny Praiminisitra Rakotomalala Joël sy ireo delegasionina notarihany. Nisy tsy fahatomombanana ny helikoptera ka nianjera tao Ankazomiriotra, maty avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny.

J.C

Catégories: National

Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”

Les Nouvelles - jeu, 07/31/2025 - 07:33

Aiza ho aiza ny tontolo politika amin’izao? Eny, na ny fiainam-bahoaka aza… Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina hatramin’izay, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”. Dinidinika…

* Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao?
– Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Sarotra… Fandrindrana ny fiainam-piarahamonina izay tena andraikitry ny mpitondra fanjakana ny politika. Somary manjavozavo izay: tsy mifampiankina loatra amin’izay heverina ho tena filan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny, fa lasa any amin’ ny sehatra heverin’ny mpitondra fa mety hahazoany sitraka amin’ny vahoaka. Misy drafitra tsy tena voajery tsara, raha ny delestazy, ohatra: nahoana rehefa tsy mitokona ny mpiasan’ny Jirama, tapaka foana ny jiro; rehefa mitokona izy, vao mandeha ny jiro? Ny politika no lasa mifehy fiainam-bahoaka ankapobeny.
Misy ny ezaky ny mpitondra: fanamboaran-dalana, ohatra. Nefa mbola tsy hitan’ny vahoaka ny vokany. Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao: sondro-bidim-piainana. Mio­vaova ny vidin-tsolika, mifandraika sy mifehy ny toekarena sy sosialy. Raha midina, ohatra, izany: aiza ho aiza ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka? Tsy tena hita taratra. Eo amin’ny politika, na misy aza ny ezaky ny fitondrana amin’ny lafin-javatra sasany: somary takona noho ny fahasahiranam-bahoaka sy ny tontolo sosialy. Lasa mirona any amin’ny lavitra ezaka ny fanjakana, fa tsy miantraika mivantana any amin’ny vahoaka amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranany. Miezaka ny fitondrana amin’ny politika sy sosialy, saingy hita hoe tsy ampy hampilamina ny sosialy.

* Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’izany?
– Natao hitsikera izay tsy mety ny fanoherana, nefa manana adidy hanolo-kevitra koa ho fanatsarana ny fitantanam-panjakana. Manana adi­dy hitaiza vahoaka hahafantatra izay tokony hotoherina koa izy, fa tsy manohitra fahatany izay tokony hampandroso ny firenena. Ny olana: tsy mahita ny zavatra ratsy ataon’ny mpitondra ny mpomba azy, ary ny mpanohitra tsy mahita zavatra tsara ataon’ny mpitondra. Raha tena mpanohitra, tsy vitan’ny mitsikera fa mampahafantatra ny vahoaka sy ny mpitondra ny tolo-keviny. Matetika, raha mpanohitra no miteny: diso eo anatrehan’ny mpitondra. Raha ny mpitondra no miteny na manao zavatra: diso eo anatrehan’ny mpanohitra. Misy fifamenoana andraikitra ara-demokratika tsy tena mipetraka. Na eny anivon’ny Antenimierampire­nena aza, tsy mipetraka izay. Raha volavolan-dalàna iray, ohatra, no iaraha-mandinika, matetika tsy misy andraisan’ny mpanohitra andraikitra manoloana ny maro anisa. Tsy misy adihevitra izany.

* Mahavita ny andraikiny ve ny mpanohitra sa tsia?
– Nangingina ny fanoherana tato ho ato. Fahatsapana amin’ny tombana ny fifidianana nifanesy? Izay lanja nomen’ny vahoaka azy izany. Eo koa ny mety ho fahatsapany ny fahadisoany hatrany am-piandohana ny amin’izay tokony hahatafiditra azy eo anivon’ny fitondrana. Tsy ampy ny fampahafantarana ny ezaky ny mpanohitra nanohanany ny foto-keviny, nahatonga ny vahoaka nisalasala hifidy azy.
Eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena, ohatra: manana andraikitra tandrify azy ny mpanohitra. Na fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka io, na famolavolana tolo-dalàna sy fandinihana volavolan-dalàna. Nanantena ny mpifidy azy hoe tena hiady hevitra. Nefa sarona izay
eny amin’ny Antenimierampi­renena: manaiky fotsiny izay raharaha mandeha eny, na mivoaka ny efitrano fivoriana. Matetika, rehefa akaiky fifidianana hatrany vao mitabataba… Taorian’ny fifidianana nifanesy, nihanangatsiaka ny fanoherana. Misy mieritreritra fa efa tafapetraka amin’ny toerany, ka hadino izay nifidianan’ny mpifidy azy.

* Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izany? Na izay tokony hatao…
– Valalanina ihany amin’izao… Amin’ny sehatra sy endrika maro, miaina ao anatin’ny hoe manjavozavo: fahasahiranana sosialy. Nefa mitombo ny lafiny hetra. Manomboka mametraka fandaminana amin’ny fitantanam-bola ny fanjakana amin’
izao. Sahirana ny vahoaka nefa tsy maintsy mibaby sy miaina an’izay momba ny hetra izay. Tokony hitady fomba hijerena manokana ny lafiny sosialy ny fitondram-panjakana: famoronana asa na fananganana orinasa ho an’ny tanora, ohatra. Tsy misy ny tena fahazoan’ny maro anisa miditra amin’ny sehatry ny asa ara-dalàna. Tsy tena mbola hita taratra izay sehatra ahazoan’ny Malagasy manana asa.

* Inona no hanarenana an’izay?
– Tsy miankina irery amin’ny mpitondra, na mpanohitra, na vahoaka… Azo atao, ohatra, mamoaka antontanisa hijerena ny sokajin’olona rehetra tsy miasa, na manampahaizana na tsia. Ny asa aloha no zava-dehibe, mitera-bokatra tsara ho an’ny isan-tokantrano sy ny isam-ba­tan’olona. Tsy mbola hita mi­songadina hatramin’izao: inona no hampandrosoana an’ireo tsy an’asa? Tena mila jerena isan-tsokajiny izay azo atao; eny, na ny fanodinana fako aza, ohatra. Mila tadiavina izay rehetra manana ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny taozavatra, fambolena… Mila fiofanana izany, ary hanaovana fifanarahana asa. Raha nanao fifanarahana amin’izay atao, ohatra, ny mompera Pedro: tsy fanampiana no nataony, fa fanomezana na famoronana asa. Hita ny fandrosoana sy ny fivoa­rana.
Ny olana, notezaina tao anatin’ny miraviravy tanana ny olona: zatra tolorana fa tsy miasa. Ny efa miasa ihany no miasa, fa misy malaina. Mila fanadihadiana lalina sy fandaharanasa mazava ny hoe tsy avela hitomoetoe-poana izay tsy manana asa. Inona no tokony ho vitany? Tsy misy hanome asa koa eo, raha tsy mitady. Misy mpanao politika iray izay niteny hoe: tsy ny olona no mitady asa, fa ny asa no mitady olona. Be dia be ny asa tokony hatao, fa ny olona hanao azy no tsy hita na tsy mazoto.

Nangonin’i R. Nd.

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 30 07 2025 )

Les Nouvelles - mer, 07/30/2025 - 09:29

Catégories: National

« La Rentrée du Jeune Patronat »: Fihaonamben’ny tanora mpandraharaha

Les Nouvelles - mer, 07/30/2025 - 09:10

Hatao ny 16 sy 17 oktobra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « La rentrée du jeune patronat ». Hetsika natomboky ny Jeune patronat de Madagascar (JPM), vondrona tanora mpitarika sy mpandraharaha manolo-tena ho amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. « Tan­jona ny hampifandraisana ny tanora mpitantana orinasa, mpampiasa vola, manampahefana ary mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra samihafa. Kendrena koa ny fampivelarana ny tetikasa sy ny fanomezana hery vaovao ho an’ny toekarena », hoy ny filohan’ny JPM, Andriamifidi­manana Lilia, omaly, teny amin’ny Galaxy Village An­draharo, toerana hanaovana ny hetsika. Hisy ny “Master­class” momba ny fahiratan-tsaina artifisialy, ny “marketing digital”, ny famatsiam-bola ary ny toekarena mihodina. “Hifan­toka amin’ny lohahevitra Ma­hita ny anjara masoandro, ny andron’ny 16 oktobra, arahina adihevitra manodidina ny fanomezan-danja ny mpiara-miasa sy ny andraikiny », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny JPM, Andrianava­lona Valerie. Hiompana amin’ ny “Misondrota amin’ny maha matihanina” kosa ny lohahevitra horesahina ny 17 oktobra. Hisy ny fifanakalozana manokana momba ny haitao ara-kajy mirindra, ny fitombon’ny varotra, ny “marketing digital”, sns. Miantso ireo tanora, mpan­draharaha, mpamatsy vola, ary mpiara-miombon’antoka rehetra ny JPM mba ho tonga sy handray anjara amin’ity hetsika ity. Miantso ireo mpanohana sy mpiara-miombon’ antoka vaovao ihany koa izy ireo.

Henintsoa

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 07/30/2025 - 09:10

Mandray anjara amin’ny adihevitra ao anatin’ ny « Herinandron’ny indostrian’ny Sadc », ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nifam­pizarana ny “Fanafainganana ny fanodinana ara-pamokarana mba hisian’ny fiantohana ara-tsakafo”, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy.

Karohina ny vahaolana hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra, ho an’ireo firenena 16 ao anatin’ny Sadc. Anisan’ny nodinihina tetsy amin’ny Herinan­dron’ny indostrian’ny Sadc, etsy amin’ny Novotel, io lohahevitra io. Anisan’ny sosokevitra ny fampiasana solika madio sy ny angovo maitso, ny fampiroboro­boana ny fitaterana mandeha amin’ny herinaratra, sns.

Nohamafisina ny fahaiza-manao amin’ny fanjonoana « Palangrotte » sy « Palangre », any amin’ ny kaominina Beheloke, Toliara II. Fitaovana tahom-panjonoana vahiny amin’ny ranomasina ireo. Miisa
20 ny mpanjono niofana, ka avy amin’ny fikambanana vovonana LMMA Vezo mitsinjo ny ho avy ny 10 ary avy amin’ny LMMA Vonihara ny 10 ambiny.

Catégories: National

Sipem Banque : Fihaonana mivantana amin’ny mpanjifa

Les Nouvelles - mer, 07/30/2025 - 09:09

Natao teny amin’ny Sipem Banque Analamahitsy, ny 24 jolay teo, ny fihaonana « Club Clients », andiany fahefatra. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka. Nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fifandraisana sy ny fikarohana fiaraha-miombon’antoka, indrindra ireo mpandraharaha any amin’ny faritra Avaradrano. Nahatsapa ireo mpanatrika, fa « misy tokoa ny zavatra manan-danja amin’ny tolotra omen’ity banky ity mifanandrify amin’ny filan’ny mpandraharaha, ny orinasa tena madinika na ny salantsalany (TPE-PME). Tsotra sy nohamoraina ny tolotra omeny amin’ny fampindramam-bola ».
Maro ny orinasa miara-miombon’antoka amin’ny Sipem Banque, amin’ny alalan’ny fahafahana mandoa tsikelikely ny vidin-javatra, toy ny Madauto, ny Vmoto, ny Probike, ny CFAO, ny Pharmadiff Solair, ny Solarmax, sns.
Nampahatsiahivina tamin’ity fotoana ity koa ny fanalavana ny fotoana findramam-bola amin’ny tahan’ny zanabola 9 % (Miabo) sy 9,5% (Miabo Flash) isan-taona. Tsiahivina, fa natao teto an-dRenivohitra ny andiany voalohany, tany Antsirabe ny faharoa ary tany Toamasina ny fahatelo tamin’ity hetsika ity.

Njaka A.

Catégories: National

SADC : Efa mirona any amin’ny indostria i Madagasikara

Les Nouvelles - mer, 07/30/2025 - 09:09

Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Mada­gasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo firenena 16 ao anatin’ ny Sadc. Notsindriany fa efa nataon’ny fitondram-panjakana malagasy laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny indostria, tamin’ny alalan’ny fananganana indostria miisa 57 tamin’ny alalan’ilay tanjona « Distrika iray indostria iray » (Odof). Ho an’ny fanatsarana ny famokarana, tafakatra 12,5 t/ha ny voka-bary, raha 2 t/ha tany aloha. Eo koa ny fampiasana ny angovo azo havao­zina, tamin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa herinaratra avy amin’ny masoandro. Mahakasika ity farany, notsipihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean Baptiste, fa ho dinihina mandritra ity Herinandron’ny in­dostrian’ny Sadc ity ny fika­rohana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena mpikam­bana. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny sehatry ny fanjakana sy ny tsy miankina. Toraka izany koa ny fifanakalozana traikefa. Nomarihiny fa « mila jerena ny lafiny lalàna, ny fepetra ary ny fenitra, satria hiditra amin’ny fanovana lalina isika. Ho an’i Madagasikara, tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana ny Jirama ny hahazoan’ny 70% ny Malagasy angovo azo havaozina, izay efa manomboka amin’izao fotoana izao ».

Fanamoran’ny fanjakana
Notsidihina ireo tranoheva mandray anjara amin’ity he­tsika ity, ahitana ireo orinasa indostrialy malagasy. Nam­baran’ny filohan’ny Sendikan’ ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rafalimanana Tiana, fa “tanjona ny ahafahan’ny orinasa malagasy manondrana any ivelany, mikaroka lalambarotra vaovao, ao anivon’ny tsenam-paritra Sadc. Ary izay no ilàna ny fanjakana hanamora an’izay fandraharahan’ny ma­lagasy izay”.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

D’Or VolleyBall : Hanangana klioba U14 sy U16

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:48

Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. Fikasana ho amin’ny taona ho avy ny hanangana klioba ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona sy latsaky ny 16 taona. Hisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana maro kasaina hatao. Tanjona ny hampiakatra ny lenta sy ny haavo teknika eo amin’ny taranja volley-ball, raha ny nambaran’ny mpanorina ny sekoly. Tsy ampy intsony ny fanazarantena fanao isaky ny sabotsy, ka nikarakara fiofanana naharitra herinandro ny sekoly, ny herinandro lasa teo. Teny amin’ny sekoly Notre Dame Antani­mena teo aloha no nanaovana izany fiofanana sy fampianarana natokana ho an’ny tanora mpilalao volley izany. Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana sy amboara tamin’ny fiafaran’ ny fiofanana. Tonga nanotrona ny hetsika ny avy eo anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:48

Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki.

Nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fivoriambe ara-potoana Fiba Afrika, natao tany Côte d’Ivoire, ny 25 jolay lasa teo, ny sekretera jeneraly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ralalaharison Tsiry Colombe. Firenena 46 amin’ireo 56 manerana an’i Afrika no tonga nanatrika ity fivoriambe ity.

Hitantara mivantana ny lalaon’ny “Chan 2024”, amin’ireo fihaonan’ny Barea A’, amin’ny haino vaky jery, indray Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea A teo aloha, izay niatrika ny “Can 2019”. Tsiahivina fa efa nitantara ny lalaon’ny Barea ny tenany, nandritra ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie, ny taona 2023 lasa teo.

Catégories: National

Lalao CJSOI : 8 mianadahy ny eo amin’ny atletisma

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:48

Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo amin’ny sokajy vehivavy. Vonjiniaina Angelin, Justin Eric, Natolojanahary Ysmael, Razafimahita Volahery, kosa ho an’ny lehilahy. Tsiahivina fa hatao ao amin’ny Kianja Linite, ao Seychelles, ny fifaninanana ho an’ny taranja atletisma, ny 5 – 8 aogositra ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana amin’izao fotoana izao izy ireo. Mpanazatra roa no hanara-dia ireo atleta ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny zoma ho avy izao ny delegasionina malagasy. Marihina fa taranja 8 no handraisantsika anjara, ahitana ny atletisma, ny badminton, ny baskety, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fojamby, ny lomano ary ny volley-ball.

Tompondaka

Catégories: National

Elgeco Plus : Hanao lalao tsapa amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:47

Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity.

Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianaran­tsoa, ry zareo mialoha ny fiatrehana ity fifanintsanana afrikanina, LDC Caf, ity. Tsia­hivina fa efa ao anatin’ny fanomanana sahady ry zareo amin’izao fotoana izao.
Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Cham­pions Caf” (LDC Caf), ny Elgeco Plus de Madagascar. Nohamafisin’ity mpampita vaovao, eo anivon’ny klioba ity, fa mety haka mpilalao avy any ivelany indray ny Elgeco Plus mba ho fanamafisana ny ekipan’izy ireo amin’ny fifanintsanana afrikanina.
Marihina fa sambany vao hiatrika ny LDC Caf, ny Elgeco Plus, raha tany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba hatrany no nifanintsanan’izy ireo teo aloha. Tsara ny mampahatsiahy fa misy an’i Ismail, mpilalao kameroney, milalao ao amin’ ny Elgeco. Mety hisy vahiny tahaka azy ihany koa, araka izany, aoriana kely raha tsy misy ny fiovana farany.

Baraingo ihany ny resaka kianja
Ankoatra izay, mbola baraingo hatrany ny resaka kianja mety handraisan’ny Elgeco Plus ity fifanintsanana afrikanina ity. Ahina ho any ivelany tahaka ny tamin’ny taona lasa izany. Hampian­trano ny fihaonan’izy ireo ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny zava-misy tahaka izany, voatery any ivelany no hatao ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, izay solontenan’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.

Fitia Randria

Catégories: National

Raharaha fiaramanidina dimy : Teratany malagasy iray sy indiana iray karohina

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:47

Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo.

Niainga avy any Cam­bodge ny hosoka ary tonga tany Iran. Tsy nanohy ny fifampiraharahana intsony ny fanjakana malagasy. Hagagana ny an’ny mpitantana nahita fa nipoitra tamin’ny 20 jolay indray ny raharaha, nahalalana fa nisy mpandraharaha tsy miankina nanohy azy taty aoriana.
Manoloana izany, nametraka fitoriana ny fanjakana malagasy, noho ny fitaka sy hosoka. Mitohy ny famotorana, misy ny olona efa voasambotra ary ao ireo mbola karohina. Anisan’ ny namoahana didy fikarohana sy fisamborana ny teratany malagasy iray, Andriamanarivo Heriniaina Rijasoa, sy teratany indiana iray, Khushwinder Singh. Namoahana didy tsy mahazo mivoaka ny sisintany (IST) eto Madagasikara ihany koa ireo olona roa ireo ary misy koa no efa voasambotra.
Nanotrona ny minisitra Ramonjavelo Valerie ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny mpampanoa lalàna.
Raha ny vaovao fantatra, nisy mpandraharaha nikasa hiara-miasa amin’ny firenena malagasy hitrandraka ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena (Eoropoa, India ary Sina), ka hanolotra fiaramanidina mi­isa 5. Nijery ireo fiaramanidina ireo tany Sina ny teknisian’ny Aviation civile de Madagasikara (ACM), araka ny dingana ara-dalàna amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voalaza fa taratasy fanomezana laharana (CIP) vonjimaika no afaka omena, nifarana ny 17 avrily 2025, ka hatsaraina ara-teknika atsy Kenya. Nifarana teo ny fifanarahana ary tsy nisy vaovao intsony. Nahazo fampahafantarana anefa ny ACM fa niala tany Cambodge ny fiaramanidina. Tany Kenya no nifanarahana saingy izao voalaza fa any Iran izao. Napetraka ny fitoriana any amin’ny OACI.

Njaka A.

Catégories: National

Lehilahy novonoim-badiny: Notontain-dramatoa vato ny filahiany

Les Nouvelles - mar, 07/29/2025 - 07:19

Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana.

Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 jolay lasa teo. Taitra ny fokonolona ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Namofona ratsy tsy lavitry ny toerana nampanahy. Fatin’olona efa simba tanteraka no hitan’izy ireo. Namanta­tra io olona hita faty io avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany voakasika ary ni­antso ny mpitandro filaminana. Tsy vaovao amin’ireo mpo­­nina, araka izany, ilay namoy ny ainy. Nalain’ny fianakaviany ny razana ka niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary.

Novelesim-badiny hazo

Nosamborina natao famotorana avy hatrany ny ramatoa vadin’io lehilahy hita faty io. Tsy nilamina hatry ny ela ny tokantranon’izy roa ary ma­tetika norahonan-drangahy ilay vadiny, araka ny loharanom-baovao. Tapa-kevitra hi­saraka, nihazo ny tanimboly hizara fananana izy roa, ny 15 jolay lasa teo. Raikitra fifamaliana anefa izany. “Nodaroha­ko tamin’ny vato ny filahiany ka lavo izy”, hoy ny fanazavan’ilay ramatoa vadiny. Torana avy hatrany rangahy. Noka­pohan-dramatoa hazo ny lohan’ io vadiny io ka tsy nahetsika intsony. “Nihazo ny tanàna aho taorian’izay”, araka ny fa­nazavan’ilay ramatoa nandritra ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy. Nolazain-dramatoa fa lasa nihazo an’i Ma­hanoro io vadiny io, rehefa na­nontany azy ny mpiara-monina. Hita faty tampoka ilay rangahy roa herinandro taty ao­riana. Nosamborina ilay vadiny.

Tsiferana R.

Catégories: National

Lakandranon’i Pangalana : Havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka

Les Nouvelles - lun, 07/28/2025 - 07:44

Anisan’ny lakandrano lava indrindra eto Madaga­si­ka­ra i Pan­ga­lana, izay mampifandray faritra telo, ny faritra Atsinanana, Fi­to­vinany ary Atsi­mo atsinanana.

Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Ma­hatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manan­gareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina ka hatrany Farafangana. Mirefy 430 km kosa raha hatreo Mananjary. Ampiasan’ny mpitatitra matetika ny avy eo Toamasina mankany Mananjary na Mahanoro – Mananjary vokatry ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomamy makany Fara­fangana, izay noho ny loto sy ny hamarivon’ny rano.
Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ ireo mpitatitra no nahalalana fa anisan’ny sarotra ho azy ireo ny eo Ambodivotaka, kaominina am­banivohitra Masomeloka, disitrikan’ i Mahanoro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Vohipeno sy Farafangana faritra atsimo atsinanana. Amin’ ireo faritra voalaza ireo, tsy ampy iray metatra akory ny halalin’ny rano ka voatery tsy maintsy hampidinina ny mpandeha mba ho maivana kokoa ny sambo. Zava-doza anefa izany matetika ka tsy maintsy mitady vahaolana mba hivoahan’ny sambo. Tanjona ny hahafahana manohy ny dia. Amin’ny ankapobeny, anisan’ny havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka ny fitaterana amin’ iny lakandrano iny. Hitan’ny mpanjanatany frantsay izany ka nohavaoziny tamin’ny alalan’ny tetikasa lehibe ny taona 1896 -1904, izay fanavaozana ireo lakandrano rehetra mifandray amin’i Pangalana. Nisy ireo frantsay nanampy tamin’ny asa fanamboarana fa ny Malagasy kosa dia tamin’ny alalan’ny asa an-terivozona no nanaovana izany.

Manana herijika

Manana herijika ara-toekarena sy lafiny fitaterana ary fizahantany ny lakadranon’i Pangalana noho izy mifandray amin’ny ranomasina. Nampiasain’ny mpanjanaka nitanterana andevo sy vokatra an-tanety maro isan-karazany sy harena ambanin’ny tany sy an-dranomamy ary an-dranomasina izany.
Toerana manan-danja amin’ny fizahantany ny mo­rontsiraka andalovan’ny la­kandranon’i Pangalana. Tsy lavitra ranomasina izay tena mampiavaka azy, toa an’i Toamasina, Andranokoditra, ary Akanin’ny Nofy izay ahitana faritra arovana atao hoe “Palmarium reserve” misy Aye-aye sy Lemuriens. Maro ny mety mampisy fiovana ny anaran’ny Pangalana. Toy ny fahitana renirano roa lehibe samy hafa dia Rasoabe sy Rasoamasay, ireto farany izay tena be fady. Fotoam-pialantsasatra moa izao ka tsara ihany ny manamarika izany ho an’ ny mpizahatany sy ny mpitsangatsangana eny amoron-dranomamy mba tsy ho azon-doza. Mbola amin’izay fizahantany izay ihany dia tsy diso anjara amin’ izany ny ao Ambila Lemaitso, Manamba­to, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro izay malaza amin’ny fisian’ny trano fandraisam-bahiny amoron-dranomasina sy ranomamy misy torapasika sy “Bungalow” ary toeram-pilalaovana isan-karazany. Tsy latsa-danjan’izany ihany koa ny ao Nosy varika. An­koatra ny fisian’ny karazam-biby arovana sy ny ala, vakoka mirakitra fahalalana ny tantaran’ny foko Antambahoa­ka sy fomba amam-panao io Nosy io. Nahatonga renivohitra ara-pomban-drazana an’ i Nosy Varika ao an-toerana ny fomban-drazana fanao isaky ny fito taona na koa hoe Taon-joma (Année Venus), izay hanamafisana ny fanaladiana tanteraka ny ankizy lahy na efa olon-dehibe aza amin’ny alalan’ny fora na fandrangitana mahalehilahy (Rites d’Initiation). Amin’ny ankapobeny, azo lazaina ho fifamoivoizan’ny fizahantany sy mpizahatany ny lakandranon’i Pangalana, tsy maharaka mantsy ny sambo na lakana misy maotera miisa 300 eo ho eo mitatitra olona rehefa ton­ga ny fotoan’ny “Sam­batra”, izay atao isaky ny fito taona ao Mananjary. Ankoatra ny maha fifamoivoizan’ny fizahantany ny lakandranon’i Pangalana, haingana kokoa ny fahatogavana. Raha ho any Mananjary ohatra, tratra alina indroa an-dalana vao tonga raha miala avy ao Toamasina manaraka gondorao, fa raha mandeha lakana manaraka Pangalana dia 24 ora monja ka ao Nosy Varika no matory, raha ilain’ny mpandeha izany.

Trafikana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana

Mandrafitra ny morontsi­rak’i Madagasikara ary afaka mampifandray renirano maro ny lakandranon’i Pangalana. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona raiamandreny iray tao Vatomandry ary mbola nisy nanamafy koa tao Mahanoro, lasa fivezivezen’ny mpanao trafika maloto izy io amin’ izao, toy ny fitaterana taolam-paty, zava-mahadomelina ary fitaovam-piadiana mihitsy noho ny fisian’ny baranahina eo amin’ny seranana, indrindra amin’ ireny fiantsonana madinika ireny “embarcadera”. Nohamafisin’ ireto raiamandreny ireto fa lasa varavarana ifandraisana malalaka avy amin’ny sambo lehibe avy any ivelany mitondra zavatra tsy ara-dalana na koa hanondranana zavatra tsy ara-dalana avy eto amintsika ny lakandranon’i Pangalana noho izy misy fifandraisana akaiky amin’ny ranomasina sy ireo renirano maro be manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny mpitandro filaminana izany kanefa dia avy amin’ io ny lakandrano io ny fitanterana an’ ireny Cocaïne sy Héroïne hatramin’ny rongony vao tonga any an-drenivohitra, hoy hatrany ireo nanaiky noresahina. Fa amin’izay lakandranon’i Pangalana izay ihany, tsy voakarakara sy maloto ity lakandrano manana ny tantarany amin’ny lafin-javatra maro eto amintsika ity ankehitriny, raha tsy ilaza ny hita etsy amin’ny port Fluvial Manangareza, izay feno menaka sy loto avy amin’ ireo orinasa manamorona azy.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 07/28/2025 - 07:43

Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafanta­rina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona.

Miasa andro aman’alina ny mpiasa amin’ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Voaka­sik’izany ny ampahany eny amin’ny fihodinana Tsim­bazaza hatrany Ankadilalana, ny manodidina ny fidi­rana eny amin’ny hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ny arabe eny Andavamamba mankany Ampasika.

Nisokatra ny 24 jolay teo tany Mahajanga ny « Tsenan’ny asa tanana », andiany faharoa. Miisa
40 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny mpanao taozavatra any an-toerana sy ivelan’i Mahajanga. Manatontosa azy ny Gescod sy ny Vondrona eoro­peana (UE). Hita mandritra ity tsenabe ity ny vokatra vitan’ireo mpiofana nametraka ny marika « Maroloko ».

Catégories: National

Pages