Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mitarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana momba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona manana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay nankasitraka ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, noho ny fanofanana tsy manavakavaka sy misokatra ho an’ny rehetra.
90% ny asa fanarenana ny tetezana ao Tetezandava, distrikan’i Betafo, lalam-pirenana faha-34, no efa vita. Noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, asa fanarenana tanteraka ny tetezana no natao ary nasiam-panatsarana mba hateza. Ny orinasa Fanambinantsoa no manatanteraka ny asa. Vinavinaina hisokatra ho an’ny mpampiasa lalana rehetra ity tetezana ity afaka iray volana, araka ny fantatra nandritra ny fidinana ifotony notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hanamorana ny fifamoivoizana ao Vakinankaratra, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny RN34 ny fahavitan’io tetezana io.
Volana natokana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono ity volana ity. Maro ny fanentanana fa ny tanjona dia ny handrisika ny vehivavy hitily mialoha ny homamiadana. Ankoatra ny fitsapana ny nono isam-bolana tsy tapaka, misy koa ny fitiliana, échographie mammaire sy ny mammographie, samy andoavana sarany avokoa, ankoatra ny hetsika fitarafana maimaimpoana karakarain’ny ONG samihafa.
Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fifampiresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo.
Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara ara-politika, ara-tsosialy, ary ara-toekarena ho an’ny vehivavy, ity fikambanana ity.
Ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny lalàna velona ary ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana no hitadiavana ny vahaolana.
Amin’ny maha reny, rahavavy, anabavy, vady, mpanorina ny fandriampahalemana, mpitarika amin’ny fampandrosoana mpanelanelana, manao antso avo ho an’ny tanora malagasy ny amin’ny fanohizana ny fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena amin’ny fomba tsy manome vahana ny herisetra izy ireo.
Ho an’ny mpitondra sy ny manampahefana kosa, tokony hisy ny sehatra ifanakalozana sy ifampihainoana ary fandraisan’andraikitra lavitry ny herisetra.
Maneho fahavononana handray anjara feno miaraka amin’ny ankolafy isan-tokony mba handrenesana ny feon’ny vehivavy ny fikambanana.
Vonona ny handray anjara amin’ireo dingana samihafa hamahana olana sy ho fampihavanana mba hiaina ao anaty hoavy mamiratra ny taranaka izy ireo.
Tatiana A
Anisan’ny toerana fitaizana ireo olona tratry ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody etsy Mahazoarivo. Nanazava izy ireo fa miteraka fikorontanana ho an’ny manodidina ny fikarakarana marary noho ny antony maro. Eo amin’ny ara-pihavanana, sarotra ny fifanajan’ny havana ny marary rehefa tsy hainy ny tokony hitondrana ny fikarakarana. Mitsara vilana ny fiarahamonina, manesoeso, manilika, ary mandrabiraby ny marary. Tsy afaka ny hahatakatra ny fahasahiranana manoloana ny tranga misy. Voatery mitsahatra amin’ny asany ny marary sy ny mpikarakara akaiky indrindra azy, toy ny vady, zanaka, mpiray tampo, … Mampihena ny fivelomana ary misy fiantraikany amin’ny ankohonana na ny fianakaviana manontolo izany. Sady mamizam-batana no mamizan-tsaina ny mpitaiza ny fikarakarana azy ireny. Matetika dia ny fahasalaman’ny mpikarakara indray no marefo no ho ny an’ny mararin’ny Alzheimer, noho ny fikorontanana maro. Anisan’ny antom-pijoroan’ny fikambananana Masoandro mody, izay manolotra sehatra mampiaty handraisana ireo marary mandritra ny tontolo andro, ireo fahasahiranana voalaza ireo.
Tatiana A
Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Rakotovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza izy ireo, na dia namaly ny antson’ny minisitera tamin’ny sabotsy 4 oktobra lasa teo aza. Nitondra ny fomba fijery ny zava-misy ary nangataka ny hampitsaharana ny herisetra sy hihainoana ny tanora, amin’ny maha mpitaiza sy mpanabe tanora azy ny Fihezama, nandritra io fihaonana io. Nanamarika ihany koa izy fa tsy nisolo tena ny Gen Z izy ireo ary laviny marindrano izany. Tsiahivina fa nahitana mpanao fanatanjahantena maromaro nanatrika ity fihaonana tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro lasa teo ity, raha ny loharanom-baovao.
Mi.Raz
Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena 6, no hifaninana.
Hotontosaina eto Antananarivo, ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Ny 18 oktobra no fara-fandraisana anarana ho an’izay handray anjara amin’izany. Etsy ankilany, hotanterahina any Fianarantsoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara,sokajy 2D, lahy sy vavy ary ny Vétérans, ny 22 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao.
Manatanteraka fiarahana mikotrana isa-maraina ny Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Karate, sokajy Cadets, Junior ary Senior. Ireo karatékas mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity no miaraka manatanteraka izao kotrana sy fanazaran-tena izao, ho fanamafisana ny tanjaka.
Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. Mahatratra 75 ny isan’ny mpandray anjara.
Fifaninanana ho an’olon-tokana ihany no hatao dia ny olon-tokana lehilahy SA1 sy ny SA2 ary ny SB1sy SB2. Eo koa ny an’ny Vétérans. Ho an’ny vehivavy indray, misy ny SA1 sy ny SB2. Mbola miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena nefa ny hahatanteraka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Na izany aza, mila miomana hatrany ireo mpilalao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasionina. Raha tsy misy ny fiovana, aorian’ity sokajy Senior ity no hiditra an-tsehatra indray ny Junior, ny volana novambra.
Tompondaka
Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy.
Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, fa marina ny vaovao nivoaka tamin’ny tambanjotran-tserasera, omaly. Handeha hanazatra ny ekipan’ny Young Africans Sports Club (Yanga) Tanzanie ny tenany. Nambarany nandritra ny resaka nifanaovana taminy fa efa vita ny sonia sy ny fifanarahana roa taona azo havaozina eo amin’ny roa tonta. Miankina aminy sisa ny tsy mbola hiaingany satria mbola mamarana ny nifanarahana tamin’ny Federasionina malagasy (FMF) sy ny Yas Madagasikara ny tenany. Raha tsy misy ny fiovana, hamonjy io ekipa io izy amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.
Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny vady aman-janany. Afaka mitondra olona telo koa izy handrafitra ny ekipa teknika. Tsiahivina fa ekipa D1 ao Tanzanie ny Young Africans Sports Club ary miatrika ny fiadiana ny “Ligue des champions Afrique”, amin’izao fotoana izao. Laharana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena Tanzanianina.
Nangataka azy ho mpanazatra koa ny Simba Club saingy tsy matotra, araka ny nambarany fa mivoaka miditra. Teo koa ny Al Merrick Soudan, misy an’i Nicolas sy i Fenohasina, saingy tsy nety taminy noho izy ireo tsy manana Kianja fa any ivelany no miatrika ny fifaninanana.
Mahakasika ny lalao hataon’ny Barea de Madagasikara A indray, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”. Nolazainy fa sarotra nefa azo atao. Tsy matematika ny baolina kitra, hoy izy, ary tsy mahafantatra izay tanjak’i Comores sy i Mali amin’izao fotoana izao ny tenany ka tsy afaka ny hanome ny heviny fa mirary soa ho azy ireo hahazo ny isa 6.
Tompondaka
“Tokony hisokatra amin’ny rehetra ny governemanta. Heverina fa rariny izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tao Ambatofinandrahana, Razafindrabary Narson Seth Jean Richard, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy fanehoan-kevitra maro mila henoina izay antony mahatonga ny olona manao fitakiana. Maro ny manao fitakiana fa tsy hoe ny mpanohitra… Heverina fa manan-jo avokoa ny tsirairay hanolotra olona hiditra ao amin’ny governemanta. Hatao ny fisokafan’ny governemanta, tsy hoe ho an’ny mpanohitra fa ho an’ny hery velona manao fitakiana, araka ny nambarany.
Misy ny fitakiana ataon’ireo tanora. Zo fototra ny jiro sy rano. Ny zava-tsy mety, misy manararaotra ny tolona, mitondra izany any amin’ny fanonganam-panjakana. Tany demokratika i Madagasikara. Rehefa amin’ny lafiny inona ny sasany no miteny demokrasia? Marina fa fanehoan-kevitra ny demokrasia. Fa mametraka koa ny demokrasia fa ny olona voafidy amin’ny fomba demokratika dia tokony ho fifidianana demokratika koa no handimby azy. Sarotiny amin’ny fiarovana an’izay fiarovana ny lalàmpanorenana ry zareo. Izay no nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika izay safidim-bahoaka.
R. Nd.
Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa.
Raha manjohy akaiky ny hodidina misy amin’izao fotoana izao, hita fa maika ny fametrahana ny rafitra mpanatanteraka. Tsy ampy ny fandehanan’ny filohan’ny Repoblika irery. Tokony ho roa mifampiankina hatrany ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Ny lalàmpanorenana rahateo manamafy an’izay. Tsy tokony hivaona amin’izay voasoratra.
Sasa-miandry ny mpanara-baovao satria mifamahofaho ny fampitana hafatra sy ny baiko ho an’ny mpiasam-bahoaka indrindra indrindra. Mifanjana sy mifanilika andraikitra ary tena tsy mifanaja intsony ny any anaty birao. Biby tsy manan-doha tokoa angaha ka tsy mandeha. Mampalahelo ilay toe-tsaina. Mikatso ankolaka ny zava-drehetra.
Ilay vahoaka tsimandadiharona no mahita faisana amin’ny afitsoky ny mpanao politika. Mampitarazoka ny raharaha ny ady sisika miafina anaty ady varotra. Lany andro amin’ny ady seza ny ankamaroany. Tsy manaiky ho baikoin’ny filan’ny vahoaka. Mifarombaka ny haka seza na ireo noheverina fa misy etika aza.
Manahirana ny famakafakana ilay toe-draharaha. Tsy hita be ihany ny marina ho raisina. Misy ireo tena mitolona, mihevitra ny mpitondra fanovana, ho mpanadio ny tanàna. Indrisy, maro anisa anefa ny mpanao kitoatoa, misarintsarim-pitolomana. Misarongotra etsy sy eroa, mitady ny sitrany ahay: vola, voninahitra, fahefana.
Miandry, miandry lava, miandry foana ny vahoaka madinika. Tsy mety fay ny mpilalao politika, izay anefa no efa mampitroatra ireto tanora, liam-pivoarana sy te hanova tantara ireo.
r.r
Tsy ilay Malagasy fatra-panaja ny maha izy azy intsony no miaina amin’izao vanim-potoana izao? Nomontsanin’ izy ireo ilay fanarahana ny fomba amam-panao mifototra amin’ny lamina voajanahary. Rehefa mety ho manan-kasina rehetra eto amin’ity Nosy ity (fomba amam-panao, toerana, olona, zavatra…), very, takona… Tafiditra tao anatin’ izany ny fanabeazana maha olona.
Ny vehivavy (reny) no niantsoroka be indrindra ny fanabeazana teo amin’ny Malagasy. Natao izay handaozany io adidy mampanjary hasina ny taranany io. Nampahantraina ny isan’ankohonana mba hoenti-mandresy lahatra fa : «tsy vitan’ny lehilahy irery intsony ny mamelona ny ankohonany fa mila mifarimbona ny lahy sy ny vavy». Nokitihiny nanaraka izany koa ny zo. «Tokony hitovy zo ny lahy sy ny vavy», «Vitan’ny lehilahy ve dia tsy ho vitanareo vehivavy»…
Tsy ninono tamin-dreniny intsony ny taranaka malagasy fa ninono «fingotra». Fomba manala hasina maha olombelona faran’izay haingana sy matanjaka. Very ilay fifankahalalana sy fifamatorana eo amin’ny reny sy ny zanaka. Tsy manam-potoana handraisana an-tanana (mitrotro) ilay menaky ny ainy, intsony, ilay reny niteraka. Zava-dehibe ho fampanjariana ny hasina eo amin’ny fotoam-pahazazana anefa iny.
Nitombo ny fanalan-jaza sy ny fanarian-jaza… Hasina maha olona mihitsy no very sy potika. Nanjary maty ny feon’ ny fieritreretinan’ny vehivavy na ny reny sasany, satria, tsy ao aminy intsony ilay hasina.
HaRy Razafindrakoto
Tsy milamina ny firenena. Tsy milamina manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Samy vokatry ny fikorontanana ateraky ny saina avokoa ireo. Tsy mbola tazana loatra ny fiverenan’ilay soatoavina malagasy «ny fanahy no olona». Mbola manjaka ilay “ny saina mamosavy”. Tsy avy any ivelany ( tsy avy any ivelan’i Madagasikara na avy eny ivelan’ny vatana) ny fahaiza-mametraka sy miaina ny fahendrena sy ny soatoavina fa avy ao anaty. Noho izany, mila mifoha ny masom-panahin’ny tsirairay raha te hiaina ao anaty fitoniana sy firindrana.
Mijaly ny mpanakanto, satria, nofoanana na nahemotra ny fampisehoana. Maneho ny heviny momba ny toe-draharaha iainana eto amin’ny firenena ireo mpanakanto, sns. Mpihira ny ankamaroany. Raha ireo no atao indray mijery, voasarika hametraka hatrany ny raikipohy “mpanakanto = mpihira”, ny sain’ny Malagasy. Mila manao ezaka ny sehatry ny kanto hafa mba hanana fivelarana lehibe kokoa. Zavakanto, ohatra, ny fikirakirana sakafo. Ny Malagasy no anisan’ireo firenena manana akora fototra maro indrindra hoenti-manatanteraka izany. Saingy, tsy tazana manatanteraka hetsika (fahaiza-mahandro…) loatra ny tontolon’ny sakafo.
Vanim-potoana hitodihana any amin’ny fototra izao. Ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao no laharana voalohany amin’izany. Tsy mitodika fe mitodika fa manao izay tokony hiainana miaraka amin’ireny indray. Manao izay hampifandrindra izany amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy iainana, mba hitondra vokatsoa, kanefa, tsy hanimbana ny fototra ihany koa. Raha atao indray mijery, mety ho sarotra tanterahina? Antoka maha mety sy maha mora azy io ny fahavononan’ny saina sy ny fanitsiana ny fanabeazana.
Mandia lalan-tsarotra ny firenena. Matetika, ny tontolo politika na sosialy hatrany no voakitika sy voatondro fa ipoiran’ny olana. Tsy tokony hijanona eo anefa. Hadino sy tsy voaresaka mihitsy aza ny soatoavina. Raha niaina ny soatoavina Malagasy ny rehetra, tsy hiaina savorovoro sy korontana tahaka izao ny firenena.
«Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha». «Ny fanahy no maha olona», sns. Firy amin’ny Malagasy 32 000 000 tapitrisa no niaina ireo ampahana soatoavina ireo ? Ilay Zanahary lazaina eto aza, angamba, maro ny Malagasy no tsy mahalala azy intsony. Na, mety manafangaro Azy amin-javatra hafa. Tahaka izany ihany koa ny fanahy.
Ilaina ny mampahafantatra ny soatoavina malagasy, ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Zarina tsikelikely hiaina ao anatiny izy ireo, avy eo. Tsy ho tanteraka, anefa, ireo raha mbola omen’ny fiarahamonina vahana ireo soatoavina indramina. Noho izany, mila raiamandreny mahafantatra sy mahay momba ny soatoavina malagasy ny fiarahamonina mba hampianatra sy hanoro azy.
HaRy Razafindrakoto
Mamaramparana ny fanatontosana ireo fomba amam-panao mandritra ny vanim-potoana maintany, ny Malagasy. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana (famadihandrazana). Misy hatrany ny olana fa tsy nampihemotra ny “raharaha”.
Isan-taona, miteraka adihevitra maro hatrany ny fanatanterahana ny famadihandrazana. Vao mainka mampitombo izany ny fihamaroan’ isan’ireo sehatra ahafahana miresaka na mitafa na maneho hevitra amin’ny alalan’ny soratra sy sary. Anisan’ireny ny karazana tambanjotrantserasera izay zary filan’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy maro… Tsy maha kivy ny mpitana ny fomboan-drazana anefa izany.
7 000 000 Ar eo ho eo ny fandaniana tsy azo ialana raha hanatanteraka ny famadihandrazana amin’ny fomba tsotra. «Tsy maninona raha izay no hampirindra indray ny fihavanana. Ahafahana manome hasina ireo razana nipoirana. Ahafahan’ny fianakaviana mangata-tsodrano amin’ireo niandohany, sns», hoy ny fanazavan’ireo raiamandreny mandritra ny fanatontosana ity fomba amam-panao ity… Tsy mahakivy ny mpandala ny fomba ny hoenti-manana.
… Antony iray lehibe nampihena ny isan’ny Malagasy (isam-batan’olona) manatanteraka ny famadihandrazana ny fitsabahan’ny finoana any amin’ny fomba. Io ihany koa no nampizarazara ny ao anatin’ny ankohonana : ireo manao famadihana sy ny tsy mankasitraka izany intsony… Ny fomba amam-panao no taloha fa tsy ny finoana nentim-bahiny. Noho izany, tsy nataon’ny Malagasy mahatazona ny fomba hanova ny fahalalany ny “resa-pinoana”.
… Na hevitra, na fandaniana (vola, herim-po…), na ny “resa-pinoana”, sns. Tsy nampihemotra ireo mpitahiry sy mpandala ny fomban-drazana tsy hanatanteraka ny famadihana (famadihandrazana) izy ireny. Tsy nitondra fiovan-kevitra tamin’izy ireo ny fanatsatsoana sy ny fanakiviana. Porofo manamarina fa ny tsara fototra, tsy miongam-poana.
HaRy Razafindrakoto
Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tetsy Analakely, betsaka amin’izy ireo no tsy mahita tombony maherin’ny 10 000 Ariary intsony ankehitriny, noho ity fiainanana hita fa tena mikatso ity. Samy manana ny heviny anefa ireo olona eny an-toerana, misy amin’ireo mpivarotra no milaza fa manomboka sarotra ny miditra ao Analakely, rehefa andavanandro noho ny fisian’ilay grevy ao an-toerana. «Tsy misy olona mandalo intsony eto Analakely. Zara raha misy ny olona mandalo sy hita ety amin’ny tsena. Sakanan’ireo mpitandro filaminana tsy handeha aty Analakely moa ny olona ka izay no maha sarotra an’ilay zava-misy amin’izao fotoana izao», hoy ny mpivarotra kiraro iray teny Analakely. Nohamafisin’ity mpisehatra amin’ny fivarotana kiraro etsy Analakely ity ihany fa sarotra dia sarotra vao mahalafo kiraro iray amin’izao. «Manahirana ny mpividy mihitsy ilay maheno ny vidin’ny kiraro, vao manombana ianao amin’izao, fa tsy maintsy 2000 Ariary eo no tombony mba alainao ankehitriny», tenin’ity mpivarotra kiraro iray ity, etsy Analakely ihany. Nihena ihany koa ny vola miditra ho an’ireo mpitady vola amin’ny fampisotroana kafe. Raha tsiahivina, eo amin’ny 15 000 Ariary eo tombony izy ireny isan’andro ary nilatsaka ho 5000 Ariary izany amin’izao. «Tsy dia misy mividy ilay kafe amin’izao fa ireo mpivarotra manodidina sy olona mba sendra mandalo no manjifa izany. Somary nahena ihany koa ny entana amidy ety, noho ny tsy fisian’ny olona mandalo loatra», nambaran’ilay rangahy iray mpivarotra kafe.
Miantso fitoniana
Mangataka fitoniana sy fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny akamaroan’ireo mpivarotra ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, hatramin’ny 11 ora ihany ry zareo no afaka mivarotra eny an-toerana, nefa sahirana ihany izy ireo amin’ny famelomana ny ankohonana. « Mba mangataka sy miangavy ihany izahay hoe mba hataovy re izay marimaritra hiraisana sy fitadiavana vahaolana amin’ity zava-misy ity». Hafatra avy amin-dry zareo. Na izany aza, mampalahelo ny mahita ny mpianatra iharan’ny herisetra, tahaka ireny. « Manan-janaka sy reny ary saika ray aman-dreny avokoa ny ankamaroanay mpivarotra. Mampalahelo mihitsy mahita ireo tanora sy mpianatra tratran’ny herisetra tahaka ireny. Mangataka izahay, mba hampitsaharana ny zavatra tahaka ireny fa na ireo olona tsy manan-tsiny aza, dia tratran’ny fahavoazana, amin’ izao grevy misy izao», tenin’ ilay ramatoa, miezaka mamelona ny ankohonany amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana. Tsara ny mampatsiahy fa nanomboka 25 septambra teo, sahirana tanteraka ny mpivarotra eto an-drenivohitra.
Nilamina tsara ny omaly
Tsy dia nahitana olana, sy fahasahiranana loatra ny teny an-tsena an’Anakakely, omaly. Nanararoatra nitady vola mihitsy izy ireo, ary ny andro alahady tahaka izao, lasa hoe fotoana hahafahana mitady vola ho an’ny mpivarotra sasany eny an-toerana. «Tsy maintsy mivarotra aloha androany, somary mbola mafy ny herinandro ho avy io. Rehefa alahady tahaka izao, hita hoe maro ihany ireo olona mivoaka mandeha miantsena eto an-drenivohitra», nolazain’ilay tovolahy iray, misehatra amin’ny bakiraro. Nomarihan’ity zatovo ity ihany, fa tsy dia nanafatra entana betsaka izy aloha tamin’ity alahady ity, mba tsy hisian’ny fatiantoka haterak’izao grevy misy izao. «Rehefa manomboka mafana ny toe-draharaha ety an-tsena, ahoronay ny entana, ary ny lalana mody ihany no jerena, sarotra ho anay, ny hiditra lalina amin’ny zava-misy», famaranan-teny nataon’ity lehilahy ity ihany.
Nanantontosa : F.R
Na tsy maro tahaka ny mpanakanto eo amin’ny tontolon’ny hira aza ny mpanao sary hosodoko eto Madagasikara. Mahasarika ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora any am-pianarana ny mianatra azy ity. Tsy vitsy rahateo ireo sekoly mampiditra ny taranja hosodoko hoenti-mampitombo ny fanabeazana maha olona ao aminy.
… Hatramin’izao, anefa, mbola tsy manan-danja manoloana ny tontolon’ny zavakanto sy ny fiarahamonina malagasy ny sary hosodoko. Andaniny, tsy mbola mahavelona ireo izay manao azy. Ankilany, mbola tena vitsy ny tokantrano malagasy manana hosodoko iray ao aminy, raha dimy izany ho an-dry zareo Anglisy. Fito ho an’ny Amerikanina.
… Iray amin’ireo zavakanto miadam-pamindra ny sary hosodoko ho an’i Madagasikara. Lesoka ny tsy fahampian’ny sekoly voatokana hampianarana azy. Eo koa ny fahalafosan’ireo akora sy fitaovana hoenti-manatontosa hosodoko, izay miteraka fiakaram-bidin’ny tabilao vita. Ny fahefa-mividy ananan’ny Malagasy, anefa, ambany.
… Anisan’ny mampiavaka ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy ny fananana aingam-panahy haneho ny tontolo voajanahary, indrindra fa ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Manasongadina ny tranogasy, tambohogasy, eto Imerina. Eo koa ireo toerana manan-tantara, sy tontolo iainana voajanahary, sns. Fantatra fa anisan’ny mahasarika vahiny fatratra ireo endrika ireo.
HaRy Razafindrakoto
Nanao antso avo amin’ireo mpanakanto rehetra ny sendikàn’ny mpanakanto, omaly. Manetana izy ireo ny tsy handraisan’ireo mpanakanto anjara amina fampisehoana hatao hampisara-bazana sy hampifandrafy ny samy malagasy. “Miantso ireo mpanakanto zandry tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana amin’izao toe-draharaha am-pototry ny fifamonoan’ny samy Malagasy izao. Miantso ihany koa ireo tompona fanamafisam-peo sy teknisianina izy ireo mba hanaraka izay”, hoy ny fanambarana. Nanamafy ry Rossy, Dama, sns, fa tsy misy mpanakanto na iza na iza afaka miteny amin’ny anaran’ny mpanakanto rehetra izao.
Nanandratra avo ny mozika malagasy i Niu Raza. Nasaina nihira nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), tany Paris, izy, ny alin’ny alakamisy teo. Izy no Malagasy mpanakanto voalohany voaantso tamin’ izany. “Tamin’ny foko manontolo no nihirako an’ity hira ity. Mamiko loatra ny maha gasy ahy, reharehako hatramin’izay ka hatramin’izao, na inona na inona mitranga eo amin’ny fireneko.Samia mandray ny andraikiny aby ho an’i Madagasikara”, hoy ny hafatr’i Niu Raza.
Hiaraka hifampizara sehatra any Allemagne i Rija Ramanantoanina, Lalatiana ary ny tarika Johary. Hotontosaina anio, any Sttutgart izany, izay natao ho fihaonan’ireo Malagasy rehetra monina any, ho fanehoana ny firaisankina noho ny toe-draharaha aty Madagasikara. Natao hifampizarana, hifanohanana, hifanakalozana ary hanehoan-kevitra io fiarahana io. Ankoatra ny fampisehoana, fitadiavana izay mety ho vahaolana ho an’ny krizy misy eto Madagasikara koa io fihaonamben’ny Malagasy any Allemagne io.
Tsangambato hanasoavana taranaka. Izay no antony nananganana ny Tranoben’ny boky (Maison du livre) ao Ankofa, Mahasoabe, Fianarantsoa. Razafimandimby André Claude no tompon-kevitra sy tompon’ny toerana. ” Hifoha velombelona ny saina. Hitombo velabelatra ny fahalalana” , hoy izy. Faharesen-dahatra sy finiavana manokana hanasoa ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanohanana ny kolontsaina ny azy. Na tsy mbola tontosa hatramin’ny farany aza, efa nosokafana ity toerana ity. Misy efitrano lehibe famakiam-boky, efitrano fanaovana velakevitra, efitrano fisakafoana ary tokotany malalaka afaka hanaovana hetsika ara-javakanto ankalamanjana izany.
Vola madiodion’ny tompon-toerana no nananganana izao fotodrafitrasa ho an’ny vakiboky izao. Miantso ireo malala-tanana afaka mamatsy boky ho an’ny toerana izy. Mba hampiodina tsara izany, hisy ampahany ampanofaina ny toerana. Hipetraka ho toerana fampahafantarana ny boky sanganasan’ ireo mpanoratra, indrindra ireo any Fianarantsoa, kosa anefa izany.
Lanonambe no nentina nanokafana ny toerana. Nisy ny seho ara-javakanto nataon’ny tarika mpanao dombolo, Randrambalo, izay mpively amponga sy mpiangaly sodina ary ny mpanao bapampa. Teo ihany koa ny velakevitra nataon’ny Dr Nalisoa Ravalitera, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, sy Ranoe, mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra.
Zo ny Aina
Hatramin’izao, tsy mbola nisy afaka nanome porofo mazava fa tsy misy ny tody. Na, tsara na ratsy ny atao, manody avokoa. Rehefa milofo, tody any amin’ny tanjona tian-kotratrarina ihany na ho ela na ho aingana.
Ho an’ny teny malagasy, « tody ». Ho an’ny teny vahiny, « karma ». Samy tamberin’ny zavatra natao na ny ratsy na ny tsara. Tao anatin’ny angano malagasy. Ratany no tompon’ny vatana. Zanahary kosa no tompon’ny aina. Nifantoka tamin’ireo anton-javatra roa ireo (fisian’ ny tody sy ny maha tompon’ny aina an’Ilay Nahary) ny nitaizan’ny Malagasy ny taranany. Vokatr’izay, nitandrina sy nandala fatratra ny hasin’ny aina izy. Na ny namono biby aza tsy nataony. Raha voatery nanao izany, nangataka tamin-Janahary.
Rehefa ny tody no takona. Manao izay hitsin’ny sainy ny olona. Aminy, na an-drariny na tsia. Na, hanaraka ny hitsiny na tsia. Na, handatsahana aina na tsia. Na, hanambakana olona na tsia, sns. Azo atao avokoa, satria, tsy misy ny tody. Nanjary anaty nofinofy sisa ny fahafantaran’ny Malagasy ny tody. Indraindray, tadidiny ny fisiany. Fa matetika, very an-javony fotsiny ihany.
Misy tokoa ny « tody »
Misy ny « tod » na « tonga », tokoa, eo amin’ny dingana na tanjona tiany ho tratrarina ireo mihevitra fa « tsy misy ny tody ». Nanjary manana fahefana lehibe. Manam-bola be. Tsy refesi-mandidy. Manao izay tiany hatao. Tsy misy mahasakana amin’izay rehetra tian-katao, sns. Mety tsy henjehin’ny eritreriny, satria, aminy, tsy misy ny tody.
Misy tokoa ny « tody », satria, tsy vitsy amin’ireny tsy mahafantatra (na minia tsy mahalala) ny fisiany ireny no itambesaran’ny nenina. Ivangongon’ olana. Manan-taranaka tsivanombanona…
Antony iray tsy mahafak’ olana an’i Madagasikara sy ny Malagasy io fisian’ny « tody » io. Manody azy ny hatsirambina nataony. Ny famadihana tanindrazana. Ny fanariana ny soatoavina. Ny famingavingana ireo raiamandreny. Ny fanariana ilay hasina na ilay fanahy maha olona… Ny tsy azo lavina, misy tokoa ny tody. Sarotra zakaina izy io raha, sanatria, ka arahin’ozona.
HaRy Razafindrakoto
Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny sampandraharaha misahana ny mpiady tia tanindrazana ary ny Bataillon médical Ampahibe. Nanatrika izany ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana, ny Jly Randrianantenaina Emilson, sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Nandritra izany koa no nizarana ny taratasim-bola fisotroan-dronono ho an’ireto zokiolona ireto. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fijerena ny maha olona ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona izao hetsika izao. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fiahiana manokana ireo zokiolona nanao sorona ny ainy ho an’ny Tanindrazana.
J.C