Mialoha ny handehanan’ny Makis Ladies ho any Kenya, noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, ny zoma teo, tetsy Ambohijatovo, ny vehivavy malagasy mpilalao Rugby. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana izy ireo tamin’io fihaonana io, ary nanolotra tsodrano ho an’ireto ekipam-pirenena malagasy hitondra avo ny voninahim-pirenena ireto izy.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny mpikarakara ny « Ankizy milalao », omaly, fa tonga nanatrika ny famaranana ny hetsika baolina kitra natokana ho an’ny kilonga, ny solontenan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa tany amin’ny fanokafana ny hetsika dia tsy tazana ny tomponandraikitra.
Hotanterahina any Indonésie, ny 11 hatramin’ny 17 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, ho an’ny taona 2025. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena roa lahy, ahitana an’ i Rado sy i Maurice. Nandeha irery izy ireo fa tsy nisy mpanazatra nanaraka noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nianto-tena tanteraka ihany koa izy roa lahy ireto, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny Bodybuilding. Omaly izy ireo no nanainga teto an-tanindrazana ary hanomboka anio ny fifaninanana raha ny fandaharam-potoana.
Ratsy fiafara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Sénior 2025. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny alahady 9 novambra lasa teo. Tsy tontosa hatramin’ny farany mantsy ny fihaonana teo amin’ny sokajy lehilahy, nikatrohan’ny Littoral SC Atsinanana sy ny HBC Cut Atsimo Andrefana. Niala an-daharana ary tsy nety nanohy ny lalao intsony ny ekipan’ny HBC Cut, teo amin’ny minitra faha-53. Efa nitarika tamin’ny isa, 23 no ho 21 ny klioban’Atsinanana, tamin’io. Voahosotra ho tompondaka, araka izany, ny Littoral SC. Tsiahivina fa rava tsy lera toy izao koa ny famaranana teo amin’ny Cosfa sy ny AS St Michel, tamin’ny taon-dasa.
Ho an’ny vehivavy indray, norombahin’ny My-Sah Atsinanana ny amboara rehefa nandresy ny THBC Analamanga, tamin’ny isa tery 25 no ho 24, izy ireo. Niady hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI) izany ireo ekipa roa niatrika ny famaranana.
Tompondaka
Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy.
“Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina baolina kitra (FeGuiFut). Nambarany, omaly, fa efa nandefa taratasy tany amin’izy ireo ny Fifa fa i Kenya sy i Madagasikara no hifanandrina amin’izy ireo, ny 12 sy ny 17 novambra ho avy izao, any Turquie.
Diso, araka izany, ilay fanambarana nataon’izy ireo, ny zoma 7 novambra lasa teo, izay milaza fa tsy ao anatin’ny fandaharan’izy ireo ny fifanandrinana amin’ny ekipa nasionaly malagasy. Nisy mihitsy aza ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety, nanaovan’izy ireo fanambarana fa mpilalao 24 no nantsoin’ny mpanazatra, hifandona amin’i Zambia sy Kenya, tamin’io fotoana io ihany.
Ankoatra izay, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa efa vita tanteraka ny famandrihan-toerana eny anivon’ireo hotely ho an’ny ekipa nasionaly malagasy hiatrika io fihaonana ara-pirahalahiana io.
Mbola hanohy ny asany ve i Corentin Martins?
Aorian’io fihaonana ara-pirahalahiana io, fantatra fa hifarana ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’ny mpanazatra Corentin Martins sy ny FMF. Mbola baraingo ny ho tohin’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Tsiahivina fa tamin’ny fitondrana teo aloha, ny fanjakana sy ny Federasionina no mandoa ny karaman’ity mpanazatra ity. Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola nisy ny filazana ofisialy fa nisy ny fanavaozana fifanarahana teo amin’ny mpanazatra sy ny rafitra federaly.
Fitia Randria
Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC). « Maika ny fiatrehana ny fahavaratra izay efa manomboka amin’izao fotoana », hoy ny tele jeneraly vaovao, Ramanantsoa Gabriel.
Heverina ho 3 ny rivodoza handalo eto Madagasikara ary efa miomana amin’izany ny BNGRC. Ampiharina ny teknika rehetra nozaraina tamin’ ny fampiofanana nomena teny ifotony dia ny fisorohana ny hamafin’ny fiantraikan’ny loza mba hampihena ny fahavoazana. Hisy ihany koa ny fitaovana vaovao omen’ny tetikasa “Mionjo”, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hahafahana miatrika ny karazana loza mety hiseho. Ankoatra izany, ny fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny orinasa Rio Tinto, hanampy ireo efa an-tanana hiatrehana ny fahavaratra…
Efa vonona ny Tahirim-pirenena hiatrehana ny loza avy amin’ny fanjakana ary efa voafaritra ny fitsinjarana izany amin’ireo faritra tena mila azy.
Faritra 12 no efa fantatra fa anisan’ny tena marefo ka hisitraka io tohana manokana io. Efa nisitraka fiofanana avokoa ireo kaominina ao anatin’ izany faritra izany hahafahana mifehy ny loza mialoha sy mandritra ary aorian’ny fandalovany.
Tatiana A
Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antanimena, omaly, ny Mpisolovava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Notsiahiviny ny tranga ny alahady teo, teny Andranobevava. Fiantsoana niafara tamin’ny fisavana trano sy ny nitondrana ny vadin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, eny amin’ny biraon’ny Bianco, Ambohibao. “Mampalahelo ny zava-misy. Renim-pianakaviana mbola mampinono, no nentina amin’ny raharaha tsy misy idirany. Tsy manana andraikitra ao amin’ny CUA ary tsy atahorana handositra izy, nefa nohazonina arahi-maso hatramin’izao. Mampieritreritra raha olona tsy mahalala na inona na inona ary tsy manana birao etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna tazonina any. Tokony halefa mody izy ireo », hoy izy.
Fampihorohoroana
Nohamafisin’ity mpahay lalàna ity fa mbola nihaodihaody teny Andranobevava ny mpitandro filaminana, omaly. “Midika ho fampihorohoroana ve izany?”, araka ny fanontaniany. “Olona efa namoahana tsy fahazoana mandika ny sisintany, ny minisitra teo aloha Andriantsitohaina Naina. Efa nilaza izy fa tsy nangalatra ka vonona ny hamaly ny fanontaniana rehetra amin’ny fotoana ilana izany. Tsy manakana azy tsy hivezivezy eto amin’ny tany sy ny firenena kosa anefa izany”, hoy hatrany izy. Mangataka ny hampodiana ny vadin’ny minisitra ny mpisolovava azy.
Tsy misy idirany
Mahakasika ny raharaha izay voizina fa mahavoasaringotra sy hiampangana ny minisitra teo aloha Andriantsitohaina Naina, dia mazava ny fanambaran’ny mpisolovava, omaly. “Ny SMGD no nifampiraharaha tamin’ny Cnaps. Tsy nanao sonia akory ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ny tenany na dia ben’ny Tanàna aza tamin’izany fotoana. Manaporofo ny maha madio azy sy ny finiavany nanara-dalàna ny nandoavan’ny SMGD na ny Kaominina izay mpisitraka mivantana ny tombontsoa ny vola nandritra ny nitondrany ny tanàn’Antananarivo”, hoy hatrany izy.
Notsiahiviny fa : « Nankatoavin’ny filankevitry ny tanàna ny fananganana ny SMGD ary nahazo ny tsodranon’ny filankevi-pitantanana (CA) koa ny Cnaps. Misy ny tatitra sy fifanarahana avokoa izany ka nahazoana ilay vola 11 miliara Ar», hoy ity mpisolovava ity.
Efa tsy nanana andraikitra
Notsiahiviny fa voatendry ho minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny janoary 2024 ary efa tsy nanana andraikitra tao amin’ny CUA intsony. Nanteriny fa nanao famindram-pitantanana mazava ary misy rahateo ny fitohizan’ny asam-panjakana. Efa tsy anjarany intsony ny aty aorian’izany. « Tsy mitombina raha olona efa tsy eo no mbola hitsabaka amin’izany », hoy izy namarana ny resaka.
Synèse R.
Taorian’ny fihaonambe nataon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo am-panatanterahana ny asa izay tafakatra 150 000 Ar.
Ho an’ireo tratran’ny fifindran-toerana tsy ara-drariny sy manana olana amin’ny fisondrotana grady kosa dia manatona ny minisitera na ny biraon’ny Triade hikarakarana izany haingana araka izay tratra.
Miantso ny mpiasan’ny fahasalamana hiverina hanohy ny asany eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana amin’izay ny sendikàn’ny Triade. Miditra amin’ny dinika an-databatra boribory iarahanaa amin’ny rafitra rehetra hampiharana ireo fitakiana ny sendikà manomboka eto. Tafiditra amin’izany ny dinika amin’ny Filoham-pirenena, Primatiora, ireo minisitra sy solombavambahoaka…
Mila atao maika koa ny fananganana ny sendikàn’ny Triade isam-paritra hirosoana hatrany amin’ny asa fanavaozana sy hanafainganana izany.
Tatiana A
Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola.
Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito.
Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana fa tandindomin-doza ny famatsiana ireo fitaovana fandrindram-piterahana noho ny fihenan’ny famatsiam-bola saika maneran-tany. Hisy akony ratsy amin’ny fahasalamana ara-pananahana izany ka mila anaovana ezaka mahery vaika.
Tetsy andaniny, ny tale mpanatanteraky ny UNFPA, Diene Keita, dia nilaza fa nanavotra ain’olona an-tapitrisa ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tao anatin’ny 50 taona. Manao izany ho paikadim-pitsaboana mahomby mihitsy ny tomponandraikitra ara-pahasalamana maneran-tany.
Amin’izao fotoana, tandindomin-doza ny sehatry ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana maneran-tany noho ny tsy fahampian’ny tohana ara-bola. Mahatsapa ny UNFPA fa mihena ny tahiry amin’ireo firenena miankindoha amin’ny famatsiana iraisam-pirenena.
Miomana amin’ny mety ho firongatry ny vohoka tsy irina, araka izany, ny rafitra ara-pahasalamana. Mifandraika indrindra amin’ny mety fiakaran’ny tahan’ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana izany. Manginy fotsiny ny fanalan-jaza an-tsokosoko mitera-doza.
Azo heverina ny fitomboana mihoa-pampana amin’ny vohoka aloha loatra, ny fialana an-daharana an-tsekoly…
Rehefa afaka misitraka ny tolotra momba ny fanabeazana aizana anefa ny vehivavy sy ny tanora dia afaka mandrindra ny fiainana ara-pananahany amin’ny fisorohana ny vohoka tsy iriana sy fandrindrana ny zaza ateraka. Afaka mamita ny fianarany tsy misy ahiahy ny tanora, miasa malalaka tsy misy tebiteby.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael.
Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny Repoblika », hoy izy, nanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Sadc. Nohamafisiny fa tamim-panetretena ny nandraisan’i Madagasikara ny fanapahan-kevitra ny hiala tsy ho filoha mpitarika ity vondrona ara-toekarena ity. Nambarany tamin’izany koa ny fanehoana firaisankina sy hanamafisana ny fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana iombonana. Nohamafisiny fa mandala hatrany ny foto-kevitry ny Sadc amin’ny alalan’ny firaisankina sy ny filaminana ary ny fampiroboroboana ny fampandrosoana i Madagasikara. Nanteriny fa ao anaty kihon-dalana sy dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny firenena, anisan’izany ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka malagasy ny Andriampanjakana demokratika sy lovainjafy. Naneho fankasitrahana feno ihany koa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, ny amin’ny fandraisan’ny Sadc toerana am-piheverana sy ny fanapahan-kevitra voalanjalanja. Tsiahivina fa tapaka nandritra izany fivoriana izany ny hitantanan’i Afrika Atsimo vonjimaika ity vondrona ity manomboka izao?
Synèse R.
Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily.
Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raharaha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, tamin’ny fisavana anefa, ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, ka nentin’ireo mpitandro filaminana ny vadiny, teratany Alemà sy ny mpanampy an-trano iray. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa hanaovana fanadihadiana eny amin’ny Bianco, eny Ambohibao, ireo olona roa ireo.
Etsy andaniny, nalain’ireo mpitandro filaminana tamin’izao fisavana ny trano izao ireo antontan-taratasy maromaro sy ny fiara roa teo an-toerana.
Tsiahivina fa vao avy nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, ny herinandro teo, ny tale jeneralin’ny Cnaps ka nilaza ny momba ny fandoavan’ny SMGD ny ampahany amin’ny trosa. Nambarany tamin’izany fa maherin’ny 5,8 miliara Ariary ny vola efa naloan’ny SMGD tamin’ny Cnaps hatramin’ny volana avrily 2024. Nanambara kosa ny avy amin’ ny eo anivon’ny SMGD, ny herinandro teo ihany, fa vonona ny hifampiresaka momba ny ambin’ny vola tokony haverina io izy. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ity raharaha ity.
Synese R.
Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy.
Nilaza izy fa tokony hanaraka ny ohatra tsara asehon’ireo kalaza any ivelany ireo mpilalao eto an-toerana, toa an’i Sadio Mané, senegaley, izay manangana fotodrafitrasa sy manampy mivantana ny klioba fiaviany. Raha misy hevitra tiana haroso, hoy ny filohan’ny klioba, dia tokony hangonina izany ary hatolotra mivantana ny federasionina.
Ankoatra izay, nanolotra baolina ho fanohanana ny klioba Ajesaia, teny an-kianja, ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io. Maro tamin’ireo mpilalaon’ny Ajesaia no nandrafitra ny Barea Can, Chan, lalaon’ny Nosy.
F.R
Natolotry ny Fiadidian’ ny Fanavaozan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay tarihan’ny Filoha Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny misiteran’ny Fanajariana ny Tany ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Oniverisiten’ Antananarivo omaly, ireo trano “Lake Village Ivato”, etsy Tsarasaotra. Mpianatry ny Oniverisite miisa 700 mahery eo no hapetraka amin’ireo trano ireo raha ny fanazavana azo teny an-toerana. Araka ny fandaminana nataon’ireo tomponandraikitra, ireo mpianatra Masters II, hisitraka ity fahazoana trano maimaimpoana ity. Nambaran’ny lehiben’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara, fa manaporofo sahady ny fanampiana ireo tanora sy ireo mpianatra izay andry sy hoavin’ny firenena, izao hetsika hataon’izy ireo izao. Tsara ny mampahafantatra fa ho entitra tanteraka ny fanaraha-maso ireo mpianatra misitraka izao fanampiana izao. Nampitandrina ihany koa ny Filoham-panjakana, mba tsy hanao kolikoly fa izay mpianatra mendrika ny hipetraka anatin’io trano io, ihany no hilafika ao. Mahakasika ny Oniversite Ankatso indray, nilaza ny Filoham-panjakana fa mitohy hatrany ny hetsika fanamboarana ny trano fonenana sy ny fidiovana, ary ny fametrahana ny angovo azo avy amin’ny herinaratra ary ny fametrahana lava-drano hamatsiana rano ho an’ny mpianatra.
Fitia Randria
Araka ny vaovao hita omaly, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray ny fanombohan’ny lalao ho an’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Tsy nanome ny antony mazava amin’izay mety nampihemotra izany moa ny eo anivon’ny ligy. Marihina fa tokony natomboka anio izany fifaninanana eto an-dRenivohitra izany.
Anatin’ny fiomanana tanteraka ny mpikarakara ny “Muay Thai Tournament 3”, izay hatao any Toamasina, ny 23 novambra izao. Efa voaomana avokoa ny fitaovana sy ny amboara hozaraina amin’ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mitohy ihany koa ny fanomanan-tena ho an’ireo mpikatroka handray anjara.
Hifindra hila ravinahitra any Mayotte, ny Malagasy mpilalao basket, Randriamampionona Elly, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina malagasin’ny basikety. Mpilalao anisan’ny tafiditra Anatin’ny ekipam-pirenena hifantenana izay hiatrika ny Fiba 3X3 Africa Cup i Elly, ka mbola anisan’ny miatrika fampivondronana ihany koa.
Efa tazana nandritra ny herinandro lasa teo ny lisitr’ireo mpilalao brezilianina, mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Brezila. Tsy tazana anatin’izany, i Neymar sy i Raphina ary i Endrick. Tsy mbola manana fahatokisana amin’i Neymar, araka izany, i Carlo Ancelotti, italianina, manazatra ny Seleçao Brezila.
Hiditra amin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fihaonana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny TFA Anatihazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa tonta satria efa ela nifampiandrasana.
Efa nifampitana izy ireo tao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana ka nivoaka ho mpandresy ry zareo Anatihazo. Hanala vela izany, amin’ity, Andranomanalina, ahitana ireo mpilalao sangany amin’izao fotoana izao, toa an-dry Romeo, Jean-Yves, Julio, Mika mpilalaon’ny FTM teo aloha. Etsy ankilany, efa mampiakatra ireo mpilalao tanora ao aminy izay novolavolaina hatry ny ela ny TFA. Heverina izany fa ho resy izay ratsy fanomanana amin’ity. Mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny Uscar kaominina sy ny USA Ankadifotsy, izay miverina amin’ny heriny tanteraka ankehitriny. Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny Cosfa (Bebaoty) ny STM (Savony). Fihaonana hipetrahan’ ny lojika satria raha ara-taratasy aloha ambony ny Bebaoty. Hanokatra ny lalao rehetra ny an’ny D1, sokajy vehivavy, hifandonan’ny SCB Besarety sy ny RCTS Soavimasoandro.
Tompondaka
Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. Ny 18 hatramin’ny 20 desambra kosa no hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isan-tarika. Sambany no natao mitokana izany, araka ny fitsipika eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ary sambany ihany no handray izany ny ligin’Analamanga, nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny karate, fa vonona izy ireo ary efa nanomboka ofisialy omaly ny fanomanana. Nambaran’ny filohan’ny federasiona ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile fa afaka mandray anjara daholo ny mpikatroka rehetra tsy ankanavaka ary afaka misoratra anarana amin’ny alalan’ny kliobany, na ny Seksiona, na ny ligy izy ireo raha toa mahafeno ny isa sy ny fepetra. Natao sahady izany hanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara amin’ny taona hoavy satria mila atleta 50 manana ny haavo teknika kontinentaly i Madagasikara amin’io fifaninanana io. Manohana sy mifanolo-tanana amin’ny fikarakarana ity fifaninanana ity, ny orinasa SV, Vaniala ary ny Yas Madagasikara.
Mi.Raz
Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao.
“Roa ihany !” Ramandimbisoa Michel, na i Toldo, sy Rabemanantsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly 22 ny mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea A, hiatrika ny fihaonana ara-pirahalahiana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao.
Araka ny fanadihadiana natao, noho ny tsy fanombohan’ny fifaninanana eto Madagasikara no nampihena ny isan’ireo avy eto an-toerana handrafitra ny Barea. Tsy tazana anatin’izany lisitra izany i Marco Ilaimaharitra raha toa ka niverina i Thomas Fontaine sy Mathieu Acapandié ary i Hakim Abdalah.
Natao hanomanana ny fifanintsanana “Can 2027” ity lalao ara-pirahalahiana ity, sady hahazoana isa amin’ny filaharan’ny Fifa. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava ny daty hiaingan’ny delegasionina malagasy mankany an-toerana.
Tokana ihany …
Tokony hanana lalao ara-pirahalahiana roa ny Barean’i Madagasikara, ankoatra ity fihaonana amin’i Guinée Equatoriale ity. Raha ny fantatra teo aloha, dia efa vonona ny hifandona amin’ny ekipa nasionaly malagasy i Kenya, saingy tsy raikitra izany. Tsy nisy nahafantatra ny tena antony nanajanonana io lalao io ny mpankafy. Hatreto, mbola mitana ny laharana faha-106 ny ekipam-pirenena malagasy. Ny 19 novambra ho avy izao, hivoaka indray ny filaharan’ny Fifa vaovao.
Fitia Randria
Lisitr’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara :
Mpiandry harato : Zakanirina Rakotoasimbola (As Marsouins), Geordan Dupire (FC Swift Hesperange), Michel Ramandimbisoa (Elgeco Plus)
Vodilaharana : Sandro Tremoulet (FK Radnik Surdulica), Eshan Kari (Étoile FC – Fréjus-Saint Raphaël), Andy Pelmard(Jagiellonia Białystok),Thomas Fontaine (Goal FC), Morgan Jean Pierre(Fleury FC), Ryan Ponti(Rodez Aveyron Football), Mathieu Acapandié(FC Nantes), Radoniaina Rabemanantsoa(AS Fanalamanga)
Afovoany : Nicolas Randriamanampisoa (Al Merreikh), Clément Couturier (Thionville), Rayan Raveloson(Young Boys), Lalaina Rafanomezantsoa (Paradou Athletic Club), Tommy Iva(Créteil Lusitanos), Johan N’zi
Lohalaharana : Hakim Abdallah(UTA Arad), Arnaud Randrianantenaina(El Gouna FC), Njiva Rakotoharimalala(Ratchaburi FC), El Hadary Raheriniaina(Valenciennes FC),Warren Caddy (FC Stade Lausanne-Ouchy),Bryan Adinany(K. Lierse S.K)
Na tsy manana lalao hatrehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly.
Hifanandrina amin’i Guinée Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, Turquie. Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ ny datin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) izany fihaonan’ny roa tonta izany. Andrasana izay ho firafitry ny mpilalao ho antsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, amin’io lalao io. Heverin’ny rehetra fa tokony ho maro an’isa ireo mpilalao avy eto an-toerana, sady hitsapana azy ireo.
Tsy ekipa vaovao amin’ny Barea akory ny ekipan’i Guinée Equatoriale fa efa nifanehatra tamin’ny Malagasy matetika. Lalao ofisialy avokoa izany, izay miisa 4. Raha ny antontanisa, fandresena telo ho an’ny Barea ary iray ny an-dry zareo Gineanina. Ny taona 2011, fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial”. Ny 11 novambra lavon’i Guinée Equatoriale, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Barea. Ny 15 novambra, resin’i Madagasikara, 2 no ho 1, ry zareo, Ny 13 oktobra sy ny 16 oktobra 2018, indroa resin’ny Barea ry zareo. Samy lavo tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 avokoa.
Tompondaka
Hifarana anio ny fihaonamben’ny fanatanjahantena maneran-tany. Fihaonana notanterahina tany Rosia, nanomboka ny 5 novambra lasa teo. Niatrika izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy sy ny sekretera jeneraliny. Lohahevitra maro no nodinihina nandritry ny hateloana nanatanterahana ny hetsika.
Notontosaina nanomboka ny 3 novambra lasa teo hatramin’ny anio, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny taranja judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Manana solontena 7 i Madagasikara, ka saika efa nahavita ny anjarany avy. Nihintsana tamin’ny ady voalohany sy tafapetraka eo amin’ny laharana fah-7 ireo Malagasy mpikatroka.
Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 17 taona. Natao hanomanana ny lalao afrikanina ho an’ny Tanora, hotanterahana any Luanda, Angola, ny tapaky ny volana desambra 2025 izy io. Mpilalao, lehilahy 22 sy vehivavy 20, no miatrika izany eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.
Notanterahina, omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja handball, sokajy Sénior. Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny sokajy vehivavy, satria lavon’ny Sifaka Amoron’i Mania ny THBC Analamanga, anisan’ny ekipa goavana eto Madagasikara. Niondrika tamin’ny isa tery, 21 no ho 20, ireto farany. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery. Nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Efa tany amin’ ny segondra farany vao nivoaka ho mpandresy ry zareo avy any Amoron’i Mania.
Ankoatra izay, manohy ny lalany ny My-Sah Itasy, raha nandavo ny HBC TB5 Atsinanana, tamin’ny isa mazava, 39 no ho 19. Nanatombo tamin’ny fahaiza-manao ny ekipan’ Itasy. Hita ny elanelana teo amin’ny roa tonta tamin’ny tanjaka sy ny taktika. Nitarika hatrany ny My-Sah tamin’isa. Ho an’ny vokatra hafa, tsy nahasakana ny TMI Ihosy ry zareo HCT Bongolava. Nisaraka tamin’ny isa 53 no ho 12 ny fihaonana teo amin’izy ireo.
Tompondaka
Iray volana mialoha ny fifaninanana, nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa mandroso ny fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity. Fanambarana nataony teny amin’ny biraon’ny FMBB 67 Ha, omaly.
Hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Ekipa, sokajy lehilahy 14 sy sokajy vehivavy 10 no hifaninana amin’izany, izay efa nahavita ny fanamafisana fisoratana anarana avokoa. Efa mandroso ary efa iray volana izay no nanomboka ny fikarakarana, araka ny nambaran’ny filohan’ ny FMBB. Delegasionina avy amin’ny Fiba 20 eo, miampy ireo ekipa teknika no ho avy eto Madagasikara. Hampiavaka ity fifaninanana ity ny fisian’ny Var sy ny fampiasana fitaovana vaovao avy amin’ny Fiba. Notsiahivin’ny filohan’ny FMBB fa tombony maro no azo rehefa mandray fifaninanana iraisam-pirenena toy izao. Anisan’izany ny fanomezana voninahitra ny firenena mampiantrano sy ny fanomezan-danja ny ekipa ao aminy izay mampitombo ny herijika handrombahana ny amboara. Vonona hitazona ny anaram-boninahitra ny ekipa malagasy. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny taranja basikety amin’ny ankapobeny. Tsy vao sambany no mandray fifaninanana iraisam-pirenena
toy izao i Madagasikara. Ity “Africa Cup 3×3” ity no fifaninanana iraisam-pirenena faharoa noraisin’i Madagasikara raha ny tamin’ity taona ity. Anaty fanomanana tanteraka ny ekipa nasionaly. Efa telo herinandro izay no nanomboka ny fanomanan-tenan’ny mpilalao ary mitohy hatramin’ ny andron’ny fifaninanana izany. Efa manomboka manao ny sivana ihany koa ny ekipa teknika, ka 6 lahy sy 6 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ity fifaninanana ity. Zava-dehibe ny fiatrehana sy fahazoana fandresena
amin’izao “Africa Cup 3×3” hatao eto Madagasikara izao satria fanombohana amin’ny fangalana isa ho amin’ny lalao Olympika hoavy, izay hatao any Los Angeles.
Mi.Raz