S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 min 16 sec

Kaominina ambanivohitr’i Maromitety: ahina ny mety hisiana valanaretina maro

jeu, 01/16/2025 - 10:48

Valifaty politika ahi­­na hihitatra ha­tramin’ny maha olo­na sy tsindry ara-tsosialy ka me­ty hitarika fiforonana valanaretina ma­­ro samihafa ny trangan-javatra mi­seho ao amin’ny fokontany maromaro eo anivon’ny kominina  ambanivohitr’ i Maromitety, niatomboka ny 12 desambra lasa teo.

Samson na Sonina, zandary misotro ronono ary efa nihazona ny andraikitra lefitry ny ben’ny Tanàna sy filohana filankevitry ny kominina ambanivohitr’ i Ma­ro­mitety, nitondra fanazavana fa taorian’ny tsy fitarihan’ny ben’ny Tanàna am-perinasa sy ny lefitra voalohany. Ity farany izay miandraikitra ny rano fisotro madio eo anivon’ny kaominina. Samy kandidà rahateo izy roa lahy  nandritra ny fifidianana farany teo ary samy tsy nitarika tamin’ny isam-bato ny 11 desambra, tsy niandry ela, tapaka ny rano fisotro madio niantomboka ny 12 desambra raha efa notapahina nialoha izany tao amin’ny fokontany Ambodi­manga Sahavaviana sy An­tsirakoraka izay fiavian’ny kandidà mpifaninana, raha ny fanazavana.

Miverina mantsaka an-drenirano

Antsojay amin’ny maha olona izany, raha ny fanazavan’ny fokonolona, tsy tokony hisy fifandraisana ny politika sy ny tsy fitariham-bato tamin’ ny fifidianana sy ny zo ho an’ olombelona hisitraka rano fisotro madio, manao antso avo amin’ny mpitondra mahefa ny fokonolona sy ireo nanaovana fanadihadiana.” Amin’izao, efa miverina mantsaka amin’ny reniranon’ i Iazafo indray izahay, maloto satria betsaka ny zavatra ataon’ny olona eny ambony eny na ny mety ataonay eto kanefa ny rano mikoriana ka mety hankarary izay rehetra handalovan’izany.  Efa nisy rahateo ny olona sahy nanary fatim-bibilava teny an-drano, eo ny manasa zavatra rehetra malotony, ny trano fivoahan’ny fianakaviana sasany rahateo amoron-drano, ny mpaka fasika manginy fotsiny. Ankilany, tombony nefa ireny rotsakorana nentin’ny rivodoza Dikeledi ny sabotsy teo, ireny. Aorian’ny fiatoan’ny rotsakorana, samy hiverina hantsaka an-drenirano maloto ny fokonolona.

Ahina ny valanaretina

Nohamafisin’ny fokonolona fa, taloha, voalohany tato anatin’ny distrikan’ i Vavatenina tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina bilarziozy ny kaominina Maromitety, izany indrindra no nahatonga ny mpitondra tao an-toerana nangataka ny mba hisitrahana rano fisotro madio. Kanefa, hanaovan’ny ben’ny Tanàna am-perinasa, kandidà farany teo, antsojay politika ny aim-bahoaka. “Amin’ izao fotoana izao, efa betsaka ny aretim-pivalanana sy mikohoka ka ahina ny hitaran’izany ho valanaretina maro samihafa raha tsy miverina mandeha haingana ny rano fisotro madio.
Tsy ampy sakafo…

Amin’ny ankapobeny, sahirana ny mponina amin’ireo fokontany maromaro anivon’ny kominina ambanivohitra Maromitety. Nandritra ny fanadihadiana natao tany an-toerana, nahitana tokantrano vitsivitsy efa tsy mihinana vary amin’ny atoandro na hariva fa soanambo no solon-tsakafo, ka indray mandeha isan’andro no mihinam-bary, ny maraina mazava hoazy. Nohamafisin’ny renim-pianakaviana iray fa tsy fisakafoana ara-dalàna, miampy fisotroana rano maloto, handreraka aina ka hanamora fiforonana karazana aretina.
Lafo ny vary, vidiana 1 900 Ar ny kapoakan’ny vary fotsy, raha 800 Ar ny akotry. « Izaho handeha hamarotra ny akohoko koa raha lafo ity vao hividy vary sy zavatra hatao laoka, sahirana izahay aty », hoy ity renim-pianakaviana ity. Nohamafisin’izy ireo fa nisy fiantraikany tamin’ny fambolena sy ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana ny tsy fisian’ny orana nandritra ny fotoana lava, teo rahateo ny tsy fahavokaran’ny letisia sy ny jirofo, ahina ny mety hisian’ny mosary raha izao no mitohy, raha mosary ny olona no sady mampiasa rano maloto, haingana ny fahatongavan’ny tsimokaretina.

Catégories: National

Sobim-baovao

jeu, 01/16/2025 - 10:45

Araka ny tsiliantsofina, ny fandoavana ny karaman’izay ho mpanazatra hitantana ny Barea no antony tsy mbola hivoahan’ny anaran’izay hisahana izany andraikitra izany. Mbola hifampidinihan’ny fanjakana sy ny federasiona ary ny mpiara-miombon’antoka mantsy ny amin’izany, araka ny angom-baovao.

Manomboka amin’ity taom-pilalaovana ity, hanazatra ny ekipan’ny FC La Ville Ste Suzanne, atsy La Réunion, i Abdou Hassman. Tsiahivina fa anisan’ireo namorona sy nitondra ny ekipan’ny Tsaramandroso Formation Boeny ny tenany. Taorian’izay, niondranany tatsy La Réunion, nitondra ny AS Jeanne d’Arc ny tenany.

Anisan’ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe misongadina any Frantsa, amin’izao fotoana izao, i Tsirintsoa. Mpilalaon’ny Arlanc ny tovolahy ary mampiaiky ireo rehetra mifanehitra aminy ny fahaizana sy ny talenta ananany. Miangavy ny Federation sport-boule malagasy ny mpankafy ny mba hiantsoana azy, handrafitra ny ekipam-pirenena.

Miisa efatra ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehin’ny Federasiona malagasin’ ny atletisma amin’ity. Eo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U18 sy U20, any Algerie, ny volana avrily. Ny CJSOI any Seychelles amin’ny jolay sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Tokyo amin’ny septambra ary ny Relais St Benois amin’ny novambra.

Catégories: National

Judo-R.Siteny: lany ho filohan’ny UAJ fanindroany

jeu, 01/16/2025 - 10:44

Tontosa ny talata 14 janoary lasa teo, tany Casablanca, Maraoka, ny fifidianana teo anivon’ny UAJ (Union africaine de Judo). Mbola lany hitantana izany mandritra ny 4 taona manaraka indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Voafidy tsy nisy fanoherana ary nahazo fankatoavana tanteraka izy tamin’ny alalan’ireo federasiona 32 manerana an’i Afrika, izay tonga nanatrika ny fivoriambe narahina fifidianana. Ny taona 2021 no nandray ny fitantanana voalohany ny UAJ ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny. Izao voafidy fanindroany izao indray izy, ho an’ny taona 2025 hatramin’ny 2029.
Nandritra io fivoriambe io ihany koa no nandraisana ny fanapahan-kevitra momba ny filankevitra mpanatanteraka. Araka izany, tafapetraka ny Chairman Shadrack Maluki, i Estony Pridgeon, sekretera jeneraly, ary ny mpitahiry vola, i Chafik El Kettani. Tsiahivina fa efa tao anatin’ny mpikambana mpanatanteraka teo aloha avokoa izy ireo no izao naverina eo amin’ny toerana izao indray. Marihina ihany koa fa kandidà tokana, Randrianasoloniaiko Siteny, toraka izany koa ireo mandrafitra ny birao rehetra.

Mi.Raz

Catégories: National

Karate-Afrika: mpikatroka 20 no homanina ho any Nizeria

jeu, 01/16/2025 - 10:43

Tanjona ho an’ny federasion’ny Karate do malagasy (FKM) ny hisehatra eo amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena bebekokoa amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Io no nohamafisin’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, nandritra ny famaranana ny fampivondronana tapany voalohany ho an’ny mpikatroka sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Mba hahafahana manatratra izany tanjona izany, hampitomboina ireo hiatrika ny fifaninanana kaontinantaly mba hananana vintana maromaro hahazoana tapakila hiatrehina ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Araka izany, Malagasy mpikatroka 20 mianadahy no kasaina hampandraisina anjara mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors, hatao any Nizeria, ny 25 hatramin’ny 27 jolay ho avy izao. Amin’io fifaninanana afrikanina io no hametrahan’ny federasiona ny heriny rehetra mba hahafahan’ireo atleta malagasy mahazo tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Tsy vitan’ny federasiona samy irery anefa izany fa miantso fanohanana izy ireo hiaraka hifarimbona, anisan’izany ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny fikambanan’ny ray aman-dReny.

Any Antsirabe sy Ambositra ny fampivondronana faharoa

Tsiahivina fa nifarana ny alahady lasa teo ny tapany voalohany tamin’ny fampivondronana ireo mpikatroka hitsongana izay ho ekipa nasionaly, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors, izay natao teto Antananarivo. Any Antsirabe sy Ambositra kosa no hanatanterahina ny fampivondronana faharoa, raha ny fandaharam-potoanan’ny FKM.

Mi.Raz

Catégories: National

tompondakan’i afrika aostraly: nahazo fandresena faharoa ny Akomba de Madagascar

jeu, 01/16/2025 - 10:40

Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola.

Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faha­roa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy zandriny U14 sy 16, lahy sy vavy. Mitohy ny fa­hombiazana ho an’ny Akomba de Madagascar, U14, zazalahy. Nahazo fandresena faharoa ry zalahy, teo amin’izay andro faharoa izay.
Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1, i Angola. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana voalohany, resin-dRazafindrazaka Ny Avo, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0), i Marco Silva. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy satria tsy nahazo na “jeu” iray aza ity mpifanandrina taminy ity. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny Ny Avo, tamin’ity.
Teo amin’ny fihaonana faharoa, lavon’i Italo Tuluca, tamin’ny seta 2 (6/0; 6/2), Rakotondramboa Sebastien. Voatery niditra teo amin’ny lalao ho an’olon-droa nahalalana izay ho mpandresy. Teo no nanantombo ny Akomba, niarahan’ i Ny Avo sy i Sebastien. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4), i Tuluca sy David Lemos. Niady ny fihaonana satria nifanenjehina ny “jeu” saingy ny hafetsifetsena sy hakingana teo amin’ny Mala­gasy mpilalao no naharesena ireo mpifanandrina.
Tsiahivina fa efa nandresy an’i Namibie, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba, tamin’ny andro voalohany. Hitohy, anio, ny fifaninanana ka ny vehivavy, U16 sy ny lehilahy, U14 samy hidona amin’i Afrika Atsimo no hiady ny laharana voalohany fa efa samy tafita amin’ny manasa-dalana. Tsia­hivina fa tsy afaka niatrika ny fifaninanana ny U14, vehivavy, noho ny tsy fahasalaman’ny mpilalao iray mandrafitra ny ekipa.

Tompondaka

Catégories: National

Le pays de tous les trafics.

jeu, 01/16/2025 - 09:08

Ces derniers mois, pas une semaine ne passe sans qu’on n’entende parler de la dé­couverte de trafics de tous genres. Si auparavant, les trafics de bois de rose et autres bois précieux faisaient la « une » de l’actualité, aujourd’hui, beaucoup d’autres produits font l’objet de ces activités illégales.
Bien sûr, si l’exploitation illégale de produits de la forêt se poursuit encore – tout récemment, on a dé­couvert le transport de toute une cargaison de bois de palissandre sans que les transporteurs puissent présenter la moindre autorisation -, celle de bois précieux a connu une certaine accalmie relative.
Qu’on le veuille ou non, ce sont les trafics portant sur les espèces rares d’origine animale qui occupent le devant de la scène actuellement. Cela concerne princi­palement les tortues et les chimpanzés. Trois asiatiques viennent d’ailleurs de se faire épingler à Ivato avec
105 tortues.
Toujours est-il que les trafics portent également sur d’autres produits tels que les produits halieutiques (concom­bres de mer…), les drogues (chanvre, héroïne…). On ne saurait oublier les trafics de personnes à destination de certains pays arabes.
Bien évidemment, les trafics portant sur l’or se poursuivent. Il en est de même en ce qui concerne les ossements humains sans que l’on sache véritablement à quoi ils vont servir ou bien s’il existe réellement des commanditaires. Jusqu’à présent, ce type de trafic reste dans le domaine du mystère.
Les trafiquants sont de diverses nationalités (africaines, asiatiques…). Quoi qu’il en soit, ces trafics ne seraient pas possibles sans la complicité de quelques autochtones, qu’il s’agisse de simples particuliers ou d’agents de l’administration.
Il faut bien que quelqu’un sur place aide ces trafiquants pour réunir ces centaines d’animaux qui vont faire l’objet d’une expédition clandestine. Mais il arrive que la communauté d’où ces animaux faisant l’objet de trafic viennent se taise quand un gros bonnet est impliqué.
On se demande bien pourquoi tous ces étrangers accourent tous à Madagascar pour perpétrer ces trafics ? Les sanctions appliquées aux trafiquants ne sont-elles pas suffisamment dissuasives ? Ou bien, ce sont les contrôles au niveau des frontières qui laissent à désirer ?
Certes, quelques trafiquants se font attraper, mais on peut bien croire que ce n’est que la partie visible de l’iceberg. On peut bien penser que la grande partie des trafics passent à travers les mailles des services douaniers. Et bien souvent, ce n’est qu’à l’extérieur du pays qu’on apprend l’existence de ces trafics.
Si tous ces trafics se poursuivent, le pays sera démuni de ses espèces rares. D’ailleurs, certaines espèces sont déjà en voie de disparition. Mais le comble serait que, au niveau international, on ne va pas manquer d’étiqueter Madagascar com­me étant le pays de tous les trafics.

Aimé Andrianina

Catégories: National

Base Toliara: bénédiction et espoirs à Ranobe

jeu, 01/16/2025 - 09:06

Ranobe, future terre d’exploitation minière pour Base Toliara, a vibré au rythme d’une cérémonie traditionnelle marquant la relance officielle du projet minier.

Dans ce fokontany de la commune d’An­kilimalinike, un sa­crifice de zébu a été réalisé, pour le respect des traditions locales et de l’importance de l’événement. Ce geste symbolique a permis de demander la bénédiction des habitants, alors que les autorités locales et l’équipe de Base Toliara annonçaient le feu vert de l’Etat à ce projet suspendu depuis 2019.
La cérémonie, marquée par la présence d’autorités telles que le directeur
in­terrégional du développement (DID) de l’Atsimo Andre­fana, Risite Heriha­rivelo qui a représenté le Gouverneur de la région Atsimo An­drefana, Edally Tovondrainy, a mis en avant les attentes placées dans
ce projet. «La décision du Conseil des ministres de novembre 2024 de lever la suspension de Base Toliara est accueillie avec enthousiasme», a-t-il déclaré. Il a rappelé les principaux avantages du projet : création d’emplois directs et indirects, retombées fiscales et programmes sociaux financés à hauteur de plusieurs millions de dollars.
Ces perspectives économiques sont saluées par les habitants de Ranobe. Mian­dry, un résident, s’est réjoui des retombées concrètes attendues, telles que la construction d’écoles, le transfert des tombeaux et la compensation foncière. Rafesy, un autre habitant, a défendu le projet face aux critiques : «Les rumeurs sur des im­pacts destructeurs sont in­fondées. Le site est situé à 15 km de Benetsy, loin des zones sensibles».
Un consensus malgré des oppositions

Le vice-président du fo­kontany de Ranobe, Toto Ramanoely, a exprimé la gratitude des habitants en­vers l’Etat pour avoir relancé le projet après cinq ans de suspension. «Nous espérons des opportunités pour nos jeunes et des améliorations dans nos infrastructures, telles que des hôpitaux et l’adduction d’eau potable», a-t-il déclaré.
Cependant, des opposants continuent de dénoncer d’éventuels impacts en­vironnementaux et sociaux. Le maire intérimaire d’An­kilimalinike a tenu à rassurer : «Le projet ne nuira pas au tourisme, les sites touristiques étant situés à une vingtaine de kilomètres». De plus, Base Toliara a mis en place des programmes environnementaux pour protéger les parcs nationaux de la région, écartant tout impact sur les forêts de baobabs ou les zones comme Mangily.
A travers cette relance, Base Toliara se positionne non seulement comme un moteur économique régional, mais aussi comme un acteur engagé dans le développement durable et l’inclusion des communautés locales. La cérémonie de Ranobe a illustré le soutien majoritaire des habitants et leur volonté de tirer parti de cette opportunité unique. Malgré les défis, le projet avance avec l’appui des au­torités et des populations locales, prêtes à écrire une nouvelle page pour l’Atsimo Andrefana.

Arh.

Catégories: National

Sûreté aérienne: l’ACM fait l’objet d’un audit international

jeu, 01/16/2025 - 09:04

Le Directeur Général de l’ACM, Gervais Damas, a inauguré hier à Tsimbazaza, le Programme Universel d’Audits de Sûreté (USAP), lancé le 13 janvier et s’achèvera le 23 janvier.
Initialement prévu en 2023, l’audit de sûreté de l’ACM a été reporté en raison des conséquences engendrées par la pandémie de Covid-19. «L’objectif est de vérifier que Madagascar respecte les normes mondiales de sûreté aérienne et que les programmes nationaux de sûreté sont correctement appliqués» précise l’ACM tout en ajoutant que cet audit est essentiel pour la Grande île et reflète l’engagement du pays à maintenir des normes élevées de sûreté aérienne et à promouvoir un développement durable dans le secteur.
A noter que Madagascar a reçu la note de 43 sur 100, lors du dernier audit en 2013, ce qui est en dessous de la moyenne mondiale qui s’élève à 62 sur 100. A rappeler qu’en fin 2024, un audit blanc a déjà été mené par des experts de l’OACI et s’est conclu sur une note positive pour Madagascar.
«Tout cela pour dire que l’ACM s’est préparée et les résultats de cet audit permettront au pays de continuer à renforcer la sûreté de son secteur aérien et d’assurer sa conformité avec les normes internationales» conclut l’ACM.

Jean Riana

Catégories: National

Secteur aérien: Emirates augmente ses fréquences de vols

jeu, 01/16/2025 - 08:45

Les fréquences de vol de la compagnie aérienne Emirates sur la ligne Dubaï – Antananarivo, vont passer de 4 à 6 par semaine, à partir du 2 avril 2025.
«Nous sommes heureux de renforcer nos services
vers Madagascar en proposant deux vols supplémentaires par semaines, conformément à la demande accrue de voyages depuis le début des opérations», a annoncé Essa Sulaiman Ahmad, Vice-président principal des opérations commerciales d’Emirates pour l’Asie Occidentale et l’océan Indien, hier au ministère des Transports et de la météorologie à Anosy.
«L’amélioration des services renforcera également les liens économiques entre Madagascar et les Emirats Arabes Unis, en favorisant l’augmentation des voyages d’affaires et de loisirs vers l’île et renforçant les voies commerciales grâce à une capacité de fret supplémentaire» a-t-il ajouté.
Depuis le lancement de vol direct entre Dubaï et Antananarivo en septembre 2024, la compagnie transporte plus de 4.000 passagers chaque mois.
«L’augmentation à six fréquences hebdomadaires par Emirates est un signal fort de confiance envers le pays, en particulier envers la destination touristique de la Grande île. Nous sommes sur la bonne voie pour atteindre plus d’un vol par jour» a déclaré le ministre des Transports et de la météorologie, Valéry Ramonjavelo.
Pour la ministre du Tourisme et de l’artisanat, Viviane Dewa, «l’arrivée d’Emirates, avec des vols directs vers Madagascar, a été une bouffée d’air frais pour notre secteur touristique. Ce vol a permis de relier notre île à plus de 140 destinations à travers le monde, ouvrant ainsi de nouvelles opportunités pour promouvoir la destination Madagascar. Notre objectif ambitieux d’atteindre un million de touristes d’ici 2028, sera grandement soutenu par l’amélioration continue de la connectivité aérienne».

Jean Riana

Catégories: National

Téléphonie mobile: l’Artec met en garde contre l’utilisation illégale des répéteurs

jeu, 01/16/2025 - 08:43

La direction générale de l’Autorité de régulation des technologies de communication (Artec), tire la sonnette d’alarme concernant l’utilisation et la commercialisation non autorisées des répéteurs de téléphonie mobile. Un répéteur de téléphonie mobile, appelé aussi amplificateur de signal mobile, permet de renforcer le signal téléphonique, notamment à l’intérieur d’un bâtiment.
«Ces équipements qui exploitent des fréquences radioélectriques, nécessitent une autorisation préalable et exclusive de l’Artec», souligne un communiqué de l’institution.
Sur ce point, l’Artec rappelle que l’utilisation de fréquences ou l’exploitation de réseaux de télécommunication sans autorisation, constitue une infraction grave. Les contrevenants s’exposent aux sanctions prévues par l’article 41 et les dispositions suivantes de la Loi n° 2025-023, récemment amendée par la Loi n° 2021-035.

Perturbations des réseaux mobiles
Les perturbations affectant les réseaux des opérateurs téléphoniques, seraient principalement dues à l’utilisation de ces répéteurs illégaux, selon l’Artec. Ces équipements souvent installés sans contrôle, interfèrent avec les fréquences réservées aux opérateurs, causant des dysfonctionnements qui pénalisent l’ensemble des utilisateurs.
En ce sens, l’Artec se dit déterminée à agir. Des mesures légales seront prises contre les responsables de ces pratiques illicites. L’autorité invite par ailleurs les usagers et commerçants à se conformer à la réglementation en vigueur pour éviter tout risque de sanction.

Arh.

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2025-01-15

mer, 01/15/2025 - 16:18

Catégories: National

Sesilany ny fanafihana ao Toamasina: 12 tapitrisa Ariary indray voaroban’ny jiolahy

mer, 01/15/2025 - 09:46

« Efa isan’andro izao fanafihana sesilany izao no miseho eto, famoizan’aina, fahaverezana fananan’ olona, faharatrana mahazo ny mpiara-belona. Lany fanahy mbola velona ny eto Toamasina », hoy ireo nanatri-maso ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ ny Cité Valpinson, parisela 11/76, tsy lavitry ny paositry ny polisin’ny Fip, etsy Ankirihiry, omaly tolakandro.

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana nahavoaroba lelavola 12 ta­pitrisa Ar tetsy amin’ny Cité Valpison. Fianakaviana vao avy naka vola tany amin’ny banky iray ao Toamasina, nandray Bajaj fa handeha hividy kodiarana tetsy amin’ny tranombarotra Cité Valpinson no lasibatra. Rehefa tonga teo, nivoaka aloha ilay raim-pianakaviana sy ny namany, niditra tao amin’ ilay tranombarotra, raha nijanona tao anatin’ilay Bajaj ilay renim-pianakaviana nitondra sy mihazona ilay po­ketra misy ny vola vao nalaina. « Tsy tapitapitr’izay, lehilahy roa nibahana teo haviako sy havanana, ny iray manam­bana basy, ny faharoa antsy ary samy milaza hoe: aiza ilay vola teo? Nosintonin’izy ireo ny poketra ary avy eo nitsoaka tamin’ny moto Cygnus ireo roa lahy”, hoy ilay renim-pianakaviana niharan’ny  fandrobana sy fanambanana basy. Tsy nisy kosa ny basy nipoaka na olona naratra. Vokany, na efa manao sesilany isan’andro aza ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitr’i Be­tsimisaraka, tsy hita marina izay vokatry ny asan’ny mpitandro filaminana.

4 tapitrisa Ariary koa voaroba tetsy Morafeno

Renim-pianakaviana iray nametraka fitoriana etsy amin’ ny polisin’ny Fip Ankirihiry, ny alatsinainy 13 janoary maraina teo, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny polisin’ny Fip. Renim-pianakaviana iray mpitambolan’antokom-piva­vahana zandriny iray tonga nametraka fitoriana. Niantso ahy matetika ny pastoranay fa mila aterina any aminy  ilay vola 4 tapitrisa Ariary. Vokany nivoaka ny tokantrano aho hanatitra ilay vola, ka nandray posy ary rehefa teny an-dalana dia norombahin’ny jiolahy ka lasany ny vola saika haterina tany amin’ny pastora”, hoy ilay renim-pianakaviana. Noha­mafisin’ ity farany anefa fa tsy niantso azy hatramin’ny tolakandron’ny alatsinainy intsony ilay pastora. Manahy, araka izany, ilay ramatoa amin’ny mety ho olona nirahin’ilay pastora no nadroba azy.

Fahafatesana sy faharatran’ny mpianatry ny Oniversite barikadimy

Niantso mpanao gazety, ny tolakandron’ny talata teo, tetsy amin’ny Cite Valpison, misy ny vatana mangatsiakan-dRazafindravelo Toto Emilien, 27 taona, mpianatra tao Bari­kadimy, taona fahefatra amin’ ny sampam-piofanana Filo­zofia, ny fianakaviamben’ny zanaky ny faritra Ambatosoa sy ny distrikan’i Maroantsetra ary ny fikambanan’ny mpia­natra avy ao Maroantsetra. Ity mpianatra ity izay matin’ny balan’ny jiolahy, ny alatsinainy teo, tetsy Andranomadio. Nam­baran’izy ireo nandritra izany fa tsy jiolahy ny zanak’izy ireo. “Tonga hianatra fa tsy tonga hanao asan-dahalo ny zanakay”, hoy izy ireo. Nijoro vavolombelona mihitsy i Marson Joseph fa izy no niantso ireo roa lahy ireo ny alatsinainy mba hahatongavana any aminy hiaraka hisakafo. Aorian’izay izy roa lahy, hanao fanamarinana dika mitovy karapanondro any amin’ny Lapan’ny ta­nàna. Antontan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana ny vatsim-pianarana. “Mampitandrina anareo izahay. Tsy vao sambany ny mpianatra ao Barika­dimy no matimatin’ny tifitra sy adina samy mpianatra, nandefitra izahay hatramin’izay. Izao efa manana ny maty sy maratra, mbola tadiavinareo haiditra am-ponja ny maratra. Ho tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga ity mpandraharaha ity”, hoy Randrianarivelo Honorine, solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny Oniversiten’ i Barika­dimy avy ao Maroantsetra.

Jeneraly polisy misotro ronono

Amin’izay raharahan’ny mpianatra voatifitra izay hatrany, nanamafy ary nanao antso ho an’ny polisy mpanao fanadihadiana ity jeneraly anivon’ ny polisim-pirenena efa nisahana andraikitra maro teto Toamasina sy teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ity. “Ianareo polisy hanao ny fanadihadiana,
ataovy lalina sy am-pandinihana tsara ny fanadihadianareo. Midina ifotony manao fikaroham-baovao amin’ny mano­didina, toy izany koa ianareo mpisolovava andaniny sy ankilany”, hoy ity jeneraly nisolo tena ny faritra Ambatosoa ity. Hatreto, raha tsorina, mety hihenjan-droa ny tady eo amin’ ny polisim-pirenena sy ny fianakaviamben’ny faritra Amba-tosoa, andaniny ary ankilany ilay mpandraharaha voatafika nametraka fitoriana an’ireo maty sy naratra.

 

Sajo

Catégories: National

Vaovao tambatra

mer, 01/15/2025 - 09:42

Mihodina daholo ny gropy miisa 4 any Andekaleka satria nirotsaka ny orana. Foana, araka izany, ny fanapahan-jiro na ny delestazy eto amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Manamarika ny Jirama, fa fanapahana ara-teknika no atao raha misy ny jiro tapaka.

 Hampiakarina ny vidin’ny trondro raisin’ny kaoperativa Fifimpava amin’ny mpanjono any amin’ny farihy Andranobe Atsinanana, fokontany Ambohi­tsokina Antsirabe I. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny trondro miakatra sady hitsinjovana ny mpanjono madinika. Tinapaka izany nandritra ny fivoriamben’ny VOI Tamia, ivondronan’ny mpanjono.

 Nomena tranon-tantely miisa 10, masomboly vary X265 sy zezika ary zanak’akoho 300 ny tantsaha any amin’ny fokontany Ambohimandroso, faritra Fitovinany. Nanatanteraka izany, ny 9 sy janoary teo, ny tomponandraikitry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) any an-toerana. Tanjona ny hiatrehan’izy ireo ny fiovan’ny toetr’andro, ny doro tanety sy ala.

Azo hahodina indray ho vokatra vaovao ny plastika, toy ny koveta, siny, kojakoja ao an-trano, sns. Orinasa misehatra amin’izany ny SFOI eto Antananarivo. Nijery ifotony ny vokatra sy ny fomba fiasany ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, omaly. Miteraka asa ho an’ny olona maro izany sady mampiakatra ny fitomboan-karena.

Catégories: National

RN6: efa azon’ny fiarakely aleha ny eo Mahavavy

mer, 01/15/2025 - 09:41

Mikaroka ny fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny haingana ny fifamoivoizana ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi sy ny orana nentiny. Ho an’ny lalam-pirenena, RNS5, mampitohy an’i Toamasina sy i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, efa any an-toerana ny orinasa Sinohydro, manarina ny simba rehetra, toy ny manala ny fotaka vokatry ny fihotsahan’ny tany. Naato vonjimaika ny fiampitana ny renirano eo amin’ny baka. Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana rehefa mihena ny haavon’ny rano.
Mbola tapaka ny RN6 (Antananarivo-Antsiranana), satria safotry ny renirano ny fivilian-dalana eo Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (PK 568). Taterina amin’ny sambokely vedety ny olona eo Mahavavy. Efa any an-toerana ny orinasa Colas hanao ny asa.
Ho an’ny RN5 any Sava, tapaka tanteraka ny fivilian-dalana eo Manambery (PK 173), ka nosokafana vonjimaika ny tetezana ho an’ny fiarakely latsaky ny 5 taonina. Miandry ny fandaminana ny fiara vaventy. Miandry ny fidinan’ny rano ny orinasa CRBC hanarina ny lalana.

Njaka A.

Catégories: National

Fanjifana – vidim-bary: tafatsangana ny Task Force hanara-maso

mer, 01/15/2025 - 09:39

Miara-miasa mandrindra ny vidim-bary ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tan­jona ny hijerena ny paikady hampidinana ny vidim-bary amin’izao fotoana. “Hapetraka ny rafitra, ny vina fohy ezaka sy lavitr’ezaka. Hovolavolaina ny lalàna hametrahana ny vidim-bary sy hanafoanana ny fanararaotana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Ra­lambofiringa David, omaly, nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasika. Napetraka ny vaomiera iombonana, Task Force, hiantoka ny fisian’ny vary eny an-tsena sy hifehy ny vidiny. Misy ny komity mpandrindra eto Antananarivo sy any amin’ny faritra. Ho tratra ny tanjona araka ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena amin’ny hampidinana hatrany amin’ny 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana.
Ankoatra izay, hijery manokana ny zezika sy ny ma­somboly hanatsarana ny voka-bary ny Minae, raha hametraka ny arofanina sy ny paikady hamehezana ny vi­dim-bokatra ny Mic. Hiara-hiasa amin’ireo amin’ny sampandraharaha ara-bola madinika ny « Task Force » ka han­dray fepetra ho an’izay minia mandika ny lalàna apetraka.
“Nitombo 4% ny voka-bary eto Madagasikara, ny taona 2018-2024, izay maharaka ny fitomboan’ny isan’ny mponina (2,8-3%), saingy mbola tsy ampy”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Mitohy ny trafika: teratany sinoa telo lahy tratra nitondra sokatra 105 teny Ivato

mer, 01/15/2025 - 09:38

Tsy mety tapitra ny fanondranana antsokosoko sokatra mankany Azia. Tratran’ny Sampandraharahan’ny ladoany teny Ivato ny teratany sinoa telo lahy nitondra sokatra miisa 105, omaly.

Tsy mety fay! Mitohy ny fikasana hanondrana antsokosoko ny harem-pirenena voajanahary mankany ivelany. Mpandeha teratany sinoa telo mirahalahy no nitondra zana-tsokatra miisa 105, ny talata 14 janoary 2025 tolakandro teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Saika handeha hiondrana tamin’ny sidina ET 852 an’ny kaompania Ethiopian Airlines izy ireo, mandalo atsy Addis-Abeba ary ho any Shangai Sina. Hitan’ny Sampandraha­ra­han’ny fadin-tseranana eny Ivato tao anatin’ny valizin’izy telo lahy teo amin’ny fitaovam-pitiliana « scanner » ireo sokatra miisa 105 saika haondrana ireo. Notazonina avy hatrany izy telo lahy natao fanadihadiana.
Vao tsy ela akory, ny alahady 12 janoary, no tratran’ny zandary ny roa lahy tanaty fiara 4×4, nitondra zana-tsokatra miisa 24 sy rongony 120 kilao tanaty gony miisa 10, tany Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo.
Ankoatra ireo, tratran’ny mpisafo alan’ny Madagascar National Parks (MNP), mpitantana ny valan-javaboahary Cap Sainte-Marie, any Vo­himena, distrika Tsihombe, ny lehilahy iray avy any Toliara, nitondra sokatra miisa 68, ny 28 desambra 2024. Hafa koa, teratany tanzaniana nahatrarana sokatra miisa 800 tany Mahajanga, ny 27 desambra. Manampy ireo, solombavambahoaka iray sy ny mpiara-miasa aminy efa-dahy, ny 24 desambra 2024.

Mazava ny lalan’ny tambajotra
Raha aravona, miisa 997 ny zana-tsokatra tratra tamin’ny toerana telo samy hafa. Misy ny tratra tany am-potony, any amin’ny toerana voajanahary fonenany, eo ny teny an-dalana, misy ny tany amin’ny tanàn-dehibe, eo ny teny amin’ny seranam-piaramanidina ary nisy koa ny efa tany ivelany, any Azia. Mazava ny soritry ny lalana handehanan’ny sokatra, ilazana fa tambajotra mihitsy ireo mpanao trafika sokatra eto amintsika.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Ravan’ny rivodoza ny efitrano fianarana: mpianatra 8 962 tsy afaka mamonjy sekoly

mer, 01/15/2025 - 09:12

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany amin’ny faritra avaratra, mahatratra 8 962 ny mpianatra tsy afaka manaraka ny fampianarana noho ny antony samihafa, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Any amin’ny faritra Diana no be indrindra, miisa 6 436, any Sava: 1 913 ary 613 ny any Analanjirofo. Antony, ny faharavan’ny efitrano fianarana 80 ka ny 58 amin’ireo ao amin’ny faritra Diana. Telo ny sekoly dibo-drano tanteraka ao Diana. 116 ny efitrano fianarana tsy azo ampiasaina fa simba amin’ny ampahany na tsy misy tafo intsony fa lasan’ny tafiotra. Nifandimby mianatra amin’ny efitrano tsy simba ireo mpianatra ao amin’ny Cisco Antsiranana I sy II ary Ambilobe, nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona amin’izany ny tsy hahatapaka maharitra ny fanabeazana. Ho an’ireo toerana mbola dibo-drano, miankina amin’ny fihenan’ny haavon’ny rano ny fiverenan’ny asa fampianarana, amin’ny Cisco Fenoarivo Atsinanana sy Maroantsetra.
Tao Ambilobe, fianakaviana 64 nahazo vatsy avy amin’ny tomponandraikitry ny BNGRC. Vary, menaka ary voamaina no nozaraina. 5 803 ny isan’ny traboina voamarina hatramin’ny omaly, avy amin’ny tokantrano 801 avy amin’ny faritra Analanjirofo, Diana ary Sofia.
352 kosa ireo nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 83, ka 239 ao Vohemar, 12 ao Ambilobe, enina ao Nosy Be ary 95 ao Sambava, amin’ny toeram-pandraisana enina.

Vonjy

Catégories: National

Atsiranana I-II, Ambilobe, Vohemar: tonga nanatitra fanampiana ho an’ny traboina ny fanjakana

mer, 01/15/2025 - 09:10

Tsy niandry ela. Avy hatrany dia namonjy ireo olona traboina any amin’ny faritra tena voa mafy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi ny fitondram-panjakana. Kojakoja ilaina andavanandro iatrehana ny fanarenana ny fiainana no laharam-pahamehana amin’izany.

Nidina avy hatrany na­mangy ireo mponina traboina any amin’ny faritra Diana sy Sava ny iraky ny fitondram-panjakana nitondra ny voin-kava-mahatratra.
Nijery ny zava-misy tany an-toerana izy ireo ka nitondra vahaolana vonjimaika amin’ireo filana mahakasika ny andavanandron’ireo mponina traboina. Vaindohan-draharaha ny famatsiana rano fisotro madio izay miantoka ny fiainan’ny mponina any an-toerana.
Nitondra teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny fianakavian’i Jaomazafy, zo­kiolona 99 taona, namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny hazo tao amin’ny fokontany Ambondromifehy, Anivorano Avaratra ireo tomponandraiki-panjakana.
Nitohy tao Vohemar ny famangiana ireo mpiray tanindrazana ka tokantrano miisa 67, nahitana olona 622 no notolorana tantsoroka ara-tsakafo sy fitaovana, nahitana vary, menaka, tsaramaso, siramamy, fanitso, fantsika sy savony ary fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra.
Fianakaviana 250 ao amin’ny kaominina Betsiaka, distrika Ambilobe ihany koa no nanaterana tohana ho voin-kava-mahatratra manoloana ny voina nateraky ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi.
Nankasitraka ireo iraky ny fanjakana notarihin’ny minisitry ny Atitany, Rahaja­volol­oniaina Nirintsoa Harinandra­sana, sy ny Mponina sy ny fi­raisankina, Razafinjato Au­rélie, ary ny governoran’ny faritra Sava, Seramila Teddy Gervais, ireo mponina. Maha­tsiaro fa tsy irery fa manana fanjakana miahy sy manatona ny vahoaka ny mpitondra tenin’ny fianakaviana.
Mafy ny fiantraikan’ny rivodoza tany avaratry ny Nosy ary lasibatra matetika ireo mponina any an-toerana. Sasatry ny miarina ary mamparefo ny fivelomana ny takaitra avelan’ny rivodoza.

Tatiana A

Catégories: National

Taratry ny kanto

mer, 01/15/2025 - 09:08

“En chanson” – misokatra ny fisoratana anarana. Ity ilay fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ ny Alliance Française eto Madagasikara. Tsy hira noforonina akory, fa ireo hira amin’ny teny frantsay araka ny safidin’ny mpifaninana no hataony mandritra izany. Manana hatramin’ny 7 febroary ireo liana, hisoratany anarana eny amin’ny AFT Andavamamba.
Tsy sarotra ny mamantatra ny atao hoe “kanto”. Mety tsy hitovy kosa, anefa, ny famaritana azy. Saingy, io famaritana io, hatramin’izao, mbola ifandirana sy mampisy fifanakalozan-kevitra tsy misy fiafarany. Ireo manaja ny soatoavina no kanto. Tsy soatoavina eo amin’ ny faritra iray, ohatra, ny mitanjatanjaka na ny miboridandridana eo imason-olom-pady. Izay mitsipaka an’io (na fiteny na fitafy…), tsy kanto!
“Paris in Love”, ho tafaraka any ireo mpanakanto malaza amin’ny mozika mihetsika. Hotontosaina ao amin’ny Le Millénium ao Paris indray ny andiany fahatelo amin’ity hetsika ity, ny 15 febroary izao. Rim-Ka, Anicette, Ceis, Ceasar, Kesy, Ngiah Tax, Parish, ary i Moopcaan no hiaraka hirodorodo hanafana izany. Ho avy hanentana ihany koa i Jean Luc ary i DJ Christophe no hanafana ny elanelam-potoana.
Tantara mpanimbazimba? Mety tsy ho fanahy inian’ny mpanoratra fa mety ho lalana tsy maintsy izorana mba ho tafita ny hafatra. Tantara fandefa amin’ny Radio ahenoina “teny mamotika ny teny malagasy. Ma­nimbazimba ny soatoavina malagasy. Manilika ny fomba amam-panao malagasy, sns”. Mila fanarenana goavana, satria, marobe ny Malagasy mihaino tantara amin’ny Radio.

Catégories: National

Pages