S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 19 min

Rugby – Top 12 Mada: Hanohitra ny TFA Anatihazo ny Besetroka

ven, 09/26/2025 - 07:53

Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots.

Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao ny andro voalo­hany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny “XXL Top 12”. Handray izany fifanina­nana izany ny Kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa 3 no voalahatra ka anisan’ny dona andrasan’ny mpankafy ny an’ny TFA Ana­tihazo sy ny UASC Cheminots (Besetroka).
Lalaon’ny kartie sy boaty mantsy izy ity. Ny Cheminots ekipa vao niakatra avy any amin’ny Top 20. Hangotraka tokoa, araka izany, io fihao­nana io. Anatihazo efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny fahaiza-manaony. Ma­nana mpilalao feno traikefa ary matanjaka. Ny Besetroka ihany koa tsy ambaka izany. Misy mpilalao tanora ary ma­vitrika. Milalao ao amin’ny “demi” izy ireo. Izay tsy ampy kotrana izany no ho resy amin’ ity.
Ankoatra izay, hidona amin’ ny FTM Manjakaray ny 3FB Fahasalamana. Klioba roa efa diso mifankahalala tsara. Hanala vela amin’ity ny eki­pan’ny Fahasalamana izay ao anatin’ny fanamboarana ny mpilalao ao aminy amin’izao fotoana izao. Manatombo amin’ ny fahaizana sy ny traikefa ry zareo Manjakaray saingy tsy hitsangana fotsiny ny 3FB fa tsy maintsy hanohitra hatra­min’ny farany.
Hifampitana koa etsy an-kilany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Tsy vao izao akory ny roa tonta no hifandona fa efa hatry ny ela. Raha tamin’ny fihaonan’ny roa tonta, mbola tsy nandresy Cosfa mihitsy ny Mang’Arts. Eto izany ny valinadin-dry zareo Manjakaray ka ho hita eo izay ho fizotrany ny lalao.
Hanokatra ny lalao, ny maraina, ny sokajy D1 vehivavy. Hifanandrina ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika.

Tompondaka

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 09/26/2025 - 07:51

Niova ho adiny 3, indroa miantaona, ny delestazy ao amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Izany hoe, tafakatra adiny 6 ny adiny
4 ora sy sasany, teo aloha. Vao manomboka anefa ny haintany, ary azo antoka, fa ho mafy kokoa hatrany ny fanapahana ny herinaratra. Anisan’ny antony mahatonga ny hetsika ataon’ny vahoaka ny fahataoahan-jiro sy ny rano, izay efa lasa lavitra tokoa ny toe-draha­raha.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Baobab Three Mahajanga, ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly, andiany faha-3, ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara. Natao handrindrana sy hanomezan-danja bebe kokoa ny vina izay voafaritra ao amin’ny politika nasionaly misahana ny fiarovana ireo karazan-javamananaina izany.

Azo atao ny manao fianaran-draharaha (stage) ao amin’ny sampana Fadintseranana Mala­gasy. Misy ny sivana ilaina, amin’ny alalan’ny fametrahana anaty antontan-taratasy izay apetraka ao amin’ ny sampandrarahan’ny Ladoany etsy Tsaralalàna. Ankoatra ny sivana amin’ny antontan-taratasy, hisy avy eo ny fanadihadiana am-bava.

Catégories: National

Fanimbana ny tontolo iainana : Fototry ny doro tanety sy ny doro ala ny fambolena

ven, 09/26/2025 - 07:51

Tsy andraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) irery ny fiarovana ny tontolo iainana. Iarahan’ny rehetra mifarimbona ny ady amin’ny fanimbana azy, satria, anisan’ny antony mahatonga ny doro ala sy ny doro tanety, ny fambolena ataon’ny olona. Mora mahazo vahana anefa ny afo amin’izao vanim-potoan’ ny maintany izao.
Manoloana izany, tsy misy afa-tsy ny fanentanana ny mponina eny ifotony no hany vahaolana. Anisan’izany ny natao tany amin’ny kaominina Miarinarivo sy Vavatenina. Nomena fampiofanana manokana ny Vaomieran’ny afo (VNA), mahakasika ny teknika fambolem-bary tsy mampiasa afo. Tanjona ny hanapariahana ity teknika ity any amin’ny tantsaha mpamokatra.
Ankoatra izay, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny VOI Agnalave Miray Hina any amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny bokin’ andraikitra mirakitra ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary azo havaozina any amin’ny faritra arovana Angavo. Voakasik’ity hetsika ity ny fokontany enina ao amin’ ny kaominina Antanimora Atsimo, mitambatra ao anatin’ ny VOI Agnalave Miray Hina. Vonona tanteraka izy ireo hitantana maharitra ny harena voajanahary any amin’izy ireo avy.

Njaka A.

Catégories: National

Pages