S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 44 min

Rugby – “XXL Top 12”: Resin’ny Cosfa ny CEA Andranomanalina

lun, 02/16/2026 - 07:48

Nivoaka sempotra vao tafavoaka ho mpandresy ny Cosfa (Bebaoty), nanoloana ny CEA Andranomanalina. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Efa tany amin’ny “gong” farany vao nibata ny fandresena tamin’ny isa tery ny miaramila. Nahavory mpijery maro, ny fihaonan’ny roa tonta, tamin’ity.

Afa-bela, nanoloana ny CEA Andranomanalina ny Cosfa (Bebaoty). Resin’izy ireo, tamin’ny moka fohy 38 no ho 37 Andrano. Fi­haonana notanterahina oma­ly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Niady ha­tramin’ny segondra farany ny baolina ary ambony ny teknika sy ny taktikan’ireo mpilalao. Nisesy ny baolina nentin-tanana teo amin’ny roa tonta. Nitarika 15 no ho 0 ny CEA. Baolina voatsindrin’i Julio sy i Pasy saingy ny iray ihany no voatsara. Mbola nahafaty “hors jeu” ihany koa i Mika. Teo vao taitra ny miaramila ka nanokatra ny isa Radaoro, rehefa nahavita “essai”, tsy voatsara. 15 no ho 5. Tsy nijanona teo fa mbola nahatsindry baolina indray saingy tsy voatsara ka lasa 15 no ho 12. Nanindry ny Bebaoty, ka sa­hala ny isa rehefa nahafaty “hors jeu” indray i Badoda. Ni­e­zaka niarina ny CEA avy eo ka nanafaingana ny fanafihana niainga tao amin’i Romeo ary nahatonga baolina nentin-tanana indray izay voatsara ka 22 no ho 15. Tsy ela ny valin-kafatra fa tany amin’ny fahataperan’ny fizaram-potoana voalohany, nosahalain’ny Cosfa ho 22 no ho 22. Isa nialana sasatra. Fizaram-potoana faharoa, nitarika ny Be­baoty, rehefa nahatsara “hors jeu” i Badoda saingy voasahalan’i Mika indray avy eo. 25 no ho 25. Taorian’io samy nahatonga baolina nentin-tanana indray ka sahala 32 no ho 32. Tsy nijanona teo fa mbola nitarika 37 no ho 32 Andrano rehefa nahazo “essai” saingy tsy matin’i Mika. Minitra faha-37, nahafaty “hors jeu” indray i Badona. Mbola nampiany ihany izany tany amin’ny minitra faha-39. Lasa 38 no ho 37 ny isa. Naneno ny “gong”, nanafika ny CEA nitady “hors jeu” saingy diso ny tolotra farany.

Tompondaka

Catégories: National

DAKA AN-JORONY

lun, 02/16/2026 - 07:47

Olana etsy, olana eroa

Toy ny tongo-bakivaky ity olan’ny baolina kitra ity ka sady maharary no mahamenatra. Toa aretina tsy mety sitrana ny zava-misy ao anatiny. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa miharihary toa tafika andrefan-tanana ka sady hitan’ny maso no ren’ny sofina. Toy ny fary ny fahitana izany ka ny kely indray no mitafy maitso, ny tanora mitafy jabo ary ny lehibe manary lamba. Tsy miara-migadona ny fahasahiranana eo amin’ity taranja mankarary ny vahoaka malagasy ity, fa madinidini-piavy toa oram-panala kanefa mahatondraka ny rano. Ny volan’ny mpitsara tsy tena mbola voavaha, ny resaka mpanazatra ny Barea, efa manangasanga. Re mantsy fa anisan’ireo nanolo-tena ho safidiana hitondra an’i Gabon, ingahy Corentin Martins. Etsy an-kilany, ny minisitera milaza fa efa milamina ny aminy fa mitohy ny fifanarahana aminy. Very fanahy mbola velona ny mpitia baolina kitra satria tsy hay intsony izay tena marina. Manoloana izany, tsy te ho tomponandraikitra ny Federasiona malagasy fa manilika ny rihitra any amin’ny fanjakana. Ny fantatry ny vahoaka, Barea mira federasiona ary baolina kitra no resahina, FMF ny hain’ny mpitia. Ka na hihodin-kavia na hihodin-kavanana, tsy afa-miala ny federasiona. Raha mandeha tsy nirahina mantsy, naman’ny mpangala-dia. Raha mandray tsy notolorana, naman’ny mpanao sinto-mahery ary raha manambara tsy nomen-teny, tomponandraikitra amin’ny zava-mitranga. Iva ny tamboho mitaha amin’ny trano. Iva ny trano mitaha amin’ny hazo fa iva ny federasiona mitaha amin’izao olana misy ankehitriny izao. Ny tongo-balo tsy miara-mamindra, koa aleo mora sarotra iarahana toa izay mora isarahana.

Tompondaka

Catégories: National

Fahasalamana : Maha be tazomoka ny rano mihandrona

sam, 02/14/2026 - 08:28

Fotoana mampirongatra ny karazana valanaretina ny fiakaran’ny rano toy izao. Anisan’izany ny fivalanana noho ny rano tsizarizary, indrindra aorian’ny fandalovan’ny rivodoza. Eo koa ny aretina tazomoka, vokatry ny rano mihandrona mameno ny tanàna izay fanatodizan’ny moka ary mampirongatra haingana ny aretina.
Tokony hatory anaty lay misy odimoka ny rehetra na any anatin’ireo toerana ito­bian’ny traboina aza. Samy mivatsy ny lay avy any an-tokantrano hiarovan-tena amin’ ny kaikitry ny moka, hisorohana ny aretina. Tena saro-pady ny ankizy madinika sy ny zaza menavava ary ireo reny bevohoka. Eo koa ireo olona marefo efa taizan’aretina.
Mila mailo ihany koa amin’ny fitakosonana any anatin’ireny tobin’ny traboina ireny satria mbola anatin’ny ady amin’ny valanaretina Mpox isika eto Madagasikara amin’izao. Hajaina, araka izay tratra, ny elanelana sy ny sakana ara-pahasalamana raha azo atao. Mamely ihany koa ny kohoka sy ny gripa ka samia miaro ny tenany amin’izany mba tsy hifamindra anaty fitangoronana amin’ny fampiasana arovava sy orona.

Tatiana A

Catégories: National

ONU SY IFRC : Hanampy amin’ny fanorenan-trano

sam, 02/14/2026 - 08:27

Nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC). Hanome tohana koa ny Firenena mikambana.

Nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ra­jaonarivelo Herintsalama An­driamasy, tamin’ny tale kabinetra lefitra ny sekretera jeneraly misahana ny maha olona eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC), Christopher M. Rassi, tany Suisse, no nahazoana izany. Manoloana ny fahavoazana goavana, nanambara ny IFRC fa avoaka avy hatrany amin’ny tahirimbola voatokana iahiana ny loza voajana­hary io vola io, hanohanana haingana an’i Madagasikara. Hifantoka amin’ny fanomezana trano vonjimaika, fitsaboana sy fahasalamana, rano fisotro madio, fahadiovana, ary fiarovana ireo olona marefo ny fanampiana. Ankoatra izay, hisy koa ny antso fanangonam-bola iraisam-pirenena mitentina 7 500 000 CHF havoaka tsy ho ela, hanamafisana sy hanitarana ny asa fanampiana.
Nohamafisina fa ilaina ny fandrindrana akaiky iarahan’ny governemanta malagasy sy ny Croix-Rouge Malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka hahatongavan’ny fanampiana amin’ny fomba mangarahara any amin’ireo tokony hisitraka izany.

5 tapitrisa dolara avy amin’ny Firenena mikambana
Ho fanohanana an’i Mada­gasikara hatrany, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa, Fytia sy Gezani, hanome vola mitentina 5 tapitrisa dolara, nalaina tamin’ny tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny hamehana (CERF) ny Fire­nena mikambana. Hozaraina roa ny fanampiana. Natokana ho an’ny faritra Boeny, hampiasaina hanohanana olona 30 000 amin’ny sehatra marolafy ny sorabola 2 tapitrisa dolara. Ny 3 tapitrisa ambiny kosa efa nahetsika hanatanterahana ireo asa fiomanana fototra mialoha ny nahatongavan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina. Hitohy mandritra ny volana maromaro ny asa natomboka tany Toamasina ary hiantefa amin’ny olona 93 000 izany.

Vonjy

Catégories: National

Fetin’ny mpifankatia MJ Events: Etsy Ampandrana ny « L’Arcane de l’amour »

sam, 02/14/2026 - 08:27

Anisan’ny mikarakara hetsika amin’izao fe­tin’ny mpifankatia, 14 febroary, izao ny eo anivon’ny MJ Events. Lohatenin’izany ny «L’Ar­cane de l’amour». Hanomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Lounge Bar Arcana Ampan­drana, izany. Hisongadina ho an’ny tapakandro maraina ny hetsika «Koty koty party». Hanao­vana karazana kilalao samihafa izy io. Eo koa ny fifampizarana. Manampy izany koa ny «Speed dating», natokana ho an’ireo tokantena fa afaka milalao amin’izany koa anefa na ireo mpifankatia. Hisitraka valisoa isan-karazany ireo mpifaninana amin’ireo lalao rehetra ireo.
Hisongadina amin’ny tolakandro kosa ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpanakanto. Anisan’ny haneho ny talentany amin’izany ry Malma, Maroozik, Fee Fee ary koa artista tsy ampoizina.
Tsiahivina fa anisan’ny hetsika nokarakarain’ny MJ Events koa ny seho, omaly, tetsy amin’ny Oke club karaoke – Lounge & Grill 67 Ha. Nampiakaran’izy ireo an-tsehatra indray ny tarika ADR Andriann, rehefa tsy hita firy teo aloha teo. Anisan’ny novoizin-dry zareo ny gadona «Reggae, Soul, Dancehall…»
Nialoha izany, anisan’ny hetsika nokarakarain’izy ireo ny tamin’ny volana septambra lasa ka nanatanterahana ny «Festival Miz’art», nampiakarana an-tsehatra mpanakanto maro, mivoy gadona samihafa.

Synèse R.

Catégories: National

“Che Bel Canto!” 2.0 : Mbola hiray sehatra amin’i Tovo J’Hay i Malala sy Nanie

sam, 02/14/2026 - 08:27

Angamba ity no andiam-pampisehoana nalaza indrindra. Rehefa niato kely, hiverina indray ny “Che Bel Canto!” ary i Tovo J’Hay sy ny namany ihany no hisantatra izany.

2003 ny “Che Bel Canto!” voalohany… Hetsika ni­tondra aina vao teo amin’ny tonto­lon’ny fampisehoana. Nana­songadina ny sanganasana mpanakanto iray, novelomin’ireo namany an-tsehatra. I Tovo J’Hay no nisantatra izany, notronin’i Bodo, Poopy, Lalie, Nanie ary Malala ‘Zay. Anisan’ny hira nanamarika sy tsy afaka am-bavan’ny maro ny “Raha tia mozika”, nanomboka teo… Samy nanohy ny lalany teny ireo mpanakanto, ary niato taona maromaro kosa ny hetsika.
23 taona aty aoriana, hiverina izany. Mbola i Tovo J’Hay ihany no hisantatra ny “Che Bel Canto!2.0”. Mbola hiray sehatra aminy ihany ry Malala sy Nanie, namany hatramin’izay. Eo ihany koa i Tosy, izay nandray anjara tamin’ny an­diany faharoa. Hanampy ireo ny tanora taty aoriana, Ayam sy Johane. Hotontosaina ra­hampitso, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena ny seho.
Tsy miova ny lalantsaina: hiran’i Tovo J’Hay avokoa no halahatra, saingy hanana ny fanaovany azy ireo mpanakanto tsirairay. Hisongadina ihany koa ny fampiaraham-peo: roa, telo, dimy na rodomben’ireo eny an-tsehatra. Homena aina vao indray ireo hiram-pitiavana tsy tontan’ny ela, nahafantarana an’i Tovo J’Hay nandritra izay taona maro nifandimby izay. Ao anatin’izay fitohizana izay ihany, i Jaobarison Randrianarivony tompon-kevitra voalohany tamin’ny “Che Ble Canto!” ihany no miandraikitra ny fikarakarana ankapobeny.

Zo ny Aina

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

sam, 02/14/2026 - 08:26

Fifaninanana iraisam-pirenena lehibe miandry ny ekipa malagasy Ankoay ny “Champions Cup 3×3”, taranja basikety, hatao any Thaïlande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Mitovy ny firenena iray vondrona amin’i Madagasikara, sokajy lahy sy vavy, ahitana an’i Etazonia, Pays-Bas ary i Australie.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny 20, 21 ary 22 febroary izao, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja judo. Fifa­ninanana fanokafana ny taona ho an’ny ligin’Analaman­ga, araka ny tetiandro napetraka tany am-piandohan’ny taona.

Hitohy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, anio sy rahampitso. Sokajy latsaky ny 13 taona, lahy sy vavy, hatramin’ny sokajy Vétérans ny lalao hitranga, ka ho feno ny fandaharan-dalao.

Catégories: National

Soccer Camp : Tonga hanofana i Farinha sy i Fernandes

ven, 02/13/2026 - 07:57

Nigadona eto Madagasi­kara, ny alarobia lasa teo, ireo teknisianina portugais amin’ny baolina kitra, i Guilherme Farinha sy i Rui Fernandes. Anton-dian’izy ireo ny hampiofana mpanazatra sy ankizy, fiaraha-miasa amin’ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Niatrika avy hatrany ireo mpanazatra miisa 25 teny amin’ny Com­plexe sportif Ambatolampy Tsimahafotsy sy Betongolo izy mirahalahy. Ny maraina, nizarana ny fototra sy ny teknika ary ireo pitsompitsony amin’ny baolina kitra. Fampiarana kosa ny tolakandro. Haharitra hatramin’ny alahady ho avy izao ny fampiofanana ho an’ ireo Malagasy teknisianina nahitana ny avy amin’ny sekolin’ny baolina kitra sy klioba. Hizara roa kosa ny an’ireo ankizy 7 – 21 taona. Hisy ny hanao izany manomboka ny 16 – 18 febroary. Ao koa ireo hiatrika izany ny 19 – 21 fe­broary. 50 ireo kilonga nisoratra anarana, ankoatra ireo mpianatra avy amin’ny Dream Team. Fampianarana anaty efitrano sy eny an-kianja ihany koa no hatrehin’izy ireo. Ha­hazo taratasy fanamarinana fandraisana anjara avy amin’ ireo teknisianina portugais ireo mpiofana amin’ny farany. Tanjona ny hampivoarana ha­trany ny baolina kitra miainga eny ifotony. Tsiahivina fa ha­nomana ny “Iber Cup” any Portugal sy ny “Gothia Cup” any Suède, ny Dream Team amin’ny volana jona sy jolay ho avy izao.

Tompondaka

Catégories: National

hIsantarana ny taona 2026: Hamoaka ny “Aza mifanambany” i Désiré

ven, 02/13/2026 - 07:56

“Aza mifanambany”, io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré nandritra ny telo volana. Rakitsary sy feo isantarany ny taona 2026. Amin’ny ankapobeny, mpanakanto mi­voy ny gadona tropikaly ity zanak’i Mananara Avaratra ity. Narindrany amin’ny gadona “coupé décalé” ny “Aza mifanambany”. Fanatanterahana ilay hoe: “Ny mpanakanto no mpitondra ny hafatry ny va­hoaka, ny mpanakanto ihany koa no antony nanatanterahina azy ity », hoy i Désiré.
Nomarihiny fa tsy misy idiran’ny tara-kevitra politika ny « Aza mifanambany » fa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany amin’ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Ho hita sy ho heno tsy ho ela eny amin’ireo haino aman-jery maro manerana ny Nosy ity vokatra vaovao ity. Noka­jiana fatratra ny maha mpanabe ny mpanakanto, raha ny fanazavany hatrany. Na izany aza, notazonina ny maha fialamboly ny hira sy ny mozika. Ho an’ny « Aza mifanambany », manokana, notazoniny hatrany ilay tononkira mahitsy, tsy miolakolaka, hoentina mampita hafatra ho an’ny rehetra.
Nambaran’i Désiré fa hitohy hatrany ny famoronan-kira. Havoaka anaty « album » na rakitsary ny fitambaran’ireny atsy aoriana. Efa azo dinihina ihany koa ny fanatanterahana fampisehoana amin’ny fotoana sy toerana mahamety izany.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

“RDJ Mozika 2025”: Sokajy 22 no hifaninanana

ven, 02/13/2026 - 07:56

Hiverina ny fankasitrahana izay ho “Mpanakanton’ny taona 2025”. Io ny mari-pankasitrahana ambony indrindra, izay vaovao lehibe nivoaka nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “RDJ Mozika 2025”, omaly, tetsy amin’ny City Art Ivandry. Ankoatra izay, hisy 22 ny sokajy hifaninanan’ireo hira nofantenana amin’ity andiany ity. Hoton­tosaina ny 21 febroary izao ny lanonana “RDJ Mozika 2025”, etsy amin’ny Novotel Ivandry.
“Hetsika anatin’ny fiainan’ny onjampeo RDJ ny “RDJ Mozika”. Hahafahana mampiseho ireo mozika tsara indrindra nandritra ny taona iray sy ankasitrahana izany, araka ny safidin’ny mpihaino. Ireo hira noraisina tato amin’ny onjampeo ka nandeha teo anelanelan’ny 1 desambra 2024 sy ny 30 novambra 2025, ka nosafidian’ny komity araka ny masontsivana efa napetraka ireo nozaraina isaky ny sokajy ireo”, hoy ny fanazavana fohifohy nentin’i Tahiana Raso­lojaona, filoha tale jeneralin’ny RDJ.
Ankoatra ireo sokajy 22 sy ny “Mpanakanton’ny taona 2025”, hisy ihany koa ny mari-pankasitrahana manokana homen’ny RDJ. Eo ny fankasitrahana ireo mpanakanto zokiny, nahavita be tamin’izany fotoana. Homen-danja manokana ihany koa ny filatroan’ireo mpanakanto, satria fotoana fanehoan-damaody ny lanonana, toa ireny any ivelany ireny.
Efa nanomboka ny 21 janoary teo ny fisafidianana tao amin’ny tranonkalan’ny RDJ. Safidy tokana isaky ny so­kajy ihany no azon’ny mpan­kafy hatao amin’ity. Hi­farana ny 20 febroary ny fisafidianana, izay efa mananika ny 160 000 isa amin’izao.

Zo ny Aina

Catégories: National

Federasionin’ny basikety : Feno ny fandaharam-potoana

ven, 02/13/2026 - 07:56

Nivoaka ary feno tanteraka, taorian’ny fivoriambe ny alarobia teo, ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Hisan­ta­rana izany ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tapakila amin’ny “World Cup 5×5” Se­niors hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao. Efa anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Aori­an’­izay, hisy ny fiofanana ho an’ny mpitsara. Hotanterahina manaraka koa ny fiadiana ny amboara maneran-tany “Basi­kety 5×5” Seniors izay hatao any Thaïlande, ny 12 hatramin’ny 15 marsa izao.
Ho an’ny eto an-toerana, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A no hisantarana ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB, ka hatao any Antsirabe ny Zone Cen­tre, raha toa ka any Maha­janga kosa ny Zone Ouest. Hitohy misesy amin’ireo fifaninanana isan-tsokajiny izany aorian’izay. Anisan’ny fifaninanana tafiditra anatin’ny tetiandron’ny federasionina ihany koa ny « Smatchin » izay hatao ny 14 hatramin’ny 22 marsa izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Mi.Raz

Catégories: National

Handball : Nofoanana tanteraka ny CCCOI 2025

ven, 02/13/2026 - 07:55

Notapahin’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) fa foana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2025), natao tany Toamasina. Ny fahasimban’ny Kianja mitafo, noho ny rivodoza no antony. Andrasana amin’ny fotoana manaraka ny ho tohiny.

Vokatry ny fahasimban’ny Kianja mitafo ao Toa­masina, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny talata lasa teo, natsahatra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny am­bo­ara, taranja handball, (CCCOI 2025). Io ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe India­nina (AH­BOI) sy ny tomponandraikitry ny Federasiona malagasy (FMHB) ary ny solontenan’ireo ekipa nandray anjara, nivory ny alarobia lasa teo. Hiankina amin’ny zava-misy ny ho tohiny, izay tsy mbola voafaritra. Raha ny fampitam-baovao, tsy ho any Toamasina intsony ny hanatontosana ny tohiny fa hifindra any amin’ny faritra hafa. Raha tsiahivina, nitsahatra teo amin’ny andro fahatelo ity fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ity. Miandry ny kaonferansin’ny filoha kosa ny hahalalana ny pitsompitsony rehetra, toy ny isan’ny ekipa handray anjara raha toa ka misy ny miala an-daharana amin’ireto nandray anjara sy ny fitsipiky ny fifaninanana.
Firenena roa ihany no niatrika ity fifaninanana ity dia i Madagasikara, mpampiantrano sy i Mayotte. Nisy ekipa efatra teo amin’ny vehivavy, nahitana ny THBC Analama­nga, ny TMI Ihosy, ny My-Sah HBC Itasy ary ny AJM Tsim­koura Mayotte. Klioba telo ihany kosa ny teo amin’ny lehilahy dia ny Littoral SC Atsinanana, ny ASC Tsingoni sy ny USM Mbouanatsa samy avy any Mayotte. Raha hiverenana ny voka-dalao efa tontosa, samy nahazo fandresena indray mandeha avy ireo ekipa malagasy teo amin’ny sokajy vehivavy. Efa tojo faharesena indroa kosa ny mahore. Teo amin’ny lehilahy, nitarika ny Tsingoni Mayotte, nahazo fandresena indroa.

Tompondaka

Catégories: National

Mondial 2030 : un pont de ballon rond entre deux continents

jeu, 02/12/2026 - 14:16

À Rabat, la Coupe du monde 2030 n’est déjà plus seulement un rêve sportif : elle devient un puissant moteur de rapprochement économique entre le Maroc, l’Espagne et le Portugal. Le forum d’affaires tripartite qui s’est tenu mardi 10 février 2025 au complexe Mohammed VI de footbal.

Organisée par la Confédération générale des entreprises du Maroc (CGEM), la Confédération espagnole des organisations d’entreprises (CEOE) et la Confédération des entreprises du Portugal (CIP), la rencontre a rassemblé décideurs publics, chefs d’entreprise et représentants économiques des trois pays. L’ambassadeur d’Espagne au Maroc, Enrique Ojeda Vila, et le chargé d’affaires de l’ambassade du Portugal, Nuno Gabriel Cabral, étaient également présents.

Fouzi Lekjaa, président de la fédération royale marocaine de football et ministre délégué chargé du Budget, a ouvert les débats en rappelant que ce site traduit « la vision éclairée de Sa Majesté le Roi » pour un développement sportif qui dépasse les frontières nationales et profite à la jeunesse continentale et mondiale.

Il a également mis en avant le succès récent de la coupe d’Afrique des nations organisée au Maroc, entièrement réalisée par des entreprises et des cadres marocains. Cette Can a constitué une répétition générale grandeur nature, prouvant que le Royaume est prêt à relever le défi du Mondial. Fouzi Lekjaa a insisté sur l’unicité historique de l’édition 2030 : première Coupe du monde coorganisée entre l’Afrique et l’Europe, marquant le centenaire de la compétition née en 1930. La proximité géographique, les liens historiques et culturels entre les trois pays forment, selon lui, un atout décisif.

La complexité logistique a été au cœur de son intervention. Une même équipe nationale pourrait disputer un match à Madrid, le suivant à Marrakech et le troisième à Lisbonne. Cette mobilité inédite exige une coordination sans faille en matière de transports, de sécurité et d’infrastructures. Elle impose aux trois nations de jouer dans la même cour, de mettre en commun leurs forces et de bâtir une organisation homogène qui servira bien au-delà de 2030.

Chakib Alj, président de la CGEM, a pris le relais avec une vision résolument économique. « Cet événement très attendu réunit entreprises et décideurs de nos trois pays autour d’une ambition claire et partagée : investir ensemble, innover ensemble et créer de la valeur ensemble », a-t-il déclaré. Pour lui, la Coupe du monde doit devenir un catalyseur de croissance durable, de cohésion sociale et de développement régional. Dans un monde où les chaînes de valeur se recomposent, « avancer seul n’est plus une option ».

Il a rappelé comment l’Espagne avait su tirer profit du Mondial 1982 et des Jeux olympiques de Barcelone 1992 pour moderniser ses infrastructures et renforcer son attractivité internationale. Le Maroc suit une trajectoire similaire : doublement de la capacité de six aéroports majeurs, extension de 30 % du réseau autoroutier, mise en service de la ligne à grande vitesse Kénitra-Marrakech, développement des ports Nador Ouest Med et Atlantique. La CAN 2025 a déjà démontré l’impact concret : plus de 2 milliards d’euros de retombées économiques pour environ un milliard investi, plus de 60 000 emplois créés, 3 000 entreprises marocaines mobilisées et des milliers de jeunes formés.

Chakib Alj a conclu en ouvrant grandes les portes de la coopération future dans les infrastructures, le tourisme, la technologie, la santé et la formation. La Coupe du monde 2030 offre une occasion en or de concrétiser des partenariats riches et variés, et la CGEM se positionne comme le facilitateur naturel de ces passerelles entre opérateurs économiques des trois pays.

 

Naisa

Catégories: National

DES IDEES EN GOGUETTE alliance 92 ( 11 02 2026 )

jeu, 02/12/2026 - 07:55

Catégories: National

Ramaroson Jean Michel : Lany ho filohan’ny FMBB faninefany

jeu, 02/12/2026 - 07:53

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny basikety. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaroson Jean Michel, ka lany indray hitantana ny FMBB mandritra ny efa-taona manaraka (2026-2030). Fotoam-pitantanana faha-4 ho azy ity nahalany azy ity. Ligy 19 tamin’ireo 20 nandatsa-bato no nifidy azy nandritra izany ary lany niaraka taminy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny FMBB. Ahitana ny filoha lefitra, Ramanarivo Alain, ny sekretera jeneraly, Ralalaha­rison Tsiry Colombe ary ny mpitambola Ratovoson Em­manuel izany. Teboka 6 lehibe no mandrafitra ny vinan’asa 2026-2030 ho an-dRamaro­son Jean Michel. Eo ny fitantanana mirindra sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ny fanatsarana ny fikarakarana fifaninanana. Manaraka izany, ny fametrahana tanjona ho an’ny basikety 3×3 ho any amin’ny lalao olympika 2028. Ankoatra izany, ny fiaraha-miasa amin’ny ligy ho fampandrosoana ny taranja. Ny fanomezana sehatra ny diaspora ary ny fananganana akademia any amin’ny faritra Anosy sy Androy.

Mi.Raz

Catégories: National

Federasionin’ny tenisy : Kandidà roa hiady ho filohany

jeu, 02/12/2026 - 07:52

Rehefa avy nanamarina ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) eo anivon’ny taranja tenisy. Kandidà roa no voatazona hiady izay ho filohan’ny Federasionina. Anisan’izany Andriantefihasina Hary Manohisoa sy Rakotondrainibe Simon Richard. Olona tsy vaovao amin’ny tontolon’ny tenisy izy mirahalahy ireo. Samy mpilalao tenisy fahiny ary mbola manohy izany ao anatin’ny sokajy zokiny. Rain’i Mirija, mpilalao ao anaty ekipam-pirenena zandriny, i Hary Manohisoa. Efa filohan’ny ligin’Analamanga tany amin’ny taona 2000 kosa i Simon Richard. Tsiahivina fa hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia 18 febroary ho avy izao, ny fifidianana. Tsy anisan’ireo nirotsaka intsony ny filoha teo aloha, Rakotomaniraka Naina (Zandina). Tsiahivina fa ligim-paritra 8 no afaka mandatsa-bato. Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny, Sava, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo Andrefana no handrafitra izany.

Tompondaka

Catégories: National

“Pureplay Football League» : Mangataka ny hamerenana ny lalao any aminy i Boeny

jeu, 02/12/2026 - 07:52

Miantso ny federasionina sy ny CFEM hamerenana ny ambin-dalao any amin’ny Kianja Rabemananjara ny ligin’i Boeny. Miteraka fatiantoka ho azy ireo ny famindrana ny lalao aty Antananarivo, arakany nambaran’ny filohany.

Nanao antso avo ho an’ny tomponandraikitry ny Federasionina sy ny CFEM i Maeva Portos, filohan’ny ligin’ny baolina kitra ao Boeny, ny sabotsy lasa teo, teny Alarobia. Ny hamerenana ny ambin-dalao ao amin’ny Kianja Rabemananjara, ma­no­loana ny fanasazian’ny tomponandraikitry ny Club de football élite de Madagascar (CFEM), amin’ny tsy ahazoany handray lalao ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara no anton’izany “Marobe ny fatiantoka amin’ny famindrana ny lalao aty Antananarivo. Anisan’ny voa mafy amin’izany ireo ekipanay. Miova ny tetibola hiatrehana ny lalao raha mivoaka ny faritra. Ny vahoakan’i Boeny koa te hanohana ny ekipany no sady maniry hijery baolina”, hoy izy. Araka izany, manao antso ho an’ny mpitantana ny tenany hanefa ny volan’ireo mpitsara izay nahatonga ny olana ka nitarika izao fanasaziana ny kianja izao. Nomarihiny fa vonona ny ligy hametraka ny lamina rehetra amin’ny fampandehanana ny lalao rehetra. “Aoka tsy ho atao takalonaina ny ekipa sy ny mpilalao”, hoy izy. Tsiahivina fa eto Antananarivo avokoa no handraisan’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso Formation ny lalaony izay tokony hatao any Mahajanga.

Tompondaka

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

jeu, 02/12/2026 - 07:51

Amin’ny alatsinainy 16 febroary, amin’ny 10 ora maraina, no hotontosaina ilay « Show case » an’ny tarika Mage 4. Ilay saika hatao omaly, teny amin’ny BBS Anosizato, izay voatery nahemotra noho ny toetr’andro. Tsy misy miova kosa ny fandaharam-potoan’ny tarika ankoatra io, izay efa maromaro no fantatra amin’ity taona ity.

«Nofoanana ka hahemotra amin’ny fotoana manaraka ihany koa ny velakevitra saika hotontosaina omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. « Ny fiainana skotisma, tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra » ny lohahevitra, izay mbola hofakafakain’ i Ny Ilo Jihy, i Herimiaraka Rabemalan­jaona ary i Ando Malala.

Tontosa omaly ihany ny fitsirihana ny Vohitr’Ambohimanga. Anisan’ny asa iantsorohan’ny Ofisy mitantana ity harembakoka iraisam-pirenena ity, rehefa aorian’ny fandalovan’ny rivodoza toy izao. Tsy nahitana fahasimbana ireo singa mandrafitra ny vohitra, afa-tsy ambana amin’ny fahatapahana hazo. Efa nandraisana fepetra izany, ho fiarovana ny toerana, ny mpitsidika sy ny mpiasa.

Catégories: National

Pureplay Football League (PFL) : Mitarika ny Disciples FC, faharoa ny Elgeco Plus

mar, 02/10/2026 - 07:46

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavolo­ha. Manana isa 15 izany ny ekipan’i Vakinanka­ratra. Baolina tafiditr’i Tsila sy i Tinoh ary i Fabrice no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa nahatafiditra baolina roa avy i Tinoh sy i Tsila.

Mametraka ny lanjany ny Elgeco Plus

Ankoatra izay, mbola ma­metraka ny anarany amin’ny maha tompondaka farany azy, ny Elgeco Plus. Nahavita “re­montada” ry zareo, afakomaly, tao By-Pass. Rehefa nitarihan´ny CFFA Andoharano­fotsy, 2 no ho 0, ny solontenan’ny ligin’Analamanga, dia nivadika 4 no ho 2 ny isa tamin’ny fiafaran’ny lalao. Nandresy ny Elgeco Plus ary lasa eo amin’ny laharana faharoa indray izany ny ekipan-dry Toldo, mpiandry haraton’ny Elgeco Plus. Nilatsaka eo amin’ny fahatelo kosa ny AS Ste Anne.

F.R

Voka-dalao rehetra :

Kaonferansy avaratra
FC Rouge (1)-(0) TGBC
Cosfa (5) – (3) Fosa Juniors
Ajesaia (3) – (0) TFFC
Kaonferansy atsimo
Uscafoot (1) – (1) Antimo Record.
AS Ste Anne (0) – (5) Disciples FC
Elgeco Plus (4) – (2) CFFA
Mama FC (1) – (0) CosPN

Catégories: National

Pages