Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra

Les Nouvelles - mar, 11/25/2025 - 07:32

Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandri­ampahalemana tao Ma­nanara Avaratra, faritra Am­batosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Ava­ratra izany, dia i Boto Elvis.
Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, ny 19 jolay 2025, ka nahafate­sana renim-pianakaviana iray. Naratra mafy kosa ny faharoa. Mbola nitrangana fandrobana mpandraharaha iray koa teny ambony moto tao an-toerana. Maty vokatry ny kapoka hazo nahazo azy ilay raim-pianakaviana mpandraharaha. Tsy nielanelana herinandro akory dia olona roa izany namoy ny ainy.
Noho ny ahiahy teo amin’ ny tomponandraikitra mahefa tao anatin’ny faritra Amba­tosoa, nisy fidinana ifotony tampoka tao amin’ny fonjan’i Mananara Avaratra ka teo no nahitana fa misy jiolahy roa efa mpanao heloka bevava miverimberina tsy hita amin’ny fonja. Natao fanadihadiana tany Maroantsetra, ny 25 jolay lasa teo, ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra. Tao­rian’izay, namoaka didy fila­zana fikarohana an’i Ale­xandre monina sy mipetraka ao fo­kontany Inara, koaminina ambanivohitra Antananarivo, izay anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny raharaha ratsy maro tao Ifasina sy San­drakatsy.
Faharoa, tsy hita tao amin’ ny fonja ihany koa ka namoahana didy fikarohana i Leance Félix monina sy mipetraka ao Ambitsika tsy lavitra ny seranam-piaramanidina An­ta­nambe – Mananara.

Sajo

Catégories: National

Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT

Les Nouvelles - lun, 11/24/2025 - 08:20

Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andria­mampiadana Mahefa, omaly, nandritra ny fitsidihana tampoka nataony teny amin’ny foi­ben’ny Mvola etsy Anko­ron­dra­no. Hentitra ny minisitra ma­noloana ny fikorontanan’ny to­lotra izay mampitaraina ny mpanjifa sy ho fampiharana ny fanavaozana andrasan’ny maro eo amin’ny sehatry ny niomerika. “Hampiharina ny vondrona fanaraha-maso ma­haritra eo anivon’ny minisitera sy ny mpandraharaha mobile money. Hampitomboina ny fe­petra ara-teknika miaro amin’ny fanapahana, ny drafitra fi­tohizana sy ny fanarenana amin’ny loza”, hoy ny minisitra. Tafiditra ao anatin’izay ny fanadihadiana tsy tapaka mom­ba ny fiarovana sy ny fahamarinan-toerana. Atao ireo mba hiantohana ny fana­tsarana maharitra. Hanamafi­sana ireo fepetra napetraka ny hananganana ny rafitra na­sionaly momba ny “Resilience numérique”.

Henintsoa

Catégories: National

Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik

Les Nouvelles - lun, 11/24/2025 - 08:20

Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro.

Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vo­katra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola ho an’ny vahoaka, indrindra ireo lavitry ny renivohitra, antony nahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny Mbalik izay mifanandrify amin’ny vina sy ny andraikitra izay manamora ny fidirana amin’ny angovo madio, mana­tsara ny fari-piainan’ny isan-tokantrano ary manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ifotony », hoy ny tale jerenaly mpisolo toerana an’ny Paositra Finances, Andria­naivo Rojo, teny Ivandry. Araka izany, azo alaina eny amin’ireo masoivohon’ny Paositra Finances miisa 28, miparitaka amina faritra valo, ireo «kits so­laires Mbalik». Hitatitra izany maimaimpoana sy hametraka any amin’ireo mpisitraka kosa ny Mbalik ary mbola manome antoka 2 ka hatramin’ny 3 taona ny fitaovana sy ny fiarovana ny mpampiasa azy.

Vina
Tanjon’ny roa tonta ny ha­naparitaka «kits solaires» mi­isa 850 manerana ny Nosy ao anatin’ny herintaona, izay ha­nomboka amin’ny volana de­sambra izao. Hikendry ny ha­natsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hanohanana ny orinasa madinika amin’ny filàna angovo. «Resy lahatra izahay fa ny orinasa tsirairay dia manana andraikitra hitady ny fomba rehetra hanatsarana ny fiaian’ny mpiray tanindrazana, indrindra amin’ny fisitrahana ny angovo sy ny fitandroana ny tontolo iainana», hoy ny tale jeneralin’ny Mbalik, Rama­nan­toanina Satanirina.

Henintsoa

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 11/24/2025 - 08:19

Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. Marihina fa misitraka tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana ny orinasa hanamaivanana ny fatiantoka eo aminy.
Mila atao mazava ny faktiora sy mangaraha ny vidin’entana mba tsy hisian’ny fanararaotana amin’ny endriny rehetra. Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fitaterana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana hamahana ny olana sedrain’ireo mpandrahara eny amin’ny seranan-tsambo amin’ny fampidirana entana. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho an’ny tombontsoa iombonana, indrindra amin’ny famatsiana ny tsena, anatin’ny mangarahara.
Niara-namboly honko tamina velarana 1ha tao amin’ny kaominina Bemanevika Andrefana sy 0,5 ha tao Djabala, kaominina Nosy Be, ny mponina nandritra ny « festival’ honko ». Hetsika natao hanamafisana ny fanentanana amin’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ala honko. Tanjona ny hampivondronana ny mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana sy ny fanetsehana ny tsirairay amin’ny fandraisana andraikitra momba ny fiarovana izany.

Catégories: National

Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim

Les Nouvelles - lun, 11/24/2025 - 08:18

Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim).

Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra fototra izy io, toy ny fanodinana ny voka-pambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, ny lohamenaka, sns. Antony na­metrahana ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasi­kara (Cnim). Hanaraka ny dingana rehetra ity rafitra ity ka hanara-maso ny fanatanterahana ny fandraisan’andraikitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, araka ny voasoratra ao anatin’ny fandaharanasa maharitry ny indostria (pacte industriel), izay vita sonia ny volana aogositra 2023, taorian’ny fifanakalozan-kevitry ny roa tonta. Ho vaindohan-draharahan’ity filankevi-pirenena ity ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana eto Ma­dagasikara. Kendrena ao anatin’izany ny hampitombo avo roa heny ny harinkarena faobe (PIB) entin’ny sehatra indostrialy hatramin’ny taona 2040 (15% ho lasa 30%). « Rafitra mpanara-maso ara-teknika sy fitaovana sarobidy ho an’ny fi­tohizan’ny asa manoloana ny fampandrosoana stratejika ny indostria ny Cnim. Mametraka ny dingana iray lehibe ho amin’ny fampiroboroboana ny in­dostria ma­haritra sy mahomby izany », hoy ny filoha mpitantana, Andriamanalina Rivo.

Andraikitra
Hanamafy ny fahaiza-ma­nao sy ny fifaninan’ny indostria malagasy ny Cnim ka ham­piroborobo ny famoronana asa mendrika mifanaraka amin’ny filàna eto an-toerana. Noho izany, hamarin-toerana ny tontolon’ny fandraharahana ity rafitra vaovao tohanan’
ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ity. Andraikiny ihany koa ny mijery ny fampiasam-bola mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena.

Henintsoa

Catégories: National

Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny STM ny FTM

Les Nouvelles - lun, 11/24/2025 - 08:18

Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manja­karay. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa saingy votsotra ny baolina tokony ho voatsindry.
Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra koa ny an’ny TFMA Ankasina sy ny CEA Andranomanalina. Nandresy tamin’ny isa 32 no ho 8, ny CEA. Niady ny fihaonana ho an’ny 40 mn voalohany. Porofon’izany, efa tany amin’ny minitra faha-38 vao nahatonga baolina nenti-tanana i Julio, ho an’ny CEA, saingy tsy voatsara. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 5 no ho 0 io. Fizaram-potoana faharoa, naneho ny heriny ny CEA, notarihin’i Mika sy i Jean-Yves ary i Romeo, ka nisesy ny baolina nenti-tanana. Tsy nahafaty afa-tsy “hors jeu” sy baolina nenti-tanana tsy voatsara ny TFMA. Ho an’ny vokatra hafa, lavon’ny Uscar, 43 no ho 10 ny Cheminots.

Tompondaka

Catégories: National

CHAT TOUT NET

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 17:14

Catégories: National

CATI: Manamafy ny fikarohana hanatsarana ny toekarena

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 08:14

Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny 150 tapitrisa ity ivontoerana ity. Misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny ivontoerana manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Tanjona ny hanampiana ireo mpisehatra marolafy, hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny hanomezana lanja ny toekarena sy hanatsarana bebe ko­koa ny vokatra sy ny asa. “Nampivelatra ny vokatra ary tena nahitako tombontsoa marobe ny fampiasako ny Cati”, hoy Radilifera Hain­gotiana, avy amin’ny Mirary Coop, misehatra amin’ny fanodinana sakafo. “Fanom­bohana io natao teto Anta­nanarivo io fa hisandrahaka manerana ny Nosy ny ivontoerana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo Ante­nimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI), ny rafi-pikarohana maro samihafa ary ny rafi-pampianarana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona An­dri­niaina.

Henintsoa

Catégories: National

Trafika ana harem-pirenena: Varika miisa 10 saika haondrana any Dubaï

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 08:13

Tambajotra mpanondrana biby arovana, ahitana Malagasy sy vahiny, voasambotra rehefa nikasa hivoaka an’i Madagasikara, nitondra varika miisa 10.

Tra-tehaka tao ambany rihana an’ny tranobe iray etsy Ambohimiandra ireo varika miisa 10 nafenina sy nomanina haondrana an-tsokosoko any Dubaï. Sarona taorian’ny fisavana ny trano sy ny vela-pandrika natao ny kaomorianina miisa telo ka isan’izany ny lohan’ny tambajotra mpanondrana varika iray efa nokarohina volana vitsy lasa. Izy ireo izay voasaringotra tamin’ny fikasana hanondrana varika indroa miantaona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny volana jona sy aogosotra teo. Tratra tao anatin’izay ny Malagasy sy kaomorianina ary okrainiana. Nikasa hiondrana ho any Dubaï ihany koa izy ireo tamin’izay.

Kolikoly goavana
Paikady fataon’ity tambajotra mpanondrana biby arovana ity ny manangona varika ka ikaramana malagasy sy vahiny hitondra ireo biby ireo hivoaka an’i Madagasikara. Porofo izao fa mitady hirongatra ny fikasana hanondrana harem-pirenena ka anentanana ny rehetra hampita vaovao eny anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy raha misy tranga mampiahiahy. Azo atao koa ny mampandre ny mpitandro filaminana izay miara-miasa akaiky amin’ny minisitera amin’ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Eo koa ny laharana maitso 955. Marihina fa manao famotsiam-bola ao anatin’ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana eto Madagasikara ity tambajotra ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) izay nitarika ny fanadihadiana ara-pitsarana ny raharaha.

Henintsoa

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 08:12

Mbola hita taratra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka ho an’ny afovoan-tany, faritra avaratra andrefana ary morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity.

Nanentana manokana momba ny fahadiovana sy ny fitondran-tena maha tomponandraikitra ny « Cellule d’engagement civique et environnemental (CECE) » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanamafisana ny fitondran-tena mendrika sy fihetsika mifanaraka amin’ny asa sy ny fampiharana ary ny fanamafisana ny fahadiovana amin’ny toerana iombonana. Eo koa ny fikajiana ireo efitra sy fitaovana ampiasain’ny rehetra.

Efa nametraka sakafo sy nijery ny fitaovana ilaina amin’ny famonjena aina ho an’ny faritra Atsinanana, Avaratra Atsinanana, Atsimo Andrefana ny mpiasa eny amin’ny biraom-paritry ny BNGRC. Ny havandra no nanimba ny voly ka efa nandray andraikitra manoloana izany ny minisiteran’ny Fambolena, araka ny tatitra tonga teny anivon’ny BNGRC. Tsy mbola naharaisana tatitra kosa ny rano miakatra vokatry ny rotsakorana hatramin’izao, hoy ny tale jeneralin’y BNGRC, omaly.

Catégories: National

Fampianarana ambony : Fanamby ny hanatanterahana bakalorea madio

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 08:12

Vita ny tombana momba ny fanadinana bakalorea taona 2025 nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 teo ny fampiasana ny “caméra de surveillance” sy ny rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina. Nahomby ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cyber­criminalité” nanenjehana ireo mpivarotra laza adina sy ny fitomboan’ny ivontoeram-panadinana, lasa 179.
Fanamby ho an’ny taona hoavy kosa ny fahaleovantenan’ny Oniversitem-paritra ao Vakinankaratra, Itasy, Analan­jirofo ary Sava amin’ny fikarakarana ny fanadinana, ny famongorana ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fotoana sy ny halatahaka ary ny fanafoanana ireo endrika kolikoly misy amin’ny fanadinana.
Hohatsaraina ny fomba fiasa, hangatahina ny mba hisian’ny fanatsarana ny tetibola sy fampitaovana ho an’ny fanadinana bakalorea.
Nilaza ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, fa ilaina ny fiaraha-mientana ho amin’ny fanadinana bakalorea madio, azo antoka ary manome fahafahana ho an’ny tanora malagasy.
Nifarimbonan’ny minisitera 3 tonta sy ny polisy sy ny zandary ary ny Tafika, niaraka tamin’ireo mpisehatra maro amin’ny fikarakarana fanadinana eny anivon’ny Oni­versite, ny dinika.

Tatiana A

Catégories: National

Orinasa Cnapmad : Misy disadisa ny mpitantana sy ny mpiasa

Les Nouvelles - sam, 11/22/2025 - 08:12

140 ny mpiasa mampihodina ny Cnapmad, foibe mpamokatra fitaovam-pianarana sy boky enti-mampianatra, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny disadisa momba ny fitantanana eo anivon’ity foibe ity mahakasika ny mpiasa sasany sy ny tale jeneraly. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa, Rafilahy Rodin, fa misy ny antsojay mihatra amin’izy ireo. Sady manao tsinontsinona no manambany azy ireo ity mpitantana ity raha nangataka fihaonana ny mpiasa. Misy koa ireo nahazo fangataham-panazavana avy amin’ny tale jeneraly tamin’ity herinandro ity. Noho izany, mangataka ny fanesorana ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Cnapmad ity ny mpiasa, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo omaly, teny Ankorondrano, niaraka tamin’ny filanjana sorabaventy.
Nanambara kosa ny tale jeneraly, Ranosy Eliane, fa olona 10 mamboly olana sy korontana ireo nanao fitakiana ireo. Mpiasa tsy tonga miasa nandritra ny volana maromaro ny ankamaroany ary nangatahana fanazavana momba io toe-javatra io ka izay no ambara fa fanaovana tsinontsinona azy. Efa niarina tao anatin’ny roa taona nitantanany ny Cnapmad ary mahaloa ny karaman’ny mpiasa rehetra hatramin’izao.

Vonjy

Catégories: National

Tsipy kanetibe tompondakan’i Afrika : Hanatevina ny ekipan’ny Pac i Mirija (Fakr)

Les Nouvelles - ven, 11/21/2025 - 07:44

Nanainga omaly ny eki­pan’ny Pac (Pétanque Ampi­ta­tafika club), hiatrika ny an­diany faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025. Fifaninanana hotante­rahina ao Nouakchott, renivohitr’i Mau­­ritanie, manomboka raha­m­pitso sabotsy 22 hatramin’ny alakamisy 28 novambra ho avy izao.
Raha tsiahivina, nandrombaka ny voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ity klio­ban’Ampitatafika ity, izay misy an’i Mamy Ronaldinho sy i Balôty ary i Salohy. Mpilalao fahefatra hanampy azy ireo i Mirija (Fakr). Ny ekipa no nisafidy azy mba hanatevina azy ireo. Araka ny nambaran’ ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hiantohan’ny ekipa ny mpilalao fahefatra.
Hanana ny lanjany goavana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Raha ny fantatra, fiadiana anaram-boninahitra fotsiny ny ataon’ny Mala­gasy fa efa tafita avy hatrany amin’izany fihaonana an-tampony izany i Madagasikara. Tsiahivina fa sambany hampiantrano ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, i Mauritanie. Ankoatra ny lalao ho an’olon-telo miaraka, zava-baovao amin’ity fifaninanana ity ny fisian’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, olon-droa mi­a­­raka sy ny “tir de précision”.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - ven, 11/21/2025 - 07:44

Nahazo laharana iray indray ny Barean’i Madagasikara tamin’ny filaharan’ny Fifa, izay nivoaka afakomaly. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy, ary aorian’izy ireo i Armenia, ilay firenena resin’i Portugal, 9 no ho 1, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.

Nitohy omaly ary hifarana anio, ao amin’ny Kianja mitafo Ambatomena Fianarantsoa, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra, iarahana amin’ny mpampiofana matihanina avy ao amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ ny volley-ball sy ny ligy Matsiatra Ambony.

Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa izay hatao any Lisbonne, ny fiandohan’ny taona 2026 izao, ny Malagasy mpikatroka, Ranarivelo Xavier. Mpitantana ny klioban’ny 101 Jiu-jitsu izy ary efa niangaly ity taranja ity an-taonany maro. Maniry ny handrombaka medaly izy amin’ity fifaninanana hatrehiny ity.

Catégories: National

Échec-Analamanga : Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana

Les Nouvelles - ven, 11/21/2025 - 07:44

Fantatra omaly ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny birao hitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échec. Hotanterahina ny 20 desambra izao izany fifidianana izany ka efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hirotsaka ho fidina hitantana ny ligin’Analamanga, ho an’ny efa-taona manaraka. Nanomboka omaly 20 novambra ary hifarana ny 5 desambra izao izay fandraisana ny antontan-taratasy izay. Ny 6 sy 7 desambra kosa no hanao­vana ny fanamarinana ny antontan-taratasy ary manana hatramin’ny 11 desambra ireo izay tsy nahafeno izany. Ny 12 desambra no hamoahana ny lisitr’ireo kandidà hofidina ary ny 13 hatramin’ny 19 desambra ny hahafahan’ny kandidà tsirairay manatanteraka fampielezan-kevitra. Raha ny efa fantatra, manana kandidà harotsaka amin’izao fifidianana izao ny birao mitantana ankehitriny.

Mi.Raz

Catégories: National

“CAN 2027” : Mety hiova ny lalàna amin’ny fifanintsanana

Les Nouvelles - ven, 11/21/2025 - 07:43

Mety hiova ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Can 2027”, araka ny fikarohana natao omaly. Ireo laharana voalohany sy faharoa telo mendrika indrindra ihany no mahazo tapakila mivantana ary mandalo lalao sakana ireo fire­nena faharoa ambiny.

Efa mandeha ny resaka any ivelany fa hisy ny fa­novana ny làlana amin’ ny dingan’ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny “Can 2027”, izay hatao any Kenya, Tanzanie, Ouganda, ny volana jolay 2027. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Kaonfe­derasiona afrikanina ny ba­lina kitra (Caf), mahakasika izany, saingy efa manaparitaka ireo mpikirakira vaovao any ive­lany, toa ny Afrik Foot, sy ny GuinéeNews, Foot Africa, ny talata lasa teo.
Raha ny fanazavana azo, mety hozaraina anaty von­drona 13 ireo firenena mandray anjara, ka hisy sokajy ahitana ekipa telo sy efatra mifandona ao anatiny. Ireo izay voalohany isam-bondrona sy ireo telo laharana faharoa tsara indrindra no hahazo ny tapakila hiatrehana ny Can avy hatrany. Miatrika lalao sakana kosa ireo firenena miisa folo nahazo ny laharana faharoa ambiny, ka izay dimy tafavoaka amin’ny fihaonana mandroso sy miverina no mandray anjara.
Ho fantatra ny 19 desambra ho avy izao, any Rabat, ny valin’izany rehetra izany sy ireo firenena hiray vondrona amin’ity ady tapakila hiatre­hana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2027 ity.

Tsy maintsy voalohany

Azo lazaina ho sarotra ho an’ny Barean’i Madagasikara ihany ity fanovana napetraka ity.

“ Mety hanahirana ny ekipa nasionaly malagasy ny fiovan’ ny fifanintsanana satria raha vao miray vondrona amin’ireo firenena goavana, toa an’i Maroc, Sénégal, Côte d’Ivoire, …isika, efa fantatra fa ireo no voalohany, raha ny lojika no jerena”, hoy Razafima­monjy Fenosoa, mpamakafaka bao­lina kitra. Tsy maintsy maka laharana voalohany, araka izany, ny Barea raha tian’izy ireo ny hanao Can. Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny farany teo, ireo firenena roa voalohany no nanao Can 2025, saingy tany amin’ny laharana farany, vondrona A, no nisy ny ekipam-pirenena Barea.

Fitia Randria

Catégories: National

Letisia : 20 000 taonina haondrana any Eoropa

Les Nouvelles - ven, 11/21/2025 - 07:42

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro, tao Analamalotra, ny taom-piotazana letisia 2025, ho an’ny faritra Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny teo aloha na eo amin’ny lafiny kalitao na eo amin’ny vidiny. Ankehitriny, lasa 2 150Ar ny kilaon’ny letisia raha toa ka 1 000Ar izany tamin’ny taon-dasa. Nilaza ny filohan’ny kaoperativa Ainga Miara-ma­miratra (AVM), Tody Ernest, fa «tsara ny vokatra tamin’ity taona ity, na ny vidiny na ny kalitaony, ary anisan’ny nampiavaka azy koa y fahafan­tarana mialoha ny vidiny». Hiakatra ihany koa ny vokatra haondrantsika mandritra ny taom-piotazana ka ny 20 000 taonina no hiditra eo amin’ny tsena eoropeanina. Ankilany, tonga nijery ifotony sy nihaona tamin’ireo tantsaha mpamboly tao Ivoloina-Toamasina ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC), Andriama­dison Haingotiana, omaly. Ni­je­ry ny orinasa mpanondrana letisia Emexal izay niharan’
ny haintrano ny marainan’io iha­ny koa ny tenany.
Ankehitriny, efa tonga ao Toamasina ny sambo Atlantic Klipper haka ny vokatra sy hitondra izany any amin’ny tsena any ivelany. Nilaza ny fitondram-panjakana fa hapetraka ny fizarana ara-drariny ny fatra ho an’ireo mpandraharaha rehetra. Atao izany hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany. Dingana izay tafiditra ao anatin’ny paikadim-panarenana ny toekarena, mikendry ny hampitombo ny famokarana eto an-toerana, hananganana asa sy hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Marihina fa mpamokatra letisia fahadimy maneran-tany i Madagasikara. Voa­lohany aty amin’ny ila-bolan­tany atsimo ary mpamatsy voalohany ny Vondrona eoropeanina.

Henintsoa

Catégories: National

Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder

Les Nouvelles - jeu, 11/20/2025 - 07:39

Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity.
Nilaza ny tenany fa vonona tanteraka izy hanome ny tsara indrindra avy aminy, ary hiezaka ny hitondra avo ny anaram-boninahitr’i Madaga­si­kara.
Tsara marihina fa ny Kaonfederasionina afrikanina CAC no miantoka ny fandehanan’i Houlder Amédé any Ke­nya. Noho ny fahaiza-manaony nandritra ny “Mon­dial” natao tany Rwanda farany teo no nahatonga ny CAC niantoka azy. Nanohana ara-bola azy kosa ny Federa­sionina malagasin’ny bisikileta.
Mampalahelo ihany anefa ny nahare fa tsy nisy ny fanampiana avy amin’ny minisitera mpiahy. Ny minisitra vaovao izay nilaza fa tsy ha­navaka ireo taranja rehetra eto Madaga­si­kara. Ny mahagaga ny mpanara-baovao dia toa misy ihany ny hampiana ary misy no tsy ma­­hazo izany, nefa samy mi­tondra avo ny anaran’i Mada­ga­sikara izao ihany. Porofon’ iza­ny ny tsy nahazoan’ireo atleta bodybuilding tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tany Indo­ne­sie farany teo, nefa ny ekipa nasionalin’ny taranja hafa no­raisina teny amin’ny birao sy notolorana vatsin-dalana mi­ampy tsodrano avokoa.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 11/20/2025 - 07:38

Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fantatra izao fa nifindra ao amin’ny klioban’ny AS Fanalamanga i Carlos sy i Fely. Samy mpila­laon’ny Fosa Juniors FC teo aloha avokoa izy mirahalahy ireo. I Carlos, izay nilaravinahitra tany Seychelles teo aloha teo. Tsiahivina fa samy efa nitondra avo ny ekipam-pirenena Barea Chan izy mirahalahy.

Catégories: National

Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana

Les Nouvelles - jeu, 11/20/2025 - 07:38

Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra ny fiara Subaru N11. Mitarika vonjimaika aloha izy mirahalahy ireto eo amin’ny filaharana ary vonona ny hanamafy izay toerana misy azy ireo izay. Eo koa i Aro Kiady sy i Elvis D, avy amin’ny Asacm ihany, miaraka amin’ny fiara Subaru N16. Andrasana koa i Olivier sy i Njara amin’ity rallye ity.
Mirefy 328, 44 km ity Rallye Asacm ity, misy dingana manokana “ES” miisa 12, manana halavirana 140, 50 km. Misy dingana manokana efatra isaky ny andro hanaovana ny fifaninanana ka fohy izany raha ho an’ny andro voalohany. Hotontosaina ny sabotsy sy alahady kosa ireo lavalava. Anisan’ny lava ny mampitohy an’Antsahalava sy Ambodi­manga, hiverenana indroa “ES 6” sy “ES 8”. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity, satria hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara 2025.

Tompondaka

Catégories: National

Pages