Avy hatrany dia vavany. Tsy miandry ela fa niditra amin’ny fampivondronana ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, hiatrika ny “Sevens challenger series”. Fifaninanana ho an’olona fito.
Nanomboka ny alarobia lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampivondronana ireo Makis 25 mirahalahy. Hanomana ny fiatrehana ny “Sevens challenger series”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7. Isan’andro ny fanazarantena ho azy ireo. Nambaran’ny tale teknika nasionaly fa mody ireo mpilalao aorian’ny fiatrehana ny kotrana.
Mbola ao anatin’ny fifantenana rahateo ny mpanazatra sy ny ekipa teknika eo anivon’ ny Malagasy Rugby. Raha tsy misy ny fiovana, tapa-bolana mialoha ny fifaninanana vao hiditra amin’ny fampivondronana mikatona ireo mpilalao voafantina.
Tsiahivina fa hotanterahina atsy Cape Town, Afrika Atsimo ny fihaonana. Hizara roa ny fifanintsanana ka ny dingana voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny 7 sy 8 marsa ny faharoa. Miisa 12 ireo firenena hiady ny lohany amin’ity. Afrika Atsimo mpampiantrano, i Kenya, Madagascar, Ouganda, Allemagne, Bresil, Canada, Chili, Georgie, Japon, Hong-Kong Chine, Portugal.
Ireo firenena 8 tsara toerana indrindra aorian’ireo dingana roa ireo no manohy ny fifaninanana, hatao any Cracovie Pologne ny 11 sy 12 avrily ho avy izao. Miatrika ny «Play-off», hatao any Los Angeles ny 3 sy 4 mey ireo ekipa 4 tafavoaka amin’io ary miatrika ny «Sevens Challenger series 2025”.
Marihina fa sambany vao hiatrika ity fifaninanana ity ny Makis de Madagascar, lehilahy. Raha ny antsapaka, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis de Madagascar.
Manoloana izany, miandry fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny Makis de Madagascar satria fifaninanana goavana mitovy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity hatrehina ity.
Tompondaka
Miorina amin’ny tanjona stratejika telo ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, araka ny nanolorana izany teny Ivandry, omaly. Eo ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andriakatra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiroboroboana ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana ifampizaran’ny rehetra.
“Efa 20 taona isika eto Madagasikara no niady amin’ny kolikoly. Ny zava-baovao amin’ny SNLCC 2025-2030: miala amin’ny hoe apetraka fotsiny ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly dia hanjavona ny kolikoly”, hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny mpanao gazety. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra, samy manana andraikitra tandrify azy. Ao, ohatra, ny Fitsarana avo (HCJ), ny parlemanta, ny governemanta. Tsy maintsy atao izay hampidiran’ny rehetra any anatiny ny ady amin’ny kolikoly.
Amin’ny ankapobeny, tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Hatramin’ny minisitra sy ny praiminisitra teo aloha, ny manampahefana isan-karazany, ny sampandraharaha fisafoana amin’ny ladoany sy ny hetra… Mba tsy hisy sakana intsony ny fanenjehana izay manao kolikoly rehetra tsy ankanavaka. Hazavaina ny hoe zo tsy azo enjehina izay misy isan-karazany: tsy azo tsaraina raha
tsy any amin’ny HCJ, ny tombon-jo parlemantera, ny fahazoana manao fanenjehana any amin’ny mpiasam-panjakana samihafa… Mila mazava izay fa misy manao hoe depiote dia tsy azo enjehina: tsia, voafetra ny azony atao. Apetraka ny fangatahana rehefa hanao fanenjehana, ary tokony hamaly izay voakasik’izany.
R. Nd.
Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. “Miezaka ny hanaovana azy ireny ho lasa maodely eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy”, hoy i Zo Nasandratra, mpanao hosodoko, raha nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy fa tokony hita taratra amin’ny zavakanto atao sy amin’ny alalan’ny haikanto ataon’ny mpanakanto ny fanabeazana entiny. Raha ho azy manokana, manao ireo karazana sary hosodoko samihafa izy. Ampisehoany fa manavanana azy ny fahaizana mifandray amin’ny olon-drehetra ary miaina amin’ny toerana rehetra koa izy. Miezaka miala kosa amin’ireo zavatra ratsy sy miiba kosa ny tenany izay tsy mitarika fandrosoana. Ankoatra izay, misy zavatra tian’ny mpanakanto aseho avokoa ny sary rehetra. Na ny “art pejorative” izany na ny “art abstrait”. Samy maka ny tandrify azy ny tsirairay. Satria, tsy mitovy fitiavana ny olon-drehetra ka antony mahatonga azy hampifangaro ireo karazana sary ireo. Tanjona ny hamaliana ny filan’ny mpanjifa sy ny hamelona ny fanaovana sary eto amin’ny Nosy.
Sehatra iray ahafahan’ny mpanakanto sy ny mpanjifa mifandray ny sary hosodoko, amin’ny ankapobeny. Tokony iezaka, araka izany, ny mpanakanto mampiseho ny hafatra rehetra amin’ny alalan’ny zavakanto ataony. Ankoatra izay, afaka maminavina sy mampifandray ary mampifanojo ny eritreritra eo amin’ny sary sy ilay mpijery ihany koa izany.
Nolovaina sy nampiana
fianarana ny fanaovana sary hosodoko
Ravonison Andrianjaka Zo Nasandratra, raim-pianakaviana, mpanao sary hosodoko eto Antananarivo. Fantatry ny maro amin’ny hoe Zo Nasandratr’art eo amin’ny sehatry ny kanto. Nanomboka nampiranty ny asa tanany voalohany teto Madagasikara izy tamin’ny taona 2001. Niarahany tamin’ny mpanakanto maro samihafa eto an-toerana izany. Tsy nijanona niseho mihitsy izy nanomboka teo fa niezaka nampiseho sy nampahafantatra izany tamin’ny olon-drehetra. Hatramin’ izao, mbola misehatra amin’ny fanaovana izany asa tanana izany izy ary mandray anjara amin’ny hetsika maro.
Asa nolovaina tamin’ny rainy
Efa mpanao asa tanana teo amin’ny tontolon’ny fanaovana sary hosodoko ny rainy, raha ny fanazavany. Noho izany, azo lazaina fa asa nolovainy avy amin’ny rainy ny fanaovana asa tanana ka mora ho azy ny nanao sy nanatanteraka izany. Ankoatra izay, nanara-maso sy nanampy azy betsaka ny rainy satria nianatra manokana momba ny sary. “Teraka tao anatin’ny fanaovana sary satria efa mpanao sary ny ray aman-dreniko dia lehibe tao anatin’izay aho”, hoy i Zo Nasandratra. Tsy nihonona tamin’izany anefa fa nampiana fianarana hatrany izany mba hanamafy ny traikefa sy hanatsarana ny asa tanana izay atao, raha ny nambarany hatrany. Tsy nijanona nisehatra sy nilomano tamin’ny fanaovana sary hatrany izy na dia nandranto fianarana hafa tamin’ny ambaratonga ambony aza, raha ny nambarany. Manampy betsaka hivoatra ny fizarana sy fitomboan’ny traikefa amin’ny fanaovana ny asa. Mampitombo fahaizana sy mampivelatra hatrany ny fikarohana.
Asa fivelomana sady fiainana
Asa fivelomana no sady fiainana ny fanaovana ny sary hosodoko, raha ho azy manokana. Tsy voafaritra mazava ny vola miditra amin’ny mpanao azy satria miovaova araka ny vanim-potoana sy ny fandehanan’ny tsena izany, raha ny fanazavana. Nilaza izy fa rehefa miezaka mifandray aman’olona dia mitombo, araka izay, ihany koa ny vola miditra. Manjifa ny vokatra avokoa ny sokajin’olona rehetra na Malagasy na vahiny. Amin’ny ankapobeny, tena mahasarika ny mpanjifa ny vokatra mampiseho sarin’olona (portrait). Anisan’ny manamarika ny fiainan’ny olona tsirairay ny fahitana ireny karazan-tsary ireny. Haigam-panahy mandrisika azy hanao ny asa ny fifantohana. “Tsy mila misotro na mihinana na mandray zavatra na mihaino mozika fa mahavita asa foana rehefa mifantoka”, hoy hatrany izy.
Ampiasaina ny akora fototra rehetra
Mampiasa ny akora fototra rehetra ity mpanakanto sy mpanao asa tanana ity rehefa manao sary. Ampiasainy avokoa rehefa azo amoahana sary. Miainga hatrany amin’ny pensily hazo tsotra indrindra. Toy ny pensily antsoina hoe « inactinique », ny pensily «aniline », « bicolore », « crayon aquarellable», « crayon pastel », « crayon fusain », « crayon sanguine », « crayon de charpentier » sy ny maro hafa.
Nanatontosa : Mino
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Tampoketsa, distrikan’Ankazobe, omaly, ny fambolen-kazon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy.
Nandray anjara tamin’izany ny miaramila avy amin’ireo rantsamangaikan’ny minisitera, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, ny mpiasa sivily ary ny attaché de défense ao amin’ny masoivohon’i Etazonia. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo sy ireo mpiara-miasa aminy. Tonga nifanome tanana teny an-toerana koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry nahitana ny ben’ny Tanàna ary ny lehiben’ny distrikan’Ankazobe. Nohamafisin’ny MFA ny maha adidy masina ny fambolen-kazo, mitondra voka-tsoa ho an’ny firenena amin’ny lafiny maro. Antony, nisafidianana ny lohahevitra nentina nanatontosana izao fambolen-kazo izao : «Foloalindahy mamboly hazo, loharano angovo maharitra». Nambarany ny tokony hifanentanan’ny tsirairay amin’ny hikajiana ny ala efa misy ka tsy hikapa na handoro izany. Zanakazo 10 000 isa no nambolena tamina velaran-tany 500ha izay tafiditra amin’ny fanambin’ny MFA ny hamboly amina velaran-tany 10 000ha isan-taona. Eo koa ny fanambin’ny filoham-pirenena ny handrakotra ala indray an’i Madagasikara. Nikarakara ity hetsika ity ny talen’ny fiarovana eo anivon’ny MFA, tarihin’ny Capitaine de Vaisseau, Berarazana Patricio,
miantoka ny ao aloha sy mandritra ary ny fijerena ny fitomboan’ireo zanakazo aorian’ny fambolena azy.
Jean Claude
Ankoatra ny fihariana ara-toekarena, manana ny « Andraikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina » (RSE) ny Star. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanabeazana ny ankizy anaty fianakaviana sahirana, nefa mahomby any am-pianarana. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Consulat de Monaco sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny vatsim-pianarana natokana ho an’ny tanora miisa 6 mianadahy. Nahazo mari-pahaizana « licence » nandritra ny taom-pianarana 2023-2024 izy ireo. Mivelatra amin’ny làlam-pianarana samihafa, toy ny informatika, ny lalàna sy haipolitika, ny fitantanana, ny indostrian’ny fanodinana sakafo, ny fananganana fotodrafitrasa ary ny angovo azo havaozina.
Natolotra, omaly, ny mari-pankasitrahana noho ny fahombiazan’izy ireo, natrehin’ny kaonsila Monaco, Cyril Juge, ny talen’ny fandaharanasa Ramamonjisoa Adèle. Teo koa ny talen’ny serasera Star, Randriambolamanana Seheno sy ny tompon’andraikitry ny fifandraisana amin’ny any ivelany, Raveloarison Fanou ary ny solontenan’ny orinasa miisa 8 mpanohana.
Nanomboka ny taona 2014 ny Consulat Monaco no nanome vatsim-pianarana ny ankizy manomboka ny kilasy faharoa hatrany amin’ny fianarana ambony, toy izao. Mitotaly 1,455 miliara Ar ny vatsim-pianarana efa nomena, ho an’ny ankizy miisa 179, ka andiany fahadimy ireto farany ireto.
Njaka A.
Hatomboka ny volana marsa ny fananganana ny tobim-pamokaran-drano 50 000m3 isan’andro eny Amoronakona. Hamokatra rano 30 000m3 isan’andro koa ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitrimanjaka. Eo ihany koa ny fampitaovana ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP sy Tana Water III.
Heverina hamokatra zezika organika 30 000 t isan-taona ireo ozinina enina hapetraka amina faritra enina eto Madagasikara. Hiara-hiasa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatanterahana ny tetikasa. Tanjona ny hampitomboina sy hanatsara hatrany ny vokatra eto amintsika.
Nihena -5% ny hetra avy amin’ny fanafarana solika avy any ivelany ny taona 2024. Nitombo +42% kosa anefa ny fanafarana solitany fandrehitra. Andoavan’ny fanjakana volabe anefa ny vidin’ny solitany fandrehitra, ka anisan’ny paikady ho raisina ny hampihenana ny fanafarana, sady hampifanintsiana azy amin’ny tena vidiny iraisam-pirenena.
Vonona hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny fanabezam-pirenena ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) amin’ny fampiroboroboana ny indostria malagasy. Mila apetraka eny an-tsekoly ny fitiavana ny vokatra eto an-toerana hamantaran’ny ny lanjan’ny indostria sy ny vokatra malagasy.
Hita ny vahaolana ! Tara ny fotoana fanentsana ny vary vakiambiaty any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, satria tsy ampy ny rotsakorana. Voakasik’izany ny faritra lemaka PC 23. Vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana ny fanaovana « ketsa iombonana » ho an’ny mpamboly. Sambany nampiharina tany an-toerana ity paikady ity, ka natao ho vala fakan-tahaka ihany koa amin’ny tranga toy izao, tafiditra anaty fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Nidina ifotony tany an-toerana, omaly, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison Sergio François sy ny mpiara-miasa aminy, toy ny talen’ny Fofifa Cala Alaotra Mangoro. Hita fa azo hatomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fizarana ny ketsa amin’ny tantsaha sy ny federasiona any amin’ny PC 23.
Nanararaotra niresaka ny olana sedrainy tamin’ny minisitra Minae ny tantsaha. Vahaolana naroson’ny minisitra ny hanajana ny tontolo iainana, ka mila mandray fepetra hisorohana ny haintany. Satria, iarahan’ny rehetra mahita fa sakana lehibe amin’ny fahombiazan’ny fambolena.
Njaka A.
Ratsy ny vokatra ho an’Andriantefihasina Mirija, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U18 taranja tenisy. Fihaonana, notanterahina tany Le Caire Egypte, ny 27 janoary lasa teo. Vao teo am-piandohana dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Samy tsy tafavoaka ny fihodinana voalohany ny tovolahy na ho an’ny lalao ho an’olon-tokana na teo amin’ny olon-droa.
Teo amin’ny fihaonana olon-tokana, niondrika teo anatrehan’ilay afrikanina tatsimo, i John Bothma, tamin’ny seta 2 no ho 0 (1/6 ; 3/6) ny tenany. Nanan-tombo teo amin’ ny fahaiza-manao ilay mpifanandrina taminy. Tsy niady mihitsy ny seta voalohany satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Mirija. Teo amin’ny seta faharoa vao nifandanjalanja ny fihaonan’izy mirahalahy izay nahazoan’i Mirija lalao telo.
Niditra teo amin’ny lalao ho an’olon-droa indray ka niaraka tamin’ilay botsoane, i Ntungamili Raguin ity Malagasy mpilalao ity. Nifandona tamin’ireo tonizianina mirahalahy, i Ibrahim Snoussi sy i Alaa Trifi, izy ireo. Tsy tafavoaka ihany koa fa niondrika tamin’ny seta 2 no ho 0 (3/6 ; 4/6).
Mbola sakana lehibe ho an’i Madagasikara i Afrika Atsimo sy ry zareo magrebianina. Na izany aza, tsara foana ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena toy izao satria hahazoana isa ary fangalana traikefa.
Tompondaka
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny fifaninanana « Fety de Baskety e !”, karakarain’ny AT2B (Andraisoro Tia Basket ball), ho fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny kliobany. Eny amin’ny kianja Andraisoro ihany no hanaovana ny lalao, amin’ny faran’ity herinandro ity.
Hitohy any Bongolava indray ny fanazaran-tena sy fiofanana ho an’ireo Maitres, izay tarihan’ny Grand Maitre Avoko, ho an’ny taranja Kung fu. Ny sabotsy 1 febroary izao no hanatanterahana izany, any an-toerana ka hifanindry an-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ho an’ny ligin’i Bongolava.
Norombahin-dRabeson Liva, Malagasy mpanao Taekwondo ny ho tompondaka, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa Masters II, sokajin-danja -68 kg. Fihaonana, natao ny alahady lasa teo, tao amin’ny Complexe sportifCamille Muffat, tao Clichy. Resiny teo amin’ny famaranana, i Nabil Daoud, avy amin’ny IDF ESN Mugunghwa Tigers Tae.
Miakatra ao amin’ny National 1 amin’ny taona ho avy, ilay Malagasy mpilalao ping-pong, Rakotoarisoa Setra monina any Frantsa. Nisitrahany izany ny fahazoany ny fifaninanana niadiana toerana tamin’ny National 2 natao ny alahady lasa teo, tao Istres, atsimon’i Frantsa.
Fantatra, ny toerana sy daty ofisialy hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball. Araka izany, i Maorisy indray no handray ny fifaninanana, amin’ity andiany faha-29 ity. Firenena 6 no handray anjara, hahitana an’i Comores, La Réunion, Maurice, Madagasikara, Mayotte ary Seychelles. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny CAVB (Confédération Africaine de Volley Ball), ny 25 febroary no fahatongavan’ny komity mpanara-maso any an-toerana. Ny 26 sy 28 febroary kosa no andrasana ny fahatongavan’ny mpilalao sy ny mpanazatra rehetra avy amin’ny firenena vahiny. Ny 28 febroary no hirosoana ny fanadihadiana mialoha sy ny fivoriana ara-teknika. Hanomboka ny lalao ny 1 marsa ka hitohy hatramin’ny 8 marsa.
Ho an’i Madagasikara manokana, ny ekipan’ny GNVB hatreto no efa nahazoana vaovao fa ho isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-29 ny CCCZone 7 hatao any Maorisy ity, raha toa ka andrasana ny fahavononan’ireo ekipa hafa izay mendrika ny handray anjara amin’izany. Efa anatin’ny fiomanana tanteraka ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, na ny sokajy lahy izany, na ny sokajy vavy.
Mi.Raz
Hatao any Paris, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, taona 2025. Toy ny isan-taona, manana solontena i Madagasikara.
Rasoanaivo Razafy Laura (-57kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81kg) no hisolo tena ny Malagasy amin’ny “Grand Slam de Paris 2025”. Fandraisana anjara faharoa ho an’i Laura ity “Grand Slam” ity ary tafiditra anatin’ny fifaninanana hahazoana tapakila amin’ny lalao olympika ho avy. Araka ny efa notaterina teto, fifaninanana iraisam-pirenena 6 mandritra ny taona no hiantohan’ny federasiona iraisam-pirenena sy ny federasiona malagasy ary ny kaomity olympika malagasy, ho an’ity judokas malagasy ity, mandra-pahatonga ny lalao olympika. Anisan’izany io “Grand Slam” hatao ny 1 sy 2 febroary io. Mazava ny tanjona ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, fa ankoatra ny hampitomboany ny isany, eo koa ny fanatsarany ny lalany mihoatra ny vitany tamin’ny “Grand Slam” nataony tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany, nandritra ny ady voalohany natrehany i Laura, tamin’ny taona 2024. Maro anefa ny traikefa azony, na tamin’ ny “Grand Slam” izany, na tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro niseharany, ka manantena ny hahazo vokatra tsara kokoa izy amin’ity.
Ho an-dRandrianasolo Lova Mahaisoa kosa, fanindroany ihany koa izy izao no hiatrika ny “Grand Slam”, taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny taona 2023. Tombony lehibe ary mampitombo ny fanantenana ny fisian’ny Malagasy mpikatroka roa hiatrika ity fifaninanana ity. Mpikatroka samy manana ny maha izy azy na i Laura, na i Lova ary efa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehan’izy ireo, ka azo lazaina ho efa manana traikefa sy afaka mifaninana tsara amin’ireo kalaza manerana an’i Afrika sy maneran-tany izy mianadahy ireto. Antony nisafidianana azy ihany koa izany.
Tsiahivina, judokas 318 maneran-tany avy amin’ny firenena 54 no hifaninanana sy hifanome fotoana any Paris mandritra ity fifaninanana “Grand Slam de Paris 2025”, taranja Judo ity.
Mi.Raz
Notontosaina omaly, tao amin’ny trano fivoriana an’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenhosoa) ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale misahana ny fitantanam-bola eo anivon’ny Cenhosoa. Nandray ny fitantanana ny tale vaovao, ny Kly Randrianarisoa Andry Aurélien, voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 15 janoary 2025 lasa teo, misolo toerana ny Jly Andriamasinoro Fanjanirina, voatendry amin’ny andraikitra hafa eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nitarika ny famindram-pitantanana ny tale jeneralin’ny Cenhosoa, ny Profesora Jly Ratovondrainy Willy notronin’ny mpandrindra ankapoben’ireo tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jly Razafitombo Ely ary ireo mpikambana amin’ny filankevi-pitantanan’ny Cenhosoa. Nanomboka ny 3 mey 2019 no niasa ny fitantanam-bola ao amin’ny Cenhosoa, ny tale teo aloha. Nosoritany nandritra ny lahateniny ny anjara biriky napetrany ho an’ity hopitaly ity. Mbola notsindrian’ny tale jeneralin’ny Cenhosoa rahateo koa izany. Anisan’izany ny fijerena ny maha olona sy ny fotodrafitrasa maro napetraka ao an-toerana. Nanamafy ny fahavononany hanatsara hatrany ny ezaka efa natomboka ny tale vaovao. Niantso ihany koa ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay hanatanterahana ireo tetikasa rehetra napetraka entina hanatsarana ny hopitaly. Nanamafy ny fahatokisana amin’ny fahaiza-manaon’ny tale vaovao, ny tale jeneralin’ny Cenhosoa amin’ny adidy sy andraikitra miandry azy, entina mamita ireo tetikasa goavana ao amin’ny hopitaly.
Jean Claude
Tontosa ny alatsinainy 27 janoary teo, tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vaovao, izay hitantana ny tanàna ao anatin’ny dimy taona manaraka indray.
Nanatanteraka izany Rakotonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha sy ny mpitsara, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain, ben’ny Tanàna vaovao. Lanonana ara-panjakana, nisy akony manokana teo amin’ny mponin’i Toamasina sy ny mpiasan’ny kaominina izany. Nitarika izany ny prefektoran’i Toamasina, Benandrasana Cyril. Tonga nanotrona teny an-toerana ny governora mpisolo toerana, Rakotovao Andry, ary ireo olona manan-kaja maro. Famindram-pitantanana narahana fanolorana ny fanalahidin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
Ben’ny Tanàna nahavita ny fe-potoam-piasana fanintelony ny mpitantana teo aloha.
Raha tsiahivina, nitondra ny tanàna voalohany tany Toamasina ny ben’ny Tanàna teratany vahiny, Boiron Francois, tamin’ny taona 1958. Ben’ny Tanàna faharoa, i Bezaka Alexis tamin’ny taona 1959. Izy io no teratany malagasy voalohany nitantana ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina. Ben’ny Tanàna fahatelo i Romuald, nitondra tamin’ny taona 1966. Toarian’izay, nanomboka nitondra ny filohan’ny kaomity mpanatanteraka notendren’ny fitondrana foibe, nanomboka tamin’ny taona 1977 hatramin’ny 1986. Voatendry tamin’izany, i Stephen Jacques. Tamin’ity taona 2025 ity indray vao nisy ny famindram-pitantanana teo amin’ireo mpitantana teo aloha sy vaovao.
Ben’ny Tanàna voafidy fahasivy
Hatramin’izao fotoana izao, miisa 17 raha atambatra ny ben’ny Tanàna voafidy sy olom-boatendry nifandimby nitantana ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina. Efa niovaova arakaraka ny fitondrana foibe ny fiantsona ireo olom-boatendry rehetra nandritra izany.
Raha ben’ny Tanàna fahasivy kosa Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Efa nandalo teo amin’ny kaominina ambonivohitr’ I Toamasina ny “PCE” ( President du Comité Exectif ) filohan’ny kaomity mpanatanteraka. Niova ho lehiben’ny fivondronana, Andriamorasata Julien, no nisantatra izany, ny taona 1999, ary tonga hoe PDS na filohan’ny delegasiona manokana izany.
Raha ireo ben’ny Tanàna sivy voafidim-bahoaka kosa voalohany amin’ izany ilay teratany vahiny, i Boiron Francois, faharoa i Bezaka Alexis, fahatelo i Romuald, fahefatra ny fiverenan’ i Bezaka Alexis ny taona 1996, fahadimy Ratsiraka Rolland, fahenina, Rakotomanana Geravais, fahafito, Ratsiraka Elisé, fahavalo, Rakotonirina Nantenina ary fahasivy ity farany Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Ankoatra ireo dia olom-boatendry avokoa.
Nametraka mamy
Sambany tao anatin’ny 60 taona no nisy ben’ny Tanàna nahavita soamantsara ny fe-potoam-piasany. Tsy nilatsaka intsony ka nahafahana nanao famindram-pitantanana tena demokrasia. Nazava ny lahatenin’ ny ben’ny Tanàna teo aloha, “matoa aho afaka nahavita soamantsara ny fitantanako dia noho ianao mpanolotsaina, izay niara-nisalahy andro aman’alina isika roa lahy”, hoy hatrany izy. Nambarany tamin’izany fa nanolo-kevitra azy isaky ny nisy olana ity mpanolotsaina ity.
Tsy hadinon’ ity farany koa ireo mpiara-miasa rehetra, anisan’ny tsy nitrangana fitsipaham-pitokisana nataon’ny filankevitry ny tanàna ny fitantanany noho ny ezaka niaraha-nanao. Izay tonga amin’ny famindram-pitantanana tena demokrasia izao. Noporofoin’ny ben’ny Tanàna teo aloha fa na efa anatin’ny fanomanana ny famindram-pitantanana ny tenany dia mbola nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ ireo mpiara-miombon’ antoka hafa. Nahafahana nanolotra fitaovam-piasana ho an’ny mpiasan’ny kaominina mba hanatsarana ny asa. Natolotra ny 20 janoary teo izany ary nahazo ny anjarany hatrany ny teo anivon’ny fokontany. Vokatry ny fiaraha-miombon’antoka avy amin’ny Pnud, ny USAID, ny tetikasa Prodigy (Projet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité Malagasy). Nahitana fitaovana ho an’ny sora-piankohonana, zavamaneno samihafa toy ny speaker sy ny solaitra fotsy ho an’ny mpanentana anivon’ny fokontany. “Natao izany mba ho an’ny tanàna iraisan’i Toamasina sy hihatsara hatrany sy ho lovan’ny taranaka”, hoy hatrany Rakotonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha.
Nanatontosa : Sajo
Notontosaina teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fametrahana amin’ny toerany ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. “Tsy maintsy tanterahina izay rehetra nolazaina. Maro no efa vita, ary hampitomboina avo folo heny noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana ny tanànan’Andoharanofotsy”, hoy izy.
Araka ny tantara, i Maire Tôta irery ihany no Ben’ny Tanàna lany indroa teny amin’ity kaominina ity. Tsara ny mampatsiahy fa efa nitondra ity kaominina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano ity ny tenany.
Fanamby lehibe ny tsy maintsy hamitana ny tsenan’ Andoharanofotsy. Ampahafatarina ihany koa fa nahazo kianja vaovao ny kaominina Andoharanofotsy, rehefa nangataka izany tany amin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry ny tenany.
Tonga nanatrika ity hetsika ity teny an-toerana ireo olom-panjakana maro, toy ny minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson, izay nisolo tenan’ny fitondram-panjakana.
Fitia Randria
Nidina ifotony nijery ny fanarenana ny fefiloha vaky eny Malaza – Faliarivo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Miangaly, ary nanafarany ireo ben’ny Tanàna ny momba ny fanajariana ny kaominina iadidian’izy ireo. “…Miasa hatrany ary eo akaikin’ny ben’ny Tanàna izahay”, hoy izy. Nanentanany ireo mpitantana eny ifotony ireo ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny fanorenana fotodrafitrasa, hisorohana mialoha ny tranga tahaka izao fiakaran’ny rano izao, amin’ny alalan’ny drafitra fanajariana ny tany sy ny tanàna. Notanisainy amin’izany ny fijerena ny vina ho an’ny fampitomboana ny velaran-tany azo hambolena sy ny tany ho amin’ny fanorenana. “Anton’izany ny ahafahana mitantana ny rano…”, hoy ihany izy. Eo koa ny fanaraha-maso ny fahazoan-dalana manorina. Jerena manokana ny toerana fanariana fako…
Nanteriny fa tokony hahatsapa tena ny olona amin’ny tokony hahalalana fa tsy azo anorenana ny toerana iray… Eo ny fandraisan’ny minisitera fepetra amin’ny fandrodanana rehefa misy fiantraikany amin’ny tombontsoa iombonana izany. Voatsiahy tamin’izany koa ny andraikitry ny Apipa amin’ny fanaraha-maso ny fiakaran’ny rano, ny fitetezana ireo fefiloha ahina ho vaky eto amin’ny lemak’Antananarivo.
Synèse R.
Ny bibilava no manamarika ny fankalazana ny taom-baovao sinoa amin’ity taona ity. Nanamarika izany ny Institut Confucius ao amin’ny oniversiten’ i Mahaanga, ny alatsinainy teo. Natolotra nandritra izany koa
ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika tao an-toerana.
Vita omaly, ny fampiofanana nandritra ny hefarana ireo mpamily miisa 120 eo anivon’ny Société Municipale d’Assainissement (SMA). Tanjona ny hahatonga ireo mpamily ho matihanina ara-pitondran-tena, ara-
tontolo iainana ary indrindra arakasa. Tetikasa efa novolavolain’ny ben’ny Tanàna amin’izao fotoana izao, Ramanantsoa Harilala, fony izy mbola filohan’ny delegasion’ny Tanànan’Antananarivo.
Notanterahina, ny faran’ny herinandro teo, ny tomban’ezaka momba ny fanavahana fako ifotony eo anivon’ny fokontany Ampefiloha Cité secteur 3 sy 4. Hita fa tsara ny vokatra, efa mananika ny 70% ny mponina
ao Ampefiloha Cité no manaraka izany. Tetikasa Gesda vatsian’ny Jica ny fanavahana ifotony ny fako iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny kaominina ary ny fokontany Ampefiloha.
Nohavaozina ny mpikambana ao amin’ny “Club heure creuse” eny anivon’ny CEG valo ao Mahajanga. Natao hiarovana ny ankizy amin’ ny herisetra eny an-tsekoly ny fikambanana. Misy mpikambana 50 (25 vavy,
25 lahy) miaraka amin’ny mpanabe mianadahy. Izy ireo indray no hanentana ny namany. Tetikasa iarahan’ny DRPS Boeny sy ny Dren Boeny ary tohanan’ ny Unicef.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Fahaleovantena Ihosy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’ny atletisma Ihosy. Nambaran-dRavelomanantsoa Brillant Fabrice, filohan’ny ligy, fa tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany amin’ireo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara isan-tokony. Anisan’izany ny fifaninanam-pirenena amin’ny “Cross country”, hatao any an-toerana ny 15 marsa ho avy izao. Ankoatra izay, ny hananan’ny ligin’Ihosy atleta hiatrika ny “CJSOI 2025” hatao any Seychelles, ny volana jolay ho avy izao. Nampirisika ny tanora sy ny mpianatra ny tenany hanao fanatanjahantena fa mahasoa izany.
Ho fanamarihina ny fisokafan’ny taom-piasana vaovao, nisy ny hazakazaka firaisankina na “cross de cohesion”, niarahan’ireo hery velona rehetra tany an-toerana, toy ny olon-tsotra sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila, ny mpianatra sy ireo atleta avy amin’ny seksiona Ihosy. Hazakazaka fitaizam-batana sy fiaraha-mientana fotsiny izany.
Taorian’io, nisy ny “course relais pedestre mixte”, mirefy 2500 m inenina mifampitohy nifanandrinan’ireo toeram-pampianarana samihafa tao an-tampon-tananan’Ihosy. Nahatratra 7 ireo nifanandrina tamin’izany dia ny LPNYA, ny La Source, CEG Ihosy, Lycée General Ihosy, Orchidée, Le Défi, Kolejy Advantista. Nifangaroan’ny lahy sy vavy izany ka nandrombaka ny laharana voalohany ny LPNYA Ihosy raha faharoa ny Lycée Le Defi ary fahatelo ny Lycée La Source. Nanatrika ny fotoana ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Tsilihy David.
Tompondaka
Hontanterahina ny 1 hatramin’ny 3 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy vehivavy sy ny ankizy. Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity no fifaninanana voalohany hisantarana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny taranja karate.
Hatao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 23 febroary izao, ny tapany faharoa amin’ny fifaninanana « Boxe Anglaise », karakarain’ny Lion Force. Tanjona ny hamohazana indray ity taranja ity ary handray anjara amin’io avokoa ireo kalaza eny anivon’ny ligim-paritra manerana ny Nosy.
Notontosaina omaly, tany Rabat Maroc, ny antsapakin’ny « Can 2025 », hahafantarana izay ho mpiray vondrona amin’ity fifaninanana afrikanina ity. Tsiahivina fa nanatrika izany tany an-toerana, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.
Nandeha nisotro ronono eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra i Sylvio Ouassiero, Malagasy vodilaharana. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ny tenany, teo aloha. Tsiahivina fa efa nandalo klioba maro i Sylvio, anisan’izany ny AJ Auxerre, le Standard de Liège, Les Lusitanos, le CS Fola Esch, le F91 Dudelange.
Tonga nanatanteraka hetsika fambolen-kazo, tany Marohogo, faritra Boeny, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanotrona izany, ny lehiben’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Abdulah Moustapha Marson, izay sady mpiahy ny faritra Boeny. Manoloana ny zava-misy iainan’izao tontolo izao, nanentana ny tanora malagasy hamboly hazo ny minisitry ny MJS. “Ny ala no antoky ny rano sy ny angovo. Ary tanjona ny hamerenana an’i Madagasikara ho rakotra ala”, hoy izy. Ankoatra izay, notokanan’ny minisitra, Abdulah Moustapha Marson, ny sabotsy teo ihany koa, ny toerana natokana ho an’ny tanora any Mahajanga, Espace des Jeunes Mahajanga. Misy ny tomponandraikitra hisahana ny fandrindrana ny fandaharam-potoana sy ny hetsika rehetra handeha eny an-toerana. Tsara marihina fa anisan’ireo zava-dehibe amin’ity fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoha Rajoelina Andry ity, ny fampivoarana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fiarovana ny tontolo maitso sy ireo biby eto Madagasikara.
F.R