S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 53 min

FOCUS CLIPSE TEEAN

sam, 06/27/2026 - 11:24

Catégories: National

Kianja Barea Mahamasina: tsy afaka handray ny lalaon’ny Barea amin’ny septambra

sam, 06/27/2026 - 10:59

Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Maha­masina, fa tsy ho tratra amin’ny volana septambra ny asa fanamboarana ny Kianja Ba­rea Mahamasina, izay havadika ho bozaka safiotra. Midika izany fa tsy hatao eto an-toerana ny lalao hihaonan’ny Barea amin’i Tanzanie.
Tsiahivina fa tafiditra anatin’ny Fifanintsanana Can 2027 ity fihaonana ity.
Nilaza anefa ny minisitra fa efa miroso amin’ ny fanaovana tolo-bidy ny minisitera. Nomarihiny ihany koa fa ny tsenambaro-panjakana ihany no ahafahana miroso amin’ny fividianana bozaka, Efa mikarakara ny pitsopitson’izany ny minisitera izay tantaniny.
Nomarihiny hatrany fa ao anatin’ny telo volana eo no hahafahana miroso amin’ny fametrahana ny bozaka safiotra. Any amin’ny volana oktobra any vao mety afaka hanaovana andrana ny Kianja.
Nambarany fa mandritra io telo volana io, rehefa mandeha ny asa, hanafatra teknisianina anivon’ny Caf izy ireo hanao ny fitsirihana sy hijery miandalana ireo fepetra hahazoana ny fankatoavana ny Kianja faran’izay haingana.

F.R

Catégories: National

Podium tetsy Mahamasina: vahiny manokana ireo mpanakanto avy any Rosia

sam, 06/27/2026 - 10:58

Nanehoana kolontsaina marolafy ny tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Nanaitra ny rehetra ny fandraisana anjaran’ireo vahiny rosianina.

Ny gadona efa fandre ihany, fa ny feony kosa dia vaovao tanteraka… Na izany aza, nitondra hafaliana ho an’ireo izay nanatrika ny « Podium » lehibe tetsy Ma­hamasina, omaly tolakandro, ireo mpanakanto avy any Rosia. Vahiny nasaina manokana noho ny fankalazana ny Fetim-pirenena malagasy izy ireo. Am-polony maro ka ny sasany nitendry sy nihira teny an-tsehatra, ary ny hafa kosa nandihy tety ambany. Irony karazana dihy mihaja fanaon’olon-droa irony ny nasehon’izy ireo, izay nampihoraka ny mpijery satria tsy fahita teo Mahamasina hatramin’izay. Fantatra fa mbola hanolotra seho maimaimpoana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo, ny alahady izao.
Nialoha ireo vahiny, nanokatra ny hetsika rehetra teo Mahamasina, ireo antoko mpihira avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tao ireo ivondronana miaramila, ny ivondronan’ireo avy amin’ny minisitera sy ny andrimpanjakana, sns. Taorian’ny matson’ny miaramila kosa indray ny mitabe nataon’ireo tanora mpandihy, narahin’ny fihetsika mirindra, nasehon’ireo teny amin’ny « gradins ». Niverina avy eo ny Tanora Masina Itaosy, namarana ny hira fiderana, nialoha ny nidiran’ireo tarika nanafana ny tapany faharoa, ny tolakandro.
Hafa noho ny mahazatra ny maso sy sofina ny hira nentin’i Ken nanokafana izany. Izy no nanao Ilay hira fanevan’ny fankalazana ny Fetim-pirenena tamin’ity, ka tazana niaraka taminy teny an-tsehatra ireo mpanao vakisaova. Tao­rian’ izay ny nandefasana ny voromailala, marik’ilay fahaleovantena izay marihina isaky ny 26 jona koa ny fiverenany.
Niezaka ny nanasongadina ireo gadona sy mozika avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara ireo tarika no­safidiana manokana. Ry Lego, Rahavana, Fy, Mikea, Iraim­bilanja, Bolo, Mahaleo taranaka, Kaiamba, Voni­navoko, Kougar, Nate Tex, Sakate­boy, sns.

Zo ny Aina

Catégories: National

JME Atsinanana: zana-kazo 2 000 nambolena

sam, 06/27/2026 - 10:55

Niaraka nankalazaina ny 23 jona teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) sy ny Andro fiarovana ny zavamananaina hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany, ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ambodiriana, distrika Toamasina II no nanatanterahina ny fotoana, ao anatin’ny Faritra arovana Betampona. Miisa 2 000 ny zana-kininina nambolena any an-toerana. Nankahery sady nankasitraka ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Dredd) Atsinanana ny lehiben’ny faritra, Razafiarison Jean Jugus, nisafidy ny kaominina Ambodiriana, nanatanterahina ny fotoam-pankalazana. Nosinganiny fa raha ritra ny rano dia ho ringana ny ala sy ny zavamananaina, araka ny teny filamatra « Arovy ny tanintsika sy ny zavamananaina ».
Marihina fa nosafidiana ny 23 jona teo ho an’ny faritra Atsinanana, satria hatao ny 28 jona, any Morondava, ny ivon’ny fankalazana ofisialy eto Madagasikara. Ny 5 jona kosa no tena Andro iraisam-pirenena.

Sajo

Catégories: National

Tetikasa APA: fizarana ny tombontsoa avy amin’ny fototarazo

sam, 06/27/2026 - 10:46

Natao omaly, ny tatitra momba ny tetikasa Fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana mahakasika ny zavamaniry (APA). Voakasik’izany ireo zavamaniry fanao fanafody, fikarakarana ny vatana sy tarehy. Tetikasa natao ny taona 2018 hatramin’ny 2025 ny APA, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena tany Nagoya.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary (DGAPRNE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Ramatoa Ratefason Tojotsa­ra, fa tsy afaka trandrahina fotsiny amin’izao ny akora voajanahary fototarazo. Mila misitraka ny tombontsoa azo avy aminy koa ny mponina eny ifotony. Efa misy ny didim-panjakana mifehy azy, ankehitriny, saingy mbola ho hatsaraina ka eo am-pamolavolana ny lalàna vaovao. Voakasik’ity sehatra ity avokoa ny fanjakana, ny mponina eny ifotony, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny mpikaroka, fa indrindra ny sehatra tsy miankina.
Nohazavain’ny tomponandraikitry ny APA ao amin’ny minisitera Medd, Ramatoa Ramamonjisoa Lolona, fa anisan’ny tamberina apetraka ny tombontsoa hitondra fampandrosoana eny ifotony, araka izay andrasan’ny mponina. Misy ny fifanarahana mirakitra ny fanomezana fahazoan-dalana ahafahana mitrandraka ny zavamaniry fototarazo sy ny fitsinjarana ny tombontsoa azo aminy. Voaka­sik’ izany ireo orinasa tsy miankina mitrandraka ny zavamaniry tsy fahita raha tsy eto Mada­gasikara.

Njaka A.

Catégories: National

Pages