Governemanta vaovao: Tokony hisokatra amin’ny rehetra

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:37

“Tokony hisokatra amin’ny rehetra ny governemanta. Heverina fa rariny izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tao Ambatofinandrahana, Razafindrabary Narson Seth Jean Richard, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy fanehoan-kevitra maro mila henoina izay antony mahatonga ny olona manao fitakiana. Maro ny manao fitakiana fa tsy hoe ny mpanohitra… Heverina fa manan-jo avokoa ny tsirairay hanolotra olona hiditra ao amin’ny governemanta. Hatao ny fisokafan’ny governemanta, tsy hoe ho an’ny mpanohitra fa ho an’ny hery velona manao fitakiana, araka ny nambarany.
Misy ny fitakiana ataon’ireo tanora. Zo fototra ny jiro sy rano. Ny zava-tsy mety, misy manararaotra ny tolona, mitondra izany any amin’ny fanonganam-panjakana. Tany demokratika i Madagasikara. Rehefa amin’ny lafiny inona ny sasany no miteny demokrasia? Marina fa fanehoan-kevitra ny demokrasia. Fa mametraka koa ny demokrasia fa ny olona voafidy amin’ny fomba demokratika dia tokony ho fifidianana demokratika koa no handimby azy. Sarotiny amin’ny fiarovana an’izay fiarovana ny lalàmpanorenana ry zareo. Izay no nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika izay safidim-bahoaka.

R. Nd.

Catégories: National

Sasa-miandry!

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:12

 

Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa.
Raha manjohy akaiky ny hodidina misy amin’izao fotoana izao, hita fa maika ny fametrahana ny rafitra mpanatanteraka. Tsy ampy ny fandehanan’ny filohan’ny Repoblika irery. Tokony ho roa mifampiankina hatrany ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Ny lalàmpanorenana rahateo manamafy an’izay. Tsy tokony hivaona amin’izay voasoratra.
Sasa-miandry ny mpanara-baovao satria mifamahofaho ny fampitana hafatra sy ny baiko ho an’ny mpiasam-bahoaka indrindra indrindra. Mifanjana sy mifanilika andraikitra ary tena tsy mifanaja intsony ny any anaty birao. Biby tsy manan-doha tokoa angaha ka tsy mandeha. Mampalahelo ilay toe-tsaina. Mikatso ankolaka ny zava-drehetra.
Ilay vahoaka tsimandadiharona no mahita faisana amin’ny afitsoky ny mpanao politika. Mampitarazoka ny raharaha ny ady sisika miafina anaty ady varotra. Lany andro amin’ny ady seza ny ankamaroany. Tsy manaiky ho baikoin’ny filan’ny vahoaka. Mifarombaka ny haka seza na ireo noheverina fa misy etika aza.
Manahirana ny famakafakana ilay toe-draharaha. Tsy hita be ihany ny marina ho raisina. Misy ireo tena mitolona, mihevitra ny mpitondra fanovana, ho mpanadio ny tanàna. Indrisy, maro anisa anefa ny mpanao kitoatoa, misarintsarim-pitolomana. Misarongotra etsy sy eroa, mitady ny sitrany ahay: vola, voninahitra, fahefana.
Miandry, miandry lava, miandry foana ny vahoaka madinika. Tsy mety fay ny mpilalao politika, izay anefa no efa mampitroatra ireto tanora, liam-pivoarana sy te hanova tantara ireo.

r.r

Catégories: National

Fanabeazana maha olona : Mitombo ny fahaverezan-kasin’ny vehivavy

Les Nouvelles - lun, 10/06/2025 - 07:36

Tsy ilay Malagasy fatra-panaja ny maha izy azy intsony no miaina amin’izao vanim-potoana izao? Nomontsanin’ izy ireo ilay fanarahana ny fomba amam-panao mifototra amin’ny lamina voajanahary. Rehefa mety ho manan-kasina rehetra eto amin’ity Nosy ity (fomba amam-panao, toerana, olona, zavatra…), very, takona… Tafiditra tao anatin’ izany ny fanabeazana maha olona.
Ny vehivavy (reny) no niantsoroka be indrindra ny fanabeazana teo amin’ny Malagasy. Natao izay handaozany io adidy mampanjary hasina ny taranany io. Nam­pahantraina ny isan’ankohonana mba hoenti-mandresy lahatra fa : «tsy vitan’ny lehilahy irery intsony ny mamelona ny ankohonany fa mila mifarimbona ny lahy sy ny vavy». Nokitihiny nanaraka izany koa ny zo. «Tokony hitovy zo ny lahy sy ny vavy», «Vitan’ny lehilahy ve dia tsy ho vitanareo vehivavy»…
Tsy ninono tamin-dreniny intsony ny taranaka malagasy fa ninono «fingotra». Fomba manala hasina maha olombelona faran’izay haingana sy matanjaka. Very ilay fifankahalalana sy fifamatorana eo amin’ny reny sy ny zanaka. Tsy manam-potoana handraisana an-tanana (mitrotro) ilay menaky ny ainy, intsony, ilay reny niteraka. Zava-dehibe ho fampanjariana ny hasina eo amin’ny fotoam-pahazazana anefa iny.
Nitombo ny fanalan-jaza sy ny fanarian-jaza… Hasina maha olona mihitsy no very sy potika. Nanjary maty ny feon’ ny fieritreretinan’ny vehivavy na ny reny sasany, satria, tsy ao aminy intsony ilay hasina.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - lun, 10/06/2025 - 07:36

Tsy milamina ny firenena. Tsy milamina manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Samy vokatry ny fikorontanana ateraky ny saina avokoa ireo. Tsy mbola tazana loatra ny fiverenan’ilay soatoavina malagasy «ny fanahy no olona». Mbola manjaka ilay “ny saina mamosavy”. Tsy avy any ivelany ( tsy avy any ivelan’i Madagasikara na avy eny ivelan’ny vatana) ny fahaiza-mametraka sy miaina ny fahendrena sy ny soatoavina fa avy ao anaty. Noho izany, mila mifoha ny masom-panahin’ny tsirairay raha te hiaina ao anaty fitoniana sy firindrana.

Mijaly ny mpanakanto, satria, nofoanana na nahemotra ny fampisehoana. Maneho ny heviny momba ny toe-draharaha iainana eto amin’ny firenena ireo mpanakanto, sns. Mpihira ny ankamaroany. Raha ireo no atao indray mijery, voasarika hametraka hatrany ny raikipohy “mpanakanto = mpihira”, ny sain’ny Mala­gasy. Mila manao ezaka ny sehatry ny kanto hafa mba hanana fivelarana lehibe kokoa. Zavakanto, ohatra, ny fikirakirana sakafo. Ny Malagasy no anisan’ireo firenena manana akora fototra maro indrindra hoenti-manatanteraka izany. Saingy, tsy tazana manatanteraka hetsika (fahaiza-mahandro…) loatra ny tontolon’ny sakafo.

Vanim-potoana hitodihana any amin’ny fototra izao. Ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao no laharana voalohany amin’izany. Tsy mitodika fe mitodika fa manao izay tokony hiainana miaraka amin’ireny indray. Manao izay hampifandrindra izany amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy iainana, mba hitondra vokatsoa, kanefa, tsy hanimbana ny fototra ihany koa. Raha atao indray mijery, mety ho sarotra tanterahina? Antoka maha mety sy maha mora azy io ny fahavononan’ny saina sy ny fanitsiana ny fanabeazana.

Catégories: National

Savorovoro : Tsy latsaka anaty ny soatoavina

Les Nouvelles - lun, 10/06/2025 - 07:35

Mandia lalan-tsarotra ny firenena. Matetika, ny tontolo politika na sosialy hatrany no voakitika sy voatondro fa ipoiran’ny olana. Tsy tokony hijanona eo anefa. Hadino sy tsy voaresaka mihitsy aza ny soatoavina. Raha niaina ny soatoavina Malagasy ny rehetra, tsy hiaina savorovoro sy korontana tahaka izao ny firenena.
«Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha». «Ny fanahy no maha olona», sns. Firy amin’ny Malagasy 32 000 000 tapitrisa no niaina ireo ampahana soatoavina ireo ? Ilay Zanahary lazaina eto aza, angamba, maro ny Malagasy no tsy mahalala azy intsony. Na, mety manafangaro Azy amin-javatra hafa. Tahaka izany ihany koa ny fanahy.
Ilaina ny mampahafantatra ny soatoavina malagasy, ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Zarina tsikelikely hiaina ao anatiny izy ireo, avy eo. Tsy ho tanteraka, anefa, ireo raha mbola omen’ny fiarahamonina vahana ireo soatoavina indramina. Noho izany, mila raiamandreny mahafantatra sy mahay momba ny soatoavina malagasy ny fiarahamonina mba hampianatra sy hanoro azy.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Fomba amam-panao : Tsy nahasakana famadihana ny fanatsatsoana sy ny fanakiviana

Les Nouvelles - lun, 10/06/2025 - 07:35

Mamaramparana ny fanatontosana ireo fomba amam-panao mandritra ny vanim-potoana maintany, ny Malagasy. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana (famadihandrazana). Misy hatrany ny olana fa tsy nampihemotra ny “raharaha”.

Isan-taona, miteraka adihevitra maro hatrany ny fanatanterahana ny famadihandrazana. Vao mainka mampitombo izany ny fihamaroan’ isan’ireo sehatra ahafahana miresaka na mitafa na maneho hevitra amin’ny alalan’ny soratra sy sary. Anisan’ireny ny karazana tambanjotrantserasera izay zary filan’ny fiainana andavanandron’ny Mala­gasy maro… Tsy maha kivy ny mpitana ny fomboan-drazana anefa izany.
7 000 000 Ar eo ho eo ny fandaniana tsy azo ialana raha hanatanteraka ny famadihandrazana amin’ny fomba tsotra. «Tsy maninona raha izay no hampirindra indray ny fihavanana. Ahafahana manome hasina ireo razana nipoirana. Ahafahan’ny fianakaviana mangata-tsodrano amin’ireo niandohany, sns», hoy ny fanazavan’ireo raiamandreny mandritra ny fanatontosana ity fomba amam-panao ity… Tsy mahakivy ny mpandala ny fomba ny hoenti-manana.
… Antony iray lehibe nampihena ny isan’ny Malagasy (isam-batan’olona) manatanteraka ny famadihandrazana ny fitsabahan’ny finoana any amin’ny fomba. Io ihany koa no nampizarazara ny ao ana­tin’ny ankohonana : ireo manao famadihana sy ny tsy mankasitraka izany intsony… Ny fomba amam-panao no taloha fa tsy ny finoana nentim-bahiny. Noho izany, tsy nataon’ny Malagasy mahatazona ny fomba hanova ny fahalalany ny “resa-pinoana”.
… Na hevitra, na fandaniana (vola, herim-po…), na ny “resa-pinoana”, sns. Tsy nampihemotra ireo mpitahiry sy mpandala ny fomban-drazana tsy hanatanteraka ny famadihana (famadihandrazana) izy ireny. Tsy nitondra fiovan-kevitra tamin’izy ireo ny fana­tsatsoana sy ny fanakiviana. Porofo manamarina fa ny tsara fototra, tsy miongam-poana.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Tsena andavanandro : Mitaraina amin’ny fitadiavam-bola ireo mpivarotra

Les Nouvelles - lun, 10/06/2025 - 07:34

Samy sahirana avo­koa izao ny olona. Mananosarotra ireo mpivarotra eny an-tsena izao ny zava-misy ankehitriny izao. Marihina fa tsy niseho tarehy izy ireo mba ho fi­sorahana ny loza mety hitranga amin’ ny fanararaotana ny raharaham-pirenena tahaka izao.

Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tetsy Analakely, betsaka amin’izy ireo no tsy mahita tombony maherin’ny 10 000 Ariary intsony ankehitriny, noho ity fiainanana hita fa tena mikatso ity. Samy manana ny heviny anefa ireo olona eny an-toerana, misy amin’ireo mpivarotra no milaza fa manomboka sarotra ny miditra ao Analakely, rehefa andavanandro noho ny fisian’ilay grevy ao an-toerana. «Tsy misy olona mandalo intsony eto Analakely. Zara raha misy ny olona mandalo sy hita ety amin’ny tsena. Sakanan’ireo mpitandro filaminana tsy handeha aty Analakely moa ny olona ka izay no maha sarotra an’ilay zava-misy amin’izao fotoana izao», hoy ny mpivarotra kiraro iray teny Anala­kely. Nohamafisin’ity mpisehatra amin’ny fivarotana kiraro etsy Analakely ity ihany fa sarotra dia sarotra vao mahalafo kiraro iray amin’izao. «Manahirana ny mpividy mihitsy ilay maheno ny vidin’ny kiraro, vao manombana ianao amin’izao, fa tsy main­tsy 2000 Ariary eo no tombony mba alainao ankehitriny», tenin’ity mpivarotra kiraro iray ity, etsy Analakely ihany. Nihena ihany koa ny vola miditra ho an’ireo mpitady vola amin’ny fampisotroana kafe. Raha tsiahivina, eo amin’ny 15 000 Ariary eo tombony izy ireny isan’andro ary nilatsaka ho 5000 Ariary izany amin’izao. «Tsy dia misy mividy ilay kafe amin’izao fa ireo mpivarotra manodidina sy olona mba sendra mandalo no manjifa izany. Somary nahena ihany koa ny entana amidy ety, noho ny tsy fisian’ny olona mandalo loatra», nambaran’ilay rangahy iray mpivarotra kafe.
Miantso fitoniana
Mangataka fitoniana sy fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny akamaroan’ireo mpivarotra ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, hatramin’ny 11 ora ihany ry zareo no afaka mivarotra eny an-toerana, nefa sahirana ihany izy ireo amin’ny famelomana ny ankohonana. « Mba mangataka sy miangavy ihany izahay hoe mba hataovy re izay marimaritra hiraisana sy fitadiavana vahaolana amin’ity zava-misy ity». Hafatra avy amin-dry zareo. Na izany aza, mampalahelo ny mahita ny mpianatra iharan’ny herisetra, tahaka ireny. « Manan-janaka sy reny ary saika ray aman-dreny avokoa ny ankamaroanay mpivarotra. Mampalahelo mihitsy mahita ireo tanora sy mpianatra tratran’ny herisetra tahaka ireny. Mangataka izahay, mba hampitsaharana ny zavatra tahaka ireny fa na ireo olona tsy manan-tsiny aza, dia tratran’ny fahavoazana, amin’ izao grevy misy izao», tenin’ ilay ramatoa, miezaka mamelona ny ankohonany amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana. Tsara ny mampatsiahy fa na­nomboka 25 septambra teo, sahirana tanteraka ny mpivarotra eto an-drenivohitra.

Nilamina tsara ny omaly

Tsy dia nahitana olana, sy fahasahiranana loatra ny teny an-tsena an’Anakakely, omaly. Nanararoatra nitady vola mihitsy izy ireo, ary ny andro alahady tahaka izao, lasa hoe fotoana hahafahana mitady vola ho an’ny mpivarotra sasany eny an-toerana. «Tsy maintsy mivarotra aloha androany, somary mbola mafy ny herinandro ho avy io. Rehefa alahady tahaka izao, hita hoe maro ihany ireo olona mivoaka man­deha miantsena eto an-drenivohitra», nolazain’ilay tovolahy iray, misehatra amin’ny bakiraro. Nomarihan’ity zatovo ity ihany, fa tsy dia nanafatra entana betsaka izy aloha tamin’ity alahady ity, mba tsy hisian’ny fatiantoka haterak’izao grevy misy izao. «Rehefa manomboka mafana ny toe-draharaha ety an-tsena, ahoronay ny entana, ary ny lalana mody ihany no jerena, sarotra ho anay, ny hiditra lalina amin’ny zava-misy», famaranan-teny nataon’ity lehilahy ity ihany.

Nanantontosa : F.R

Catégories: National

Mpandika Teny Tanana

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 17:50

Catégories: National

Tsy misy iray isan-trano akory : Mbola tsy manan-danja ny hosodoko

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 08:34

Na tsy maro tahaka ny mpanakanto eo amin’ny ton­tolon’ny hira aza ny mpanao sary hosodoko eto Madaga­sikara. Mahasarika ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora any am-pianarana ny mianatra azy ity. Tsy vitsy rahateo ireo se­koly mampiditra ny taranja hosodoko hoenti-mampi­tombo ny fanabeazana maha olona ao aminy.
… Hatramin’izao, anefa, mbola tsy manan-danja manoloana ny tontolon’ny zava­kanto sy ny fiarahamonina malagasy ny sary hosodoko. Andaniny, tsy mbola maha­velona ireo izay manao azy. Ankilany, mbola tena vitsy ny tokantrano malagasy manana hosodoko iray ao aminy, raha dimy izany ho an-dry zareo An­glisy. Fito ho an’ny Ame­rika­nina.
… Iray amin’ireo zavakanto miadam-pamindra ny sary hosodoko ho an’i Madaga­si­kara. Lesoka ny tsy faham­pian’ny sekoly voatokana ha­m­pianarana azy. Eo koa ny fahalafosan’ireo akora sy fi­taovana hoenti-manatontosa hosodoko, izay miteraka fiakaram-bidin’ny tabilao vita. Ny fahefa-mividy ananan’ny Ma­la­gasy, anefa, ambany.
… Anisan’ny mampiavaka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy ny fananana aingam-panahy haneho ny tontolo voajanahary, indrindra fa ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manasongadina ny tranogasy, tambohogasy, eto Imerina. Eo koa ireo toerana manan-tantara, sy tontolo iainana voajanahary, sns. Fan­tatra fa anisan’ny mahasarika vahiny fatratra ireo endrika ireo.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 08:34

Nanao antso avo amin’ireo mpanakanto rehetra ny sendikàn’ny mpanakanto, omaly. Manetana izy ireo ny tsy handraisan’ireo mpanakanto anjara amina fampisehoana hatao hampisara-bazana sy hampifandrafy ny samy malagasy. “Miantso ireo mpanakanto zandry tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana amin’izao toe-draharaha am-pototry ny fifamonoan’ny samy Malagasy izao. Miantso ihany koa ireo tompona fanamafisam-peo sy teknisianina izy ireo mba hanaraka izay”, hoy ny fanambarana. Nanamafy ry Rossy, Dama, sns, fa tsy misy mpanakanto na iza na iza afaka miteny amin’ny anaran’ny mpanakanto rehetra izao.
Nanandratra avo ny mozika malagasy i Niu Raza. Nasaina nihira nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny Organisation internationale de la franco­phonie (OIF), tany Paris, izy, ny alin’ny alakamisy teo. Izy no Malagasy mpanakanto voalohany voaantso tamin’ izany. “Tamin’ny foko manontolo no nihirako an’ity hira ity. Mamiko loatra ny maha gasy ahy, reharehako hatramin’izay ka hatramin’izao, na inona na inona mitranga eo amin’ny fireneko.Samia mandray ny andraikiny aby ho an’i Madagasikara”, hoy ny hafatr’i Niu Raza.
Hiaraka hifampizara sehatra any Allemagne i Rija Ramanantoanina, Lalatiana ary ny tarika Johary. Hotontosaina anio, any Sttutgart izany, izay natao ho fihaonan’ireo Malagasy rehetra monina any, ho fanehoana ny firaisankina noho ny toe-draharaha aty Mada­gasikara. Natao hifampizarana, hifanohanana, hifanakalozana ary hanehoan-kevitra io fiarahana io. Ankoa­tra ny fampisehoana, fitadiavana izay mety ho vahaolana ho an’ny krizy misy eto Madagasikara koa io fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne io.

Catégories: National

Fianarantsoa: Nahazo Tranoben’ny boky

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 08:34

Tsangambato hanasoavana taranaka. Izay no antony nananganana ny Tranoben’ny boky (Maison du livre) ao An­kofa, Mahasoabe, Fianarantsoa. Razafimandimby André Claude no tompon-kevitra sy tompon’ny toerana. ” Hifoha velombe­lona ny saina. Hitombo velabelatra ny fahalalana” , hoy izy. Faharesen-dahatra sy finiavana manokana hanasoa ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanohanana ny kolontsaina ny azy. Na tsy mbola tontosa hatramin’ny farany aza, efa nosokafana ity toerana ity. Misy efitrano lehibe famakiam-boky, efitrano fanaovana velakevitra, efitrano fisakafoana ary tokotany malalaka afaka hanaovana hetsika ara-javakanto ankalamanjana izany.
Vola madiodion’ny tompon-toerana no nananganana izao fotodrafitrasa ho an’ny vakiboky izao. Miantso ireo malala-tanana afaka mamatsy boky ho an’ny toerana izy. Mba hampiodina tsara izany, hisy ampahany ampanofaina ny toerana. Hipetraka ho toerana fampahafantarana ny boky sanganasan’ ireo mpanoratra, indrindra ireo any Fianarantsoa, kosa anefa izany.
Lanonambe no nentina nanokafana ny toerana. Nisy ny seho ara-javakanto nataon’ny tarika mpanao dombolo, Ran­drambalo, izay mpively amponga sy mpiangaly sodina ary ny mpanao bapampa. Teo ihany koa ny velakevitra nataon’ny Dr Nalisoa Ravalitera, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, sy Ranoe, mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra.

Zo ny Aina

Catégories: National

Fahalalana fa tsy finoana : Misy tokoa ny « tody »… Any amin’ny tanjony

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 08:33

Hatramin’izao, tsy mbola nisy afaka nanome porofo mazava fa tsy misy ny tody. Na, tsara na ratsy ny atao, manody avokoa. Rehefa milofo, tody any amin’ny tanjona tian-kotratrarina ihany na ho ela na ho aingana.

Ho an’ny teny malagasy, « tody ». Ho an’ny teny vahiny, « karma ». Samy tamberin’ny zavatra natao na ny ratsy na ny tsara. Tao anatin’ny angano malagasy. Ra­tany no tompon’ny vatana. Zanahary kosa no tompon’ny aina. Nifantoka tamin’ireo anton-javatra roa ireo (fisian’ ny tody sy ny maha tompon’ny aina an’Ilay Nahary) ny nitaizan’ny Malagasy ny taranany. Vokatr’izay, nitandrina sy nandala fatratra ny hasin’ny aina izy. Na ny namono biby aza tsy nataony. Raha voatery nanao izany, nangataka tamin-Jana­hary.
Rehefa ny tody no takona. Manao izay hitsin’ny sainy ny olona. Aminy, na an-drariny na tsia. Na, hanaraka ny hitsiny na tsia. Na, handatsahana aina na tsia. Na, hanambakana olona na tsia, sns. Azo atao avokoa, satria, tsy misy ny tody. Nan­jary anaty nofinofy sisa ny faha­fantaran’ny Mala­gasy ny tody. Indraindray, tadidiny ny fisiany. Fa matetika, very an-javony fotsiny ihany.

Misy tokoa ny « tody »

Misy ny « tod » na « tonga », tokoa, eo amin’ny dingana na tanjona tiany ho tratrarina ireo mihevitra fa « tsy misy ny tody ». Nanjary manana fahefana lehibe. Manam-bola be. Tsy refesi-mandidy. Manao izay tiany hatao. Tsy misy ma­hasakana amin’izay rehetra tian-katao, sns. Mety tsy henjehin’ny eritreriny, satria, aminy, tsy misy ny tody.
Misy tokoa ny « tody », satria, tsy vitsy amin’ireny tsy mahafantatra (na minia tsy mahalala) ny fisiany ireny no itambesaran’ny nenina. Ivan­gongon’ olana. Manan-taranaka tsivanombanona…
Antony iray tsy mahafak’ olana an’i Madagasikara sy ny Malagasy io fisian’ny « tody » io. Manody azy ny hatsiram­bina nataony. Ny famadihana tanindrazana. Ny fanariana ny soatoavina. Ny famingavin­gana ireo raiamandreny. Ny fanariana ilay hasina na ilay fanahy maha olona… Ny tsy azo lavina, misy tokoa ny tody. Sarotra zakaina izy io raha, sanatria, ka arahin’ozona.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Moramanga : Nisitraka fitsaboana ireo zokiolona

Les Nouvelles - sam, 10/04/2025 - 08:32

Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-paha­salamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisite­ran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny firaisankina ary ny sampandraharaha misahana ny mpiady tia tanindrazana ary ny Bataillon médical Ampahibe. Nanatrika izany ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana, ny Jly Randrianantenaina Emilson, sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Nandritra izany koa no nizarana ny taratasim-bola fisotroan-dronono ho an’ireto zokiolona ireto. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fijerena ny maha olona ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona izao hetsika izao. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fiahiana manokana ireo zokiolona nanao sorona ny ainy ho an’ny Tanin­dra­zana.

J.C

Catégories: National

Hetsika Gen Z : Hisy ny “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety

Les Nouvelles - ven, 10/03/2025 - 09:27

Manoloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona ho an’ny anio, mikarakara “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety midina ifotony sy manaraka ny toe-draharaha ny avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara (Association des femmes journalistes de Madagascar ) manomboka androany. Misy ny fizarana sy fanampiana ho an’ireo eny an-kianja, toy ny sérum, rano, bisky sy ny maro hafa. Hita etsy Analakely, ampitan’ny Goldenrama ny fizarana, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.
Mitaky ny hanaovan’ireo mpanao gazety te hisitraka izany ny karatra manamarina ny maha mpanao gazety sy ny fanamiana ary ny « brassard » izy ireo. Eo am-pandinihana ny zavatra azo atao rehetra ny birao ka mila fifanomezan-tanana.

Mino

Catégories: National

Ambodimita : Lehilahy hita faty teo amoron’arabe

Les Nouvelles - ven, 10/03/2025 - 09:27

Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Nie­zaka namantatra azy ny mponina teny amin’ny manodidina sy ny mpandalo, saingy tsy nahalala ny mombamomba io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP6 ny tsara sitrapo. Naparitaky ny nanatri-maso tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ilay namoy ny ainy mba hahafahan’ny fianakaviany mamantatra azy. Efa tonga teny an-toerana io omaly io ihany ireto farany naka ny vatana mangatsiaka. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny famoizan’io raim-pianakaviana io ny ainy. Na izany aza, ilaina ny fitandreman’ny tsirairay rehefa mody alina. Manjaka rahateo ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy.

Tsiferana R.

Catégories: National

Vono olona mahatsiravina: Vehivavy mpihira hita faty tany anaty kirihitra

Les Nouvelles - ven, 10/03/2025 - 09:27

Hita faty tany anaty kirihatr’ala, tao amin’ny fokontany Beryl, Mananara Avaratra, omaly maraina, ny vehivavy iray mpihira teo aloha, tao anatin’ny tarika Willis. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manampahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, tsy nisy tanana sy tongotra ary mbola noloarana ihany koa ny tao anaty kibony ary nesorina ny nonony. Mpianatra handeha maraina no nahita ny faty ka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy sy ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nandre ny antso. Tombanana ho vono olona niniana natao ity tranga ity. Novoinoina tany an-kafa izy ary natsipy sy nariana teo amin’io toerana io. Taorian’ny fanadihadiana, nentina eny anivon’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Mananara Avaratra ny razana. Efa nanaovana fampandrenesana ny fianakavian’ny maty. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io vehivavy io, raha ny fanazavana voaray. Efa mikaroka ny nahavanon-doza ireo manampahefana any an-toerana.

Mino

Catégories: National

Vaovao momba ny MSA: Nivoaka tamin’ny fahanginany ny vondrona Sodiat

Les Nouvelles - ven, 10/03/2025 - 09:26

Mitsipaka ny fiampangana azy ny tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, manoloana ny vaovao navoakan’ny RFI…

Taorian’ny vaovao izay navoakan’ny onjam-peo, Radio france internationale (RFI), ny 1 oktobra lasa teo, izay nitonona ankolaka ny anaran’ny filoha tale jenera­lin’ny Vondrona Sodiat, Rava­tomanga Maminiaina. Nisy ny fanitsiana sy fanazavana na­taon’ity vondrona ity, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, araka ny andininy faha-70 amin’ny lalàna mifehy ny serasera.
Araka ny fanazavana hita tao anatin’ilay fanambarana, omaly, nisy mpanentana ny fandaharana tao amin’ny RFI nilaza mazava fa: « Izy (Ma­miniaina Ravatomanga) dia manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Anta­nanarivo, ka io no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maro». Mbola miampy ny hoe: “Naneho herisetra nandritra ny fihetsiketsehana ny milisiny”.
Niantefa tanteraka tamin’ny Madagascar Security Aca­demy (MSA), orinasa ao anatin’ny Vondrona Sodiat, ity fanambarana nataon’ity on­jam-peo vahiny ity. Nomari­hin’ny vondrona Sodiat fa ny MSA, ivontoeram-piofanana amin’ny resaka fiarovana, dia nahazo alalana avy amin’ireo manampahefana tamin’ny taona 2024. Tsy nandray anjara tamin’ireo asa fanamafisana filaminana nandritra ireo hetsi-panoherana mihitsy izy ireo.
“Manasa ireo mpanao gazety ao amin’ny RFI izahay mba ho tonga eto an-toerana, amin’ny fotoana mety amin’izy ireo, hijery maso sy hanamarina ny tena asa sy fotodrafitrasa ao amin’ny MSA, ka ho hitan’izy ireo mazava fa tsy misy velively ny famoronana milisy eto”, andian-teny nalaina tao anatin’ilay fanambarana.

F.R

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - ven, 10/03/2025 - 09:26

Mampandre ny vahiny mitsidika eto Mada­gasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa ny manatona mivantana ny Biraon’ny fitantanam-paritry ny Fizahantany sy ny taozavatra, manerana ny faritra.

Niaina kely ny mpivarotra sy ny mpitatitra, omaly. Satria tsy nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny Gen Z sy ny tanora. Mba afaka nivarotra an-kalalahana sy nitatitra araka ny tokony ho izy izy ireo. Nisokatra avokoa ny ankamaroan’ny lalana teto an-dRenivohitra, indrindra ny tao Analakely. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny ho tohin’ny toe-draharaha ka mitaintaina ny rehetra.

Somary nihena ny isan’ireo mpivarotra tetsy amin’ny tsena Alakamisy, Mahamasina, omaly. Araka ny fanadihadiana natao, matahotra ny isian’ny korontana sy ny savorovoro amin’izao fotoana izao ny maro ka aleon’izy ireo misafidy hijanona any an-trano ihany aloha. Marihina fa tsy nisy tolona, omaly, araka ny fanambarana nataon’ny Gen Z.

Catégories: National

Tsipy kanetibe-Mondial 2025 : Vonona ny ekipam-pirenena malagasy

Les Nouvelles - jeu, 10/02/2025 - 09:43

J-9 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotantera­hina any Douaisis, France, ny 9 hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy izay efa any an-toerana rahateo, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanitsiana farany ireo pitsompitsony madinidi­nika sisa ny mpanazatra.
Nohamafisina ny toe-batana sy ny toe-tsaina hoentin’ireo mpilalao miatrika izany, araka ny fampitam-baovao. Tsiahivina fa efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie, teo amin’ny olon-droa miaraka, i Fana sy i Tita, ka efa nahitsy ireo lesoka tamin’ izany.
Mialoha ny tena hiatre­han’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, misy ireo lalao sedra sy fitsapana hatrehin’ny ekipa any France. Ankoatra izay, misy fikambanana sy klioba tsara sitrapo manome kianja hanaovana fanazarantena isan’andro, hitazomana ny hery sy tanjaky ny mpilalao. Mahazo kianja voatafo ihany koa izy efatra mirahavavy, raha toa ka avy ny orana hanohizany izay fanomanantena izay. Maro amin’ireo Malagasy monina any France no manohana ny delegasionina malagasy amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fanazarantena, misy koa ny hetsika fanamafisana firai­sankina sy fanomanana ny saina.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 10/02/2025 - 09:43

Hotanterahina ao amin’ny Kianja monisipaly Manakara ny basikety lalaovin’olona 3, “3×3 Panga­lanes”. Fifaninanana hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Ny sokajy latsaky ny 13 taona, latsaky ny 15 taona, latsaky ny 17 taona ary ny Open lahy sy vavy, no hatao mandritra io roa andro io. Ny ligin’ny basikety Fito­vi­nany no mikarakara ny hetsika ary 20 000 Ar ny saram-pisoratana anarana amin’izany.

Niray hina tamin’ny mpanao gazety rehetra ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena (UJSM), taorian’ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety ny talata teo. Niaraka nivory sy nanatitra ny taratasy fitoriana teny Anosy ny solontenan’ny biraon’ ny UJSM, omaly maraina, ary nanambara fa manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety manatanteraka ny asany.

Hanomboka ny 5 oktobra izao ny “Challenge Mini-basket 2k25-3×3”, karakarain’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy manomboka
amin’ny latsaky ny 10 taona hatramin’ny latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, no handray anjara amin’izany, izay efa nanomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-
teknika, araka ny fandaharam-potoana napetraka.

Catégories: National

Pages