Raim-pianakaviana iray 45 taona maty voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tsy nahitana taratasy namantarana ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Nentina namonjy ny CHRD Arivonimamo ny vatana mangatsiakany.
Lehilahy iray karohin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nivadi-pitokisana izy ka tsy hita ny nasiany ny lelavola mitetina 40 tapitrisa Ar. Faliarivo Ampitatafika no toerana nahitana azy farany.
Nisitraka baiboly avy amin’ireo solontenan’ny Vondrona miaramila kristianina sy ny Gideona iraisam-pirenena, notarihin’ny Jly Rakotonindriana David Rolland, ireo Polisy avy amin’ireo sampandraharaha samihafa tetsy Anosy, omaly.
Ankoatry ny mahazatra amin’ny asan’ny polisy, zandary, dia nampiantso ireo sampandraharaha rehetra ahitana OPJ (Officier de police judiciaire), ny sampandraharahan’ny ala, ny Fandintseranana, ny Indositria sy ny varotra, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny mpahay lalàna, Vahiny Yves Sandro. Natao tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izany, ny zoma maraina teo, ary notronin’ny mpitsara zokiolona sy ireo mpitsara maro anivon’ity Sampam-pitsarana ity.
Nambaran’ny Tonian’ny fampanoavana sady lehiben’ny mpanao famotorana sy fanadihadiana fa maro ny trangan-javatra mahakasika ny asan’izy ireo ka ilana fampahatsiahivana ny zava-misy hita tato ho ato. “Tsy misy afa-tsy ny Code de procédure pénale no baibolikelintsika mpanao famotorana sy mpanadihady. Izany rehetra izany nefa, tsy maintsy hampanarahana ny lalàna mifehy ny zon’olombelona eo amin’ny famotorana. Ary ny fihazonana am-balam-pamonjana sy ny fetran’izany mialoha ny hanolorana ny voarohirohy eny amin’ny fampanoavana” hoy hatrany ny mpanao lalàna, Vahiny Yves Sandro.
Nohamafisiny ny momba ny raharahana vono olona. Tokony hiaraka amin’ny kopiam-pahafatesana sy ny fitaovana nampiasaina tamin’ izany ny fitoriana, mba ho vavolombelona hita maso (pièce en conviction preuve) eo anatrehan’ny fotoam-pitsarana. Ny kopiam-pahaterahan’ny niharam-boina, hamatarana ny maha ankizy tsy ampy taona, ihany koa dia tokony hiaraka amin’ny taratasy fanamarinan’ny mpitsabo. Ny fanafihana mitam-piadiana, mazava ho azy, tokony hiakatra eo ambony latabatry ny mpitsara ireny fitaovana hita maso ireny ho vavolombelona.
Niverina indray
Nohamafisin’ny Tonian’ny fampanoavana hatrany fa somary niverina ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, saingy tsy nahazoana tatitra tamin’ny polisy sy zandary izany. Anisan’ izany ilay teratany vahiny tao Tahitikely, notafihan-jiolahy miisa enina mirongo fiadiana. Notetehin’ izy ireo antsy ilay vazaha, notifirina teo amin’ny tanany, fa saingy tsy maty izy ka efa lasa notsaboina any ivelany. Nandray an-tanana maika ny raharaha rahateo ny masoivohon’izy ireo, ka nanamora ny fahazoana fiaramanidina manokana.
Tao anatin’ny herinandro monja, fanafihana mitam-piadiana tsy latsaky ny telo no nitranga ary misy tranon’olona ambony miasa any Antananarivo iray tao Andranomadio, voaroba lelavola 52 tapitrisa Ariary.
Notsiahivin’ ity lehiben’ny mpanao fanadihadiana sy famotorana ity fa hentitra ny hafatra napetraky ny mpikambana amin’ny governemanta, izay tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny volana marsa teo. Izao sahady dia efa ahina hahazo vahana indray ny asan-jiolahy.
Nampakatra amin’ny fandravana didy ny Tonia
Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nanehoan’ny Tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny momba ireo zandary sy miaramila ary sivily, izay navotsotry ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka be vava. Ireto farany izay voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy ny taona 2024. Ny andronivoahan’ny didy ihany dia efa nametraka fanohanana an’iny didy iny ny Tonian’ny fitsarana ambony, ary handefa taratasy any amin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina, ny hanolorana an’ireo zandary hiverina am-ponja. Toy izany koa ilay miaramila sy sivily, ka hosamborina sy haverina am-ponja mandra-piandry ny hamerenana ny fotoam-pitsarana. Efa mahafantatra an’ izao rehetra izao ny minisitry ny Fitsarana, rah any fantatra.
Raha hiverenana, toy ireny nilatsaham-baratra ireny ny tomponandraikitra maro momban’ny fandriampahalemana ao Toamasina raha nahare an’ity didim-pitsarana namotsotra madiodio an’ ireo voampanga miisa fito ireto ity. Didim-pitsarana izay ahina hanamaloka indray ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny ady amin’ ny tsy fandriampahalemana.
Tsy voaresaka kosa hoe: taiza ary iza no tompon’antoka tsy nahatonga ireo fitaovana, basy sy bala ary finday mirakitra ny fifandraisana amin’ny hanatanterahana ny asa ratsy sy ny fanafihana, ka heverina ho nanamora ny fiarovan-tena sy fiarovan’ny mpisolovava an’ireo voampanga nandritra ny fotoam-pitsarana ny talata 2 jolay lasa teo.
Mila mitandrina ny inspekiteran’ny varotra
Singa iray mbola ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny sakafo. Efa akatok’izay firongatry ny fanampoizinina ara-tsakafo izay izao, hoy izy raha nitodika tamin’ ireo OPJ momba ny indostria sy ny varotra. Mila mitandrina ihany koa sao lasa singa tsy hisian’ny vary sy lafarinina eto amintsika.
Antony, tsy tokony hatao isaky ny “Lot” an’ ireo vary anaty magazay ny fanagiazana, ohatra, raha vary 20 kitapo ahitana fahasimbana, dia iny 20 kitapo iny no esorina sy hanaovana fitiliana fa raha giazana ny vary “lot” iray dia hiitatra amin’ny kitapo hafa iny ka ao anatin’ny iray na telo volana, hiakatra foloavoheny ny kitapo misy fahasimbana.
Raha ny fanadihadiana tamin’ ity resaka vary sy lafarinina eto Toamasina ity, efa mitaraina amin’ny hafitsok’ireo inspekiteran’ny varotra ny mpandraharaha mpanafatra vary ka izay no ahina tsy hanafaran’izy ireo vary sy lafarinina intsony. Mety hitarika fiakaram-bidin’ny vary sy lafarinina hafarana eto amintsika izany. Raha ny tatitra voaangona tamin’ ireo teratany vahiny mpanafatra vary sy lafarinina, tsy latsaky ny 5 tapitrisa Ariary ny hofan’ny mangazay hametrahan’izy ireo ny vary. Tsy eken’ny sampandraharahan’ny indositria sy ny varotra, amidy ny entam-barotra, ny hofan-trano mandeha ihany ny an-dry zareo, ary handoavam-bola isaky ny mitsidika ny mangazay. “Tsy zakanay intsony, henjana loatra ny endriky ny kolikoly eto Madagasikara”, hoy ny teratany vahiny iray.
Nanatontosa : Sajo
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fitsarana (Minjus) sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa). Natao ny 3 jolay teo ny santa-bokatra tany amin’ny tanimbolin’ny Fonja, any amin’ny kaominina Andonaka, distrika Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony. Nahatratra 200 taonina ny mangahazo vokatra tamina velaran-tany 130 ha. Notsipihin’ny Sekereteram-panjakana, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa tanjona amin’ny hoavy ny hanitarana izany amin’ny seha-pihariana hafa, toy ny vary sy ny tsaramaso, satria midadasika ny tany sady vonona ihany koa ny olona hiantsoroka sy hanatanteraka izany. Notsindriny koa fa « tsy fonja fotsiny ny eto Andonaka, fa ho lasa toeram-pamokarana. Satria, ho lasa loharanonaina ho an’ny voafonja tsirairay ny fahaiza-manao sy ny fahazarana azony teto rehefa tafaverina any amin’ny fiarahamonina indray izy ireo».
Fampiofanana marolafy
Hanohana ara-teknika sy ny famatsiana masomboly mendrika, tsara kalitao, ny Sesa. Tsy ho famokarana fotsiny, fa hisy ny fampiofanana marolafy, toy ny fitantanana amin’ny fomba mahomby sy ny fanodinam-bokatra. Miparitaka manerana ny faritra maro ity fiaraha-miasan’ny Sesa sy ny Minjus ity, ahafahan’ny fonja hahaleo tena ara-tsakafo, ka hamokatra izay sakafo ilainy.
Njaka A.
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsian-tsolika eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa hita eny amin’ny tobin-tsolika avokoa ny gazoala sy ny lasantsy. Antenaina fa hitohy izany ary hihena tsikelikely ny filaharan’ny fiara, ka hizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, indrindra ny fitateram-bahoaka sy ny entana.
Voasolo « béton armé » ny tetezan-kazon’i Mandranofotsy, kaominina Talata Ampano, distrika Vohibato. Nosokafana koa ny lakandrano, ka sady afaka nivoaka ny vokatry ny tantsaha, hamidy any Fianarantsoa, no afaka mitohy ihany koa ny fambolena. Anisan’ny vokatra tena hita any an-toerana ny ovy, ny karaoty, ny voatabia, sns.
Nitsidika ny dobo fiompiana trondro an’i Faly, any Belobaka sy CDA Mahajanga, ny kaoperativa mpiompy trondro avy any amin’ny Helodranon’Ambaro, distrika Ambilobe, ny 1 jolay teo. Tanjona ny hifampizarana traikefa. Nanohana ny fanatanterahana azy ny ASI Agribusiness sy ny WWF.
Natao ny 29 jona 2025 ny fotoana handaozan’ny mpianatry ny kilasy famaranana, ao amin’ny Institution Nicolasa Barré Toamasina, ny sekoliny. Ray mpiahy azy ireo ny Tale jeneralin’ny ladoany, Zafivanona Lainkana. Hafatra nampitainy ny hoe: « azo tanterahina foana izay kasaina, rehefa ao ny fahatokisan-tena, ny faharetana ary ny fahendrena ».
Tsy mbola ampy ny isan’ny teknisianin’ny ala eto amintsika. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny foibem-piofanana.
Miisa 60 ny teknisianin’ny ala nivoaka, ny 4 jolay teo, teny amin’ny Foibem-pirenena fanofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny toeram-piofanana. Mizara roa ireo mpiofana. Nanaraka fiofanana mitohy (Formation continue) ny 30, ny andiany « Vonona », maharitra 18 volana, izay efa am-perinasa. Mandritra ny 2 taona kosa ny Fiofanana ankapobeny (Formation initiale) ho an’ireo 30 hafa, manana bakalorea, andiany « Hiratra ».
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), i Andonirina Max Fontaine Andonirina, fa tsy mbola ampy ny isa eto amintsika, satria mpianala iray mifehy 27 000 ha, raha tokony ho mpianala iray ho an’ny ala 2 000 ha ny salanisa.
Niforona ny taona 1943 ny foibe CNFTF, ary nikatona ny taona 1959. Niverina nisokatra indray ny taona 2018, ary andiany efatra no efa nivoaka tao amin’izao fisokafany indray izao. Nanohana ny tetikasa ny Birao manohana ny fifandraisana ivelany (Bace), tohanan’ny Vondrona eoropeana ara-bola, mitentina 650 000 euros.
Fitaovam-piadiana ho an’ny mpianala
Nahazo fiofanana ara-miaramila ireo mpiofana. Nomarihin’ny minisitra Max Fontaine, fa tamin’ny taona 1982 no nandray basy farany ny mpianala. Niverina izany nandritra ny matso natao teny Mahamasina, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 2025 teo. Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana eny an-kianja anefa izy ireo. Koa, rariny raha mitazona basy ihany koa, satria manana fitaovam-piadiana ihany koa ireo mpanao trafika harena voajanahary. « Efa mandeha ny ady sisika, hamoahana ny lalàna hifehy izany », hoy ihany izy.
Njaka Andriantefiarinesy
tao . Nisy ny fanomezana fiofanana maimaimpoana ho an’ny tanora sy ny mponina ahafahan’izy ireo manana asa mahavelona ny tenany sy ny ankohonany ary manatsara ny hoaviny amin’ny fananganana tetikasa fihariana. Nisongadina manokana ny fandraisan’anjara mavitriky ny vahoaka.
Fahitalavitra sinoa “Divas Hit the Road”. Voafidy ho toerana voalohany amin’ny vanim-potoana vaovao i Madagasikara. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasa ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny Sinoa izany. Manome fahitana miavaka amin’ny toerana alehan’ny Malagasy amin’ny tsena Aziatika ny tetikasa
Andron’ny ankizy isan-taona, faritra Mania. Nisitraka kilalao ireo ankizy 147 avy amin’ny fokontany efatra any amin’ny morontsirak’i Mania, ho fampifaliana azy ireo. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny sendikà ao amin’ny ONG TAK. Hita taratra tokoa ny hafalian’ireo ankizy nampianarina mizara sy mitia ny hafa.
Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy Behoririka, nandritra izany.
Anisan’ny voatsiahy tamin’ny famaranana ny fivorian’ny Antenimierandoholona, tetsy Anosy, ireo fidinana ifotony sy fiahiana ny lanonana fametrahana samboady an’ireo ben’ny Tanàna nataon’ity Andrimpanjakana ity. Teo koa ny iray minitra fahanginana ho fanehoana fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana niharam-boina rehetra eto amin’ny firenena.
Tafatsangana ny kaomisionina hisahana ireo lafiny maro amin’ny fanomanana sy ny fanantotosana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, natao teny Ampahibe, ny herinandro teo. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Voaresaka manokana ny lafiny fiarovana sy filaminana amin’ny fandraisana ireo delegasionina.
Manohy ny asa sosialy ataony ireo depiote Tim. Anisan’izany ny eny Ambohimanarina ho amin’ny fanaovana didim-poitra faobe, ho an’ny ankizy maherin’ny 300 sy olon-dehibe, miisa fito. Tahaka izany koa ny hetsika nataon’ny depiote Tim eny Atsimondrano. “Natao izao ho fanamaivanana ny fahahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka”, hoy izy ireo.
Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fivorian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.
Nanatrika izany teny an-toerana moa ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay sady minisitra mpiahy ity faritra ity, Moustapha Abdulah Marson. Nisongadina nandritra ity fotoana ity, ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena tamin’ireo tanora. Miampy ny famelabelarana ny paikady vaovao sy ny vina ho ezahina ho tratrarina amin’ny hoavy.
Tsara ny mampahafantatra fa antoko iray, mbola manana ny tanjany ao amin’ity faritra Mahajanga ity, ny TGV. Miara-mientana amin’ny filohan’ny Repoblika malagasy izy ireo, amin’ny asa fampivoarana ny firenena ary ny fanatrarana ny tanjona izay efa napetraka, amin’ilay teny hoe: “Madagasikara tsy maintsy mandroso!” Manaporofo izany moa, ny fahatongavan’ireo olom-bofidy sy voatendry maro tany an-toerana, nanatrika ny hetsika.
F.R
Kasikety mivadika aloha aoriana, akanjo rovitra kiho, pataloa rovitra lohalika sy miborotsaka… Izany no hoe manaraka toetrandro. Lamaodin’ny tanora ankehitriny. Fahamboniana? Te hiala amin’izay tsara sy mahasoa ary mahafinaritra mahazatra. Dia miditra amin’ny tsy misy mpanao hoe mampiavaka… Any amin’ny saina no misy kely na tsy ampy kely? Mivadika aloha aoriana, rovitra, miborotsaka…
Eo koa, ohatra, ny tsy tahotra tsy henatra amin’ny tsy firaharahana ny tenin’ny tena. Nefa toy inona ny henatra amin’izay mety ho fahadisoana kely amin’ny fampiasana teny vahiny? Zary fahamboniana ny tsy fahaizana teny malagasy. Fanjanahan-tsaina? Raha misy vahiny iray, ohatra, amina fivoriana, atao amin’ny teny vahiny ny resaka. Nefa tsy hisy vahiny hampiasa ny tenin’ny tena, na mameno trano aza ny Malagasy.
Tonga hatramin’ny tsy fahanarahan-dalàna ny fahamboniana toy izany, fa fahambaniana ny fanarahan-dalàna: mijanona ho tahotra mpitandro filaminana, fitsarana, fanasaziana… Raha vao tsy misy mpanara-maso, mandeha hoazy ho an’ny sasany ny fandikan-dalàna: mampiavaka, ireharehana ho tombontsoa. Eny, na eo imasom-bahoaka aza: misy filaharam-be, ohatra, voninahitra ny misongona hoe mahitahita.
Hatramin’ny fijery politika izay fahamboniana izay? Na iza na iza, ohatra, eo amin’ny fitondrana, ireharehan’ny sasany ny hoe fanoherana, fanaratsiana, fankahalana… Zava-doza ny hoe mangina, manohana… Tsaraina ho hadalana na habadoana ny tsy fanoherana, refesina amin’ny mety ho fahazoana na fiandrandrana tombontsoa manokana ny fanohanana na fanoherana. Nefa samy manana ny fijeriny, tsy ifanerena…
Tapiany ireo fa tsy tapitra eo. Sao izay no anisan’ny tsy mampandroso izay ela izay? Na amin’ny fiaina na fisiana, na amin’ny fanao sy fiasa…
R. Nd.
Nampahafantarin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny didim-panjakana momba ny fifanarahana fampanofana tany. Maneho ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny fitantanana ireo tanim-panjakana izany.
Nambaran’ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fananantany (FNF) ao amin’ny MFFT fa efa nivoaka sy naparitaka ny didim-panjakana mametraka ny bokim-piraketana nasionaly ho an’ireo fifanaraham-panofana tany (SNB).
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny 18 jona 2025 ny didim-panjakana momba izany. Rejisitra nasionaly natao hitehirizana sy hitondrana ny rakitry ny fifanarahana fanofana ireo tanim-panjakana manerana an’i Madagasikara ny SNB. “Ho famondronana ireo angon-drakitra rehetra momba ny fanofana tany izany. Ho fanatsarana ny fangaraharahana sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ireo fifanaraham-panofan-tany ihany koa”, hoy ny eo anivon’ny FNF.
Nanterin’ny fampahafantarana fa tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo andinindininy ary miara-miasa amin’ny fitalevana ankapobeny ho an’ny sampandraharahan’ny fananan-tany (DGSF) ny eo anivon’ny FNF.
Fifanarahana fanofana tany
Araka izany, miantso ireo olona nanao sonia fifanarahana fanofan-tany izy ireo mba hijery ny lisitry ny antontan-taratasy takina ary hanatona ny FNF. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanofana tany maharitra. Eo koa ny fanofana tsotra mba hampanoratra ny fifanarahana fanofana tany ananany”, hoy ny FNF.
Notsiahivin’izy ireo ary nanentanany ny rehetra fa ilaina ny fanarahana tsy tapaka ny pejy facebook ofisialy an’ny MFFT sy ny FNF mba hahafantarana ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ireo fanazavana fanampiny. Eo koa ny fanatonana mivantana ny Tahirim-bola nasionaly ho an’ny fananantany FNF, Route Digue – Ambodimita, Enceinte Apipa, Antananarivo 101
Synèse R.
Nanomboka ny 3 jolay lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ary hifarana ny alahady izao, ny fampivondronana ireo ankizy latsaky ny 14 taona, taranja karate. Tanjona amin’izany ny hanomanana sahady ny hoavin’ny taranja karate, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile. Ireto ankizy manomboka amin’ny U8 hatramin’ny U14 ireto, hoy izy, no handrafitra ny ekipam-pirenena Seniors afaka 2 taona ary handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana. Notsiahiviny fa nanomboka tamin’ny taona 2024 no nisy ity fampivondronana ny Karatekas sokajy zandriny ity ary kendrena ho amin’ny fiandohan’ny fialantsasatra toy izao hatrany no hanaovana izany. 70 mianadahy izy ireo no miatrika ny fampivondronana ho an’ity andiany ity ary misy solontena avy any amin’ny faritra toy ny avy any Tolagnaro sy Fort Dauphin. Kata sy Kumite no hatao, ka ireo zoky ao amin’ny sokajy Seniors no manampy ireo teknisianina manome ny fanazarantena ho an’ireto ankizy ireto.
Fifaninanana goavana ihany koa no miandry ny sokajy zandriny amin’ity taona ity, toy ny “Youth League” sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, ka hotiliana amin’ ireto miatrika fampivondronana ireto izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Eo ihany koa ny “Open International de Tana” izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ka mpikatroka 350 hatreto no hifaninana. Firenena 4 kosa hatreto no efa nilaza fa hoavy toa an’i Frantsa, Mayotte, Comores ary La Réunion.
Mi.Raz
Hanomboka anio, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Mialoha ny fifaninanana, hisy ny « Clinic des entraineurs » hatao ho amin’ny anio, ao amin’ny Arena Toamasina. Efa vita omaly kosa ny fivoriana ara-teknika.
Misaona indray ny tontolon’ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Marobe Jean Claude na i Lolody, mpilalao novolavolaina tany amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy izy. Anisan’ireo klioba efa nilalaovany ny AS Adema sy ny Fosa Juniors FC Boeny. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ihany koa izy.
Mpilalao miisa 42 nantsoin’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Hisy ny fampivondronana ahafahana mitily ireo handrafitra ny Barea A’, hiatrika ny « Chan », ny volana aogositra ho avy izao, any Ouganda sy Tanzanie ary Kenya. Efa nanomboka afakomaly, tetsy Mahamasina, ny fampivondronana.
Namoaka filazana ho an’ireo ligim-paritra rehetra eo ambany fifehezany ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny 21 jona lasa teo, fa tokony hanaja ny lalàna manan-kery ny hetsika rehetra hataon’izy ireo. Ho an’ireo klioba tsy ankanavaka, tsy misy afaka mandray anjara na manao lalao amin’ny ekipa vahiny raha tsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny federasionina malagasy sy ny an’ny filohan’ny faritra.
Handoavana onitra arakaraka ny lanjan’ilay fifaninanana ny fandikana sy ny tsy fanarahana izay voalaza. Mandefa ny antontan-taratasy any amin’ny ligim-paritra misy azy ireo fikambanana voakasika ary ny ligy indray no mampita izany any amin’ny federasionina izay rafitra voalohany, miahy ny hand ball eto Madagasikara. Araka izany, tokony hanaja ny naoty navoakan’ny federasionina ireo ligy rehetra ary mampahafantatra amin’ny tomponandraikitra hahazoana mandray ny fepetra ara-dalàna.
Ankoatra izay, hotanterahina any amin’ny ligin’i Bongolava, ny 1 – 10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Minime, Cadet, Junior, lahy sy vavy.
Tompondaka
Hifantoka etsy amin’ny Elgeco Plus By-Pass indray ny sain’ny mpanaraka baolina kitra malagasy, amin’ity herinandro ity. Samy hiady ny tapakilan’ny famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana.
Raikitra izy ity! Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara nasionaly, “Yas Coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra. Samy hafana avokoa ny fifanandrinana amin’ity herinandro ity. Hanokatra ny sehatra amin’izany, anio, eny an-toerana, ny fihaonan’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany teo, sy ny Cosfa miaramila.
Araka ny fanadihadiana natao, klioba roa efa nifandona tany amin’ny fifaninanam-pirenena “World Cola PFL”, izy ireo, ary mbola manala vela ry zareo miaramila. Resin’ny Elgeco, 2 no ho 1, ny Cosfa nandritra ny fifanintsanana tamin’ny dingana voalohany. Tsiahivina fa anisan’ireo klioba heverin’ny maro fa hanao pao-droa amin’ity taona ity ireo klioba roa mifandona ireo.
Ankoatra izay, hatao rahampitso ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny As Fanalamanga. Ity fifandonana ity izay andrasan’ny maro. Satria, efa nifampitana nandritra ny lalao ampahefa-dalan’ny “World Cola PFL” ny roa tonta. Nihintsana ny AS Fanalamanga tamin’izany.
Tsy milalao any Afrika
Klioba iray tena ao anatin’ny tanjany tsara ny Cosfa amin’izao fotoana izao. Manify tanteraka anefa ny fahafahan’ity klioba ity miatrika ny fifaninanana afrikanina, noho ny tsy fahazoan’izy ireo ilay taratasim-pilalaovana avy amin’ny Caf, “Licence des Clubs Caf”. Marihina fa ny ekipan’ny Elgeco Plus, CFFA, AS Fanalamanga, CFFA, FC Rouge, AS Avenir Ste Anne, Ajesaia no manana izany.
Fitia Randria
Hanomboka anio, hifarana ny 3 aogositra 2025, ny tetiandro fitsarana miaramila ho an’ny taona 2025, ho an’ny eto Antananarivo. Ao amin’ny Kianja Malacam Antanimena no hanaovana izany manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry (DSNGR), efa misy tetiandro koa ho an’ireo any amin’ny faritany. Entanina, araka izany, ny tanora lahy sy vavy 19 ka hatramin’ny 31 taona, tsy mbola nitsara miaramila ho tonga eny an-toerana. « Maimaimpoana ny fiatrehana ny fitsarana miaramila ary mitondra karapanondro sy penina manga ireo hiatrika izany », hoy ny fanazavana. Hisy ny fampitan’ny tomponandraikitra eny ifotony ny fotoana sy ny toerana hanatanterahina ny fitsarana miaramila ho an’ireo any amin’ny faritany. Nohamafisin’ny DSNGR fa antontan-taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana na hiasa amin’ny fanjakana na koa handeha hanohy fianarana any ivelany ny taratasy fanamarinana ny fanompoam-pirenena.
Jean Claude
Na anatin’ny hirifiry aza ny eto Madagasikara noho ny vanim-potoan’ny ririnina dia manga kosa ny lanitra eo amin’ny fampandrosoana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, nanao ranolava ny fitokanana ny fotodrafitrasa napetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby. Saika manerana ny lafivalon’ny Nosy izany. Voakasiky ny asa vita ny filana ara-tsosialin’ny mponina, indrindra ny andavanandrony.
Mifanindran-dalana amin’izay ny fampisehoan’ny mpitondra ankehitriny ny firaisankiana eo amin’izy ireo. Mampitovy ny zotra iaraha-mandroso izy rehetra. Tsy ahitana mpanohitra izany intsony eto Madagasikara. Olona mimenomenona fotsiny angaha no eo sisa. Ireo misora-tena ho tsy mankasitra fitondrana lany amin’ny resabe fotsiny. Tsy misy mahasahy mijoro hanao izay iraka andrasan’ny vahoaka aminy. Ny tena zava-doza izay antenaina hanirina aza no mainka mampivandravandra.
Raha fehezina dia natao ho an’ny vahoaka izany sisa no manapa-kevitra amin’ny tiany hitondrana ny fiainany. Ny resaka politika dia nifono farango sosona tanteraka. Raha fehezina rahateo moa, efa leo politika tanteraka ny olona. Na inona na inona miseho. Na iza na iza mitondra na manohitra dia tsy misy mivaky loha intsony. Izay hampidirina am-bava izao no lohalaharana amin’ny isam-batan’olona.
Manoloana izany anefa, tsy midika ho faharesena akory. Samy mamboly ny fanantenana any anatiny ilay Malagasy tsivakivolo. Mifanohana anatin’ny soa sy ny fahasahiranana. Tsy misy rahateo ny tonga lafatra fa mila fikirizana sy filofosana avy amin’ny tsirairay.
r.r
Nanao tatitry ny fihaonana faharoa, natao tany Frantsa, momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo delegasionina niatrika izany.
Manana fanentanana betsaka ireto iraka ireto raha ny nisongadina tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny dinika nifanatrehana tamin-dry zareo Frantsay, momba ireo Nosy Malagasy.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa fahombiazana tanteraka no azon’ny delegasionina tamin’ity iraka diplaomatika natao tany Paris, Frantsa ity. “Vokatry ny fikarakarana hentitra ary ny fahavononana amin’ ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny zo ara-tantara, fitakiana ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena izany”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nohazavain’izy ireo tamin’izany koa ny votoatin’ireo fangatahana fototra nataon’i Madagasikara. Notanisaina tamin’izany ireo teboka manan-danja voarakitra ao amin’ ny fanambarana iombonana navoakan’ny firenena roa tonta tamin’ny fiafaran’izao fivoriana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao. Anisan’ izany ny fametrahana ho ambony ny fiandrianam-pirenena sy ny fitakiana ara-tantara. Manampy izany ny fiaraha-miasa anaty filaminana. Eo koa ny momba ny fivezivezen’ny mpanjono malagasy sy ny fandraisana anjaran’ny mpikaroka momba ireo Nosy malagasy ireo. Nasongadin’izy ireo koa ny fisitrahana ireo antontan-kevitra eo amin’ny lafiny siansa, ary ny fametrahana rafitra iombonana hanara-maso ny fandrosoan’ny dinika.
Fifanatrehana andiany fahatelo
Na izany aza, mbola miandry ny fifampiraharahana amin-dry zareo frantsay amin’ny fifanatrehana andiany fahatelo hatao eto Madagasikara amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny ho tohin’ny dinika ho amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy. Mazava ny nambaran’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, namintina izany rehetra izany. “Ambony tanteraka ny tokinaina amin’ny fahazoana ireo Nosintsika ireo”, hoy izy.
Synèse R.
Nitombo iray indray ny ligy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu. Nahavita fifidianana ny 30 jona lasa teo ny ligin’i Sava. Lany ho filoha hitantana mandritra ny 4 taona manaraka ny Maître Daniel. Nanara-dalàna tsara ny fifidianana, raha ny tatitra. Natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ny minisitera izay hanome ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ity ligy vaovao mandrafitra ny federasionina ity. Tsiahivina fa tapitra amin’ity taona 2025 ity ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny federasionina ary efa eo an-dalana hanatanteraka fifidianana avokoa amin’izao ny ligy rehetra, mialoha ny hanaovana ny fifidianana federaly. Raha araka ny fandaharam-potoana efa napetraka, ny volana aogositra izao no tsy maintsy mahavita fifidianana ny eny anivon’ny seksionina. Ny volana oktobra kosa ho an’ny ligy. Ny volana desambra 2025 no hotanterahina ny fifidianana izay hitantana ny federasionina malagasin’ny Kung fu, ho an’ny efa-taona manaraka.
Marihina fa manana ligy 16 sy klioba aman-jatony, manerana ny Nosy, ny FMKF. Efa mahatratra amana hetsiny kosa ny mpikatroka amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Mankalaza ny faha-45 taonany amin’ity taona ity moa ny FMKF ary hetsika maro no hanamarihina izany.
Mi.Raz
Nahemotra amin’ny 14 hatramin’ny 20 jolay izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Jamborées Minibasket ». Hetsika karakarain’ny kaomisionin’ny Minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Natokana ho an’ny katitakely tia sy milalao basikety izy ity. Efa nifarana ny 2 jolay lasa teo ny fisoratana anarana, raha toa ka ny 13 jolay izao ny fivoriana ara-teknika.
Hotontosaina ny alarobia 9 jolay izao, ao amin’ny Petit palais Mahamasina, ny fiofanana hatolotr’i Sensei Ramilijaona Dani, taranja karate. Ny fikambanan’ny vehivavy mpanao karate, tepana mainty, no mikarakara ity hetsika ity. Eo ambany fiahian’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Ny ankizy hatramin’ny 14 taona no hahazo ny fiofanana amin’ny tapany voalohany. Ny 14 taona no miakatra kosa no hisitraka izany amin’ny tapany faharoa.
Voafidy hitsara ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja basikety U19, hatao any Lausanne Suisse, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, i Yann Vézo Davidson. Ny lalao eo amin’i Israel sy i Cameroun no hotsarainy amin’ity fifaninanana ity. Tsy vao izao i Yann Vézo no nitsara lalao iraisam-pirenena fa efa matetika no voaantso. Efa mpitsara manana ny maha izy azy maneran-tany rahateo ny tenany.