Asa fivarotana eny Analakely sy ny manodidina : Mahazo tombony 10 000 Ariary isan’andro ny mpivarotra kafe iray

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:54

Rano fisotro efa mahazatra ny Ma­lagasy amin’ny an­kapobeny ny kafe. Misy amin’ireo mpi­sehatra amin’izany no milaza fa mahita tombony manodidina ny 10 000 Ariary isan’ andro. Misy tom­bon­tsoa sy voka-dra­tsy anefa izy ireny.

Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa na alohan’ny hiasa iny ny olona no misotro izany. Mahazo tombony eo amin’ny 10 000 Ariary isan’andro eo ny mpivarotra kafe iray, araka ny fanadihadiana natao taminy, teny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho tononina anarana noho ny antony manokana. Nambarany, ta­min’izany, fa mifoha vao maraim-be izy ireo mikarakara ny kafe hamidy eny an-tsena. «Mifoha amin’ny 3 ora na 4 ora maraina eo izahay mikarakara ny kafe hamidy. Izahay ihany no manendy ny kafe amidinay, fa tsy maka amin’
ireny épicerie ireny», hoy ity mpivarotra kafe etsy Ana­lakely ity. 300 Ar sy 400 Ar ny vidin’ny kafe eran’ny kaopy ho an’ity tovolahy iray ity. Raha ny fanazavana nomeny, hatao amin’ny sarany ambany ny kafe tsotra sy ny tapany.

30 litatra

Mahalany kafe 30 litatra isan’andro eo ity mpivarotra ity, raha ny filazany. «Ma­nodidina ny bidon iray sy tapany eo ny lany isan’andro rehefa mivarotra ety. Azo lazaina hoe 30 litatra eo izany no lafo», hoy hatrany ity lehilahy iray misehatra amin’ny fiva­rotana etsy Analakely ity. «Mandany siramamy telo kilao eo ho eo izahay rehefa mivarotra, ary ny ronono moa dia boaty iray, amin’ny siny iray», raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, nampahafantariny tao anatin’ny fanadihadiana fa mahatazona hafanana mandritra ny adiny enina eo ny siny entin’izy ireo. Nisy tamin’ireo mpanjifa ity zava-pisotro ity moa nanaovana fanadihadiana mahakasika ny hitiavan’izy ireo misotro kafe. «Rehefa reraka iny aho, na makafoky ny asa andavanandro, mba misotro kafe kely, satria izy ireny indraindray no manome hery sy tanjaka ho ahy», hoy i Mirantsoa, mpianatra sady mpiasa eny Ana­lakely. «Rehefa misotro azy itony aho toy ny hoe afaka izany ilay sorisory sy ireo tery amin’ny fiainako», hoy kosa i Nary, mpivarotra kiraro eo Analakely.

Miteraka vokany tsara sy ratsy ny kafe

Anisan’ny fahazarana fa­nao andavanandro ho an’ny olona maro ny fisotroana kafe, indrindra amin’ny maraina. Raha amin’ny fatra antonony ny hanaovana izany, azo lazaina ho manampy amin’ny fahasalamana sy ny asa saina izy io, saingy mety ho loza mitatao kosa rehefa tafahoatra. Amin’ny ankapobeny, misy kafeinina ny kafe, izay manampy amin’ny fampiakarana ny herin’ny vatana sy ny fifantohana. Mety hahasoa amin’ny fiatrehana asa na fianarana. Misy vokatra ara-pahasalamana tsara koa, satria manankarena «anti-oxydants”, manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina sasany, toy ny diabeta, aretin’ny aty, na ny “Alzheimer” sy ny “Parkinson”.
Tsy vitan’izay fa mampiakatra ihany koa ny “dopamine”, izay manatsara ny toe-po sy manampy amin’ny ady amin’ny fahakiviana io vokatra io.
Etsy ankilany, mety ha­nampy amin’ny fandoroana tavy sy ny fitazonana lanja ho an’izay mitandrina amin’ny fanjifana sakafo, ny kafe.
Na izany aza, mety hampidi-doza ny fisotroana azy ity be loatra. Miteraka tsy fahitan-tory, fientanentanana tafahoatra, fanina, ary fikorontanan’ny fitempon’ny fo. Misy koa ireo mahatsapa fivalanana na fandoavana rehefa misotro be loatra. Ankoatra izany, mety hampiakatra tosidra amin’ny olona efa marefo.
Tsy tokony hisotro mihoatra ny telo kaopy isan’andro ny olona salama, ary iray kaopy monja ho an’ny bevohoka. Tsy azo atao ny misotro kafe amin’ny hariva, fa mety hanelingelina ny torimaso.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

Indice de Bonne gouvernance Chandler: Madagascar réalise des avancées positives

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:28

D’après l’Indice Chandler de Bonne Gouvernance pour l’année 2025, Madagascar se positionne à la 106e place sur 120 pays, avec un score de 0,346. Madagascar a réalisé des progrès prometteurs, notamment en matière d’adaptabilité, de l’égalité des sexes et d’efficacité des dépenses publiques. Mais beaucoup reste à faire.
Toutefois, malgré des avancées, ce classement de Madagascar révèle des lacunes. Les faibles performances du pays dans des domaines tels que la justice, les institutions publiques, l’éducation, la santé et l’environnement, nécessitent des réformes profondes, d’autant que l’indice de développement humain (IDH) à Madagascar est parmi les plus faible au monde, en se référant au Rapport sur le développement humain 2025 de la Banque mondiale. La Gran­de île cherche néanmoins à améliorer sa gouvernance avec des stratégies comme la SNLCC 2025-2030, axée sur la lutte contre la corruption et la transparence.
Cependant, le manque de moyen est aussi évoqué. Selon l’indice de perception de la corruption, l’insuffisance de moyens financiers et matériels, freine la lutte contre la corruption et favorise l’instrumentalisation de la justice.
A noter que l’Indice de Bonne Gouvernance Chand­ler est un outil conçu pour mesurer la capacité des gouvernements, à gérer efficacement les ressources publi­ques et à répondre aux besoins de leur population.
En Afrique, la Républi­que de Maurice se distingue en tant que leader africain, suivie par le Rwanda et le Botswana. La Grande île se classe au 19e rang ex-æquo avec la Malawi.

Jean Riana

Catégories: National

Une grande enquête

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:28

En faisant appel aux enquêteurs du FBI, les autorités malgaches jouent carte sur table dans cette affaire de falsification de certificat d’immatriculation des 5 Boeing 777 sous pavillon malgache, censés être en maintenance au Kenya, mais qui ont mis le cap discrètement sur l’Iran. L’Etat n’a rien à cacher à travers cette collaboration et ne souhaite qu’une chose, tout autant que l’opinion publique, pour faire taire les mauvaises langues : démêler cette affaire complexe en toute transparence, quoi qu’en disent les opposants. L’ima­ge du pays est en jeu, surtout dans un contexte où Madagascar s’apprête à accueillir le sommet de la Sadc.
Dans l’état actuel des choses, la question « est-ce que les enquêteurs nationaux, ne sont pas à la hauteur, nécessitant la présence significative du FBI ? », ne devrait pas se poser. Le problème n’est pas là. Les investigations ont révélé l’existence d’un réseau transnational de falsifications de documents dans le secteur du transport aérien, en utilisant des sociétés écrans et de façade comme UDAAN Potentials Ltd, pour dissimuler l’identité véritable des commanditeurs. Raison pour laquelle, l’Etat malgache a sollicité l’aide du FBI car sous cet angle, cette affaire se rapporte à des questions d’une importance internationale qui relève de la compétence du Federal Bureau of Investigation (FBI).
A vrai dire, la demande officielle de certificat provisoire, déposée auprès de l’Aviation civile de Mada­gascar, n’est ni plus ni moins qu’un subterfuge, pour parvenir à obtenir ce fameux document, à partir duquel un faux a été fabriqué attestant que ces avions peuvent prendre leur envol avec escales, dont la destination finale est l’Iran. Une piste à suivre et à approfondir, mais pour le moment, un ressortissant indien et un opérateur malgache, sont sous les verrous. Certes, étant les premiers principaux suspects et les personnages clés qui ont facilité le contournement des sanctions internationales en matière de vente des avions à l’Iran, ils seront soumis au feu roulant des questions des enquêteurs du FBI. Une grande enquête.

J.R

Catégories: National

Plan stratégique indicatif de développement régional : des nouveaux défis pour la Sadc

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:28

Madagascar joue un rôle central dans l’élaboration des orientations stratégiques de la Communauté de développement de l’Afrique australe (Sadc). Les hauts fonctionnaires et experts régionaux, réunis au Centre de conférences internationales (CCI) d’Ivato, ont clôturé hier les travaux techniques liés à l’examen du Plan stratégique indicatif de développement régional (RISDP), dans le cadre des préparatifs du 45e Sommet des chefs d’Etat et de gouvernement, prévu les 17 et 18 août à Antananarivo.

Cette réunion technique, qui s’est déroulée dans un climat constructif, a permis de finaliser des décisions majeures qui orienteront les politiques de développement régional au cours des prochaines années.
La révision actuelle du plan vise à intégrer les nouveaux défis, notamment ceux liés au changement climatique, à l’innovation technologique, à la stabilité politique et à l’autosuffisance alimentaire, conformément au thème de ce sommet, «Promouvoir l’industrialisation, la transformation du système agricole et la transition énergétique pour une Sadc résiliente»,
Ce plan stratégique s’inscrit dans la droite ligne de la vision 2050 de la Sadc et
s’aligne également sur les priorités fixées par l’Etat Malgache. Il trace les grandes lignes de développement économique, social et environnemental de ses Etats membres.
En marge de cette journée, la cérémonie de passation de service à la tête du Comité des hauts fonctionnaires de la Sadc, a eu lieu. Le Secrétaire général du ministère des Affaires étrangères du Zimbabwe, président sortant, a passé le flambeau à son homologue malgache, désormais chargée de la coordination des travaux.
Dans la foulée, les participants ont unanimement salué la qualité de l’organisation des travaux au CCI Ivato, ainsi que l’engagement de Madagascar en faveur d’une intégration régionale effective et durable. «L’accueil, le cadre et le sérieux des échanges témoignent du rôle croissant que joue Madagascar dans la région», a souligné un représentant diplomatique.
La capitale malgache s’apprête désormais à ac­cueillir les délégations officielles pour le Sommet des chefs d’Etat. Celui-ci devrait entériner les grandes décisions issues des réunions préparatoires et renforcer la coopération entre les 16 Etats membres de la Sadc, dans un esprit de solidarité, de développement inclusif et de souveraineté partagée.

S.A

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:26

Naneho ny fankasitrahany sahady ny fahatanterahan’ny fivorian’ny Sadc, andro voalohany, afakomaly, ny sekretera mpanatanteraka, Elias Magosi. Nambarany tamin’ny minisitra Rasata Rafaravavi­tafika, tetsy Anosy, izany. “Tsy nisy nokianina hatreto ka arahabaina ianareo”, hoy izy. Tsiahivina fa hifarana ny 17 aogositra ny fivoriana.
Naneho ny heviny ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, fa miandry sy manantena ny mpitantana ny vahoaka. Eo ny vita fa misy ireo tsy maintsy efaina, araka ny nambarany. “Tazony ny teny nomena, mifanome tanana no mety noho ny mifanome tsiny. Mijoroa daholo ireo nomena sy nangataka andraikitra fa tsy vitan’olona iray ny fampandrosoana”, hoy izy.
Tsy matahotra ireo miteny etsy sy eroa raha tena tomponandraikitra mijoro sy matoky ny ataony ary tena mitondra tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Randria­ma­sinoro Gothlieb. “Lany fotoana mamaly ny tambajotran-tserasera ireo tomponandraikitra sasany…”, hoy izy.
Nahitsy ny depiote Andriampampandry Todisoa manoloana ny fihetsiky ny filohan’ny Anteni­mierandoholona, Ravalomanana Richard. Nambarany fa tokony hianatra ny famaritana ny “Enquête parlementaire” ny filohan’io Andrimpanjakana io. “Zon’ny depiote sy loholona ny manokatra izany raha misy fandikan-dalàna…”, hoy izy.

Catégories: National

Fihaonamben’ny SADC : Hametrahana politikam-pampandrosoana maharitra!

Les Nouvelles - mer, 08/06/2025 - 07:26

Drafi-pampandrosoana stra­tejika manoritra ny fampandrosoana amin’ny faritra (RIS DP 2020-2030). Io ny ni­ompa­nan’ny andro faharoa sady fa­ran’ny fihaonan’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy manampahaizana momba ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tena tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana ma­haritra sy tsy anavahana ary mampitambatra ny faritra eo ani­von’ny Sadc ny RISDP 2020-2030, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Mandray anjara mavitrika amin’ny dinika ny delegasionina malagasy tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimba­zafy Eric, miaraka amin’ireo solontenan’ny firenena mpikamban’ny Sadc hafa.
Fantatra fa fanombohana ny asa fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 ataon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc amin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony vita omaly. Aorian’izay, ny fi­vorian’ny komity momba ny toe­karena. Izay tapaka amin’izany kosa no hoentina amin’ny filankevitry ny minisitra, izay hatao amin’ny 12 aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa “fampiroboroboana ny indostria, ny fa­nova­na ny fambolena ary ny fi­findra­na angovo ho an’ny Sadc ma­ha­ritra” ny lohahevitra amin’izao fihaonana an-tampony izao. Mi­­fanaraka tanteraka amin’ny vina Sadc 2050 ny RISDP 2020-2030 sy ny laharam-paha­­mehan’ny firenena eto Ma­­dagasikara rahateo ny lohahevitra, araka ny nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Ra­ha­­raham-bahiny. Hama­ritra ny hoavin’ny faritra mpikamban’ny Sadc ny fanapahan-kevitra hi­voaka avy amin’ireo dinika.

R. Nd.

Catégories: National

Karate – “Challenge du Betsileo”: Noraofin’ny Tekado ny medaly teo amin’ny kata

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:52

Nifarana ny alahady 3 aogositra lasa teo, tany Fia­narantsoa, ny andiany faha-4 amin’ny “Challenge du Be­tsileo”, taranja karate. Mpika­troka maherin’ny 300, avy amin’ny klioba maro, no tonga nandray anjara nandritra izany. Ny kata sy kumite ho an’olon-tokana sy isan-tarika, nanomboka tamin’ny sokajy ankizy madinika, Cadet, Ju­niors, Seniors hatramin’ny Masters, no nifaninanana. Klioba anisan’ny nisongadina indrindra teo amin’ny kata ny Tekado ary noraofin’izy ireo ny medaly teo amin’izay sokajy izay. Anisan’izany ny azon’i Miangola teo amin’ny Pous­sine, Miantso (pupille), Olivia (benjamine), sokajy zazavavy, sy ny teo amin’ny kata zazalahy, izay norombahin’i Mael (pupille), Allan (Benjamin), Mathieu (Minime). Ho an’ny kumite, mbola nahazo medaly volamena ny atletan’ny Teka­do, tamin’ny alalan’i Miantsa (pupille -25kg), Henintsoa (Benjamine -30kg). Tsy ambakan’izay koa anefa ny klioban’ny CSKAP, izay nahazo medaly volamena teo amin’ny kata junior, vehivavy, tamin’ny alalan’i Fifie. I Michael teo amin’ny kata vétérans. Teo amin’ny kumite, nandrombaka medaly volamena ny atletany, tamin’ny alalan’i Isaia (Mini­me+40), Stéphanie (Cadette -54kg), Fifie (Junior -59kg), Epiphania (Senior+69kg). Medaly volafotsy kosa no azon’ity klioba ity teo amin’ny isan-tarika, raha ry zareo avy amin’ny Jirama no nibata ny medaly volamena. Nahafapo ny fahaiza-manaon’ny mpikatroka ary nanatrika izany mivantana tany an-toerana ny filohan’ny FKM, Ratefinanaha­ry Émile, niaraka tamin’ireo ekipany. “Manana ny hoaviny mamiratra ny taranja karate ary mampisy fanantenana ireo taninketsa”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FKM.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:52

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina, ny « Sokake cup ». Fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny ekipan’ny Hienghène Sports avy any Nouvelle-Caledonie. Anio no hifarana ny fihaonana ka ho fantatra eo izay hibata ny amboara.

Notontosaina nanomboka omaly, teny Ankatso, ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny sy ny zokiny « vétérans ». Tsiahivina fa ny taranja tenisy eto Madagasikara dia efa miroborobo sy miezaka manatanteraka ny fifaninanana nasionaly samy irery. Andrasana kosa ny fifanintsanana nasionaly ho an’ireo zokiny.

Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fihaonan’i Madagasikara sy i Mauritanie, omaly, “Chan 2024”, i Toldo, Malagasy mpiandry harato Barea de Madagascar. Ny sabotsy ho avy izao moa, hiatrika ny lalao faharoa izay hifanandrinana amin’ny Burkina Faso, i Madagasikara. Tsy afaka miatrika io fifanandrinana io i Dax noho izy nahazo karatra mena tamin’ny fifanandrinana voalohany.

Catégories: National

Tsipy kanetibe – “Masters 2025” : Novaina ny firafitry ny ekipa malagasy

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:51

Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy niatrehan’i Zigle ny dingana fahatelo.
Hanova paikady, araka izany, ny mpanazatra satria efa nojeren’ireo mpifanandrina ny fomba filalaon’ny Malagasy. Efa miverina amin’ny tanjany rahateo i Zigle izay nisy tsy fetezana kely nandritra ny dingana faharoa.
Tsiahivina fa mitarika vonjimaika ny Malagasy, taorian’ireo dingana telo efa tontosa amin’ity fihaonana goavana any France ity. Norombahin’ny Malagasy ny roa. Ny voalohany, tao ST Gilles-Croix-de-Vie sy ny fahatelo tao Cluses. Manana isa 20 ny Malagasy, hatreto. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hiverina hanatevina ny ekipan’i Italie ihany koa i Diego Rizzi, rehefa tsy niatrika ny dingana fahatelo. Italie izay any amin’ny laharana fahenina, tsy manana afa-tsy isa 9. Mitovy amin’izy ireo ihany koa ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher.

Tompondaka

Catégories: National

Lalaon’ny CJSOI : Nahazo volamena 2, volafotsy 4 ary alimo 6 indray i Madagasikara

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:51

Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly.

Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny La­laon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Na­hazo medaly 12 vaovao in­dray i Madagasikara, ka volamena 2, volafotsy 4, ary 6 alimo. Nandrombaka ny me­daly dimy tamin’ireo ny mpilomano. Tamin’ny sokajy lehilahy, nahazo medaly volafotsy tamin’ny 100 metatra « brasse » Rabarison Tanteliniaina. Rakotobe Tendry Toavina kosa no nitondra avo ny sainam-pirenena niaraka tamin’ny medaly volamena, tamin’ny 50 m papillon, sy medaly volafotsy indroa: tamin’ny 200 m “nage libre” sy “100 m dos”.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, i Marie-Ange Andria­naho, nahazo medaly alimo, tamin’ny 800 m “nage libre”. Tao anatin’ny fibatana fonjamby indray, nanampy isa ny medaly i Kemba Nomeny Fi­naritra Rakotondravony, izay atleta farany nandray anjara tamin’ity taranja ity. Nahazo medaly alimo 3 izy: rehefa nahavita, 56 kg, tamin’ny “arraché”, 62 kg tamin’ny “épaulé-jeté”, ary nahita totalin’ny lanja 118 kg.
Medaly efatra ho an’ny Judoka
Medaly efatra kosa no azon’ireo Malagasy judokas. Niravaka ny medaly volamena ho an’ny lehilahy, Rakotoma­lala Sandaniaina, sokajy
-66 kg. Andriamandanonarivo Tsia­ro nahazo volafotsy tamin’ny -60 kg. Ny vehivavy indray, nanampy ny isan’ny me­daly alimo ho an’i Mada­gasikara i Malalasoa Rakoton­drainibe (-57 kg) sy Elerson Fanomezantsoa.
Ankoatra izay, tafita amin’ny manasa-dalan’ny basikety ny Ankoay zandriny. Nana­mon­tsana an’i Maorisy, tamin’ny isa 107 no ho 32, izy ireo, omaly.
Ratsy ny vokatra azo ta­min’ny taranja badminton. Resin’ny ekipa avy any Sey­chelles i Madagasikara tamin’ny lalao iraisana, ka voatery hifantoka amin’ny fifaninanana manokana amin’ny fihaonan’ny tsirairay.

Fitia Randria

Vokatry ny andro fahefatra

Nahatratra 12 ny medaly azon’ny Malagasy omaly, 2 volamena, 4 volafotsy, 6 alimo. Araka izany, miakatra ho 27 izany ny isan’ny medaly azon’ny Malagasy hatramin’izao: 11 volamena, 10 volafotsy, ary 6 alimo. Mbola mitana ny laharana voalohany i Madagasikara amin’ny filaharan’ny Lalaon’ny CJSOI 2025.

Catégories: National

Andohatapenaka : Olona roa maty voafaokan’ny 4×4

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:51

Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly.

Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny lalam-baovao Ando­ha­tapenaka, omaly atoandro tamin’ny 12 ora sy sasany. Avy amin’ny lalan’Ankasina, nihodina amin’ny « rond-point » An­dohatapenaka, io fiara io. Nan­deha mafy ny fiara ka nifaoka olona miisa roa teo amoron’ arabe. Voadona, nandritra izany koa, ny moto iray niampy bisikileta roa an’ny mpivarotra amoron-dalana teo amin’ny faritra nitrangan’ny loza. Niva­dika ilay fiara rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony. Nen­tina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra saingy tsy tana ny ain’ilay lehilahy iray voa mafy. Nifamonjena nentina eny anivon’ny HJRA ny mpamilin’ny fiara izay naratra mafy. « Niala moto tampoka nisongona ta­min’ny arabe io fiara io », araka ny fanazavan’ny nanatri-maso ny loza. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny BAC. Nosintomina avy hatrany rahateo ny taratasy fahazoan-dalana hamily an’ ilay nitera-doza. Fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ihany koa ny olona iray hafa, iray tamin’ireo naratra mafy.
Ankoatra io, mpitondra taxi-bisikileta namoy ny ainy teny Anosipatrana, afakomaly. Vaodonan’ny kamiao io lehi­lahy io ary maty. Nikasa handositra ny mpamily saingy tratra tsy lavitra ny toerana ni­tran­gan’ny loza. Marihina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana, na an-tanàn-dehibe na amin’ny lalam-pirenena, noho ny tsy fitandremana ataon’ireo mpampiasa lalana tato ho ato. Fandehanana mafy, tsy fanajana lalàn’ny fifamoivoizana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny mpamily.

Tsiferana R.

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:21

Omby miisa fito nangalarin’ny dahalo tany Farafangana tafaverina afakomaly. Nandray andraikitra tamin’ny fanarahan-dia izany ny polisin’ny Hery vonjy taitra (FIP). Nentin’ny dahalo nitsoaka ireo omby ireo, ka tsikaritry ny olona. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao nahita ny polisy ary navelany teo ireo omby.
Manodidina ny 15 ny lozam-pifamoivoizana nisy teto Antananarivo, nanomboka ny zoma hariva teo. Roa ny namoizan’aina, iray niseho tetsy Anosipatrana, afakomaly atoandro. Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy tamin’izany, voahitsaky ny fiara be mpitatitra iray tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Nentina eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ilay mpamilin’ny fiara taorian’izay.
Nanatanteraka hetsika fanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny polisim-pirenena avy amin’ny CMUC, omaly. Nanaovana izany ny tetsy amin’ny lalana mampitohy ny tonelina Ambohidahy sy Anosy. Nesorina ireo fiara maty teny an-toerana izay nitarika fitohanana. Mbola hitohy ny hetsika.
Moto iray marika Kymco G5 no nanao lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana hiditra ny hôtel Combava Ambodihady, afakomaly. Nifandona tamin’ny fiarakely iray marika Peugeot 205 izy io tamin’io fotoana io. Vokany, naratra ny mpitondra ilay kodiaran-droa ary nentina teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Catégories: National

Tompon-trano maty voatifitra : Lasan’ireo jiolahy ny vola 3 tapitrisa Ariary

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:21

Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaro-tava sy mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy sabatra ny tokantrano iray any Kiembe-Haut Toliara, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Raim-pianakaviana iray maty voatifitra tamin’izany. Lasan’ ireo olon-dratsy nandritra iza­ny ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar mahery sy ny finday tao an-trano. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy kosa ny renim-pianakaviana. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano ireo jiolahy ireo ka nively baramina ny raim-pianakaviana tompon-trano. Nitaky ny vola rehetra ireo jiolahy. Nodarohan’ireo olon-dratsy koa ny renim-pianakaviana, vadin’ilay tompon-trano ka naratra mafy. Tampoka, nirefotra ny basy ka namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy izy io. Niaro ny vady aman-janany io raim-pianakaviana io ka antony nahatonga ireo olon-dratsy nitifitra azy tamin’ny basy. Lasa nitsoaka tamin’ny fiara avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana sy namono ireo mpivady. Tsy nisy naninona kosa ireo zanaky ny tompon-trano niisa roa tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, mpamongady iray any Toliara io raim-pianakaviana maty voatifitra io. Ao anatin’ny fitaintainana hatrany ny ankamaroan’ny mponina amin’izao fotoana izao. Samy hitrangan’ny fanafihana mi­tam-piadiana sy ahenoana andian-jiolahy maro tahaka izao hatrany manafika na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Miantso ny mpitandro filaminana hijery akaiky ny tsy fandriampahalemana misy ny mponina.

Mino

Catégories: National

Fiondranana antsokosoko : Malagasy 13 tratra saika hihazo an’i Mayotte

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:21

Hiatrika fampanoavana, anio, ireo Malagasy miisa 13 nikasa hiondrana antsokosoko any amin’ny Nosy rahavavy Mayotte saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mahamaniny, kaominina Antsakoamandro, distrika Ambanja. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko ny mpitandro filaminana miasa ao Ambanja. Tsy manana fahazoan-dalana hivoaka ny sisintany ary hiditra amin’io nosy kasain’izy ireo handehanana io anefa ireo olona ireo. Nanao ny angom-baovao ny zandary ka sarona tao amin’ny trano iray izay efa nisitrihany sy niandrasany ny fiaingana ireo mpandeha ireo. Vehivavy avokoa ny 10 tamin’ireo 13 voasambotra. Zaza tsy ampy taona ny efatra. Mizaka ny zom-pirenena malagasy avokoa izy ireo. Nosamborina ka notanana vonjimaika eny anivon’ny zandary. Natao famotorana ka niaiky avokoa fa saika hivoaka antsokosoko ny sisintany malagasy.

Tsiferana R.

Catégories: National

Nisy namono : Tovolahy iray hita faty tao anaty rano

Les Nouvelles - mar, 08/05/2025 - 07:20

Tovolahy iray 26 taona no hita faty teny amin’ny reniranon’Andrianambo, fokontany Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitr’Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly. Ahina ho nisy namono izy, raha ny tombantombana nataon’ny fianakaviany…

Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahafaty azy fa ahina ho nisy namono, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Efa fanaony ny mody somary taratara rehefa avy miasa fa tsy tonga tany an-tranony mihitsy izy nanomboka ny talata hariva. Ny vadin’ny rahalahiny no nampandre ny fianakaviana rehetra mbola niasa tany an-tsaha. Araka ny fanazavan’ny rahalahiny, sa­lama tsara izy, niala tao an-trano handeha hiasa eny Ambatofotsy, ny talata. Mio­vaova ny fotoana fahatongavany rehefa avy miasa. « Isa­ky ny amin’ny 4 ora sy sasany no fahatongavany any an-trano na farafahatarany amin’ ny 5 ora, saingy nahavariana fa tsy tonga taty an-trano mihitsy izy. Niezaka niantso azy tamin’ny telefaonina izahay fa tsy tratra antso », hoy ny fanazavan’ny zokiny lahimatoa. Hatairana, araka izany, ny an’ny fianakaviany mbola teo am-perinasa tany an-tsaha nandre fa maty an-drano ity tovolahy ity.

Mangana ny vatany…

Voalaza anefa fa tsy manana olana ara-pahasalamana izy io. Mbola hita teny aminy avokoa ny akanjony rehetra tamin’ny fotoana nampakarana ny razana. Efa nahitana fahasimbana kosa anefa ny vatana mangatsiakany. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Raha ny tombana nataon’ny dokotera, maty nisy namono izy ka efa ho telo andro no namonoana azy, nialoha ny nanipazana azy tao anaty rano. Nahitana mangana sy ratra rahateo ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Catégories: National

Mitoetra ny lazany…: « Tena kanto » ny sehon’i Poopy

Les Nouvelles - lun, 08/04/2025 - 07:42

Araka ny anarany… Tsy do­­kambarotra fotsiny ilay «Tena kanto», fa fanamby tanteraka mihitsy. Nahita izay nandrasany ireo mpankafy an’i Poopy, nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masi­na, omaly. Ilay Poopy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, niampy ny fahamatorana an-tsehatra efa nananany rahateo, ka nahalafatra ny fampisehoana. Feon-kira hain’ny rehetra no nampiditra ny seho, notohizan’i Poopy avy hatrany tamin’ny «Ahoana tokoa ?». Tadidy maro no nitamberina tany anatin’ireo mpankafy, indrindra ireo efa nanaraka azy an-taonany maro. Tany anaty tapany voalohany rahateo no namerenan’i Poopy ny «Niova dika», «Tandrifin-drahona», «Ave­ao aho», sns, hira mirakitra tamberina maro.
Fa ny fotoana niakaran’ireo vahinin’i Poopy no tena nafana indrindra… Nanom­boka izany i Malala ‘Zay, nanao ny «Andro hafa» irery, avy eo «Ny herinao» niaraka tamin’i Poopy. Niakatra avy eo i Nanie, nanao ny «Toa anao» sy «Hafatra». Fa ny nafana in­drindra dia ny nanaovan’i Stéphanie ny «To­lo­na», izay nangatahan’ny mpijery naverina mihitsy. Toraka izany koa ny «Taniko», izay niara­han’i Poopy tamin’i Denise. Vaovao tamin’ireo mpanaraka an’i Poopy hatramin’izay, na dia efa maro aza ny vahininy rehefa manao fampisehoana.
Fanamafisana ny lazany no tena nataon’i Poopy nandritra ny tapany fahatelo. Fi­raisana tsikombakomba amin’ny mpankafy, fanehoana ny fitohizan’ny mozika ary fiainana ireo tamberina sy tsiahy nentin’ireo hira nalahatra. Hira manodidina ny 40 teo no nentina nanehoan’i Poopy indray ilay «Tena kanto».

Zo ny Aina

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - lun, 08/04/2025 - 07:42

« Jazz @ Tohatohabato » – Hitohy anio ny « masterclass ». Nahita fofompofony amin’ny fampisehoana lehibe izay hatao amin’ny alahady ireo mpankafy nijery ny sehokely tetsy amin’ny CGM, omaly. Miaraka amin’ilay mpitendry piano, Valentin Edelmann indray ny atrikasa anio, amin’ny 2 ora. Ilay mpitsoka trompetra Jordi Roviro kosa no mitarika ny rahampitso amin’ny 11 ora. Mbola eto avokoa ireo vahiny mpanakanto nasaina ireo, hatramin’ny alahady izao.
Niampy ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem, sampana Mahajanga. Notokanana ny sabotsy teo ireo mpikambana vaovao, nandray ny tsodrano tamin’ireo mpikambana mahefa, ary notronin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera. Narahina seho ara-javakanto, toy ny antsa tononkalo, hira ary dihy mirindra izany, natao tao amin’ny IUGM Ambondrona. Nisy ihany koa ny fampirantiana momba ny fikambanana sy ny sanganasan’ireo mpikambana.
Namerina ny fahatsiarovana tany ambadiky ny taona maro lasa ry Kakakaka Kaiamba. Feno avokoa ireo seho roa niarahana tamin-dry Gothlieb, Francis Turbo ary Fou Hehy, ny zoma sy ny alahady teo, tetsy amin’ny Food Courts La City Ivandry. Nanana ny toerany teny antsefantsefan’ny hira teny ny fampihomehezana izay tsy afaka amin-dry zalahy, nanaingo ny fampisehoana. Manantena sehatra lehibe kokoa ireo mpankafy.

Catégories: National

« Our Generation 2025 »: Ho any Russie i Michella, Brenda ary Riantsoa

Les Nouvelles - lun, 08/04/2025 - 07:41

Miandrandra fandresena hatrany. Fantatra omaly ireo nibata fandresena tamin’ilay fifaninanana «Our Genera­tion», nifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara. Voalohany i Michella, Faharoa i Brenda ary fahatelo i Riantsoa. Raha toa ka solontena iray fotsiny no nihazo an’i Russie tamin’ny taon-dasa, hiaraka kosa izy telo mirahavavy ireto amin’ity. Tsy vitan’izay fa hanaraka azy ireo ihany koa i coach Fidy, izay efa nandray an-tanana ireo ankizy nifaninanana, nandritra izay iray volana izay.
Nafana ny fifaninanana, indrindra ny famaranana teo amin’izy 5 mirahavavy. Na izany aza, tsapa fa nanana tombony hatrany i Michella, izay zokiny indrindra (14 taona) tamin’izy ireo. Ireo mpikarakara ny « Our Generation », izay nanaraka hatramin’ny voalohany, no tompon’ny teny farany tamin’ny famaranana teo. I Michella, araka izany, no tena hifaninana amin’ireo solonte­nan’ny firenen-kafa. Hatao any amin’ny Arena Moscou, any Russie, ny tena ivon’ny fifaninanana iraisam-pirenena «Our Generation», ny 11 oktobra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra ny fifidianana mandritra izany, ka efa hanentanana sahady ireo Malagasy manerana izao tontolo izao, hanohana ireo solontenantsika.
Marihina fa ankoatra ny tapakila mankany Russie, nahazo loka marobe izy 5 mirahavavy tafakatra tamin’ny dingana famaranana.

Zo ny Aina

Catégories: National

« Tafan-gilita » – Prime 3 : Efa samy henjana amin’ny tendry gitara ireo mpifaninana

Les Nouvelles - lun, 08/04/2025 - 07:41

Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara.

Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Pri­me 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja maitso Anala­mahitsy. Nisafidy tamina lisitra hira maro ireo mpifaninana ka samy nanomana ny azy. Tsa­pa teo amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay ny fanomanana miampy ny talenta ao anatiny. Saika niezaka nametraka ny fomba fitendriny avokoa, kanefa nanaja hatrany ny firafitry ny hira izy ireo. Misy ireo nisafidy ny hira vahiny. Misy kosa nirona tamin’ny hira malagasy. Ny nitovian’ny re­hetra: samy naneno tsara ny gitara, nanaporofoana indray fa azo hilalaovana ny karazan-kira rehetra ity zavamameno ity.
«Tena efa samy henjana avokoa ireto mpifaninana ireto. Mahafinaritra sy mahavelombolo ny hoavin’ny tendry gitara satria tena mikaroka ireo”,hoy i Kolibera. Izy no va­hiny nasaina manokana, ta­min’iny «Prime 3» iny. Nita­fa­tafa sy nanome soso-kevitra, no nandrisika ireo mpitendry hanohy hatrany ity andrarezin’ny tendry gasy ity. Nano­lotra feon-kira iray, ta­min’ny tendry gasy izay ma­navanana azy indrindra i Kolibera.
Tazana tao anatin’ireo mpijery nanatrika Ralanto… Teo no ho eo dia nantonin’ny mpikarakara izy, raha afaka manome torohevitra ho an’ireo mpifaninana. Tsy vitan’izay, fa nanolotra tamban-kira izay hahafantaran’ny maro azy ity mpanakanto ity, ho fifalian’ireo mpanotrona. «Isaora­ko manokana ny mi’Ritsoka mihitsy ny toa izao, ary enga anie hisy mandrakizay ka mba ny mozika an-gilita indray no hahazo vahana», hoy Ralanto, tamin-kafaliana.
Handeha tsiroaroa

Taorian’ny fitsarana, tapaka fa 16 indray no manohy ny dingana manaraka. Hotonto­saina ny sabotsy 9 aogositra izao, eny amin’ny Kianja Anala­maitso Analamahitsy ary ha­nom­boka amin’ny 9 ora maraina ihany, ny « Prime 4 ». Satria efa mihamafy ny fifaninanana, hiova kely indray ny endriky ny « Prime 4 ». Nisy ny antsapaka natao, ka hiaraka tsiroaroa ireo mpifaninana, hitendry feon-kira iarahana. Hisy ihany koa ny tantsoroka hataon’ireo mpitsara, izay sady ho lasa «coach», ka handray ekipa roa avy i Mbola Talenta, Teddy, Tojo Guita­riste ary i Jovin.
«Marina fa misy loka io amin’ny maha fifaninanana azy. Gilita anisan’ny mba lafo vidy ny Taylor sy ny Taka­mine. Omentsika lanja koa anefa ny gilita vita gasy izay tsy mena-mitaha amin’ireny vita vahiny ireny. Tsy dia ilay hoe hifaninanana loatra anefa fa ilay hoe mamerina ilay fitiavana ny gilita mihitsy no Zava-dehibe. Ho anay dia tsotra: aleo mba hitafa ny gilita e», hoy Randria­mam­pianina Hery, tale jeneralin’ny mi’Ritsoka Production, mpikararaka.

Zo ny Aina

Catégories: National

Pages