Hotanterahina any Kaomoro, ny 29 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja beach-volley, fihodinana faharoa. Ekipa malagasy roa no hifaninana amin’izany.
Tsy diso anjara amin’ity “beach-volley zone 7, Round 2” ity i Madagasikara, fifaninanana hatao ao amin’ny torapasik’i Itsandra, Kaomoro. Ekipa roa (lahy sy vavy) no hisolo tena ny Malagasy amin’izany, araka ny fanazavana avy amin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasy, Raoelison Hasimbola Famonjena. Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fihodinana voalohany avokoa ireto ekipa malagasy handray anjara ireto, izay ahitana an’i Thierry sy i Bertho, eo amin’ny sokajy lehilahy, ary i Andri sy i Mommy kosa no eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny volana marsa lasa teo no nanatanterahana io fihodinana voalohany io, tany Maorisy, ka tsy nisy niatrika ny manasa-dalana ny ekipa malagasy tamin’izany, raha hiverenana ny voka-dalao. Tamin’ny taon-dasa kosa, laharana fahatelo no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny fihodinana faharoa, tamin’ity fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, beach-volley ity.
Amin’ity kosa, firenena 6 no handray anjara, ahitana an’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayottes, Kaomoro ary i Madagasikara. Hiady tanteraka ny lalao satria efa samy nanana fotoana lava nanomanana avokoa ireo ekipa rehetra hifaninana. Ho an’i Madagasikara, vonona ny hanitsy ny lesoka ireo ekipa roa hisolo tena ny Malagasy ireo, ka haka ny amboara indray no tanjona. Tsiahivina, efa nandrombaka ny anaram-boninahitra tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ho an’ny faritra faha-4, izay natao teto Madagasikara, teo amin’ny taranja beach-volley, i Madagasikara, ny taona 2024, tamin’ny alalan’i Andri sy i Mommy, sokajy vehivavy.
Mi.Raz
Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity ady tapakila hiakarana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Raha mihatra ilay lalana navoakan’ny Fifa, tsy anisan’ ireo firenena hiatrika ny lalao sakana ho an’ireo ekipa efatra nahazo ny laharana faharoa tsara indrindra intsony ny Malagasy mpilalao. Raha tsy mihatra kosa izany, mbola hiankina amin’ny vokatra azon’ny firenena hafa, toa an’i Cameroun, ny dian’ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny Aigle de Mali, tamin’ ny isa mavesatra 4 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara, afakomaly, tany Bamako, Mali. Na dia resy aza ny ekipa nasionaly malagasy, azo lazaina fa nahavita dingana tsara ihany izy ireo. Mitana ny laharana faharoa tao amin’ny sokajy nisy azy, izay nahitana an’i Ghana, Mali, Centrafrique, Comores, i Tchad, izy.
I Ghana aloha no solontenan’ny vondrona “I”, any amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, izay tanterahina any Meksika, Etazonia, ary i Canada. Andrasana indray ny laharana azon’ ny Barea ao amin’ny Fifa, taorian’iny fifanintsanana Mondial 2026 iny. Ho fantatra ny 23 oktobra ho avy io izany, ary ampahatsiahivina ihany fa eo amin’ny faha-108 ny Barea ankehitriny.
Fitia Randria
Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny New Academic’s Sport, miaraka amin’ny mpanazatra malagasy, Ravonimboahangy Eléonore, miatrika ny fiofanana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny antsapaka sy fivoriana ara-teknika ho an’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket 3×3”, karakarain’ny Seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Marobe ny mpandray anjara, izay ahitana ekipa 384 be izao, avy amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona, latsaky ny 12 taona, latsaky ny 14 taona ary latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eny amin’ny Kianja Barea no hanaovana ny fifaninanana, ny 18 sy 19 oktobra izao.
Nanatanteraka fifaninanana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny Federasionina malagasin’ny taranja Badminton, ny faran’ny herinandro teo. Andrasana ny fanambarana mety ho fitohizan’ity fifanintsanana ity amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano.
Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy misehatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 novambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy ny any amin’ ny tapany atsimon’ny Nosy. Araka izany, mpilalao sy mpisehatra eo amin’ity taranja ity no antsoina hiatrika izao fampiofanana izao. Izay 40 tonga misoratra anarana voalohany no hiatrika izany, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy maintsy mandefa solontena avokoa anefa ireo ekipa rehetra ara-
dalàna hanaraka ny fiofanana. Misy ny fepetra, ka izay 18 taona no mihoatra no afaka miofana ho mpanazatra. Ny 20 oktobra izao kosa ny daty farany handraisana ny anaran’izay maniry ny hiofana ka hitondra fampivoarana ho an’ity taranja ity.
Mi.Raz
Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby.
Hotanterahina any Kenya, ny 16 sy 17 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 7. Hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “World Series Challenger 2026”. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Makis Ladies. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, fa hatramin’izao tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, izay mitentina 7500 euros. “Tokony ho voaloa amin’ny 15 oktobra izao izany”, hoy izy. Koa miantso ny minisitra mitantana vonjimaika ny fanatanjahantena sy ny praiminisitra izy hijery akaiky izany, indrindra ny vola niatrehan’ny Makis Ladies ny Can natao teto Madagasikara farany teo.
Nohararaotin-dRakotomalala Marcel ihany koa ny fotoana nanaovana ny tatitra mahakasika ny fivoriamben’ny World Rugby, natrehiny tany Londres, ny faran’ny volana septambra lasa teo. Tamin’ izany no nanambarany fa resy lahatra ny tomponandraikitry ny Federasionina iraisam-pirenena fa mandroso ny baolina lavalava eto Madagasikara, na ny lalaovin’olona 15 na ny lalaovin’olona 7. Izany no nahazoan’ny Malagasy Rugby fanasana manokana. Ankoatra izay, nisy fampisehoana ny rugby malagasy sokajy vehivavy, nataon’ny dokotera Felana sy i Ando, tomponandraikitry ny rugby vehivavy, tany an-toerana. Teo koa ny nanasana an’i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies, tamin’ny fanokafana ny “Mondial” tao Londres. Araka izany, hanampy ny rugby sokajy vehivavy ny Solidarité olympique. Nampirisika ny teknisianina izy ireo amin’io lalao hataon’ny Makis ladies any Kenya io. Tsiahivina fa efa nahazo ny tapakila hiatrehana io “World Series Challenger” io ny Makis sokajy lehilahy.
Tompondaka
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Manamarina izany ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Midika izany fa marary ny fiarahamonina misy antsika, marary ny vahoaka malagasy, marary i Madagasikara. Manamafy ny FMMM fa miombon-kevitra amin’ireo tanora manerana ny Nosy tohanan’ny ankolafin’olom-pirenena amin’ ny faritra rehetra eto Madagasikara. Manameloka ny jadona sy ny fisamborana ary ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sasany koa izy ireo. Miara-ory amin’ireo namoy havana, anisan’izany Marhoum Rivaldo, izay zanaky ny antokom-pinoana Silamo sy ny fianakaviamben’ny miozolomanina.
J.C
Vendredi, Sa Majesté le Roi Mohammed VI, accompagné de SAR le Prince Héritier Moulay El Hassan et de SAR le Prince Moulay Rachid, a prononcé un discours marquant, lors de l’ouverture de la première session de la 5e année législative de la 11e législature, au Parlement marocain.
Dans une allocution empreinte de vision stratégique, le Souverain a exhorté les parlementaires à redoubler d’efforts pour répondre aux attentes des citoyens, tout en plaçant la justice sociale et le développement territorial au cœur des priorités nationales.
Le Roi a souligné l’importance de cette session parlementaire comme une opportunité pour les élus, de démontrer leur engagement envers les citoyens, à travers un travail législatif rigoureux, un contrôle efficace de l’action gouvernementale et une évaluation approfondie des politiques publiques. Dans la foulée, il a salué les efforts visant à rehausser la diplomatie parlementaire, tout en appelant à une collaboration plus étroite avec la diplomatie officielle pour défendre les intérêts supérieurs de la Nation.
«Un travail plus appliqué et plus efficace doit être mené dans une logique de coopération et de complémentarité», a-t-il insisté.
Faire preuve de responsabilité
S’adressant aux membres de la Chambre des Représentants, en fin de mandat, le Souverain les a invités à faire preuve de responsabilité pour finaliser les processus législatifs en cours et mettre en œuvre les programmes en chantier. Il a également appelé à une mobilisation continue pour défendre les causes des citoyens, tout en soulignant l’absence de contradiction entre les grands projets nationaux et les programmes sociaux, tant que l’objectif reste le développement du pays et l’amélioration des conditions de vie.
Le Roi Mohammed VI a mis l’accent sur l’importance de la communication et de l’encadrement des citoyens, une mission qui ne revient pas uniquement au gouvernement, mais engage l’ensemble des acteurs : parlementaires, partis politiques, élus locaux, médias et société civile. «Vous, les parlementaires, êtes en première ligne, car vous êtes les représentants des citoyens», a-t-il rappelé, insistant sur la responsabilité collective de porter les initiatives publiques auprès de la population.
Maroc émergent
Au cœur de son discours, le Souverain a tracé une feuille de route ambitieuse pour un «Maroc émergent», appelant à accélérer la dynamique de développement territorial. Il a plaidé pour une nouvelle génération de programmes, caractérisés par une plus grande rapidité et un impact renforcé, notamment dans les domaines de l’éducation, de la santé, de la création d’emplois et de la mise à niveau territoriale. Ces initiatives doivent s’appuyer sur des données précises et des technologies numériques, tout en favorisant une relation équilibrée entre zones urbaines et rurales. Le Roi a également insisté sur l’attention particulière à accorder aux régions en situation de précarité, comme les zones montagneuses et les oasis, ainsi que sur l’opérationnalisation des leviers de développement durable, notamment à travers le Plan national du littoral.
Enfin, le Souverain a lancé un appel vibrant à l’ensemble des forces vives – gouvernement, parlement, majorité et opposition – pour mobiliser toutes les énergies au service des intérêts de la Nation. Il a fermement condamné toute négligence affectant l’efficacité des investissements publics, exhortant à une transformation des mentalités et des méthodes de travail pour ancrer une véritable culture du résultat.
Recueillis par Rakoto
A part la mise en place des systèmes d’alerte précoce, Madagascar a également lancé plusieurs programmes basés sur la construction ou le renforcement des infrastructures pour devenir plus résistantes aux cyclones, notamment à travers le partenariat public privé (3P).
On peut citer la Fondation Axian, dans le cadre de son programme « Sekoly Yas », qui a réussi à construire jusqu’ici plus de 200 écoles et 588 salles de classe dans tout le territoire national, le lancement du projet « Résilience des maisons traditionnelles aux cyclones dans un climat changeant (RC3) » à Fenoarivo Est, Mananjary et Antalaha, ainsi que la réhabilitation de ponts et de routes pour éviter l’isolement des communautés après le passage d’un cyclone, comme ce fut le cas à Ambilobe (Région Diana). La dernière en date dans cette initiative est sûrement le lancement du Projet de résilience climatique par la préservation de la biodiversité (PRCPB). Financé à hauteur de 71,5 miliards d’ariary, ce projet pilote du Fonds africain de développement à Madagascar vise à renforcer la résilience des écosystèmes et des communautés locales face au changement climatique, tout en promouvant un écotourisme durable, des pratiques agricoles sobres en carbone et une gouvernance renforcée des Aires protégées.
Malgré tous les efforts développés jusqu’ici, force est toutefois de reconnaître que du chemin reste à faire pour le développement et la mise en œuvre de la capacité de résilience au pays, notamment sur la mise en place des infrastructures résistances aux aléas climatiques.
Loi n° 2015-031
La date du 13 octobre est consacrée à la Journée internationale pour la réduction des risques de catastrophe avec comme objectif la promotion d’une culture de la résilience.
A Madagascar, la Loi n°2015-031, adoptée le 4 décembre 2015, détermine la Politique nationale de la Gestion des risques et des catastrophes (PNGRC). Elle définit la mission principale de la Gestion des risques et des catastrophes (GRC), de ses structures fondamentales et des principes régissant les relations entre les différents intervenants. Elle décrit également la Stratégie nationale de la Gestion des risques et des catastrophes (SNGRC) qui regroupe les actions prioritaires à long terme et vise à accroître la résilience de la population malagasy, de ses institutions nationales et de ses Collectivités territoriales décentralisées (CDT) face aux catastrophes en vue d’assurer à la population une condition de vie acceptable et sécurisée.
Sera R.
Une nouvelle étape décisive vient d’être franchie dans la lutte contre la filariose lymphatique. Le projet Prise en charge des malades par une approche intégrée (PCMPI), fruit d’une collaboration entre le ministère de la Santé publique et l’Organisation mondiale de la santé (OMS), vise l’éradication de cette maladie invalidante d’ici à 2030.
Présente dans plusieurs régions du pays, la filariose lymphatique est à l’origine de handicaps physiques et sociaux majeurs, tels que le lymphœdème (gonflement des membres) et l’hydrocèle (gonflement du scrotum). Le projet PCMPI ambitionne une prise en charge inclusive des patients dans 17 districts ciblés, où la prévalence reste élevée.
Dans le cadre de cette initiative, les districts de Toamasina et de Manakara ont été identifiés comme prioritaires en raison de leur forte charge de morbidité. Une équipe de l’OMS s’est rendue sur place pour renforcer les capacités locales, notamment à travers la formation spécialisée de 8 chirurgiens à la prise en charge de l’hydrocèle.
Au terme de quatre jours de pratique chirurgicale intensive, 40 patients atteints d’hydrocèle ont pu être pris en charge gratuitement, améliorant immédiatement leur qualité de vie. Ces actions s’inscrivent dans une stratégie à deux volets : la formation continue du personnel de santé et l’accès direct aux soins pour les malades.
« L’engagement du gouvernement, soutenu par ses partenaires, témoigne de la volonté commune d’en finir avec cette maladie de la pauvreté, qui n’a plus sa place dans notre société », a souligné un représentant du ministère lors de la mission à Manakara.
Le projet PCMPI s’intègre dans les objectifs globaux de santé publique de l’OMS et représente un modèle de solidarité, de collaboration interinstitutionnelle et de mise en œuvre concrète sur le terrain. Si les efforts se poursuivent à ce rythme, Madagascar pourrait rejoindre les pays qui ont déjà réussi à éliminer la filariose lymphatique comme problème de santé publique.
Fahranarison
La Météo a annoncé hier un temps globalement sec à Madagascar dans son bulletin de prévision hebdomadaire. Une situation due à la présence d’un Alizée faible qui caractérise le temps qu’il fait sur la Grande île.
Toutefois, malgré cette situation, les températures connaîtront une légère baisse sur les Hautes terres, si une importante hausse est prévue sur la partie Nord-ouest du pays au cours de cette semaine. Elles varieront de 11°C à 25°C pour les minimales contre 24°C à 40°C pour les maximales.
L’atmosphère sera de nouveau localement instable en fin de semaine. De ce fait, quelques averses isolées sont prévues ce weekend pour se manifester dans le Sud et sur les Hautes terres centrales ainsi que dans le Sud-est du pays.
Concernant la pluie, allant du mois d’octobre 2025 au mois de février 2026, la Météo annonce des précipitations inférieures à la normale, c’est-à-dire avec un risque de déficit, dans la région Androy ainsi que l’extrême Sud de la région Atsimo Andrefana. Elles seront toutefois normales à supérieures à la normale saisonnière dans les régions Diana, Sava, Analanjirofo, Ambatosoa, Alaotra Mangoro, Atsinanana ainsi qu’à l’Est de la Sofia et Betsiboka. Ailleurs, les précipitations seront normales à inférieures à la normale saisonnière.
Recueillis par Sera R.
C’est dans un contexte national tendu que le mouvement Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) a officiellement lancé sa nouvelle année éducative 2025-2026, lors d’une cérémonie tenue au temple FJKM Tranovato Faravohitra. Fidèles à leur devise, les deux branches scoutes – féminine et masculine – réaffirment leur mission commune :
« Faites de toutes les nations des disciples » (Matthieu 28:19b).
La présidente de Mpanazava eto Madagasikara, Soimanga Misarika, a présenté la vision « Mitombo » (« grandir »), axée sur une éducation intégrale touchant tous les aspects de la vie : spirituel, émotionnel, social, environnemental… Une expansion dans de nouvelles régions comme Melaky ou le Canal des Pangalanes témoigne de cette volonté de toucher davantage de jeunes, en particulier les filles.
Du côté des Tily, sous la conduite de Tamby Rakotoarimanana, l’objectif est clair : renforcer la posture scoute, améliorer le programme éducatif et être « prêts pour la vie », selon la ligne de l’OMMS. Des structures internes à consolider, des partenariats à développer, et des programmes communs entre branches viendront rythmer cette nouvelle année.
Malgré leurs spécificités, les deux branches partagent trois visions fondamentales pour les années à venir : un MTEM saint, juste et ancré dans la société. Plus de 75.000 membres sont aujourd’hui engagés dans cette dynamique, avec un message fort en cette période troublée : former des citoyens responsables, piliers de leur famille, artisans de paix. « Les jeunes vous attendent », a rappelé Herifidy Rasamoelina, président du Comité directeur.
Fahranarison
Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hisian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy ny taranaka, omaly alahady. Fotoam-bita ary efa namaranana ny «Festival des œufs» izy ity, ka samy nanotrona na ireo tompon-tany, na ireo vahiny, fa indrindra ireo zanaky ny faritra izay mieli-patrana manerana ny Nosy izany.
Tsikaritra fa ireo hiran’ny tarika Mahaleo nanamarika vanim-potoana, indrindra ireo hira mivoy tolona sy ny fitiavan-tanindrazana no nahazo hery kokoa nandritra ny seho. Anisan’ireny ireo hira mivoy ny tontolo ambanivohitra, toa ny «Nahoana kay», sy ireo nanamarika ny niandohan’ny tarika tamin’ny 1972 toa ny «Vololona», «Adin-tsaina», sns. Niavaka kokoa ny «Mimoza», izay niarahana tamin’i Hasina, andriambavilanitra nasain’ny Mahaleo sy ny taranaka. Mbola manamafy ilay fitohizan’ny fanahy Mahaleo rahateo izany.
Tsy fampisehoana fotsiny anefa ny «Fetiben’ny atody» ao Antanetibe Mahazaza. Fotoana hanandratana ny fiompiana sy ny fambolena ary ny tontolo ambanivohitra any an-toerana ihany koa. Satria mitana ny lohany amin’ny famokarana atody ny kaominina, irarian’izy ireo ny hiakaran’izany seha-pihariana izany hisandrahaka kokoa. Nisy ny fifaninanana ho an’ireo ankizy sy tanora, manodidina indrindra ny fahalalana amin’ny fiompiana. Natao mba hitohizan’ilay kolontsaina mifototra amin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany, araka ireny voizin’ny tarika Mahaleo anatin’ny «hira vokatry ny tany ireny». Efa nanatsidika sahady ny andiany fahadimy, ho tsara sy hivelatra kokoa ny mpikarakara.
Zo ny Aina
Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana
amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera Ramandraivonona.
Tontosa soa aman-tsara ny sehon’i Lalatiana sy Rija Randrianivosoa tatsy La Réunion. Nafana ny fiarahana satria sambany ho an’ireo mpankafy any an-toerana no nandray ireto mpanakanto ireto. Notetezin’i Lalatiana avokoa ireo hira nanamarika ny 50 taona niakarany an-tsehatra, izay saika natao teto an-tanindrazana ny ivony.
Mirona amin’ny fandraisam-peo aloha ny ankamaroan’ireo mpanakanto mpihira. Voatery nofoanana na nahemotra avokoa ireo fampisehoana, na mbola misy fotoana kely aza ny taom-pampisehoana, mialoha ny fahavaratra. Niroso aloha, araka izany, ny fotoana fandraisam-peo ireo hira vaovao na hira naverina, ho an’ireo mpanakanto. Tombony ho an’ny sasany izany, fa fatiantoka kosa amin’ny ankapobeny.
Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny fanapahan-kevitra izay mila raisina manoloana ny toe-draharaha izay miha mafana eto amin’ny firenena sy somary mampiroroa saina izay tena atahorana mafy. Niezaka nihaino ny hevitry ny tomponandraikitra maro izaho sy ny mpikarakara fa mba hiarovana ny ain’ny olona dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra ny hanemorana ny fetintsika. Aleo tsy hataontsika anaty fitaintainana fa tena hifety am-pilamaninana isika, ka miandry ny daty vaovao», hoy i Marion, omaly.
Nanamafy izay koa i Sylvano Ratsimandresy, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny SR Event. «Tsy afaka ny hanatontosa ilay fampisehoana izahay raha tsy mirona any amin’ny filaminana ny fiainan’ny Malagasy. Ny tapakila rehetra efa lafo dia manan-kery avokoa amin’ny fotoana izay holazaina manaraka eo», hoy izy. Fatiantoka foana na ho an’ny mpikarakara na ho an’ny mpanakanto, fa indrindra ho an’ny mpankafy ny toa izao, saingy raha ho an’ny tombotsoan’ny firenena, dia milefitra ny rehetra.
Zo ny Aina
Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ».
Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Brenda, Mandresy ary i Michella, nandritra ny lanonam-pamaranana ny «Our Generation 2025», izay notontosaina omaly, tany Moscou. Nanaiky ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ireto tovovavy ireto. Nampientanentanana, nampitaintaina, kanefa efa azo antoka mialoha ihany koa fa manana ny hoentiny ny ekipa malagasy nandritra iny fifaninanana iny.
«Niezaka izahay nanatsarana ny tanjona. Naneho ny kolontsaina malagasy izahay tamin’ny alalan’ny feo, ny fitafy, ny taovolo, ny teny malagasy, sns.», hoy ny nambaran’i Michella, izay nahazo ny voalohany tamin’ny fifanintsanana taty Madagasikara. Niara-dalana taminy niatrika ny famaranana iraisam-pirenena tany koa i Brenda sy Riantsoa, izay nahazo ny laharana faharoa sy fahatelo. Efa tombony lehibe ho an’ny solontena malagasy, ary tsy vitan’izay fa mbola niaraka tamin’izy ireo niatrika izany fotoan-dehibe izany koa ny Coach Fidy.
«Misaotra an’Andriamanitra nanao ny planina rehetra. Misaotra ny ekipa rehetra nikarakara. Nikotrana mafy sy nahafoy fotoana izy telo mirahavavy, ka tojo amin’izao fandresena izao. Misaotra an’ireo zoky toa an-dry Denise, D Lain ary Shyn, izay nanokatra ny lalana taty Russie. Misaotra an’ireo matihanina
amin’ny mozika toa an-dry Seta Ramaroson ihany koa, izay nanampy betsaka anay. Eo koa isika Malagasy rehetra maneran-tany, izay nanohana», hoy ny nambaran’ny Coach Fidy.
Ilay hira «Fianarana foana» no nentin’izy telo mirahavavy nandrombaka ny amboara. Noforonin’ i Heman Alexis ity hira ity. Misy hafatra ao, na dia tsy fantatr’ireo nandray aza izany, fa misongadina maneran-tany kosa ny talentan’izy telo mirahavavy. Tonga tany an-toerana, nanolotra ny amboara ho an’ny mpandresy ary mbola nanamafy ny fandresen’ny Malagasy i Filamatra Matokia, nandresy nandritra ny «Our Generation 2024».
Nanambara ny Real TV, izay mpikarakara teto an-toerana sy niandraikitra ny fampitana avy any an-toerana, fa anio amin’ny 9 ora alina vao afaka mandefa ity famaranana ity amin’ny fahitalavitra izy ireo.
Zo ny Aina
Nanao ny asany mahazatra ny mpivarotra, omaly maraina. Nikatona avokoa izy ireo nanomboka ny atoandro mandra-pahariva ny andro noho ny korontana. Toraka izany koa ny tsena, toy ny teny Anosibe sy Anosy Mahamasina. Nizotra toy ny mahazatra kosa ny fiainana andavanandro teny amin’ny manodidina ny Renivohitra.
Nozaraina zana-trondro miisa 10 000 sy apombo 1 taonina ny mpiompy trondro miisa 10 any Ambodigavo, distrika Moramanga, ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka ny fanohanana ny Conservation internationale niaraka tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Moramanga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Preaa no nahafahana nanatontosa izany.
Nisy ny fanapahana ny herinaratra tany amin’ny manodidina an’Ambatoroka, ao anatin’ny zotra D1, omaly. Naharitra adiny iray izany, nanomboka tamin’ny 12 ora 30 mn hatramin’ny 1 ora sy sasany. Antony, nisy hazo nahakasika taribin-jiro teny an-toerana ka tsy maintsy norantsanana.
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Douaisis, France, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Ny fiatrehana ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’olon-telo miaraka no natrehin’ireo mpifaninana rehetra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy izay tafita amin’ny fihodinana fahefatra. Raha tsiahivina ny lalao vitany, resin’i Belgique teo amin’ny fihodinana voalohany. Taorian’io, nandresy an’i Luxembourg, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2 ary mbola tamin’io isa io hatrany no nandreseny an’i Hongrie. Hitohy anio ny fifanintsanana, ka mbola andrasana izay hifanandrina amin’ny ekipa malagasy. Aorian’izay, hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Hifaninana amin’ny «Coupe des nations» kosa ireo ekipa rehetra resy teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.
Raraka teo amin’ny lalao ampahefa-dalana i Fana, teo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision». Resin’i Diaz Reyes Sara, teratany espaniola, tamin’ny isa mazava 31 no ho 13, izy. Hidona eo amin’ny manasa-dalana, anio, ilay Thaillandaise, i Kantaros, sy ilay norvezianina, i Homniam Ranu ary i Diaz Reyes hifanandrina amin’ilay Tiorka, i Tosun Yagmur.
Tompondaka
Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg.
Hisy ny”prize Money” ho an’izay mandrombaka ny fandresena amin’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket” hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 18 sy 19 oktobra izao. Tsiahivina fa rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka ho an’ireo sokajy hifaninana: U12, U14 ary U16. Efa vonona avokoa ireo ekipa handray anjara.
Miantso fanohanana sy fanampiana avy amin’ny malala-tanana ny Malagasy mpikatroka, Razafinjato Rinho. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny ranomasimbe Indianina amin’ny taranja tolona sy grappling mifangaro izy, ny 22 novambra izao, kanefa tsy ampy ny hoenti-manana amin’izany. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 77 kg no misy azy ary vonona ny hanandratra avo an’i Madagasikara izy amin’ity fifaninana hatrehiny ity.
Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i Madagasikara, natao ny 11 hatramin’ny 14 septambra lasa teo, teto an-toerana, ka ny telo no afaka. Mpitsara 22 (11 lahy sy 10 vavy) avy amin’ny firenena afrikanina 12 (Algérie, Botswana, Cameroun, Égypte, Éthiopie, Gabon, Kenya, République centrafricaine, Rwanda, Tanzanie ary Madagasikara) no niatrika ity fiofanana ity. Ny 10 tamin’ireo no afa-panadinana. Azo lazaina ho nisongadina, araka izany, i Madagasikara, raha oharina amin’ny firenena hafa. Ny manam-pahaizana Kenyanina, i Vitalis Gode, sy Maraokanina, i Samir Abaakil, no nampiofanan ireto mpitsara manerana an’i Afrika ireto.
Mi.Raz