Hitohy anio amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny tsangambaton’ny filoha, Tsiranana Philibert, ny fanamarihana ny 14 oktobra any Antsohihy, faritra Sofia. Arahin’ny kabarin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, izany avy eo. Hisy koa ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Rain’ny fahaleovantena ary hofaranana amin’ny matso.
Hentitra ny antoko Repoblikanina nasionalista. Mivaona amin’ny fotokevitry ny fanorenana ifotony ny fankalazana ny 14 oktobra, araka ny nambaran’izy ireo. «Midika ho fanohizana ny rafitra fanjanahana «Néocoloniale», mbola mitoetra hatramin’izao izany. Anisan’ny antony nandavana an-dRajoelina ny maha frantsay azy», hoy izy ireo.
Tokony ho mailo ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambaran’i Christian Tabera. « Mirodana hatrany ny fitondrana notohanan’i Pety Rakotoniaina… Avoahay koa ny porofo raha nisy ben’ny Tanàna sy sefo fokontany noterena hiditra vondrona VFM», hoy izy, nitondra valin-kafatra ho an’ny depioten’Ikalamavony.
Matoky Ratsiraka Annick fa ho vita mialoha ny faran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena raha misy finiavana sy fitiavan-tanindrazana. « Enim-bolana fotsiny no nanomanana ny fifidianana tamin’ny 1975. Notendrena hitarika ny « directoire militaire », Ratsiraka Didier, ny jona 1975 ary vita faran’ny taona io ihany ny fifidianana », hoy izy.
Mbola nanamafy ny fangatahany ny zanaka am-pielezana milaravinahitra any ivelany (Diaspora). Nametraka fitakiana maromaro izy ireo amin’izao fanavaozana izao. Anisan’ny efa notakian’izy ireo teo aloha ny ahafahany mifidy amin’ireo fifidianana hatao aty Madagasikara. Tsy voatery ho tonga aty vao afaka hifidy, raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, “Association observatoire de la vie publique – AOVPM”, tamin’ny alalan’ny filohany, Herininahary Mosesy. Tsy nijanona hatreo izany. « Mitaky koa izahay mba hanana solontena, solombavambahoaka avy aminay Malagasy am-pielezana », hoy izy. Tafiditra amin’ny fandraisana anjara birikin’ny Diaspora amin’ny fampandrosoana sy ny fanorenana na fanavaozana ny firenena izany. Mba hitondran’izy ireo ny hevitra rehetra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo na any ivelan’i Madagasikara aza, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa efa misy sehatra ifampiresahan’ireo samy Malagasy any ivelany amin’ny alalan’ny «Concertation diaspora.com» ny momba ireo fangatahana marobe nataon’izy ireo amin’ny fitondrana. Marihina fa hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fikaonandoha.
Synèse R.
Mandeha indray ny fety aman-danonana, ho fankalazana ny fetin’ny Repoblika. Manan-tantara misimisy koa izany amin’ity indray mitoraka ity. Sambany rahateo no natao fanamarihana miezinezina. Mifanandrify amin’ny tsingerin-taona nandraisan-dry zalahy miaramila ny fitondrana rahateo ny fotoana. Roa sosona ny fankalazana. Efa nivolonandro fety tao an-drenivohitry ny Faritra Sofia nanomboka tamin’ny alahady. Nisomebiseby sy nientanentana hatraty an-dRenivohitra.
Mifanaretsaka ny vahiny sy ny tompon-tanàna. Vahoaka an’alinkisa no efa any an-toerana. Maro no tonga tsy hifety fotsiny fa hisehoseho, ho hitan’ny filohan’ny Fanavaozana. “Fisolelafakizasionina” ny an’ny sasany. Misy nanaovana teny midina tsy maintsy mandeha ho an’ny hafa. Maro koa anefa no nentanin’ny fitiavana hijery raha sy hifety. Raha fehezina, samy manana ny antony nahatongavany any an-toerana ny mpanatrika tsirairay. Ny hita aloha, maromaro no nandany vola hidinana any Anahidrano.
Tsy izany anefa aloha izao no lohalaharana. Asa mitarika vokatra no ilaina mba hananana ilay tena fahaleovantena. Ny 14 oktobra rahateo tsy fetin’ny fahaleovantena na ilay lazaina fa tena fahafahana. Manamarika fotsiny ny dingana vita sy ny fanaovana adisisika izany. Ny fankalazana androany dia tokony hidika ho fiaingana vaovao. Hanamarika fa izao vao tena hahaleo tena i Madagasikara. Mila fifohazan-tsaina sy fifohazam-panahy faobe.
Nanome toky sy namelona fanantenana rahateo ho an’ny Malagasy ny filazan-dry Kolonely dimy lahy tamin’ny taon-dasa. Nilaza izy ireo fa hamelo-maso ny herijika hahafahana mizaka tena tanteraka. Voakasik’izany ny fambolena, ny solika sy ny angovo. Tsy ambakan’ireo ny fanomezan-danja ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto, tsy hay ny hamaritana ny fomba hanaovana tombana. Tsy hay mandroso, tsy hay mihemotra.
r.r
Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy.
Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lanonam-panokafana.
Nisantarana izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM tao amin’ny Ekar Md Paul Ambalabe. “Fahafahana: Fanavaozana ho an’ny tena Fahaleovantena sy fandrosoana” no lohahevitry ny fankalazana. Nambaran’ny filoha, nadritra izany, fa mila mahaleo tena isika, mila miaina amin’ny volantsika sy ny harentsika isika. Ilaina ny fahaleovantena ara-toekarena mba tsy hiankinan’i Madagasikara amin’ny fanampiana avy any ivelany, fa hahazoany mivelona amin’ny harena sy ny loharanon-karenany manokana.
Manaraka lalàna
“Manaraka lalàna ny tena kristianina, fa izany no lalàna”, hoy ihany izy. Ilaina ny fahatongavan-tsaina amin’ny toe-tsaina tia kolikoly, nefa ny ankamaroan’ny Malagasy mipetraka anaty fotaka sy rano maloto. Ankoatra izany, nankahery ny FFKM amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy. Misy te hanakorontana izany, misy mitady hanao fanambarana, raha ny nambarany. Nambarany fa vonona hanohana sy hanampy tosika amin’ ny vola amin’ny asa sahaniny. Maro ny fitokanana fotodrafitrasa natao, omaly. Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lavadrano sy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny mponina any an-toerana. Nifarana tamin’ny famorian’olona tao amin’ny kianja manara-penitra izany, halina.
R. Nd.
Ho an’ity taona 2026 ity, ny 15 oktobra ka hatramin’ny 17 oktobra izao no hanatanterahina ny « European Film Festival » na « Festival du film Européen ». Mahatratra 100 ireo firenena hanatanterahina izany ka anisany i Madagasikara. Mahatratra 8 ireo sarimihetsika hojerena amin’ity andiany taona 2026 ity. Ho an’i Madagasikara manokana, sarimihetsika (film) malagasy miisa 2 no handray anjara. « Mandrakizay doria » notontosain’i Franco Clerc. Halefa ao amin’ ny IFM Analakely amin’ny fotoam-pamaranana sy « Disco Afrika » notontosain’i Luck Razanajaona, novokarin’i Herizo Rabary.
Ankoatra ny fandefasana ny sarimihetsika, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Festival du film européen » eto Madagasikara ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozana. Iray amin’ireny ny amin’ny fotoam-panokafana, ny alakamisy 15 oktobra, ao amin’ny Cinepax. Fihaonana amin’i Olivier Laxe ilay nanatontosa ny sarimihetsika « Sirat ». Izy ihany koa no hitarika ny atrikasa (Masterclass) ny tolakandron’io, ao amin’ny IFM Analakely. Amin’ ny fotoam-pamaranana kosa i Franco Clerc no hifanakalo sy hitafa amin’ireo mpijery, ao amin’ny IFM.
« Sarimihetsika, fitaovam-pifandraisana, hifampiresahana, fanokafana ny firahalahiana », no lohahevitry ny « Festival du film européen » izay niforona tamin’ny taona 2018.
HaRy Razafindrakoto
Namoaka boky tantara foronina, mitondra ny lohateny hoe : “Tsy miolaka”, i Zara Ainga. Miisa 170 pejy ity boky ity, izay mifono sy mahalaza lafi-piainana maro. Naseho ampahibemaso ny 10 oktobra lasa teo ity sanganasa ity. Tovolahy iray zanaky ny taona 90 no tantaraina ao anatin’ny boky. Taraiky teo antenantenan’ny fianarana vitany, ny tanjona tsy misy tratra. Nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny hoaviny ilay lehilahy, hamoy ny efa mahazatra ka hizotra amin’ny lalana mitondra azy amin’ny fanatanterahana ny tanjony sy ny nofinofiny, rehefa nandalo fiainana feno rendrarendra. Misy ifandraisany amin’ireo boky sasany efa nosoratan’i Zara Ainga ity asa soratra ity, saingy raha vao eo amin’ny takila faha-15 dia mahita ny Dokotera Ravelona, takila manaraka indray dia misy an’i Christophe Rabearimanana sy i Malay. Na izany aza, manana ny anjoriany azy manokana mihitsy ny tantara. Mpanoratra manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny literatiora ankehitriny i Zara Ainga. Manana ny mampiavaka azy sy ny angaliny. Folo taona izao no nilomano tao anatin’ny sehatry ny fanoratana izy ary efa betsaka ny mpanaraka azy.
Mi.Raz
Hetsika iray, miendrika fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny samy mpanakanto afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Hotontosaina eto Madagasikara hatrany ny andiany faharoa, amin’ny faran’ny herinandro.
Tosika ho an’ny mozika malagasy. Voasokajy ho firenena afrikanina manan-karena mozika i Madagasikara hatramin’izay. Poforon’izany ny nisian’ireo Malagasy mpanakanto nisongadina tamina fifaninanan-kira iraisam-pirenena maro. Iray amin’ireo hetsika manome sehatra sy te ho fitaratra ho an’ny mozika afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Araka ny anarany, manatombo kokoa ny mozika malagasy anatin’ity fifaninanana ity. Antony voalohany mahatonga izay, noho izy hatao eto Madagasikara, ka ny 16 hatramin’ ny 18 oktobra izao ny andiany faharoa.
“Ndao hankalazaina miaraka ny mozika afrikanina”. Manamafy izany io lohahevitra nosafidian’ny mpikarakara io. Midadasika izay, fa ny lehibe indrindra dia ny fanasongadinana ny famoronana, arahin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra. Ny andro voalohany no hanatontosana izay fifampizarana izay. Maro ireo mpanakanto, mpanatontosa sy mpikarakara hetsika iraisam-pirenena ary mpanodina mpanakanto any amin’ny tsenan’ny mozika rehetra any no ho avy eto. Ny sabotsy 17 oktobra kosa no hanatontosana ilay tena lanonana manetriketrika, eny amin’ny Radisson Blu.
Raha oharina amin’ny andiany voalohany, hivelatra kokoa ny sokajy, hanomezana mari-pankasitrahana ireo Afrikanina mpanakanto, noho ny mozika navoakany tamin’ iny taona iny. Ny “Prix d’Or”, ohatra, dia sokajy natokana ho an’ireo Malagasy mpankanto irery, ka mifaninana ao ry Tence Mena, Wawa, Big MJ, D Lain, Shyn, Basta Lion, Dadi Love, Denise, Arnaah ary Ceasar. Mifaninana ao amin’ny sokajy “Meilleurs artistes diaspora” kosa i Niu Raza sy Maheva, milahatra amin-dry Tayc, Tiakola, Gims, sns. Anaty sokajy “Meilleur artiste ragga, reggae, dancehall, rap” no misy an’i Basta Lion sy Mad Max. Ao amin’ny “Best duo ou groupe” kosa ry AmbondronA sy Reko Band. Eny anelanelan’ny lanonana ny seho hataon’ireo mpanakanto, ahitana vahiny toa an-dry Wizboy sy Bill Phil avy any Cameroun, Sounchetfit ary i Dr Falafala, izay avy any Côte d’Ivoire, saingy tomponandraikitra voalohany amin’ny hetsika.
Zo ny Aina
Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo solontenan’ny ivontoeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Nifantoka tamin’ny tomban’ezaky ny Vaomiera nasionaly misahana ny fankatoavana (CNH) ho an’ny taona 2026 ny dinika. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambaratonga ambony, Pr Raherinirina Angelo sy ny talen’ny fankatoavana sy fiantohana ny kalitao, Dr Rakotoniaina Bearisoa.
Miisa 600 mahery ny fangatahana fankatoavana voaray tamin’ity taona ity, raha manodidina ny 220 izany tamin’ny 2025. Voaray hodinihina ny 549 tamin’ireo ka miisa 65 ireo manam-pahaizana nandray anjara amin’ny fanombanana.
Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fanarahana ny fenitra takina hahazoan’ny mpianatra fiofanana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina ary hisorohana ny fisian’ny diplaoma tsy ara-dalàna.
Hivoaka ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (plateforme HAE) mandritra ity volana ity ny fanamarihana samihafa ho an’ny tomponandraikitry ny lalam-piofanana tsirairay. Ireo izay manana olana dia afaka mitondra ny fanatsarana amin’ny CNH amin’ny volana desambra ho avy izao.
Vonjy
Ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Misy ny fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy sy manakaiky ny Tanjona Bobaomby. Manodidina ny 12 – 24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 22 – 38 °C ny tolakandro, mandritra ity herinandro ity.
« Manomboka ao an-tokantragnontsika ny fahafahagna miatriky sy miarigny afaran’ny loza », io no lohahevitra nosafidiana amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza 2026. Notanterahina omaly, tao amin’ny kaominina Analalava sy Antonibe (disitrik’Analalava), ireo hetsika fanentanana maro momba ny fisorohana, ny fiomanana ary ny fiatrehana ny loza.
Manohy ny fanentanana momba ny maha olom-pirenena vanona eny amin’ireo toeram-panofanana teknika sy arakasa ny Cellule d’engagement civique et environnemental eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Mpampiofana sy mpandraharaha miisa 60 tao amin’ny DRETFP Itasy, LTP Soavinandriana ary LTP Miarinarivo no nisitraka fanabeazana sy fampahatsiahivana momba ny fitondrantena mendrika sy ny fandraisana andraikitra.
Hiatrika ny fiadiana ny ho Tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Efa nanainga omaly, hihazo an’i Pologne ny delegasionina malagasy.
Nilaza ireo atleta malagasy fa efa aman-taonany maro izy ireo no nanomana izao fifanintsanana iraisam-pirenena izao ary hiezaka ny hanao ny tsara indrindra avy aminy ny mpilalao, ary hitondra medaly amin’io fifanintsanana io. Tsara ny mampatsiahy fa noraisin’ ny fanjakana an-tanana ny fandehanan’ireo mpikatroka amin’ity fifaninanana ity taorian’ny antso izay nataon’ireo ray aman-dreny, efa ho tapa-bolana lasa izay.
Efa natolotra teo Ankorondrano omaly, ny tapakila sy ny vatsin-dalana entin’izy ireo miatrika izany fifaninanana izany. Marihina fa ireo Malagasy efatra mianadahy ireo, nahazo vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Alzeria farany teo.
F.R
Notontosaina ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana famaranana sy ny fampisehoana ny drafitra vaovao hampandrosoana sy hanavaozana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, na ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS). Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, sy ireo solontenan’ny federasionina ary ny ligy isam-paritra.
Marihina fa ny hanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fanatanjahantena no nanaovana azy ity. Tanjona napetraka ny fametrahana ny mangarahara, ny fanamafisana ny fitaizana sy fanofanana an’ireo atleta hatrany amin’ny ambaratonga fototra mba hampandrosoana ny fanatanjahantena eto Madagasikara.
Ankoatra izay, nojerena ihany koa ireo dingana ara-panjakana tsy maintsy arahina mba hahatonga ny PNS ho lalàna manan-kery. Marihina fa ity politika vaovaon’ny fanatanjahantena ity dia efa nanaovana atrikasa, nandritra ny telo andro, ny 7-9 oktobra lasa teo, teny Ambohimangakely.
Fitia Randria
Manao mpanefy toka-tena
Fotoana vitsy sisa hananana azy dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2026. Samy mamisavisa ny zava-bita sy ny mbola kinasa ny rehetra. Efa hiditra any amin’ny fifidianana sy fanavaozana ireo mpitantana isanisany ihany koa ny ligy sy ny federasionina sasany. Nisy ireo nahavita be, tao kosa ireo nandiso fanantenana. Ny zava-bita anefa no deraina ka rariny loatra izany. Ny tsy mendrika kosa andeha ho halavirina toa boka sao mamindra aretina. Tandremo nefa sao dodoky ny aivony ka homam-bary tsaitsainy. Raha hazavaina tsotsotra izany dia tsy fanao ny maimaika sy dodona loatra ka tsy vita tsara izay atao, hany ka mitera-pahavoazana. Ny zava-misy hita hatramin’izay mantsy, mafana am-boalohany ny ankamaroan’ny olona. Manao angoan-tenda fa hanatanteraka izato, hanao izatsy. Tazana eo avokoa ny ekipa rehetra. Rehefa mandeha ny fotoana, mihena an-dalana toa fen’antitra. Tsy misy afa-tsy olona roa na telo sisa mijoro. Toa lasa mpanefy toka-tena sady mively no mifofotra.
Miankina amin’ny tsirairay ny mampandroso ny taranja sahaniny. Tsy vitan’ny fisehosehona ivelany fotsiny ny fitantanana. Ny an’ny sasany mantsy ilay anarana maha filoha na tomponandraikitra no maha maika azy ireo. Milaka mihohoka anefa any amin’ny asa. Mihalangalana ka ireo vitsy sy azo isaina amin’ny rantsa-tanana tsy mila tambiny sisa no manao mpanefy toka-tena. Ampy izay ny andrakandrana, aleo izay hirotsaka eo ho tena ekipa mafy ka hitolona am-bovotany, samy mavo. Hitolona anaty fasika, samy ditsoka. Hitolona anaty rano, samy lena ary hitolona anaty fotaka, samy mihosina. S anatria tsy hanao saobakaka miaraka aman-tsahona ka ny lehibe indray no adala.
Tompondaka
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ambaoran’i Madagasikara, taranja Rugby. Nihintsana am-boalohany ny FTM Manjakaray raha mbola manohy ny lalany kosa ny Cosfa.
“Vokatra tsy nampoizina ” ! Taorian’izay taona maro lasa izay, sambany indray vao raraka teo amin’ny ampahefa-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, Top 8, taranja Rugby, izay natao omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny FTM Manjakaray, klioba fahefatra tamin’ny Top 12 farany teo. Lavon’ny TFMA Ankasina, tamin’ny isa 16 no ho 17, ry zareo ary tapitra hatreho izany ny fifaninanana ho an’ity klioba avy ao Manjakaray ity.
Raha hiverenana ny lalao, somary sahirana tamin’ity fihaonana ity, ny FTM raha toa ka nampiseho ny heriny am-boalohany, ny TFMA. Ny klioba avy ao Ankasina, nitarika 17 no ho 8, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tao anatin’ny fidirana faharoa vao taitra tamin’ny torimasony ny mpilalaon’i Manjakaray. Efa tany amin’ny ora farany vao nahatsindry “essaie” ny FTM saingy tsy voatsara izany ka niafara tamin’ny isa, 17 no ho 16, ny lalao. Nandresy ny TFMA.
Manohy ny diany ny miaramila
Etsy ankilany kosa, mbola manohy sy miezaka mametraka maha sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila. Nahintsan’izy ireo, tamin’ny isa, 28 no ho 22 ny CEA Andranomanalina. Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy manatombo amin’ny lafin’ny taktika sy ny traikefa ny ekipa an-dRazily, mpanazatra Cosfa. Ry zareo Cosfa moa no nitarika, 16 no ho 10 nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny fidirana faharoa kosa, nampiseho ny fahaizany amin’ny “drops” i Bida, ka nampiakatra ny isa ho 28 ho an’ireo miaramila. Ankoatra izay, hifanena eo amin’ny manasa-dalana ny TFA Anatihazo sy ny Cosfa ary ny TFMA hifandona amin’ny Uscar.
Fitia Randria
Voka-dala omaly :
Uscar (20) – (13) TAM Anosibe
FTM Manjakaray (16) – (17) TFMA Ankasina
USA Ankadifotsy (20) – (21) TFA Anatihazo
CEA Andranomanalina (22)-(28) Cosfa
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Campus Oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny ivontoerana fampiofanana sy fampianarana teny Koreanina tatsimo. Tsy ny fiteny ihany no hovoizina na horatovina ao fa ny kolontsaina, sy ny fomba fahandro, ary ny fomba filalaovana nentim- paharazana. Anisan’izany ny ” K-Pop sy Ariang” avy any amin’ity firenena ity.
Nitarika ny lanonana, ny masoivohon’ny Koreana tatsimo, Park Ji-Hyu, andaniny. Izay rahateo no angady nanana sy vy nahitana ny fametrahana an’ity ” Institut King Sejong” faharoa eto Madagasikara ity. Nanome voninahitra ny fotoana, ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, ny dokotera, Razanakolona Diny, ankilany. Ity farany izay nanamafy fa manandanja ho an’ny mpianatra ny ivontoerana.
Nisy ny fanolorana fitaovana informatika sy fanolorana vola 11 tapitrisa Ariary ho fampandehana ny ivontoerana.
Sajo
Rossy, le roi du Tapôlaka, Rossy a électrisé le Petit Stade de l’Est, à Saint-Denis (La Réunion) samedi, pour marquer son retour sur scène dans l’île sœur. La musque malgache a été célébré dans toute sa splendeur.
Accompagné de ses musiciens complices et d’un ensemble de fanfaristes traditionnels, le chanteur a enchaîné les morceaux qui ont marqué plusieurs générations. « Mbarakaly » et « Ikalasoa » ont notamment résonné devant un public conquis, dans une ambiance de fête populaire.
Rossy a également mis en avant les traditions de la Grande Île. La fanfare traditionnelle et les sonorités du « hiragasy », inscrit en 2023 sur la Liste représentative du patrimoine culturel immatériel de l’humanité de l’Unesco, ont occupé une place importante dans ce spectacle, témoignant de sa volonté de faire vivre et de transmettre ce patrimoine culturel, au-delà des frontières.
La soirée a aussi été marquée par l’apparition surprise de Tiana, une chanteuse malgache installée à La Réunion et connue notamment pour son titre « Ne laisse pas moin
là ». Un moment de nostalgie qui a ajouté une touche particulière à ce rendez-vous musical.
Pour Rossy, La Réunion représente bien plus qu’une escale artistique. L’île a joué un rôle majeur dans son ouverture à l’international, notamment à ses débuts. Tout comme Gilbert Pounia, leader du groupe Ziskakan, Rossy fait partie des artistes de l’océan Indien produits par le célèbre Peter Gabriel.
Joachin Michaël
Clap de fin pour la 37e édition du festival international Madajazzcar. L’événement s’est clôturé sur une note positive, samedi, sur le parvis d’Analakely. Cette année, le festival s’est démarqué par une musique qui a franchi les frontières géographiques, mais aussi celles des murs et des barbelés.
A chaque édition, les organisateurs invitent des artistes internationaux. Cette année, certains sont venus de France, du Kenya et de Belgique. Plusieurs activités se sont également tenues à Antsirabe, Toamasina,
Toliara et même à Manakara. Mais l’un des moments les plus marquants reste celui organisé au centre de rééducation de Mandrosoa, à Anjanamasina, où 84 enfants en conflit avec la loi ont pu découvrir et apprécier le jazz.
Dans son discours, l’ambassadeur de Suisse à Madagascar a repris la citation de Nelson Mandela.
« Personne ne connaît vraiment un pays sans connaître ce qui se passe dans les prisons ». « Etre privé de liberté ne signifie pas être démuni de ses droits fondamentaux », a-t-il ajouté.
En collaboration avec l’ambassade de Suisse, la Fondation Sentinelle et l’ONG Grandir Dignement, le festival a ainsi organisé une séance spéciale, vendredi. Le trio de Tahiry Andriamanoro a ravi le jeune public en interprétant notamment « Mbarakaly », de Mika sy Davis, et «Lemizo », de Lôlô sy ny tariny. Portés par la musique, les enfants ont ensuite rejoint les artistes sur scène avec leurs djembés, prenant à leur tour part à ce moment de partage.
« Cette activité peut les inspirer », conclut Jackie, président du comité d’organisation de Madajazzcar. Une manière de rappeler que la musique peut aussi ouvrir des horizons, même là où les murs semblent tout limiter.
Holy Danielle
Entre performances scéniques et sensibilisation à la santé mentale, le concert 16 Mesures, organisé samedi au théâtre de verdure d’Antsahamanitra, a tenu toutes ses promesses. Porté par une affiche mêlant new school, old school et come-back, l’événement a rassemblé les amateurs de rap gasy autour d’une même passion.
D’Antaninarenina à Antsahamanitra, une longue file de spectateurs témoignait de l’engouement suscité par ce rendez-vous organisé par Hip Hop Works Madagascar, avec le soutien de Good Loud Media et de Hip Hop 4 Peace. Après une période d’absence remarquée du rap gasy sur cette scène emblématique, les retrouvailles étaient particulièrement attendues.
« Aujourd’hui, ce n’est pas seulement la Journée mondiale de la santé mentale, c’est aussi et surtout celle du rap », a scandé une fan, conquise par l’ambiance.
Parmi les artistes qui ont marqué cette édition, Kintaniavo a séduit le public avec ses titres « Taonjato faha 21 », « Calmeo », « Ady Ny Eto » et « Independenza », ce dernier a été interprété avec un bouquet de rappeuses. En 2020, la jeune rappeuse et chanteuse s’est largement fait connaître ces deux dernières années.
« Le live de 16 Mesures était vraiment génial. Cela prouve que le rap reste dynamique et populaire, avec un niveau élevé aussi bien chez les talents émergents que chez les artistes confirmés », a-t-elle souligné.
Actuellement en préparation de son premier EP, Kintaniavo profite également de cette tribune pour adresser un message aux jeunes. « Nous avons particulièrement besoin de force pour gérer nos émotions et faire face aux difficultés de la vie. Il faut prendre soin de sa santé mentale et ne pas rester seul face à ses problèmes. Mon message aux jeunes est d’écouter leurs parents. Ils sont de bons conseils et un véritable réconfort dans les moments difficiles ».
Originaire du Betsimisaraka, Tommy Montana partage cet avis. Pour lui, le rap gasy, qui touche toutes les générations, constitue un puissant vecteur de sensibilisation. « C’est donc un excellent choix de la part des organisateurs, de porter cette initiative », estime-t-il.
La présence de Bogota, représenté sur scène par Laz et Doublenn, a également suscité l’attente des amateurs de l’ancienne école. Pour Laz, les chansons du groupe envoient des messages positifs, axés notamment sur la confiance en soi et le dépassement des pensées négatives.
Joachin Michaël