Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina maÂlagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, notanterahina tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Nakotroka ny fandraisana ireo Malagasy maherifo izay nahazo ny tompondaka maneran-tany sy tompondaka lefitra ka notohizana hatrany amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ny lanonana nandraisana azy ireo. NambaÂran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Bodybuilding, i Georges Vernier, fa 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny anaram-boninahitra tompondaka maneran-tany. FikiriÂzana sy finiavana ary ezaka goavana no natao, indrindra ireo atleta, vao tonga tamin’izao vokatra izao, raha ny nambarany. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny FMMHC, RandriaÂmanarivo Harinelina ary nanolotra fisaorana ho an’ireo rehetra nanohana sy nanampy. NaÂnolotra lelavola 2 tapitrisa Ariary ho an’i Rado sy 1 tapitrisa Ariary ho an’i Maurice ny FMMHC.
Fivoahana voalohany ho an’i Rado
Rakotomandimby Rado, Malagasy atleta nandrombaka ny medaly volamena. FivoahaÂna ivelan’i Madagasikara voalohany ho azy ary fifaninanana iraisam-pirenena voalohany natrehiny ihany koa ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity. Sedra maro no nolalovana, hoy izy, kanefa tonga amin’izao vokatra izao. Notolorany fisaorana manokana ireo nanohana azy, ny fianakaviany, ny federasionina ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy ka haha toy izao azy. I Marinjara Maurice kosa no nahazo ny tompondaka lefitra ary fanindroany izy izao no nahazo izay medaly voÂlafotsy izay. Ny NPC (NaÂtional Physique Comitee) izay hatao any Afrika Atsimo, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao indray no fifaninanana miandry ny taranja Bodybuilding manaraka.
Mi.Raz