Efa nanomboka ny 3 febroary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena tanterahina mandritra ny « Rencontre nationale sportive » (RNS), taona 2025. Fifaninanana any Vichy, ny 19 hatramin’ny 21 avrily ho avy izao. Tsiahivina fa handray ny faha-50 taonany amin’ity taona ity ny RNS ka hiavaka sy hihatsara ny fifaninanana. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninanana, ahitana ny baolina kitra lalaovin’olona 11 sy lalaovin’olona 7, ny basikety lalaovin’olona 5 sy lalaovin’olona 3, ny volley-ball, ny tenisy ambony latabatra, ny tenisy, ny tsipy kanetibe. Hanampy ireo ny haiady maro samihafa, ny golf, ny lomano, ny fifaninanana dia an-tongotra, sy ny maro hafa. Manentana ny Malagasy sy izay mbola tsy manana ekipa ny mpikarakara hanangana izany ary hisoratra anarana. Hampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ireo Malagasy mpanakanto maro hanafana sy hanolotra seho mandritra io telo andro io. Anisan’izany ry Viavy Chila, Elidiot, Smaven, Rijade sy ny maro hafa.
Hetsika efa fanao isan-taona ny RNS ary miezaka manatsara sy mitady izay hampiavaka izany hatrany ny mpikarakara.
Mi.Raz
Dans un coup de sifflet retentissant qui marque le début d’une nouvelle ère pour le football malgache, World Cola a officialisé son engagement en tant que sponsor officiel de la Pro Football League, organisée par l’Association des Clubs de Football Elites de Madagascar (CFEM).
La compétition à 12 équipes se nomme désormais la « World Cola Pro Football League ». Ce changement de sponsor marque un tournant majeur dans le paysage footballistique malgache, World Cola succédant ainsi à Coca-Cola, qui avait tenu le rôle de sponsor officiel lors de la saison précédente.
Dans un communiqué, World Cola a exprimé son enthousiasme pour ce partenariat : « A travers ce sponsoring, World Cola réaffirme son engagement continu pour le développement du Football à Madagascar, un sport dont les valeurs rejoignent celles de notre marque : passion, compétitivité, partage et convivialité ».
Cette alliance est décisive pour le football malgache, promettant de redynamiser la compétition. Il s’agit d’une passe décisive pour le football à Madagascar, unissant les forces de World Cola et de la CFEM pour offrir aux amateurs de football une ligue pleine de promesses.
Naisa
La neige commence à fondre, les dernières traces de la saison de ski alpin se dissipent, mais pour Mialitiana Clerc, la lutte, la frustration et un espoir qui vacille marquent chaque descente. Cette année, la skieuse malgache a affronté non pas la montagne, mais ses propres démons sur 10 compétitions européennes sans jamais réussir à entrer dans le Top 20, une quête qui semble s’éloigner à chaque virage.
Aux championnats d’Italie et à la Coupe du monde de Pozza di Fassa et de Kronplatz, du 9 au 24 janvier, le cœur de Mialitiana battait au rythme de l’espoir d’une percée, mais la réalité est cruelle. Son meilleur classement, une 19e place en slalom géant le 20 janvier à Pozza di Fassa, a été une petite lueur dans une saison sombre. En effet, à Kronplatz le 10 janvier, le géant l’a engloutie au 33e rang, et le 9 janvier, son cœur s’est serré en voyant son nom rayé après un abandon.
La Coupe du monde l’a vue échouer à se qualifier pour la finale à Kronplatz le 21 janvier, un coup dur qui a résonné comme un écho dans les Alpes. Retour aux championnats italiens, où elle a affronté le slalom avec courage, mais sans succès, ne parvenant pas à atteindre l’arrivée.
En France, à Courchevel et au Grand Bornand le 30 janvier, chaque tentative a été un nouveau coup au moral, chaque chute rappelle la cruauté du sport. La Clusaz le 1er février, une course FIS en géant a vu Mialitiana finir à une lointaine 64e place, laissant un goût amer. Et hier, en Autriche, la disqualification en slalom a été le coup de grâce, la dernière note d’une symphonie de défis.
Rappel
Entre le 28 novembre et le 29 décembre 2024, Mialitiana Clerc a participé à une série de courses de ski alpin. A Mayrhofen/Hippach en Autriche, le 28 novembre, elle termine au 45e rang au slalom géant avec 161.97 points FIS, suivi le lendemain par une 43e place avec 138.00 points FIS. A Pass Thurn, toujours en Autriche, le 7 décembre, elle ne termine pas sa course de slalom, mais le 8 décembre, elle se classe 29e avec 131.77 points FIS. Elle poursuit avec deux courses de Super G les 18 et 19 décembre, terminant respectivement 32e et 29e avec 129.07 et 115.10 points FIS.
À Kaltenbach, le 21 décembre, elle participe à deux autres épreuves de Super G, finissant 28e avec 107.44 points FIS et 33e avec 101.50 points FIS. Enfin, aux Menuires en France, le 28 décembre, elle se classe 41e en slalom avec 121.25 points FIS, mais le 29 décembre, elle ne termine pas sa seconde manche et donc n’a pas de classement. Ces résultats reflètent une période difficile pour Clerc, avec des performances variables et des défis à surmonter dans plusieurs disciplines du ski alpin.
Naisa
L’équipe nationale malgache de rugby à VII masculine sait désormais ce qui l’attend pour sa première participation à la World Challenger Series (WCS) qui se déroulera en deux étapes: 1er et 2 mars ainsi que 7 et 8 mars en Afrique du Sud.
Les Makis, novices de la compétition, évolueront dans le même groupe que le Canada et Hong Kong Chine. Les protégés de Mboazafy Noé Rakotoarivelo alias Razily devront ainsi cravacher dur afin de relever le défi qui les attend.
En Afrique du Sud, l’objectif des Makis est de finir dans le Top 8 des douze pays participants, seule condition pour poursuivre l’aventure à Cracovie (Pologne) les 11 et 12 avril. Il s’agit de l’Afrique du Sud, hôte de la compétition, le Kenya, l’Ougan¬da, l’Allemagne, le Brésil, le Cana¬da, le Chili, la Géorgie, le Japon, Hong-Kong Chine et le Portugal.
Les quatre meilleures nations disputeront par la suite le «Play off» à Los Angeles les 3 et 4 avril et seront qualifiées pour le «Sevens Challenger series 2025 ».
En attendant, les 25 joueurs présélectionnés poursuivent un regroupement intensif au stade Makis Andohatapenaka depuis le début du mois de février.
SoafaraPharlin
Maro ny fomba azon’ny mpivady atao amin’ny tontolon’ny fanabeazana aizana. Misy ny fihinanana fanafody sy fanaovana tsindrona eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Fomba fanabeazana aizana iray tsy lefy laza ihany koa anefa ny fahaizana manisa andro. Ilaina fitandremana be eo amin’ny mpivady ny fanaovana io fomba natoraly io. Fanabeazana aizana manintona ny vehivavy maro ny fanisana andro, noho izy natoraly. «Tsy mila mampiasa fanafody na fitaovana hafa entina handrindrana ny fiterahana ka mety tsy hiteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ny antony hisafidianako azy io», hoy ny renim-pianakaviana iray nanontaniana. Mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka ny vehivavy ny fanisana andro, raha ny fanazavan’ ny mpitsabo. “Tsy manao firaisana ara-nofo mandritra ny vanim-potoana mahalonaka fotsiny dia izay”, hoy izy. Voakasik’izany ny dimy andro mialoha sy dimy andro aorian’ny famokarana atodinaina na « ovulation ».
Anisan’ny lafy ratsin’ny fanaovana azy io ny fikorontanan’ny tsingerina eo amin’ilay vehivavy. Maro ny tsy tomombana rehefa mitranga eo amin’ny vehivavy izany. Anisan’ny miteraka olana hafa eo amin’ny mpivady ny mety hampipetraka tampoka ilay zaza nefa mba efa nanisa andro ihany. Antony mahatonga ny fikorontanana ny harerahana, ny tebiteby, sy ny maro hafa mahazo ilay vehivavy. Ankoatra izay, tsy mety ihany koa ny fanaovana azy io raha toa ka tsy manaja ny fotoana maha lonaka ny mpivady.
Mazoto manao fanabeazana aizana ny vehivavy an-drenivohitra
Manodidina ny 57% ireo vehivavy tonga manatona toeram-pitsaboana hanao fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara, ny taona 2023, raha ny antontanisa voaray. Raha toa ka 43% ny taha ho an’ny taona 2021. Monina an-drenivohitra avokoa ny 52% manao fanabeazana aizana, raha ny fanadihadiana natao. Monina any amin’ny tontolo ambanivohitra kosa ny 44% amin’izy ireo. Voakasik’izany ireo tokantrano marefo sy mahantra. Misafidy ny hanao fanabeazana aizana moderina ny ankamaroan’izy ireo. Ny faritra Vakinankaratra sy Itasy ny faritra betsaka vehivavy manao fanabeazana aizana indrindra. Tafiditra ao anatin’ny taha ambany indrindra kosa ny faritra Anosy sy Androy. Tanjona ny hampitomboana izany ho lasa 60% amin’ny taona 2030. Anisan’ ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hafa misitraka azy io ny tsy fitoviana amin’ny sehatry ny fidiram-bola sy ny fanabeazana ary ny fihaviana. Maro amin’ny lehilahy ihany koa ny tsy mankasitraka ny vadiny hanao io fomba fandrindram-piterahana io. Matahotra, araka izany, ny vehivavy ka tsy sahy manao izany sy tsy sahy manatona toeram-pitsaboana. Antony mampihena ny taha sasany, indrindra ho an’ny mponina any ambanivohitra izany.
Fanabeazana aizana mampiaty
Maro karazana ny fomba fandrindram-piterahana azo ampiasaina. Misy ny natokana ho an’ny vehivavy, fa eo koa ny ho an’ny lehilahy. Misy ny fomba maharitra antsoina hoe “implant”, maharitra telo taona eo ny faharetan’ny fanaovana azy. Eo koa ny DIU, maharitra 10-12 taona. Atao isaky ny telo volana ny tsindrona, hohanina isan’andro kosa ny pilina. Manakana ny famokarana atodinaina na «ovulation» ireo karazam-panafody ireo ary misoroka ny fitoeran-jaza.
Misy koa ireo natokana ho an’ireo olona tapa-kevitra ny tsy hiteraka intsony. Ho an’ny lehilahy, misy ny fanabeazana aizana antsoina hoe: «vasectomie». Amin’ny alalan’ny fanapahana na famatorana ny lalan’ny tsirin’aina. “Ligature” kosa ho an’ny vehivavy. Famatorana ny fantsona mitondra ny tsirinaina mankany amin’ny atodinaina. Marihina fa tsy afaka miteraka intsony ny vehivavy sy lehilahy atao ireo fomba fanabeazana aizana ireo.
Mety hampikorontana ny toe-batana ny fanafody, indrindra ho an’ireo vehivavy tsy mahazaka izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, mety hitarika aretina hafa any amin’ny tranon-jaza ihany koa izany. Nambaran’ny mpitsabo fa tsy mandaitra 100% ny fanafody na ny fitaovana fandridram-piterahana.
Nanatontosa : Mino
Tsy tapaka fa misokatra ny fifamoivoizana amin’ny RN 2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, na teo aza ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Mitohy, toraka izany koa, ny any amin’ny RN6, avy eto Antananarivo mankany Antsiranana. Hatreto, misy fifindrana fiara fitaterana eo amin’ny tetezana Efasy sy Mahavavy.
Fantarina ireo kaominina hotohanana amin’ny sehatry ny famokarana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Hojerena ny tohodrano sy ny fotodrafitrasa mila fikojakojana sy fanarenana. Hofanina ihany koa ireo ben’ny Tanàna amin’ny lafiny fambolena. Natao ireo taorian’ny toromariky ny filoha Rajoelina Andry tany Alaotra ho an’ny minisiteran’ny Fambolena.
Manararaotra manetsa avokoa ny mpamboly vary amin’izao fiavian’ny orana izao na eo aza ny fahataran’ny orana. Ho tara ny famokarana sy ny fiakaram-bokatra ka ahina sahady ny hampiakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena.
Voafaritra ny tondrozotra sy ireo dingana hampihodinana ny saha indostrialy eto Madagasikara. Nizara traikefa sy nandroso soso-kevitra iraisam-pirenena momba izany teto amintsika ny Onudi. Ilaina, araka izany, ny fomba iray hanodinana ny faritra fampiasam-bola na faritra ara-toekarena manokana na faritra malalaka na faritra fampiasam-bola indostrialy.
Fanampiana ny mpanjifa! Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa, sampandraharaha ara-bola madinika, Smmec sy ny Madauto. Tanjona ny hanomezana tolotra sahaza arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay manerana ny Nosy. Nohamoraina ny fampindramam-bola ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa isan-tsokajiny. Natao ho an’ny rehetra ny tolotra, olon-tsotra, mpandraharaha na orinasa madinika sy salantsalany, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.
Anisan’ny voakasik’izany ny fividianana gropy mpanome herinaratra, mamaha ny olana manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo koa ny kodiarandroa, moto Honda, manamora ny fivezivezena, indrindra any amin’ny toerana saro-dalana. Notsinjovina ny mpanjono, mampiasa ny motera (Hors-bord) mampandeha ny sambokely haingam-pandeha. Manampy ireo ny kojakoja fanolo samihafa amin’ireo entana voalaza ireo. Satria misy ny tetibidiny no mety tsy zakan’ny mpanjifa, ka ahahafana mandoa azy tsikelikely.
Afaka misitraka ny tolotra ny mpanjifa any amin’ireo masoivoho Smmec miisa 130 manerana ny faritra sy ahitana ny Madauto any amin’ny renivohi-paritany, toa an’Antananarivo, Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, miampy ny any Nosy Be sy Taolagnaro.
Njaka A.
Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo tolotra ara-bola sy fitaovana niomerika ilaina amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany. Ankoatra izay, ampiasaina amin’ny fanabeazana ara-bola sy famatsiam-bola an’ireo orinasa miisa 34 000 amin’ireo firenena telo voalaza etsy ambony kosa ny vola 2,5 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanohana ny vehivavy sy hampiditra ny fandraharahany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. «Hampihenana ny elanelana amin’ny fisitrahana famatsiam-bola sy amin’ny fampiasana ny niomerika, indrindra ho an’ny vehivavy, ity famatsiam-bola ity», hoy ny filoha lefitry ny Bad, i Solomon Quaynor. «Hitondra vahaolana vaovao ihany koa ity fanohanana ity hanosehana ny fampiatiana ara-bola eto amin’ny kaontinanta afrikanina», hoy kosa ny Tale jeneralin’ny Axian Telecom, i Hassan Jaber.
Henintsoa H.
Voafidy ho Judokas mendrika indrindra maneran-tany, taona 2024, ilay teratany japoney, i Chirsta Deguchi, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, vehivavy. Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famaranana ny fifaninanana «Grand Slam de Paris», ny faran’ny herinandro lasa teo, izany.
Hankalazaina ny 6 febroary izao ny Andro maneran-tany ho an’ny taranja Muay Thai. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny hetsika karakarain’ny Federasiona malagasin’ ny taranja Muay Thai, amin’io fotoana io, ho fanandratana ny taranja. Hetsika maro no hameno ny fandaharam-potoana ka anisan’izany ny fifaninanana.
Nahatratra 25 ny isan’ireo mpikatroka Taekwondo tonga nanala fanadinana hiakarana ambaratonga ny sabotsy sy ny alahady teo, teny Nanisana. Nilaza ny mpitantana eo anivon’ny taranja Taekwondo WT fa hisy ny hetsika iray hanofanana ireo Malagasy mpitsara eto Madagasikara.
Hotontosaina ao amin’ny Petit Palais Mahamasina, manomboka ny alahady sy ny alatsinainy ho avy izao, ny lalao fitsapana ho an’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, amin’ny taranja Tenisy ambony latabatra “ping pong”. Tsiahivina fa natao ity hetsika ity hananan’ny Malagasy mpilalao hanao ny fifaninanana Afrika Atsinanana hatao eto Madagasikara.
Nalahelo tamin’ny vokatra azony nandritra ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. “Resy noho ny fitsipika vaovaon’ny fitsarana aho ary tsy mbola azoko hatramin’izao ny antony naharesy ahy”. Io no voalohan-teniny vao vita ny ady natrehiny nanoloana ilay mpifanandrina taminy ary tena nandratra ny fony io vokatra io. Raha hiverenana ny zava-bitan’i Laura, tena nanantombo izy nanoloana an’i Myers Melissa (USA), izay laharana faha-65 maneran-tany. Efa nitarika isa 1 no ho 0 mihitsy aza i Laura, kanefa, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, resy tamin’ny minitra farany izy ary nivadika ho Ippon. Tsy nataony hahakivy azy anefa ny vokatra izay notsoriny fa tena nanao ny ezaka rehetra izy nanatsarany ny zava-bitany nihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa. “Miatrika fiofanana sy fanazarantena iraisam-pirenena aho nanomboka omaly, ary hanarina izay lesoka rehetra”, hoy ny nohamafisin-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy judokas, laharana faha-40 maneran-tany, eo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg.
Tsiahivina, mbola manana fifaninanana iraisam-pirenena dimy eo i Laura, amin’ity taona 2025 ity, ary efa tafiditra sahady amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny Lalao Olympika izany. Tsy hataony ambanin-javatra ary tena hilofosany, araka izany, ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra mbola ho avy.
Mi.Raz
Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka amin’ny namany eny Vontovorona. Mpilalao 5 mirahalahy, ahitana an’i Lahotan Rija, Rabibisoa Jerry Pépin, Mathias M’Madi, Randriamananjara Johan Andy ary Raharimanantoanina Sitraka. Tsiahivina, mpilalao 18 no nantsoina hiatrika ny fampivondronana hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, ary efa mivondrona eny Vontovorona avokoa ny 13 mirahalahy ary izao andrasana izao ny fahatongavan’ireo mpilalao 5 ambiny ireo.
Mifantoka amin’ny fiarahana eny an-kianja sy fanamafisana taktika ny Ankoay amin’ity tapany faharoa amin’ny fanomanantena ity.
Mi.Raz
Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly.
Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja badminton, i Madagasikara. Fihaonana hotanterahina any Douala Cameroun, ny 10 ka hatramin’ny 17 febroary ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana izany ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena.
Hisy mpilalao mpilaravinahitra mipetraka any Frantsa iray hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny alalan-dRamanana Rahary Lalaina. Izy no laharana voalohany.
Tsy olom-baovao amin’ny tontolon’ny badminton malagasy i Lalaina fa efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ary efa niatrika ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny taona 2023. Nandrombaka medaly alimo teo amin’ny isan-tarika sy ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy izy tamin’izany.
Raha ny traikefany sy ny lalao hatrehiny isan-kerinandro any ivelany, inoana fa hitondra fanantenana handrombahana medaly ho an’ny Malagasy. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ravalison Jean Aimé, fa hitondra mpilalao 3 vavy sy 3 lahy ny Malagasy amin’ity.
Anton’izany, hifaninana eo amin’ny isan-tarika sy ho an’olon-tokana ny Malagasy
amin’ity. Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika. Misy mantsy ny antsoina hoe : “Ranking list” hakana isa sy filaharana ho an’ireo rehetra handray anjara amin’izany.
Tompondaka
Boky varoboba, ao amin’ny IFM Analakely. Hontotosaina rahampitso alakamisy ilay varotra amin’ny vidiny mirary ireo boky tontan’ny IFM. Manomboka amin’ ny 9 ora maraina izany, ka misy amin’ny kilao ary tsy ankifidy. Be mpiandry ity hetsika fanaon’ny IFM ity, satria ankoatra ny fandrisihana amin’ny vaky boky, fanavaozana ihany koa ireo ao amin’ny trano famakiam-boky izany.
Hifarana ny alahady izao ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanan-kira “En Chanson”. Mila manatona ny AFT Andavamamba ireo liana te hifaninana, rehefa mahafeno ny fepetra. Voalohany indrindra amin’izany, hira amin’ny teny frantsay no hifaninanana. Mila afaka ihany koa amin’ny fotoana hitsapana voalohany, ny 15 febroary izao.
Hampiaina indray ireo hiran’ny tarika Dadah R’Abel ry Tolotra, Kaloina, Nary ary i Erick Rason. Hotontosaina ny 14 febroary izao ity fiarahana ity, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Makay. Tao anatin’ny tarika Dadah R’Abel nandritra ny taona maro i Nary sy i Erick Rason ary izao mbola manohy mampiaina izany hatrany izao.
Nizara ny traikefany tao amin’ny Jazz Club CGM Analakely i Fy Rajaofetra, omaly. Fantatra eo amin’ ny fifehezany ny vatamaroafitsoka ity mpanakanto ity, ary manaraka tarika sy mpanakanto maro. Manana fahalalana momba ny mozika amin’ny ankapobeny koa anefa izy, ary anisan’ireo efa nandalo tao amin’ny Jazz Club CGM. Tamberin’adidy no nataony, araka izany.
Efa somary nisava kely izany ny alahady 2 febroary lasa teo. Efa nisy ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra izany, antony nampiato kely izany. Nitondra sorabaventy, niakatra teny an-tampon-tanàn’i Mahavelona Foulpointe, ny fokonolona avy any Tanambao Firaisana, avy any atsimo sy avaratry ny Manda tamin’izany. Tsy hita tany amina mpandraharaha iray ny ankizilahy 14 taona ka anton’ny fitakian’izy ireo. Takin’izy ireo ny hamoahan’ io voalaza fa mpandraharaha izay niasan’io ankizilahy very io. Miahiahy ny ankamaroan’ny vahoaka fa mety efa maty na novonoina io ankizy voalaza io, matoa hatramin’izao mbola tsy hita ihany, raha ny fitarainana nataon’ireo mponina.
Niseho tamin’ny endrika maro ny fitakiana sy ny hetsika nataon’ny mponina nandritra ny andro maromaro. Nitandahatra nitety tanàna nilanja sorabaventy ny vahoaka tamin’ny andro voalohan’ny hetsika. Nitohy tamin’ny fidinana an-dalambe ny fitakiana nataon’izy ireo ny andro faharoa. Taorian’izay, niakatra ny maripana sy ny hafanam-pon’ny vahoaka ka nitohy hatramin’ny fandravana ny fananan’ ilay mpandraharaha voalaza izany. Anisan’ny rava, nandritra izany, ny trano fivarotam-panafody sy orinasa fanaovana hazo sy fanaka. Potika tsy nisy noraisina koa ireo fiara roa sy moto iray ary fanaka maro, ankoatra izay nentin’ny olona nody. Fananana an-tapitrisany maro no voaroba, amin’ny ankapobeny. Fanafody maro samihafa miparitaka eny anivon’ny tanàna, any an-toerana.
Ahina ny fanapoizinana
ara-panafody
Noho ireo fananana maro potika sy rava tany an-toerana, nambaran’ny mponina sasany ho niraviravy tanana ny raiamandreny sy ny tangalamena, indrindra ny mpitandro filaminana any an-toerana. Noho izy ireo tsy afaka nisoroka ny hetsika mba tsy hiafara tamin’ny fandravana sy fandrobana fananan’ olona tahaka izao.
Nandray fepetra avy hatrany ny prefektoran’i Toamasina, Benandrasana Cyril, taorian’ny zava-nisy. Nandefa Emmo/Reg any an-toerana izy ary nanome baiko ny hisamborana ireo olona nanao ny fandrobana rehetra. Vokany, tovolahy 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana ary efa nentina hadihadiana eny amin’ny manam-pahefana.
Ankoatra izay, nambaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga fa ahina hiteraka olana hafa ara-piarahamonina any Mahavelona Foulpointe ny fiparitahan’ireo fanafody tao amin’ny trano fivarotana norobain’ny olona. Maro amin’ireo fanafody no saro-pady nefa lasa hananan’ny olona maro. Mety ho maro ihany koa ny olona hampiasa izany fahatany sy tsy hifanaraka amin’ny ambaran’ny mpitsabo akory. Miahiahy ny mety hitrangan’ny fanapoizinana ara-panafody any an-toerana, araka izany, ny olona.
Vola 4 tapitrisa ariary nentina nitsoaka
Nisy vola 4 tapitrisa ariary very tao amin’ny toeram-pivarotam-panafody, ny alin’ny 29 desambra 2024 lasa teo. Nohadihadiana avokoa ireo ankizy rehetra sy mpiasa tao amin’io trano fivarotam-panafody io taorian’izay. Tsy hita popoka, nandritra izany, ny vehivavy iray antsoina hoe Onimpandresena na Fandresena, mpiasa iray tao. “Raha amiko, nitondra io vola be io nitsoaka izy io ary mahafantatra tsara ny toerana azony hiafenana any an-toerana”, hoy ny tompon’ity trano fivarotana fanafody iray ity.
Fianakaviana sahirana
Nandritra ny korontana sy fandravana fananan’olon-tokana, tany Mahavelona-Foulpointe, hany sisa tavela tao amin’ilay mpandraharaha niantefan’ny fitakian’ny fokonolona ny vadiny izay mitondra vohoka ary ireo mpiasa miara-mitantana.
Marihina fa miasa sy monina aty Antananarivo Renivohitra ilay mpandraharaha. “Niangavy ahy mba handray ny zanany lahy 14 taona ny rain’izy io noho ny fahasahiranana mahazo azy ireo”, hoy ny fitantaran’ity mpandraharaha ity, Botsiaka Edintch. Nambarany fa tsy nanaiky ny hiasan’io zazalahy io aho satria tsy ampy taona izy, ary tapa-kevitra aho ny hampianatra azy asa tanana sady mipetraka aty amiko. Gaga anefa aho fa nolazain’ny rainy tsy hita io ary izao niafara tamin’ny korontana sy fandravana fananana izao. Nambaran’ny rainy fa maditra sy fainga tanana ity zanany ity. Nohamafisiny hatrany fa mbola niangavy azy mafy ilay rain’ ilay tovolahy lazaina fa tsy hita ny 21 desambra lasa teo, mba hanomezana trano ireo fianakaviana sy ray aman-dreny ireo, izay sahirana ara-pivelomana.
Nanatontosa : Sajo
Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, ny 15 febroary izao. Efa fanao isan-taona izy ity, hanaovana tatitra ny asa vita nandritra ny taona. Eo koa ny hilazana ny fandaharam-potoana rehetra ho amin’ny taom-pikatrohana 2025.
Hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra, any Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), taona 2025. Hisy ny lalao hifanandrinan’ny ekipan’ny Asief sy ny governemanta amin’ity indray mitoraka ity, raha ny fandaharam-potoana.
Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tolona, sokajy zandriny U23, lahy sy vavy. Tsiahivina fa hiatrika ny fifaninanana afrikanina izy ireo ny volana marsa ho avy izao ka izay no antony isian’ity fanomanan-tena ity.
Ho fanomanana ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”, nisy ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny CFFA, ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja manara-penitra Tsiroanomandidy. Nahazo fandresena 6 no ho 3 nanoloana ny ekipa voafantin’i Bongolava ny mpilalaon’Andoharanofotsy tamin’io. Tsiahivina fa hanomboka ny faran’ny herinandro ho avy izao ny PFL.
Tsy manavaka! Niatrika ny lanonam-panokafana ny fifaninanana baolina kitra, « Tournoi depiote Fidy », teny amin’ ny Kianja Soavaly, fokontany Fiadanana Soanerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Abdulah Marson, afakomaly. Hetsika karakarain’ ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré.
Tsiahivina fa ao anatin’ny Politikan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny fanatanjahantena manakaiky vahoaka. Izay no antony anaovana ity fifanintsanana ity. Miisa 32 ireo ekipa mandray anjara amin’ity baolim-pokontany ity. Marihina fa ny fanokafana ihany no natao teny Fiadanana, fa hiparitaka eny amin’ ny kianja Anosizato sy Anosipatrana ihany koa izany.
Nanamafy ny minisitra fa tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fampivelarana ny tanora ny eto an-drenivohitra, na ny any ambanivohitra. Ankoatra ny baolina kitra, hisy ihany koa ny fifanintsanana amin’ny taranja hafa toy ny lalao rugby, adin’ akoho ary ny tsipy kanetibe.
Fitia Randria
Anatin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, amin’izao, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any Maorisy, ny 1 hatramin’ny 8 marsa ho avy izao. Ho fanamafisana izay fanomanana sy fanazarantena izay, hisy ny “match de défi” hataon’izy ireo ny 8 sy 9 febroary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Lalao hifanandrinan’ny ekipan’ny Zandary, lahy sy vavy, amin’ny ekipa nasionaly voafantina, mpilalao mendrika notsongaina avy amin’ny klioba manerana ny Nosy.
Tsiahivina, firenena 6 no handray anjara amin’ity andiany faha-29, CCC Zone 7, ity. Ahitana an’i Comores, La Réunion, Maurice, Madagasikara, Mayotte ary Seychelles. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny CAVB (Confédération africaine de volley-ball), ny 25 febroary ny fahatongavan’ny komity mpanara-maso any an-toerana. Ny 26 sy 28 febroary ny fahatongavan’ny mpilalao sy ny mpanazatra rehetra avy amin’ ny firenena isanisany. Ny 28 febroary no hirosoana ny fanadihadiana mialoha sy ny fivoriana ara-teknika ary hanomboka ny lalao ny 1 marsa, hitohy hatramin’ny 8 marsa.
Mi.Raz