Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny Université d’innovation Pod (UniPod). Teny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny eo anivon’ny Pnud.
Toerana iray hitrandrahana sy hampivelarana ireo tetikasa sy asa fikarohana ho lasa asa iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny UniPod. Hahafahana mamadika ny fikarohana ho tena vokatra ihany koa. «Hatramin’izay, misy ny asa fikarohana fa tsy tena mipaka any amin’ny tena ilana azy izany», hoy ny minisitry ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Nirina Nampoina, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa fotodrafitrasa maoderina hanohanana ny teknolojia vaovao sy ny haivao ihany koa izy io. Tanjona ny hamadihana ny hery ara-tsiansa ho lasa milina iray sy hahafahana mamorona asa sy fanovana maharitra ho an’ny firenena. «Manana anjara stratejika lehibe ho an’ny fampandrosoana ny UniPod amin’izao fotoana izao, satria tetezana iray mampifandray ny oniversite amin’ny mpikaroka sy amin’ny orinasa izay efa misehatra eto amin’ny firenena», hoy ihany izy.
«Tsy hijanona ao anaty laboratoara sy tranomboky intsony ny fikarohana fa tokony hivadika ho asa sy ho lasa startup hanatsarana ny andavanondron’ny Malagasy», hoy kosa ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa anisan’ny fototry ny fahaleovantenam-pirenena ny fampianarana ambony, ny fikarohana ara-tsiansa ary ny fanavaozana ara-teknolojia.
Ahitana laboratoara efatra
Ahitana laboratoara efatra ao anatin’ity rafitra iray ity. Anisan’izany ny laboratoara ahafahana mamadika ny tetikasa ho zavatra mivaingana azo hoentina eo amin’ny sehatry ny asa. Eo koa ny misahana ny faharanitan-tsaina artifisialy. Manampy azy ao ny laboratoira ho an’ny sehatra maitso, toy ny tontolo iainana sy ny maro hafa. Farany dia ny laboratoara momba
ny “agroalimentaire” sy “agrifood”. Marihina fa niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa nanatanteraka tamin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny Pnud ny UniPod. Manodidina ny 50 isa isaky ny fidirana ireo mpianatra horaisina. Ezahina ny hanaparitaka azy manerana ny Nosy.
Mino
Tafita hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ny Fosa Juniors Boeny. Tafiditra amin’ny fifaninanam-pirenena «PFL». Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, omaly, ny klioban’ny FC Soleil. Tsiahivina fa mbola miatrika ny ampaha-16n-dalan’ity fifanintsanana ity ny Fosa Juniors sokajy zandriny.
Ekipa faharoa manaraka ny dian’ny Disciples FC Vakinankaratra any amin’ny manasa-dalana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”, ny Elgeco Plus. Resin’ izy ireo tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, omaly, ny FC Rouge. Nisaraka 1 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna, ny roa tonta. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nifandimbiasana ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Maro ny baolina tokony ho tafiditry Ranona sy ry Pito, teo amin’ny fidirana voalohany, saingy azon’i Toldo, mpiandry tsatobin’ny Elgeco Plus izany, na nihoatra ny tsivalamby. Teo ihany koa ny baolina saika nampidirin-dry Jean Luc, lohalaharan’ny Elgeco Plus, saingy nidona tamin’ny tsivalamby. Isa 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, minitra faha-51 nilalaovana, nahatafiditra baolina i Ismael, lohalaharan’ny Elgeco Plus, rehefa nanao tandrevaka ny vodilaharan’ny FC Rouge. Nahazo karatra mena i Lalane, vodilaharan’ny Elgeco, minitra faha-77. Somary nisavorovoro ireo mpijery saingy nilamina ihany izany rehefa tonga ny tomponandraikitra. Afa-bela tamin’ny FC Rouge izany ny Elgeco. Tsiahivina fa resin’izy ireo 1 no ho 0, ity tompondakan’ny PFL farany ity, tany amin’ny lalao voalohany.
Fitia Randria
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sky Blue Ankadindratombo, ny fivoriambe ara-potoana 2026 ho an’ny Komity olympika malagasy (Kom). Saika tao avokoa ny ankamaroan’ny Federasionina rehetra ary nandefa solontena sy niditra mivantana ireo tsy afaka nanatrika izany. Teboka maro no noresahina ka anisan’ny nisongadina ny mahakasika ny Lalao olympika ho an’ny tanora hatao any Dakar, amin’ity taona ity. Taranjam-panatanjahantena 6 no handraisan’i Madagaaikara anjara dia ny Judo, Atletisma, Tolona sy Tolona amin’ny torapasika, Tenisy ambony latabatra ary Baolina lavalava lalaovin’olona fito. Nanamafy ny Sekretera jeneralin’ny Kom, Randriamanarivo Harinelina, fa manao ny asany izy ireo amin’ny fanamorana ny fandraisana anjaran’ny atleta malagasy, saingy anjaran’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana ny eo amin’ny hoenti-manana. Anisan’ny noresahina ihany koa ny mahakasika ny lalaon’ny Nosy 2027, hatao any Kaomoro. Hiadivana mafy ny hahafahan’ny taranja ady totohondry ho anisan’ny hifaninanana, raha toa ka efa fantatra kosa fa ny Volley-ball lalaovina amin’ny torapasika ihany kosa no hifaninana ho an’ny Volley.
Mi.Raz
Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Amparafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Mahajanga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy izao. Hotanterahina ao amin’ny Fiangonana katolika St Janvier Amparamanina izany ary hanomboka amin’ny 2 ora. « Hahita mivantana anay mpilalao tantara amin’ny onjampeo isika amin’ io fotoana io. Tantara maneho ny fiainana andavanandro no hoentinay eny an-tsehatra. Mampihomehy sy ahitana hatsikana nefa koa hampitana hafatra sy fanabeazana izany tantara izany », hoy ny lehiben’ny tarika, i Niravo. Anisan’ny ho tazana eny an-tsehatra, Rakoto, Faly, Synèse, miaraka amin’i Soafaniry sy i Niravo. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fanentanana ary ny fandrindrana an-tsehatra, i Bruno Rakotomalala. Mikarakara izao seho izao kosa ny fikambanan’ny Trinite Masina sy ny voababo ao Amparamanina.
Hitohy eny Antsahamaina, Antanetibe Mahazaza, indray ny seho hataon’ny tarika ny 21 jona. Iarahana amin’ny Antilin’i Madagasikara (AIM) ao an-toerana. Aorian’izany ny fiarahana amin’ny vahoakan’ny kaominina Mandrosoa, any Andramasina, ny 26 jona izao. Tafiditra amin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena izany seho an-tsehatra izany.
Tsiahivina fa feno hipoka ny tao amin’ny « Centre pastorale ex-Don Bosco », Mahajanga tamin’ny seho nataon’ny Iray Fy’Art, ny alahadin’ny Pantekoty teo.
Synèse R.
Andro vitsy sisa no isaina… Hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Raha ilay anarany fotsiny no iaingana. Efa maneho sahady fa indrana ihany no ataon’ny Malagasy fa tsy tompony.
Ny alahady 31 mey izao no hankalaza ny « Fetin’ny Reny » ny Malagasy. Na, tsy manontolo aza. Tao anatin’ny taona maro, mitombo isa hatrany ny Malagasy manamarika io vanim-potoana io. Miarahaba ny reny. Manolotra fanomezana ho azy ireo, sns. Ny fampiasana ny teny « Fety », efa maneho sahady fa fomba sy fanao vahiny nampidirina teto Madagasikara ny fankalazana ny « Fetin’ny Reny ».
Ny an’ny Malagasy, nomeny hasina sy nohajainy fatratra isan’andro ny reny. Satria, fantany tsara fa izy no kitapo nifonosana, nitondra sivy volana an-kibo. Nitaiza sy nanabe ho olom-banona… Tsy nanaovany « fety » na notolorany fanomezana indray mandeha ao anatin’ny taona, fa nohajainy fatratra ka nataony ho tompon’ny tokantrano. Nampalaviriny ireo asa mafy sy mitaky herim-batana, tahaka ny fiasana tany, sns.
… Tsy misy firenena handroso amin’ny fomban’ny hafa. Na, heverina ho kely aza ny endriky ny tranga tahaka izao. Misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainam-piarahamonina, satria, ny saina no iantefany mivantana. Tafiditra ao amin’ny Malagasy maro ilay fiheverana fa raha vao tsy mankalaza ny « Fetin’ny Reny » dia tahaka ny manao tsinontsinona sy manamaivana ilay kitapo nifonosana. Mila fanarenana sy fanitsiana haingana ny fahasimbana tahaka izany mba tsy hanao randra-mitarika any amin’ny taranaka Malagasy.
HaRy Razafindrakoto
Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity ary tohanan’ny Alliance Française sy ny masoivohon’i Frantsa eo amin’ny fampitaovana sy fampiofanana ary ny fitadiavana asa ilain’ny tanora malagasy. Tonga nanatrika izao fitokanana izao ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa, i Julien Buissart sy ny talen’ny Alliance Française, i Alexandre Aduyai. Nisolo tena ny tale misahana ny fampandrosoana kosa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Rafidison Willy.
Sajo
Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transparency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no isa azo ary laharana faha-140. Taona 2023, 25/100 ny isa tamin’ny laharana faha-145. Ny fitsirihana ny tontolon’ny etika sy ny asam-panjakana ho an’ny vahoaka no tena niompanan’ny fanadihadiana. Na izany aza, anisan’ny nitsarana ny isam-pirenena koa ny tondro amin’ny fampiharana ny demokrasia. Eo ny fahalalahan’ny olom-pirenena maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny fahaleovantenan’ny fitsarana…
Amin’ny ankapobeny, 42/100 ny salanisa amin’ny ady amin’ny kolikoly maneran-tany, araka ny fanazavan’ny Transparency international. Tao anatin’ny folo toana farany no nisian’izay fihemorana be izay. Firenena 122 amin’ny 182, ohatra, no nahazo isa latsaky ny 50/100. Tsy misy afa-tsy firenena dimy sisa no nahazo isa mihoatra ny 80/100, raha 12 izany tamin’ny folo taona lasa. Anisan’ny nahatonga ny isa azon’ny isam-pirenena kosa ny nisian’ny hetsiky ny tanora GenZ tamin’ny firenena maromaro. Nampidina ny isa azo ny fidinana an-dalambe, niafara tamin’ny firodanan’ny fitondrana eo an-toerana. I Serbie, ohatra, nahazo isa 33, i Pérou 30, i Népal 34, i Madagasikara 25.
R. Nd.
Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby milalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity.
Efa nandalo niatrika fiofanana maro tamin’ireo klioba goavana tao Eoropa i Ilam Djaliane. Anisan’izany ny klioba Aj Auxerre, ny Olympique Lyonnais, diviziona voalohany ao France avokoa. Mampametra-panontaniana an’ireo mpanaraka ny baolina kitra ny tsy niantsoana an’i Njiva, Malagasy lohalaharan’ny Ratchaburi FC Thailande sy i Fenohasina Gilles, anisan’ireo mpampidi-baolina betsaka indrindra ao amin’ny AL Merrik Soudan.
“Mpiandry tsatoby ve no tena olana ho an’ny Barea sa ny mpampidi-baolina? Ny tena olana hatramin’izay anie dia io resaka lohalaharana io”, hoy ny Malagasy iray mpankafy baolina kitra .
Marihina fa tsy ao anatin’ity lisitra ity ihany koa i Marco Ilaimaharitra, izay niatrika lalao ara-pirahalahiana niaraka tamin’ny Barea ny volana marsa lasa teo, tany Torkia. Ampahatsiahivina ihany fa hifanandrina amin’i Maroc sy i Ouganda, ny volana jona ho avy izao, atsy Maroc, ny Barea.
Mpilalao roa naverina …
Tazana fa tafaverina anatin’ny lisitra ny ekipa nasionaly malagasy, ry Loic Lapoussin, GX Hengchen, D1 ao Chine sy i Louis Démoléon, milalao ao amin’ny Acireale D4 any Italie.
Tamin’ny lalaon’i Ghana sy i Madagasikara, ny volana marsa 2025 no voaantso ho ekipa nasionaly farany i Lapoussin, raha toa ka efa tany amin’ny volana jona tamin’ny taona lasa no tazana tao anatin’ny Barea i Démoléon.
Fitia Randria
Ireo mpilalao 24 mandrafitra ny Barea :
Mpiandry Tsatoby : Ramandimbisoa Michel, Geordan Dupire, Ilam Djaliane
Vodilaharana : Sandro Tremoulet, Thomas Fontaine, Eshan Kari, Louis Démoléon, Rabearivelo Bono, Morgan Jean Pierre, Acapandié Mathieu, Rabemanantsoa Radoniaina
Mpilalao afovoany : Clément Couturier, Randriamalala Behaja, Raveloson Rayan, Randriamanampisoa Nicolas, Johan N’zi ary i Loïc Lapoussin.
Lohalaharana : Andrianantenaina Arnaud, Fontaine Nicolas, Raheriniaina El Hadary, Ryan Ponti, Hakim Abdallah, Warren Caddy ary Bryan Adinany.