Manoloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona ho an’ny anio, mikarakara “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety midina ifotony sy manaraka ny toe-draharaha ny avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara (Association des femmes journalistes de Madagascar ) manomboka androany. Misy ny fizarana sy fanampiana ho an’ireo eny an-kianja, toy ny sérum, rano, bisky sy ny maro hafa. Hita etsy Analakely, ampitan’ny Goldenrama ny fizarana, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.
Mitaky ny hanaovan’ireo mpanao gazety te hisitraka izany ny karatra manamarina ny maha mpanao gazety sy ny fanamiana ary ny « brassard » izy ireo. Eo am-pandinihana ny zavatra azo atao rehetra ny birao ka mila fifanomezan-tanana.
Mino
Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Niezaka namantatra azy ny mponina teny amin’ny manodidina sy ny mpandalo, saingy tsy nahalala ny mombamomba io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP6 ny tsara sitrapo. Naparitaky ny nanatri-maso tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ilay namoy ny ainy mba hahafahan’ny fianakaviany mamantatra azy. Efa tonga teny an-toerana io omaly io ihany ireto farany naka ny vatana mangatsiaka. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny famoizan’io raim-pianakaviana io ny ainy. Na izany aza, ilaina ny fitandreman’ny tsirairay rehefa mody alina. Manjaka rahateo ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy.
Tsiferana R.
Hita faty tany anaty kirihatr’ala, tao amin’ny fokontany Beryl, Mananara Avaratra, omaly maraina, ny vehivavy iray mpihira teo aloha, tao anatin’ny tarika Willis. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manampahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, tsy nisy tanana sy tongotra ary mbola noloarana ihany koa ny tao anaty kibony ary nesorina ny nonony. Mpianatra handeha maraina no nahita ny faty ka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy sy ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nandre ny antso. Tombanana ho vono olona niniana natao ity tranga ity. Novoinoina tany an-kafa izy ary natsipy sy nariana teo amin’io toerana io. Taorian’ny fanadihadiana, nentina eny anivon’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Mananara Avaratra ny razana. Efa nanaovana fampandrenesana ny fianakavian’ny maty. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io vehivavy io, raha ny fanazavana voaray. Efa mikaroka ny nahavanon-doza ireo manampahefana any an-toerana.
Mino
Mitsipaka ny fiampangana azy ny tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, manoloana ny vaovao navoakan’ny RFI…
Taorian’ny vaovao izay navoakan’ny onjam-peo, Radio france internationale (RFI), ny 1 oktobra lasa teo, izay nitonona ankolaka ny anaran’ny filoha tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina. Nisy ny fanitsiana sy fanazavana nataon’ity vondrona ity, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, araka ny andininy faha-70 amin’ny lalàna mifehy ny serasera.
Araka ny fanazavana hita tao anatin’ilay fanambarana, omaly, nisy mpanentana ny fandaharana tao amin’ny RFI nilaza mazava fa: « Izy (Maminiaina Ravatomanga) dia manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Antananarivo, ka io no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maro». Mbola miampy ny hoe: “Naneho herisetra nandritra ny fihetsiketsehana ny milisiny”.
Niantefa tanteraka tamin’ny Madagascar Security Academy (MSA), orinasa ao anatin’ny Vondrona Sodiat, ity fanambarana nataon’ity onjam-peo vahiny ity. Nomarihin’ny vondrona Sodiat fa ny MSA, ivontoeram-piofanana amin’ny resaka fiarovana, dia nahazo alalana avy amin’ireo manampahefana tamin’ny taona 2024. Tsy nandray anjara tamin’ireo asa fanamafisana filaminana nandritra ireo hetsi-panoherana mihitsy izy ireo.
“Manasa ireo mpanao gazety ao amin’ny RFI izahay mba ho tonga eto an-toerana, amin’ny fotoana mety amin’izy ireo, hijery maso sy hanamarina ny tena asa sy fotodrafitrasa ao amin’ny MSA, ka ho hitan’izy ireo mazava fa tsy misy velively ny famoronana milisy eto”, andian-teny nalaina tao anatin’ilay fanambarana.
F.R
Mampandre ny vahiny mitsidika eto Madagasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa ny manatona mivantana ny Biraon’ny fitantanam-paritry ny Fizahantany sy ny taozavatra, manerana ny faritra.
Niaina kely ny mpivarotra sy ny mpitatitra, omaly. Satria tsy nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny Gen Z sy ny tanora. Mba afaka nivarotra an-kalalahana sy nitatitra araka ny tokony ho izy izy ireo. Nisokatra avokoa ny ankamaroan’ny lalana teto an-dRenivohitra, indrindra ny tao Analakely. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny ho tohin’ny toe-draharaha ka mitaintaina ny rehetra.
Somary nihena ny isan’ireo mpivarotra tetsy amin’ny tsena Alakamisy, Mahamasina, omaly. Araka ny fanadihadiana natao, matahotra ny isian’ny korontana sy ny savorovoro amin’izao fotoana izao ny maro ka aleon’izy ireo misafidy hijanona any an-trano ihany aloha. Marihina fa tsy nisy tolona, omaly, araka ny fanambarana nataon’ny Gen Z.
J-9 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina any Douaisis, France, ny 9 hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Vonona hiatrika izany ny ekipam-pirenena malagasy izay efa any an-toerana rahateo, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanitsiana farany ireo pitsompitsony madinidinika sisa ny mpanazatra.
Nohamafisina ny toe-batana sy ny toe-tsaina hoentin’ireo mpilalao miatrika izany, araka ny fampitam-baovao. Tsiahivina fa efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie, teo amin’ny olon-droa miaraka, i Fana sy i Tita, ka efa nahitsy ireo lesoka tamin’ izany.
Mialoha ny tena hiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, misy ireo lalao sedra sy fitsapana hatrehin’ny ekipa any France. Ankoatra izay, misy fikambanana sy klioba tsara sitrapo manome kianja hanaovana fanazarantena isan’andro, hitazomana ny hery sy tanjaky ny mpilalao. Mahazo kianja voatafo ihany koa izy efatra mirahavavy, raha toa ka avy ny orana hanohizany izay fanomanantena izay. Maro amin’ireo Malagasy monina any France no manohana ny delegasionina malagasy amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fanazarantena, misy koa ny hetsika fanamafisana firaisankina sy fanomanana ny saina.
Tompondaka
Hotanterahina ao amin’ny Kianja monisipaly Manakara ny basikety lalaovin’olona 3, “3×3 Pangalanes”. Fifaninanana hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Ny sokajy latsaky ny 13 taona, latsaky ny 15 taona, latsaky ny 17 taona ary ny Open lahy sy vavy, no hatao mandritra io roa andro io. Ny ligin’ny basikety Fitovinany no mikarakara ny hetsika ary 20 000 Ar ny saram-pisoratana anarana amin’izany.
Niray hina tamin’ny mpanao gazety rehetra ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena (UJSM), taorian’ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety ny talata teo. Niaraka nivory sy nanatitra ny taratasy fitoriana teny Anosy ny solontenan’ny biraon’ ny UJSM, omaly maraina, ary nanambara fa manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety manatanteraka ny asany.
Hanomboka ny 5 oktobra izao ny “Challenge Mini-basket 2k25-3×3”, karakarain’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy manomboka
amin’ny latsaky ny 10 taona hatramin’ny latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, no handray anjara amin’izany, izay efa nanomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-
teknika, araka ny fandaharam-potoana napetraka.
Anisan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fanatanterahana fifaninanana matihanina. Nisy ny “Muay Thai Tournament 2” farany teo, izay natao teny amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina, ka nahitana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpikatroka. Noho io fahaiza-manao mihatsara io, voaantso handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, hatao atsy Maorisy, ny 18 oktobra izao, i Madagasikara. Hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy, i Olga. Raha tsiahivina, i Olga no voahosotra ho tompondaka nandritra ny “Muay Thai Tournament 2”, ka izy no hisolo tena an’i Madagasikara, araka ny fanazavana nentin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny Muay Thai, Razanajatovo Gildas. Nohamafisiny fa efa manomboka mandroso ity taranja ity eto Madagasikara ary hanomboka hivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miantso ny fanohanana avy amin’ny rehetra ny Maître Gildas hahafahan’i Olga mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hotanterahina any Maorisy, ny 18 oktobra izao ity.
Mi.Raz
Namoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra. Maromaro ireo mpilalao teo aloha no tsy tazana ao anaty lisitra. Anisan’izany i Hakim Abdallah sy i Jean Marcellin ary i Van Boto. 4 ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana.
Noho ny toe-draharaha misy eto an-toerana, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, no namoahan’i Corentin Martins, mpanazatra, ny anaran’ireo mpilalao hiatrika ny andro fahasivy sy fahafolo. Tafiditra ao anaty fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, vondrona “I”.
24 ireo nantsoiny, ka 4 ihany ireo avy eto an-toerana. Maromaro ireo tsy ao anaty lisitra, toa an’i Kenji Van Boto, Hakim Abdallah, Demoleon, Jean Marcellin. Efatra ny mpiandry tsatoby nentina hatramin’izay, 3 ihany amin’ity. Hatao ny 8 oktobra ho avy izao, ao amin’ny Stade Felix Houphoet-Boigny, Côte d’Ivoire, ny fihaonana amin’i Comores. Ny 12 oktobra, ao amin’ny Stade du 26 marsa, Bamako, ny lalao ifanandrinana amin’i Mali. Tsiahivina fa laharana faharoa vonjimaika ny Barea, manana isa 16. Fahatelo i Comores, nahazo isa 15, ary fahefatra i Mali, isa 12. Mitarika i Ghana, manana isa 19.
Tompondaka
Ireo Barea 24 mirahalahy
Mpiandry tsatoby : 1- Toldo (Elgeco Plus) ; 2-Nina (AS Marsouins) ; 3-Dupire (FC Swift Hesperange)
Vodilaharana : 4-Tremoulet (FK Radnik Surdulika) ; 5-Eshan Kari (Etoile FC) ; 6-Andy Pelmard (Jagiellonia) ; 7-Tony (Elgeco Plus) ; 8-Morgan (FC Fleury) ; 9-Ponty (Rodez Aveyron) ; 10-Nicolas (Al Merreikh) ; 11-Rado (AS Fanalamanga)
Irakiraka : 12-Marco (Standard de Liège) ; 13-Mamisoa (Elgeco Plus) ; 14-Couturier (Thionville) ; 15-Rayan (Young Boys) ; 16-Lalaina (Paradou AC) ; 17-Johan N’Zi
Lohalaharana : 18 – Tommy Iva (Standard de Liège) ; 19- Arnaud (El Gouna FC) ; 20-Njiva (Ratchaburi FC) ; 21-El Hadary (Valenciennes) ; 22-Warren Caddy (Stade Lausanne) ; 23-Brayan Adinany (Lierse SK) ; 24-Fenohasina (Al Merreikh).
Nisehoana fanafihana sy vaky trano tetsy amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohijanahary, kaominina Antehiroka, ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Nikasa hanao vaky trano sy hala-boty teny Antanetibe ireo olon-dratsy maromaro. Nirotsaka nanenjika sy nisambotra azy ireo ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Voasambotra ny efatra tamin’izy ireo ary nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary Talatamaty.
Nirefodrefotra ny basy ho an’ny tetsy Ambohijanahary, io alina io ihany. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray teny an-toerana. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanapoaka basy avy hatrany. Nitaky ny vola rehetra tao amin’ny tompon-trano ary lasa nitsoaka vantany vao nahazo izay nilainy ireo mpandroba.
Naheno ny feom-basy nipoaka ireo andrimasom-pokonolona nivezivezy sy nanara-maso ny tsy fandriampahalemana teny an-toerana. Nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy izy ireo saingy nanapoaka basy ireto farany. Efa nampandrenesina ny avy amin’ny zandary avy eny Ambohibao.
Mino
Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andranokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha ny fanadihadiana natao taminy. Anisan’izany i Black Nadia.
Anisan’ny nahafantaran’ny olona azy io anarana io. Indrindra tamin’ny fitendrena angorodao niaraka tamin’ny tarika Angeline sy Jacqueline. Niandohan’ny filalaovany mozika ny tao anatin’ny tarika Ny Malagasy Orkestra. Tsy nijanona teo fa niara-niasa tamin’ny tarika maro, teto Madagasikara sy tany ivelany izy. Voiziny indrindra amin’izany ny gadona tsapiky. Mampangorintsina ny mpankafy rehetra ny fihainoana ny feonkira tendreny. Milalao karazan-kira maro ihany koa anefa i Jean Piso. Ahafantaran’ny maro azy ny fitendrena angorodao. Mitendry vatamaroafitsoka, indrindra rehefa any am-piangonana ity mpanakanto ity. Eo ihany koa ny gitara klasika sy ny gitara basy.
Nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona »
Iray tamin’ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona », andiany faha-19, natao teny Ambohimanga Rova, notontosaina ny sabotsy 13 hatramin’ny alahady 21 septambra 2025, i Jean Piso. Nampita fanilo amin’ny tanora sy ny taranaka ankehitriny ny tenany. Efa feno 60 taona mahery ny nilalaovany ireo mozika ireo, raha ny nambarany.
Nitendry voalohany izy teo amin’ny faha-10 taonany
Efa nitendry angorodao fony mbola kely i Jean Piso. Efa nitendry teo anatrehan’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana izy tamin’ny faha-10 taonany. « Napetraka ambony seza aho no nitendry, faly ny filoha ka nanome ahy vola 600 Ariary tamin’izany fotoana izany », hoy ihany izy nitantara. Hividianana bokoboko sy kida io vola azo io tamin’izany, rehefa nanontanian’ny filoha. Nahitsin’io filoha io anefa izy fa tokony zavatra mifandraika amin’ny fianarana no handaniana ilay vola. Manoloana izany, nividianana fitaovam-pianarana rehetra ny vola ary mbola nisy famerim-bola nahafahana nividy kida sy mofo.
Mampianatra tanora maro
Ankoatra ny filalaovana mozika, mampianatra ireo tanora mpanakanto any Toliara ihany koa i Jean Piso. Manodidina ny 15 ireo tanora efa nisitraka izany. Ataovy eo ambanin’ny fitiavana mozika ny fitiavam-bola, raha ny hafatra nampitainy. Mila mamorona zavatra mampiavaka ny tena ihany koa ao anatin’ny mozika mba tsy hitovizana amin’ny hafa. Ankoatra izay, voarakitra ao anaty boky, tantara an-tsary ny fiainan’i Jean Piso, nosoratan’i Geneviève Marot. Mitondra ny lohateny hoe : « Sous le Tamarinier de Betioky » ny boky.
Feon-tsaka
Nitondra ny anarana Jean Piso izy amin’ny sehatry ny mozika. Anarana azo efa tamin’ny mbola kely izy io. “Efa niantso ahy tamin’izany avokoa ny ankizy rehetra tany am-pianarana, indrindra tany amin’ny ambaratonga fototra”, hoy izy nanazava. « Raikitra ny totohondry rehefa misy ankizy miantso ahy amin’io anarana io satria ampiarahan’izy ireo amin’ny feon-tsaka », hoy hatrany izy. Tetsy ankilany, nisy tantara io anarana io, raha ny nambaran’ny reniny taminy. Noheverin’ny ray aman-dreniko fa efa maty aho tamin’ny vao teraka satria efa mangana sady tsy nihetsika, niezaka namelona azy ny rasazy tamin’izany ary voalaza fa efa tsy velona intsony izy, hoy izy nitantara.
Raha ny fomban-tany, tsy azo atao anaty vata ny zazakely rehefa tsy azo fa fonosina lamba fotsiny rehefa handeha ho « ariana ». Efa ndeha halevina tany ambanivohitr’i Ejeda ny razana, tamin’izany. Toa naheno feon-tsaka anefa ny olona, teny an-dalana hanatontosa izany, nefa toerana tsy tokony hisy saka mihitsy. Hita sy tsikaritra fa nihetsika ilay zaza nokasaina halevina, tamin’izany. Rehefa nesorina ny lamba namonosana ilay zaza, zaza nitomany namoaka feon-tsaka no hita tao, raha ny fanazavany hatrany. Nanomboka teo, nanjary anarana niantsoan’ny rehetra azy ny hoe : « Piso ». Nitombo ny taona ary nianatra teny amin’ny Lycée Laurent Botokeky tao Toliara ny tenany. «Tsy nitsahatra ny fiantsoan’ny ankizy ahy tamin’io anarana io. Noho izany, nanaiky ny hitondra io anarana io aho», hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Mino
”Tsy midika hoe rehefa mifampiresaka dia mizara seza. Tsy izay no izy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Raha misy ny finiavana: aoka re mba tsy hisy intsony ny korontana fa tsy ahitam-bokatsoa. Na inona tetikasa tsara amin’ny fampandrosoana ka mikorontana ny firenena, tsy misy fahamarinan-toerana.
“Zava-dehibe ny fifampiresahana”, hoy izy. Raha ny ara-dalàna, voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana ny CFM. Misy lalàna koa mametraka azy io. Misy lalàna tsy voahaja ny tsy fametrahana azy. Manaraka ny antom-pisiany tao anatin’ny disadisa politika teto amin’ny firenena. Tao anatin’ny tondrozotra izy io tamin’ny 2009. Lasa lalàna ny tondrozotra, dia lasa tao anatin’ny lalàmpanorenana. Ny zava-misy eto amin’ny firenena no mitaky ny fisiana rafitra toy izany: rafitra mpandamina.
R. Nd.
Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo
«Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny tranga niseho tamin’ny filohan’ ny Holafitra, Monica Rasoloarison, tonga teny an-toerana. Nazava ny nambaran’ireo mpanao gazety fa samy manao ny asany ka tokony hifanaja amin’ny fotoana tahaka ireny. Nambanana basy mifahana raha mba hifampiresaka. Avy eo koa tsy hita ny tena lehibe mpitarika ireo mpitandro filaminana.
Nanambara ny filohan’ny OJM fa tsy mora ny sedra amin’ny fandrakofana hetsika tahaka izao ka helohin’izy ireo ny herisatra atao amin’ny mpanao gazety, na avy amin’ iza na avy amin’iza. Notsiahiviny fa misy lalàna mifehy amin’ny fahazoan’ny mpanao gazety fiarovana eo am-panaovana ny asany. «Eo koa ny lalàna mandrara ny fanapotehana sy fanagiazana ny fitaovana.. Manaja ny rafitra demokratika isika ka anisan’izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety», hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra sy fanitsakitsahana ny zon’ny mpanao gazety. Atsaharo izany fa voararan’ny lalàna, araka ny nambarany. Niantso ny rehetra koa ny OJM mba tsy hanavakavaka ny mpanao gazety. Natsidiny fa mety ho tonga amin’ny fidinana an-dalambe ny raharaha raha mbola mitohy izao. Mbola hanao ny dingana rehetra sy ny fifampiresahana ary ny tatitra amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana koa anefa ny biraon’ny OJM.
Synèse R.
Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny tolakandro noho ny toe-draharaha tsy mbola milamina.
Mikatso ny fitaterana amin’ny ankapobeny, indrindra ny taxi-be eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Antony, mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana noho ny toe-draharaha. Tsy maintsy mandoa vola (versement) any amin’ny tompon’ny fiara anefa satria nanomboka ny alakamisy 25 septambra no nitotongana ny fidiram-bolan’izy ireo.
Manohy ny fampandehanan-draharaha ny minisitera samihafa mandra-pananganana ny governemanta vaovao. Tsy maintsy atao izany satria tsy maintsy mitohy ny fiainam-pirenena, indrindra ny lafiny toekarena. Etsy ankilany, nilaza ny filoham-pirenena fa hotohanana ireo orinasa sy mpandraharaha voaroba. Haloan’ny fanjakana ny zanabola indramin’ny mpandraharaha any amin’ny banky.
La Plateforme de la société civile pour l’enfance (PFSCE) dénonce l’usage indiscriminé de gaz lacrymogènes à proximité des écoles durant les manifestations dans la Capitale, exposant les plus jeunes à de graves dangers sanitaires et psychologiques.
Les images et témoignages de ces derniers jours ont glacé le sang de nombreuses familles. Depuis le 25 septembre, alors que des tensions sociales agitent la capitale, des bombes lacrymogènes ont été utilisées à proximité immédiate d’établissements scolaires, exposant des enfants, parfois en bas âge, à une violence dévastatrice.
Face à cette situation jugée inacceptable, la PFSCE, qui regroupe 66 organisations œuvrant pour la protection des enfants à Madagascar, a publié hier un communiqué ferme et poignant. Elle dénonce « l’utilisation abusive et sans discernement des gaz lacrymogènes par les forces de l’ordre », en particulier dans les zones sensibles telles que les écoles ou les centres de santé.
Suffocation et malaise chez les enfants
Selon la PFSCE, plusieurs enfants ont été victimes de suffocation et de malaises après avoir été exposés aux gaz lacrymogènes, soit en quittant leur école, soit à proximité de lieux publics fréquentés. « Ces pratiques exposent des enfants particulièrement vulnérables, qui ne disposent ni des moyens physiques ni de la capacité de se protéger ou de fuir », alerte le collectif.
Les conséquences, encore en cours d’évaluation, sont à la fois physiques et psychologiques. Des appels à l’aide ont été lancés par des parents d’élèves, des enseignants et des professionnels de santé, mettant en lumière l’urgence de mesures concrètes.
Un rappel aux engagements internationaux
Le communiqué rappelle que Madagascar est signataire de la Convention internationale relative aux droits de l’enfant, notamment de son article 19 qui engage les Etats à protéger les enfants contre toutes formes de violence. La PFSCE fustige le non-respect de cet engagement et appelle les autorités à « mettre l’intérêt supérieur de l’enfant au centre de toutes décisions publiques ».
Outre l’interdiction immédiate des gaz lacrymogènes aux abords des lieux fréquentés par les enfants, la PFSCE demande entre autres, la mobilisation de ressources médicales et psychosociales pour suivre les enfants affectés. A cela s’ajoute le renforcement des mécanismes de protection de l’enfance dans tout le pays.
Recueillies par Fahranarison
Dans contexte sociopolitique tendu, la pénurie des produits de première nécessité (PPN) inquiète la population. Mais d’après le ministère de l’industrialisation et du commerce (Mic), il n’y a rien à craindre, les stocks sont suffisants.
Toutefois, la situation reste préoccupante d’autant que dans un communiqué, le Groupement des professionnels de la grande distribution a souligné que les pillages et vandalismes généralisés survenus récemment, compromettent gravement la continuité de l’approvisionnement en biens essentiels pour des millions de Malgaches. Par ailleurs, un grand nombre des magasins ont préféré rester fermer pour éviter que des pilleurs ne profitent encore de la situation.
Selon les informations recueillies, des discussions auraient déjà eu lieu avec les importateurs et les distributeurs. Et les informations partagées ont permis de savoir que les stocks à leur disposition, sont largement suffisants, pour subvenir au besoin quotidien des citoyens malgaches.
Jean Riana
Placé sous le signe de la prière et de l’unité pour Madagascar, un grand rassemblement interconfessionnel des Associations et Fédérations d’Entrepreneurs Chrétiens de l’Indonésie, de l’Afrique et de Madagascar, se tiendra demain et jeudi à l’hôtel Ibis Ankorondrano.
« Des représentants des Eglises protestante, catholique, anglicane, luthérienne ainsi que de la communauté musulmane se joindront à cet événement exceptionnel », selon le « National Proyers Network Indonésie », l’organisateur en collaboration avec « Full Gospel Business Men’s Fellowship International ».
Demain, une réunion partage d’information avec plus d’une quarantaine d’associations chrétiennes, en présence des responsables des quatre principales Eglises. Le lendemain, une prière nationale pour Madagascar, rassemblant 120 entrepreneurs.
Sera R.