Fitohanana sy fahatapahan-dalana: Efatra sisa ny « tours » vitan’ny taxi-be ao anatin’ny iray andro

Les Nouvelles - ven, 10/10/2025 - 07:53

Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fidiram-bolan’ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) ny fahatapahan-dalana maro eto an-dRenivohitra. Mihena ny isan’ny fihodinana vitan’izy ireo ao anatin’iray andro.

Fitaovam-pitaterana misedra olana ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be), nanomboka tamin’ny fisian’ny fihetsiketsehana ataon’ny tanora mpitolona eo anivon’ny Gen Z, raha ny fanadihadiana natao. Olana sedrain’izy ireo ny fahatapahan-dalana maro eto Antananarivo, raha ny nam­baran’ireo mpamily na­nontaniana. Samy ahitana izany avokoa ny ankamaroan’ ny lalana, toy ny etsy Anosy hihazo Analakely, Ambohija­tovo, Ampefiloha, Behoririka, Antanimena, Isotry, Anosibe sy ny maro hafa. Mihena ny halavirana vitan’izy ireo ankehitriny, raha oharina tamin’ny taloha, raha ny fanazavana vaoray hatrany. « Tours » efatra sisa no vitan’ny fiara iray ao anatin’ny iray andro. Roa eo ao anatin’ny tapak’andro maraina, ary toy izay ihany koa ny tapak’andro hariva. Nanomboka tamin’ny fisian’ny hetsiky ny mpitolona niady tamin’ny fahatapahan-drano sy jiro, ny alakamisy 25 septambra 2025 lasa teo izany, ary hatramin’izao. Noho izany, tsy mahafeno ny vola tratra­rina ho an’ny tompona fiara foana ny ankamaroan’izy ireo, raha ny fanazavan’ny mpamily hatrany. Mihena 40 000 hatramin’ny 50 000 Ariary izany raha toa ka 80 000 Ariary no enjehina isan’andro. “Efa fantatry ny tompona fiara ny zava-misy ankehitriny, noho izany, manaiky ary tsy mila vaniny izy ireo na tsy feno aza ny versement”, hoy i Rolland, mpamily iray nanontaniana.

Voatery mitady lalan-kafa

« Etsy ankilany, miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny izany, noho ny havi­tsian’ny lalana azo aleha », hoy hatrany izy ireo. Voatery mitady lalan-kafa handeha­nana, araka izany, ny fiara ary lasa mihitsoka any anaty fitohanana lavareny. Indrindra ny maraina sy atoandro. Ahitana izany avokoa ny toerana re­hetra, toy ny etsy Anosizato, Isotry, 67 Ha, Ankorondrano, Ankadimbahoaka, Isotry sy ny maro hafa. Maharitra ora maro ny fitohanan’ny fiara manodidina ny Renivohitra. Adiny roa hatramin’ny adiny dimy eo izany, rehefa tena lava ny fitohanana. Manomboka amin’ny valo ora maraina, amin’ny 11 hatramin’ny 2 ora atoandro ary amin’ny 4 ora hatramin’ny 7 ora hariva eo no ahitana izany, isan’andro.

Atao mihoatra ny solika

Ankoatra izay, voatery atao betsaka na atao mihoatra ihany koa ny solika ao anaty fiara, mba hisorohana ny lany solika tampoka eny an-dalana. Amin’ ny ankapobeny, mihidy ny ankamaroan’ny tobin-tsolika amin’ireo toerana ahitana fihetsiketsehana. Ohatra amin’ny fiara fitateram-bahoaka voakasik’ireo olana ireo, ny taxi-be 119 mampitohy an’An­katso sy 67 ha eny amin’ny Havana. Eny amin’ny Mascotte izy ireo dia miverina noho ny fisian’ny lalana tapaka.

????????????????????????????????????

Nampiakatra saran-dalana ny fiara sasany

Manararaotra mampiakatra saran-dalana ihany koa ny taxi-be sasany miasa eto Antananarivo, rehefa amin’ny andro hariva. Indrindra ireo mandeha amin’ny toerana ahitana mpanao fihetsiketsehana. Misy ny mampiakatra saran-dalana ho 1 000 Ariary raha toa ka 600 Ariary ny tokony ho izy. Antony mahatonga izany ny fahatapahan-dalana sy ny fitohanana lavareny, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Tsy maintsy mandeha kosa na dia niakatra aza ny saran-dalana satria efa hariva ny andro ary tsy maintsy mody”, hoy ny olon-tsotra nanontaniana. “Antony mahatonga izany ny fisian’ny lalana tapaka, ny fihodinana sy fitadiavana lalan-kafa andehanana. Vokany, lasa manao tapa-dalana izy ireo moa vitsy ihany koa ny mpandeha”, hoy hatrany ireo mpamily nanontaniana.

Miova lalana avokoa ny fiara

Etsy ankilany, misy mihitsy ireo fiara sasany niato na tsy mandeha amin’ny zotra tokony handehanany isan’andro in­tsony. Anisan’izany ny fiara fitateram-bahoaka zotra 162, izay mihazo an’Anosy sy Analamahitsy. Nofoanana mihitsy ny lalan’ny kaoperativa tokony hihazo an’Anosy fa mandeha any 67 Ha avokoa. Nahitana fihenana ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka miasa amin’izao fotoana izao.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

Filoha Rajoelina Andry : “Hiala aho raha mbola misy delestazy afaka herintaona”

Les Nouvelles - jeu, 10/09/2025 - 07:39

Nafana ny fifanakalozan-kevitra natao teny Iavoloha, omaly. Maro ireo olona nandray fitenenana ary tsy nihafahafa izy ireo naneho hevitra. Afaka taona iray, hiala tsy ho filoha izy raha mbola misy ny delestazy.

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, izay nokarakarain’ny filo­han’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra ny ady hevitra sy ny fandraisam-pitenenan’ny Filo­ha ny resaka jiro sy rano. “Afaka herintaona, raha mbola misy delestazy eto Antanana­rivo, hiala tsy ho filohan’ny Repoblika intsony aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Nohamafisiny hatrany fa efa maro ny asa hatao, ani­san’izany ny fanafarana “Groupe 60 MW”, izay tokony ho tonga eto an-tanindrazana afaka roa volana fara-fahatarany. Efa nitsidika ny toerana tany Ampangabe, afakomaly, ny Filoha, izay nizaha sy nanolotra asa natao ho famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Notsiahiviny fa tsy voninahitra na fitiavan-tseza no niverenany teto Madagasikara, fa fitiavana manokana ny tanindrazana mba tsy ho potika sy tsy ho rava. “Matoa aho miverina eto, tsy tiako ho rava i Madagasikara, tsy voninahitra no tadiaviko, fa tsy tiako ho potika ny firenentsika”, hoy hatrany ny Filoha.

Tsy hilatsaka intsony
Ankoatra izay, nilaza ny Filoha fa tsy hilatsaka ho kandidà hofidina ho filoham-pirenena intsony ny tenany, amin’ny taona 2028. Ary mbola mampanantena ny Malagasy izy fa mandritra ity fotoam-piasany ity, tsy hisy delestazy intsony eto Madagasikara, ary hataony izay hampamiratra sy hampisongadina ity firenena ity.
Tsiahivina fa nanatrika ity hetsika ity ny tanora, ny mpianatra eto an-drenivohitra sy
ny tany amin’ny faritra, ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena. Mbola misy moa ny hetsika fifampizarana tahaka izao, eny amin’ny CCI Ivato, hiarahana amin’ny FFKM.

F.R

Catégories: National

Fihetsiketsehana sy fitakiana lavareny : Mahazo vahana ny gaboraraka

Les Nouvelles - jeu, 10/09/2025 - 07:39

Efa ahitana tanora maro manao fihetsiketsehana sy fitokonana manerana ny Nosy. Anisan’­izany ny any Toa­masina.  Amin’ny an­­kapobeny, ma­hatonga karazana ga­boraraka isan-karazany izany, ra­ha ny zava-misy.

Mbola milamina sy tsy ahitana fitokonana ny any amin’ny disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana hatrany Vavatenina. Amin’ny ankapobeny, lasa matahotra hankany Toamasina ny mponina any an-toerana noho ny fitokonana misy any amin’ireo distrika ireo, raha ny fanadihadiana natao hatrany. « Sahi­rana ny vahoaka tsy mandadiharona an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra ka samy milaza ny tokony hanatsaharana ny hetsika », hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana ta­min’iny lalam-pirenena fahadimy iny. Nambaran’izy ireo fa mitondra fikorontanan-tsaina sy fahasimban’ny fiharian’ny tsirairay izany.
Ho an’ny lalam-pirenena fahadimy sy 22 A, lasa gaboraraka ny fitaterana amin’ny taksiborosy amin’ny fanaovana taingimbe sy fampiakarana ny saran-dalana. Lasa mahay vava mihitsy ireo mpamily eo anatrehan’ny mpandeha. An­koatra izay, lasa sahiran-tsaina ny tantsaha hitondra vokatra miakatra sy hamonjy fodiana aorian’ny fahalafosan’ny entana tao an-tsenan’ i Toamasina.

Lasa miakatra ny saran-dalana
Nahitana fiakarany ny saran-dalana any an-toerana, raha ny fanadihadiana natao. Lasa tafakatra hatrany amin’ny 20 000 hatramin’ny 25 000 Ariary ny saran-dalana Toa­ma­sina mankany Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Raha toa ka 18 000 Ariary izany teo aloha, tsy nisian’ny fitokonana. Maha­tratra 10 000 hatramin’ny 20 000 Ariary ny saran-dalan’ny entana anaty kitapo na gony iray, izay milanja 50 kilao, raha hatreo Toamasina. Efa tafakatra hatramin’ ny 25 000 hatramin’ny 30 000 Ariary kosa ny saran-dalan’ny entana raha any Toamasina hatrany Vava­tenina. « Noho ny fisian’ny fitokononana, lasa samy manao izay tiany hatao ny mpamily rehetra”, hoy hatrany ireo olona nanontaniana.

Mihasimba ny lalam-pirenena fahadimy

Ankoatra izay, mihasimba ary tsy mety tafarina intsony ny lalam-pirenena fahadimy hatramin’izao. Betsaka ireo fiara simba eny an-dalana. Misy ihany koa ireo fiara tsy tonga any amin’ny toerana aleha intsony ka afindra fiara hafa ny mpandeha. « Noho ny fahasimbana matetika mitranga eo amin’ny fiara no antony mahatonga ny mpamily sasany manao taingimbe sy hampiakarany ny saran-dalana», hoy ny mpamily nanontaniana. Fotoana fanararaotana izao satria sahirana any amin’ny fitokonana ny polisy sy ny zandary. Vokany, malalaka ny lalana satria vitsy ny polisy miasa.

Tsy fandriampahalemana

Etsy ankilany, maro ny tokantrano mitaraina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, indrindra amin’izao fotoana isian’ny fihetsiketsehana manerana ny Nosy izao. Anisan’ny mirongatra ny vaky trano satria variana mandrava ny hetsiky ny mpitolona ny mpitandro filaminana. Ma­nomboka amin’ny 11 ora atoandro hatramin’ny 6 ora hariva ny hetsika, afa-tsy ny alahady ihany. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana ny zanany any an-tsekoly. Takin’ny rafi-piarahamonina maro, noho izany, ny hampitsaharana ny fitakiana, mba hirosoana amin’ny fifampiresahana sy fitoniana ho an’ny rehetra.

Midina ny vidim-bokatry ny tantsaha

Misy fiantraikany amin’ny vidim-bokatry ny tantsaha ihany koa ny fitakiana sy fitokonana lavareny misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny vokatra lavanila satria manodidina ny 1 500 hatramin’ny 2 000 Ariary ny kilao ho an’ny lavanila maitso, amin’izao fotoana. Raha toa ka 25 000 hatramin’ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny jirofo tany am-piandohana. Efa nilatsaka hatramin’ny 12 000 – 15 000 Ariary ny kilao, taorian’ny 25 septambra lasa teo.
Ankoatra izay, nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny legioma. Na tonga any ifotony na tsia ny fiara mpitatitra entana avy aty Antananarivo sy Antsirabe. Efa tafakatra hatramin’ny 4 000 – 7 000 Ariary ny kilaon’ny ovy, amin’ izao fotoana izao. Raha toa ka 3 000 ka hatramin’ny 5 000 Ariary izany teo aloha. Niakatra hatramin’ny 25 000 Ariary ny kilaon’ny henan’omby mifangaro, raha 20 000 Ariary izany teo aloha. 30 000 Ariary ny kilaon’ny henan’omby nofony, raha 25 000 Ariary izany fony mbola tsy nisy ny korontana.
Etsy ankilany, voahelingelina ihany koa ny tsenan’ny mpivarotra rehefa tolakandro, noho ny fisian’ny hetsika. Voatery mangorona entana ny mpivarotra satria matahotra. Izany zava-misy izany no antony mahatonga ny fampiakarana ny vidin’entana eny an-tsena. Mahazo vahana, noho izany, ny gaboraraka. Voakasik’izany ny mpanararaotra trangan-javatra miseho amin’ny firenena fa mihatra amin’ny rafi-piarahamonina kosa ny fahasahiranana.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 10/09/2025 - 07:37

Nofoanana ny fifaninanana “Fit Game”, taranja Bodybuilding, karakarain’ny Federasionina malagasy sy ny “Fit Game”. Fifaninanana kasaina hatao ny 8 sy 9 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpikarakara fa haverina avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo izay efa nanatanteraka izany. Mbola tsy fantatra kosa ny daty vaovao hanaovana ity fifaninanana ity.

Ilay manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Cheikh Sarr, no talen’ny fiofanana mandritra ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, hatao any Egypte, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao. Mpampiofana avy amin’ny Fiba mirahalahy kosa no hampiofana ireo mpilalao afrikanina manodidina ny 100 ho avy any an-toerana, dia i Joe Touohou sy i Naoufal Uariachi. Manana solontena amin’ity fiofanana ity i Madagasikara.

Hiditra amin’ny dingana farany, ny alahady 12 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 12 taona sy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, izay hatao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Eo amin’ny sokajy U20, hifandona amin’ny famaranana, ny MB2all sy ny Lucadro eo amin’ny vehivavy. Ny JCBA sy ny AKBB kosa no hifanandrina eo amin’ny lalao famaranana, sokajy lehilahy U20.

Catégories: National

Tsipy kanetibe vehivavy : Vonona ny ekipa malagasy

Les Nouvelles - jeu, 10/09/2025 - 07:37

Hanomboka amin’ny fom­ba ofisialy anio alakamisy, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny andiany faha-20 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Firenena hatrany amin’ny 50 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika izany. Nambaran’ireo mpilalao fa tsy handray anjara fotsiny fa handrombaka mihitsy ny anaram-boninahitra.
Fihaonana ho an’olon-telo miaraka ity, ankoatra izay misy koa ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny tifitra “tir de précision”. Manana tombony amin’ ity ry zareo Frantsay, mpampiantrano. Ankoatra izay, hisongadina koa ny fiverenan-dry zareo Thaillandais, ani­san’ireo firenena andrarezina. Ho arahin’ny rehetra maso ihany koa i Madagasikara. Raha ny fandaharam-potoana, hisantatra ny fihaonana ny fifaninanana mitifitra. Hano­mboka rahampitso zoma kosa ny fifanintsanana eo amin’ny olon-telo miaraka sy ny manasa-dalana arahin’ny famaranana amin’ny “tir de précision”. Fihodinana fahefatra sy fahadimy eo amin’ny olon-telo miaraka ny sabotsy, mitohy amin’ny “Coupe des nations”. Ny manasa-dalana sy ny famaranana eo amin’ny “Coupe des nations” sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny alahady.

Tompondaka

Catégories: National

Muay Thai Tournament 3 : Hifandona i Sandra sy i Katy

Les Nouvelles - jeu, 10/09/2025 - 07:37

Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg no misy azy roa vavy ireto. Tsiahivina, andiany fahatelo amin’ny “Muay Thai Tournament” ity hotontosaina ao Toamasina ity, izay karakarain’ny GISL (Grande île sports loisirs). Nosafidiana manokana ny hanatanterahana ny fifaninanana any amin’ny faritra mba hitovian’ny lenta amin’ny samy mpikatroka manerana ny Nosy. Hiverina eto Antananarivo indray ny fifaninanana amin’ny volana desambra izao. Zava-dehibe ny fiatrehana ady matihanina toy izao hahafahana miatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’izany Rasoanirina Olga izay hiatrika fifaninanana afrikanina, ny 18 oktobra izao, rehefa nahazo ny fandresena teo amin’ny sokajy latsaky ny 60kg, tamin’ny “Muay Thai Tournament 2”, natao tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny 21 septambra lasa teo.

Mi.Raz

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 08 10 2025 )

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:38

Catégories: National

Judo-“Tournoi du Hainaut”: Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 2 ny Malagasy

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:37

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Tournoi de Hainaut”, taranja Judo, notontosaina tany Bélgique, ny fa­ran’ny herinandro teo. Medaly volamena 2 sy alimo 2 no no­rombahin’ny Malagasy nandritra izany. Teo amin’izay vokatra izay, Andriamitandrina Fe­hizoro, sokajy latsaky ny 13 taona, nahazo medaly volamena iray. nahazo fandresena 3 izy ary tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa izany. Tsy amba­kan’izany Ramampi­andra Yasmine, sokajy latsaky ny 13 taona, vehivavy, izay nahazo fandresena 3 ihany koa ka nandrombaka ny medaly volamena. Ankoatra izay, nahazo medaly alimo ny Malagasy mpikatroka, Andriamihaja Maevatiana, izay nahazo fandresena iray tamin’ny alalan’
ny Ippon. Toraka izany koa, Andriamihaja Mahery, sokajy Poussin, nahazo ny medaly alimo. Tsiahivina fa 7 mianadahy, avy amin’ny klioban’ny Judo Club Atrika Atsinanana ireo nandrafitra ny delegasionina malagasy tamin’ity fifaninanana ity. Samy nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa izy ireo. Nihintsana teo amin’ny ampavalon-dalana i Mana (U15) sy i Joy (U18), raha toa ka resy tamin’ny fihodinana voalohany avokoa i Dylane (U15).

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:37

Resy tamin’ny fihodinana voalohany ny solontena malagasy, i Nathanael, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Juniors, notontosaina tany Lima, Pérou, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny Ippon no nandavoan’ilay teratany Libanais, i Yoshido El Saikaly, azy. 30 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 81 kg nisy an’i Nathanael.

Hotanterahina any Le Caire, Egypte, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy. Malagasy mpilalao iray, Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina Noroniaina, avy amin’ny “Club New Academic’s Sport”, sy mpanazatra iray, Ravonimboangy Eléonore, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Manodidina ny 100 ny mpandray anjara manerana an’i Afrika amin’ity fiofanana ity.

Namiratra indray nandritra ny fifaninanana “Gala La nuit des sportiates”, natao tany Belgique, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Muay Thai, i Claudia Toly Henri, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny fandresena nanoloana an’i Nicosia Tamara (Belge) izy. Tsy vao izao no namiratra i Claudia fa vao nahazo fandresena ihany koa izy tamin’ny taranja K1, ny volana septambra teo.

Catégories: National

Rallye – Filaharana vonjimaika : Mifanakaiky i Mathieu sy i Faniry

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:37

Taorian’ny fahavitan’ny dingana efatra ho fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Rallye, mpanamory roa no tena misongadina eo amin’ny filaharana. Mitarika i Faniry, avy amin’ny klioba TMF, arahin’i Mathieu Asacm. Mifanakaiky mantsy izy mirahalahy ireo amin’ny isa azo. Nahazo 126, 5 i Faniry, raha 103 ny an’i Mathieu. Mbola tena hisy lanjany avokoa ny rallye roa farany amin’ity taom-pilalaovana ity. Tsy mbola misy afaka hilaza ho tompondaka, araka izany, izy ireo raha tsy tontosa mihitsy aloha ireo fifaninanana farany. Eo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Aro Kiady, manana isa 74, 5 ary fahefatra i Mika, isa 59. Tsiahivina fa rallye efatra no efa tontosa, dia ny an’ny FMMSAM, ny an’ny TMF sy ny Go Janga ary ny ASA Tana.
Dingana manaraka, raha tsy misy ny fiovana, ny Rallye karakarain’ny klioba Tacs, hotanterahina ny 23 ka hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao. Hamaranana izany ny Rallye FSAM, hatao ny 21 ka hatramin’ny 23 novambra ho avy izao.
Mandra-piandry izany, voalohany eo amin’ny sokajy vehivavy i Vanilla, manana isa 61, 25; arahin’i Ministen, isa 57, 5. Ho an’ny sokajy tanora, voalohany i Faniry, isa 130, 5; faharoa i Aro Kiady, isa 106 ary fahatelo i Mika, isa 70, 5.

Tompondaka

Catégories: National

Fifanintsanana “Mondial 2026” : Dingana iray ny fifanandrinana amin’i Comores

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:37

Hatao anio, any Côte d’Ivoire, ny lalao hihaonan’ny Coalacanthes Comores sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanintsanana tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026.

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire, ny fifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny ekipan’i Como­res, Coelacanthes, amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny “Mondial 2026”. Tsy manana safidy intsony ny mpanazatra Corentin Martins, tsy maintsy mikatsaka fandresena izy raha mbola maniry hitondra ny ekipany hiatrika ny Mondial any Etazonia, izay mpampiantrano amin’ny 2026.
Vonona ny Malagasy ha­nome ny ainy sy ny heriny re­hetra mba hahazoana ity ta­pakila mankany amin’ny Mon­dial ity. Etsy ankilany, feno fi­niavana ihany koa ny Kaomo­rianina, izay mikendry fandresena amin’ny Malagasy, izay Nosy rahavavy ato amin’ny ra­nomasimbe Indianina, ary ma­niry fatratra handray anjara voalohany amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe ity.
Rehefa vita ity lalao ity, ny Aigles du Mali indray no handray ny Barea, ao amin’ny Kianja 26 Mars, any Bamako, amin’ny andro farany amin’ny fifaninanana.

Baolina faharoa

Fiteny malaza eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny hoe «baolina faharoa». Midika izany fa tsy maintsy mahay ma­nohy sy maka tombony amin’ny fotoana rehetra. Raha mahazo fandresena amin’ireo lalao roa ireo ny Barea, manoloana an’i Komoro sy Mali, ary mandresy koa ny Black Stars Ghana amin’ny andiany farany, hisokatra ny làlana ho an’i Madagasikara. Hiditra amin’ny fihodinana famaranana (barrage) amin’ny fifaninanana Mondial ny Barea. Izany hoe, anisan’ireo ekipa faharoa tsara indrindra aty Afrika no ho toerana hisy ny Malagasy.

Fitia Randria

Catégories: National

Raharaham-pirenena : Manohana ny vahoaka ny Nonce apostolique

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:33

Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zaza­kely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka.
« Anisan’ny ao an-tsaiko manokana ireo tsy manana jiro sy rano ary kivy tsy mahafantatra ny hoaviny », hoy izy ta­min’ny teny fampianarana nentiny ho an’ny krisitianina tany an-toerana sy ny vahoaka malagasy.
Tsiahivina fa efa naneho ny alahelony manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara koa ny Papa Léon XIV, tamin’ny fiandohan’ity volana oktobra ity. Niantso ny rehetra mba hivavaka sy tsy hanao herisetra na ino­na na inona mety ho endriny ny Ray Masina tamin’izany. « Tena mampalahelo ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny tanora ka nahafaty olona maro sy naharatrana an-jatony », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny tena tsara kokoa ny firindran’ny fiainam-piarahamonina ao anatin’ny fampanjakana ny rariny sy ny soa iombonana.

Synèse R.

Catégories: National

Praminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat : “Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro ny governemanta hijoro”

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:33

Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany.

“Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny tsirairay”. Io ny lahatenin’ny Praiminisitra, ny jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat Dimbisoa, tamin’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Praiminisitra teo aloha, teny Mahazoarivo, omaly. Noho izany, miantso fiaraha-mientana izy amin’ny fa­merenana ny fitokisana, fanamafisana ireo andrimpanjakana ary fananganana hoavy mi­rindra sy maharitra ho an’ny firenena.
Maro ireo tanora, indrindra ireo taranaka vaovao Gen Z, maneho hevitra amim-pahasahiana sy fahendrena ary amin’ny endrika vaovao. Ma­namafy izy fa mihaino ary vo­nona hifampiresaka amin’izy ireo. Miankina amin’ny fampitomboana ny famokarana sy ny fampiroboroboana ny fihariana ny fitakiana maro sosona. Tsy ho tratra izany, raha tsy ao anatin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana.
Araka ny fangatahana maro ara-tsosialy sy toekarena avy amin’ny ankolafin-kery samihafa, misokatra amin’ny rehetra amin’ny fifampiresahana ny fitondram-panjakana. Amin’ny fanekena ny fahasamihafana ary amin’ny fametrahana vahaolana maharitra sy mirindra izany. Aoka ny fanajana sy ny fahendrena no aorina amin’izay hoavin’ny firenena, indrindra eo am-pijerena ny tombontsoa iombonana. Misy ny ezaka atao amin’ny fiantohana jiro sy rano eto Antananarivo sy amin’ireo faritra maro samihafa manerana ny Nosy. Tratrarina ao anatin’ny enim-bolana ny dingana voalohany, izay dingana ho azo tsapain-tanana, araka ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika. Mifanin­dran-dalana amin’izany ny fa­mahana ny olana maro samihafa.

R. Nd.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:32

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianaran­tsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mi­tarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana mom­ba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona ma­nana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay nankasitraka ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, noho ny fanofanana tsy manavakavaka sy misokatra ho an’ny rehetra.
90% ny asa fanarenana ny tetezana ao Tetezan­dava, distrikan’i Betafo, lalam-pirenana faha-34, no efa vita. Noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, asa fanarenana tanteraka ny tetezana no natao ary nasiam-panatsarana mba hateza. Ny orinasa Fanambinantsoa no manatanteraka ny asa. Vinavinaina hisokatra ho an’ny mpampiasa lalana rehetra ity tetezana ity afaka iray volana, araka ny fantatra nandritra ny fidinana ifotony notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hanamorana ny fifamoivoizana ao Vakinankaratra, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny RN34 ny fahavitan’io tetezana io.
Volana natokana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono ity volana ity. Maro ny fanentanana fa ny tanjona dia ny handrisika ny vehivavy hitily mialoha ny homamiadana. Ankoatra ny fitsapana ny nono isam-bolana tsy tapaka, misy koa ny fitiliana, échographie mammaire sy ny mammographie, samy andoavana sarany avokoa, ankoatra ny hetsika fitarafana maimaimpoana karakarain’ny ONG samihafa.

Catégories: National

Fikambanan’ny vehivavy mpitarika: Tokony hisy sehatra ifampihainoana

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:32

Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mi­tranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fi­fam­piresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo.
Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara ara-politika, ara-tsosialy, ary ara-toekarena ho an’ny vehivavy, ity fikambanana ity.
Ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenan’ny Repobli­kan’i Madagasikara sy ny lalàna velona ary ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana no hitadiavana ny vahaolana.
Amin’ny maha reny, rahavavy, anabavy, vady, mpanorina ny fandriampahalemana, mpitarika amin’ny fampandrosoana mpanelanelana, manao antso avo ho an’ny tanora malagasy ny amin’ny fanohizana ny fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena amin’ny fomba tsy manome vahana ny herisetra izy ireo.
Ho an’ny mpitondra sy ny manampahefana kosa, tokony hisy ny sehatra ifanakalozana sy ifampihainoana ary fandraisan’andraikitra lavitry ny herisetra.
Maneho fahavononana handray anjara feno miaraka amin’ny ankolafy isan-tokony mba handrenesana ny feon’ny vehivavy ny fikambanana.
Vonona ny handray anjara amin’ireo dingana samihafa hamahana olana sy ho fampihavanana mba hiaina ao anaty hoavy mamiratra ny ta­ra­naka izy ireo.

Tatiana A

Catégories: National

Aretina Alzheimer: Mitondra fikoron­ta­nana ny fitaizana marary

Les Nouvelles - mer, 10/08/2025 - 07:31

Anisan’ny toerana fitaizana ireo olona tratry ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody etsy Mahazoarivo. Nanazava izy ireo fa miteraka fikorontanana ho an’ny manodidina ny fikarakarana marary noho ny antony maro. Eo amin’ny ara-pihavanana, sarotra ny fifanajan’ny havana ny marary rehefa tsy hainy ny tokony hitondrana ny fikarakarana. Mitsara vilana ny fiarahamonina, manesoeso, manilika, ary mandrabiraby ny marary. Tsy afaka ny hahatakatra ny fahasahiranana manoloana ny tranga misy. Voatery mitsahatra amin’ny asany ny marary sy ny mpikarakara akaiky indrindra azy, toy ny vady, zanaka, mpiray tampo, … Mampihena ny fivelomana ary misy fiantraikany amin’ny ankohonana na ny fianakaviana manontolo izany. Sady mamizam-batana no mamizan-tsaina ny mpitaiza ny fikarakarana azy ireny. Matetika dia ny fahasalaman’ny mpikarakara indray no marefo no ho ny an’ny mararin’ny Alzheimer, noho ny fikorontanana maro. Anisan’ny antom-pijoroan’ny fikambananana Masoandro mody, izay manolotra sehatra mampiaty handraisana ireo marary mandritra ny tontolo andro, ireo fahasahiranana voalaza ireo.

Tatiana A

Catégories: National

Fihezama : Mitaiza ny tanora amin’ny fanatanjahantena

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:38

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Ra­ko­tovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza izy ireo, na dia namaly ny antson’ny minisitera tamin’ny sabotsy 4 oktobra lasa teo aza. Nitondra ny fomba fijery ny zava-misy ary nangataka ny hampitsaharana ny herisetra sy hihainoana ny tanora, amin’ny maha mpitaiza sy mpanabe tanora azy ny Fihezama, nandritra io fihaonana io. Nanamarika ihany koa izy fa tsy nisolo tena ny Gen Z izy ireo ary laviny marindrano izany. Tsiahivina fa nahitana mpanao fanatanjahantena maromaro nanatrika ity fihaonana tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro lasa teo ity, raha ny loharanom-baovao.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:38

Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena 6, no hifaninana.

Hotontosaina eto Antananarivo, ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Ny 18 oktobra no fara-fandraisana anarana ho an’izay handray anjara amin’izany. Etsy ankilany, hotanterahina any Fianarantsoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­kara,sokajy 2D, lahy sy vavy ary ny Vétérans, ny 22 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao.

Manatanteraka fiarahana mikotrana isa-maraina ny Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Karate, sokajy Cadets, Junior ary Senior. Ireo karatékas mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity no miaraka manatanteraka izao kotrana sy fanazaran-tena izao, ho fanamafisana ny tanjaka.

Catégories: National

Badminton – “Mada 2025” : Hifaninana ny Senior

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:38

Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. Mahatratra 75 ny isan’ny mpandray anjara.
Fifaninanana ho an’olon-tokana ihany no hatao dia ny olon-tokana lehilahy SA1 sy ny SA2 ary ny SB1sy SB2. Eo koa ny an’ny Vétérans. Ho an’ny vehivavy indray, misy ny SA1 sy ny SB2. Mbola miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena nefa ny hahatanteraka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Na izany aza, mila miomana hatrany ireo mpilalao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasionina. Raha tsy misy ny fiovana, aorian’ity sokajy Senior ity no hiditra an-tsehatra indray ny Junior, ny volana novambra.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra : Hanazatra ny Young Africans Tanzanie ny Coach Rôrô

Les Nouvelles - mar, 10/07/2025 - 07:38

Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy.

Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakoton­drabe Romuald Felix (Coach Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, fa marina ny vaovao nivoaka tamin’ny tambanjotran-tserasera, omaly. Han­deha hanazatra ny ekipan’ny Young Africans Sports Club (Yanga) Tanzanie ny tenany. Nambarany nandritra ny resaka nifanaovana taminy fa efa vita ny sonia sy ny fifanarahana roa taona azo havaozina eo amin’ny roa tonta. Miankina aminy sisa ny tsy mbola hiaingany satria mbola mamarana ny nifanarahana tamin’ny Federasionina malagasy (FMF) sy ny Yas Madagasi­kara ny tenany. Raha tsy misy ny fiovana, hamonjy io ekipa io izy amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.
Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny vady aman-janany. Afaka mitondra olona telo koa izy handrafitra ny ekipa teknika. Tsiahivina fa ekipa D1 ao Tanzanie ny Young Africans Sports Club ary miatrika ny fiadiana ny “Ligue des champions Afrique”, amin’izao fotoana izao. Laharana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena Tanzanianina.
Nangataka azy ho mpanazatra koa ny Simba Club saingy tsy matotra, araka ny nambarany fa mivoaka miditra. Teo koa ny Al Merrick Soudan, misy an’i Nicolas sy i Feno­hasina, saingy tsy nety taminy noho izy ireo tsy manana Kianja fa any ivelany no miatrika ny fifaninanana.
Mahakasika ny lalao hataon’ny Barea de Mada­gasikara A indray, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”. Nolazainy fa sarotra nefa azo atao. Tsy matematika ny baolina kitra, hoy izy, ary tsy mahafantatra izay tanjak’i Comores sy i Mali amin’izao fotoana izao ny tenany ka tsy afaka ny hanome ny heviny fa mirary soa ho azy ireo hahazo ny isa 6.

Tompondaka

Catégories: National

Pages