Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Mahamasina, fa diso avokoa ny vaovao miely milaza fa tsy nanaiky ny hanavao ny fifanarahana i Corentin Martins satria nahena ny karamany. Nambarany tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana, fa ny hanavao izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Federasionina sy ny MJS.
Mitohy ny baolina…! Nilaza tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, fa nanapa-kevitra ny hanavao indray ny fiaraha-miasa amin’ilay frantsay mpanazatra nitondra ny Barea A, i Corentin Martins, ny fanjakana sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Taorian’ny tombana ara-teknika natao, nandritra ny herinandro voalohan’ity volana janoary ity, samy nahatsapa ny rafitra roa tonta fa nahita vokatra tsara nandritra ny fitantanany ny ekipa nasionaly malagasy ary nihatsara hatrany ny kalitaon’ny fifantenana ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena, ka vonona ny hanohy ny fifanarahana amin’i Corentin Martins izy ireo.
Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny federasionina, efa vita omaly ny dinika sy ny pitsompitsony rehetra mahakasika ny taratasy fifanarahana aminy. Mbola mijanona ho tsiambaratelo hatrany kosa ny resaka. Noho izany, diso ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera milaza fa tsy nanaiky ny hanavao i Corentin Martins fa nahena ny karamany. “Alefa any amin’i Corentin Martins rahampitso, io taratasy fifanarahana io ary ho fantatra amin’ny herinandro ny valiny izany. Tsipihiko mazava eto fa diso avokao ireny vaovao miparitaka momba ny nampidinana ny karamany ireny, tsy nanaiky ny hanavao izy noho io resaka io…”, hoy ny MJS.
Any amin’i Corentin Martins ny baolina
Miandry ny tohin’ity raharaha ity izany ny Malagasy mpankafy baolina kitra, mandritra ny herinandro ho avy io. Any amin’i Corentin Martins ny mason’ny mpanaraka ny kitra sy ny ekipa nasionaly Barea. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray, tanjona goavana hotratrarina ny hanaovan’ ny Barea Can amin’ny taona 2027.
Fitia Randria
Iray amin’ireo sahandriaka lehibe miatrika olana, ny lemak’i Bas Mangoky. Napetraka ny tetikasa Tefiala hanarenana sy hanatsarana velarantany mirefy 22 365 ha hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony. Misahana azy ny minisiteran’ny Tontolo
iainana (Medd) sy ny ao amin’ny Fambolena (Minae), vatsian’ny Famatsiambola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (GEF) sy ny FAO.
Mirefy 121 km ny ampahan-dalana amboarina any amin’ny lalam-pirenena faha-12A. Miainga eo Ebakiky hatrany Somisika. Efa any an-toerana ny orinasa, ary manomboka ny asa fanotorana. Efa vita tanteraka ny ampahany Taolagnaro-Ebakiky. Ankoatra ny lalana, miisa 13 ny tetezana vaovao hatsangana. Vinavinaina ho vita amin’ny taona 2028 ny asa manontolo. Efa mandeha koa ny asa miainga eo Tsihombe hatrany Tsivorikely, amin’ny lalam-pirenena faha-10.
Natao ny 20 janoary teo ny dinikasa momba ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra. Fivoriana niarahana tamin’ny Ader, ny UGP Angovo ary ny orinasa CrossBoundary Access ary ny Anka. Anisan’ny faritra nodinihina ny Antso ho an’ny tetikasa (AP) ho an’ny orinasa hanatanteraka ny famatsiana herinaratra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (AP2) sy ny AP4 any amin’ny faritra Melaky sy Menabe.
Tsena lehibe anisan’ny mandray vokatra avy eto an-toerana sy hanondranana entana maro isan-karazany, tsy andoavana haba ary tsy misy “quotas”, ny Vondrona eoropeanina (UE). Antony nanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena (APE) hampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fampivelarana ny tsenam-panondranana ho an’ny sehatra tsy miankina. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC) tetsy Antaninarenina. Na izany, misy ny fepetra takin’ny tsena sy ny dingana atao amin’ny fanondranana. Tanjona, araka izany, ny hampidiram-bola amin’ny alalan’ny fanondranana sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary hanampiana ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny minisitra, Andriamadison Haingotiana, fa “ampiantsika ny sehatra tsy miankina, omentsika tantsoroka izy ireo mba ho mora aminy ny miditra eo amin’ny tsena eoropeanina”.
Mihatra
Tafiditra ao anatin’ny rafitry ny APE ny hahazoantsika tombony betsaka amin’ny fanondranana entana any Eoropa. Rafitra izay efa mihatra amin’ny ampahany ary efa nampahafantarina tany amin’ ny faritra ny nanaovana ny atrikasa eto an-drenivohitra. Atao tsy ho ela, noho izany, ny fanaovan-tsonia ny APE ho an’ ny tombontsoan’ny firenena, hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hanandratana avo ny vokatra malagasy, hanitarana ny tsena ary ho fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa
Hampitombo ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy hanatsara ny fahaiza-manaony ary hampitombo ny fandraisan’anjaran’izy ireo ny niomerika, hiantraika ao anatin’ny harinkarena faobe. Tetikasa karakarain’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny tetikasa. Araka izany, hanofana tanora maimaimpoana hatrany amin’ny 1 300, mandritra ny 15 volana, ny tetikasa, ka tanora miisa 280 no horaisina amin’ny fampivondronana voalohany amin’ireo efatra hatao. Aorian’izay, afaka miditra eo amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany ireo mpisitraka manomboka eo amin’ny fahatelovolana vantany vao mahafeno ny fepetra ilaina, anisan’izany ny BPO miara-miasa amin’ny fandaharana Asan’Ai sy ireo orinasa hafa mpiara-miombon’antoka.
Takina amin’ireo tanora liana amin’ny tetikasa ny mari-pahaizana Bakalorea farafahakeliny, ny fifehezana ny teny frantsay. Tokony hahafehy ny fitaovana niomerika sy vonona hanolo-tena amin’ny fiofanana ihany koa izy ireo. Antsoina hisoratra anarana ana habaka amin’ny alalan’ny tranonkala www.asanai.mg, hatramin’ny 27 janoary, ireo rehetra liana amin’ny fandaharanasa.
Henintsoa
Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny famokarana sy ny toekarena any atsimon’ny Nosy. Itodihana, ankehitriny, ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra (Agri-business) mitodika amin’ny filàn’ny tsena, mba hiteraka fampandrosoana.
Natao tany Toliara, ny 21, 22 ary 23 janoary teo, ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’izany
ny faritra Atsimo Andrefana, Menabe, Androy ary Anosy. Nofantarina ireo seha-pihariana manan-danja, ka anisan’ny misongadina ny biby fiompy (hena mena), miisa 1 121 054 ao anatin’ny faritra 4 voakasika. Mahatratra 357 149 taonina isan-taona ny voka-bary any Atsimo Andrefana sy Menabe. Milanja 30 000 t/taona ny voanjo any Menabe sy Androy. Manampy ireo ny vokatra maro samihafa, toy ny hasy, ny vomanga, ny katsaka, ny voanemba, tongolobe, ny « baie rose », sns. Efa hita any an-toerana daholo ireo vokatra ireo, saingy mila tosika sy fanatsarana ary fandrindrana mafy orina mba tena hiteraka fampandrosoana miainga any ifotony.
Fihariana mitodika amin’ny tsena
Maromaro ny lesoka mila arenina, navoitra nandritra ny dinikasa. Tsy ampy ny rano sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro. Voafetra ny famatsiam-bola. Miharatsy ny fotodrafitrasam-pamokarana, ny lalana, ny fitaterana, …. Tsy ampy ny fiofanana sy ny fikarohana ara-teknika. Maivana ny rohim-pihariana sy ny lalam-barotra, sy ny hafa.
Navoitran’ireo mpisehatra fa mionona amin’ny sakafo hohanina ny famokarana. Tsy ampy ny fanodinam-bokatra sy ny fampiasana ny teknolojia maoderina, tsy voafehy ny tsena, sns.
Vahaolana naroson’ny mpidinika ny hanamafisana ny rohim-pihariana sy ny fitodihana amin’ny filàn’ny tsena. Volavolaina ny drafitrasa mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hisy sori-dalana atsangana isaky ny seha-pihariana.
Njaka Andriantefiarinesy
Mitohy ny ezaka efa natao ho fampiroboroboana ny bagasy. Fantatra fa ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, no hifamotoana ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola ny Sehatra BaGasy (SBG). Fotoana hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy » na ilay fihaonana voalohany eo amin’ny samy mpitia bagasy. Ankoatra ny fiaraha-mifaly tratry ny taona 2026. Hifampizara vaovao ny rehetra. Hanombana ny asa mbola miandry ihany koa.
Anisan’ny mampiavaka ny tonontaona tahaka izao, ho an’ ny Sehatra BaGasy, ny fihaonan’ny samy manan-talenta amin’ny fihirana, fitendrena zavamaneno, sns. Saika ireo hira bagasy firariana ny soa, fametrahana ny zotram-piainana amin’Ilay Nahary, fanehoana fifaliana, sns, no manakoako ao anaty efitrano.
Marihina fa amin’ny maha sehatra ifampizarana azy ity, tsy ny fihirana na ny fitendrena zavamaneno ihany no tanterahina isaky ny misy hetsika ataon’ny Sehatra BaGasy. Izay mahalala sy mahafantatra ny tantaran’ireny hira fahiny ireny (ao anatin’izany ny tononkira sy ny sehatra niforonany, ny mpihira…), manatanteraka fizarana avokoa. Fomba fiasa iray manome aina vaovao indray ny tontolon’ny bagasy.
HaRy Razafindrakoto
Fifankalozan-kevitra eo amin’ny raiamandreny sy zanaka. Izay no nitondrana ny dinidinika teo amin’ny biraon’ny sendikan’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana (Synops) sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, ny alarobia teo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Fitsidihana ara-pomba fifanajana, narahina fifampirarian-tsoa noho ny taona vaovao no tena natao. Nandritra izany koa no nanaovana ny fampahafantarana ny andraikitry ny Synops, amin’ny maha mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny tontolon’ny zavakanto ireo mpikambana.
“Ianareo no mampiaina sy mampihetsika ny sehatry ny zavakanto. Manana anjara toerana lehibe na eo amin’ny fihariana izany na ny fampialana voly, fa indrindra ny fanandratana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Manana raiamandreny ianareo manana ny minisitera satria manan-danja ho anay ny asanareo, ka manohana izany araka izay azo atao ny minisitera”, hoy ny minisitra. “Amin’ny maha asa fandraharahana ny anay, zava-dehibe ny fanohanan’ny minisitera mpiahy toa izao. Manana ianteherana izahay, satria hery lehibe ho an’ny matihanina amin’ny fikarakarana hetsika izao”, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny Synops, Lanto Faniriniaina.
Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa hapetraka eo amin’ny 2 tonta, mba hanamafisana izay maha asa matihanina ny fikarakarana hetsika izay. Tsy ho ela ihany koa ny fanomezana ny Mariboninahitry ny kanto, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Synops. Tsiahivina fa efa maherin’ny 15 taona teo no nisy ny firaisankinan’ireo mpikarakara hetsika, nanomboka tamin’ny fikambanana ka tonga amin’ny sendika. Miara-miasa akaiky amin’ny sendikan’ny kanto na ny Syka, amin’ny maha rano sy vary ny mpanakanto sy ny mpikarakara fampisehoana.
Zo ny Aina
Manoloana ny valanaretina Mpox, efa miasa ireo Centre de traitement et d’isolement (CTI) miisa dimy eto Analamanga ary efa mandray an-tanana maimaimpoana ireo marary. Misy koa ireo tranga ahina izay ahiboka hiarovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina mandra-piandry ny valin’ny fitiliana. Eny amin’ny hopitaly Andohatapenaka, Itaosy, Anosiavaratra, Bongatsara ary Anosiala no ahitana azy ireo.
Marobe ireo namaly ny antso tamin’ny hetsika fitiliana maimaimpoana nokarakarain’ny Foibe FJKM teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Vehivavy maherin’ny 700 no vita fitiliana tao anatin’ny telo andro. Mampirisika hatrany hanohy ny ezaka ataon’ny fondation Akbaraly amin’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny vehivavy izany. Raha mbola tsy nanao fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, afaka tonga eny amin’ireo ivontoeram-pitsaboana telo. Eny amin’ny Centre médical Kintana Ambatomena, eto Antananarivo, manao fitiliana maimaimpoana isa-maraina fa mila misoratra anarana mialoha.
Adidy fahatsiarovana sy fankasitrahana ny filoha nifandimby sy ireo mpandraharaha rehetra ny fanamarihana ny 65 taona niorenan’ny Oniversiten’ Antananarivo. Nampahafantarina, omaly, koa ny sary famantarana sy ny teny filamatra. Nijoro ny oniversite noho ny asan’ny mpitantana teo aloha rehetra. Nanotrona ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny mpitantana dimy mirahalahy, nahitana ny profesora Ranjeva Raymond, Rajaonson François, Rajerison Wilson, Ramanoelina Panja ary Ravelomanana Mamy.
Hifarana anio ny atrikasa nasionaly momba ny fampielezana ny fanairana mialoha amin’ny alalan’ny finday nokarakarain’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) nanomboka ny 19 janoary lasa teo. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetipanorona maneran-tany “Early Warnings for All (EW4All)”, izany ka andry fahatelo ny mifantoka amin’ny fampitana sy fizarana ny fampitandremana mialoha.
Tanjon’ny atrikasa ny hikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny rafitra nasionaly amin’ny famoahana fanairana mialoha, amin’ny fiaraha-mientan’ny Andrimpanjakana, ireo rafitra ara-teknika, ireo mpisehatra amin’ny fifandraisan-davitra ary ireo mpiara-miombon’antoka. Asongadina manokana ao anatin’izany ny fampiasana finday amin’ny hafatra fohy (SMS) sy ireo vahaolana hafa, toy ny Cell Broadcast, ho fanampin’ireo fantsona efa misy (fampielezam-peo, fahitalavitra, tambajotra ifotony eny anivon’ny fiarahamonina).
Nandritra ny atrikasa, nisy ny fampirantiana sy fizarana traikefa momba ny zava-bita efa azo teo amin’ny sehatry ny fanairana mialoha eto Madagasikara. Teo koa ny fanadihadiana ireo banga sy fanamby mbola misy sy ny fahazoan’ny mponina rehetra ny fanairana ara-potoana, indrindra ireo faritra mbola marefo na sarotra idirana.
Nisy ihany koa ny fanatanterahana fanazarantena mahakasika ny fandefasana fanairana izay manampy amin’ny fanazavana ny andraikitra sy ny fizotry ny fanapahan-kevitra manomboka amin’ny famoronana ka hatramin’ny fizarana ny hafatra fanairana.
Vonjy
Nanome fanampiana mitentina 450 000 dolara ny governemanta amerikanina entina hanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina Mpox. Efa nanomboka tamin’ny volana desambra 2025 ny asa mifandraika amin’izany.
Maro ny asa ampiasana ity fanampiana ity. Anisan’izany ny fanamafisana ny fanadihadiana ifotony, ny fiatrehana ny valanaretina any amin’ny faritra Boeny sy ny fampandehanana ny rafitra nasionaly misahana ny fitantanana ny vonjy taitra ara-pahasalamana (CousP).
Ankoatra izany, eo koa ny fitaterana sy fitsinjarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fandraisana an-tanana ny marary sy amin’ny fitiliana eny amin’ny laboratoara.
Manohana ny fampiofanana sy fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa eny ifotony, toy ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny aretimifindra avy amin’ny biby ihany koa, ity fanampiana ity.
Tsiahivina, nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa 53 ireo sitrana nivoaka ny hopitaly ka tsy atahorana hamindra ny aretina intsony.
Tatiana A
Anisan’ireo nandray anjara fitenenana tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena « Conférence internationale » nokarakarain’ny « Internationale démocrate centriste IDC-CDI » aty Afrika ny filoha nasionalin’ ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany, tamin’izany, ny andraikitry ny tanora. « Tena ilaina amin’ny fanorenana demokrasia matanjaka sy maharitra izy ireo. Maro an’isa ny tanora ary loharanon-kery lehibe amin’ny fanavaozana, ka tsy tokony ho mpitazana fotsiny », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny mpandray anjara feno amin’ny fanapahan-kevitra politika sy amin’ny lafiny sosialy ary koa ny toekarena eto amin’ny firenena ny tanora.
Ankoatra izany, anisan’ny nifantohana tamin’izao adihevitra eo anivon’ny IDC-CDI izao ny momba ny demokrasia aty Afrika. Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa tsy fanaovana fifidianana fotsiny ihany ny demokrasia. « Mitaky Andrimpanjakana mahaleo tena sy fitsarana tsy miangatra izany », hoy ihany izy. Nanteriny fa ilaina ao anatin’ izany ny fitantanana mangarahara sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny rafitra mpanara-maso mahaleo tena.
Tsiahivina fa filoha lefitry ny IDC-CDI Afrique, Andrianainarivelo Hajo amin’izao fotoana izao ary anisan’ny niara-niatrika ny fivoriana taminy tany Paris, Frantsa, ny mpandrindra ny MMM any Eoropa, ny Dr Todizara Desiré.
Synèse R.
Tontosa ny 21 janoary teo, tao amin’ny Port Academy Center Toamasina, ny famindram-pitantanana, hisahana ny orinasa misahana ny Seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Raharisone Jean Crescent.
Tale jeneraly vaovao hitantana ny Spat Randriambahoaka Heritiana Anicet. Notsipihiny fa « fanehoana ny fifanohizana amin’ny raharaham-panjakana ny fifandimbiasan-toerana, toy izao fitantanana ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tsy ohatry ny fitantanana orinasa tsotra, fa foiben’ny fifanakalozana ara-barotra satria vavahadin’ny fanafarana sy fanondranana entana. Iankinan’ny fifaninanana ara-toekarena. Fanamby lehibe horaisiko ireo tetikasa lehibe, manampy ny asa andavanandro, ao anatin’ny fitantanana mangarahara, atokisan’ ny mpiara-miombon’antoka ».
Niorina ofisialy ny taona 1927, raha ny taonjato faha-19 no efa nisokatra nifanakalozana ara-barotra tamin’ny any ivelany ny seranana ao an-toerana. Tale jeneraly faha-14, mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina, Randriambahoaka Heritiana Anicet. Nitantana ny Spat, nandritra ny 17 taona (2009-2026), ela indrindra, i Avelin Christian Eddy, DG faha-13.
Fanitarana
Tetikasa goavana atao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fanitarana azy, tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney, Jica, nanomboka ny taona 2018. Mitentina 639 tapitrisa dolara ny asa, anisan’ny goavana indrindra aty Afrika, ka avy amin’ny Jica ny 65% (411 tapitrisa dolara) ary avy amin’ ny fanjakana malagasy ny 35% (227 tapitrisa dolara). Anisan’ ny asa goavana atao ny fanajariana velaran-tany 15 ha, hanatobiana ny kaontenera. Hitarina hatrany amin’ny 756 m ny halavan’ny toerana fandraisana ny sambo (quai) ary halalinina ho 16 m ny toerana fandraisana ny sambo vaventy.
Sajo sy Njaka A.
Miorim-paka, misy fototra fa mivelatra ihany koa. Izay no lalan-tsaina nitondran’i Solofo ny tarika Gaspira. Ho an’ireo efa nahalala ny mozikan’ny tarika sy ireo liana te hahafantatra, hisy ny seho an-tsehatra voalohany hotontosain’izy ireo ny zoma 23 janoary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny La Teintu-rerie Ampasanimalo. « Tsy misy vidim-pidirana satria ilay fampahafantarana ny mozi-kan’ny tarika Gaspira mihitsy no tanjona amin’io fotoana io », hoy ny nambaran-dRasolofomanana Alfred Léonard, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Solofo Gaspira, ary zana-dRakotoarivo Kavia.
Fototra tokoa mantsy ny hiragasy ho an’ny tarika Gaspira. Na ny anarana aza, nalaina avy amin’ny hoe « mpihiragasy » navadika. Mety hoe avy amin’ny « gasy pure », izay mbola mamerina any amin’izay fototra izay ihany koa? Fa tsy nijanona amin’ny hiragasy, fa nanampy forona, nanafangaro gadona maroloko ry Solofo. Efa nampahafantarin’ny tarika teto an-toerana izany, ary efa misokatra amin’ny tsenan’ny mozika hatrany ivelany ihany koa.
Ny taona 2005 mantsy no efa nitsangana ny tarika Gaspira. Efa nahavita rakikira roa, ka ny voalohany nivoaka tany ivelany. Ny faharoa kosa tamin’ny endriny VCD, izay tsy ahitana intsony. Amin’izao fiverenan’ny tarika izao, efa niroso tamin’ny fandraisam-peo izy ireo. Misy ny hira taloha nohavaozin’izy 8 miraha-lahy mandrafitra ny tarika, ampian’ireo forona vaovao nentin’i Solofo. Ito farany izay efa nitendry nanaraka tarika maro, noho izy mahafehy ireo karazan-javamameno rehetra fampiasa anaty hiragasy, toa ny lokanga sy ny zavamaneno tsofina rehetra. Anisan’ireo nitondra an-tsehatra ny hiragasy tany Europe ihany koa, niaraka tamin’ny tarika Rasoalalao Kavia.
Zo ny Aina
Anisan’ny ezaka sy fanamby lehibe tanterahin’ny Federasiona mpihiragasy eto Madagasikara ny fanatanterahina adin-kiragasy isan-kerinandro. Hitohy amin’ity taona 2026 ity izany.
Na mbola andro vitsy aza no nanitsahana ny taona 2026, nifanaretsaka ny fanontaniana: « hitohy ve ny Hiragasy goavam-be ?». Na-maly io hetahetan’ny olona maro mpitia hiragasy io ny Federasionina mpihiragasy eto Madagasikara. « Tonga ilay nandrasana », adin-kiragasy goavana be hifandonan’ny tarika Ramaroson avy any Soanieranabe sy ny tarika Ramilison Tsimakalagy avy any Arivonimamo. Adin-kiragasy hotanterahina etsy amin’ ny Kianja RaPetit Ampefiloha, ao an-damosin’ny Tranombokim-pirenena, ny alahady 25 janoary izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Ho an’ny mpitia hiragasy, tsara fanombohana ny taona 2026 raha ireto tarika ireto no jerena. Samy manana ny andrarezina sy ny traikefa matanjaka izy ireo ka rariny raha tsy hifampitsitsy. Azo antoka ihany koa fa hira vaovao tsy mbola henon’ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina no hoenti-dry zareo eny an-kianja.
Fantatra fa iray amin’ireo zavakanto sady fanabeazana, mifono anatra sy fahaiza-miaina, ny hiragasy. Hatramin’izao, izy no anisan’ny mahatana ny hasin’ny teny malagasy sy mampita izany ho an’ny taranaka aty aoriana. Io tranga io no manosika ny Federasionina mpihiragasy eto Madagasikara, hiantso manokana ny ankizy sy ny tanora ary ny ray aman-dreny hanatrika ny adin-kiragasy tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto
Ewetse no anaran’ilay rivodoza niditra ao Itampolo, Ampanihy, omaly tolakandro. Nihena ny heriny ka vinavinaina ho levona an-tanety. Mitondra rotsakorana mitohy amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny rahona miaraka aminy. Iangaviana ny mponina voakasika mba ho mailo satria mety hiteraka ranotrambo sy/na fiakaran’ny renirano izany.
Ho fanamafisana ny ady amin’ny Mpox, nisy ny fivoriana fanentanana sy fampahafantarana niarahana tamin’ireo Holafitra, ny mpitsabo, ny farmasiana, ny mpampivelona ary ny veterinera. Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’ ireo mpisehatra rehetra. Eo koa ny hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fisorohana sy fifehezana ny aretina.
Nanolotra fitaovam-pitsaboana ho an’ny CHU JRA ny Pavillon Ste Fleur amin’izao fanamarihana ny faha-50 taonan’ny hopitaly izao. Hanatevina ireo fitaovana efa misy sy hanatsarana ny sehatry ny fitsaboana izay imasoan’ny roa tonta no tanjona.
Homarihin-dRaharimanantsoa Hugues amin’ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa ny fankalazany ny faha-80 taonany, ny 31 janoary izao. Taranja 4 no hanomezany izany. Eo ny taranja karate-do, Yoseikan Budo, Tai Chi Chuan ary ny Iai Do. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankatso ity hetsika ity ka hizara roa mazava tsara. Ny iray misokatra ho an’ny mpikatroka amin’ireo taranja 4 ireo. Natao ho an’ireo rehetra liana amin’io fampiofanana io kosa ny hafa. Ankoatra ny fampiofanana, hisy koa ny fampisehoana hatao sy hasehon’ireo sekoly 4. Handray anjara mavitrika amin’izany ny Hanshi Raharimanantsoa Hugues, 8e dan amin’ny Karate-do, 5e dan amin’ny Yoseikan Budo, 5e dan amin’ny Tai Chi Chuan ary 2 e dan amin’ny Iai Do. Efa maro ireo mpikatroka nandalo teo imasony, nomeny fahalalana ary nizarany traikefa. Izany indrindra no anton’ny fankalazana toy izao, raha ny nambarany, satria maro ny zavatra nanantantara sy niainany tao anatin’izay 80 taona izay.
Mi.Raz
Hotontosaina any Maurice, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana eo amin’ny taranja Taekwondo WT, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra fahafito. Vonona ny handray anjara amin’izany i Madagasikara, ary mikasa ny handefa atleta lahy sy vavy. Ho fanomanana izany, misy ny lalao fitsapana ho an’ireo Malagasy mpikatroka eny amin’ny CFfama Nanisana, ny voalohandohan’ny volana febroary ho avy izao.
Notanterahina teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass ny lalao nifanandrinan’ny UscaFoot sy ny Elgeco Plus. Tafavoaka tamin’ny isa 3 no ho 2 ny tompon-jaridaina, rehefa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny mpifanandrina taminy, nandritra ny 80 minitra. Tany amin’ny minitra faha-87 sy 90 no nahatafiditra baolina roa, nitondra ho amin’ny fandresen’ny Elgeco, i Tony.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alahady 18 janoary teo ny “League Tournament School”, tontosaina ao Fianarantsoa. Hetsika iarahana amin’ny Ligim-paritra Matsiatra Ambony, taranja basikety, tarihin’ny filohany Rabariveloarijaona Lovarinasy. Tanjona ny fahaizana miara-milalao sy mampanjaka ny Fair-Play.
Anisan’ny fifaninanana goavana miandry ny mpilalao, amin’ity taona 2026 ity, ny Olympika ho an’ny tanora (JOJ). Fihaonana hotanterahina any Dakar, Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao. Hafa tsy toy ny lalao Olympika ho an’ny lehibe izy ity satria tsy misy fe-potoana henjehina na fanasana manokana na fifanintsanana hiadian-toerana hiatrehana izany. Ny komity olympika iraisam-pirenena (CIO) no misafidy ireo taranja isaky ny firenena. Tanjona amin’izany ny handraisan’ny firenena rehetra anjara. Ho an’i Madagasikara, miandry ny fanapahan-kevitra avy any aminy ny amin’izay taranja tian’izy ireo hifaninana. Tsiahivina fa mahatratra 25 ny isan’ireo taranja hifaninana ka anisan’izany ireo efa mahazatra toy ny atletisma, badminton, ady totohondry, ny baolina kitra anaty efitrano, ny handball lalaovina eny ambony fasika. Manampy ireo ny judo, ny lutte eny ambony fasika, ny rugby lalaovina olona 7, ny ping-pong, ny tae-kwon-do, ny tenisy, ny basikety ho an’olona 3. Taranja vaovao kosa ny breaking, ny baseball 5, ny skateboard, ny surf ary ny Wu-shu.
Tompondaka
Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra, ny filaharana vaovaon’ireo firenena mifanintsana amin’ity taranja ity maneran-tany. Nisondrotra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara na dia tsy nandray anjara tamin’ny Can farany teo aza.
Niakatra laharana iray indray. Na dia tsy niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika farany teo aza ny Barea, nahazo toerana iray teo amin’ny filaharan’ny Fifa. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara, ankehitriny, araka ny vaovao navoakan’ity tambajotran-tseraseran’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra ity, afakomaly alina. Tsiahivina fa teo amin’ny faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha. Mipetraka ao amin’ny satroka faharoa amin’ny antsapaka izay hahafantarana an’ireo mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027, izany i Madagasikara. Mbola aorian’ny Barea kosa, ny nosy rahavavy Comores, izay nisondrotra ho faha-106, taorian’ireny vokatra azony nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika farany teo ireny. Tsara ny mampahatsiahy fa teo amin’ny faha-109 izy ireo teo aloha teo.
Ankoatra izay, tafiditra anatin’ireo folo voalohany maneran-tany i Maroc, tompondaka lefitry ny Can farany teo. Lasa laharana fahavalo ao amin’ny Fifa ny Lion de l’Atlas, raha faha-11 ry zareo ny volana desambra farany teo. Miakatra eo amin’ny faha-12 maneran-tany kosa i Sénégal, Tompondaka ny Can 2025.
Mbola baraingo ny momba an’i Corentin Martins
Hatramin’ny nanoratanay, omaly, mbola tsy misy ny fanambarana ofisialy mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatran’ny Barean’i Madagasikara, i Corentin Martins. Afaka 11 andro eo sisa mantsy dia hifarana ny fifanarahana amin’ity frantsay teknisianina ity. Taorian’ny nanafoanana ny Chan mantsy, hifantoka tanteraka amin’ny Barea A, ny sain’ny Malagasy mpankafy baoliana kitra, ka andrasana izay mety ho fitohizany izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, vonona ny hanohy ny fifanarahana ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, saingy mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Marihina fa iarahan’ny roa tonta misalahy ny fandoavana ny karaman’ity mpanazatra ity.
Fitia Randria