Hivoaka alohan’ny faran’ny volana ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins.
Vita ihany ! Araka ny fanadihadiana natao, omaly, hivoaka amin’ity herinandro ity ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), efa milamina avokoa ny fandaminana rehetra. Anio ihany ilay teknisianina vaovao no hanainga any amin’ny tany iaviany hamonjy an’i Madagasikara.
Hatreto aloha, mbola baraingo amin’ny rehetra hoe iza no anarana hisolo an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô ? Nilaza ity mpampita vaovao ity fa anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins, frantsay. Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry ny mpanazatra vaovao. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny hahazoan’ny Barea tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ny taona 2026.
2 volana sisa
Manana fotoana eo amin’ny roa volana latsaka eo sisa ny teknisianina hitadiavana mpilalao mendrika hiaro ny voninahi-pirenena malagasy. Ny marsa ho avy io, hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana ny Barea. Tsy mbola fantatra ny kianja hilalaovana amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa andrasana amin’ny volana febroary ho avy io, ireo “inspecteur Caf”, hitily ny kianja Barea Mahamasina, izay tsy nahazo fankatoavana tany amin’ity Kaonfederasiona afrikanina ity. Araka ny fantatra, teratany malagasy no hanampy ity “Coach” ity saingy tsy mbola voafaritra mazava.
Fitia Randria
Notanterahina teny amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha, ny fananganan-tsaina ho an’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nankasitrahana manokana tamin’izany ireo nahavita ezaka.
Nankasitrahan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina, ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana (Taf). “Nahavita ezaka lehibe izy ireo tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsainan’ny Tanàna ara-potoana”, hoy izy. Nisolo tena ny minisitra ny tenany tamin’izao fananganan-tsaina izao. Nanteriny koa fa teo ny fahavitan’ny atrikasa momba ny Vina Stratejika 2035 ho an’ny fitsarana. Notanterahina teny amin’ny Sekolim-pirenena mampiofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) izany.
Etsy andaniny, nambarany fa tanterahina any Soisa amin’izao fotoana izao ny fihaonana an-tampony momba ny zon’olombelona. Efa any an-toerana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Natao handinihana ny fampiharana ny zon’ olombelona amin’ny ankapobeny eto Madagasikara izany fivoriana izany.
Fahaizana mandray olona…
Mbola notsiahiviny fa taonan’ny asa ny 2025 ka nampahereziny ny mpiara-miasa rehetra mba ahatratra ny tanjona napetraka eo anivon’ny minisitera. Anisan’izany ny fanamafisana vina momba ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fahaizana mandray ny vahoaka manan-draharaha eny amin’ny fitsarana. “Manana toerana lehibe amin’izany ady izany ny eo anivon’ny Pac, ka entanina mba hiasa amin’ny fahitsiana sy amim-pahamarinana”, hoy ihany izy.
Synèse R.
Fanamby goavana. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina fa manana andraikitra eo amin’ny fambolena ny eo anivon’ny minisitera tantaniny.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny “Journée de concertation nationale sur la transformation agricole”, natao teny Ivato, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny MFFT. Voaresaka tamin’izany fa andraikitry ny fanjakana ny fanovana ny tontolo fambolena ho antoka sy fiarovana ara-tsakafo sy famokarana maharitra ary fanamafisana ny fampandrosoana ny toekarena. Nambaran’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa anisan’ny fototry ny fambolena amin’izany ny tany. “Tsy maintsy arovana ny tanin’ny tantsaha. Eo koa ny fizarana karatany sy ny titra faobe”, hoy izy. Nanteriny koa fa hanakaiky vahoaka ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana ny toeram-pitantanan’ny fananan-tany eny ifotony (BSFI). Manampy izany ny fitadiavana mpiara-miombon’ antoka, mifantoka amin’ny sehatry ny fambolena.
Fanatsarana fotodrafitrasa…
Etsy andaniny, nohavaozina koa ny momba ny Plof sy ny Sif ary ny fanaovana saritany amin’ny solosaina “Bornage digital”. Eo koa famoronana ny katalaongin-tany, araka ny nambarany. “Tafiditra amin’ny fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa ara-pambolena izany”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, manohana ireo faritra eo amin’ny fambolena koa ny eo anivon’ny MFFT amin’ny alalan’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana ny eny ifotony (FDL) ka hanatanteraka fanatsarana fotodrafitrasa. Anisan’ izany ny fikojakojana sy fanotofana lalana any ambanivohitra mba hanatrarana ireo faritra sarotra volena. “Tanjona amin’izany rehetra izany ny ho fampitomboan’ny vokatra sy fanatsarana ny varotr’ireo tantsaha”, hoy ny minisitra Andriantsitohaina Naina.
Synèse R.
“Raha te hitady filaminana isika eto Madagasikara, mifampiresaka ihany no vahaolana. Tsy misy fitiavan-tena tokony hapetraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny vehivavy sady mpikamban’ny birao foibe eo anivon’ny antoko MFM, Rasoaniaina Malalatiana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ny mpanao politika mpanohitra sasany tsy manaiky ny valim-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna farany teo. Rehefa jerena ny fifidianana amin’ izao, hita sy voaporofo izay nolazain’ny MFM. Nanomboka tamin’ny fifidianana Repoblika no niteny an’izay ny antoko: diovina aloha ny tokotany. Antsoina amin’izany ny vahoaka malagasy, anisan’ny tomponandraikitra koa eo anatrehan’izay.
“Raha niteny izahay tamin’ireny fotoana ireny hoe diovy aloha ny tokotany, fifampiresahana no hanadiovana tokotany”, hoy izy. Inona ny fifampiresahana? Hahitsy ny lalàm-pifidianana. Lalàm-pifidianana tokana no hatao. Miara-misalahy amin’ny adihevitra fanaovana an’izay ny fiarahamonina sivily sy ny mpanao politika.
R. Nd.
Nisokatra nanomboka ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024, ny fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava andiany faharoa. Nahafahana nanao izany ny ordonnance laharana faha-142-CC/CA/Toa/14, tamin’ny 11 oktobra lasa teo. Navoakan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony mpisolo toerana, Rasoavololona Perrault Zafinera izany.
13 ireo mpitsara na mpamoaka didy misahana ny fotoam-pitsarana. Mifandimby isan’andro izy ireo manatanteraka ny asa mandritra izany. Raha niisa efatra kosa izany, izay nifandimby isan-kerinandro teo anivon’ny mpampanoa lalàna ambony, ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo olon-tsotra izay voasafidy sy voatsongo manokana hanampy azy ireo, eny anivon’ ny fiarahamonina. Natao ho mpitsara mpanampy ary miakatra arakaraka ny antsapaka atao isaky ny antontan-tataratasin’ady iray hotsaraina izy ireo, amin’ny ankapobeny. Mbola hilana hevitra sy fankatoavana avy amin’ny mpampanoa lalàna ambony sy ny mpisolovava ary ny voampanga kosa izany.
Nahatratra 147 ny isan’ny antontan-taratasin’ ady notsaraina andiany faharoa, teo anivon’ny fitsarana voalohany, tany Toamasina tamin’ny taona 2024 lasa iny. Nisy ireo voatery nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana andiany voalohany amin’ity taona 2025 ity. Teo koa ireo tsy maintsy namoahana didy fampisamborana mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fitsarana azy. Voakasik’izany, ny raharaha halatra sy fisolokiana teo amin’ny tetikasa Ambatovy. Marihina fa mahatratra valo ireo olona voarohirohy mahakasika izany hatramin’izao, raha ny fanazavana voaray.
Nihazona ny laharana voalohany amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ireo antontan-taratasin’ady voalaza ireo. Ankoatra izay, mahakasika ny raharaha vono olona ny 45 amin’ireo. Momba ny tambajotran-jiolahy sy ny fanafihana mitam-piadiana kosa ny 29 hafa.
Laharana fahatelo amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ny ady heloka bevava. Tafiditra ao anatin’izany, ny fanolanana izay manodidina ny 24 ireo dosie momba izany. Tsy maintsy namoahana didy famotsorana kosa ny raharaha iray tamin’izany.
Raharaha fahefatra ny famosaviana miisa enina enina. Fahadimy ny halatra taolam-paty miisa 03 telo, raha roa ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’olona fady.
Niavaka ny andiany faharoa
Niavaka tamin’ny raharaham-pitsarana ady heloka bevava hatramin’izay iny andiany faharoa iny. Voalohany, teo ny fahasiahan’ny mpampanoa lalàna ambony nanao fanohanana didy, izay navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Toy ny niseho tamin’ny 06 novambra lasa teo. Nitsarana ny anton-tataratasin’ ady laharana faha-13-Toa/24 izany. Naha voarohirohy tovolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ka nahafatesana raim-pianakaviana iray tao Mangarivotra atsimo sy nandratrana mafy renim-pianakaviana iray hafa.
Ankoatra izay, nitombona ny fiampangana ireo voasazy, nampiharina ny didy faran’ izay henjana. Nifamototra anefa ny didy nivoaka ka nohafahan’ny mpitsara mpamoaka didy ireo voampanga roa lahy. Tsy niandry ela fa nanao fanohanana ilay didy ny mpam0panoa lalàna ambony.
Matetika tsy tonga ny mpitory
Eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava, matetika tsy tonga manatrika ny fotoam-pitsarana ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona. Vokany, mora ho an’ny voampanga ny manda ny fiampangana azy. Manana mpiaro na mpisolovava maimaimpoana omen’ny lalàna azy ireny voampanga tsaraina ireny, izay hefain’ny fanjakana.
Raha tsy manatrika ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona, malalaka tsara ny fandavan’ny voampanga sy ny fiarovan’ny mpisolovava azy. Manamora ny faharesen-dahatry ny mpitsara mpamoaka didy izany zava-misy izany.
Misahana ny fanaparitahana ny fiantsoana ho an’ireo hiatrika fotoam-pitsarana ny vaditany, raha ny fanadihadiana natao. Tsy misy antony tsy tokony hahatongavan’ny mpitory eny anivon’ny fitsarana, araka izany. Olana miseho matetika, ny fifindra-monina tampoka ataon’ny mpitory na ny mpangataka onitra ary ny vavolombelona ka tsy fantatra ny misy azy. Faharoa, voasoratra anatin’ny famotorana ny fokontany hipetrahan’izy ireo, fa tsy misy laharan-trano.
“Tsy izahay vaditany no mandray ny mombamomba ny olona mpangataka onitra fa tsy mazava ny adiresin’ireo handefasana azy”, hoy ny filohan’ny antenimierampirenena ho an’ny mpisolovava sy mpanao lavanty eto Madagasikara, Maitre Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana. Nambarany fa antony iray hafa mahatonga azy ireo tsy hahavoaray ny taratasy fiantsoana izany.
Nanatontosa : Sajo
Miisa 552 ireo nahazoan’i Madagasikara fifandraisana sy nampanantena ny hanjifa ny vokatra malagasy, nandritra ny hetsika « Food Ingredients Europe » (FIE), ny 19-24 novambra 2024 tany Francfort-Alemaina. Lafo avokoa ny ankamaroan’ny lavanila « bio » ho an’ireo orinasa mpisehatra amin’izany. Hitombo, araka izany, ny vola miditra amin’izy ireo.
Voatazona ny 18 000 « palettes » tamin’ny fanondranana ny letisia nandritra ny taom-piotazana na dia nihena 50,3% aza ny vokatra, vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nampirisika ny mpandraharaha handeha tamina toerana lavitra sy saro-dalana ny zava-nisy hahatrarana ny habetsaky ny vokatra takin’ny fanondranana.
Nisongadina i Madagasikara nandritra ny hetsika « Fitur », andiany faha-45, tany Madrid, Espagne. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra samihafa ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana nandritra ny hetsika. Kendrena tao anatin’ny fifanakalozan’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny fizahantany eto amintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Laharam-pahamehana ny famokarana ara-biolojika sy ny voly fanondrana hitsinjovana ny tsena iraisam-pirenena sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Mila faritana ireo faritra voatokana ho an’ny famokarana sy hanaraha-maso ny fenitra mifanaraka amin’izany.
Efa manomboka ny asa fananganana ny tetezan’i Mangoky eo Bevoay any amin’ny lalam-pirenena RN9. Tsy mora ny asa fa mila fanadihadiana lalina ampiasana ny teknolojia avo lenta. Satria, lava dia lava ity tetezana vaovao ity, mirefy 900 km. Efa am-perinasa ny orinasa sinoa CRBC, manadihady ny herin’ny renirano, ka nohalavaina ny fe-potoana, nohavaozina ny antontan-kevitra. Efa hatrany amin’ny 15% ny fivoaran’ny asa, ary vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faran’ny taona 2026. Famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola arabo (Badea, FSD,…) sy ny governemanta malagasy. Hisy koa asa sosialy hataon’ny orinasa ankoatra ny fanorenana ny tetezana. Toy, ny fananganana tobin’ny zadarimaria, fanarenana sekoly EPP sy toera-pitsaboana, famatsian-drano, jiro manazava arabe, sns.
Lemak’i Bevoay
Nifampidinika tamin’ny minisiteran’ny Fambolena ny tantsaha mahakasika ny famatsian-drano ny lemak’i Bevoay, nandritra ny fidinana ifotony tany an-toerana. Koa, hanokana tetibola ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ho amin’ny fampidiran-drano mandritra ny fotoana main-tany. Tsiahivina fa efa vita tanteraka ny lalana RN9, miainga any Toliara hatreo amin’ny distrikan’i Manja. Eo am-pamolavolana ny fanohizana hatrany Dabaraha sy Morondava.
Njaka A.
Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza.
Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny Pac noho ny fiahiahiana kolikoly tamin’ny fitantanany ny kaominin’Antsiranana izy ny taona 2017. Voaheloka sazy mihatra 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar ity farany.
Etsy andaniny, namoahana didy fampisamborana ny ben’ny Tanànan’i Bealanana, vao voafidy teo, Morainjara Donit Florent. Mbola fanodinkodinam-bola fony izy ben’ny Tanàna ny taona 2017 koa ny antony. Efa nilatsaka ny saziny, figadrana 2 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar. Samy tsy hita popoka avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izany, nosamborina afakomaly hariva kosa ny ben’ny Tanàna vao voafidy any Nosimena, Miandrivazo. Tsy mbola fantatra ny antony. Tsiahivina fa nandresy ity kandidà tamin’ny vokatra navoakan’ny Ceni. Notorian’ny kandidà Irmar ny tenany, saingy mbola nahazo rariny tamin’ny nilazan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) fa tsy mitombina ny fitoriana. Nahagaga ny vahoaka anefa fa ny kandidàn’ny mpitondra indray no nandresy.
Araka izany, mbola baraingo ny hoavin’ireo olom-boafidy ireo sy ny kaominina tantaniny ary ireo vahoaka mpifidy.
Synèse R.
Niharan’ny fanafihan-jiolahy ny renim-pianakaviana iray hamonjy ny asany tao Andranomadio Toamasina, ny alarobia tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina. Jiolahy roa nitondra basy sady nanao taingin-droa tamin’ny moto no nanakana azy. Voambana basy izy, tsy vitan’izay fa norahonan’ireo olon-dratsy hiala avy eo ambony moto nentiny. Tsy maintsy nidina tokoa ity renim-pianakaviana ity ka lasan’ireo jiolahy ny moto sy ny finday tao anaty poketra nipetraka tao anaty fitoeran’entana. Nambarany fa tsy nisy vola io finday lasan’ireo mpanafika io.
Fanafihana faharoa, tamin’io fotoana io ihany tao Anjoma, tsy lavitry ny fiangonana Ekar. Renim-pianakaviana mpitantana Cash point koa no nandrasan’ny jiolahy roa nitaingina moto. Vao nanokatra ny varavaran’ny Cash point hiasany ilay ramatoa no niditra an-keriny izy roa lahy. Nanambana basy nandrahona nitaky vola sady naka ny finday dimy teny aminy. Tsy nisy lelavola lasa tamin’io fotoana io fa nosakanana ny kaonty tao anatin’ilay finday. Mitombo isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Tsy mifidy intsony ireo jiolahy fa mitondra faisana izay tratran’izy ireo.
Sajo
Nanatanteraka valandresaka niarahana tamin’ireo mpanao gazety, ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, omaly, teny amin’ny birao hiasany etsy Andohatapenaka. Nisongadina tamin’izany ny handraisan’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy.
Araka ny nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, zava-dehibe tokoa io fifaninanana io satria natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany, ny taona 2026. Ireo firenena 12 tsara indrindra aty Afrika no hiatrika izany. Tsiahivina fa ny taona 2022, tany Afrika Atsimo, no niatrehan’ny Makis Ladies Sevens ny Mondial voalohany. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo firenena mifanintsana amin’ny World Series Challenger, lalaovin’ olona fito ihany, sokajy lehilahy, i Madagasikara. Fifaninanana hotontosaina any Cape Town Afrika Atsimo, ny 1-2 sy ny 7-8 marsa ho avy izao.
Izay valo voalohany amin’izany no makany Pologne, ny volana avrily ho avy io. Efa ao anaty ny fanomanana tsara ireo lehilahy mpilalao anaty ekipa nasionaly. Nampitandrina ny mpitantana ny Malagasy Rugby, fa handray fepetra izy ireo ho an’ ireo olona manao teny fihantsiana anaty tambajotra-tserasera.
F.R
Anisan’ny nanamarika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao ny 11 desambra teo ny tsy fahatomombana sy ny tsy fanarahan-dalàna na koa ny hosoka. Teo koa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritanin ‘i Fianarantsoa ka tsy maintsy haverina ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa efatra. Eo ny tany amin’ny kaominina Kianjandrakefina any amin’ny distrikan’Ambositra, ny tao amin’ny kaominina Ilakaka, faritra Ihorombe sy ny kaominina iray any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, faritra Vatovavy.
Miisa 430 ireo ben’ny Tanàna voafidy ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Haverina manontolo koa ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa telo any amin’ny faritanin’i Toliary.
Etsy andaniny, nisehoana fivadihan’ny voka-pifidianana ny tany Dabolava, Miandrivazo. Nahazo ny vato ambony, 1 215 ny Firaisankina raha 1 067 ny an’ny Irmar. Niova anefa izany rehefa nivoaka ny didy tao amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) tany Toliary. Niampy 200 ny vato azon’ny Irmar ka lasa 1 267 izany raha nijanona ho 1 215 kosa ny an’ny Firaisankina.
Tsiahivina fa lasan’ny Irmar avokoa ny toeran’ny ben’ny Tanàna, amin’ireo renivohi-paritany dimy amin’ny alalan-dRafanomezantsoa Alain any Toamasina; Ramanandraibe François ao Fianarantsoa; Rabehaja any Toliary raha Ramanantsoa Harilala eto Antananarivo. Voafidy tany Mahajanga kosa i Heriniaina Tia Solofomanga. Norombahin’ny tsy miankina, Djavojozara Jean Luc Désiré kosa izany ho an’ny tao Antsiranana.
Synèse R.
Hananganana toby fivarotan-tsolika ny distrika miisa 38 tsy mbola manana eto amintsika. Hotaterina amin’ny sambo ihany koa ny solika mankany Mahajanga sy Toliara. Nodinihina ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpamatsy solika amin’ny lafiny famatsiana ny milina.
Fomba ahavitan-tena ara-bary ny fanapariahana ny fitaovana mekanika. Hamoraina ny fahazoana masomboly sy zezika ny tantsaha. Havaozina ny fitantanana ny rano sy ny fotodafitrasa manondraka ny lemaka. Hamboarina ny lalana hamoahana ny vokatra. Nivoitra ireo nandritra ny asam-baomiera tamin’ny fikaonandoha mikasika ny fambolena teny Ivato.
Vita ny fanarenana ny arabe « Avenue » ao Fenoarivo Atsinanana. Avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny vola nanaovana ny asa, notanterahin’ny orinasa Metalu. Noraisina vonjimaika, omaly, ny asa, notanterahin’ny tompon’andraikitry ny Fotodrafitrasa (DINFRA) sy ny fitantanam-paritry (DRTP) Analanjirofo.
Miisa 10 000 ny zanakazo nambolen’ny mpiasan’ny primatiora, omaly. Mahatratra 9 ha ny velaran-tany nanatanterahana izany teny Ambatombolamena, fokontany Amboniandrefana, distrika Atsimondrano. Nitarika ny fotoana ny praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ny mpiasa rehetra.
Notapahan’ny tsy matahotody ny lohan’ilay ankizivavy vao 16 taona tao Marovato, distrikan’i Tsihombe, ny alin’ny talata hifoha ny 22 janoary teo. Mpandalo no nahita ny fatin’io olona nisy namono io. Nariana tany amin’ny toerana nangingiana ny vatan’io ankizivavy vao erotrerony io. Nentin’ireo jiolahy nanaraka azy ny lohany. Niezaka nikaroka ireo nahavanon-doza ny fiakanavian’ilay lasibatra. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Tranga fanapahan-doa faninenina niseho tao amin’ny distrikan’i Tsihombe tao anatin’ny enim-bolana ity. Tsy fantatra mazava ny anton’ny hanaovan’ireo olon-dratsy ny habibiana toy izao. Marihina, miseo lany ny vono olona tsy an-tanàn-dehibe hatrany ambanivohitra saika manerana ny faritra amin’izao fotoana izao. Raha tsy lasibatry ny dahalo, maty vokatry ny disadisam-piarahamonina ny ankamaroan’ny olona. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ka mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay indrindra ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.
Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fiofanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atrikasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana sy handray andraikitra manoloana ny loza maro mety hiseho, indrindra rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny orana tahaka izao. Fikambanana tanora miisa dimy ireo miofana mandritra izany. Andrasana ny hahatongavan’ny tanora manodidina ny 100 isa mandritra ny roa andro. Tanora 50 isa ho an’ny andron’ny omaly, 50 isa kosa no andrasana ho an’ny anio.
Tsiahivina fa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny BNGRC, ny avy amin’ny SBC Unicef. Ezahina ny hanaovana ny atrikasa tahaka izao. Satria, manampy betsaka ny tanora hiatrika ny mety ho karazana loza ara-boajanahary misy isan-karazany ny fiofanana toy izao.
Mino
Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho, Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.
Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy any Mahatsinjo RN44 avaratra, mampitohy an’Ambatondrazaka sy Vohitraivo. Mirefy 800 metatra ny asa nataon’ny orinasa Fanasina. Nosoloin’ny orinasa Mahavanontsoa «béton» ihany koa ny tetezan-kazo eo amin’ny fidirana an’Ambatosoratra.
Miisa 10 000 ny zana-kazo voavoly tany Maintirano, omaly 22 janoary. Zanakazo nahitana Acacia, Gmelina, Anakaraka, Arofy, Kily, Kininina, … Nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Melaky no nanatanterahana ireo. Nandray anjara daholo ny avy amin’ny sampandraharaham-panjakana sy ny tsy miankina tany an-toerana.
Harenina ny fotodrafitrasan’ny famatsian-drano any amin’ny lemaka PC 15 sy ny Vallée Marianne any Ambatondrazaka. Ho vita tanteraka amin’ny faran’ny volana janoary ny asa. Tena ritra ny rano, ankehitriny, any amin’ny tohodrano Bevava PC 15. Anisan’ny vahaolana naroson’ny fanjakana ny hanaovana taniketsa iombonana.
Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny tetikasa avy ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny lalana (Agence routière) sy ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Atsimo Andrefana. Efa vita godirao ny 1,6 km, ka nomena baiko ny orinasa hampitombo ny fitaovana, hahavitan’io ampahan-dalana io mialoha ny faran’ny volana febroary ho avy izao.
Ankoatra izay, mitotaly 414 km ny lalana harenina amin’ny RN10, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa PCMCI. Hovitaina amin’ny telo volana voalohany ity ny antso tolobidy, ho an’ny Andranovory PK4- Ambatry PK 101, mirefy 98 km. Toraka izany koa ny antso tolobidy ho an’ny Ambatry-Ampanihy (113 km). Eo andalam-pikarakarana ny fanombohana ny Ampanihy – Beloha (92 km) sy ny Beloha-Ambovombe (111 km).
Nanamafy ny minisitra MTP, Rafidison Richard, fa tsy maintsy vita hatramin’ny farany ny asa, mba hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, indrindra ny any atsimon’ny Nosy.
Njaka A.
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana foaran’ny fizahantany, ohatra. Eo koa, ny fanolorana tolotra tsara kalitao amin’ny fizahantany. Hampirisihina ny mpandraharaha handray anjara amin’ny hetsika eto an-toerana sy iraisam-pirenena, toy ny Salon Solidarissimo hatao any Comar, ohatra. Hisy koa ny fanohanan’ny TSF ny ONTM amin’ny fametrahana fiara-miasa, hampiroboroboana ny fizahantany aty Madagasikarara amin’ny mpanjifa any Frantsa.
Njaka A.
Quand les âmes se rencontrent à Babetville.