Handball – Mada Jeunes : Nanao pao-droa ny HC Est Atsimo Andrefana

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:46

Tontosa ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, tany Tsiroanomandidy, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Nisongadina ny HC Est Atsimo Andrefana. Nanao pao-droa mantsy ity ekipa ity, teo amin’ny Cadet sy ny Junior, lehilahy. Tsy nisy naharesy mihitsy izy ireo nanomboka tamin’ny fifanin­tsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny Cadet, resin’ny HC Est tamin’ny isa mazava 21 no ho 7, ny ekipan’ny Littoral SC Atsi­nanana. Ho an’ny Junior, lavon’ny HC Est, tamin’ny isa 32 no ho 25, ny Ascaf Ana­lamanga. Fihaonana na­ha­finaritra ny mpijery satria nahitana endri-dalao ny an’ny roa tonta.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Sabotsy Jean Marcellin (HC Est) sy Rakotondravelo Ma­minarivo Jeremia (My-Sah). Teo amin’ny Minime, vehivavy, tsy nivoaka tao amin’ny ligin’i Bongolava ny amboara. Lasan’ny HCT ny fandresena, nampiondrika ny HTHB Atsi­nanana, 9 no ho 6. ASLPNYA Ihorombe kosa no tompondaka ny anaram-boninahitra rehefa nanilika ny THBCA Matsiatra Ambony, 19 no ho 15. Teo amin’ny Cadette, ny Littoral SC Atsinanana no tompondaka rehefa nanilika ny HCT Bongolava, 15 no ho 7. Ho an’ny Junior, vehivavy, My-Sah HBC Itasy nandavo ny HC Njatovo Matsiatra Ambony, 17 no ho 15.

Tompondaka

Catégories: National

Théophile, mpivarotra, manan-talenta : Maniry ny hahay mamaky teny sy manoratra

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:45

Mpivarotra iray tsy vahiny etsy Ana­lakely i Théophile. Manana olana ara-pahasalamana izy, saingy manana ta­lenta hafakely, izay efa voajanahary ta­min’ny tenany. Ma­nana faniriana ny hahafehy ny famakiana teny sy ny fanoratana izy.

Manan-talenta! Lehilahy iray efa 40 taona i Théophile na i Théo. Mivarotra fitoerana fera sy vilany ary fametrahana labozia amin’ny endriny hafa mihitsy, etsy Analakely, ny fitadiavam-bolany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly, teny an-toerana. Marihina fa manana aretina «épilepsie» fony izy vao teraka, i Théo­phile, araka ny nambaran’ny reniny. Manana faniriana ny lehilahy, anisan’izany ny mba hahay mamaky teny sy manoratra. Raha ny fanazavana nataon’ny reniny, tsy nahazo mianatra izy noho ny aretina nahazo azy. “Tsy mba afaka nianatra toy ny ankizy rehetra izy tamin’izany fa tsy navelan’ireo fianarana noho ilay aretina ananany. Mampalahelo ihany ilay zava-misy saingy raha mbola eto ny tenako, manampy azy foana aho», hoy ny maman’i Théophile. Ankoatra izay, manaraka fanafody isan’andro i Théo, ary mandray ireo tolo-tanana rehetra sy ireo izay vonona ny hifanampy aminy ny tenany sy ny fianakaviany. «Tsy mangataka izahay, saingy mandray kosa ireo fanampiana atolotry ny olona, mba hanohanana ny zanako, amin’ity talentany ity», hoy ihany ny reniny

Talenta voajanahary

Nilaza ireo olona akaiky azy fa tsy nisy olona nampianatra azy nanao io taozavatra ao an-trano io, fa aingam-panahy avy amin’ny olona hita teo amin’ireo mpivarotra manodidina tamin’ny andro taloha tany no nampitsiry ilay faniriany hanao an’ity asa tanana hafakely sy mahasarika ny maso ity. “Manan-talenta ny zanako ary tsy nisy nampianatra azy nanao io zavatra io. Taloha, fony izahay mbola teny amin’ny toeran-kafa no nivarotra, misy olona izay, mivelona amin’ny fivarotana an’izy itony. Taorian’io, na­nandrana izy ary tafavokany tsara izany”, tenin’ i maman’i Théophile. Fitaovana toy ny «Ballard métallique» sy ny kapoaka, no akora ampiasainy hanamboarana ny entana hamidiny. Tsy dia mandany fotoana maro izany ny lehilahy manao ny fitaovana iray fa iray minitra eo ihany, dia efa ahafahany mahavita zavatra iray. Jifaina amin’ny vidiny
1 000 Ariary ny entana mora indrindra eo aminy ary 2 000 Ariary ny lafo indrindra. Raha ny fanampim-panazavana azo avy amin’ny reny niteraka an’i Théo hatrany, hividianany zavamaneno toy ny Radio sy fitaovana fakana feo, ny vola azony amin’izany. «Mbola etohanay ny sakafony, fa tsy alainay ireny vola mba azony ireny. Havadiny ho Radio sy Dictaphone ny vola azony amin’itony fitaovana itony.» araka ny filazan’ny renin’i Théophile, hatrany.
Misy karazany roa
ny aretina « épilepsie »

Araka ny fikarohana na­tao, ny «épilepsie» dia aretin’ny atidoha vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra ao amin’ny sela-misaina na «Activité électrique des neurones», izay miteraka krizy tampoka. Ireo krizy ireo dia miseho amin’ny endrika samihafa: mety hahavery saina tampoka, hiteraka fihorohoroan’ny vatana, na hanova tampoka ny fihetsika sy ny fijery. Indraindray aza, rehefa tapitra ny krizy, dia tsy mahatsiaro izay nitranga ilay marary. Maro ny antony mety hiteraka ny epilepsie: ny fahasimban’ny atidoha hatrany am-bohoka, ratra na lozam-pifamoivoizana, aretina toy ny tazomoka mafy, na lova avy amin’ny fianakaviana. Misy karazany roa lehibe io aretina io: ny krizy lehibe izay mampiforitra sy mampikorontana ny vatana manontolo, ary ny krizy kely izay miseho amin’ny fijery tsy mihetsika mandritra ny segondra vitsy. Ny fi­tsaboana dia ahitana fanafody manokana antsoina hoe antiépileptique, izay tsy maintsy arahana tsy an-kiato, ary indraindray koa fandidiana raha tsy voafehy amin’ny fanafody. Raha sendra misy olona tratran’ny krizy dia apetraho amin’ny sisiny izy mba tsy ho sempotra, arovy ny lohany, ary aza asiana zavatra anelanelan’ny nifiny. Aza tazonina mafy ny vatany, ary antsoy avy hatrany ny mpitsabo raha maharitra mihoatra ny 5 minitra ny krizy na miverimberina tsy mitsahatra. Ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra ara-potoana no antoka hanampiana ny olona voan’io aretina io hiaina ara-dalàna sy amim-pilaminana.

Nanatontosa : Fitia Randria

Catégories: National

«Marathon de Tana» : Hatao ny 12 oktobra izao

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:44

Anisan’ireo fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity, ny «Marathon de Tana». Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 12 oktobra ho avy izao izany, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 no nisian’ity fifaninanana ity farany.
Hiverina indray, araka izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, 42, 195 km. Ankoatra izay, hisy koa ny antsoina hoe: “Foulée ecolo”, mirefy
10 km sy ny 2 km ho an’ireo tsy mahazaka ny lavitr’ezaka. Tafiditra ao anatin’ity “Marat­hon de Tana” ity ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny lalana holalovan’ity hazakazaka ity. Mbola ao anatin’ny fandinihana izany, amin’izao fotoana izao, ireo teknisianina eo anivon’ny federasiona. Raha ny tsilian-tsofina, hisy fiovana vitsivitsy izany fa tsy toy ny tamin’ny andiany taloha.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:44

Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja basikety ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Nafana ny fifaninanana, izay nahitana ireo hoavin’ny basikety malagasy. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Fandrefiala Analamanga raha ny ASSM Ana­lamanga kosa ny teo amin’ny lehilahy.

Catégories: National

Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:44

Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo.

Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Anala­kely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana ny sata mifehy ny ligin’Analamanga no natao nandritra izany. Nandinihina koa ny mahakasika ny fifidianana eo anivon’ny ligy. Ani­san’ny nahitsy ny voarakitra tao anaty sata mahakasika ny klioba, ka lany fa mpikambana eo anivon’ny ligy manomboka izao ny klioba eto Analaman­ga. Tsy mpikambana mivantana amin’ny federasionina in­tsony, araka izany, ny klioba. Ligy 13 tamin’ireo 22, tonga nanatrika fivoriana no nandany io lalàna vaovao ao anatin’ny sata io. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga iha­ny koa fa amin’ity taona ity ny fifidianana, araka ny fandidiana nataon’ny MJS azy ireo amin’ny hanaovana izany faran’izay haingana.
Mahakasika ity fivoriambe ity hatrany, nanamafy ny filohan’ny ligin’Analamanga fa noho ny fandrahonana nataon’ny federasionina azy ireo no nahatonga ireo klioba sasany tsy tonga nanatrika izany ny sabotsy teo. “Hijoro izahay hiaro ireo klioba hiharan’ny tsindrihazolena”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa lasa ihany koa, hoy izy, ny fitoriana ilay “Comité ad’hoc” natsangana tamin’ny tsy ara-drariny izay misalovana ny andraikitry ny ligy.
Ho an’ny fifaninanana kosa, tsy nanamboatra tetiandro ho an’izay mihitsy ny ligin’Analamanga tamin’ity taona 2025 ity amin’ny maha taom-pifidianana azy ka hifantoka tanteraka amin’izany. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga fa manana kandidà hirotsaka hofidina filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja Echecs izy ireo.

Mi.Raz

Catégories: National

Divas Hit The Road – Season of Unity: Madagascar placé sous le feu des projecteurs

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:22

Hunan TV et Mango TV viennent de lancer l’émission « Divas Hit The Road –Season of Unity » plaçant Madagascar sous le feu des projecteurs auprès des téléspectateurs chinois en divulguant les trésors cachés du pays pour séduire les touristes chinois et ainsi les inciter à choisir la destination.
A titre de rappel, sept célébrités chinoises se sont lancées dans l’aventure pour explorer l’île. Les téléspectateurs chinois vont découvrir la Grande îIe dans toute sa splendeur grâce à cette émission produite avec passion par ces chaînes de télévision chinoises. La beauté et la diversité du pays vont être mises en avant à travers une émission intitulée « Unis dans la diversité, solidaires de cœur », exposant une rencontre entre cultures permettant de renforcer les liens, tout en laissant des empreintes gravées dans les mémoires.
A noter que ce projet a pu voir le jour grâce au précieux soutien de l’ambassade de Chine à Madagascar, à l’engagement du ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA) et du ministère de la Communication et de la culture (MCC), ainsi qu’à la coopération exemplaire des différents partenaires lo­caux. Les téléspectateurs malgaches ne seront pas en reste, puisqu’ils pourront aussi (re)vivre à travers leur petit écran, les aventures menées par ces célébrités chinoises. En effet, le MTA a fait savoir que cette émission sera bientôt diffusée sur les chaînes nationales malgaches.

Jean Riana

Catégories: National

Industries : « Malagasy Ny Antsika » accueille son premier service labellisé

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:21

Le Syndicat des In­dustries de Madagascar (Sim) élargit le label «Mala­gasy Ny Antsika» avec 11 nouvelles références. Pour la première fois, un service obtient cette certification, aux côtés de dix produits industriels.
Ravinala Airports, gestionnaire des principaux aéro­ports du pays, devient ainsi le premier prestataire de services à décrocher le label. Porte d’entrée de Madagascar, l’entreprise en­tend accueillir les voyageurs sous les couleurs «Malagasy Ny Antsika». Le label valorise la qualité d’accueil, la bienveillance et la fierté nationale dès l’arrivée des visiteurs.
Cette reconnaissance ré­com­pense ainsi l’engagement de Ravinala Airports pour des infrastructures modernes favorisant l’exportation et l’importation des produits locaux. Elle reflète aussi sa politique d’achats auprès de fournisseurs malgaches, la valorisation des compétences de ses équipes et la mise en avant des produits « Vita Malagasy » dans ses espaces commerciaux.
Le secteur industriel est également à l’honneur. CEIM Polytech, leader dans la construction durable, rejoint la liste avec dix produits innovants : PolyArm, PolyBéton, PolyDrain, PolyFroid, PolyMur, PolyOne, PolyRoute, PolySet, PolyToit et PolyTôle. Des solutions techniques conçues pour allier performance, durabilité et qualité.
Sino-Malagasy Animal Husbandry (SMAH) décroche le label pour sa viande de chèvre avec os, issue d’animaux élevés en pâturages naturels dans les régions Menabe et Atsimo Andrefana. Ce produit haut de gamme vise principalement le marché chinois et portera le label « Malagasy Ny Antsika » au-delà des frontières, promouvant le savoir-faire malgache à l’international.
Créé et porté par le Sim, le label garantit la qualité, la traçabilité et la sécurité des produits et services. Depuis la révision de son cahier des charges en 2024 avec l’appui du Pnud, il s’applique aux produits industriels, aux services, à l’artisanat et à l’agriculture. L’adhésion au SIM reste un prérequis pour y prétendre.
Les consommateurs peuvent identifier facilement les produits et services certifiés grâce au logo «Malagasy Ny Antsika».

Arh.

Catégories: National

Andranotapahana – Ivato: la voie rapide désormais ouverte au public

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:21

Annoncée le mois passé, l’inauguration officielle de la voie rapide reliant Ivato au départ du rond-point Don Bosco jusqu’au rond-point à Andranotapahana s’est tenue hier, sous l’égide du ministre des Travaux publics, Richard Rafidison et l’ambassadeur de Chine à Madagascar, Ji Ping.

Long de 4 km, le tronçon est désormais ouvert au public et améliorera sans conteste la circulation menant vers l’aéroport international d’Ivato, en plus de faciliter le quotidien des riverains.
«L’ouverture de cette route constitue une étape majeure dans l’amélioration du trafic et contribue à réduire autant que possible les embouteillages, notamment à l’entrée et à la sortie de l’aéroport international d’Ivato», a déclaré le ministre Richard Rafidison. Cette route nouvellement inaugurée est assez vaste avec 12 mètres de large dont 7 mètres destinés aux véhicules, et des trottoirs pour les piétons aménagés sur les côtés. Elle est directement reliée à la RN 4 ainsi que la route de la Francophonie Ambohitri­ma­n­jaka, et se poursuit jusqu’à Andohata­penaka.
Le ministère des Travaux publics (MTP) a souligné que la réalisation de ce projet a pu se faire, grâce à la collaboration du gouvernement malgache et de l’Eximbank Chine. C’est l’entreprise chinoise China Road and Bridge Corporation (CRBC) qui s’est chargée de la réalisation des travaux de construction.
Dans sa prise de parole, l’ambassadeur Ji Ping a indiqué que la coopération entre Madagascar et la Chine ne date pas d’hier, et elle s’améliore avec le temps. « Cette réalisation s’inscrit dans une longue histoire de coopération entre nos deux pays dans le domaine des infrastructures », a-t-il fait savoir tout en citant d’autres exemples comme la construction de la route Ivato-Tsarasaotra, la réhabilitation de plusieurs routes nationales telles que la RN2, RN4, RN5, RN10, RN12, RN31 ainsi que des projets en cours comme l’aménagement de la voie rapide re­liant Toamasina à la RN2.

Ouverture officielle du premier tronçon de la première Autoroute de Mada­gascar
Par ailleurs, l’ouverture officielle du premier tronçon de la première Autoroute de Madagascar partant d’Am­bo­difasina à Ambohimanga, est prévue le 18 août. Selon l’annonce de la Présidence de la République, la cérémonie officielle se tiendra au PK0 Ambodifasina à partir de 9h30. Une fois terminée en totalité, cette Autoroute qui s’étale sur une longueur d’environ 260 kilomètres reliera Antananarivo à Toa­masina. L’objectif étant de réduire les temps de trajet et d’améliorer la circulation des marchandises entre la Capitale et le principal port du pays.

Jean Riana

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:19

Roa lahy naiditra am-ponja eny Antanimora, ny sabotsy 9 aoagositra teo, taorian’ny nahatraran’ny polisy azy tetsy Antohomadinika IVO. Nangalatra jiro tao an-tokotanin’olon-tsotra izy roa lahy ireo, ny alakamisy 7 aogositra teo, ka noraisim-potsiny.
Taxi-be 133 tapaka hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny tranon’olona teny Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Tsy nisy ny aina nafoy.
Notanan’ny zandary ny mpamilin’ny fiara mpitatitra solika nahatrarana rongony 50 kg tao Iaritsena, distrika Ambalavao, afakomaly. Niakatra hihazo Antanana­rivo io kamiao io rehefa avy nanatitra solika tany Toliara.
Lehilahy namoy ny ainy voatsatoka antsy nandritra ny disadisam-pianakaviana tao Ambohinosy Antanety II, Vontovorona, ny sabotsy 9 aogositra teo. Nosamborina ny nahavanon-doza ka notanana vonjimaika.

Catégories: National

Notafihin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay voavely “barre à mine”

Les Nouvelles - mar, 08/12/2025 - 07:19

Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy an-keriny. Nasain’ireo mpandroba nandondona tamin’ny varavaran’ny mpivarotra tsy lavitra io vehivavy io. Mody nitaraina ho marary anaka io vehivavy io ka mila mividy solika hitondrana ny zaza amin’ny mpitsabo. Namoha ny trano ilay rangahy ka nozeran’ireo olon-dratsy tamin’ny vy avy hatrany. Tsy nahatsiaro tena ilay lasibatra sady vaky ra.
Noteren’ireo jiolahy telo hamoaka ny vola ilay renim-pianakaviana narary teo ambony fandriana. Nilaza ho tsy nahalala ny nasiam-badiny ny vola io ramatoa io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka ilay vehivavy nalain’ireo jiolahy an-keriny tao amin’ny tokantrano iray voalohany. Nam­pan­dre ny fokonolona ity farany. Niro­dorodo namonjy ny tokantrano voatafika ny vatan-dehilahy kinanjo efa nandositra ireo mpandroba. “Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana naratra saingy tsy tana ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa ao Ambaton­drazaka. Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ny tokantrano voaroba ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Catégories: National

Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:52

Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsi­nanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Pa­pa Fransoa hitantana io diosezy io. 

Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Ma­sina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. Ambohi-pihaonana faratampony teo amin’ny finoana katolika iny fihaonana iny.

Avy amin’ny fikambanana masina Obla de Marie Ima­culé, teratany Poloné ny Mgr Marek Ochlak. Ankoatra izay, filoha mpitarika io vondrom-pikambanana misy azy io ihany koa ny tenany. Tsy olom-bavao amin’ny mpino katolika eto Madagasikara ny Eveka vaovao fa efa niasa tamina diosezy maro teto amin’ny Nosy. Efa pretra tompon’ andraikitra tetsy amin’ny Notre Dame de L’orde Anjoma izy. Nisahana andraikitra tao amin’ny Apostolat de la Mer-Ampasimazava ihany koa.
Miisa telo aminy ny Eveka nitantana ny diosezin’i Fe­noarivo Antsinanana. Izy no Eveka fahatelo nitantana iny diosezy iny, taorian’ny fametrahana sy fanendrena an’ ity faritra ity ho diosezy mahaleo tena. Marihina fa voatendry ho diosezy mahaleo tena iny faritra iny tamin’ny taona 2000. Ny Eveka Tsarahazana Dési­re no Eveka voalohany nitantana. Ny Mgr Randriamamon­jy Marcellin, ny faharoa, ary izao nodimbiasin’i Marek Ochlak izao. Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’ny Farafangana moa Mgr Ran­driamamonjy Marcellin ka antony nanandrena an’i Mgr Marek Ochlak. Voatendrin’ny Papa Fransoa, efatr’ andro nialohan’ny fahafatesany moa izy io. Raha tsiahivina, izy no Eveka farany notendren’ny Papa Fransoa nialoha ny fahafatesany. “Ho tonga anie ny fanjakanao”, io ny teny manentana sy fanambiny amin’ny maha mpiandry ondry sy zanak’ Andriamanitra azy.

Manan-danja ny teny fanamby

Tsy niova amin’ny fomba fiteniny mahitsy, ny kardinaly Tsarazana Désiré, arsevekan’ i Toamasina, rehefa anatin’ny fotoan-dehibe tahak’izao. « Manan-danja lehibe ny teny fanambinao Mgr Marek Ochlat satria ao anatin’ny vavaka fanaontsika andavan’andro ny hoe : ho tonga anie ny fanjakanao », hoy ny kardinaly Tsarazana Désiré. Manoloana izany, mitodika amin’ny kristianina sy olom-pirenena mba tsy atao tsianjery fotsiny ny mivavaka, raha ny nambarany hatrany. Nolazainy fa tokony tsaroana amin’ny vavaka isan’ andro ny hoe : « aza atao ho azon’ny fitoaman-dratsy izahay ». Mafonja ireo vavaka ireo satria mitarika ny olona hampanjaka ny fahamarinana, fiadanana, fandriam-pahalemana, fitiavana, hatsarana jiaby eto amin’ny Nosy ihany koa izany. « Noho izany, tsy azo atao tsianjery fa tanterahina amin’ny fiainana izany vavaka izany », hoy ihany ny Kardinaly Tsarahazana Dé­siré.

Tokony hiala amin’ny ratsy ny tsirairay

Efa mahazo vahana eto amin’ny firenena malagasy ny asan’ny ratsy, ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa raha ny zava-misy. Nambarany fa tokony iezaka hiala amin’ny laingalainga, fitapitaka ny olona tsirairay avy. Mpihavana avy ny rehetra ka andao hampanjaka ny fanjakan’ Andriamanitra mba ho lasa modely amin’ny fiainana. Noho izany, hialana ny fitapitaka sy laingalainga ary fiatsarambelatsihy. « Antsaha­ro ary avelao ny hevitry devoly amin’ny hoe tany tsy hangalarana tsy hivelomana, andao hibebaka», hoy ihany izy. Tsodrano ho an’ny Eveka vaovao kosa nilazan’ny kardinaly ny hoe “Benavony nafindra ho tsaratsaran’ny teo ka ho tsara kokoa noho ny nataon’ izy roa lahy teo aloha mba ho fampiroboroboana ny diosezin’ny Fenoarivo Atsinanana ».

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:51

Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto amintsika.

Azo tsidihan’ny daholobe ny « Bazar de la Sadc », hatao eny amin’ny Foibe fampirantiana iraisam-pirenena Enara, Lac Iarivo Ivato, ny 14 hatramin’ ny 18 aogositra ho avy izao. Maro ny tranoheva hita eny an-toerana, ahitana ny taozavatra sy ny kolon­tsaina malagasy sy ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Sadc.

Miisa 60 ny Mpiasa eny ifotony mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA), nahavita fiofanana tany Ambovombe sy Amboasary. Andraikitr’izy ireo ny fisorohana sy ny fitsaboana ny aretim-biby, ny fanatsarana ny vokatra sy ny sakafo, ny fampiharana ny teknika fiompiana ary ny fampitam-baovao amin’ny veterinera.

Catégories: National

Menabe Antimena : Toerana 4 nahitana doro ala

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:50

Nisy afo nirehitra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma), ny alatsinainy 4 aogositra 2025 teo. Toerana miisa efatra no voakasiky ny afo, ny any Anke­trevo, Mandrotra, Tsarataona ary Kibo. Araka ny tatitra azo, sarotra ny nifehezana ny afo satria tsy nisy ny lalana nahafahana namonjy ny toerana nisy ny firehetana, sady lavitra ny toerana nahitana rano. Na izany aza, voafehy ny afo, na­nomboka ny alakamisy 7 ao­gositra teo, vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokono­lona, ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka any Menabe. Marihina, fa tsy nahitana afo sy firehetana tany amin’ny Faritra Arovana « Allée des Baobabs ». Enta­nina ny rehetra hiantso maimaimpoana ny 955 raha sendra mahita tranga doro tanety na doro ala.

Hamafazana katsaka na voanjo

Tsiahivina fa toerana ahitana doro ala foana ny any Apma Menabe, noho ny ataon’ ireo mpandripaka ala. Fo­toana fanombohan’izy ireo mandoro ny ala izao volana jolay sy ao­gositra ary septambra izao, hamaritana ny tany hambo­lena katsaka na voanjo, ka hamafazana na handrotsa­hana ny masomboly. Miandry ny firotsahan’ny orana ma­nomboka ny oktobra izy ireo, mba hanirian’ny voly. Mioty ny vo­katra izy ireo enim-bolana aty aoriana, manomboka ny vo­lana jona. Havoaka any an­drefan’ny distrikan’i Mahabo, any Ankilivalo na Ankilizato ny vokatra avy eo, taterina amin’ ny sarety, ary afindra amin’ny kamiao avy eo.

Njaka A.

Catégories: National

Morafenobe : Mivelona amin’ny jono an-tanety ny mponina

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:50

Lavitra sady saro-dalana ny any Ankilandilana, 70 km miala ny distrika Morafenobe, faritra Melaky. Na izany aza, miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB), entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Tonga tany an-toerana ny minisitra Mahantante Paubert sy ny mpiara-miasa, ny herinandro lasa teo, nijery ifotony ny zava-misy sy mikaroka ny vahaolana iainan’ny mponina.
Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ny mponina izay ny jono an-tanety no tena anisan’ny foto-pivelomany. Anisan’ny olan’ny mpanjono anefa ny tsy fahampian’ny fitaovana. Voa­porofo izany nandritra ny fitsidihan’ny minisitra ny ranovory lehibe, toeram-panjonoan’ny mponina. Satria, lakana kely no entina manjono na manarato.
Nanome toky ny minisitra Mahatante Paubert, fa hijery akaiky azy ireo ahafahana mampiroborobo ny foto-pivelo­many sady arahina fampiofanana ny teknika fiompiana trondro ihany koa. Tanjona ny hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina, hampiakarana ny fari-piainany, hamelomana ny ankohonany, satria mampidi-bola betsaka ny seha-pihariana trondro.

Njaka A.

Catégories: National

Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:50

Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila.

Nanome fanazavana mi­simisy kokoa ho an’ny Fadintseranana mala­gasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa misy ity haba vaovao 15% ity, na ireo ao anatin’ny sata ho an’ny firenena nomena tombondahiny, ny « Nation la Plus Favorisée » (NPF) na ny Agoa, izay mbola sitrahan’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny volana septambra 2025. Tsy voakasik’izany ny entana voatanisa ao amin’ny lisitry ny Tovana II, amin’ny didim-panjakana amerikana lah-14257, nivoaka ny 11 avrily 2025.
Tsy voakasik’ity tataon-ketra ity, ohatra, ny fitaovam-pianarana (boky, antontan-taratasy,…), ny fanomezana ara-tsosialy, ny entana ma­nokana entin’ny mpandeha. Torak’izany koa ny entana sasany mifandraika amin’ny fiarovam-pirenena izay manana ny habany manokana. Tsy tratry ny haba koa ny vokatra harena an-kibon’ny tany, in­drindra ireo voasokajy ho akora stratejika.
Iharan’ny 15% ny lavanila

Manampy ireo, iharan’ny haba 15% ihany koa ny lava­nila malagasy, na dia voasokajy ho tsy mandoa haba aza ao amin’ny haba fototra (tarif de base) amerikana (NPF Free). Midika izany, fampiha­rina mitokana ity haba fanampiny ity, na tsy misy aza ny haba fototra.
Miankina amin’ny daty ni­diran’ny entana any Etazonia, ny daty nandefasana ny en­tana ary ny daty namoahana ny entana ao amin’ny haban-tseranana ny taha fanampiny ampiharina.

Njaka Andriantefiarinesy

Ny tatao ampiharina :

*10% ho an’ny entana niditra teo anelanelan’ny 10 avrily sy 6 aogositra 2025.
*10% ho an’ny entana nalefa alohan’ny 7 aogositra 2025 ary tafavoaka alohan’ny 5 oktobra 2025.
*15% ho an’ny entana niditra ao amin’ny seranana any Etazonia na navoaka tao amin’ny ladoany amerikana, nanomboka ny 7 aogositra 2025 tamin’ny 00 ora 01(ora any Etazonia).

Catégories: National

Devoir de mémoire

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:24

Week-end commémoratif. Certes les 9 et 10 août se suivent chaque année, mais les deux dates ne tombent un week-end que tous les sept ans. Et c’était le cas de 2025. Qui plus est, le 9 août 2025 marque les 80 ans du bombardement nucléaire des Améri­cains sur Nagasaki au Japon, ayant fait près de 74.000 victimes. Trois jours avant, le 6 août 1945, Hiroshima, toujours au Japon, a subi la même cruauté, ayant coûté la vie à environ 140.000 personnes. C’était pour la paix, dit-on puisque ces deux bombardements ont signé la fin de la Deuxième Guerre mondiale et que désormais, les bombes nucléaires sont considérées comme des armes dissuasives sans être utilisées vraiment au combat. Mais, ces milliers de victimes, c’étaient des civils n’ayant rien à voir avec la Guerre. Leur seule faute était peut-être de s’être retrouvés au mauvais endroit au mauvais moment. Car il n’y avait pas de sommation avant le largage de ces explosifs.
Pour le cas du 10 août, cette date marque le début de la fin de la deuxième République de Madagascar et sa devise « Tanindra­zana, Tolom-piavotana, Fahafahana – Patrie, Révolution, Liberté ». Les aînés se souviendront qu’il y 34 ans, le 10 août 1991, des manifestants las du régime socialiste, se sont rués vers le palais d’Etat d’Iavoloha. Mais ce mouvement populaire initié par les « Hery velona » ou forces vives, a fait une cinquantaine de morts et pas moins de 300 blessés. Parmi les rares ouvrages à consulter pour comprendre ce qui s’est passé au début de la dernière décennie du 20e siècle à Madagascar, celui d’Henri Rasamoelina, « Tolom-bahoaka 1991 » paru aux éditions Ivonea en 2017. Aujourd’hui encore, il y en a ceux qui veulent accaparer le pouvoir par la force, mais il ne faut pas oublier que le président demi de ses fonctions à l’issue de ce 10-Août, est retourné au pouvoir quelques années plus tard. Nous avons ce devoir de mémoire pour éviter que la crise cyclique ayant ébranlé notre vie nationale, ne se reproduise.

Rakoto

Catégories: National

Grande rencontre internationale: visite d’Andry Rajoelina au centre Enara Galleria

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:24

A quelques jours du 45e sommet de la Communauté de développement de l’Afrique australe (Sadc), le président Andry Rajoelina a visité les principaux sites d’Ivato, notamment le nouveau centre d’expositions Enara Galleria, achevé à 98 %. Le « Bazar de la Sadc », prévu du 14 au 18 août, promet un fort impact économique pour Madagascar.

Le président Andry Rajoelina a effectué une visite de terrain à Ivato pour superviser les préparatifs du grand sommet régional. Il a notamment inspecté le nouveau centre d’expositions Enara Galleria, le lac Iarivo, le parc des expositions ainsi que les aménagements routiers au­tour d’Ivato, tous sur le point d’être achevés pour accueillir les délégations et visiteurs du 45e sommet de la Sadc.
Situé à Ambodifasina Tsarasaotra Ivato, Enara Galleria est achevé à 98 % et sa livraison est prévue pour ce jour. Le bâtiment moderne s’étend sur 5.200 m² et dispose d’un parking de 150 places. Il a été construit en seulement quatre mois. Plus de 250 ouvriers ont travaillé jour et nuit pour respecter les délais fixés par le gouvernement.

Événement à venir
Du 14 au 18 août, le centre accueillera le premier grand rendez-vous, le « Bazar de la SADC ». Environ 300 stands seront installés, dont 250 déjà réservés par des exposants malgaches et étra­n­gers, avec une ouverture des inscriptions pour les participants venant des régions. Ce rendez-vous mettra en valeur les produits phares de Madagascar, tels que le chocolat, le caviar, le rhum et les épices. L’entrée sera gratuite et près de 20.000 visiteurs sont attendus.
La ministre du Tourisme et de l’artisanat, Viviane Dewa, a souligné l’importance économique majeure de cet événement, notamment pour les secteurs de l’hôtellerie, du transport, de l’artisanat et de la restauration. Elle a ajouté que ce rendez-vous international devr­ait également renforcer l’image de Madagascar à l’étranger, encourageant les délégations à revenir pour des vacances ou à investir dans le pays.
Par ailleurs, le village artisanal d’Ivato, dédié à la promotion de l’artisanat malgache, est achevé à 80 %. Doté de 240 espaces de vente, il devrait être inauguré avant la fin de l’année. Les inscriptions sont déjà ouvertes pour les artisans souhaitant y exposer leurs produits.
 
S.A

Catégories: National

Présidence de la Sadc 2025-2026 : Rasata Rafaravavitafika salue l’élection d’Andry Rajoelina

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:23

La ministre des Affaires étrangères, Rasata Rafaravavitafika, sur sa page officielle, a félicité le président Andry Rajoelina qui assurera la présidence de la Communauté de développement de l’Afrique australe (Sadc) pour la période 2025-2026.
Et le président Rajoelina, s’apprête à écrire une page d’histoire pour Madagascar. A compter du 17 août, il succédera à Emmer­son Dambudzo Mnangagwa, président du Zimbabwe, pour devenir le premier chef d’État malgache à prendre la présidence de cette communauté régionale. A en croire la ministre Rasata Rafaravavitafika, cette nomination, entérinée lors du 44e Sommet de l’organisation à Harare (Zimbabwe), est le fruit d’un vote unanime des chefs d’Etat et de gouvernement de la région, attestant de la con­fiance placée dans le leadership malgache.

Après avoir été membre de la Sadc pendant 20 ans, Madagascar va maintenant prendre les rênes de l’organisation sous la direction du président Andry Rajoelina. «Nous avons réussi notre engagement pour atteindre cette étape historique pour notre pays», a indiqué Rasata Rafaravavitafika. Cela est dû au leadership du président Andry Rajoelina et à son engagement pour le développement de Madagascar. «C’est une fierté pour tous les Malgaches d’avoir un président qui dirige la Sadc, un fait qui restera gravé dans l’histoire de notre pays», a-t-elle conclu. C’est un moment de fierté nationale, la ministre Rafaravavitafika appelle les Malgache à s’unir pour montrer un véritable amour pour la patrie.

Madagascar est déjà prête à accueillir le 45e Sommet des Chef d’Etat et de gouvernement de la Sadc se tiendra ce 17 août au Centre de conférences international (CCI) Ivato, avec la participation des 16 pays membres dont l’Afrique du Sud, l’Angola, le Botswana, les Comores, la République démocratique de Congo, l’Eswatini, le Lesotho, le Malawi, l’île Maurice, le Mozambique, la Namibie, les Seychelles, la Tanzanie, la Zambie, le Zimbabwe et Madagascar. «Dis­cours, documents stratégiques, éléments de négociation…l’équipe technique produit tout, jour et nuit, pour que Madagascar brille à la présidence de la Sadc», a fait savoir le ministère des Affaires étrangères. Des mois de travail intense, des nuits blanches, une rigueur sans faille dans l’objectif de préparer la délégation malgache au plus haut niveau.

N.A

Catégories: National

Sommet de la Sadc: dernière ligne droite pour les préparatifs

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:23

Madagascar se prépare activement à accueillir le 45e Sommet des chefs d’Etat et de gouvernement de la Sadc. A quelques jours de l’ouverture de l’événement, les préparatifs entrent dans leur phase finale. Cette semaine est particulièrement chargée, marquée par l’arrivée progressive des délégations des pays membres et la tenue de plusieurs réunions préparatoires de haut niveau.

Le président Andry Rajoelina a visité samedi plusieurs sites pour suivre l’évolution des grands projets d’infrastructures qui encadrent ce rendez-vous régional. Sur ces entrefaites, plusieurs grandes rencontres se succèdent. La réunion des hauts fonctionnaires et experts sur le Plan indicatif régional de développement stratégique (RISPD) s’est déroulée le 4 août, puis celle du Comité permanent des hauts fonctionnaires depuis le 6 août jusqu’à demain, suivie du Conseil des ministres de la Sadc du 12 au 14 août. Le Conseil des ministres de la Sadc qui est composé des ministres chargés des Fi­nances ou des Affaires étrangères, supervise la mise en œuvre des politiques de l’organisation et prépare les grandes décisions à venir. Il se réunit généralement deux fois par an : en mars pour discuter du budget, puis en août à la veille du sommet annuel. Ce conseil des ministres de la Sadc sera présidé par la ministre malgache Rasata Rafaravavitafika.

Ainsi, demain, les ministres des Affaires étrangères examineront dans la capitale les questions politiques, économiques et sociales de la région avant de les soumettre lors du sommet. A l’agenda également, un forum de dialogue entre la Sadc et les Etats-Unis, prévu le 13 août, tandis que la conférence publique de la Sadc, se tiendra le 14 août à l’Université d’Antananarivo. Le 15 août sera consacré à la réunion des hauts fonctionnaires et du comité ministériel de la Troïka de la Sadc, portant sur la coopération politique, la défense et la sécurité. Le Sommet de la Troïka est prévu le 16 août, à l’occasion duquel le président du Zimbabwe, président en exercice, transmettra la présidence de la Sadc au président Andry Rajoelina.

F.M

Catégories: National

Promotion du tourisme: le MTA se veut garantir la mise en œuvre des activités

Les Nouvelles - lun, 08/11/2025 - 07:22

Ayant été mise en connaissance de l’existence d’un conflit entre l’Office Régional du Tourisme de Tuléar (ORTU) et de la Direction régional du tourisme et de l’artisanat local, le ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA) indique avoir pris des mesures pour garantir la mise en œuvre des activités de promotion touristique dans ladite localité.
«Si une organisation est en proie à la discorde, elle ne pourra pas atteindre ses objectifs. C’est pourquoi le ministère a pris des mesures pour suspendre la dissolution du conseil d’administration par certains membres jusqu’à ce qu’une enquête soit menée sur la légalité de la stratégie suivie et à cet égard et sur l’utilisation des fonds publics par cette organisation», rapport le MTA. L’institution a ajouté que l’enquête sera menée par une personne professionnelle et impartiale, extérieure aux deux parties en conflit. Une fois les résultats publiés, cela sera précédé par une Assemblée générale où les membres feront l’objet d’une convocation, conformément aux statuts de l’organisation et décidera à nouveau du cas du conseil d’administration en toute connaissance de cause. Ainsi, le MTA intervient en tant que médiateur dans cette affaire et a précisé qu’il n’est jamais intervenu dans les affaires internes de l’ORTU.
A noter que l’ORTU n’est seulement une association régie par l’ordonnance 60-133, mais un organisme agissant dans le domaine public reconnu d’utilité publique. Cette même ordonnance précise en son article 24 que les organismes agissant dans le domaine public sont soumis à un contrôle particulier de l’Etat. Etant une branche de l’Office National du Tourisme de Madagascar (ONTM), cet organisme a été chargé par le MTA d’une mission de promotion touristique. A cet effet, il bénéficie donc de l’utilisation de fonds publics pour mener à bien ces missions grâce à une participation à hauteur de 50% aux taxes prélevées auprès des hôteliers ou vignettes touristiques.

Jean Riana

Catégories: National

Pages