Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Allemagne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Grünauer BC, fifandonana izay tafiditra amin’ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny amboaran’i Berlin. Nahatafiditra baolina iray sy nahavita tolotra tokana tsara izy tamin’ity fifanandrinana ity, ka nandresy 6 no ho 1 ny klioba misy azy. « Efa ela aho izay tsy nizara vaovao… Tsy hoe nanjavona aho, fa niasa mangina tany ambadika, tsy dia nanam-potoana hilalaovana. Fa rehefa omena fotoana aho, dia manome 100 % foana!», hoy i Bolo. Ho an’i Bolo, tsy ny fotoana lany eny an-kianja no tena zava-dehibe, fa ny finiavana sy ny fahavononana hanararaotra ny fe-potoana hampisehoana ny fahaizana rehetra.
Ny alahady ho avy izao, hifandona amin’ny Dynamo, Berlin, ny klioba misy an-dry Bolo. Tsy miova ny tanjona, hoy izy, dia ny hitady vokatra tsara ho an’ny ekipa hilalaovana. Mpilalao manana fahavononana sy mikiry ny hitady vokatra tsara tahaka an’i Kanto Fitiavana Voahariniaina, hita ho banga ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy Barea.
Fitia Randria
Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia.
Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo Malagasy roa, dia ry Nicolas sy Fenohasina Gilles. Namiratra tanteraka izy ireo teny ambony kianja, saingy tsy nahatafiditra baolina. Tsara ny mampahatsiahy fa nampisongadina azy mirahalahy, ny “Chan 2024” farany teo.
Araka ny fikarohana natao, manomboka liana sy manomana paikady vaovao hakana an’i Endrick, brezilianina mpilalaon’ny Real Madrid FC Espagne, ny Olympique de Marseille (OM). Andrasana ny fitohizan’ity raharaha ity amin’ny volana desambra sy ny janoary ho avy io, izay fe-potoana natao ho fifindrana klioba.
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa malagasy Ankoay 3×3, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao ny 4 hatramin’ny 7 desambra izao, eto Madagasikara. Nanomboka omaly ny fampivondronana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Eny amin’ny Petit Palais Mahamasina no hiatrika izay fampivondronana izay ireo mpilalao ary manatanteraka fanazaran-tena isan’andro, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly FMBB, Razafiarivony Solofohery Angelot. Hatreto, tsy mbola nisy ny lisitra ofisialy avy amin’ny kaomisionina teknika fa izay tratra antso teto Antananarivo ihany ireo manaraka fampivondronana ireo. Mbola hisy ny mpilalao hafa avy any amin’ny faritra ho avy, raha ny fanazavana hatrany. Vehivavy mpilalao miisa 12 sy lehilahy 12 isa no tokony hiatrika ity fampivondronana ity, saingy mbola tsy feno izy ireo. Anisan’ny ao anatin’ireo hotsongaina andrafitra ny ekipam-pirenena ihany koa i Muriel sy i Christiane, saingy efa mpilaravinahitra izy ireo, satria efa mpilalaon’ny Tamponnaise Renioney, raha ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly hatrany. Manoman-tena mafy ny Ankoay ary vonona hitazona ny anaram-boninahitra izay norombahina tamin’ny taona 2024.
Mi.Raz
Ho anisan’ireo taranja vonona hiatrika ny lalao afrikanina ho an’ny tanora 2025 ny taranja rugby. Handray anjara amin’izany ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo ka hosedraina ireo miatrika ny fampivondronana anio.
Hotanterahina ao Luanda Angola, ny 10 ka hatramin’ny 20 desambra ho avy izao, ny andiany fahefatra amin’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora amin’ity. Fifaninanana natokana ho an’ireo latsaky ny 17 taona. Anisan’ireo handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Lalao rugby ho an’olona 7 izy ity.
Efa ao anatin’ny fanomanana izany amin’izao fotoana izao ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby. Miatrika ny fampivondronana eny amin’ny kianja Makis rahateo ireo ankizy nantsoina hanaovana fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Araka izany, hisy ny lalao tsapa hifanaovan’ireo kilonga voaantso amin’ity zoma ity. Jerena amin’izy ireo voalohany, araka ny nambaran’ny teknisianina, ny fahaizam-baolina, ny haben’ny vatana ary ny tanjaka.
Raha tsiahivina, efa nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’ity lalao afrikanina ho an’ny tanora ity ny Makis sokajy vehivavy, nandritra ny fihaonana natao tany Algerie, ny taona 2018. Resin’i Tunisie teo amin’ny famaranana ireo ankizivavy, tamin’izay. Ny hihoatra izany zava-bita izany no tanjona amin’ity, na ho an’ny ankizilahy na eo amin’ny ankizivavy.
Raha hiverenana kosa ny mahakasika ity lalao afrikanina ho an’ny tanora ity, i Angola no firenena “lusophone”, izany hoe, miteny portioge, voalohany mampiantrano ny fihaonana. Mahatratra 54 ireo firenena hifaninanana sy hiady lohany ho an’ity andiany fahefatra ity. Miisa 33 ireo taranja hifaninanana ka anisan’izany ny atletisma, ny basikety lalaovina olona 3 sy 5, ny ady totohondry, ny hazakazaka am-bisikilety, ny baolina kitra, ny Beach soccer, ny futsal sy ny hafa.
Tompondaka
Namoaka filazana ny Fitantanam-paritry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga, faritra Diana. Voalaza fa mikatona ny fotoam-panjonoana ny karazan-trondro sardine. Araka izany, voarara manomboka ny 1 novambra 2025 ho avy izao, hatramin’ny 31 marsa 2026, ny jono, ny fitaterana, ny varotra ary ny fihinanana an’io karazan-trondro io sy maitso voho manerana ny faritra Diana. Antony, fotoana fanatodizan’ity karazan-trondro ity io fe-potoana io, ka tsy maintsy tsinjovina ny hitomboan’ny taranany.
Esorina ny anaty kibo
Ankoatra izany, tsy maintsy esorina kosa ny anaty kibony, mialoha ny hivarotana azy, ny karazan-trondro Kikao (Carangidae), ny Jano (Sphyraenidae), ny Alovo (Serranidae), ny Antafa, ny Zompona (Mugilidae), ny Henjy (Siganidae).
Hamafisina fa voarara tanteraka ny fangalana sy ny fihinanana ny Fano na Soka-dranomasina satria biby arovana sy tandindomin-doza.
Mahavoasazy ny tsy fanajana ireo voalaza ireo ary hampiharana ny lalàna manan-kery.
Njaka A.
Araka ny zava-misy amin’ izao fotoana, mbola baraingo ny resaka hanohizana ny asa fanavaozana ny kianja Barea Mahamasina. Tsiahivina fa ity kianja ity, tokony ho nanaovan’ ny Caf fitsirihana, tamin’ ny herinandro lasa teo, saingy nahemotra izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Tsara ny mampahafantatra fa efa tsy nahazo fankatoavana mihitsy ity kianja iray eto Madagasikara ity, nandritra ny taona maro. Araka ny filazan’ireo mpijery sy mpankafy ny Barea, anisan’ny lesoka tsy nahazoan’ ny ekipa nasionaly vokatra tsara nandritra ny fiadian-toerana “Can 2025” sy ny “Mondial 2026” farany teo, ity tsy fisiana kianja ity, ary miteraka fatiantoka ho an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), satria mivoaka any ivelany foana izy ireo isaky ny mandray lalao. Misy moa ny nametraka fanontaniana hoe: « Oviana ny Malagasy no mba hiaina lalao iraisam-pirenena? ». Ny volana febroary teo moa no nanao fitsirihana farany teo Mahamasina ny Caf, ary singa iray tamin’ireo sivy nangatahana, toy ny bozaka, no tsy nahazoan’io kianja io fankatoavana tamin’ ity resaka fampiantranoana lalao iraisam-pirenena ity, raha toa ka neken’ny Kaonfederasiona afrikanina avokoa ireo valo ambiny. Andrasana moa ny tohin’izany, amin’izao.
Fitia Randria
Hotanterahina anio 16 oktobra sy rahampitso 17 oktobra ilay seminera lehibe hiarahan’ny manam-pahaizana frantsay, i Anthony Masblanc, nahitana fihemorana indroa. Ao amin’ny Dojo Esca Antanimena, amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 6 ora sy sasany no hanaovana ity seminera ity, raha ny fandaharam-potoana efa napetraka. 10 000 Ariary kosa ny saran’ny fandraisana anjara.
Tonga nitsidika ireo mpilalao manerana an’i Afrika, izay niatrika ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, natao tany Le Caire, Egypte, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, no sady filohan’ny “Commission Développement”, eo anivon’ny Fiba Afrika, Ramaroson Jean Michel. Tontosa ny 12 hatramin’ny 15 oktobra moa ity fiofanana ity ho an’ny sokajy vehivavy ary hanomboka ny 19 oktobra izao kosa ny ho an’ny sokajy lehilahy.
Efa manomboka ary hifarana ny 8 novambra ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo ekipa handray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy Vétérans, lahy sy vavy. Hotanterahina any Fianarantsoa, ny 22 hatramin’ny 29 novambra izao, ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Vétérans, lahy sy vavy, ity. Ny ligin’ny Matsiatra Ambony no tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana sy fandaminana rehetra.
Hotontosaina ny alahady 19 oktobra izao avokoa ireo lalao rehetra tsy tontosa ny faran’ny herinandro teo, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Lalao manasa-dalana sy famaranana ary fiadian-toerana fahatelo, ny hotanterahina eo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona, lahy sy vavy. Ny famaranana sy fiadian-toerana fahatelo kosa no hatao ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, raha ny fandaharan-dalao. Araka izany, hihaona voalohany amin’ny manasa-dalana, ny ekipan’ny Fandrefiala sy ny JCBA, eo amin’ny manasa-dalana ho an’ny U12, vehivavy, raha toa ka ny ASSM sy ny MB2All no hifandona etsy ankilany. Eo amin’ny sokajy U12, lehilahy kosa, hihaona amin’ny manasa-dalana voalohany, ny ekipan’ny Cosfa sy ny TSBB, raha toa ka ny MB2All sy AKBB kosa no hifandona eo amin’ny manasa-dalana faharoa. Hafana ihany koa ny lalao famaranana ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, ka hifandona eo amin’ny vehivavy, ny ekipan’ny MB2All sy ny Lucadro. Etsy ankilany, hifanandrina eo amin’ny famaranana, sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny AKBB.
Mi.Raz
Vita tanteraka ny fifanintsanana isam-bondrona, niadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Miisa 9 izy ireo, izay voalohany tao anaty sokajy nisy azy avy. Miandry ny toerana iray hiadiana amin’ny sakana, izay hahazo azy ny rehetra. Hiadiana amin’ireo kaontinanta hafa izany.
Tapitra ny talata lasa teo, ireo fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny faritr’i Afrika, amin’ny fiadian-toerana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo firenena 9 tafita mivantana amin’izany dingana famaranana izany.
Miisa efatra ireo ekipa magrebianina dia i Maroc, Tunisie, Egypte, Algerie. Ankoatra izay, i Ghana izay niray vondrona tamin’ny Barea de Madagascar, i Cap-Vert, sambany ary voalohany eo amin’ ny tantarany hiatrika ny “Mondial”. Manampy azy ireo i Afrika Atsimo sy i Côte d’Ivoire ary i Senegal.
Fantatra taorian’izay koa ireo firenena efatra nahazo ny toerana faharoa tsara indrindra ka hanao ny lalao sakana ho an’i Afrika dia i Cameroun izay sahirana nandritra ny fifanintsanana. Eo koa i Gabon miampy ny RD Congo sy i Nigeria. Raha ny fandaharam-potoana, hifandona eo amin’ ny manasa-dalana ny “final four”, i Gabon sy i Nigeria ary RD Congo hifanandrina amin’ ny Cameroun. Araka izany, tsy maintsy hisy firenena goavana ho very amin’ity.
Hotanterahina any Maroc, ny 13 ka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao, ny fihaonana eo amin’izy ireo ka hisolo tena an’i Afrika eo amin’ ny lalao sakana kaontinantaly “Barrages inter continentaux” izay ekipa tompondaka eo.
Ekipa 6 no hifanandrina amin’izany ka hanana solontena amin’izany Amerika Avaratra sy Afovoany ary Atsimo. Eo koa i Azia sy Oseania ary i Afrika. Hifandimby hifanandrina izy ireo ny volana marsa ho avy izao ka hahazo ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, ireo ekipa roa manao famaranana amin’ity “Barrages intercontinentaux” ity.
Tompondaka
Tonga teo anoloan’ny biraon’ny fokontany Amboditsiry ny andian’olona vitsivitsy, ny marain’ny talata 14 oktobra 2025 teo. Notakin’izy ireo ny hialan’ny sefo fokontany. Ny tolakandron’iny ihany, fantatra fa nametra-pialana ramatoa Sefo fokontany.
Tsy mazava hatreto ny tena antony nialany. Fa misy kosa ny loharanom-baovao milaza fa nisy tokantrano vitsivitsy nahitana entana halatra sy norobaina, tamin’ireny raharaha fandrobana ny alin’ ny 25 septambra ireny. Ka ireo olona ireo no nitarika olon-kafa hanongana azy.
Ny lehiben’ny distrika no manendry ny sefo fokontany hatramin’izao fa tsy fidin’ny fokonolona. Noho ny toe-draharaha, anefa, tsy fantatra ny fanapahan-kevitry ny distrika miahy ny boriborintany fahadimy. Misy ny fikasana hanao fivoriambem-pokonolona, saingy tsy fantatra na hanan-kery na tsia ny fanapahan-kevitra hanoloana izay handimby ny sefo fokontany. Satria, tokony hisy ny hiantoka ny fampandehanan-draharaha sy indrindra ny fanaovan-tsonia sy fitomboky ny fokontany. Marihina fa misy ny lefitry ny sefo fokontany Amboditsiry.
Mila jerena akaiky ihany koa ilay raharaha entana halatra voalaza etsy ambony.
Njaka A.
Manoloana ny vaovao navoakan’ny Sport News Africa, omaly, izay milaza fa mandalo fanadihadiana eny amin’ny fitsarana ny mpanazatra Barea U17, Randrianarisoa Yvon, noho ny fakana vola tamin’ireo ray aman-dreny mba hanatsofohana azy anaty ekipam-pirenena. Nanamafy ity teknisianina malagasy ity, omaly, fa tsy marina velively ny voalazan’io mpanao gazety any ivelany io. «Fanenjehana sy ny fanasoketana fotsiny ny ataon’izy ireo, raha misy ny porofo dia afaka mampandroso izany izy ireo», hoy Randrianarisoa Yvon, mpanazatra ny Barea zandriny nandritra ny Cosafa U17.
Raha ny nambarany ihany, tsy misy fanadihadiana fitsarana hatao aminy izany amin’izao fotoana izao. Mbola nodisoiny ihany koa moa fa tsy marina ihany koa ilay filazana fa nandray ilay lelavola 12 000 euros ny tenany. «Raha nisy ray aman-dreny nangalako vola mahakasika izany, afaka milaza izany ry zareo fa amiko ny zavatra toy ireny, fanakorontanana sy fanadalana saim-bahoaka fotsiny ihany», hoy hatrany ny Coach Yvon.
Nilaza moa ity mpanazatra ity farany fa tokony ny tombotsoan’ny firenena amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, no jerena fa tsy ny vaovao ratsy sy tsy manana porofo tahaka izao, aely manerana ny tanàna. «Baolina izany fifankatiavana !». Hafatra avy amin’ny Coach Yvon. Andrasana moa ny vaovao mety havoakan’ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra FMF, mahakasika ity raharaha ity, satria ny ekipam-pirenena no voaresaka.
Fitia Randria
Anisan’ny mpikatroka hifanandrina mandritra ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hotanterahina ny 23 novambra izao, any Toamasina, i Tiavina avy amin’ny Gasy Pro sy i Tsididy, avy amin’ny Le Roi Tiger’s. Hiady ny amboara eo amin’ny sokajy latsaky ny 54 kg Junior izy roa lahy ireo, amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa efa andiany faha-3 ity fifaninanana ity ary mbola hisy andiany farany, amin’ity taona ity, ny volana desambra izao.
Eto Antananarivo no hanatanterahana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy “2 éme division”, taranja Volley-ball, fa tsy any Fianarantsoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball. Tsiahivina fa ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao no hanaovana ity fifaninanana ity izay hifanindry an-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy.
Hifarana anio 15 oktobra ilay fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, taranja basikety, ho an’ny sokajy vehivavy. Fiofanana natao tany Le Caire, Egypte nandraisan’ny solontena malagasy anjara ny mpilalao, Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina, avy amin’ny klioban’ny New Academic’s Sport, miaraka amin’ny mpanazatra malagasy, Ravonimboangy Eléonore. Hanomboka ny 19 oktobra izao ny an’ny sokajy lehilahy, ka hanana solontena amin’izany ihany koa i Madagasikara.
Nambaran’ny talen’ny Marathon international de Tana (MIT), tamin’ny alalan’ny taratasy fampahafantarana ny herinandro lasa teo fa foana ny andiany faha-20 amin’ity fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka ity. Fihaonana tokony hotanterahina ny sabotsy 18 sy ny alahady 19 oktobra ho avy izao. Nomarihin’ny filazana fa tsy hoe tsy hisy intsony akory ity “Marathon international de Tana ity fa hahemotra amin’ny taona 2026. Noho ny toe-javatra misy eto amin’ny firenena ny antony ary zava-dehibe ho an’ny mpikarakara ny fiantohana ny ain’ny atleta ka izany no antony nandraisana ny fanapahan-kevitra na mavesatra ho an’ny mpikarakara aza, noho ireo zavatra maro efa voaomana. Etsy amin’ny Lapan’ny tanàna mantsy no toerana hanatanterahina izany, saingy iarahan’ny rehetra mahita ny zava-misy eo. Ankoatra izay, na efa nisy aza ireo nampanantena ireo tomponandraikitra fa eo am-pikarakarana ny hamerenana ny vola sarany efa voaloan’ireo atleta izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Tompondaka
Hotanterahina any Kaomoro, ny 29 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025 izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja beach-volley, fihodinana faharoa. Ekipa malagasy roa no hifaninana amin’izany.
Tsy diso anjara amin’ity “beach-volley zone 7, Round 2” ity i Madagasikara, fifaninanana hatao ao amin’ny torapasik’i Itsandra, Kaomoro. Ekipa roa (lahy sy vavy) no hisolo tena ny Malagasy amin’izany, araka ny fanazavana avy amin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasy, Raoelison Hasimbola Famonjena. Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fihodinana voalohany avokoa ireto ekipa malagasy handray anjara ireto, izay ahitana an’i Thierry sy i Bertho, eo amin’ny sokajy lehilahy, ary i Andri sy i Mommy kosa no eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny volana marsa lasa teo no nanatanterahana io fihodinana voalohany io, tany Maorisy, ka tsy nisy niatrika ny manasa-dalana ny ekipa malagasy tamin’izany, raha hiverenana ny voka-dalao. Tamin’ny taon-dasa kosa, laharana fahatelo no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny fihodinana faharoa, tamin’ity fiadiana ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, beach-volley ity.
Amin’ity kosa, firenena 6 no handray anjara, ahitana an’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayottes, Kaomoro ary i Madagasikara. Hiady tanteraka ny lalao satria efa samy nanana fotoana lava nanomanana avokoa ireo ekipa rehetra hifaninana. Ho an’i Madagasikara, vonona ny hanitsy ny lesoka ireo ekipa roa hisolo tena ny Malagasy ireo, ka haka ny amboara indray no tanjona. Tsiahivina, efa nandrombaka ny anaram-boninahitra tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ho an’ny faritra faha-4, izay natao teto Madagasikara, teo amin’ny taranja beach-volley, i Madagasikara, ny taona 2024, tamin’ny alalan’i Andri sy i Mommy, sokajy vehivavy.
Mi.Raz
Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity ady tapakila hiakarana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Raha mihatra ilay lalana navoakan’ny Fifa, tsy anisan’ ireo firenena hiatrika ny lalao sakana ho an’ireo ekipa efatra nahazo ny laharana faharoa tsara indrindra intsony ny Malagasy mpilalao. Raha tsy mihatra kosa izany, mbola hiankina amin’ny vokatra azon’ny firenena hafa, toa an’i Cameroun, ny dian’ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny Aigle de Mali, tamin’ ny isa mavesatra 4 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara, afakomaly, tany Bamako, Mali. Na dia resy aza ny ekipa nasionaly malagasy, azo lazaina fa nahavita dingana tsara ihany izy ireo. Mitana ny laharana faharoa tao amin’ny sokajy nisy azy, izay nahitana an’i Ghana, Mali, Centrafrique, Comores, i Tchad, izy.
I Ghana aloha no solontenan’ny vondrona “I”, any amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, izay tanterahina any Meksika, Etazonia, ary i Canada. Andrasana indray ny laharana azon’ ny Barea ao amin’ny Fifa, taorian’iny fifanintsanana Mondial 2026 iny. Ho fantatra ny 23 oktobra ho avy io izany, ary ampahatsiahivina ihany fa eo amin’ny faha-108 ny Barea ankehitriny.
Fitia Randria
Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny New Academic’s Sport, miaraka amin’ny mpanazatra malagasy, Ravonimboahangy Eléonore, miatrika ny fiofanana.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny antsapaka sy fivoriana ara-teknika ho an’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket 3×3”, karakarain’ny Seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Marobe ny mpandray anjara, izay ahitana ekipa 384 be izao, avy amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona, latsaky ny 12 taona, latsaky ny 14 taona ary latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eny amin’ny Kianja Barea no hanaovana ny fifaninanana, ny 18 sy 19 oktobra izao.
Nanatanteraka fifaninanana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny Federasionina malagasin’ny taranja Badminton, ny faran’ny herinandro teo. Andrasana ny fanambarana mety ho fitohizan’ity fifanintsanana ity amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano.
Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy misehatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 novambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy ny any amin’ ny tapany atsimon’ny Nosy. Araka izany, mpilalao sy mpisehatra eo amin’ity taranja ity no antsoina hiatrika izao fampiofanana izao. Izay 40 tonga misoratra anarana voalohany no hiatrika izany, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy maintsy mandefa solontena avokoa anefa ireo ekipa rehetra ara-
dalàna hanaraka ny fiofanana. Misy ny fepetra, ka izay 18 taona no mihoatra no afaka miofana ho mpanazatra. Ny 20 oktobra izao kosa ny daty farany handraisana ny anaran’izay maniry ny hiofana ka hitondra fampivoarana ho an’ity taranja ity.
Mi.Raz
Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby.
Hotanterahina any Kenya, ny 16 sy 17 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 7. Hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “World Series Challenger 2026”. Anisan’ireo firenena hiatrika izany ny Makis Ladies. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, fa hatramin’izao tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, izay mitentina 7500 euros. “Tokony ho voaloa amin’ny 15 oktobra izao izany”, hoy izy. Koa miantso ny minisitra mitantana vonjimaika ny fanatanjahantena sy ny praiminisitra izy hijery akaiky izany, indrindra ny vola niatrehan’ny Makis Ladies ny Can natao teto Madagasikara farany teo.
Nohararaotin-dRakotomalala Marcel ihany koa ny fotoana nanaovana ny tatitra mahakasika ny fivoriamben’ny World Rugby, natrehiny tany Londres, ny faran’ny volana septambra lasa teo. Tamin’ izany no nanambarany fa resy lahatra ny tomponandraikitry ny Federasionina iraisam-pirenena fa mandroso ny baolina lavalava eto Madagasikara, na ny lalaovin’olona 15 na ny lalaovin’olona 7. Izany no nahazoan’ny Malagasy Rugby fanasana manokana. Ankoatra izay, nisy fampisehoana ny rugby malagasy sokajy vehivavy, nataon’ny dokotera Felana sy i Ando, tomponandraikitry ny rugby vehivavy, tany an-toerana. Teo koa ny nanasana an’i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies, tamin’ny fanokafana ny “Mondial” tao Londres. Araka izany, hanampy ny rugby sokajy vehivavy ny Solidarité olympique. Nampirisika ny teknisianina izy ireo amin’io lalao hataon’ny Makis ladies any Kenya io. Tsiahivina fa efa nahazo ny tapakila hiatrehana io “World Series Challenger” io ny Makis sokajy lehilahy.
Tompondaka
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Manamarina izany ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Midika izany fa marary ny fiarahamonina misy antsika, marary ny vahoaka malagasy, marary i Madagasikara. Manamafy ny FMMM fa miombon-kevitra amin’ireo tanora manerana ny Nosy tohanan’ny ankolafin’olom-pirenena amin’ ny faritra rehetra eto Madagasikara. Manameloka ny jadona sy ny fisamborana ary ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sasany koa izy ireo. Miara-ory amin’ireo namoy havana, anisan’izany Marhoum Rivaldo, izay zanaky ny antokom-pinoana Silamo sy ny fianakaviamben’ny miozolomanina.
J.C