Nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ireo mpiofana nivoaka teo amin’ny rafi-pampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ETFP) tamin’ny taona 2023/2024 manerana ny Nosy.
Hita araka ny tondromarika fa betsaka ireo tanora no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa na koa mamorona asa ho an’ny tenany. Porofo izany fa mifanaraka amin’ny tolotra fanofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny seha-pihariana isam-paritra. Ho an’ny eto Antananarivo, efa misehatra amin’ny asa avokoa ny 65,37% amin’ireo olona nivoaka avy amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ary 20,50% kosa mbola nanohy fianarana. Any Antsiranana, 87,40% no miasa raha 12,60% nanohy fianarana. Ao Fianarantsoa, 85,27% nahita asa ary 14,38% kosa mbola nanohy fianarana. Any Mahajanga, 66,25% amin’ ireo mpiofana efa miasa fa 33,75% nanohy nianatra. Ho an’i Toamasina, 88,28% ireo niasa avy hatrany fa ny 11,03% nanohy nianatra. Any Toliara, 10,16% nanohy fianarana raha 74,22% manana asa fivelomana taorian’ny fianarana noratovina teny anivon’ny sekoly teknika na ivontoeram-panofanana arakasa.
Ireo mpiofana tany Toamasina no maro anisa nisehatra amin’ny asa avy hatrany taorian’ny fiofanana. Teto Antananarivo kosa no manana salanisa ambany indrindra amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa. Tany Mahajanga no ambony ny tahan’ny mpiofana mbola nanohy fianarana ary Toliara no nahitana taha ambany indrindra amin’ny faritany enina.
Vonjy
Tsy mora ny iatrehan’ny ankizy sy ny tanora ny karazana herisetra any an-tsekoly. Mety hiafara amin’ny famoizam-po izany rehefa tena mafy ny fanafihana.
Nanaitra ny sain’ny ray aman-dreny ny fiparitahan’ny vaovao mahakasika ilay ankizy niharan’ny herisetra an-tsekoly ka tratran’ny fahakiviana ary mahatsiaro ho very hevitra ka tsy mahafantatra ny tokony hatao. Niala ny sekoly sy trano fonenany ilay ankizy ary nanaovana fampitadiavana tamin’ny tambazotran-tserasera.
Niteraka fanairana ho an’ ny ray aman-dreny iny tranga iny fa eo koa ny sekoly sy ny ankizy mihitsy samy tomponandraikitra feno amin’ny zava-misy mampikorontana ny sain’ny namana.
Tsy vitsy ny ankizy na tanora miaina anaty herisetra any an-tsekoly na ara-batana izany na ara-tsaina. Matetika tsy sahy mitaraina fa miaritra kanefa miteraka ratra anaty ary mety hanova ny fiainan’ ilay ankizy mihitsy izany herisetra izany.
Fahalainana hanohy hianatra, tahotra sy tebiteby lava, fihemorana amin’ny fianarana, fihenan’ny fifantohana, faharatsian’ny naoty… Anisan’ny voka-dratsin’ny herisetra an-tsekoly avokoa izany.
Rehefa tsy misy fandraisana andraikitra, miafara amin’ ny fahaketrahana ara-tsaina mahazo ilay ankizy na tanora iharan’ny herisetra. Mitarika any amin’ny fikorontanana ara-pihetsem-po na ara-tsaina mihitsy ary heverina ny fiafarana any amin’ny fampizam-po sy famonoan-tena;
Tena zava-doza ny vokatry ny herisetra an-tsekoly. Na lahy na vavy mety iharan’izany. Mety ho avy amin’ny mpampianatra fa mety ho avy amin’ ny namana mpiara-mianatra na iray sekoly ihany koa izany.
Tsy tokony ambanin-javatra, araka izany, ny fitarainan’ ny ankizy fa ifampiresahana sy itadiavana vahaolana. Na ny fialana amin’ilay sekoly aza no hahafahana manavotra ilay ankizy dia atao rehafa tena tsy maintsy, raha ny hevitry ny ray aman-dreny sasany naneho hevitra.
Tatiana A
Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Paris, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg . Sokajy hahitana mpifaninana 20 ka anisan’ny ao anatin’izany i Ozbas Szofi, laharana faha-4 maneran-tany sy i Tsunoda Roustant Ai, laharana faha-6 maneran-tany. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity ihany koa, Andriambololona Zo Hajanirina, sokajy latsaky ny 78 kg, izay vao nandrombaka ny medaly volafotsy nandritra ny “African Open d’Abdijan” natao tany Côte d’Ivoire, ny volana desambra teo. Hahitana mpifaninana 15 amin’io sokajy io, amin’ity “Grand Slam de Paris” ity. Raha ny fandaharam-potoana, ny alahady 8 febroary ireto solontena malagasy ireto no hiakatra tatami ka hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ity no fifaninanana iraisam-pirenena voalohany, ho an’ny taona 2026 handraisan’i Madagasikara anjara.
Mi.Raz
Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, misedra olana ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy any Atsimo Atsinanana, izay tsy mety tanteraka mandraka ankehitriny. Efa intelo izao no niova ny daty tokony nanatanterahana izany ary nahitana fihemorana hatrany. Ny 27 desambra lasa teo no daty voalohany voatondro nanaovana io fifidianana io, nihemotra ny 30 desambra izany ary farany dia ny 31 desambra saingy tsy tanteraka hatrany. Antony iray ihany raha tena zohina no anton’ny fanemorana dia ny tsy fahefenon’ny fepetra ho an’ireo mpirotsaka hofidina, miisa 3, izay tsiahivina fa 4 no nirotsaka. Ilay filoha am-perinasa ihany no voalaza fa nahafeno fepetra. Teo no nampametra-panontaniana ireo 3 ambiny ny antony tsy maha ara-dalana azy ireo. Namaly ireo komity fa mbola tsy nandinika ireo antotan-taratasy izy ireo fa vao handinika. Nangataka ny Federasionina malagasin’ny basikety (FMBB) mba hijery akaiky izao toe-javatra izao moa ireo mpirotsaka hofidina miisa 3 ireo. Saingy, raha nanontaniana ny avy amin’ny federasionina dia nilaza fa tsy mitsabaka amin’ny fifidianana fa anjaran’ny rafitra any an-toerana no manatontosa izany.
Mi.Raz
Aza atao ranotrambo ny firarian-tsoa
Rehefa miandoha tahaka izao ny taona, manao be fiavy ny firarian-tsoa. Eo koa ny filazana tetikasa hatao. Misasasasa sy misosososo ary misesisesy izany kanefa aza atao ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Tsara tokoa ny mifampirary soa fa izany no fanalahidy amin’ny fiainana. Matetika anefa toa zary fomba fotsiny sisa ka toa ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Ny firarian-tsoa tsara indrindra anefa dia ny mamela tantara tsara ary mampita ny fanilo amin’ireo ambioka antoky ny ampitso. Ka aleo tsy manao ranotrambo be fiavy fa mora ritra.
Tsy misy hijanona mandrakizay eo amin’ny fitantanana ny federasionina na ligy na minisitera na fikambanana mantsy fa mandalo ihany. Satria, ny hazo misolo hazo ary ny olona misolo olona ka ny mamela vokatra tsara no mendrika indrindra. Ny tsiry tanora singotry ny aina, mbola mandimby izay nolovain’ny teo aloha. Ny firarian-tsoa lavorary indrindra ny tsy mety arenina, ny mitongilana arenina ary ny mivilana ahitsy. Koa ndeha tsy atao tahaka ny ranotrambo ny firarian-tsoa ka ho be fiavy fa mora ritra.
Koa jakohy ny famindra, talahoy ny fandeha fa marivo saro-tsobohina ny rano. Ny mitandri-pamindra tokoa mantsy tsy mba solafaka koa ndeha handrindra ny fiarahamonina fa tsy hifandray ho toy ny mpifahavalo. Amin’ny fifaninanana, tsy maintsy misy ny resy ary misy ny mpandresy. Irariana soa ho tonga lavitra ny mpandresy, irariana soa hahavita hanarina ny resy ka tsy ho ranotrambo ny firarian-tsoa, be fiavy fa ho mora ritra. Ka aleo ho latsaka anaty tahaka ny tsoka izany fa tsy hisomidika ivelany tahaka ny menaka. Hirariana ho taonan’ny fahombiazana ho an’ny fanatanjahantena anie ity 2026 ity.
Tompondaka
Senegal sy Mali no firenena roa voalohany tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja baolina kitra. Efa tany amin’ny fandakana ny « tirs au but », vao nivoaka ho mpandresy ry zareo Malianina nanoloana an’i Tunisie. Senegal kosa nanilika an’i Soudan.
Tontosa ny sabotsy lasa teo ny lalao ampahavalon-dalana roa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025). Nivoaka ho mpandresy ny voromaherin’i Mali sy ny Lionan’i Teranga Senegal. Tao amin’ny kianja Batouta Stadium, Tanger Maroc, resin’i Senegal, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1 ny Crocodiles de Nil Soudan.
Nanokatra ny isa voalohany i Amir Ibrahim, ho an’i Soudan, tamin’ny alalan’ny daka tsara petraka (6 mn). Totoafo avy eo ny fanafihan’i Senegal, notarihn’i Sadio Mane. Betsaka ny baolina tokony ho tafiditra fa nahay ny mpiandry tsatoby sodaney. Na izany aza, nosahalain’i Pape Gueye ny isa (29 mn). Tsy nijanona teo fa mbola nampiany indray izany teo amin’ny fanampim-potoana (90 + 4). Nitarika 2 no ho 1 i Senegal teo am-pialantsasatra.
Fidirana faharoa, niezaka nanafika ny sodane. Minitra faha-75, tokony ho sahala ny isa saingy tratry ny fikoropahana ny lohalaharana ka nivoaka ny baolina. Taorian’ izay, nahazo valim-panafihana ny Liona ka nahafaty ny baolina fahatelo i Ibrahim Mbaye, izay nahalavo tanteraka ny Crocodiles.
Efa tany amin’ny fandakana ny «tirs au but», 3 no ho 2 kosa vao afaka i Mali nanoloana an’i Tunisie. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy ny fanalavam-potoana. Nilalao 10 i Mali nanomboka teo amin’ny minitra faha-26 taorian’ny karatra mena azon’i Coulibaly. Tunisie namono baolina voalohany vitan’i Chaouat (88 mn). Efa tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 7) vao sahala an’i Sinayoko izany. Hidona eo amin’ny ampahefa-dalana izany i Senegal sy i Mali. Hitohy anio kosa ny fihaonana ka hikatroka i Nigeria sy i Mozambique ary i Algerie sy RD Congo.
Tompondaka
Mihena tsikelikely ny delestazy fa olana ara-teknika sisa no misy amin’izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavim-pirenena, omaly. Nividy groupe électrogène hoy izy ny fitondram-panjakana hanohanana ny famokarana herinaratra ao Andekaleka.
Mbola midangana ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fotoana. Mananosarotra ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny miatrika ny volana janoary, mihena ny fahefa-mividy ny malagasy ka tsy mahatakatra intsony ny vidin’entana sy ny kojakoja ilainy andavanandro.
Mampihena ny fampiasana kitay sy ny fanimbana ny tontolo iainana ary mampidi-bola ny tokantrano ny fampiasana ny fatana kamado. Vokatra vaovao nataona vehivavy iray avy ao Vatovanda Toliara. Nanohana sy nampiofana azy ny WWF ka nahafahany nampianatra
“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fihetsaham-po ao amin’ny tontolo politika. Tomponandraikitra amin’izay rehetra ataony ny fitondram-panjakana. Ny itarafana azy: araka ny lalàna sa tsia?
“Firenena iaraha-manana i Madagasikara, ka mijoro ny fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanambaran’ny Toko bey telo, Toliara, ny faran’ny taona teo. Koa manohana ny fitondrana mijoro izy ireo. Manameloka amin’ny heriny rehetra kosa ireo manao teti-dratsy hampiady ny samy Malagasy, indrindra ny zanak’i Toliara. Manao antso avo ny Malagasy hiray hina hampandrosoana an’i Madagasikara ny fikambanana, indrindra ny zanak’i Toliara hitondra asa sosialy ho fampivoarana an’i Toliara.
“Mila mahay maka lesona ny mpanao politika mitondra firenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy tokony haverina intsony ny zava-tsy nety teo aloha, fa izay tsara no tohizina. Antsoiny ny hery velona rehetra eto Madagasikara haneho ny heviny amin’ny fikaonandom-pirenena. Satria io no fototra haingana amin’ny Repoblika V, fa hiova ny lalàmpanorenana.
“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Madagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fanaovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… Ampandraiso andraikitra ny olona hampandroso ny Faritra na ny tanàna misy azy. Fifaninanana masina no atao, ary atao ao anaty fitsimbinana sy fiahiana ny tombontsoan’ny besinimaro. Raha sanatria atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary tsy fo mahitsy no entina hanaovana ny dinika nasionaly, tsy hisy izany fandrosoana izany ary lainga ny fanavaozana tian-katao.
Dradradradraina ny fitiavan-tanindrazana, nefa ny zanaka na ny zanaky ny sasany tsy mahay miteny gasy. Nefa gasy reny, gasy ray. Any ivelany koa ny fananana rehetra sy ny fampiasam-bola, fa ny fasana no atao eto Madagasikara. Antsoantsoina hanorina orinasa ny olona. Nefa tsy hamoraina ny fanaovana azy, sakanana amin’ny fomba samihafa izay te hanao zavatra. Tokony hiainana marina ny fihavanana, soatoavina malagasy ao anaty fitiavana sy fahamarinana. Raha tsy izany, tsy mihavana fa mody mihavana. Dia miaina ao anaty fihatsarambelatsihy. Tsy manjary araka ny tokony ho izy ny firaisankina sy ny maha olona iray, raha tsy ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Tsaroana eto ny tenin’ny mpampianatra filozofia izay: aleo fahafahana ao anaty korontana toy izay filaminana ao anaty fanandevozana. Samy tsy tsara ireo, fa mamitaka ny sarintsarim-pilaminana nefa ao anaty fanandevozana sy fanambaniana ary fanararaotana: atao tohatra fiakarana ny olona.
R. Nd.
Tonon-taona izao, fanao ny jery todika. Inona no tsy vita? Hatramin’izay mila arenina, ny miandry, ny tohizina… Be lavitra ny mbola tsy vita mitaha amin’izay natomboka. Miainga amin’ny tsirairay izay, vao mivelatra amin’ny hoe fifanomezan-tanana, fifampitsinjovana… Sao varivarian’ny lasa ka tsy mahita ny ambany maso: be fikasana, be fitetika. Na izany aza, ilaina hatrany koa ny mijery lavitra amin’izay vokatry ny atao sy aleha. Fahendrena ny fahaiza-mandanjalanja izany? Izay no androsoana… Izay mandeha tsy mijanona no lasa lavitra, fa tsy izay maika tsy faingana mety ho reraka ambony ihany. Ny hazakazaka tsinona tsy dia.
Efa lasa ny zavatra taloha. Indro taona vaovao… Na efa tsy lasa ny zavatra taloha, mila fanarenana sy fanonerana ary fanorenana. Mby aiza amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Kihon-dalana lehibe no diavina. Ny zava-dehibe dia ny hoe: ahoana ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony? Izay no fototra sy fositra amin’ny krizina toekarena, sosialy… Hatramin’ny fomba fanaovana politika, ohatra, ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ny fomba fihariana… Marolafy? Ny sehatra rehetra no mila fanavaozana. Tsy vitan-dresaka izany, tsy ihazakazahana, tsy efan’ny irery, tsy vetivety…
Antony sy antoka ny fikaonandoham-pirenena? Hoe hatomboka any ifotony, tsy anavahana, tena atao… Manomboka amin’izay ny fanavaozana? Tsy misy hevitra voaomana mialoha itsikombakomban’olom-bitsy na saribakolin’ny vahiny, jerena amin’ny antsipiriany izay antony sy vokany, tanterahina izay fanapahan-kevitra iombonana… Tsy moramora izany fa mila fahasahiana, fahamatorana, fahavononana… Dieny izao, mila fifampitaizana sy fifampitantanana, fifampitokisana, fifanitsiana…
R. Nd.
Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka…
“Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. Hatramin’ny fifidianana lalàmpanorenana no tanterahina ao anatin’ny 24 volana. Eo koa ny fifidianana filohan’ny Repoblika, depiote… Any amin’ny filoham-panjakana ny tomban’ezaka. Tomponandraikitra amin’ny minisitra mandrafitra ny governemanta izy Praiminisitra, itakiana tamberin’andraikitra koa.
Ny fitakiana teny an-kianja no lasa fandaharanasa maika: ahoana ny famatsian-jiro sy ny rano, ny tontolo iainana eny amin’ny oniversite, ny fahantran’ny Malagasy, ny tokony hijerena ny fifandraisan’ny samy Malagasy? Izay no nanaovana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026. Narahina ny fifanarahana ny iraisam-pirenena nandrafitra ny tetibolam-panjakana. Nomena ny minisitra tsirairay ny iraka manokana. Nandritra roa volana : firenena mahantra i Madagasikara, tsy afa-manana vola vokatry ny asa hahazoana mandoa karama mpiasam-panjakana, fanaovana fotodrafitrasa… Tsy ampy ny fandoavan-ketra. Tsy maintsy mila fanampiana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, tsy maintsy misy fandaharanasa. Tsy azo ialana fa tsy ampy ny vola eo an-tanana. Tsy midika izany fa very ny fiandrianam-pirenena.
Misy ny ezaka famokaran-jiro, ohatra: famenoana rano an’Andekaleka, fanomezana herinaratra avy amin’ny herin’ ny masoandro. Mbola misy ny delestazy, fa fanapahan-jiro izay olana teknika no sisa. Fehezina ny fitaovana fa misy fifandresen-dahatra henjankenjana miaraka amin’ireo tompon’ny fitaovana. Ny rafitra napetraky ny Jirama hatramin’izay no tena olana.
R. Nd.
Miverina an-tsekoly ny mpianatra manomboka anio miatrika ny roa volana fahatelo sahady amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Any amin’ny fialantsasatry ny Paska indray vao misy fiatoana kely. Mila mitadrina any am-pianarana manoloana ny fiparitahan’ny aretina nendren-drajako.
Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Manjakamiadana ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny faran’ny taona teo. Nijery ny fanaraha-maso ny fepetra noraisina rehetra amin’ny fisorohana ny loza manambana izy ireo ary nanao antso ho an’ny mponina manodidina hanaraka ny fandaminana rehetra apetraka ho fisorohana ny loza manambana.
Nandray ireo fampitaovana sy akora vinan’ny 2025, ahafahana manao fampiharana ny ivontoeram-panofanana roa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tonga nitsidika ny ivontoeram-panofanana ho an’ireo olona manana fahasembanana CNFPPSH ao Ampandrianomby sy ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy CFPF ao Tsimbazaza, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjon’ny fampitaovana ny hampivelarana ny fahaiza-manaon’
ireo mpiofana ka hampiakatra ny tahan’ny fampananan’asa.
Andrianjafy Stenny no zaza teraka voalohany ny taona 2026, tao amin’ny Maternité Befelatanana tamin’ny 1 ora sy 57 minitra maraina. Zazavavikely milanja 3 kg izy ary teraka tsy nodidiany ny reniny. Nizotra tsara tsy nisy olana ny fiterahana, araka ny fanazavan’ny mpampivelona. Zana-dRazanakoto Françoise Victorine izy. Mipetraka eny amin’ny kaominina Ambalavao Ambatofotsy Atsimondrano. Zanaka voalohany i Stenny. 19 taona ny reniny ary samy miasa izy mivady.
Taorian’io zazavavy io, miisa enina ny zaza teraka ny 1 janoary tao amin’ny toeram-piterahana Befelatanana hatramin’ny 4 ora hariva. Ao amin’ny hopitaly ihany no atao ny fanambarana ny fahaterahana hisorohana ny fampivezivezena ny fianakaviana sy hanamorana ny fahazoana ny kopia ho an’ny zaza teraka rehetra.
Vonjy
Tafakatra 16 ny trangana Mpox voamarina ao Mahajanga hatramin’ny faran’ny taona. Azo tsaboina ny aretina, azo sorohina ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny minisitera.
Manoloana ny fihanaky ny Mpox, nisy ny fivoriana maika sy famelabelarana ofisialy momba ny nendran-drajako teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voalaza fa olana ara-pahasalamana maneran-tany izy io fa tsy tranga maninga eto Madagasikara akory. Mifindra amin’ny alalan’ny fifandraisana akaiky amin’ny olona na biby voan’ny aretina ny Mpox. Manafaingana azy ny fifampikasohana amin’ny alalan’ny fikasihana mivantana ny fery amin’ny hoditra, ny tsiranoka avy amin’ny vatana ary ny zavatra efa voapoizina. Notsindriana ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahamailoana amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Ho fiarovana sy fisorohana amin’ny aretina, mandray an-tanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-borosy sy ny seranam-piaramanidina.
Miomana avokoa
Manoloana ny fidiran’ity valanaretina ity eto Madagasikara, nivory maika ny Organe mixte de conception (OMC) miaraka amin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka ho an’ny faritra Androy. Nivoitra, araka izany, ny fiomanana sy fandraisana andraikitra rehetra raha sanatria misy tranga na soritr’aretina mampiahiahy ato amin’ny faritra. Nandray anjara sy nanolo-kevitra tamin’izany ny lehiben’ny faritra Dr Raharijaona Djiby Jean Berthinot. Tafapetraka ny 1 janoary lasa teo ny sakana ara-pahasalamana ao Ambovombe iarahan’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo OMC, izay tarihin’ny lehiben’ny faritra Androy. Eny amin’ny pilaky no nanatanterahana ny hetsika ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Ho an’ny faritra Atsinanana, mazava ny hafatry ny lehiben’ny fileovan’i Toamasina fa na tsy mbola misy trangan’aretina Mpox aza ao Toamasina, mandray andraikitra avy hatrany ireo tomponandraikitrim-panjakana rehetra ho an’ny fahasalamam-bahoaka”. Nampivorina ihany koa ireo sefo fokontany sy ny mpanao gazety rehetra any an-toerana.
Vonjy
Tao anatin’ny herinandro vitsy, nahitam-piakarany ny vidin’ny letisia eny an-tsena. Ankehitriny, manomboka amin’ny 2 000 Ar ny kilao raha toa ka efa tafidina tany amin’ny 1 000Ar izany teo aloha. Mitobaka eny an-tsena ihany koa amin’izao fotoana ny vokatra avy any Atsimo atsinanana raha efa mihena ireo letisia avy any amin’ny Faritra atsinanana. Ao Toamasina kosa, vidina 200Ar ny kapoaka ny letisia. Ankilany, miakatra ihany koa ny vidin’ny garaba any an-toerana, ao Brickaville manomboka ny 25 000Ar izany raha efa tafakatra 35 000 Ar izany eto an-dRenivohitra. Marihina fa nitombo ny vokatra letisia tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa miisa efatra ny sambo niditra ny vokatra malagasy teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny telo nitondra ny letisia tao amin’ny tsena eoropeanina, sambo iray kosa nitondra ny vokatra tany Rosia. Heverina fa hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fitobaky ny vokatra letisia tamin’ity taona ity noho izy manome asa sy mampidi-bola ny firenena.
Henintsoa
Nihatsara ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Etazonia sy i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025.
Tafakatra 595,2 tapitrisa dolara ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Etazonia nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Mahatratra 546,3 tapitrisa dolara kosa ny sandan’ny fanondranana niditra teo amin’ny tsena amerikanina, raha ny tatitra navoakan’i Etazonia. Nilaza izy fa mitentina 48,9 tapitrisa dolara ny entana nafarantsika avy an-toerana, izay nahafahantsika nahazo ambim-bola ara-barotra 497,4 tapitrisa dolara. Araka izany, nihatsara sy nahitam-piakarany 0,48% ny entana naondran’i Madagasikara raha oharina amin’ny 543,7 tapitrisa dolara izay mifanandrify tamin’io vanim-potoana io, ny taona 2024, raha ny voalaza hatrany. Porofo ireo fa manomboka mihatsara ny sehatry ny fanondranana saingy mbola vitsy ny vokatra malagasy miditra eo amin’ny tsena amerikana.
Mitongilana
Nivoitra tao anatin’ny tatitra fa nitombo 20% ny fanafarana entana nataon’i Madagasikara raha toa 40,7 tapitrisa dolara izany, ny taona 2024. Niantraika mivantana tamin’ny fifanakalozana ara-barotra izay (-1,11%) 503 tapitrisa lasa 497,4 tapitrisa dolara ny zava-misy. Marihina fa firenena voalohany mandray ny vokatra malagasy i Etazonia. Hetsika izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana eto an-toerana. Ity farany izay fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny toekarena fa indrindra manome asa eto amin’ny firenena.
Henintsoa
Tsy hatao eto Madagasikara indray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors, amin’ity taona 2026 ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina ny taranja karate eto Afrika (UFAK), taorian’ny fivoriana notanterahina ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, i Alzeria indray no handray izany, ary nanambara fa vonona izy ireo ny amin’izany.
Norombahan-dRazanadrakotoarisoa Toavina (Club MCG), ny anaram-boninahitra teo amin’ny Rapide sy Blitz, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja Échecs, natao teny Andranobevava ny herinandro lasa teo. Nahatratra 62 ny mpifaninana teo amin’ny Rapide, raha toa ka 53 kosa ny mpandray anjara tamin’ny Blitz, nandritra ity fifaninanana ity.
Mandritra ity taona vaovao ity, maro ireo fifanintsanana iraisam-pirenena miandry ny Malagasy. Ny tena akaiky indrindra izao dia ny fihatrehan’ny Makis Sevens, lehilahy, ny fifanintsanana maneran-tany, any Dubai. Efa ao anatin’ny fanoman-tena tanteraka izy ireo, ary manantena fanampiana avy amin’ny fanjakana sy ny minisitera mpiahy.
Trois mois après avoir quitté Madagascar, l’ancien président de la République, Andry Rajoelina, s’est exprimé pour la première fois dans un message adressé au peuple malgache, à l’occasion du nouvel an.
« Notre pays, Madagascar, traverse une tempête, une épreuve marquée par l’inquiétude, l’incertitude et parfois la peur. A vous qui êtes fragilisés et éprouvés, Vous qui vous sentez persécutés, sachez que vous n’êtes pas seuls. Dans ces moments difficiles, souvenons-nous de la Parole dans Exode 14:14 »: « L’Éternel combattra pour vous, et vous, gardez le silence», a déclaré Andry Rajoelina, sans manquer d’adresser à chacun ses vœux de paix, de courage et d’espérance.
Et d’enchainer, « Face aux menaces, aux tensions et aux divisions que nous avons traversées, c’est en mon âme et conscience que j’ai fait le choix de m’écarter, plutôt que d’entraîner le peuple Malagasy dans l’affrontement et le chaos. Aujourd’hui, l’heure n’est ni à la haine ni à la vengeance, mais à l’unité et à la responsabilité. Je souhaite que cette nouvelle année soit une année où les divergences laissent place au dialogue, où le peuple retrouve espoir ».
Avant de conclure, « Les Malagasy méritent un avenir meilleur. Là où il y a l’échec, naîtra le redressement. Là où les larmes ont coulé, Chaque pleure aura été une purification. Que nul mal ne s’installe durablement. Que nul malheur ne prenne racine. Que la peur recule et que la foi demeure. Restons unis. Restons confiants. Madagascar renaîtra par la sagesse et non par la violence ».
Rova M
Une délibération de la Haute cour constitutionnelle (HCC) du 24 décembre 2025 « fixant le montant et la répartition de la prime pour le président et les membres de la Haute cour constitutionnelle, le Secrétaire général et le Greffier en chef », a fait couler beaucoup d’encre depuis hier sur les réseaux sociaux. Le montant annoncé dépasse l’entendement, pour un total de 615 millions d’ariary, répartis entre les 14 membres. Le ministère de l’Economie et des Finances n’a pas tardé à réagir, en soulignant que les dépenses relatives à l’octroi d’une prime annuelle aux membres de la HCC, n’ont pas fait l’objet d’engagement de dépenses.
Dans l’annexe de la note en délibéré, un tableau détaille la répartition de la prime attribuée à 14 membres de la HCC. Florent Rakotoarisoa, le président de la HCC se trouve en haut de la liste avec 100 millions d’ariary. Puis, Noelson William (Haut conseiller doyen), Germaine Bakoly Razanoarisoa (Haut conseiller), Vololoniaina Christiane Rakotobe Andriamarojaona (Ancien Haut conseiller), Antonia Ravehohanitrambolatianiony (Haut conseiller), Mbalo Ranaivo Fidèle (Ancien Haut conseiller), Georges Merlin Rasolonandrasana (Haut conseiller), Rondro Lucette Rahelimanantsoa (Ancien Haut conseiller) et Rojoniaina Ranaivoson (Haut conseiller) toucheraient chacun 50 millions d’ariary.
Pour les Hauts conseillers, Tianjanahary Andriamalaza, Rojovola Haritiana Rasolojantovo et Haingotiana Andriamampandry, chacun perçoit 25 millions d’ariary, 30 millions d’ariary pour le secrétaire général, Ranesa Firiana Rakotonjanahary et 10 millions d’ariary attribués au Greffier en chef, Samuel Ralison.
Pour l’heure, malgré les interrogations, l’institution n’a ni confirmé ni démenti cette information. Le président du HCC, Florent Rakotoarisoa, qui se trouve depuis une semaine dans le Sud de l’île, a indiqué ne pouvoir confirmer ou infirmer ces faits.
Et les réactions fusent. L’ancienne députée Marie Goulamaly s’interroge sur l’audace des membres du HCC, de réclamer de telles sommes, compte tenu des difficultés que traverse le pays. Elle a insisté sur le fait que cette institution devrait être démantelée sans délai, car elle compte parmi les plus corrompues du pays.
Quant au député de la troisième circonscription, Franky Navalona, il a affirmé que ces primes étaient inscrites dans la LFR 2025, mais le versement n’a pas obtenu l’aval du gouvernement actuel. Il a confirmé avoir consulté de hauts responsables et qu’«aucun accord de principe relatif au paiement de cette somme à la HCC, n’a été approuvé par le président de la Refondation, Michaël Randrianirina ».
Aucune demande d’engagement
Pas plus tard que dans la soirée d’hier, le Ministère de l’Economie et des finances (MEF) a réagi en soulignant qu’aucune dépense liée à cette prime n’a encore fait l’objet d’un engagement budgétaire au niveau de ses services.
Il rappelle toutefois que la HCC dispose d’une autonomie institutionnelle et que la décision d’octroyer une prime annuelle relève d’une délibération interne de cette juridiction, adoptée le 24 décembre 2025 conformément au décret n°2012-389 du 20 mars 2012. Malgré cela, le ministère précise n’avoir reçu aucune demande formelle d’engagement de dépense.
Le MEF souligne par ailleurs qu’une dépense publique ne peut être engagée qu’en fonction de la disponibilité et de la suffisance des crédits au niveau du Budget général. Et même dans ces conditions, l’exécution budgétaire est soumise au strict respect des procédures prévues. Or, au regard des crédits alloués à la HCC dans la loi de finances 2025, la dépense liée à cette prime ne pouvait être couverte.
Par conséquent, le ministère rappelle que cette délibération s’inscrit dans l’exercice budgétaire 2025 et ne constitue pas une initiative de l’actuelle équipe gouvernementale. Il réaffirme que les mécanismes de contrôle de droit commun, garantissant la régularité et la transparence des finances publiques encadrent l’exécution des dépenses publiques, sans remettre en cause l’indépendance de la HCC.
Rova M/Tivo R