Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry.
Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madagasikara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny fivoriana natao tany Zimbaboe, ny taona 2025, voatendry ho mpitantana ny vondrona Sadc ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry. Notontosaina omaly, araka izany, ny fifamindram-pitantanana eo aminy sy ny filohan’i Zimbaboe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa. Nandray avy hatrany ny andraikiny ny filoha Rajoelina Andry. Fanambiny ny hampandroso sy hampatanjaka ny lafiny ekonomika. Nohamafisiny ny hampiroboroboana ny firenena mpikambana, andaniny. Hitady ny tombontsoan’ ny mponina aty amin’ny firenena afrikanina tapany atsimo, ankilany.
Henin-kaja ny Malagasy
Tonga nanatrika ny fivoriambe teto Madagasikara ireo filoham-panjakana sy lehibena governemantan’ny firenena 16 mikambana eo anivon’ny Sadc. Niara-nikaondoha sy nikaro-bahaolana hampandrosoana ny faritra ny mpizaika. “Kihon-dalana lehibe hanatanterahana ny tanjona iombonana ity fihaonana eto Madagasikara ity”, hoy hatrany ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony ny hampivoarana ny fiaraha-miasa mba hitondrana fampandrosoana mirindra. Niompana tamin’ny lohahevitra “fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina” ny dinika niarahana, omaly. Marihina fa nahitana solontena avokoa ny firenena 16 mivondrona ao anatin’ny Sadc. Anisan’izany, ny filohan’ny Repoblikan’i Zimbaboe, Dr Emmerson Dambudzo Mnangagwa, izay filoha nitantana ity vondrona ity teo aloha. Tonga ihany koa ny filohan’ny Repoblikan’i Congo, Felix Antoine Tshisekedi Tshilombo. Torak’izany ny filoha Afrikanina tatsimo, Matamela Cyril Ramaphos sy ny maro hafa. Haharitra herintaona ny fitantanan’i Madagasikara ny Sadc.
Mino
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, tanora maro avy amin’ny firenena 16 mandrafitra io vondrona io, nafaran’ny Firaisambe afrikanina no tonga eto Madagasikara miatrika izany. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, fa tanjona ny fanentanana sy fampirisihina ny tanora ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’i Afrika, ho firenena matanjaka. Nohamafisin-dRamatoa Prudence Nonkululeko, talen’ny vehivavy sy ny tanora, fa hampitovy ny fomba fijery amin’ny fampivelarana ny maha olona no tanjona. Haharitra telo andro ny fihaonan’ireto tanora ireto ka lohahevitra maro no hodinihina amin’izany. Hisy ny fifanakalozana traikefa, ny dinika ifampizarana, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Aorian’izay, hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mpitarika ny Sadc amin’izao fotoana izao, ireto tanora ireto, hanolotra izay tapaka sy ny feon’izy ireo.
Tompondaka
Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io.
Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy Vétérans lahy sy vavy, manomboka ny faran’ity herinandro ity. Omaly zoma 15 aogositra no nanatanterahana ny fivoriana ara-teknika, tany an-toerana.
Hotontosaina anio sabotsy 16 aogositra, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana Amboaran’Analamanga, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Analamanga ny JJB hahitana ny sokajy Gi amin’ny sokajy rehetra sy ny No Gi “absolute”.
Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, sokajy Cadet, junior ary Senior. Ny eo amin’ny K1 rules, Low kick ary Kick Light no hifaninana mandritra ity fifaninanam-pirenena ity.
Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, ary ny latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy, taranja volley-ball natao tany Toamasina, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny fahaiza-miaraka, ny fananana fotodrafitrasa sy ny fiofanana azon’ny mpanazatra ihany koa no antoky ny fahombiazana toy ireny. Misy ny sokajy rehetra ny GNVB, manomboka amin’ny U-14, U-16, U-18,U-20, U-23 lahy sy vavy, hatramin’ny Senior. Manodidina ny 300 ny isan’ny mpilalao ao aminy, saingy ny 200 no manana kara-pilalaovana. Manana «cursus» mihitsy ny mpilalao ao amin’ny GNVB, manomboka 8 taona hatrany amin’ny Asief.
Mi.Raz
Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro fahefatra ho an’ny sokajy “B”, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Barea de Madagascar sy i Burkina Faso. Hanan-danja izany satria hamaritra ny hoavin’ny Barea. Tsy manana safidy intsony ny Malagasy fa mila mandresy an-dry zareo Burkinabe raha mbola te hanohy ny fifaninanana.
Raha tsiahivina, laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, ankehitriny, manana isa 4. Eo amin’ny toerana fahefatra kosa ny Burkina Faso, nahazo isa 3. Tsy manana herijika ny ho tafita intsony ry zareo Burkinabe na mahazo isa 3 aza. Raha mandresy azy ireo kosa ny Barea, manana isa 7 mitovy amin’i Mauritanie izay tsy manana fihaonana intsony. Raha izay tranga izay no miseho, tafita ny Barea, satria manatombo eo amin’ny “Goal average” na ny baolina maty sy tafiditra. Mihintsana kosa ny Barea de Madagascar, raha manao ady sahala.
Efa tafita amin’ity vondrona “B” ity i Tanzanie izay mbola hidona amin’i Centrafrique, ekipa tsy mbola nahazo fandresena ary efa mangoron-damba.
Vonona ny Malagasy mpilalao hiatrika ity lalao anio ity. Salama tsara avokoa ry zalahy ary ambony ny toe-tsaina hoenti-midona amin-dry zareo Burkinabe. Nifantoka tamin’ny famonoam-baolina ny 75 isan-jaton’ny fanazarantena, tao anatin’ny telo andro. Na izany aza, tsy manao ambanin-javatra ny fiarovanntena ihany koa. Efa ao anatin’ny fifantohana tanteraka ny mpilalao rehetra. Ilaina hatrany ny fitandremana satria hilalao tsy misy tsindry intsony i Burkina Faso.
Tompondaka
Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity.
Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voalaza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny fomba fitaterana. Izay no antony nanatanterahana azy. Tombony ho an’ny mpianatra, mpiasa, sy ny mponin’Antananarivo amin’ny ankapobeny ny fahavitan’izao fotodrafitra izao, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Voalazan’ny mpandaha-teny, omaly, fa efa am-polo taona no tsy nisy ny fanavaozana ny fitaovam-pitaterana teto Antananarivo.
Miainga eo Anosy, toerana misy ny biraom-panjakana rehetra, ny teleferika. Toraka izany koa ireo olona ho any amin’ny hopitaly, hahazo tombony amin’izany. Hampihena ny vola mivoaka amin’ny saran-dalana ihany koa ny fisian’ny fotodrafitrasa vaovao. “Vinavinaina hihena hatrany amin’ny 1 200 isan’andro ny fampiasana fiara vokatry ny fandehanan’ity tekeferika ity”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Vahaolana
Manodidina ny 40 000 hatramin’ny 60 000 isan’andro ny olona hampiasa. Hihodina tanteraka amin’ny angovo azo havaozina azo amin’ny herin’ny masoandro ny fitaovana manomboka amin’ny taona 2026. Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka anio ny teleferika. Saran-dalana tokana 3 000 Ar no aloa. Misy fiantsonana fito ary cabines miisa 198, ahafahan’ny mponin’ Antananarivo mivezivezy.
Vahaolana goavana ho an’ny renivohitra ny teleferika kanefa mbola hiampy ny fiaran-dalamby an-tanànan-dehibe izany.
Naharitra 25 volana ny asa fametrahana ny teleferika. “Raha oharina amin’ny hadirin’ny asa natao dia haingana ihany ny fanatanterahana izany”, hoy ny tomban’ny teknisianina.
Tatiana A
Le téléphérique urbain prend son envol à Antananarivo, de manière partielle, à l’occasion du sommet de la Sadc et ce, pendant deux à quatre mois, avant son ouverture officielle. Hier à la station S5 Ivandry La City, le président, Andry Rajoelina a inauguré la ligne Orange reliant Anosy et Ambatobe, d’une longueur de 8,7 kilomètres.
Sans conteste, le téléphérique transforme le paysage des transports urbains dans la ville des Mille. Peu polluant, sûr et rapide, ce mode de transport apporte une grande révolution à la mobilité urbaine, à Antananarivo.
Et malgré les critiques, le président de la République, Andry Rajoelina a précisé que la réalisation de cette infrastructure a été mûrement réfléchie visant à résoudre les problèmes de déplacement rencontrés par les citoyens malgaches au quotidien tels que le temps perdu dans les embouteillages, l’insuffisance de transport en commun, bousculade à l’arrêt de bus à l’heure de pointe.
«On ne peut pas rester les bras croisés face à ces problèmes, raison pour laquelle il a été décidé de mettre en œuvre ce projet de transport par câble, qui est désormais opérationnel», a-t-il affirmé.
«J’utilise les critiques comme engrais pour faire progresser Madagascar», a fait entendre le président.
Andry Rajoelina a avancé que l’entrée en service du transport par câble (TPC) devrait permettre de réduire le nombre de voitures en circulation dans la capitale, estimé à 1.200 véhicules par jour, réduisant dans ce sens la pollution de l’air.
Faire la fierté des Malgaches
«C’est avec une immense fierté que j’ai eu l’honneur d’emprunter et de découvrir ce téléphérique, une réalisation majeure qui transformera en profondeur le secteur du transport à Antananarivo et redessinera le visage de notre capitale», a indiqué Naina Andriantsitohaina, ministre de l’Aménagement du territoire et de la décentralisation.
«Ce projet marquera notre ville d’une empreinte unique, la plaçant au rang des capitales modernes d’Afrique et du monde», a souligné le ministre Naina Andriantsitohaina
Le Secrétaire d’Etat en charge des Nouvelles villes et de l’habitat (SENVH), Gérard Andriamanohisoa a quant à lui indiqué que la construction des routes, entraine des dépenses considérables à l’Etat sans bénéficier d’un retour investissement. C’est l’une des raisons pour lesquelles, l’Etat malgache a décidé de lancer le projet téléphérique, qui non seulement va faire rentrer de l’argent dans les caisses de l’Etat, mais également créer des emplois.
«450 emplois directs en vue pendant les 4 mois de démarrage du téléphérique et les 25 mois qui ont permis la réalisation de ce projet», a-t-il souligné.
Tarif abordable
Ce mode de transport a beau être innovant dans la Grande Ile, le tarif de transport quant à lui reste abordable moyennant 3.000 ariary, «fixé à 3.000 ariary, pour être à la portée de tout un chacun au lieu de 10.000 ariary, selon les calculs établis par les responsables d’exploitation», a déclaré le président Andry Rajoelina.
Le Secrétaire d’Etat a tenu à saluer le Président de la République pour son courage d’affronter les défis du développement car cet état d’esprit permet à Madagascar d’avancer. «Notre
pays est vu en tant que modèle et différents pays entendent d’ailleurs emboiter notre pas dans la mise en place de téléphérique, pour ne citer que Kigali, Rwanda, Bénin…», a-t-il indiqué.
«On fera en sorte que le TPC fonctionne à l’énergie renouvelable. Et, d’ici trois mois, il sera alimenté par des batteries rechargeables et l’année prochaine, des parcs solaires vont entrer en jeu, indépendamment de la Jirama», a-t-il conclu.
Jean Riana
Mihasarotra ny fiainana! Efa tsy dia misy intsony ny olona mahavita manjifa saribao amin’ny gony, ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ireo mpivarotra izany, etsy Antsahabe. Nilaza ny mpivarotra iray fa mandalo fahasahiranana avokoa ny mponina ka efa vitsy ny olona maka saribao amin’ny gony, noho ny vidin’izy io izay nahitana fiakarana 37 000 Ariary hatramin’ny 40 000 Ariary.
« Tsy dia misy intsony ny olona mividy saribao amin’ny gony izany. Na misy aza, efa azo isaina amin’ny rantsan-tanana izany raha eto aminay. Lasa lafo ihany koa moa ny entana, ka rariny sy hitsiny raha ny antsinjarany no jifain’ny olona. » hoy ny mpivarotra saribao iray, izay nisafidy ny tsy hitonona anarana.
Nampahafantarin’izy ireo moa fa efa mahatratra 500 Ariary ny antsinjarany vao mahazo. Eo amin’ny 2 000 Ariary kosa ny fatrany betsaka indrindra voavidin’ny olona. Raha ny fanazavana nataon’ity mpampanjifa saribao etsy Antsahabe ity, tsy mbola fantatra ny antony mampiakatra ity vidin’ny arina ity.
« Tena tsy mahalala ny antony nampiakatra ity saribao ity ny maro, ary lasa tsikaritra tamin’ity taona ity fa tsy dia nandeha loatra ny tsena », hoy hatrany ilay mpivarotra. Nanamafy ihany moa izy fa na ilay mameno masonkarena aza efa manahirana, ka tsy dia hita loatra ilay tombony, ankehitriny.
Tsy nisy olana ny taona lasa
Nojifaina tamin’ny vidiny 35 000 Ar ny saribao, tamin’ny taona lasa. Raha ny filazan’ity olona mivelona amin’ny fivarotana saribao ity ihany, tsy dia nisy olana na fahasarotana ny fivarotana izany tamin’izany. « Mora hita ny entana, sady tsy dia sarotra ny nanefa versement tamin’izany », tenin’ilay mpivelona amin’ny resaka fivarotana saribao. Ankoatra izay, mandany roa gony isaky ny tapa-bolana eo izany ny tokantrano iray, ankehitriny.
« Raha ho anay manokana izao, saribao eo amin’ny roa gony eo no lany isaky ny tapa-bolana. Tsy mbola afaka miala amin’ilay fandrahoana sakafo amin’ny arina moa atahorana hatrany ny resaka fahatapahan-jiro, raha mampiasa ireny fatana elektrika ireny », hoy i Narindra, renim-pianakaviana iray.
Mitovy amin’izay ihany koa ny lanin’ireo mpanao sakafo amin’ny hotely, ary mba hitsitsin’izy ireo izany, mampiasa kitay be hatrany ry zareo. Tsy mety hampiasa ny fatana mandeha amin’ny herinaratra ny akamaroan’izy ireo noho ny olana ateraky ny fahatapahan-jiro matetika.
« Mandany saribao misimisy ihany izahay, amin’ilay mahandro sakafo maro. Eo amin’ny iray gony isaky ny herinandro eo izany. Hiaraha-mahalala ny resaka fahatapahan-jiro matetika amin’izao ka izay no tsy hanaovanay fatana mandeha amin’ny herinaratra », hevitr’i Vero, mpivarotra sakafo masaka.
Nanatontosa : Fitia Randria
Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia famoronana, hahay mandaha-teny, sns.
Nahazo efitrano famakiam-boky i Nosy Varika. Ho rantsamangaikan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara izy ity, izay notokanan’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, nandritra ny famaranana ny “Festival Sakaleona” teo. Zava-dehibe indrindra ho an’ireo ankizy mpianatra sy ireo mpampianatra izany, satria fotodrafitrasa tsy nisy tao amin’ny distrika. Nojerena ihany koa ireo sehatra hafa mahakasika ny kolontsaina sy ny fihariana nandritra izany.
Misokatra ny eny Anatirova, ny zoma 15 sy sabotsy 16 aogositra izao. Ao anatin’ny fampahafantarana ny fampirantiana vaovao, ao amin’ny rihana faharoan’ny Lapan’i Manjakamiadana mantsy amin’izao. Tsy fiasana ho an’ny besinimaro ireo andro ireo, ka heverina fa fotoana hanararaotan’ireo vahiny mandalo eto Antananarivo, sy ireo rehetra tsy mbola nahita ka liana amin’ireo fampirantiana rehetra. Hikatona kosa ny toerana ny alahady 17 aogositra.
Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nampanantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga ilay fotoana: rahampitso zoma 15 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Hitondra an-tsehatra ny « Vako-Rock » ny tarika Tselatra amin’io. Ilay sonian’ny tarika anatin’ny mozika rock io, nampidiran-dry Erick ny vakodrazana hiharo amin’ny gadona mavesatra. Heno anatin’ireo sanganasan’ny tarika maro izany, indrindra ireo taty aoriana kokoa. Tsy hadinoana anefa ireo hira nahafantarana ny tarika Tselatra, tao anatin’izay 40 taona mahery nisiany izay. Anisan’ireny ny « Bandikely », «Mbola ho avy», « Fitiavako », « Misy », sns.
«Mozika, kolontsaina maroloko. Tongava dia andao hiantoka», hoy i Tita. « Hanome ny tsara indrindra, iarahantsika miaina ireo hira nahafantarana ny tarika », hoy kosa ny fampanantenan’i Poun. Eo koa i Pâpatre, Zôzô, ary i Tovo miampy an’i Erick, izay hampiaina ilay « Vako-Rock ». Satria ao anatin’ilay lalantsaina koa ny fampitana sy ny fanohizana ny kanto, hampiaka-tsehatra ny tarika Aiky koa ry zalahy. Mpandimby amin’ny mozika mavesatra sady misy mpikambana zanaky ny tarika Tselatra koa ao.
Zo ny Aina
Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. Eo koa ireo hira nosafidian’ny Les Talenta manokana, izay manasongadina ilay feo miavak’i Inah. Ny tena andrasan’ny rehetra kosa dia ilay fampiaraham-peon’i Nini Kiaka miaraka amin’izy mianadahy. Hanaporofoana indray io fa tsy ny rock ihany no hilomanosany fa ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy. Ireo mpanaraka azy efa mahalala fa mpankafy sady mahafehy ireo hiran’ny Omaly i Nini. Vao mainka miavaka izany anatin’ny fampiaraham-peo, ary tsy vao voalohany no iarahany an-tsehatra amin’i Inah. Ito farany koa anefa mahafehy ny mozika rock ihany koa, ka hivelatra ny hira halahatra mandritra ny fiarahana.
Zo ny Aina
Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany.
Willy, Hira, Jizry, Ramily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy ireo, araka izany, no hiatrika ny dingan’ny famaranana, izay hotontosaina mandritra ny “Festival Tafan-gilita”, hatao ny 13 sy 14 septambra izao, ao amin’ny Kianja Barea. “Hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny gitara, izay hanaovantsika pao-tsatroka amin’io fotoana io ry zalahy ireo. Na ireo tsy tafakatra aza hisy fandraisana anjara ihany koa, satria efa tena henjana be daholo ireo mpifaninana 16 niatrika ny Prime 4 ireo”, hoy ny nambaran-dRandriamampianina Hery, talen’ny “festival” sady mpikarakara ny fifaninanana.
Raha hiverenana ny “Prime 4”, nifampizara ho ekipa nandeha tsiroaroa ireo mpifaninana. Nizara ho Coach kosa ireo mpitsara, ka samy nanana ekipa roa avy. Samy nikononkonona tany, hanome izay tsara indrindra izy ireo, ka tena fampisehoana nahararaka ny ivin’ny mpijery no nitranga. “Tena sahirana dia sahirana izahay. Sady samy mahay no mifanaja ry zalahy, ka izay hira nalefa toa niavaka avokoa”, hoy i Jovin, iray tamin’ireo mpitsara ny fifaninanana.
“Tena mahafinaritra ary efa ela mihitsy no niandrasana ny fifaninanana toa izao. Hita misongadina ry zalahy manan-talenta amin’ny gitara ary mahavelombolo izany”, hoy kosa i Benny, mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, izay nanatrika ny “Prime 4”. Tsy naharitra fa nandray anjara kely, nanao ilay hira “Miondreha ka mangina” izy sy i Nini Kolibera. Vahiny naneho ny talentany kosa i Ny Antra, iray amin’ireo mpitendry gitara efa tsy fampitaha intsony raha ny talentany. Teo koa i Fara Gloum, nisolo tena ireo vehivavy mankafy ity zavamaneno ity. Ifanihy izay anarana tsy azo kosehina amin’ny tendry gitara sy ny vazo miteny, nitondra hira roa ihany koa. Mba tena hanome fofony ny “festival” izay hitranga any amin’ny Kianja Barea, tsy naharitra fa samy nanao feonkira iray avy koa ireo mpitsara. Toraka izany koa i Vanintsoa sy i Steph Rambi, izay mpanentana kokoa ny toerany mandritra ny hetsika.
Zo ny Aina
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany.
Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana.
Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny fitsaboana ireo marary. Teo koa ireo lasa mananotena tsy fidiny nefa mbola mitondra vohoka sy mitaiza kely. Ao ireo lasa kamboty. Manampy izany, ireo very andry iankinana satria misy amin’ireo tanora nindaosin’ny fahafatesana no teo am-pamaranana ny fianarany. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hatsangana ny vaomiera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika hijerena ny ahafahana manampy ireo fianakaviana tsirairay. Notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry fa harahiny akaiky ny asan’ity vaomiera ity sy ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra raisina rehetra.
Nanterin’ny fianakaviana fa tsy mitovy avokoa ny tranga mahazo azy ireo sy ny filany tsirairay avy.
Fanohanana ara-tsaina ireo fianakaviana
Anisan’ny ataon’ny fitondram-panjakana koa ny fanohanana ara-psykolojia ireo fianakaviana ireo. Anisan’ny tena mafy amin’izy ireo ny vesatra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mihatra amin’izy ireo.
Etsy andaniny, anisan’ny nitarainan’ireo fianakaviana ny momba ny fanodinkodinana sy familiviliana ireo vaovao mahakasika ity raharaha ity.
Nambaran’ny filoha teo am-pamaranana ny fihaonana fa reny daholo ny fitarainana sy ny fangatahana rehetra. “Tsy irery ianareo fa eto aho ary hanao ny ezaka rehetra hanampiana anareo. Ezahintsika ny hameno ny tsy ampy. Tsy misy ny tonga lafatra fa ezahintsika ahitsy ny tsy mety”, hoy izy. Nohitsiny fa aleo hipoitra ny marina. Mandeha haingana be ny tambajotran-tserasera, araka ny nambarany. “Misy ny mandainga. Efa mandeha ny fanadihadiana ka tsy manana tombony handainga amin’izany isika”, hoy izy.
Synèse R.
«Omena endrika vaovao handraisana vahiny mpiala sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, amin’ ity taona 2025 ity, ary hitohy izany mandritra ny fotoam-pitantanany”, hoy ny ben’ny Tanan’i Toamasina ambonivohitra, ny mpitsara Andriafanomezantsoa Alain. Nambarany fa ao anatin’ny ainga vao ho an’ny renivohitr’ i Toamasina isika izao. Anisan’izany ny fanokafan-dalana isaky ny lalampasika izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina, mba hahafahan’ny fiaran’ny mpivahiny miditra. Asiana fanarenana haingana ihany koa ny tatatra eny amin’ny sisin-dalana. Mitondra ratra ho an’ny mpandeha an-tongotra ny tatatra simba. Asiana mpanara-maso ny eny amoron-dranomasina sy ny lakandrano mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ankoatra izay, hampanarahan-dalàna ireo karazam-pitaterana an-drenivohitra, toy ny Bajaj sy ny posy, mba tsy hisoloky na handroba indray ny mpandeha entiny. Entanina ihany koa ny rehetra hanadio ny manodidina azy. Tanjona ny haha tanàna madio sy marevaka ary maha te honina ny toerana hovantanin’ny mpivahiny sy ny mpizahatany. Ankoatra izay, ezahina ho fenoina jiro isaky ny elakelan-trano mba ho Toamasina mazava sy milamina. “Vitaina haingana, araka izay azo atao, ny lalana béton mamakivaky ny tanànan’ i Toamasina mba tsy hanimba ny fiaran’ireo vahiny”, hoy hatrany izy. Anisan’ny ben’ny Tanàna manana fanamby miavaka manoloana ireo ben’ny Tanàna rehetra nifandimby tao an-drenivohitr’i Toamasina ny mpitantana ankehitriny.
Arindra miaraka amin’ny fandriampahalemana
Mila mifanindran-dalana amin’ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka tsy mandadiharona izany ezaka rehetra izany. Efa nampahatsiahy ny mpitadro filaminana fa hanao ny asany izay hiandraiketany manoloana ny fikarohana ireo mpandika lalàna rehetra. “Ezahina ny fomba hanaovana famotorana ireo voampanga, hifanaraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona”, hoy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Vahiny Yvi Sandro, ny 4 jolay lasa teo. “Aoka mba tsy hiverina intsony ireny tsy fandriampahalemana ka nahatonga ny mpikambana amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra nidina teto ireny”, hoy izy nanamafy. Ametrahana mpitandro filaminana avokoa ireo toerana izay betsaka mpitsangantsangana. “Hisy ihany koa ireo hivezivezy hanara-maso eny rehetra eny, izay manao fanamiana sivily”, hoy kosa ny Prefet, Benandrasana Cyril, lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy filaminana OMC (Organisation mixte de conception).
Lalam-pirenena fahadimy, ratsy ny lalana
Nilaza sy nanamafy ireo mpivahiny fa mbola ratsy ny lalana mankany Mahavelona Foulpointe. Nisafidy ny hijanona hatreo Toamasina izy ireo noho izany. Efa tsy dia hatahorana rahateo ny filomanosana ny ranomasina noho ny fisin’ ireo fiaro riaka misy “dalots”. Hatreto mbola tsy vita anatin’ny adim-pamataranandro efatra ny halaviran-dalana 50 kilometatra, Toamasina – Foulpointe. Raha fiara kelikely sy iva moa dia mety ho raikitra amin’ny fotaka eny an-dalana. Nandritra ny fanadihadiana natao hatrany, nilaza ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa tsy azo ataon’ny ankizy ny milalao irery eny amin’ny ranomasina sao mampidi-doza. Tanjona ny ho fialantsasatra lavitry ny voina anatin’ny Ainga vao ho an’i Toamasina renivohitra.
Hipoka mpiala sasatra i Toamasina
Amin’ny ankapobeny, efa saika feno mpitsangantsangana eny amoron-dranomasin’i Toamasina, amin’izao fotoana izao. Miezaka manao ny fanatsarana ny endriky ny tanàna sy fanadiovana ny ben’ny Tanàna. Mipetraka ny fiarovana ireo mpitsangantsanana manoloana ny ranomasina sy ny ranomamy. Anisan’ny olana ny eo amin’ny toetr’andro miovaova satria tsy hay tohaina ny ora-mikija. Anisan’ny manome vahana izany rahateo ny fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka tsy ho kaohan’ny ranomasina. Maro, araka izany, ny fahitana vatobe “Dalos” manodidina ny morondranomasina. Nanorina izany ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranana rahateo izany. Vokatr’ireo, lasa mihena ny herin’ny onja ary azo ilalaovana sy hilomanosana tsara tsy lavitr’ireo fotodrafitrasa ireo. Miisa efatra izany eny amoron-dranomasina ary mitandavana mankany amin’ny 500 metatra anaty ranomasina. “Betsaka ny fotodrafitrasa nomen’ny filohan’ny Repobika, Rajoelina Andry, ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra Atsinanana iny, toy ny misy any amin’ny renivohitr’i Toamasina”, hoy kosa ny governoram-paritra mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Vonona handray vahiny ny ao amin’ny Miami, izay ahitana karazan-javatra maro azo isafidianana. Etsy ankilany, ny “jet d’eau” izay miovaova loko, ny varotra asa tanana ary ireo karazan-javatra azo atao voandalana.
Fa manoloana ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo olona maro teto amin’ny Nosy, hita ho mitandrina be ny mpanjifa ireo sakafo masaka, toy ny paty sy mofo, raha ny zava-misy any an-toerana. Tsy misalasala kosa ny olona manjifa ny vatomamy vita amin’ny coco sy ny fisotroana ny ranony.
Nanatontosa : Sajo
Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify.
Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny atoandro, manampy ny amin’ny alina. Maharitra adiny 3 ny fahatahan-jiro eto an-dRenivohitra. Toy ny mahazatra, ambara fa mihena ny tosiky ny rano any Andekaleka no antony. Mihena, araka izany, ny fotoana ahafahana mamokatra ho an’ny mampiasa herinaratra.
Nampahafantarina ny 11 aogositra teo ny valin’ny fanadihadiana andrana mahakasika ny fiompiana zana-trondro sy ny trondro matavy any Lavakena, kaominina Imito, distrika Fandriana. Fantatra fa ity kaominina ity no ahitana mpiompy trondro be indrindra ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PPSPAS, tohanan’ny Vondrona eoropeana.
Mitondra fanazavana ny Fitantanana foibe ny fadintseranana mahakasika ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo andrimpanjakana voakasika eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena sy ny fiarovana ny Drafitra stratejika vaovao mandritra ny 5 taona manaraka, ho an’ny taom-piasana 2025 hatramin’ny taona 2029, napetraky ny Fadintseranana malagasy. Voafaritra ao anatiny, fa mazava kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny fitantanana ny Ladoany sy ireo sampandraharaha hafa toy, ny polisy, ny fahasalamana, ny fambolena, sns. Voavaha haingana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana, amin’ny alalan’ny fifampidinihana tsy tapaka eo amin’ireo mpiantsehatra. Mazava ny fanazavana momba ny andraikitra sy ny anjara asa isaky ny andrimpanjakana rehetra, manamora ny fandalovan’ny entana ho haingana kokoa.
Manampy ireo, mihatsara ny fivezivezena eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina, vokatry ny fandraisana anjara mavitrika ataon’ny sampandraharahan’ny Ladoany amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa.
Natao ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra teo, hanarenana ny lesoka teo aloha. Satria, tsy nisy ny fandrindrana mazava eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana. Nisy ny fitovian’ny andraikitra sy ny dingana miverimberina. Vokany, nihena ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpisehatra ka tsy nahomby ny fanaraha-maso.
Njaka A.
Misy ny fanomanana atao, mialoha ny Fihaonamben’ny Sadc, hatao ny 16 sy ny 17 aogositra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny fivorian’ny vovonana Troika, izay rafitra misahana ny raharaha politika, ny fiarovana ary ny filaminana. Eo koa ny Kaomitin’ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola, ka nitarika ny fivoriana ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), Ramanampanoharana Andry, ny 8 aogositra teo.
Andraikiny ny mandrindra sy manara-maso ny asa iarahana eo amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola, hampahomby ny fampiraisana ara-toekarena eo anivon’ny Sadc. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Paikadim-panjakana ho fampandrosoana eo amin’ny Faritra (RISDP) amin’ny sehatry ny vola sy ny fampiasam-bola. Misy ny fanolorana soso-kevitra stratejika ho an’ny filakevitry ny minisitra ao anatin’ny Sadc momba ny raharaha ara-toekarena sy ara-bola. Anjarany koa ny mandrindra sy manara-maso ny fampiharana ireo fandaharanasa iarahana amin’ny sehatry ny vola.
Njaka A.
Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny Cadet, resin’ny HC Est tamin’ny isa mazava 21 no ho 7, ny ekipan’ny Littoral SC Atsinanana. Ho an’ny Junior, lavon’ny HC Est, tamin’ny isa 32 no ho 25, ny Ascaf Analamanga. Fihaonana nahafinaritra ny mpijery satria nahitana endri-dalao ny an’ny roa tonta.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Sabotsy Jean Marcellin (HC Est) sy Rakotondravelo Maminarivo Jeremia (My-Sah). Teo amin’ny Minime, vehivavy, tsy nivoaka tao amin’ny ligin’i Bongolava ny amboara. Lasan’ny HCT ny fandresena, nampiondrika ny HTHB Atsinanana, 9 no ho 6. ASLPNYA Ihorombe kosa no tompondaka ny anaram-boninahitra rehefa nanilika ny THBCA Matsiatra Ambony, 19 no ho 15. Teo amin’ny Cadette, ny Littoral SC Atsinanana no tompondaka rehefa nanilika ny HCT Bongolava, 15 no ho 7. Ho an’ny Junior, vehivavy, My-Sah HBC Itasy nandavo ny HC Njatovo Matsiatra Ambony, 17 no ho 15.
Tompondaka
Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana labozia amin’ny endriny hafa mihitsy, etsy Analakely, ny fitadiavam-bolany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly, teny an-toerana. Marihina fa manana aretina «épilepsie» fony izy vao teraka, i Théophile, araka ny nambaran’ny reniny. Manana faniriana ny lehilahy, anisan’izany ny mba hahay mamaky teny sy manoratra. Raha ny fanazavana nataon’ny reniny, tsy nahazo mianatra izy noho ny aretina nahazo azy. “Tsy mba afaka nianatra toy ny ankizy rehetra izy tamin’izany fa tsy navelan’ireo fianarana noho ilay aretina ananany. Mampalahelo ihany ilay zava-misy saingy raha mbola eto ny tenako, manampy azy foana aho», hoy ny maman’i Théophile. Ankoatra izay, manaraka fanafody isan’andro i Théo, ary mandray ireo tolo-tanana rehetra sy ireo izay vonona ny hifanampy aminy ny tenany sy ny fianakaviany. «Tsy mangataka izahay, saingy mandray kosa ireo fanampiana atolotry ny olona, mba hanohanana ny zanako, amin’ity talentany ity», hoy ihany ny reniny
Talenta voajanahary
Nilaza ireo olona akaiky azy fa tsy nisy olona nampianatra azy nanao io taozavatra ao an-trano io, fa aingam-panahy avy amin’ny olona hita teo amin’ireo mpivarotra manodidina tamin’ny andro taloha tany no nampitsiry ilay faniriany hanao an’ity asa tanana hafakely sy mahasarika ny maso ity. “Manan-talenta ny zanako ary tsy nisy nampianatra azy nanao io zavatra io. Taloha, fony izahay mbola teny amin’ny toeran-kafa no nivarotra, misy olona izay, mivelona amin’ny fivarotana an’izy itony. Taorian’io, nanandrana izy ary tafavokany tsara izany”, tenin’ i maman’i Théophile. Fitaovana toy ny «Ballard métallique» sy ny kapoaka, no akora ampiasainy hanamboarana ny entana hamidiny. Tsy dia mandany fotoana maro izany ny lehilahy manao ny fitaovana iray fa iray minitra eo ihany, dia efa ahafahany mahavita zavatra iray. Jifaina amin’ny vidiny
1 000 Ariary ny entana mora indrindra eo aminy ary 2 000 Ariary ny lafo indrindra. Raha ny fanampim-panazavana azo avy amin’ny reny niteraka an’i Théo hatrany, hividianany zavamaneno toy ny Radio sy fitaovana fakana feo, ny vola azony amin’izany. «Mbola etohanay ny sakafony, fa tsy alainay ireny vola mba azony ireny. Havadiny ho Radio sy Dictaphone ny vola azony amin’itony fitaovana itony.» araka ny filazan’ny renin’i Théophile, hatrany.
Misy karazany roa
ny aretina « épilepsie »
Araka ny fikarohana natao, ny «épilepsie» dia aretin’ny atidoha vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra ao amin’ny sela-misaina na «Activité électrique des neurones», izay miteraka krizy tampoka. Ireo krizy ireo dia miseho amin’ny endrika samihafa: mety hahavery saina tampoka, hiteraka fihorohoroan’ny vatana, na hanova tampoka ny fihetsika sy ny fijery. Indraindray aza, rehefa tapitra ny krizy, dia tsy mahatsiaro izay nitranga ilay marary. Maro ny antony mety hiteraka ny epilepsie: ny fahasimban’ny atidoha hatrany am-bohoka, ratra na lozam-pifamoivoizana, aretina toy ny tazomoka mafy, na lova avy amin’ny fianakaviana. Misy karazany roa lehibe io aretina io: ny krizy lehibe izay mampiforitra sy mampikorontana ny vatana manontolo, ary ny krizy kely izay miseho amin’ny fijery tsy mihetsika mandritra ny segondra vitsy. Ny fitsaboana dia ahitana fanafody manokana antsoina hoe antiépileptique, izay tsy maintsy arahana tsy an-kiato, ary indraindray koa fandidiana raha tsy voafehy amin’ny fanafody. Raha sendra misy olona tratran’ny krizy dia apetraho amin’ny sisiny izy mba tsy ho sempotra, arovy ny lohany, ary aza asiana zavatra anelanelan’ny nifiny. Aza tazonina mafy ny vatany, ary antsoy avy hatrany ny mpitsabo raha maharitra mihoatra ny 5 minitra ny krizy na miverimberina tsy mitsahatra. Ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra ara-potoana no antoka hanampiana ny olona voan’io aretina io hiaina ara-dalàna sy amim-pilaminana.
Nanatontosa : Fitia Randria