Mamaramparana ny fanatontosana ireo fomba amam-panao mandritra ny vanim-potoana maintany, ny Malagasy. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana (famadihandrazana). Misy hatrany ny olana fa tsy nampihemotra ny “raharaha”.
Isan-taona, miteraka adihevitra maro hatrany ny fanatanterahana ny famadihandrazana. Vao mainka mampitombo izany ny fihamaroan’ isan’ireo sehatra ahafahana miresaka na mitafa na maneho hevitra amin’ny alalan’ny soratra sy sary. Anisan’ireny ny karazana tambanjotrantserasera izay zary filan’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy maro… Tsy maha kivy ny mpitana ny fomboan-drazana anefa izany.
7 000 000 Ar eo ho eo ny fandaniana tsy azo ialana raha hanatanteraka ny famadihandrazana amin’ny fomba tsotra. «Tsy maninona raha izay no hampirindra indray ny fihavanana. Ahafahana manome hasina ireo razana nipoirana. Ahafahan’ny fianakaviana mangata-tsodrano amin’ireo niandohany, sns», hoy ny fanazavan’ireo raiamandreny mandritra ny fanatontosana ity fomba amam-panao ity… Tsy mahakivy ny mpandala ny fomba ny hoenti-manana.
… Antony iray lehibe nampihena ny isan’ny Malagasy (isam-batan’olona) manatanteraka ny famadihandrazana ny fitsabahan’ny finoana any amin’ny fomba. Io ihany koa no nampizarazara ny ao anatin’ny ankohonana : ireo manao famadihana sy ny tsy mankasitraka izany intsony… Ny fomba amam-panao no taloha fa tsy ny finoana nentim-bahiny. Noho izany, tsy nataon’ny Malagasy mahatazona ny fomba hanova ny fahalalany ny “resa-pinoana”.
… Na hevitra, na fandaniana (vola, herim-po…), na ny “resa-pinoana”, sns. Tsy nampihemotra ireo mpitahiry sy mpandala ny fomban-drazana tsy hanatanteraka ny famadihana (famadihandrazana) izy ireny. Tsy nitondra fiovan-kevitra tamin’izy ireo ny fanatsatsoana sy ny fanakiviana. Porofo manamarina fa ny tsara fototra, tsy miongam-poana.
HaRy Razafindrakoto
Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tetsy Analakely, betsaka amin’izy ireo no tsy mahita tombony maherin’ny 10 000 Ariary intsony ankehitriny, noho ity fiainanana hita fa tena mikatso ity. Samy manana ny heviny anefa ireo olona eny an-toerana, misy amin’ireo mpivarotra no milaza fa manomboka sarotra ny miditra ao Analakely, rehefa andavanandro noho ny fisian’ilay grevy ao an-toerana. «Tsy misy olona mandalo intsony eto Analakely. Zara raha misy ny olona mandalo sy hita ety amin’ny tsena. Sakanan’ireo mpitandro filaminana tsy handeha aty Analakely moa ny olona ka izay no maha sarotra an’ilay zava-misy amin’izao fotoana izao», hoy ny mpivarotra kiraro iray teny Analakely. Nohamafisin’ity mpisehatra amin’ny fivarotana kiraro etsy Analakely ity ihany fa sarotra dia sarotra vao mahalafo kiraro iray amin’izao. «Manahirana ny mpividy mihitsy ilay maheno ny vidin’ny kiraro, vao manombana ianao amin’izao, fa tsy maintsy 2000 Ariary eo no tombony mba alainao ankehitriny», tenin’ity mpivarotra kiraro iray ity, etsy Analakely ihany. Nihena ihany koa ny vola miditra ho an’ireo mpitady vola amin’ny fampisotroana kafe. Raha tsiahivina, eo amin’ny 15 000 Ariary eo tombony izy ireny isan’andro ary nilatsaka ho 5000 Ariary izany amin’izao. «Tsy dia misy mividy ilay kafe amin’izao fa ireo mpivarotra manodidina sy olona mba sendra mandalo no manjifa izany. Somary nahena ihany koa ny entana amidy ety, noho ny tsy fisian’ny olona mandalo loatra», nambaran’ilay rangahy iray mpivarotra kafe.
Miantso fitoniana
Mangataka fitoniana sy fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny akamaroan’ireo mpivarotra ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, hatramin’ny 11 ora ihany ry zareo no afaka mivarotra eny an-toerana, nefa sahirana ihany izy ireo amin’ny famelomana ny ankohonana. « Mba mangataka sy miangavy ihany izahay hoe mba hataovy re izay marimaritra hiraisana sy fitadiavana vahaolana amin’ity zava-misy ity». Hafatra avy amin-dry zareo. Na izany aza, mampalahelo ny mahita ny mpianatra iharan’ny herisetra, tahaka ireny. « Manan-janaka sy reny ary saika ray aman-dreny avokoa ny ankamaroanay mpivarotra. Mampalahelo mihitsy mahita ireo tanora sy mpianatra tratran’ny herisetra tahaka ireny. Mangataka izahay, mba hampitsaharana ny zavatra tahaka ireny fa na ireo olona tsy manan-tsiny aza, dia tratran’ny fahavoazana, amin’ izao grevy misy izao», tenin’ ilay ramatoa, miezaka mamelona ny ankohonany amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana. Tsara ny mampatsiahy fa nanomboka 25 septambra teo, sahirana tanteraka ny mpivarotra eto an-drenivohitra.
Nilamina tsara ny omaly
Tsy dia nahitana olana, sy fahasahiranana loatra ny teny an-tsena an’Anakakely, omaly. Nanararoatra nitady vola mihitsy izy ireo, ary ny andro alahady tahaka izao, lasa hoe fotoana hahafahana mitady vola ho an’ny mpivarotra sasany eny an-toerana. «Tsy maintsy mivarotra aloha androany, somary mbola mafy ny herinandro ho avy io. Rehefa alahady tahaka izao, hita hoe maro ihany ireo olona mivoaka mandeha miantsena eto an-drenivohitra», nolazain’ilay tovolahy iray, misehatra amin’ny bakiraro. Nomarihan’ity zatovo ity ihany, fa tsy dia nanafatra entana betsaka izy aloha tamin’ity alahady ity, mba tsy hisian’ny fatiantoka haterak’izao grevy misy izao. «Rehefa manomboka mafana ny toe-draharaha ety an-tsena, ahoronay ny entana, ary ny lalana mody ihany no jerena, sarotra ho anay, ny hiditra lalina amin’ny zava-misy», famaranan-teny nataon’ity lehilahy ity ihany.
Nanantontosa : F.R
Na tsy maro tahaka ny mpanakanto eo amin’ny tontolon’ny hira aza ny mpanao sary hosodoko eto Madagasikara. Mahasarika ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora any am-pianarana ny mianatra azy ity. Tsy vitsy rahateo ireo sekoly mampiditra ny taranja hosodoko hoenti-mampitombo ny fanabeazana maha olona ao aminy.
… Hatramin’izao, anefa, mbola tsy manan-danja manoloana ny tontolon’ny zavakanto sy ny fiarahamonina malagasy ny sary hosodoko. Andaniny, tsy mbola mahavelona ireo izay manao azy. Ankilany, mbola tena vitsy ny tokantrano malagasy manana hosodoko iray ao aminy, raha dimy izany ho an-dry zareo Anglisy. Fito ho an’ny Amerikanina.
… Iray amin’ireo zavakanto miadam-pamindra ny sary hosodoko ho an’i Madagasikara. Lesoka ny tsy fahampian’ny sekoly voatokana hampianarana azy. Eo koa ny fahalafosan’ireo akora sy fitaovana hoenti-manatontosa hosodoko, izay miteraka fiakaram-bidin’ny tabilao vita. Ny fahefa-mividy ananan’ny Malagasy, anefa, ambany.
… Anisan’ny mampiavaka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy ny fananana aingam-panahy haneho ny tontolo voajanahary, indrindra fa ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manasongadina ny tranogasy, tambohogasy, eto Imerina. Eo koa ireo toerana manan-tantara, sy tontolo iainana voajanahary, sns. Fantatra fa anisan’ny mahasarika vahiny fatratra ireo endrika ireo.
HaRy Razafindrakoto
Nanao antso avo amin’ireo mpanakanto rehetra ny sendikàn’ny mpanakanto, omaly. Manetana izy ireo ny tsy handraisan’ireo mpanakanto anjara amina fampisehoana hatao hampisara-bazana sy hampifandrafy ny samy malagasy. “Miantso ireo mpanakanto zandry tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana amin’izao toe-draharaha am-pototry ny fifamonoan’ny samy Malagasy izao. Miantso ihany koa ireo tompona fanamafisam-peo sy teknisianina izy ireo mba hanaraka izay”, hoy ny fanambarana. Nanamafy ry Rossy, Dama, sns, fa tsy misy mpanakanto na iza na iza afaka miteny amin’ny anaran’ny mpanakanto rehetra izao.
Nanandratra avo ny mozika malagasy i Niu Raza. Nasaina nihira nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), tany Paris, izy, ny alin’ny alakamisy teo. Izy no Malagasy mpanakanto voalohany voaantso tamin’ izany. “Tamin’ny foko manontolo no nihirako an’ity hira ity. Mamiko loatra ny maha gasy ahy, reharehako hatramin’izay ka hatramin’izao, na inona na inona mitranga eo amin’ny fireneko.Samia mandray ny andraikiny aby ho an’i Madagasikara”, hoy ny hafatr’i Niu Raza.
Hiaraka hifampizara sehatra any Allemagne i Rija Ramanantoanina, Lalatiana ary ny tarika Johary. Hotontosaina anio, any Sttutgart izany, izay natao ho fihaonan’ireo Malagasy rehetra monina any, ho fanehoana ny firaisankina noho ny toe-draharaha aty Madagasikara. Natao hifampizarana, hifanohanana, hifanakalozana ary hanehoan-kevitra io fiarahana io. Ankoatra ny fampisehoana, fitadiavana izay mety ho vahaolana ho an’ny krizy misy eto Madagasikara koa io fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne io.
Tsangambato hanasoavana taranaka. Izay no antony nananganana ny Tranoben’ny boky (Maison du livre) ao Ankofa, Mahasoabe, Fianarantsoa. Razafimandimby André Claude no tompon-kevitra sy tompon’ny toerana. ” Hifoha velombelona ny saina. Hitombo velabelatra ny fahalalana” , hoy izy. Faharesen-dahatra sy finiavana manokana hanasoa ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanohanana ny kolontsaina ny azy. Na tsy mbola tontosa hatramin’ny farany aza, efa nosokafana ity toerana ity. Misy efitrano lehibe famakiam-boky, efitrano fanaovana velakevitra, efitrano fisakafoana ary tokotany malalaka afaka hanaovana hetsika ara-javakanto ankalamanjana izany.
Vola madiodion’ny tompon-toerana no nananganana izao fotodrafitrasa ho an’ny vakiboky izao. Miantso ireo malala-tanana afaka mamatsy boky ho an’ny toerana izy. Mba hampiodina tsara izany, hisy ampahany ampanofaina ny toerana. Hipetraka ho toerana fampahafantarana ny boky sanganasan’ ireo mpanoratra, indrindra ireo any Fianarantsoa, kosa anefa izany.
Lanonambe no nentina nanokafana ny toerana. Nisy ny seho ara-javakanto nataon’ny tarika mpanao dombolo, Randrambalo, izay mpively amponga sy mpiangaly sodina ary ny mpanao bapampa. Teo ihany koa ny velakevitra nataon’ny Dr Nalisoa Ravalitera, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, sy Ranoe, mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra.
Zo ny Aina
Hatramin’izao, tsy mbola nisy afaka nanome porofo mazava fa tsy misy ny tody. Na, tsara na ratsy ny atao, manody avokoa. Rehefa milofo, tody any amin’ny tanjona tian-kotratrarina ihany na ho ela na ho aingana.
Ho an’ny teny malagasy, « tody ». Ho an’ny teny vahiny, « karma ». Samy tamberin’ny zavatra natao na ny ratsy na ny tsara. Tao anatin’ny angano malagasy. Ratany no tompon’ny vatana. Zanahary kosa no tompon’ny aina. Nifantoka tamin’ireo anton-javatra roa ireo (fisian’ ny tody sy ny maha tompon’ny aina an’Ilay Nahary) ny nitaizan’ny Malagasy ny taranany. Vokatr’izay, nitandrina sy nandala fatratra ny hasin’ny aina izy. Na ny namono biby aza tsy nataony. Raha voatery nanao izany, nangataka tamin-Janahary.
Rehefa ny tody no takona. Manao izay hitsin’ny sainy ny olona. Aminy, na an-drariny na tsia. Na, hanaraka ny hitsiny na tsia. Na, handatsahana aina na tsia. Na, hanambakana olona na tsia, sns. Azo atao avokoa, satria, tsy misy ny tody. Nanjary anaty nofinofy sisa ny fahafantaran’ny Malagasy ny tody. Indraindray, tadidiny ny fisiany. Fa matetika, very an-javony fotsiny ihany.
Misy tokoa ny « tody »
Misy ny « tod » na « tonga », tokoa, eo amin’ny dingana na tanjona tiany ho tratrarina ireo mihevitra fa « tsy misy ny tody ». Nanjary manana fahefana lehibe. Manam-bola be. Tsy refesi-mandidy. Manao izay tiany hatao. Tsy misy mahasakana amin’izay rehetra tian-katao, sns. Mety tsy henjehin’ny eritreriny, satria, aminy, tsy misy ny tody.
Misy tokoa ny « tody », satria, tsy vitsy amin’ireny tsy mahafantatra (na minia tsy mahalala) ny fisiany ireny no itambesaran’ny nenina. Ivangongon’ olana. Manan-taranaka tsivanombanona…
Antony iray tsy mahafak’ olana an’i Madagasikara sy ny Malagasy io fisian’ny « tody » io. Manody azy ny hatsirambina nataony. Ny famadihana tanindrazana. Ny fanariana ny soatoavina. Ny famingavingana ireo raiamandreny. Ny fanariana ilay hasina na ilay fanahy maha olona… Ny tsy azo lavina, misy tokoa ny tody. Sarotra zakaina izy io raha, sanatria, ka arahin’ozona.
HaRy Razafindrakoto
Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny sampandraharaha misahana ny mpiady tia tanindrazana ary ny Bataillon médical Ampahibe. Nanatrika izany ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana, ny Jly Randrianantenaina Emilson, sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Nandritra izany koa no nizarana ny taratasim-bola fisotroan-dronono ho an’ireto zokiolona ireto. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fijerena ny maha olona ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona izao hetsika izao. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fiahiana manokana ireo zokiolona nanao sorona ny ainy ho an’ny Tanindrazana.
J.C
Manoloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona ho an’ny anio, mikarakara “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety midina ifotony sy manaraka ny toe-draharaha ny avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara (Association des femmes journalistes de Madagascar ) manomboka androany. Misy ny fizarana sy fanampiana ho an’ireo eny an-kianja, toy ny sérum, rano, bisky sy ny maro hafa. Hita etsy Analakely, ampitan’ny Goldenrama ny fizarana, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.
Mitaky ny hanaovan’ireo mpanao gazety te hisitraka izany ny karatra manamarina ny maha mpanao gazety sy ny fanamiana ary ny « brassard » izy ireo. Eo am-pandinihana ny zavatra azo atao rehetra ny birao ka mila fifanomezan-tanana.
Mino
Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Niezaka namantatra azy ny mponina teny amin’ny manodidina sy ny mpandalo, saingy tsy nahalala ny mombamomba io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP6 ny tsara sitrapo. Naparitaky ny nanatri-maso tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ilay namoy ny ainy mba hahafahan’ny fianakaviany mamantatra azy. Efa tonga teny an-toerana io omaly io ihany ireto farany naka ny vatana mangatsiaka. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny famoizan’io raim-pianakaviana io ny ainy. Na izany aza, ilaina ny fitandreman’ny tsirairay rehefa mody alina. Manjaka rahateo ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy.
Tsiferana R.
Hita faty tany anaty kirihatr’ala, tao amin’ny fokontany Beryl, Mananara Avaratra, omaly maraina, ny vehivavy iray mpihira teo aloha, tao anatin’ny tarika Willis. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manampahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, tsy nisy tanana sy tongotra ary mbola noloarana ihany koa ny tao anaty kibony ary nesorina ny nonony. Mpianatra handeha maraina no nahita ny faty ka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy sy ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nandre ny antso. Tombanana ho vono olona niniana natao ity tranga ity. Novoinoina tany an-kafa izy ary natsipy sy nariana teo amin’io toerana io. Taorian’ny fanadihadiana, nentina eny anivon’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Mananara Avaratra ny razana. Efa nanaovana fampandrenesana ny fianakavian’ny maty. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io vehivavy io, raha ny fanazavana voaray. Efa mikaroka ny nahavanon-doza ireo manampahefana any an-toerana.
Mino
Mitsipaka ny fiampangana azy ny tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, manoloana ny vaovao navoakan’ny RFI…
Taorian’ny vaovao izay navoakan’ny onjam-peo, Radio france internationale (RFI), ny 1 oktobra lasa teo, izay nitonona ankolaka ny anaran’ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina. Nisy ny fanitsiana sy fanazavana nataon’ity vondrona ity, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, araka ny andininy faha-70 amin’ny lalàna mifehy ny serasera.
Araka ny fanazavana hita tao anatin’ilay fanambarana, omaly, nisy mpanentana ny fandaharana tao amin’ny RFI nilaza mazava fa: « Izy (Maminiaina Ravatomanga) dia manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Antananarivo, ka io no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maro». Mbola miampy ny hoe: “Naneho herisetra nandritra ny fihetsiketsehana ny milisiny”.
Niantefa tanteraka tamin’ny Madagascar Security Academy (MSA), orinasa ao anatin’ny Vondrona Sodiat, ity fanambarana nataon’ity onjam-peo vahiny ity. Nomarihin’ny vondrona Sodiat fa ny MSA, ivontoeram-piofanana amin’ny resaka fiarovana, dia nahazo alalana avy amin’ireo manampahefana tamin’ny taona 2024. Tsy nandray anjara tamin’ireo asa fanamafisana filaminana nandritra ireo hetsi-panoherana mihitsy izy ireo.
“Manasa ireo mpanao gazety ao amin’ny RFI izahay mba ho tonga eto an-toerana, amin’ny fotoana mety amin’izy ireo, hijery maso sy hanamarina ny tena asa sy fotodrafitrasa ao amin’ny MSA, ka ho hitan’izy ireo mazava fa tsy misy velively ny famoronana milisy eto”, andian-teny nalaina tao anatin’ilay fanambarana.
F.R
Mampandre ny vahiny mitsidika eto Madagasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa ny manatona mivantana ny Biraon’ny fitantanam-paritry ny Fizahantany sy ny taozavatra, manerana ny faritra.
Niaina kely ny mpivarotra sy ny mpitatitra, omaly. Satria tsy nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny Gen Z sy ny tanora. Mba afaka nivarotra an-kalalahana sy nitatitra araka ny tokony ho izy izy ireo. Nisokatra avokoa ny ankamaroan’ny lalana teto an-dRenivohitra, indrindra ny tao Analakely. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny ho tohin’ny toe-draharaha ka mitaintaina ny rehetra.
Somary nihena ny isan’ireo mpivarotra tetsy amin’ny tsena Alakamisy, Mahamasina, omaly. Araka ny fanadihadiana natao, matahotra ny isian’ny korontana sy ny savorovoro amin’izao fotoana izao ny maro ka aleon’izy ireo misafidy hijanona any an-trano ihany aloha. Marihina fa tsy nisy tolona, omaly, araka ny fanambarana nataon’ny Gen Z.
J-9 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina any Douaisis, France, ny 9 hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy izay efa any an-toerana rahateo, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanitsiana farany ireo pitsompitsony madinidinika sisa ny mpanazatra.
Nohamafisina ny toe-batana sy ny toe-tsaina hoentin’ireo mpilalao miatrika izany, araka ny fampitam-baovao. Tsiahivina fa efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie, teo amin’ny olon-droa miaraka, i Fana sy i Tita, ka efa nahitsy ireo lesoka tamin’ izany.
Mialoha ny tena hiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, misy ireo lalao sedra sy fitsapana hatrehin’ny ekipa any France. Ankoatra izay, misy fikambanana sy klioba tsara sitrapo manome kianja hanaovana fanazarantena isan’andro, hitazomana ny hery sy tanjaky ny mpilalao. Mahazo kianja voatafo ihany koa izy efatra mirahavavy, raha toa ka avy ny orana hanohizany izay fanomanantena izay. Maro amin’ireo Malagasy monina any France no manohana ny delegasionina malagasy amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fanazarantena, misy koa ny hetsika fanamafisana firaisankina sy fanomanana ny saina.
Tompondaka
Hotanterahina ao amin’ny Kianja monisipaly Manakara ny basikety lalaovin’olona 3, “3×3 Pangalanes”. Fifaninanana hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Ny sokajy latsaky ny 13 taona, latsaky ny 15 taona, latsaky ny 17 taona ary ny Open lahy sy vavy, no hatao mandritra io roa andro io. Ny ligin’ny basikety Fitovinany no mikarakara ny hetsika ary 20 000 Ar ny saram-pisoratana anarana amin’izany.
Niray hina tamin’ny mpanao gazety rehetra ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena (UJSM), taorian’ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety ny talata teo. Niaraka nivory sy nanatitra ny taratasy fitoriana teny Anosy ny solontenan’ny biraon’ ny UJSM, omaly maraina, ary nanambara fa manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety manatanteraka ny asany.
Hanomboka ny 5 oktobra izao ny “Challenge Mini-basket 2k25-3×3”, karakarain’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy manomboka
amin’ny latsaky ny 10 taona hatramin’ny latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, no handray anjara amin’izany, izay efa nanomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-
teknika, araka ny fandaharam-potoana napetraka.
Anisan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fanatanterahana fifaninanana matihanina. Nisy ny “Muay Thai Tournament 2” farany teo, izay natao teny amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina, ka nahitana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpikatroka. Noho io fahaiza-manao mihatsara io, voaantso handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, hatao atsy Maorisy, ny 18 oktobra izao, i Madagasikara. Hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy, i Olga. Raha tsiahivina, i Olga no voahosotra ho tompondaka nandritra ny “Muay Thai Tournament 2”, ka izy no hisolo tena an’i Madagasikara, araka ny fanazavana nentin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny Muay Thai, Razanajatovo Gildas. Nohamafisiny fa efa manomboka mandroso ity taranja ity eto Madagasikara ary hanomboka hivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miantso ny fanohanana avy amin’ny rehetra ny Maître Gildas hahafahan’i Olga mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hotanterahina any Maorisy, ny 18 oktobra izao ity.
Mi.Raz
Namoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra. Maromaro ireo mpilalao teo aloha no tsy tazana ao anaty lisitra. Anisan’izany i Hakim Abdallah sy i Jean Marcellin ary i Van Boto. 4 ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana.
Noho ny toe-draharaha misy eto an-toerana, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, no namoahan’i Corentin Martins, mpanazatra, ny anaran’ireo mpilalao hiatrika ny andro fahasivy sy fahafolo. Tafiditra ao anaty fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, vondrona “I”.
24 ireo nantsoiny, ka 4 ihany ireo avy eto an-toerana. Maromaro ireo tsy ao anaty lisitra, toa an’i Kenji Van Boto, Hakim Abdallah, Demoleon, Jean Marcellin. Efatra ny mpiandry tsatoby nentina hatramin’izay, 3 ihany amin’ity. Hatao ny 8 oktobra ho avy izao, ao amin’ny Stade Felix Houphoet-Boigny, Côte d’Ivoire, ny fihaonana amin’i Comores. Ny 12 oktobra, ao amin’ny Stade du 26 marsa, Bamako, ny lalao ifanandrinana amin’i Mali. Tsiahivina fa laharana faharoa vonjimaika ny Barea, manana isa 16. Fahatelo i Comores, nahazo isa 15, ary fahefatra i Mali, isa 12. Mitarika i Ghana, manana isa 19.
Tompondaka
Ireo Barea 24 mirahalahy
Mpiandry tsatoby : 1- Toldo (Elgeco Plus) ; 2-Nina (AS Marsouins) ; 3-Dupire (FC Swift Hesperange)
Vodilaharana : 4-Tremoulet (FK Radnik Surdulika) ; 5-Eshan Kari (Etoile FC) ; 6-Andy Pelmard (Jagiellonia) ; 7-Tony (Elgeco Plus) ; 8-Morgan (FC Fleury) ; 9-Ponty (Rodez Aveyron) ; 10-Nicolas (Al Merreikh) ; 11-Rado (AS Fanalamanga)
Irakiraka : 12-Marco (Standard de Liège) ; 13-Mamisoa (Elgeco Plus) ; 14-Couturier (Thionville) ; 15-Rayan (Young Boys) ; 16-Lalaina (Paradou AC) ; 17-Johan N’Zi
Lohalaharana : 18 – Tommy Iva (Standard de Liège) ; 19- Arnaud (El Gouna FC) ; 20-Njiva (Ratchaburi FC) ; 21-El Hadary (Valenciennes) ; 22-Warren Caddy (Stade Lausanne) ; 23-Brayan Adinany (Lierse SK) ; 24-Fenohasina (Al Merreikh).
Nisehoana fanafihana sy vaky trano tetsy amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohijanahary, kaominina Antehiroka, ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Nikasa hanao vaky trano sy hala-boty teny Antanetibe ireo olon-dratsy maromaro. Nirotsaka nanenjika sy nisambotra azy ireo ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Voasambotra ny efatra tamin’izy ireo ary nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary Talatamaty.
Nirefodrefotra ny basy ho an’ny tetsy Ambohijanahary, io alina io ihany. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray teny an-toerana. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanapoaka basy avy hatrany. Nitaky ny vola rehetra tao amin’ny tompon-trano ary lasa nitsoaka vantany vao nahazo izay nilainy ireo mpandroba.
Naheno ny feom-basy nipoaka ireo andrimasom-pokonolona nivezivezy sy nanara-maso ny tsy fandriampahalemana teny an-toerana. Nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy izy ireo saingy nanapoaka basy ireto farany. Efa nampandrenesina ny avy amin’ny zandary avy eny Ambohibao.
Mino
Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andranokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha ny fanadihadiana natao taminy. Anisan’izany i Black Nadia.
Anisan’ny nahafantaran’ny olona azy io anarana io. Indrindra tamin’ny fitendrena angorodao niaraka tamin’ny tarika Angeline sy Jacqueline. Niandohan’ny filalaovany mozika ny tao anatin’ny tarika Ny Malagasy Orkestra. Tsy nijanona teo fa niara-niasa tamin’ny tarika maro, teto Madagasikara sy tany ivelany izy. Voiziny indrindra amin’izany ny gadona tsapiky. Mampangorintsina ny mpankafy rehetra ny fihainoana ny feonkira tendreny. Milalao karazan-kira maro ihany koa anefa i Jean Piso. Ahafantaran’ny maro azy ny fitendrena angorodao. Mitendry vatamaroafitsoka, indrindra rehefa any am-piangonana ity mpanakanto ity. Eo ihany koa ny gitara klasika sy ny gitara basy.
Nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona »
Iray tamin’ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona », andiany faha-19, natao teny Ambohimanga Rova, notontosaina ny sabotsy 13 hatramin’ny alahady 21 septambra 2025, i Jean Piso. Nampita fanilo amin’ny tanora sy ny taranaka ankehitriny ny tenany. Efa feno 60 taona mahery ny nilalaovany ireo mozika ireo, raha ny nambarany.
Nitendry voalohany izy teo amin’ny faha-10 taonany
Efa nitendry angorodao fony mbola kely i Jean Piso. Efa nitendry teo anatrehan’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana izy tamin’ny faha-10 taonany. « Napetraka ambony seza aho no nitendry, faly ny filoha ka nanome ahy vola 600 Ariary tamin’izany fotoana izany », hoy ihany izy nitantara. Hividianana bokoboko sy kida io vola azo io tamin’izany, rehefa nanontanian’ny filoha. Nahitsin’io filoha io anefa izy fa tokony zavatra mifandraika amin’ny fianarana no handaniana ilay vola. Manoloana izany, nividianana fitaovam-pianarana rehetra ny vola ary mbola nisy famerim-bola nahafahana nividy kida sy mofo.
Mampianatra tanora maro
Ankoatra ny filalaovana mozika, mampianatra ireo tanora mpanakanto any Toliara ihany koa i Jean Piso. Manodidina ny 15 ireo tanora efa nisitraka izany. Ataovy eo ambanin’ny fitiavana mozika ny fitiavam-bola, raha ny hafatra nampitainy. Mila mamorona zavatra mampiavaka ny tena ihany koa ao anatin’ny mozika mba tsy hitovizana amin’ny hafa. Ankoatra izay, voarakitra ao anaty boky, tantara an-tsary ny fiainan’i Jean Piso, nosoratan’i Geneviève Marot. Mitondra ny lohateny hoe : « Sous le Tamarinier de Betioky » ny boky.
Feon-tsaka
Nitondra ny anarana Jean Piso izy amin’ny sehatry ny mozika. Anarana azo efa tamin’ny mbola kely izy io. “Efa niantso ahy tamin’izany avokoa ny ankizy rehetra tany am-pianarana, indrindra tany amin’ny ambaratonga fototra”, hoy izy nanazava. « Raikitra ny totohondry rehefa misy ankizy miantso ahy amin’io anarana io satria ampiarahan’izy ireo amin’ny feon-tsaka », hoy hatrany izy. Tetsy ankilany, nisy tantara io anarana io, raha ny nambaran’ny reniny taminy. Noheverin’ny ray aman-dreniko fa efa maty aho tamin’ny vao teraka satria efa mangana sady tsy nihetsika, niezaka namelona azy ny rasazy tamin’izany ary voalaza fa efa tsy velona intsony izy, hoy izy nitantara.
Raha ny fomban-tany, tsy azo atao anaty vata ny zazakely rehefa tsy azo fa fonosina lamba fotsiny rehefa handeha ho « ariana ». Efa ndeha halevina tany ambanivohitr’i Ejeda ny razana, tamin’izany. Toa naheno feon-tsaka anefa ny olona, teny an-dalana hanatontosa izany, nefa toerana tsy tokony hisy saka mihitsy. Hita sy tsikaritra fa nihetsika ilay zaza nokasaina halevina, tamin’izany. Rehefa nesorina ny lamba namonosana ilay zaza, zaza nitomany namoaka feon-tsaka no hita tao, raha ny fanazavany hatrany. Nanomboka teo, nanjary anarana niantsoan’ny rehetra azy ny hoe : « Piso ». Nitombo ny taona ary nianatra teny amin’ny Lycée Laurent Botokeky tao Toliara ny tenany. «Tsy nitsahatra ny fiantsoan’ny ankizy ahy tamin’io anarana io. Noho izany, nanaiky ny hitondra io anarana io aho», hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Mino